Ny fiadanana avy amin’Andriamanitra: rahoviana?
“Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro an’i Satana faingana eo ambanin’ny tongotrareo.” — ROMANA 16:20.
1, 2. a) Inona no nambaran’ny olon-kendry hindoa iray momba ny ady sy ny fiadanana? b) Iza moa ireo sambatra manjary manana ny fiadanana avy amin’Andriamanitra?
“RAHA mitohy ny fifaninanana amin-kadalana manao fitaovam-piadiana, izany dia tsy hitarika afa-tsy ho amin’ny famonoana olona mbola tsy nisy toy izany mihitsy teo amin’ny Tantara. Ary raha misy mpandresy, ny fandresena koa aza dia hisy tsirom-pahafatesana ho an’ilay firenena hahazo izany.” Io fahatsinjovan-javatra mialoha nataon’i Mohandas Gandhi tamin’ny 1938 io, raha ny marina, dia nihoatra ny faritry ny androny.
2 Talohan’izay, tamin’ny 1931, dia izao no nambaran’i Gandhi tamin’ny lefitry ny mpanjaka britanika iray: “Rehefa tonga amin’ny fifanarahana miorina amin’ireo fampianaran’i Kristy voasoratra ao amin’ny Toriteny teo an-tendrombohitra ny taninao sy ny ahy, dia ho voalamintsika, tsy ireo zava-manahirana ny tanintsika anankiroa ihany, fa ny an’izao tontolo izao manontolo koa.” Araka ny nasehon’ilay olon-kendry hindoa, ny toritenin’i Jesosy dia mampiseho ny lalan’ny fiadanana maharitra. Izao no lazain’i Kristy ao amin’io toriteny io: “Sambatra ny mpampihavana [tsy tia ady, MN ]; fa izy no hatao hoe zanak’Andriamanitra.” (Matio 5:9). ‘Zanaka’ maro izao no manana fiadanana avy amin’Andriamanitra. Rehefa mandeha ny fotoana, ny manetry tena rehetra amin’ny tany dia “hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana”. (Salamo 37:11.) Afaka matoky anefa ve isika fa hitranga izany?
3. Nahoana moa no tsy misy tena fiadanana amin’izao andro izao eto an-tany?
3 Amin’izao andro izao, dia mihelohelo eo ambonin’ny olombelona ny zava-mahatahotra ny amin’ny fahafoanan’izao tontolo izao. Araka ny fandinihana vao haingana, dia “azo lazaina ho faran’izay hadalana ny nandaniana telo ka hatramin’ny efatra arivo lavitrisa [eo amin’ny 250 000 lavitrisa ariary] hatramin’ny Ady Lehibe Faharoa mba hanorenana tahirim-piadiana noklehera, izay ny fampiasana azy dia hitarika famonoan-tenan’ny olombelona amin’ny ambaratonga maneran-tany. (...) Ny hery lehiben’ny tahirim-piadiana noklehera dia ampy hamonoana olona 58 lavitrisa, izany hoe avo roa ambin’ny folo heny ny isan’ny mponina amin’ny tanya”. Tsy mitsahatra ny mihamafy anefa izany fifaninanana amin-kadalana izany. Raha ny marina dia adala no dikan’ny fanafohezana ny hoe Fifandringanana Azo antoka (MAD: adala) amin’ny teny anglisy, dia io hevitra mivembena anankinan’ireo firenena mahery indrindra ny lazainy fa fiadanana io. Azo antoka fa tsy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra akory izany.
4. a) Fisehoan-javatra inona no atolotr’izao tontolo izao ankehitriny? b) Fanantenana mafy orina inona anefa no velomin’ireo mpivavaka amin’i Jehovah?
4 Amin’ny lafiny rehetra, izao tontolo izao dia mampiseho endrika mampalahelo. Mbola tsy nijaly toy izao mihitsy ny olombelona noho ny fandraisana kolikoly ara-politika, ny herisetra miteraka heloka bevava, ny fanahiana ara-toe-karena, ny tsy fahatahorana an’Andriamanitra sy ny fisafotofotoana ara-pivavahana. Mbola tsy marina toy ny ankehitriny mihitsy ity fanambarana momba ny olombelona ity: “Izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary.” Mampanantena anefa Andriamanitra fa ny olombelona noforoniny dia “hovotsorana amin’ny fahandevozana, dia ny fahalovana, ho amin’ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra”. (Romana 8:21, 22.) Ireo izay tia ny fiadanana sy mivavaka amin’ilay Andriamanitry ny Baiboly, Jehovah Mpanjaka Tompo, dia mahazo antoka fa miditra ao amin’izany fahafahana izany. Io fahafahana io dia ho latsa-paka mafy ao amin’ny tena fiadanana, dia ny fiadanana mandrakizay (Ezekiela 37:26-28). Fa rahoviana ary amin’ny fomba ahoana no hahatongavan’izany fiadanana izany?
Ny fomba fiheveran’Andriamanitra “ny andro sy ny fotoana”
5. Inona no fanontaniana mipetraka momba ny I Tesaloniana 5:1?
5 Nampionona an’ireo kristiana tany Tesalonika ny apostoly Paoly tamin’ny fanazavana tamin’izy ireny fa ny fananganana ny maty dia mifamatotra amin’ny “fanatrehan’ny Tompo” Jesosy. Izao no nolazainy tamin’izy ireny nanaraka izany: “Fa ny amin’ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo.” — I Tesaloniana 4:15; 5:1.
6. Ahoana no ahafantarantsika fa zava-dehibe amin’Andriamanitra “ny andro sy ny fotoana”?
6 Milaza ve ny tenin’ilay apostoly fa tsy zava-dehibe eo imason’Andriamanitra “ny andro sy ny fotoana”? Tsy izany velively (Mpitoriteny 3:1)! “Rehefa tonga ny fotoan’andro”, tamin’ny fahataperan’ny herinandron-taona sivy amby enimpolo, “dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany”. Ary ny fanompoan’i Jesosy dia naharitra telo taona sy tapany — nanomboka tamin’ny taona 29 ka hatramin’ny taona 33 amin’ny fanisan-taona iraisana araka ny voalazan’ny faminaniana (Galatiana 4:4; Daniela 9:24-27). Tamin’ny fahataperan’ny “andro voafetra ho an’ireo firenena indrindra, tamin’ny 1914, no nanendrena an’i Jesosy ho mpanjaka tao “Jerosalema any an-danitra”. (Lioka 21:24, MN; Hebreo 12:22; Ezekiela 21:32; Daniela 4:28, 29.) Ho avy amin’ny “andro” sy ny “ora” voatendrin’i Jehovah ny “fahoriana lehibe”. “Tsy ho diso aoriana loatra izany.” — Matio 24:21, 36; Habakoka 2:3, MN.
7. Nahoana moa i Paoly no tsy nila ny niresaka tamin’ny Tesaloniana ny amin’ny “andro sy ny fotoana”?
7 Tamin’izay fotoana izay anefa i Paoly dia tsy nila niresaka ny amin’ny “andro sy ny fotoana”. Ireny kristiana tany Tesalonika ireny dia efa nino mafy fa niaina tamin’ny “fotoana” fifaranan’ny fandehan-javatra jiosy izay ho tapitra, tokony ho roapolo taona aty aoriana, tamin’ny 70 amin’ny fanisan-taona iraisana, izy ireo. Ny zotom-pon’izy ireo sy ny “hafaliana avy amin’ny Fanahy Masina” dia namirapiratra sy nampiseho azy ireo ho ohatra (I Tesaloniana 1:4-7). Toy izany koa amin’izao andro izao, tsy isalasalana mihitsy ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah fa ireo ady iraisam-pirenena sy ireo fisehoan-javatra mampahory hafa izay nitranga nanomboka tamin’ny 1914 dia “famantarana” ny fanatrehan’i Jesosy tsy hita maso ao amin’ny hery sy ny voninahitry ny Fanjakany. — Matio 24:3-8; 25:31.
8. Nahoana moa isika no tokony hiambina sy hiasa hatrany?
8 Rehefa avy eo, dia nanome toky an’ireo namany kristiana tamin’izao teny izao ilay apostoly: “Satria hianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo.” (I Tesaloniana 5:2). Na dia tsy fantatsika aza ny fanisanandro marina ny amin’ireo fisehoan-javatra, dia fantatsika fa ny andro hampiharana ny fitsarana dia manatona tsy azo sakanana. Hitranga tampoka izany, hiaraka amin’izay, amin’ny fotoana voatendrin’Andriamanitra. Noho izany, dia tokony hifoha sy hiasa hatrany isika. — Lioka 21:34-36.
Antso farany ho an’ny fiadanana
9. a) Antsoantso inona no halefa, ary nahoana ireo tena kristiana no tsy mandray anjara amin’izany? b) Iza no hanambara izany antso izany, ary amin’ny ahoana ny mpanao izany no mitovy amin’ireo mpitondra tamin’ny andron’i Jeremia?
9 “Fiadanana sy filaminana!” Eo i Paoly dia mampiomana antsika ny amin’ny fanambarana ho re amin’ny fara herin’ny ‘fanatrehan’i’ Kristy (I Tesaloniana 5:3, MN ). Handre tsy ho ela an’io antsoantso io ve isika? Mety ho avy aiza izany antso ny amin’ny fiadanana sy filaminana maneran-tany izany? Mazava ho azy fa tsy avy amin’ireo mpianatr’i Kristy, satria nanambara i Jesosy fa na ireo na ny Fanjakany dia tsy “naman’izao tontolo izao”. (Jaona 15:19; 17:14, 16; 18:36.) Ireo izay hanambara io antsoantso io àry dia tokony ho olona tia izao tontolo izao ka manohitra ilay Fanjakan’Andriamanitra ho avy. Izy ireny dia anisan’izao tontolo izao izay “mipetraka eo amin’ilay ratsy”, dia Satana Devoly (I Jaona 5:19). Sahala amin’ireo filoha ara-politika sy ara-pivavahana tamin’ny andron’i Jeremia, dia hanambara “ny fahitana avy ao am-pony ihany” izy ireny ka hanao hoe: “Hahita fiadanana hianareo.” Hilaza amin’ny fomba diso izy ireny fa avy amin’Andriamanitra izany fiadanana izany. Hiharihary fa diso tanteraka ny fihamboan’izy ireo. — Jeremia 23:16, 17, 19, 20.
10. Fisehoan-javatra nisesy inona no nitarika ho amin’ny tarehin-javatra ankehitriny eo amin’izao tontolo izao?
10 Misy fisehoan-javatra misesy mitarika ho amin’io antsoantso hoe “Fiadanana sy filaminana!” io. Tamin’ny 1920, dia teraka ny Fikambanam-pirenena, nanaraka ny Ady Lehibe, antsoina ankehitriny hoe Ady Lehibe Voalohany. Ny fikasan’ny S.D.N. dia ny hanaisotra ho mandrakizay ny ady. Namarina ny S.D.N. ho any amin’ny lavaka tsy hita noanoa anefa ny Ady Lehibe Faharoa. Ny 24 oktobra 1945, dia hita io fandaminana io teraka indray avy amin’ny lavenony nitondra anarana vaovao, ny Firenena mikambana (Jereo Apokalypsy 17:8). Ny zava-kendreny voalohany dia ny “fitandroana ny fiadanana sy ny filaminana maneran-tany”. Ireo mpanorina azy dia naneho fahavononana “hitsimbina ireo taranaka ho avy tsy ho azon’ny loza avy amin’ny ady”. Afaka niantoka ny fiadanana sy ny filaminana ve ny O.N.U.?
11. Manao ahoana ny hamafin’ny fahasahiranana mahazo izao tontolo izao?
11 Na manao ahoana na manao ahoana fahatsoran’ny mpanorina sasany ny O.N.U., io fandaminana io, tahaka ny S.D.N. teo alohany, dia tsy nahatratra ny zava-kendrena noferany tao amin’ny fitsipika itondrana azy. Noho ny fiadiana noklehera, ankehitriny izao tontolo izao dia eo ambony barika feno vanja. Afa-tsy izany koa ny “retombées radioactives” nahakasika tapany lehibe amin’i Eoropa noho ny voina nitranga tany Tchernobyl, any U.R.S.S., tamin’ny aprily 1986 dia mampiseho fa na dia ampiasaina tsy ho amin’ny ady aza ny hery noklehera dia manana hery mahatahotra. Ny firenena sasany any Pasifika Atsimo dia manandrana mitana ny faritaniny hanalavitra ny faritra noklehera. Raha mipoaka anefa ny ady noklehera haneran-tany, dia tsy hisy ho tafita velona na aiza na aiza eo amin’izao tontolo izao.
“Fiadanana sy filaminana”: mety hisy ve izany?
12. Inona moa no fanambarana nataon’ny O.N.U. momba ny 1986, ary niteraka inona izany avy amin’ireo firenena?
12 Nahatsapa tanteraka ny fitomboan’ny fahasahiranana ny Firenena mikambana ka nanambara ny 1986 ho Taonan’ny fiadanana iraisam-pirenena. Tsy nitovy ny fomba fandraisana izany fitarihan-javatra izany avy amin’ireo firenena. Ny ankamaroany nanohana azy tamin’ny fomba iray na tamin’ny fomba hafa, sady nampahatsiahy fa ny ady noklehera dia mampiseho ny fandrahonana ny fiadanana lehibe indrindra. Mandritra izany fotoana izany, dia misy ady kely kokoa mipoaka hatrany any amin’ny faritra samihafa eo amin’ny gilaoby; hatramin’ny fahataperan’ny Ady Lehibe Faharoa, dia eo amin’ny 150 no nitranga, ka niteraka fahafatesan’olona maherin’ny telopolo tapitrisa. Azo atao ve ny milaza ny amin’ny firenena iray monja fa nitarika ny fanaovan-javatra mifanaraka amin’ny teny malaza ao amin’ny Isaia 2:4 voasokitra eo amin’ny rindrina iray manoloana ny foiben’ny O.N.U. izy?
13. Fanohanana inona moa no nentin’ireo filoha ara-pivavahana?
13 Ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao dia tsy ny farany nanohana an’io fihetsiketsehan’ny O.N.U. ho an’ny Taonan’ny fiadanana io. Nambaran’ny papa Jean-Paul II fa Andron’ny fiadanana iraisam-pirenena ny 1 janoary; nananatra an’izao tontolo izao ara-politika izy hanome ohatra mba ho voaorina ny fototra ilaina amin’ny fiadanana hatraiza hatraiza. Nasainy koa ireo fandaminana ara-pivavahana eo amin’izao tontolo izao mba hihaona hivavaka any Assise, any Italia, mandritra ny Taonan’ny fiadanana iraisam-pirenena. Ny arsevekan’i Cantorbéry, lehiben’ny arsevekan’ny Fiangonana anglikana, mbamin’ny fihetsiketsehana bodista maromaro, dia nandray tamin-kafanam-po izany fanasana izany. Ny fanakambanam-pinoana dia namoaka fanambarana ny amin’ny Taonan’ny fiadanana iraisam-pirenena ka niantso ho amin’ny fanafoanana ny fiadiana noklehera avy hatrany.
14. Inona moa no hany fepetra ilaina mba hahatanterahan’ny volavolan-kevitra momba ny fiadanana?
14 Kanefa, raha ny amin’ny fanorenana ny ‘fiadanana sy ny filaminana’, inona moa no sitrapon’ilay “Andriamanitra manome fiadanana”? Asehon’ny Teny ara-paminanian’Andriamanitra ve fa ny olona sy ny firenena tsy tanteraka dia afaka mitondra fiadanana sy filaminana ho an’izao tontolo izao? Azo antoka fa tsy izany! Mba hahatonga ny volavolan-kevitra toy izany “hahomby”, dia tokony hotanterahin’i Jehovah mifanaraka amin’ny fahamarinany sy ny fiderana azy izany. — Isaia 55:11, MN; 61:11.
Ny “fandringanana tampoka” tsy ho ela
15. Fanambarana manaitra inona no nataon’i Paoly nanaraka izany?
15 Manazava antsika ny amin’izay hitranga ny apostoly Paoly. Manohy ny teniny toy izao izy: “Rehefa hilaza izy ireo hoe: ‘Fiadanana sy filaminana!’, dia tsy maintsy ho avy miaraka amin’izay aminy ny fandringanana tampoka, toy ny fanaintainan’ny vehivavy raha hiteraka; ary tsy ho afa-mandositra mihitsy izy ireo.” — I Tesaloniana 5:3, MN.
16. Nahoana moa ny lalan’ireo firenena no tsy ny an’Andriamanitra?
16 Raha vao jerena voalohany ireo teny ireo dia mety ho toa hahatafintohina. Manampy antsika hahazo kokoa ny heviny anefa ny Baiboly. Amin’izao andro izao, ny lalan’ireo firenena dia tsy ny lalan’Andriamanitra (Isaia 55:8, 9). Matoa avelany hanohy hiasa ireo fitondram-panjakan’olombelona isan-karazany, dia mba hamaliana fanontaniana iray napetraky ny Menarana fetsy, dia Satana Devoly, tokony ho enina arivo taona lasa izay. Rehefa nahataona an’ireo ray aman-drenintsika voalohany Satana mba hifidy ny tsy fiankinana amin’Andriamanitra, dia nolaviny ny hilan’ny olombelona hotarihin’Andriamanitra. — Genesisy 3:4, 5.
17. Inona moa no ahariharin’ny Tantara ny amin’ireo fitondram-panjakan’olombelona, ary manaporofo inona izany?
17 Nandritra ireo arivo taona maro nanaraka, dia navelan’Andriamanitra ny olona hanandrana izao karazam-pitondram-panjakan’olombelona nety ho azony nosaintsainina rehetra izao. Na naharitra taona visivitsy izany na taonjato vitsivitsy, dia tsy nahomby tamin’ny fomba mampahonena daholo izy rehetra, satria tsy nisy na dia iray monja taminy aza afaka nitondra ny tena fiadanana sy filaminana. Na inona na inona fitondram-panjakan’olombelona nitana toerana, dia nahazo ny olombelona foana ny ady, ny heloka bevava, ny tahotra sy ny fahafatesana. Tamin’ny fotoana rehetra nisian’ny Tantara, dia “misy andro anapahan’ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy”. (Mpitoriteny 8:9.) Toy izany koa amin’izao andro izao. Izay rehetra mahatsapa izany dia afaka milaza sahala amin’ny mpaminanin’Andriamanitra hoe: “Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” — Jeremia 10:23.
18. Nahoana moa no ho zava-poana ny hiantsoantsoan’ireo firenena hoe “Fiadanana sy filaminana!”?
18 Akaiky izao ny fotoana handaminana indray mandeha an’io raharaha io. Ny fitondram-panjakan’Andriamanitra ihany no afaka mitondra ny tena fiadanana sy filaminana ho an’ny olombelona. Tsy ny fitondram-panjakan’Andriamanitra anefa no hotohanan’ireo firenena rehefa hiantsoantso izy ireo hoe “Fiadanana sy filaminana!”. Tiany ny hanohy hanapaka amin’ny fanarahana ny heviny feno fiavonavonana. Tapitra anefa ny fotoana. Tsapan’ireo firenena tsara fa tsy maintsy hisy fanaovan-javatra mafy. Raha tsy izany, dia hamoy ny zavatra rehetra ao amin’ny fandripahana noklehera izy ireny. Koa hataony izay nolazain’i Jeremia ara-paminaniana hoe: “Fa nataotaony foana ny fanasitranany ny faharatran’ny oloko zanakavavy tamin’ny nanaovany hoe: Fiadanana, fiadanana; kanjo tsy misy fiadanana tsinona!” Ho zava-poana anefa izany. — Jeremia 6:14; 8:11, 15.
Ny farany voalazan’ny faminaniana
19. Ahoana no hahatongavan’ny “andron’i Jehovah”?
19 “Miaraka amin’izay (...) ny fandringanana tampoka”, hoy ny apostoly Paoly. Nanampy teny toy izao Isaia, mpaminanin’Andriamanitra: “Indreo, ny lehilahy maheriny mitaraina eny ivelany; ny iraka nitady fihavanana dia mitomany mafy.” (Isaia 33:7). Andinin-teny maro ao amin’ny Baiboly no mampiseho amintsika fa ny fampiharana ny fanamelohan’i Jehovah ireo firenena sy ireo olona ratsy fanahy dia ho avy haingana, tsy ampoizina, tena “toy ny mpangalatra amin’ny alina”. (I Tesaloniana 5:2, 3; Jeremia 25:32, 33; Zefania 1:14-18; II Petera 3:10.) Amin’ny fotoana hanambaran’izao tontolo izao mafy fa nahatratra fifandanjana sasany izy eo amin’ny fiadanana sy ny filaminana, dia ho avy tampoka amin’ny fomba mahatahotra ny “andron’i Jehovah”. Ho fantatry ny olon’Andriamanitra izany antsoantso hoe “Fiadanana sy filaminana!” izany ary ho voaro ao amin’ny fialofana nomanin’i Jehovah izy. — Salamo 37:39, 40; 46:1, 2; Joela 4:16.
20. a) Karazana “bibi-dia” manao ahoana moa ny O.N.U.? b) Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny fivavahan-diso, ary nahoana?
20 Ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny asan’ny Fikambanam-pirenena sy ny mpandimby azy, ny Firenena mikambana, dia oharina amin’ny an’ny “bibi-dia mivolon-jaky” manana loha fito (mampiseho ireo herim-panjakana niandohany) sy tandroka folo (mampiseho ireo fitondram-panjakana manohana azy amin’izao andro izao). Asehon’ny Baiboly fa izany dia “bibi-dia” ara-politika sahala amin’ny “liona” britanika sy ny “bera” rosiana. Mitaingina azy ny vehivavy iray, “Babylona lehibe, renin’ny mpijangajanga sy ny zava-betaveta amin’ny tany”. (Apokalypsy 17:3-8.) Izany dia mampiseho tsara ny fomba iheveran’i Jehovah ny fivavahan-diso, izay tsy mampiseho na Andriamanitra na ny Fanjakany marina. Mijangajanga ara-panahy izy io amin’ny fitsabahana amin’ny politika. Ny fiarahan’ny fivavahana amin’ny O.N.U. amin’ny fiezahana atao maneran-tany mba hahitana fiadanana sy filaminana dia ohatra iray ny amin’izany. Ho tiany koa ny handositra ny fanambarana ny fanamelohan’Andriamanitra ambaran’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka noho izany dia hanana fiadanana sy filaminana. Tamin’izany, dia nitaona fitondram-panjakana sasany izy mba handraran’izy ireny ny asa kristiana ataon’ny Vavolombelona. — Salamo 2:1-3.
21. a) Fisehoan-javatra inona no manamarika ny fanombohan’ny “andron’i Jehovah”? b) Manaraka izany, ahoana no hahataperan’izany “andro” izany?
21 Ahoana no hahatongavan’ny “andron’i Jehovah”? Ao anatin’izao vanim-potoana manjombona indrindra amin’ny tantaran’olombelona izao, dia tena ho tonga “toy ny mpangalatra” izany. Hampiasain’Andriamanitra ny firenena anisan’ny bibi-dia, anisan’ny O.N.U. mba hitodika tampoka hanohitra ny fivavahan-diso. Hampiseho ny fankahalany miafina an’i Babylona Lehibe izy ka hampiharihary ny tena maha-izy azy ary hanafoana azy tanteraka. Ho haingana aoka izany ny fandringanana azy, hany ka hihiaka toy izao ireo sakaiza ratsiny ara-politika taloha: “Indrisy! indrisy! Babylona, ilay tanàna lehibe! ry ilay tanàna mafy! fa tamin’ny ora iray monja dia tonga ny fitsarana anao.” Hanafika ny olon’Andriamanitra koa anefa ireo firenena sy ny tafiny. Amin’izany, ilay Mpanjakan’ny mpanjaka, Jesosy Kristy, dia handringana ireny fahavalo rehetra ireny ka handefa ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa ilay mpanohitra lehibe indrindra, dia Satana Devoly. — Apokalypsy 17:16, 17; 18:10; 19:11-21; 20:1-3; Jereo Ezekiela 38:11, 16, 18-23.
22. a) Fahatsinjovan-javatra mahatalanjona inona no atolotra ireo mpino amin’izao andro izao? b) Inona no tokony hataonao mba hahafahana mifaly amin’ny fiadanana izay avy amin’Andriamanitra?
22 Farany, dia hitombo eo ambany fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra ny tena fiadanana sy filaminana (Salamo 72:1, 7; Isaia 9:5, 6). Faly isika mahafantatra fa maro amin’ireo izay ‘miambina hatrany sy mitana ny fijoroany’ no ho velona mba hahita izany (I Tesaloniana 5:4-6). ‘Olona betsaka avy amin’ny firenena rehetra’ izay maneho finoana ny avotra nomen’i Jehovah tamin’ny alalan’ny Kristy, no ho voatsimbina amin’ny “fahoriana lehibe” mba hanana ny fiadanana mandrakizay avy amin’Andriamanitra (Apokalypsy 7:9-17; 21:3, 4). Enga anie ianao mba ho anisan’izany vahoaka izany!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Nalaina avy amin’ilay boky hoe Fiarovana an’izao tontolo izao ara-tafika sy ara-tsosialy tamin’ny 1985 (anglisy).
Ahoana no havalinao?
◻ Nahoana moa no zava-dehibe amin’Andriamanitra sy amintsika “ny andro sy ny fotoana”?
◻ Ahoana no tokony hiheverantsika ny fahantomoran’ny “andron’i Jehovah”?
◻ Iza no mandray anjara amin’ny antsoantso ao amin’ny I Tesaloniana 5:3, ary rahoviana no halefa izany antsoantso izany?
◻ Fisehoan-javatra tena lehibe inona no apoaka amin’io antsoantso io?