-
Fisehoan’i KristyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Handringana an’ilay “lehilahy mpandika lalàna.” Nanoratra ho an’ny Kristianina tany Tesalonika “ny amin’ny fanatrehan’i Jesosy Kristy Tompontsika” i Paoly. Nampitandrina azy ireo izy mba tsy hikorontan-tsaina na hientanentana, raha misy “milaza fa efa tonga ny andron’i Jehovah.” Haharihary mantsy aloha ilay “lehilahy mpandika lalàna”, izay nanohitra an’Andriamanitra sy Kristy hatry ny ela be, ary avy eo hofoanan’i Kristy “amin’ny alalan’ny fisehoan’ny fanatrehany.” Tsy mba toa an’ireo maniry mafy ny hisehoan’i Kristy io ‘lehilahy tsy tan-dalàna’ io (antokon’olona izy io, raha ny marina). Tsy noho ny finoan’io “lehilahy” io àry no ahafantarany fa manatrika i Kristy, fa noho ny fampiasan’i Jesosy ny heriny handringanana azy.—2Te 2:1-8; jereo LEHILAHY MPANDIKA LALÀNA.
-
-
Lehilahy Mpandika LalànaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Haringana. Tsy maintsy haringan’i Jesosy Tompo “amin’ny fofonain’ny vavany” io antokon’olona “mpandika lalàna” io, ary hofoanany “amin’ny alalan’ny fisehoan’ny fanatrehany.” Ho hita maso ny hanafoanana an’io mpanohitra an’Andriamanitra io, ary ho porofo tsy azo lavina izany fa mipetraka mba hitsara i Jesosy Kristy. Tsy hitsara araka izay mety aminy izy. Inona àry no dikan’ilay hoe handringana “amin’ny fofonain’ny vavany” i Jesosy? Azo inoana fa midika izany hoe hanome baiko izy mba hampiharana ny didim-pitsaran’i Jehovah amin’io antokon’olona ratsy fanahy io.—2Te 2:8; ampit. Ap 19:21, izay miresaka momba ny ‘sabatra lava lela nivoaka avy tamin’ny vavany.’
-
-
FanahyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Ny Tenin’Andriamanitra no “sabatry” ny fanahy (Ef 6:17) ka mampiharihary an’izay tena maha izy ny olona iray, izany hoe izay tena ao am-pony sy tena toetrany. Rehefa mamaky azy io izy, dia mety hiova fo ka hanao zavatra mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra, na mety hanamafy ny fony ka vao mainka hikomy. (Ampit. He 4:11-13; Is 6:9, 10; 66:2, 5.) Mirakitra fanamelohana ho an’izay manamafy ny fony àry ny Tenin’Andriamanitra. Tsy maintsy ho tanteraka ilay fanamelohana, ka ho toy ny afo mandoro mololo na ho toy ny marotoan’ny mpanefy manapotipotika harambato ny vokany. (Je 23:28, 29) I Kristy Jesosy, ilay “Tenin’Andriamanitra” na Mpitondra Teny Lehibe Indrindra ampiasainy, no manambara ny didim-pitsaran’Andriamanitra. Mahazo alalana hampihatra izany koa izy, matoa izy handringana ny fahavalon’Andriamanitra “amin’ny fofonain’ny [fanahin’ny] vavany.”—Ampit. 2Te 2:8; Is 11:3, 4; Ap 19:13-16, 21.
-