TOKO 5
Mpiandraikitra Voatendry Hiandry ny Andian’ondry
HITA hoe “mpiandry tena tsara” i Jesosy tamin’izy nanompo teto an-tany. (Jaona 10:11) “Nangoraka” izy rehefa nahita ny olona nanaraka azy, satria “nampijalina izy ireo sady tsy nisy niraharaha hoatran’ny ondry tsy misy mpiandry.” (Mat. 9:36) Hitan’i Petera sy ny apostoly hafa hoe tena niahy ny olona i Jesosy. Tsy nitovy taminy mihitsy ireo mpiandry sandoka teo amin’ny Israely. Tsy noraharahain’izy ireo mantsy ny ondry, ka niparitaka sy mosarena ara-panahy. (Ezek. 34:7, 8) Tena nahay nampianatra i Jesosy sady niahy ny ondry, ary nanolotra ny ainy ho azy ireo mihitsy aza. Hitan’ireo apostoly avy tamin’izany hoe ahoana no hanampiana ny olona nanam-pinoana hiverina amin’i Jehovah, ilay ‘mpiandry sy mpiandraikitra azy ireo.’—1 Pet. 2:25.
2 Nantitranterin’i Jesosy tamin’i Petera, indray mandeha, fa tena zava-dehibe ny manome sakafo sy mikarakara ny ondry. (Jaona 21:15-17) Azo inoana fa nisy vokany be tamin’i Petera izany, matoa izy niteny toy izao tamin’ireo anti-panahy tamin’ny taonjato voalohany: “Andraso ny andian’ondrin’Andriamanitra eo ambany fiandraiketanareo, ka ataovy ny asan’ny mpiandraikitra. Tsy an-tery anefa no tokony hanaovana an’izany, fa an-tsitrapo eo anatrehan’Andriamanitra, tsy noho ny fitiavana tombony azo amin’ny tsy marina, fa noho ny fahazotoana, ary tsy ho mpanjakazaka amin’ny lovan’Andriamanitra, fa ho modely ho an’ny andian’ondry.” (1 Pet. 5:1-3) Manaraka an’io tenin’i Petera io ny anti-panahy ankehitriny. Manahaka an’i Jesosy izy ireo, ka mazoto mitarika eo anivon’ny fiangonana, manao izany an-tsitrapo, ary modely ho an’ny andian’ondry.—Heb. 13:7.
Manahaka an’i Jesosy ny anti-panahy, ka mazoto mitarika eo anivon’ny fiangonana, manao izany an-tsitrapo, ary modely ho an’ny andian’ondry
3 Tokony hankasitraka an’ireo mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana isika, satria notendren’ny fanahy masina izy ireo. Mandray soa be dia be isika noho ny fanompoana ataon’izy ireo. Mampahery ny olona eo anivon’ny fiangonana, ohatra, ny anti-panahy ary mikarakara izay ilain’izy ireny. Mazoto mitarika ny fivorian’ny fiangonana izy ireo isan-kerinandro, ka mahazo sakafo ara-panahy ny rehetra. (Rom. 12:8) Milamin-tsaina isika, satria miezaka mafy ny anti-panahy mba hiarovana antsika amin’ny olon-dratsy sy ny zavatra hafa mety hanimba antsika. (Isaia 32:2; Tit. 1:9-11) Mitarika antsika eny amin’ny fanompoana izy ireo, ka lasa mazoto mitory tsy tapaka isika. (Heb. 13:15-17) Ireny ‘lehilahy natao fanomezana’ ireny no ampiasain’i Jehovah mba hanatanjahana ny fiangonana.—Efes. 4:8, 11, 12.
FEPETRA TAKINA AMIN’NY MPIANDRAIKITRA
4 Tsy maintsy mahafeno ny fepetra voalazan’ny Tenin’Andriamanitra ny lehilahy tendrena ho mpiandraikitra, mba ho azo antoka fa voakarakara tsara ny fiangonana. Rehefa mahafeno fepetra ihany izy ireo vao azo lazaina hoe notendren’ny fanahy masina. (Asa. 20:28) Andraikitra mavesatra ny hoe mpiandraikitra, ka tsy mahagaga raha ambony ny fepetra takina amin’izy ireo. Tsy hoe ambony loatra anefa izany, satria afaka mahafeno azy ireo tsara ny lehilahy kristianina raha tena tia an’i Jehovah sy vonona hampiasainy. Tokony ho hitan’ny rehetra hoe mampihatra ny torohevitry ny Baiboly ny mpiandraikitra eo amin’ny fiainany andavanandro.
Tsy maintsy mahafeno ny fepetra voalazan’ny Tenin’Andriamanitra ny lehilahy tendrena ho mpiandraikitra, mba ho voakarakara tsara ny fiangonana
5 Niresaka ny fepetra takina amin’ny mpiandraikitra ny apostoly Paoly rehefa nanoratra ho an’i Timoty sy Titosy. Hoy izy ao amin’ny 1 Timoty 3:1-7: “Raha misy olona miezaka ho lasa mpiandraikitra, dia maniry hanao asa tsara izy. Ny mpiandraikitra àry dia tokony ho olona tsy misy hokianina, manambady tokana, mahay mandanjalanja amin’izay zavatra fanaony, misaina tsara, tia filaminana, tia mandray vahiny, mahay mampianatra, tsy mamo lava, tsy mahery setra, fa mpandefitra, tsy mpila ady, tsy tia vola, mahay mitondra tsara ny ankohonany, sady manana zanaka mankatò sy manaja azy tsara—fa raha misy lehilahy tsy mahay mitondra ny ankohonany, dia ho hainy ve ny hikarakara ny fiangonan’Andriamanitra?—, tsy zazavao amin’ny finoana, sao izy hirehareha ka ho voaheloka hoatran’ny nanamelohana ny Devoly. Tokony ho tsara laza eo amin’ny olona eny ivelany koa izy, mba tsy ho afa-baraka na ho latsaka ao amin’ny fandriky ny Devoly.”
6 Hoy koa izy ao amin’ny Titosy 1:5-9: “Nasaiko nijanona tany Kreta ianao mba hanitsy an’ireo zavatra tsy nety sy hanendry anti-panahy isan-tanàna, mifanaraka amin’ireto toromarika nomeko anao ireto: Ny anti-panahy dia tokony ho lehilahy tsy misy hokianina, manambady tokana, manana zanaka mpino izay tsy ampangaina ho manaram-po amin’ny ratsy na mafy loha. Mpanompon’Andriamanitra mantsy ny mpiandraikitra, ka tsy maintsy ho tsy misy hokianina, tsy mpiziriziry amin’ny heviny, tsy mora tezitra, tsy mamo lava, tsy mahery setra, tsy tia tombony azo amin’ny tsy marina, fa tia mandray vahiny kosa, tia ny tsara, misaina tsara, manao ny marina, tsy mivadika, mahafehy tena, ary manaraka tsara an’ilay teny azo antoka rehefa mampianatra. Amin’izay izy dia hahay hampahery ny hafa amin’ny fampianarana mahasoa sady hahavita hananatra an’izay manohitra an’izany.”
7 Hoatran’ny hoe be loatra ireo fepetra takin’ny Soratra Masina ireo, kanefa tsy tokony hisakana an’ireo rahalahy tsy hiezaka ho lasa mpiandraikitra izany. Raha manana an’ireo toetra takina amin’ny mpiandraikitra ireny lehilahy ireny, dia hiezaka hanahaka azy koa ny olona eo anivon’ny fiangonana rehefa mahita an’izany. Nilaza i Paoly fa ‘natao fanomezana’ ireny lehilahy ireny, mba “ho afaka hanitsy ny olona masina, hanao fanompoana, ary hanatanjaka ny vatan’i Kristy. Hanao an’izany izy ireo mandra-pahatonga antsika rehetra hanana zavatra inoana mitovy, sy hanana fahalalana mitovy momba ny Zanak’Andriamanitra. Amin’izay isika ho lasa olon-dehibe, izany hoe ho lasa matotra tanteraka hoatran’i Kristy.”—Efes. 4:8, 12, 13.
8 Tsy tokony ho ankizilahy ny mpiandraikitra na lehilahy mbola zazavao amin’ny finoana, fa tokony ho Kristianina efa za-draharaha, mahay tsara izay voalazan’ny Baiboly, mahatakatra tsara an’ireo fampianarana lalina ao amin’ny Soratra Masina, ary tena tia ny olona eo anivon’ny fiangonana. Tokony ho sahy hanitsy an’izay manao ratsy izy ireo, mba hiarovana ny andian’ondry amin’ireo olona tia tena sy mpanararaotra. (Isaia 32:2) Tokony ho hitan’ny fiangonana hoe olona matotra ny mpiandraikitra, ary tena miahy ny ondrin’Andriamanitra.
9 Ny olona manana fahendrena, izany hoe mahalala izay tokony hataony eo amin’ny fiainana, no mahafeno fepetra ho mpiandraikitra. Tokony hanaraka ny fitsipik’Andriamanitra momba ny fanambadiana izy, raha manambady, izany hoe manambady tokana sady mahay mitondra tsara ny ankohonany. Raha manana zanaka mpino ilay rahalahy, dia tokony mankatò sy hanaja azy tsara izy ireo sady tsy ampangaina ho manaram-po amin’ny ratsy na mafy loha. Tsy hisalasala hanatona azy ny rahalahy sy anabavy amin’izay, rehefa mila torohevitra momba ny fianakaviana sy ny fomba fiaina kristianina. Tokony ho tsy misy hokianina ny mpiandraikitra ary ho tsara laza na dia eo amin’ny olona eny ivelany aza. Tsy tokony ho voampanga ho nanao zava-dratsy mihitsy izy, mba tsy ho simba ny lazan’ny fiangonana. Tsy mahafeno fepetra ho mpiandraikitra ny olona nanao fahotana lehibe ka nahazo fananarana vao haingana. Raha manome modely tsara ny mpiandraikitra, dia hanahaka azy ny olona eo anivon’ny fiangonana ary hatoky azy rehefa manao ny andraikiny izy.—1 Kor. 11:1; 16:15, 16.
10 Nahavita tsara ny andraikiny ny anti-panahy teo amin’ny Israelita fahiny, satria “hendry sy malina ary za-draharaha.” (Deot. 1:13) Afaka manao toy izany koa ireo lehilahy mahafeno fepetra eo anivon’ny fiangonana ankehitriny. Marina aloha fa tsy lavorary ny anti-panahy. Tokony ho fantatry ny olona eo anivon’ny fiangonana sy ny fiaraha-monina anefa hoe lehilahy manao ny marina sy matahotra an’Andriamanitra izy ireo, ary hita hoe efa zatra manaraka ny torolalan’ny Baiboly nandritra ny fotoana elaela. Ho sahy hanoro hevitra ny fiangonana koa izy ireo raha tsy misy hokianina.—Rom. 3:23.
11 Mahafeno fepetra ho mpiandraikitra ny rahalahy iray raha mahay mandanjalanja amin’izay zavatra fanaony sy rehefa mifandray amin’ny hafa. Mahafehy tena izy ary tsy manao zavatra tafahoatra. Mahay mandanjalanja, ohatra, izy rehefa mihinana sy misotro ary miala voly. Mahay mandanjalanja koa izy rehefa misotro zava-pisotro misy alkaola, mba tsy hisy ho afaka hiampanga azy hoe mamo na hoe mamo lava. Mora tsy mahafehy tena mantsy ny olona donton’ny zava-pisotro misy alkaola, ka tsy ho afaka hiaro ny fiangonana.
12 Tokony ho tia filaminana ny mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana. Tokony ho hita eo amin’ny fomba fitafiny sy ny tranony ary ny zavatra ataony andavanandro izany. Tsy mangataka andro lava izy. Rehefa fantany hoe inona no ilaina hatao, dia manao fandaharana avy hatrany izy mba hamitana an’izany. Manaraka ny torolalan’Andriamanitra koa izy.
13 Tokony ho mpandefitra ny mpiandraikitra. Tsy maintsy miezaka izy mba hahay hiara-miasa sy hiray saina amin’ny anti-panahy rehetra. Tsy tokony hihevi-tena ho ambony izy, ary tsy hitaky be loatra amin’ny hafa. Olona mandefitra izy ka tsy hiziriziry amin’ny heviny, na hihevitra hoe tsara noho ny an’ny anti-panahy hafa foana ny heviny. Mety hanana toetra na fahaizana tsy ananany mantsy ny anti-panahy hafa. Manaraka izay lazain’ny Soratra Masina foana ny olona mandefitra, isaky ny hanatsoaka hevitra, ary miezaka hanahaka ny ohatr’i Jesosy Kristy. (Fil. 2:2-8) Tsy tokony ho mpila ady na mahery setra ny anti-panahy, fa hanaja ny hafa sy hihevitra azy ireny ho ambony. Tsy mpiziriziry amin’ny heviny koa izy, izany hoe tsy manizingizina ny heviny foana. Tsy mora tezitra izy fa tia fihavanana.
14 Ny olona misaina tsara koa no mahafeno fepetra ho mpiandraikitra. Midika izany fa mandinika tsara aloha izy fa tsy maimaika hitsara. Takany tsara ny torolalan’i Jehovah sy ny fomba hampiharana azy ireny. Vonona handray torohevitra sy toromarika izy, ary tsy mihatsaravelatsihy.
15 Nampahatsiahivin’i Paoly an’i Titosy fa tokony ho tia ny tsara ny mpiandraikitra, ary manao ny marina sy tsy mivadika. Hiharihary izany rehefa mifandray amin’ny olona ilay rahalahy, na rehefa hita hoe mifikitra amin’ny tsara sy manao izay mahitsy izy. Tsy tokony hivadika amin’i Jehovah mihitsy izy ary hanaraka ny torolalany foana. Tokony hahatana tsiambaratelo koa izy. Tena tia mandray vahiny izy, izany hoe mahafoy tena sy fananana mba hahasoa ny hafa.—Asa. 20:33-35.
16 Tsy maintsy mahay mampianatra ny mpiandraikitra mba hahavitany tsara ny andraikiny. Nilaza tamin’i Titosy i Paoly fa ny mpiandraikitra dia tokony ‘hanaraka tsara an’ilay teny azo antoka rehefa mampianatra. Amin’izay izy dia hahay hampahery ny hafa amin’ny fampianarana mahasoa sady hahavita hananatra an’izay manohitra an’izany.’ (Tit. 1:9) Tokony ho hainy tsara àry ny mampisaintsaina, manome porofo, mamaly fanoherana, ary manazava andinin-teny mba handresen-dahatra ny olona sy hanatanjahana ny finoany. Tokony hahay hampianatra foana ny mpiandraikitra na amin’ny mora na amin’ny sarotra. (2 Tim. 4:2) Tokony hanam-paharetana izy, ka ho tsara fanahy rehefa mananatra an’izay nanao fahadisoana. Tokony hahay handresy lahatra an’ireo misalasala koa izy, mba hahatonga azy ireo hanam-pinoana ka hanao asa tsara. Mahafeno an’io fepetra tena lehibe io ny mpiandraikitra raha mahay mampianatra foana, na olon-tokana no ampianariny na olona maro.
17 Tokony ho olona mazoto manompo ny anti-panahy. Tokony ho hita hoe miezaka manahaka an’i Jesosy izy ireo amin’izany. Nataony loha laharana teo amin’ny fiainany mantsy ny asa fitoriana. Nitady izay hahasoa ny mpianany koa izy, ka nanampy azy ireo hahay hitory. (Mar. 1:38; Lioka 8:1) Lasa mazoto manompo ny fiangonana, rehefa hitany hoe mandeha manompo foana ny anti-panahy na dia be atao aza. Lasa misy ‘fifampaherezana’ koa eo amin’ny anti-panahy sy ny hafa, rehefa manompo miaraka amin’ny ankohonany sy ny olon-kafa eo anivon’ny fiangonana izy.—Rom. 1:11, 12.
18 Toa be loatra ny zavatra takina amin’ny mpiandraikitra, raha izany no dinihina. Marina aloha fa tsy hisy anti-panahy hahafeno ny tsirairay amin’ireo fepetra lazain’ny Baiboly ireo amin’ny fomba lavorary. Tsy tokony hisy toetra iray tena miharihary hoe tsy ananany anefa, ka lasa hita be ilay lesoka. Mety hanana toetra tsara mampiavaka azy ny anti-panahy sasany, fa ny hafa kosa hisongadina amin’ny toetra tsara hafa. Inona no vokatr’izany? Ho afaka hiandraikitra tsara ny fiangonan’Andriamanitra ny anti-panahy rehetra amin’ny fitambarany, satria samy manana ny toetra ilaina amin’izany ny tsirairay amin’izy ireo.
19 Tokony hitadidy an’ity tenin’ny apostoly Paoly ity ny anti-panahy rehetra, isaky ny hanolotra rahalahy ho mpiandraikitra: “Izao no lazaiko aminareo tsirairay avy: Aza mihevi-tena mihoatra noho izay tokony ho izy. Asehoy kosa fa misaina tsara ianareo, araka ny finoana nomen’Andriamanitra anareo tsirairay.” (Rom. 12:3) Tokony hihevitra ny tenany ho kely indrindra ny anti-panahy tsirairay. Tsy tokony hisy ho “marina loatra” amin’izy ireo, rehefa mandinika raha mahafeno fepetra ny rahalahy iray na tsia. (Mpito. 7:16) Hitadidy ny fepetra takin’ny Soratra Masina ny anti-panahy rehetra, ka hijery raha mahafeno fepetra araka ny antonony ilay rahalahy na tsia. Inona no tokony hataon’ireo anti-panahy, rehefa manao fanolorana? Tokony hanaja ny fitsipika marin’i Jehovah izy ireo, hijery izay hahasoa ny fiangonana, tsy hiangatra na hihatsaravelatsihy, ary hitadidy hoe tsy lavorary ilay rahalahy. Tokony hivavaka ny anti-panahy rehefa mandinika ny fanolorana tsirairay, sady hanaraka ny fitarihan’ny fanahy masin’Andriamanitra. Iray amin’ireo andraikitra lehibe tanan’ny anti-panahy izany. Isaky ny hanao izany àry izy ireo, dia tsy maintsy manaraka an’ity torohevitr’i Paoly ity: “Aza maika hametra-tanana amin’iza na iza.”—1 Tim. 5:21, 22.
VOKATRY NY FANAHY
20 Tokony ho hita hoe tarihin’ny fanahy masina ireo rahalahy mahafeno fepetra sady manana ny vokatry ny fanahy. Nitanisa an’ireo toetra sivy anisan’ny vokatry ny fanahy i Paoly, dia ny “fitiavana, fifaliana, fiadanana, faharetana, hatsaram-panahy, hatsaran-toetra, finoana, fahalemem-panahy, ary fifehezan-tena.” (Gal. 5:22, 23) Mampahery an’ireo rahalahy ny anti-panahy manana an’ireo toetra ireo, sady manampy ny fiangonana hiray saina rehefa manao fanompoana masina. Hita eo amin’ny fitondran-tenan’ny anti-panahy sy ny zava-bitany fa notendren’ny fanahy masina izy ireo.—Asa. 20:28.
LEHILAHY MIEZAKA MAMPISY FIRAISAN-TSAINA
21 Tsy maintsy miezaka mampisy firaisan-tsaina eo anivon’ny fiangonana ny anti-panahy. Samy manana ny toetra mampiavaka azy ny anti-panahy tsirairay. Hiray saina anefa izy rehetra, raha samy manaja sy mihaino ny hevitry ny hafa, na dia tsy voatery hitovy hevitra foana aza. Tokony ho vonona handefitra sy hanohana ny fanapahan-kevitry ny anti-panahy rehetra ny tsirairay, raha mbola tsy misy torolalan’ny Baiboly voadika. Raha mandefitra izy ireo, dia ho hita hoe manana ny “fahendrena avy any ambony”, izay “tia fihavanana” sy “mahay mandanjalanja.” (Jak. 3:17, 18) Tsy tokony hisy anti-panahy hihevitra ny tenany ho ambony noho ny anti-panahy hafa, na hanjakazaka amin’izy ireny. Miara-miasa amin’i Jehovah izy ireo, rehefa miara-miasa mba hahasoa ny fiangonana.—1 Kor., toko 12; Kol. 2:19.
MIEZAHA HO TONGA ANTI-PANAHY
22 Tokony haniry ho lasa mpiandraikitra ny lehilahy kristianina matotra. (1 Tim. 3:1) Tsara hotadidina koa anefa fa mila mazoto miasa sy mahafoy tena ny mpiandraikitra. Tokony ho vonona hikarakara izay ilain’ireo rahalahy sy anabavy izy, izany hoe hanampy azy ireo hifandray tsara amin’i Jehovah. Miezaka ho tonga mpiandraikitra àry ny rahalahy iray, rehefa miezaka ny hahafeno ny fepetra takin’ny Soratra Masina.
METY HIOVA NY FIAINAN’NY ANTI-PANAHY
23 Mety harary na hanana kilema hafa ny rahalahy iray, izay nanompo nandritra ny taona maro sady tsy mivadika. Efa be taona angamba izy, ka tsy afaka manao ny andraikitry ny anti-panahy intsony. Tokony hohajaina foana anefa izy raha mbola mahafeno fepetra, satria mbola anisan’ny anti-panahy. Tsy voatery hiala tsy ho anti-panahy izy, fa mbola afaka manao izay vitany, na dia manana an’ireo olana ireo aza. Mbola mendrika ny hahazo fanajana avo roa heny ihany izy, toa an’ireo anti-panahy miasa mafy mba hiandrasana ny andian’ondry.
24 Mety ho hitan’ny rahalahy iray anefa hoe tsy afaka mamita ny andraikiny intsony izy, noho ny fiovana eo amin’ny fiainany. Azony atao amin’izay ny miala tsy ho anti-panahy, raha izay no hitany fa mety. (1 Pet. 5:2) Tokony hohajaina foana anefa izy, satria mbola afaka manao izay hahasoa ny fiangonana, na dia tsy manana anjara na andraikitra natao ho an’ny anti-panahy intsony aza.
ANDRAIKITRA EO ANIVON’NY FIANGONANA
25 Maro samihafa ny andraikitry ny anti-panahy eo anivon’ny fiangonana. Misy ny atao hoe anti-panahy mpandrindra, mpitan-tsoratra, mpiandraikitra ny fanompoana, mpitarika ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, ary mpiandraikitra ny Fivoriana Momba ny Fiainantsika sy ny Fanompoana. Betsaka koa ny anti-panahy mpiandraikitra ny andia-mpitory. Tsy voafetra ny fotoana anaovan’ny anti-panahy an’ireo andraikiny ireo. Mazava ho azy fa hisy anti-panahy hafa hofidina hanao an’ilay andraikitra, raha mifindra fiangonana ilay rahalahy, na tsy afaka mamita ny andraikiny noho ny aretina, na tsy mahafeno ny fepetra takin’ny Soratra Masina intsony. Mety ho voatery hitana andraikitra mihoatra ny iray ny anti-panahy iray, raha vitsy ny anti-panahy eo anivon’ilay fiangonana. Mety hiova izany any aoriana, rehefa misy rahalahy hafa voatendry ho anti-panahy.
26 Mitarika ny fivorian’ny anti-panahy rehetra ny anti-panahy mpandrindra. Manetry tena sy miara-miasa amin’ny anti-panahy hafa anefa izy, mba hikarakarana ny andian’ondrin’Andriamanitra. (Rom. 12:10; 1 Pet. 5:2, 3) Tokony hahay handamin-javatra izy sady hahay hitari-draharaha.—Rom. 12:8
27 Mikarakara ny antontan-taratasin’ny fiangonana ny mpitan-tsoratra, sady mampita ny zavatra tokony ho fantatry ny anti-panahy rehetra. Azo tendrena hanampy azy ny anti-panahy hafa, na mpikarakara fiangonana mahay, raha ilaina.
28 Ny mpiandraikitra ny fanompoana kosa no mandamina ny fanompoana eny amin’ny saha sy ny zavatra hafa mifandray amin’ny fanompoana. Manao fandaharana izy mba hitsidihana ny andia-mpitory rehetra, ka andia-mpitory iray isam-bolana no tsidihiny. Izy no mitarika ny fivoriana alohan’ny fanompoana amin’ilay faran’ny herinandro fitsidihana. Manompo miaraka amin’ilay andia-mpitory izy, sady manampy an’ireo mpitory hahay hampianatra sy hanao fiverenana mitsidika. Azony atao indroa isan-taona ilay fitsidihana, raha kely ilay fiangonana ary vitsy ny andia-mpitory.
MPIANDRAIKITRA NY ANDIA-MPITORY
29 Anisan’ny andraikitra lehibe eo anivon’ny fiangonana ny hoe mpiandraikitra ny andia-mpitory. Ireto ny andraikiny sasany: 1) Manampy ny mpitory tsirairay ao amin’ilay andia-mpitory mba hatanjaka ara-panahy, 2) manampy ny tsirairay mba hanompo tsy tapaka, sy hazoto hanompo, ary hahita fifaliana avy amin’izany, ary 3) manampy sy mampiofana mpikarakara fiangonana ao amin’ny andia-mpitory mba hahafeno fepetra ho lasa mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana. Ny anti-panahy rehetra no mijery hoe iza no rahalahy mahafeno fepetra hahavita an’izany andraikitra izany.
30 Tokony ho anti-panahy ny mpiandraikitra ny andia-mpitory, satria andraikitra lehibe ilay izy. Afaka manao an’izany koa anefa ny mpikarakara fiangonana mahay, raha tsy ampy ny anti-panahy. Antsoina hoe mpikarakara ny andia-mpitory izy amin’izay, satria mbola tsy mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana. Mila manaraka ny tari-dalan’ny anti-panahy rehetra izy, rehefa manao an’io andraikitra io.
31 Mitarika ny mpitory eny amin’ny fanompoana ny mpiandraikitra ny andia-mpitory. Izany no anisan’ny andraikiny lehibe indrindra. Hanahaka azy ny mpitory ao amin’ilay andia-mpitory raha mitory tsy tapaka izy, mazoto manompo, ary mafana fo. Mahazo fampaherezana ny mpitory rehefa miara-manompo, ka tsara raha mandamina fandaharam-potoana raikitra hanaovana an’izany ny mpiandraikitra ny andia-mpitory. Tokony hatao amin’ny fotoana mety amin’ny ankamaroan’ny mpitory ilay izy. (Lioka 10:1-16) Tokony hanamarina foana ilay mpiandraikitra raha ampy tsara ny faritany. Izy no mitarika ny fivoriana alohan’ny fanompoana amin’ny ankapobeny, sady mizara ny mpitory sy ny faritany. Raha tsy ho eo izy, dia tokony hasainy hitarika an’ilay andia-mpitory ny anti-panahy na mpikarakara fiangonana iray. Raha tsy afaka manao izany izy ireo, dia azo tendrena hanao izany izay mpitory mahafeno fepetra.
32 Tokony hanao fandaharana mialoha ny mpiandraikitra ny andia-mpitory, rehefa hitsidika ny andia-mpitoriny ny mpiandraikitra ny fanompoana. Tokony holazainy mialoha amin’ny andia-mpitoriny, ohatra, ny datin’ilay fitsidihana sy ny soa azo avy amin’izany, mba tsy ho andrin’izy ireo ilay izy. Ho afaka hanohana an’ilay fitsidihana ny mpitory, raha fantany tsara ny fandaharana hatao.
33 Olona vitsivitsy ihany no atao ao amin’ny andia-mpitory iray, amin’izay ny mpiandraikitra afaka mifankahalala tsara amin’ny olona ao amin’ny andia-mpitoriny. Mpiandry be fitiavana izy ka miahy ny tsirairay ao amin’ny andia-mpitoriny. Manampy sy mampahery ny mpitory izy, mba hazoto hanompo izy ireo sady hazoto handray anjara amin’ny fivoriana. Manao izay rehetra azony atao izy mba hahatonga ny tsirairay hanana finoana matanjaka foana. Mitsidika ny marary na ny kivy koa izy, mba hampaherezana azy ireo. Mety haniry hahazo tombontsoam-panompoana fanampiny eo anivon’ny fiangonana ny mpitory, rehefa omeny soso-kevitra na torohevitra mampahery. Handray soa avy amin’izany koa ny fiangonana manontolo. Ny andia-mpitoriny aloha no tena iezahan’ilay mpiandraikitra ampiana. Anti-panahy sy mpiandry eo anivon’ny fiangonana koa anefa izy, ka mitady izay hahasoa ny mpitory rehetra ary vonona hanampy an’izay mila fanampiana.—Asa. 20:17, 28.
34 Anjaran’ny mpiandraikitra ny andia-mpitory koa ny manangona ny tatitra momba ny fanompoana ao amin’ny andia-mpitoriny. Omeny ny mpitan-tsoratra ireny tatitra ireny avy eo. Manampy an’ilay mpiandraikitra ny mpitory tsirairay raha mamerina tatitra ara-potoana. Azony omena mivantana ny mpiandraikitra ny andia-mpitoriny ilay izy rehefa faran’ny volana, na ataony ao anatin’ny boaty fasiana tatitra ao amin’ny Efitrano Fanjakana.
KOMITIN’NY FANOMPOAN’NY FIANGONANA
35 Ireto avy no anisan’ny Komitin’ny Fanompoan’ny Fiangonana: Ny anti-panahy mpandrindra sy ny mpitan-tsoratra ary ny mpiandraikitra ny fanompoana. Misy andraikitra vitsivitsy ataon’izy ireo. Izy ireo, ohatra, no mandinika ny fangatahana hampiasa Efitrano Fanjakana, rehefa misy te hanao lahatenim-panambadiana na lahatenim-pandevenana ao amin’izy io. Andraikiny koa ny manendry izay mpitory ho ao amin’ny andia-mpitory tsirairay. Anjaran’ny komitin’ny fanompoana ny manaiky na mandà ny fangatahana hanao mpisava lalana mpanampy na mpisava lalana maharitra na karazana fanompoana hafa. Tokony hifanaraka amin’ny hevitry ny anti-panahy rehetra foana ny fanapahan-kevitra sy ny zavatra ataon’ny komitin’ny fanompoana.
36 Ny biraon’ny sampana no milaza hoe inona no andraikitr’ireo rahalahy ireo, sy ny an’ny mpitarika ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, ny an’ny mpiandraikitra ny Fivoriana Momba ny Fiainantsika sy ny Fanompoana, ary ny an’ny rahalahy hafa anisan’ny anti-panahin’ny fiangonana.
37 Miara-mivory ny anti-panahy rehetra ao amin’ny fiangonana tsirairay, mba handinihana ny fandrosoan’ny fiangonana. Mivory izy ireo rehefa mitsidika ny fiangonany ny mpiandraikitra ny faritra. Mivory koa izy ireo isaky ny telo volana eo ho eo aorian’ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra. Mazava ho azy fa afaka mivory foana izy ireo rehefa ilaina izany.
ILAINA NY MANAIKY NY MPIANDRAIKITRA
38 Marina fa tsy lavorary ny mpiandraikitra, nefa tokony hanaiky azy ireo ny rehetra eo anivon’ny fiangonana. I Jehovah mantsy no nanendry azy ireo, ary izy no hanao ampamoaka azy. Solontenan’i Jehovah ireny mpiandraikitra ireny, ary nomeny fahefana. Hoy ny Hebreo 13:17: “Ankatoavy sy ekeo ireo mitarika eo aminareo. Miahy anareo foana mantsy izy ireny, toy ny olona mbola hatao ampamoaka. Amin’izay dia ho faly izy ireny rehefa manao an’izany fa tsy hisento, satria tsy hahasoa anareo izany.” Mampiasa ny fanahiny masina i Jehovah rehefa manendry rahalahy iray ho mpiandraikitra. Mbola hampiasa an’io fanahiny io koa izy, rehefa hanala an’ilay rahalahy tsy ho mpiandraikitra. Mety hoe tsy maneho ny vokatry ny fanahy mantsy ilay rahalahy, sady tsy mahafeno ny fepetra takin’ny Soratra Masina intsony.
39 Tena mankasitraka ny asa mafy sy ny ohatra tsara omen’ny anti-panahy eo anivon’ny fiangonana isika. Hoy i Paoly tamin’ny fiangonan’i Tesalonika: “Izao no angatahinay aminareo, ry rahalahy: Mba hajao izay miasa mafy eo aminareo, sy mitarika anareo eo amin’ny asan’ny Tompo, ary mananatra anareo. Angatahinay koa ianareo mba ho tsara fanahy be amin’izy ireny sady ho tia azy ireny, noho izay ataony.” (1 Tes. 5:12, 13) Lasa mora kokoa amintsika sady vao mainka mahafinaritra antsika ny manompo an’Andriamanitra, noho ny asa mafy ataon’ireo mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana. Ahoana koa no tokony hitondrantsika an’ireny mpiandraikitra ireny? Hoy i Paoly ao amin’ny 1 Timoty 5:17: “Aoka hatao mendrika hahazo fanajana avo roa heny ny anti-panahy mahay mitondra, indrindra fa izay mikely aina amin’ny firesahana ny tenin’Andriamanitra sy amin’ny fampianarana.”
ANDRAIKITRA HAFA EO ANIVON’NY FANDAMINANA
40 Tendrena ho anisan’ny Antokona Mpamangy Marary ny anti-panahy sasany indraindray. Ny hafa indray anisan’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly, ka mankany amin’ny hopitaly sy mampirisika ny dokotera mba tsy hampiasa ra isaky ny mitsabo Vavolombelon’i Jehovah. Misy koa mpiandraikitra afaka manampy amin’ny fanorenana sy fikojakojana Efitrano Fanjakana sy Efitrano Fivoriambe mba hampandrosoana ny asan’i Jehovah. Ny hafa indray anisan’ny Komitin’ny Fivoriambe. Miasa mafy sy mahafoy tena ireny rahalahy ireny ka tena mankasitraka azy ireny ny fandaminana. Tokony ‘ho tia sy hanaja foana ny olona hoatr’azy’ ireny isika.—Fil. 2:29.
MPIANDRAIKITRA NY FARITRA
41 Ny Filan-kevi-pitantanana no miandraikitra ny fanendrena anti-panahy mahay mba ho mpiandraikitra ny faritra. Ny biraon’ny sampana indray no manendry ny faritra hotsidihin’izy ireo. Tsidihiny indroa isan-taona ny fiangonana tsirairay, amin’ny ankapobeny. Tsidihin’izy ireo tsy tapaka koa ny mpisava lalana any amin’ny faritany mitokana. Izy ireo no mandamina ny fotoana hitsidihany, ary mampahafantatra an’izany mialoha be an’ireo fiangonana, mba handray soa amin’ilay fandaharana ny rehetra.
42 Ataon’ny anti-panahy mpandrindra azo antoka fa voalamina ny zava-drehetra mifandray amin’ilay fitsidihana, mba hahatonga azy io hampahery. (Rom. 1:11, 12) Omena azy ny taratasy momba ny fitsidihana sy ny zavatra ilain’ilay mpiandraikitra ny faritra sy ny vadiny (raha manambady izy). Dinihiny miaraka amin’ny rahalahy hafa avy eo ny trano hipetrahan’ilay mpiandraikitra ny faritra sy izay zavatra hafa ilaina hatao. Ampahafantariny an’ilay mpiandraikitra ny faritra sy ny fiangonana izay fandaharana natao momba an’ilay fitsidihana.
43 Hiresaka amin’ny mpiandraikitra ny faritra ny anti-panahy mpandrindra rehefa mandamina ny fandaharam-pivoriana mandritra an’ilay herinandro manokana, anisan’izany ny fivoriana alohan’ny fanompoana. Arakaraka ny soso-kevitry ny mpiandraikitra ny faritra sy ny tari-dalana avy amin’ny biraon’ny sampana no andaminana an’izany. Tokony hampahafantarina ny rehetra mialoha ny toerana sy ny fotoana hanaovana ny fivorian’ny fiangonana, fivoriana alohan’ny fanompoana, fivorian’ny mpisava lalana, ary ny an’ny anti-panahy sy mpikarakara fiangonana.
44 Hijery ny antontan-taratasin’ny fiangonana ny mpiandraikitra ny faritra ny talata tolakandro. Hojereny amin’izany ny Firaketana ny Fanompoan’ny Mpitorin’ny Fiangonana, ny Filazana ny Isan’ny Mpanatrika Ireo Fivorian’ny Fiangonana, ary ny taratasy momba ny kaonty sy ny fiasana ny faritany. Ho hitany amin’izany hoe inona no mety hilain’ilay fiangonana, ary inona no azo anampiana an’ireo rahalahy miandraikitra an’ireny taratasy ireny. Ataon’ny anti-panahy mpandrindra izay hanomezana mialoha an’ireny taratasy ireny an’ilay mpiandraikitra ny faritra.
45 Miezaka miresaka amin’ny rahalahy sy anabavy tsirairay ny mpiandraikitra ny faritra mandritra ny fitsidihany, arakaraka ny fotoanany. Mety ho any am-pivoriana izany, na eny amin’ny fanompoana, na mandritra ny fiaraha-misakafo, na amin’ny fotoana hafa. Miara-mivory amin’ny anti-panahy sy mpikarakara fiangonana koa izy, ka manome torohevitra sy soso-kevitra ary fampaherezana avy ao amin’ny Soratra Masina. Hanampy an’ireo rahalahy hamita tsara ny andraikiny izany. (Ohab. 27:23; Asa. 20:26-32; 1 Tim. 4:11-16) Miara-mivory amin’ny mpisava lalana koa izy, mba hampahery azy ireo amin’ny fanompoany sy hanampy azy raha manana olana mifandray amin’izany izy ireo.
46 Raha misy raharaha hafa mila alamina, dia hanampy ny anti-panahy araka izay azony atao ny mpiandraikitra ny faritra mandritra ny fitsidihany. Raha tsy voalamina mandritra an’ilay herinandro ilay raharaha, dia hampiany hahita ny torolalana araka ny Soratra Masina ny anti-panahy na izay rahalahy voakasika amin’ilay izy. Hanao tatitra amin’ny an-tsipiriany momba ilay raharaha izy sy ny anti-panahy, raha misy zavatra tokony hataon’ny biraon’ny sampana.
47 Manatrika ny fivorian’ny fiangonana ny mpiandraikitra ny faritra, mandritra ny fitsidihany. Mety hasiana fanovana ny fivoriana indraindray, arakaraka ny toromarika omen’ny biraon’ny sampana. Hanao lahateny vitsivitsy izy, mba hampaherezana, hampirisihana, hampianarana, ary hanatanjahana ny fiangonana. Ataony izay hahatonga ny mpihaino ho tia kokoa an’i Jehovah sy Jesosy Kristy ary ny fandaminana.
48 Natao hanampiana ny mpitory hazoto hanompo ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra. Fotoana andraisan’izy ireo soso-kevitra mandaitra momba ny fanompoana koa izy io. Mpitory maro no mety ho afaka handamina ny fotoanany mba ho afaka hanompo matetika kokoa amin’io herinandro io. Mety ho afaka hanao mpisava lalana mpanampy ny sasany mandritra ilay volana misy fitsidihana. Afaka misoratra anarana izay te hiara-manompo amin’ny mpiandraikitra ny faritra na ny vadiny. Handray soa maro ny mpitory, raha miara-mampianatra sy manao fiverenana mitsidika amin’ilay mpiandraikitra, na ny vadiny. Tena ankasitrahana ny ezaka ataonao mba hanohanana amin’ny fomba feno an’io fitsidihana io.—Ohab. 27:17.
49 Manao fivoriamben’ny faritra roa isan-taona ny faritra tsirairay. Hisy solontenan’ny sampana ny iray amin’izy ireo, ka izy io no ho mpandahateny mpitsidika. Ny mpiandraikitra ny faritra no mandamina an’ireny fivoriambe ireny. Izy koa no manendry ny mpiandraikitra ny fivoriambe sy ny mpanampy ny mpiandraikitra ny fivoriambe. Tsy hiovaova izay voatendry. Tokony hiara-miasa akaiky amin’ny mpiandraikitra ny faritra izy ireo, rehefa manampy azy handamina an’ilay fivoriambe. Ho afaka hifantoka kokoa amin’ny fandaharan’ny fivoriambe ny mpiandraikitra ny faritra amin’izay. Manendry rahalahy mahay hafa koa ny mpiandraikitra ny faritra, mba hiandraikitra sampan-draharaha samihafa. Izy koa no manendry olona hanamarina ny kaontin’ny faritra, aorian’ny fivoriambe tsirairay. Mety mbola hozaraina roa na mihoatra ny faritra sasany, raha lavitra na kely loatra ny Efitrano Fivoriambe. Samy hanao fivoriamben’ny faritra ireny ampahany amin’ilay faritra ireny.
50 Alefan’ny mpiandraikitra ny faritra mivantana any amin’ny biraon’ny sampana ny tatitra momba ny fanompoany, isaky ny faran’ny volana. Azony alefa any amin’ny biraon’ny sampana ny fandaniana nataony mba honerana, raha tsy voaloan’ny fiangonana. Anisan’izany ny saran-dalana, ny sakafo, ny filasiana, na zavatra hafa mifandray amin’ny asany. Matoky ny fampanantenan’i Jesosy ireny mpiandraikitra ireny hoe hahazo izay zavatra ilainy izy ireo, raha manao loha laharana foana ny Fanjakan’i Jehovah. (Lioka 12:31) Tokony ho tsapan’ny fiangonana hoe tena tombontsoa ny mampiantrano an’ireny rahalahy mahafoy tena ireny.—3 Jaona 5-8.
KOMITIN’NY SAMPANA
51 Rahalahy mahafeno fepetra sy matotra telo na mihoatra no anisan’ny Komitin’ny Sampana, any amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah tsirairay eran-tany. Izy ireo no miandraikitra ny asa fitoriana any amin’ny tany iray na maromaro iandraiketany. Mpandrindra ny Komitin’ny Sampana ny iray amin’izy ireo.
52 Mikarakara ny raharaha misy ifandraisany amin’ny fiangonana rehetra ao amin’ny tany iandraiketany ny Komitin’ny Sampana. Io komity io no manara-maso ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana manerana an’ilay tany iandraiketany. Alaminy ho fiangonana sy faritra koa ilay tany mba hahafahana mikarakara izay ilain’ny olona eny amin’ny saha. Mahaliana ny Komitin’ny Sampana koa ny fanompoana ataon’ny misionera, mpisava lalana manokana, ary ny mpisava lalana mpanampy sy maharitra. Io komity io koa no mandamina ny fivoriamben’ny faritra sy vondrom-paritra, ary manao ny fanendrena sasany amin’izany. ‘Hatao amin’ny fomba mendrika sy milamina tsara ny zava-drehetra’ amin’izay.—1 Kor. 14:40.
53 Raha Komitin’ny Sampana any amin’ny tany hafa no miandraikitra ny asa ao amin’ny tany iray, dia asiana Komitin’ny Tany eo an-toerana mba hanara-maso akaiky ny asa. Ilay Komitin’ny Tany no mikarakara an’izay ilain’ny fianakavian’ny Betela sy ny zavatra ilaina any amin’ny birao, mikarakara ny taratasy sy ny tatitra, ary miandraikitra ny asa eny amin’ny saha. Miara-miasa amin’ny Komitin’ny Sampana ny Komitin’ny Tany, mba hampandrosoana ny asa fitoriana.
54 Ny Filan-kevi-pitantanana no manendry an’ireo rahalahy ho anisan’ny Komitin’ny Sampana sy Komitin’ny Tany.
SOLONTENAN’NY FOIBE
55 Manao fandaharana ny Filan-kevi-pitantanana indraindray, ka mandefa rahalahy mahay mba hitsidika ny sampana tsirairay eran-tany. Antsoina hoe solontenan’ny foibe ilay rahalahy voatendry hanao izany. Mampahery ny fianakavian’ny Betela no tena ataony, manampy ny Komitin’ny Sampana handamina olana, ary mamaly fanontaniana mahakasika ny asa fitoriana sy fanaovana mpianatra. Hihaona amin’ny mpiandraikitra ny faritra sasany sy amin’ireo misionera eny amin’ny saha izy, mba hiresahana ny olana mahazo azy ireo na ny zavatra ilainy. Mampahery an’ireo mpiara-manompo amintsika ireo izy avy eo mba hazoto foana izy ireo hanao an’ilay asa lehibe indrindra, dia ny asa fitoriana sy fanaovana mpianatra.
56 Mandinika tsara ny fandrosoan’ny asa fitoriana sy ny zavatra hafa ataon’ny fiangonana ilay solontenan’ny foibe. Mitsidika ny biraon’ny fandikan-teny mitokana koa izy raha ampy ny fotoana. Mandray anjara amin’ny fitoriana araka izay vitany koa ny solontenan’ny foibe, rehefa mitsidika sampana.
Ho tafaray amin’i Kristy Jesosy, ilay Lohan’ny fiangonana, isika raha mankatò foana an’ireo mpiandraikitra notendrena hiandry ny andian’ondry
MPIANDRAIKITRA BE FITIAVANA
57 Miasa mafy sy mikarakara antsika amim-pitiavana ireny rahalahy matotra ireny ka tena mandray soa amin’izany isika. Ho tafaray amin’i Kristy Jesosy, ilay Lohan’ny fiangonana, isika raha mankatò foana an’ireo mpiandraikitra notendrena hiandry ny andian’ondry. (1 Kor. 16:15-18; Efes. 1:22, 23) Hiasa eo anivon’ny fiangonana eran-tany ny fanahin’Andriamanitra amin’izay, ary hitarika antsika ny Teniny mba hamitana ny asa maneran-tany.—Sal. 119:105.