Aoka isika hanompo amim-pahatokiana ilay Andriamanitry ny fahamarinana
“Ampianaro ny làlanao aho, Jehovah ô, dia handeha amin’ny fahamarinanao aho.” — SALAMO 86:11.
1, 2. a) Amin’ny alalan’ny ohatra inona no azo anazavana ny fahalalahan-tanan’Andriamanitra amin’ny olombelona? b) Ahoana no ampisehoan’ny Soratra Masina ireo asan’Andriamanitra sy ny faharatsian’ny olona?
ALAO SARY an-tsaina fa hoe mamakivaky efitra karankaina iray tsy misy sori-piainana na dia kely akory aza ianao. Tsitapitapitr’izay, dia mahita fonenana kanto hita ho ary fitaovana tanteraka ianao: rivotra atao antonony, fanafanana, fidiovana sy fivoahana ary herimbaratra. Feno sakafo ny vata fampangatsiahana sy ny talantalana. Misy “mazout” sy izao karazam-batsy tahiry rehetra izao ao amin’ny efitrano anaty tany. Hilaza ve ianao fa tonga noho ny kisendrasendra izany rehetra izany? Tsy ho velom-pankasitrahana ny tompon’ireo toerana ve ianao raha manasa anao hijanona ao amin’io trano io izy ka handray soa amin’izay rehetra atolony?
2 Ny tany, ity planeta mahafinaritra onenantsika ity, dia azo ampitahaina tanteraka amin’io trano io. Taloha elan’ny namoronana ny olombelona, ny raintsika tia dia nanomana azy mba hahatongavany ho fonenantsika. Nataony tao izay rehetra hilaina mba hahasambatra antsika (Isaia 45:12, 18). Moa ve isika tsy tokony ho velom-pankasitrahana noho Ilay nanome antsika tamim-pahalalahan-tanana izay rehetra ananantsika? Ny Mpamorona indrindra no nanome tsindrimandry ny mpanoratra ireto teny voasoratra ao amin’ny Hebreo 3:4 ireto: “Fa ny trano rehetra dia samy nisy mpanao azy; fa Izay nanao ny zavatra rehetra kosa dia Andriamanitra.” Mampalahelo fa nosimban’ny olona tia tena sy noravany ny asa nataon’Andriamanitra teto an-tany. — Deoteronomia 32:3-5.
3. Inona no lazain’ny Baiboly ny amin’ny fahalalahan-tanan’Andriamanitra amin’izao androntsika izao sy amin’ny ho avy?
3 Na dia tamin’ny mpanohitra ny fahamarinana aza dia afaka nilaza izao ny amin’Andriamanitra ny apostoly Paoly: “Kanefa tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona Izy; fa manao soa Izy, mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin’ny lanitra ho anareo sady manome taon-jina ka mahavoky ny fonareo amin’ny hanina sy ny fifaliana.” (Asan’ny apostoly 14:17). Mitahy bebe kokoa ihany ireo izay manompo azy amim-pahatokiana Jehovah. Na dia mety hahazo antsika aza ireo fahasahiranana sy zava-manahirana mampiavaka ny “andro farany”, dia velomintsika ny fanantenana malaza ny hahita amin’ny ho avy akaiky an’i Jehovah Mpanjaka Tompo tsy maintsy manolotra ho an’izay rehetra tia azy, fanasana amin’ny zavatra tsara sy mamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra. — II Timoty 3:1; Isaia 25:6-8.
Ny sain’olombelona: zava-mahatalanjona
4. a) Mifandona amin’ny vato misakana inona moa ireo mpanao fikarohana amin’ny “informatique”? b) Inona no lazain’ny Jeremia 33:2, 3 momba ilay Mpamorona ny atidohan’olombelona?
4 Hatramin’ny taona maromaro, ireo manam-pahaizana dia mitady izay hanorenana “ordinateurs” afaka misaina. Miaiky anefa izy ireo fa voasakana raha vao eo amin’ny dingana voalohany. Nahoana? Miaiky izy ireo fa vaka noho ny rafitry ny mason’olombelona. Raha tsy mahay manahaka ny maso izy ireo, ahoana no ahafahany manahaka ny atidoha sy manahaka indray andro any ny fahaiza-misaina? Zava-mahatalanjona loatra ny atidoha sy manahaka indray andro any ny fahaiza-misaina? Zava-mahatalanjona loatra ny atidohan’olombelona! Isan-tsegondra, dia filazana zato tapitrisa no tonga ao amin’io faritra amin’ny tena io izay manasivana izany sy mandahatra azy alohan’ny hilazana ny heviny. Tsy azo ampitahaina velively amin’ny atidoha ny “ordinateur” be kojakojany indrindra. Endrey izany porofo mahagagan’ny fahendrena tsy manam-paharoan’ilay Andriamanitra tia izay nanao antsika! Afaka ny ho sambatra isika satria ilay Mpamorona sy Mpanao antsika, Jehovah Andriamanitra, dia nanome antsika saina ka afaka mampiasa ny atidohantsika isika mba hianarana “zavatra lehibe sy saro-pantarina” izay aharihariny amintsika amin’ny fomba sy amin’ny fotoana nofidiny. — Jeremia 33:2, 3.
5. a) Fitomboana mahagaga inona no tsy hita afa-tsy eo amin’ny olombelona? b) Tenin’i Eliho inona àry no miharihary fa marina?
5 Ny fahagagan’ny fiforonan’ny atidohan’olombelona dia manomboka alohan’ny hahaterahana mihitsy, rehefa manomboka miforona ireo sela aminy, zara raha misy telo herinandro aorian’ny fahatorontoronina. Mitombo haingana izany sela izany, indraindray 250 000 isa-minitra. Aorian’ny ahaterahany, dia mitombo avy telo heny ny haben’ny atidohan-jaza ao anatin’ny taona voalohany, ka izany dia mampiseho fa hafa dia hafa noho ny atidohan’izay rehetra mety ho biby izy, anisan’izany ny an’ny rajako. Vetivety foana ny zaza dia afaka mianatra fiteny iray, manazava hevitra, mankamamy raharaha ara-pitondrantena sy zava-tsarobidy ara-panahy. Ahoana no mety hahatonga ny fahaizana toy izany ho vokatry ny fivoarana avy amin’ny biby? Ara-drariny tokoa ny nanambaran’i Eliho toy izao ny amin’ilay Andriamanitsika sady Mpamorona mahatalanjona: “Izay manome fahalalana antsika mihoatra noho ny an’ny biby ambonin’ny tany, dia Izay manome fahendrena antsika mihoatra noho ny an’ny voro-manidina.” — Joba 35:10, 11.
6. a) Fanazavana inona no omen’ny Soratra Masina ny amin’ny fahatorontoronin’ny olombelona amin’ny fomba mahagaga? b) Ahoana no azontsika ampiasana amin’ny fomba mahagaga ireo fahaizana nomen’Andriamanitra antsika?
6 Ireo fahaizana ara-tsaina mahatalanjona nomena ny olombelona dia manaporofo ny fahamarinan’ny teny voatantara ao amin’ny Genesisy 1:27, manao hoe: “Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy.” Moa ve isika tsy tokony ho velom-pankasitrahana an’i Jehovah noho ny fomba mahatalanjona namoronany antsika? Toy izany i Davida. Nanandratra an’i Jehovah tamin’izao teny izao tokoa izy: “Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; mahagaga ny asanao.” (Salamo 139:14). Moa ve isika tsy hidera ny Mpamorona antsika noho izany antony izany koa? Etsy andaniny koa, dia afaka mampiasa ny tena sy ny saina nomen’Andriamanitra antsika isika mba hamaliana ny fihaikana nalefan’i Satana ho azy. Afaka manompo an’i Jehovah amin’ny maha-mpihazona tsy fivadihana isika. — Ohabolana 27:11.
Aoka isika hifikitra hatrany amin’ny fahamarinana
7, 8. a) Inona no tsy itovian’ny fahamarinana sy ny tsangan-kevitra? b) Inona izao no eken’ny olona mahafanta-javatra tsara momba ny evaolisiona? d) Nahoana moa ny finoana ny evaolisiona no fanehoana finoanoampoana kokoa fa tsy fanehoam-pinoana?
7 Tsy maintsy mandresy ny fahamarinana. Isika izay tia an’i Jehovah, dia tokony hifikitra hatrany amin’ny fahamarinana àry isika raha mbola mampiasa ny fahaizantsika ara-tsaina mba hanarahana ny lalan’ny tsy fivadihana. Zava-misy voaporofo ny fahamarinana momba ny famoronana. Mafy orina izy io. Tsy nety tontan’ny ela izy io nandritra ny an’arivony taona maro. Kanefa kosa, zara raha nisy taonjato iray mahery no nisian’ilay lainga lehibe ny amin’ny tsangan-kevitra momba ny evaolisiona, dia efa madiva ny hailika sahady. Tsy hevitray irery izany fa an’ny manam-pahaizana maro, mpahay lalàna, mpanao fikarohana sy olon-kafa mahafanta-javatra tsara tsy mitompo teny fantatra koa. Raha niresaka ny amin’ny fihaikana alefa ho an’ireo ‘fotopoto-pitsipika momba ny evaolisiona araka ny nanambaran’i Darwin sy ny hafa’ izany ny New York Times dia namintina ny tarehin-javatra tamin’ny filazana hoe: “Manjaka eo amin’ny toe-draharaha ny fisamboaravoarana mafy indrindra.” Nanoratra toy izao ny manam-pahaizana iray mahalala tsara ilay raharaha: “Miaiky izahay fa misy banga lehibe eo amin’ireo porofo aroso ho fanohanana ny evaolisiona (...). Eny, tsangan-kevitra fotsiny ny evaolisiona. Raha ny marina, ny finoana ny evaolisiona dia fanehoam-pinoana.”
8 Kanefa tena fanehoam-pinoana ve izany? Hilaza kosa izahay fa fanehoana finoanoampoana izany. Ny finoana dia miorina amin’ny fototra mafy. Manazava amintsika tokoa ny Hebreo 11:1 fa izy io dia “fanehoana ny zavatra [fanehoana mazava ny zavatra tena izy, MN]”. Misy porofo lehibe fa miorina amin’ny zavatra tena izy ny fitantarana ao amin’ny Baiboly, fa marina izany (II Timoty 3:16, 17; Romana 15:4). Nefa kosa, arakaraka ny androsoan’ireo evaolisionista amin’ny fikarohana ataony no ahitany fifanipahan-kevitra andramany hazavaina amin’ny olona minomino foana.
Nisy ve ny olona-rajako
9. Manao ahoana ny habetsahan’ny taolan’olona-rajako ananana, ary inona no toerana mety amin’izany?
9 Hatramin’ny 130 taona nitadiavany ny fitohizana tsy ampy eo anelanelan’ny rajako sy ny olombelona, ireo evaolisionista dia tsy nahita afa-tsy taolana vitsivitsy raha ny marina. Araka ny revio Science Digest, dia ‘azo atao ny mandahatra ny zava-misy hita maso rehetra ananantsika momba ny fivoaran’olombelona, ao anatin’ny vatam-paty iray ihany, ary mbola hisy toerana’! Tsy azo lavina fa ao no tsara hametrahana ireny lazaina fa porofo ireny — ary dia azo fantsihina mafy ny sarony!
10. Mampiseho fahatokiana ve ny fanambàrana olona-rajako indray?
10 Ireo fampisehoana olona-rajako hita amin’ny revio ka ampiasain’ny evaolisionista mba hanohanana ny tsangan-keviny dia tsy inona fa vokatry ny fanaovana sary an-tsaina, sary natao nifototra tamin’ny silaka karandoha na valanorano vitsivitsy. Ohatra, eo amin’ny pejy voalohany amin’ny New York Times tamin’ny 16 aogositra 1985 no namoahana “fanambaràna ara-java-kanto ny ‘Amphipithecus’, ny rajako ambony tranainy indrindra fantatra (...) izay avy aminy no nivoaran’olombelona”. Naseho nanana tanana sy tava voloina izy io. Inona no nahatonga ho afaka hanatanteraka io sary io? Toy izao ny valintenin’ilay lahatsoratra niaraka taminy: “Ny tapany aoriana amin’ny valanorano ambany iray (...) sy ny tapaka valanorano hita antsasaky ny taonjato teo aloha.” Tena azo atao ve ny manambatra ny karandoha manontolo, ny volo sy ny tena manontolo avy amin’ireo tapany anankiroa ireo? Nitantara ilay lahatsoratra fa ny manam-pahaizana iray momba ny toetra na fandrosoan’ny olombelona tao amin’ny Oniversite Harvard dia nilaza ireny sisan-taolana ireny ho “tsela-pahazavana ao anatin’ny haizina mikitroka”. Kanefa moa ve tena azo atao ny mampifandray izany amin’ny fahazavana?
11. Ahoana no iharan’ny Isaia 59:15 amin’ireo lazaina fa olona-rajako?
11 Eo imason’ny sasany, ny karandohan’ilay lazaina fa olona tany Piltdown koa dia “tsela-pahazavana”. Nitana ny anoloan’ny sehatra izy ho porofon’ny evaolisiona nandritra ny efapolo taona teo ho eo, kanefa tamin’ny 1953 dia naharihary fa tsy inona izy io fa fitambarana sila-taolana avy amin’ny olombelona sy ny biby. Fitaka iray! Ny amin’ireny lazaina fa olona-rajako ireny, dia azo atao ny maka indray ny tenin’Isaia mpaminany izay nanambara hoe: “Tsy eo ny fahamarinana.” — Isaia 59:15.
Fifanitsian-javatra ara-paminaniana
12. Zavatra maharikoriko inona no hitan’ny mason’i Ezekiela?
12 Ny fivavahana lazaina fa kristiana ratsy amin’izao androntsika izao dia nanana ho tandindona an’ilay Jerosalema nivadika fahiny. Tamin’ny taona 612 alohan’ny fanisan-taona iraisana, Jehovah Mpanjaka Tompo dia nitondra tamin’ny fahitana an’i Ezekiela mpaminaniny avy any Babylona nankany Jerosalema. Tao amin’ny kianjan’ny tempolin’io tanàna io i Ezekiela dia nahita mariky ny fanompoan-tsampy naharikoriko. Tamin’izay dia nasain’i Jehovah nandoaka sy nanitatra lavaka tao amin’ny rindrina izy, avy eo dia hoy izy taminy: “Midira, ka jereo ny fahavetavetana lehibe ataony eto.” Inona no hitan’i Ezekiela? Tao amin’ny efitrano anatiny amin’ny trano fanaovana fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah dia nisy “sarin’ny biby mandady sy mikisaka rehetra sy ny biby hafa, dia izay fahavetavetana, sy ny sampy rehetra an’ny taranak’Isiraely, voasoratra teo amin’ny rindrina manodidina”. — Ezekiela 8:1, 7-10.
13. a) Tarehin-javatra inona azo ampitahaina amin’izany no misy ankehitriny eo anivon’ny fivavahana lazaina fa kristiana? b) Ahoana no niheveran’i Jesosy ny fitantarana araka ny Baiboly momba ny famoronana?
13 Amin’izao androntsika izao dia mahita ny mifanitsy amin’io fahitana io isika amin’ny tarehin-javatra maharikoriko misy eo anivon’ny klerjy ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, dia “ny lehilahin’ota”. (II Tesaloniana 2:3.) Ny ankamaroan’ny mpikambana ao aminy dia mandà ny fitantarana araka ny Baiboly momba ny famoronana, na koa, amin’ny fanarahana fihetsika mampahatsiahy ny an’ireo mpivadi-pinoana tamin’ny andron’i Ezekiela, izy ireo dia miezaka ny hampifandray ny fampianarana ny amin’ny evaolisiona amin’ny an’ny Baiboly amin’ny fanizingizinana fa ireo toko voalohandohany ao amin’ny Genesisy dia angano na fanoharana. Tsy fantany ny hevitra ara-tsiansa hita ho marina ilazana fa matetika ny fanazavana tsotra indrindra no tsara, ka milaza izy ireo fa toa tsotra loatra ny fitantarana araka ny Baiboly. Mitaky zavatra sarotra kokoa ny sainy mieboebo. Amin’izany izy ireo dia misandratra ho ambonin’i Jesosy Kristy izay niresaka ny Genesisy raisina amin’ny heviny ara-bakiteny ho “fahamarinana”. — Jaona 17:17; Matio 19:4-6.
14. Amin’izao andro izao, nahoana no azo atao ny milaza fa mitondra amin’ny fomba ratsy ny ondriny ireo ‘loholona’, ary inona no vokatr’izany?
14 Tao amin’ny fahitany, Ezekiela dia nahita “fito-polo lahy, isan’ny loholon’ny taranak’Isiraely” nivavaka tamin’ny sarin’ny “biby mandady sy mikisaka”. (Ezekiela 8:10, 11.) Amin’izao androntsika izao, dia misy mpitondra fivavahana manao zavatra sahala amin’izany amin’ny fanantitranterana ankarihary fa nivoatra avy amin’ny biby ny olombelona. Ireny ‘loholona’ ireny dia tokony hitarika ny ondriny ao amin’ny lalan’ny fahamarinana. Kanefa moa ve tsy mihatra amin’izy ireny ny tenin’i Jesosy voatantara ao amin’ny Matio 15:14? Izao izany: “Mpitarika jamba izy; ary raha ny jamba no mitarika jamba, dia samy ho latsaka any an-kady izy roa.” Eny, ny “haizina mikitroka” izay ao anatiny no androsoan’ireo evaolisionista mitsapatsapa dia tena hatsana ho an’ireny mpitondra fivavahana ireny.
15. Ahoana no anamarinan’ireo anisan’ny klerjy izay manaiky ny evaolisiona fa tena anisan’ny “lehilahin’ota” tokoa izy ireo?
15 Rehefa avy eo i Jehovah dia nametraka izao fanontaniana izao ho an’i Ezekiela: “Ry zanak’olona, efa hitanao va ny ataon’ny loholon’ny taranak’Isiraely amin’ny maizina, dia samy ao amin’ny efitranony misy sary? Fa hoy izy: Jehovah tsy mahita anay; efa nahafoy ny tany Izy.” (Ezekiela 8:12). Toy izany koa, ireo anisan’ny klerjy manaraka ny filozofian’olombelona dia manaporofo fa anisan’ny “lehilahin’ota” izy. Avelany ny lalàn’Andriamanitra izay mahafaoka ny bokin’ny Genesisy (Asan’ny apostoly 7:53). Tarihiny ho ao anatin’ny haizin’ny hevitr’izao tontolo izao ny andian’ondriny, anisan’izany ny tsangan-kevitra tsy voaporofo sy tsy azo porofoina mazava ny amin’ny evaolisiona. ‘Aleon’izy ireo ny maizina toy izay ny mazava’ amin’ny fahamarinana. — Jaona 3:19.
16. Inona no fifanitsian-javatra manaitra misy eo amin’ny ‘loholona’ tamin’ny andron’i Ezekiela sy ny mpitondra fivavahana maro amin’izao androntsika izao?
16 Toy ny nampidiran’ny loholon’ny vahoaka jiosy tamin’ny andron’i Ezekiela ny fanompoam-pivavahan-disony tao amin’ny tempolin’i Jerosalema, ireo mpitondra ao amin’ny fivavahan-diso dia tia foana ny holazaina fa “kristiana”. Tsy kristiana anefa ny finoana ny evaolisiona. Noho ny nanekena an’io tsangan-kevitra io, dia be dia be no niala tamin’Andriamanitra. Izany dia tompon’andraikitra be dia be amin’ny fitiavana tsy fiankinana, herisetra sy fampihorohoroana izay manamarika ny taonjato faha-20 diavintsika misy olona sy firenena manontolo maro mino ny fotopoto-pitsipika evaolisionista ny amin’ny “fahaveloman’ny zatra kokoa”. Ny tsangan-kevitra momba ny evaolisiona dia nahatonga ny olona hino fa tsy nanana andraikitra teo anatrehan’ny Mpamorona iray izy (Romana 9:28, MN). Noho izany, dia tsy nisalasala izy ireo ‘nanao izay rehetra noheveriny fa tsara’, tsy misy fiahiana na dia kely akory aza ny amin’Andriamanitra.
17. Tamin’ny lafiny inona avy moa ny klerjy evaolisionista no nanao fahadisoana lehibe?
17 Tamin’ny fanekena ny tsangan-kevitra momba ny evaolisiona, ireo filoha ara-pivavahana dia milaza toy izao raha ny marina: “Jehovah tsy mahita anay; efa nahafoy ny tany Izy.” Noho izy ireo mandray an’io filozofia io, dia mieritreritra izy fa tsy hampamoahin’Andriamanitra mihitsy. Raha ny marina, ny fiheverany an’Andriamanitra dia hamaizinin’ny finoany andriamanitra telo izay iray mifono zava-miafina sy tsy hay hazavaina. Izany koa no antony hitiavany hanafoana ny anaran’ilay hany Andriamanitra marina, Jehovah. Tsy manonona izany mihitsy izy ireo ary minia manaisotra azy amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboliny. Matahotra izy ireo ny hanohitra ny fampianarana ny amin’ny evaolisiona eken’ny olona be dia be amin’izao androntsika izao.
18. Inona no anjara miandry ny tsangan-kevitra momba ny evaolisiona sy ireo mpanohana azy?
18 Ara-drariny tokoa àry ny nanambaran’i Jehovah toy izao tamin’ny alalan’ny mpaminany hafa iray: “Satria manatona Ahy amin’ny vavany ity firenena ity ary mankalaza Ahy amin’ny molony, nefa ampanalaviriny Ahy kosa ny fony, ka ny fahatahorany Ahy dia didin’olombelona ampianarina azy ihany, dia, indro koa, mbola hanao zava-mahagaga amin’ity firenena ity Aho, dia zava-mahagaga sy mahatalanjona; ka ho foana ny fahendren’ny olon-kendriny, ary tsy ho hita ny fahalalan’ny mazava sainany.” (Isaia 29:13, 14). Ny tsangan-kevitra ny amin’ny evaolisiona izay manala baraka an’Andriamanitra, sy ireo mihambo ho kristiana izay manaiky izany dia hiharan’ny fahatanterahan’io fanambarana io amin’ny andron’ny fahatezeran’i Jehovah hirehitra. — Zefania 3:8.
Aoka isika hanao fanambarana ho an’ny fahamarinana
19. a) Nahoana moa ny olona maro be no evaolisionista? b) Afaka mifaly noho ny inona moa ny olona manetry tena amin’izao andro izao?
19 Tena miaina eo amin’izao tontolo izao ratsy tokoa isika. Nandray anjara be dia be tamin’izany ny fivavahan-diso sy ny fieboeboana tsy azo hamarinin’ny mpahay siansa maro. Ny lafiny tsy misy fotony akory amin’ny fampianarana sasany ataon’ny “lehilahin’ota”, izany hoe ny klerjy ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, dia nampiala olona be dia be tamin’ny fivavahana. Tamin’izany ny sasany dia nifikitra tamin’ny evaolisiona, somary sahala amin’ny olona nadiva ho faty an-drano hifikitra amin’ny tapa-mololo. Ny hafa nanaiky ny finoana ny evaolisiona satria ny tsy finoana an’Andriamanitra fonosiny dia toa manala azy amin’izay rehetra mety ho andraikitra eo anoloan’ny Andriamanitra Mpamorona iray (jereo Romana 1:21-23). Ny olona manetry tena kosa anefa dia faly afaka mahafantatra amin’izao andro izao an’i Jehovah Mpanjaka Tompo sy Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka efa eo amin’ny toerana izao, mbamin’ny fikasan’Andriamanitra mahatalanjona momba ilay Fanjakana, izay ho tanteraka tsy ho ela amin’ny fomba malaza. — Romana 16:20; I Korintiana 15:25, 26.
20. a) Fampanantenana kanto inona no tanteraka dieny izao? b) Ahoana no nanamarinana izany tamin’ny 1985? d) Ahoana no azonao anompoana amim-pahatokiana ilay Andriamanitry ny fahamarinana?
20 Amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah antsika, dia faly isika manambara ny fahamarinana ao anatin’ny firaisan-tsaina sy ny zotom-po amin’ny tany manontolo. Manohana amin’ny fomba mahery ny fandaminany amin’ny alalan’ny fanahiny Andriamanitra. Noho izany antony izany no ahitantsika sahady ny fahatanterahan’ity fampanantenana ity: “Ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.” (Isaia 11:9). Noho ireo fanambarana nataontsika tamin’ny 1985, dia Baiboly sy boky momba ny Baiboly 339 351 170 no nozaraina, ary izany dia amin’ny fiteny maherin’ny 200. Maherin’ny telo tapitrisa isika no nanana tombontsoa nandray anjara “teo imason’ny olona ary tao amin’ny isan-trano” tamin’izany asa fitoriana goavana izany (Asan’ny apostoly 20:20). Enga anie isika hanohy hanana fitahian’i Jehovah be dia be raha mbola miezaka tsy ankijanona manompo amim-pahatokiana ilay Andriamanitry ny fahamarinana!
Ahoana no havalinao?
◻ Fahafahan’ny atidohan’olombelona manao inona mahatalanjona no manaporofo fisian’ny Mpamorona faran’izay hendry iray?
◻ Nahoana moa no diso ny hampisehoana ny finoana ny evaolisiona ho fanehoam-pinoana?
◻ Maro ve ny porofo manamarina fa tena nisy tokoa ny olona-rajako?
◻ Ahoana no iharan’ny Ezekiela 8:7-12 amin’ny filoha ara-pivavahana sasany amin’izao androntsika izao?
◻ Inona moa no azo rehefa manompo amim-pahatokiana ilay Andriamanitry ny fahamarinana ny tena?
[Efajoro, pejy 21]
Ny fiainana: ahoana no nisehoany? Fivoarana sa famoronana?
Izany no lohatenin’ny boky iray nivoaka tamin’ny 1985 sy 1986 tamin’ny fivoriambe maro nalamin’ny Vavolombelon’i Jehovah naneran-tany nitondra ny foto-kevitra hoe “Ireo mpihazona tsy fivadihana”. Amin’izao fotoana izao io boky io dia avoaka amin’ireto fiteny manaraka ireto: alemana, anglisy, sinoa, danoa, espaniola, finoa, frantsay, italiana, japone, neherlanday sy portiogay.
[Sary, pejy 19]
Fanaovana ny marina ve ny fakana sarin’ny fanambàrana indray olona-rajako avy amin’ny taolana vitsivitsy?
[Sary, pejy 20]
‘Nameno ny tany’ tamin’ny fahalalana an’i Jehovah ny Vavolombelon’i Jehovah.