Ankamamio ny Fanompoanao Masina
MBA hahavitana zava-kendrena mendrika iray, dia tsy maintsy mivonona ny handoa ny vidiny isika. Mitaky taona maro ianarana sy anehoana fahatapahan-kevitra ary koa vola ny fahatongavana ho dokotera. Ny mpanao gymnastique iray mahita fahombiazana dia nandany ny tapany lehibe indrindra tamin’ny fahatanorany tamin’ny fiezahana mafy teo amin’ny fanaovan-javatra nahazatra nihasarotra kokoa hatrany ihany tamin’ny fikatsahana tsy an-kijanona ny tonga lafatra. Ny mpitendry piano mahay iray dia afaka mitodika toy izany koa any amin’ireo taona nanaovany fanazaran-tena tamim-pandavan-tena.
Misy anefa zava-kendrena iray izay mitondra tombony mihoatra lavitra noho izay mety ho vidiny tsy maintsy aloa. Inona izany? Izany dia ny tombontsoa ho tonga mpanompon’i Jehovah Andriamanitra, ilay Avo Indrindra. Na inona na inona sorona ataontsika eo amin’ny fotoana, na vola, na hery, dia mitondra valisoa tsy manam-paharoa ilay tombontsoa manao fanompoana masina ho an’ny Mpamorona antsika. Marina ny tenin’ny apostoly Paoly manao hoe: “Ny fifikirana amin’Andriamanitra kosa dia mahasoa amin’ny zavatra rehetra, satria izany mitana ny fampanantenana fiainana ankehitriny sy izay mbola ho avy.” (1 Timoty 4:8, NW ). Aoka hojerentsika hoe amin’ny ahoana izany no marina.
Raha vao mianatra momba an’Andriamanitra isika
Ny ankamaroan’izay mandray tsara ny vaovao tsara sy manomboka mianatra ny Baiboly dia azo inoana fa tsy mahatakatra hoe ho tonga hatraiza ireo fiovana izay haterak’izany eo amin’ny fiainan’izy ireo. Amin’ny voalohany ilay mpianatra ny Baiboly vaovao dia mety hamoy ny namany sasany izay tsy mahatakatra ny antony tsy hiarahany intsony amin’izy ireo eo amin’ny fikatsahan-javatra izay ekeny ankehitriny fa manala baraka an’Andriamanitra. (1 Petera 4:4). Ny sasany dia mety hahazo fanoherana avy amin’ny fianakaviana ary mety halahelo mahita ireo olon-tiany maneho tsy fitiavana an’i Jehovah, na fankahalana azy mihitsy aza. (Matio 10:36). Mety ho vidiny sarotra aloa izany.
Any am-piasana na any an-tsekoly, dia hisy koa vidiny haloa. Rehefa afaka kelikely dia hitsahatra tsy handray anjara amin’ireo lanonana araka an’izao tontolo izao sy ireo fankalazana hafa ilay mpianatra ny Baiboly vaovao. Tsy hihaino intsony ireo resaka maloto ataon’ny mpiara-miasa na mpiara-mianatra aminy izy, na hifanao vazivazy maloto amin’izy ireo. Hiezaka kosa izy mba hampihatra ilay fananarana hita ao amin’ny Efesiana 5:3, 4 manao hoe: “Ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy maha-mendrika ny olona masina izany, na fahavetavetana, na resaka fahadalana, na voso-dratsy, izay tsy tokony hatao, fa aleo misaotra.”
Mahatonga ilay mpianatra ny Baiboly ho voailikilika ny fiovana toy izany. Mety ho sarotra izany, indrindra fa ho an’ny tanora iray mbola mandeha any an-tsekoly. Tsy maintsy mandray anjara amin’ny ady tsy an-kijanona ho an’ny finoana ny tanora kristiana noho izy miatrika fankalazana andro fety mifandimby ary koa fampianarana mandà an’Andriamanitra, toy ny fivoarana miandalana, sy ny fanerena tsy an-kijanona hanaraka ny besinimaro. Hahatonga azy ireo tsy hitovy amin’ny hafa ny fanarahana ny lalan’Andriamanitra, ary izany dia mety hiteraka fanesoana avy amin’ny mpiray kilasy sy ny mpampianatra. Sarotra indrindra ny manaiky izany mandritra ireo taona maha-mora tohina ny zatovo, kanefa dia mendrika izany vidiny izany ny fankasitrahan’Andriamanitra.
Tena fanaovana sorona tokoa ve izy ireny?
Misy zavatra hafa toa fanaovana sorona amin’ny voalohany, hita fa fitahiana. Voatery miala amin’ny fahazarana mifoka sigara sy mihinam-paraky ny sasany. (2 Korintiana 7:1). Mety ho ady mafy izany, kanefa fitahiana toy inona moa rehefa resy amin’ny farany io fahazaran-dratsy manimba io! Azo atao ny milaza toy izany ny amin’ny fandresena fahazaran-dratsy amin’ny zava-mahadomelina hafa sy amin’ny alkaola. Tsara kokoa toy inona moa ny fiainana tsy misy an’ireo fahazarana manimba ireo! Ny hafa dia voatery mandamina ny raharaham-panambadiany. Ireo izay miray trano kanefa tsy vita soratra dia tsy maintsy mivady na mitsahatra tsy miray trano. (Hebreo 13:4). Ireo lehilahy izay miara-miaina amim-bady maromaro dia tsy maintsy mitana ilay vadin’ny fahatanorany irery ihany. (Ohabolana 5:18). Mahatafiditra sorona ny fanitsiana toy izany, kanefa dia mitondra fiadanana ho an’ny tokantrano izany.
Eritrereto ny valisoa
Tsy azo lavina fa na iza na iza mankato ny lalàn’i Jehovah dia tena mandray soa tokoa. Vao voalohany eo amin’ny fiainany ilay mpianatra ny Baiboly no manomboka miresaka amin’ny Mpamorona azy, amin’ny fampiasana ny anarany hoe Jehovah. (Salamo 83:18). Manjary tia an’i Jehovah ilay mpianatra arakaraka ny ianarany mikasika ireo zava-mahatalanjona efa nataony sy mbola hataony ho an’ny taranak’olombelona. Any amin’ireo tany izay mahazatra ny fahatahorana ny maty, dia mamoy io tahotra feno finoanoam-poana io izy, noho ny fahafantarany fa ny maty dia matory, miandry fitsanganana amin’ny maty. (Mpitoriteny 9:5, 10). Ary fanamaivanana toy inona moa ny mahatakatra fa tsy mampijalijaly mandrakizay ny olona ao amin’ny afobe i Jehovah! Eny, tena manafaka azy tokoa ny fahamarinana. — Jaona 8:32.
Arakaraka ny ampifanarahan’ilay mpianatra kokoa ny fiainany amin’ireo fari-pitsipik’i Jehovah, dia mahazo feon’ny fieritreretana madio sy fanajan-tena izy. Ny fianarany miaina toy ny tena Kristiana dia manampy azy hikarakara tsara kokoa ny fianakaviany, ka izany dia mitondra fahafaham-po sy fifaliana lehibe. Avy eo, dia eo ny fanatrehana ireo fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakana. Fanandraman-javatra mahafinaritra re izany! Ao no misy olona tena mampihatra tokoa ilay fitiavana mafana izay lazain’ny Baiboly fa toetra amantarana ny vahoakan’Andriamanitra. (Salamo 133:1; Jaona 13:35). Madio sy mampahery ny fitenin’izy ireo rehefa miresaka ny amin’ireo “asa lehibe ataon’Andriamanitra” izy. (Asan’ny Apostoly 2:11). Eny, loharanom-pahasambarana ny fifandraisana amin’ireo “rahalahy”. (1 Petera 2:17). Ny fiarahana tsara dia tsara toy izany dia manampy ilay mpianatra ny Baiboly mba “hitafy ilay toetra vaovao izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny rariny sy ny fahatokiana marina”. — Efesiana 4:24, NW.
Dingana amin’ny fanoloran-tena
Arakaraka ny handrosoan’ny olona iray eo amin’ny fahalalana, dia atosiky ny fitiavana an’i Jehovah izy amin’ny farany mba hanolotra ny fiainany ho azy sy hampiseho izany fanoloran-tena izany amin’ny alalan’ny batisa ao anaty rano. (Matio 28:19, 20). Ny torohevitr’i Jesosy dia hoe: Tokony hanombana izay ho lany ny mpianany, alohan’ny hanaovana io dingana io. (Lioka 14:28). Tadidio fa ny Kristiana iray nanolo-tena dia mametraka ny sitrapon’i Jehovah eo amin’ny toerana voalohany ary mandà ireo zavatry ny nofo. Miezaka mafy izy mba hanary ny “asan’ny nofo” ary mba hamboly ny “vokatry ny fanahy”. (Galatiana 5:19-24). Manana anjara asa feno kokoa eo amin’ny fiainany izao ilay torohevitra hita ao amin’ny Romana 12:2 manao hoe: “Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.” Araka izany, ny Kristiana nanolo-tena iray dia miaina ny fiainany misy zava-kendrena manana heviny nohavaozina.
Diniho anefa izay azony. Voalohany, dia manana fifandraisana manokana amin’ilay Mpamorona izao rehetra izao izy ankehitriny. Ambara fa marina izy amin’ny fananana fanantenana ny ho sakaizan’Andriamanitra! (Jakoba 2:23). Amin’ny fomba misy heviny lalina kokoa, dia miresaka amin’Andriamanitra izy, amin’ny maha-‘Raintsika any an-danitra’ azy. (Matio 6:9). Fitahiana hafa iray azon’ilay vao nanolo-tena ny fahafantarana fa tena misy zava-kendrena ny fiainana ary izy dia miaina mifanaraka amin’izany zava-kendrena izany. (Mpitoriteny 12:13). Amin’ny fanarahany ny fitarihan’i Jesosy, dia afaka manaporofo izy fa mpandainga ny Devoly amin’ny fitoerany ho mahatoky. Fifaliana toy inona moa no entin’izany ho an’ny fon’i Jehovah! — Ohabolana 27:11.
Mazava ho azy fa arakaraka ny iaretan’ny Kristiana iray eo amin’ny lalan’ny fahatokiana, dia misy sorona fanampiny tokony hatao. Mitaky fotoana ny fanaovana fianarana misy heviny ny Tenin’Andriamanitra atao manokana sy any amin’ny kongregasiona. (Salamo 1:1-3; Hebreo 10:25). Tsy maintsy alaina avy amin’ny fotoana ampiasaina amin’ny asa hafa ny fotoana ho an’ny asa fanompoana. (Efesiana 5:16, NW ). Takina koa ny fotoana sy ny fiezahana mba hanatrehana ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah sy mba handehanana any amin’ireo fivoriambeny sy fivoriamben’ny distrikany. Mety hitaky fahafoizan-tena ny fandraisana anjara amin’ny fanohanana ara-bola ny Efitrano Fanjakana sy ny asa fitoriana maneran-tany. Araka ny azon’ny Kristiana an-tapitrisany maro hamarinina anefa, dia mitondra fahasambarana ny fandraisana anjara amin’ny fo manontolo amin’ny zavatra toy izany. Hoy i Jesosy: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” — Asan’ny Apostoly 20:35.
Ny valisoa amin’ny fanohanana ny asan’i Jehovah dia mihoatra lavitra noho ny vidiny naloa. Arakaraka ny itomboantsika amin’ny fahamatorana, dia manjary mahavokatra kokoa sy mahafaly kokoa ny fanompoantsika. Tsy azo lavina fa tsy misy zavatra afaka mitondra fahafaham-po be toy ny fampianarana olon-kafa ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ary mahita azy io manaiky ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah. Ary raha anisan’ny mpianakavy ilay mpivavaka vaovao, angamba ankizy izay nampiofanina tao “amin’ny lalàm-pifehezana sy fanabeazana ara-tsaina avy amin’i Jehovah”, dia hitondra fifaliana manokana izany. (Efesiana 6:4, NW ). Hitantsika ny fitahiana manana amby ampy avy amin’i Jehovah eo amin’ny ezaka ataontsika mba ho “mpiara-miasa” aminy. — 1 Korintiana 3:9.
Valisoa hafa noho ny fanompoana amim-pahatokiana
Marina fa hanan-java-manahirana isika raha mbola maharitra koa itỳ fandehan-javatra itỳ. Azo inoana fa hihamafy kokoa ireo zava-manahirana arakaraka ny maha-fohy ny fotoana ananan’ny Devoly. Mety ho voatery hizaka fanenjehana na hiaritra fakam-panahy isika. Kanefa ny fahafantarana fa momba antsika Andriamanitra dia mampionona antsika ary manome antsika ny tanjaka mba hiaretana. (1 Korintiana 10:13; 2 Timoty 3:12). Nisy Kristiana namana sasany niaritra fitondrana mafy an-taonany maro, kanefa dia nanana fikirizana izy ireo noho ny fitiavany an’Andriamanitra. Ireo izay miaritra fisedrana isan-karazany amim-pahombiazana dia mitovy fihetseham-po amin’ireo apostoly fony izy ireo nokapohina ary avy eo dia nalefa. Mitantara toy izao ny Asan’ny Apostoly 5:41: “Ary ireo dia niala teo anatrehan’ny Synedriona, sady faly, satria natao mendrika hitondra fahafaham-baraka ho voninahitr’izany anarana izany.”
Mihoatra lavitra noho ny vidiny ny valisoan’ny fiaretana na dieny izao aza. Tadidio anefa fa ny fifikirana amin’Andriamanitra dia “mitana fampanantenana”, tsy “fiainana ankehitriny” ihany, fa “izay mbola ho avy” koa. (1 Timoty 4:8, NW ). Fatratra toy inona moa ireo fahatsinjovan-javatra ananan’izay miaritra! Raha mahatoky ianao, dia ho tafita velona amin’ilay fahoriana lehibe izay hanamarika ny faran’itỳ fandehan-javatra itỳ. Na, raha maty alohan’izany fotoana hisehoan-javatra izany ianao, dia hatsangana ao amin’ilay tontolo vaovao izay hanaraka izany. (Daniela 12:1; Jaona 11:23-25). Eritrereto ny fahatsapana hafaliana be ho azonao amin’izay, rehefa ho afaka hilaza ianao hoe: “Noho ny fanampian’i Jehovah dia tody ihany!” Mampientam-po toy inona moa ny fandovana anjara amin’izany tany izany, izay azo antoka fa “ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina”. — Isaia 11:9.
Eny, misy vidiny aloa amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Kanefa, raha ampitahaina amin’ny valisoa ilay vidiny, dia kely dia kely. (Filipiana 3:7, 8). Noho izay rehetra ataon’Andriamanitra ho an’ny mpanompony izao sy mbola hataony amin’ny hoavy, dia averintsika ny tenin’ny mpanao salamo hoe: “Inona no havaliko an’i Jehovah noho ny soa rehetra nataony tamiko?” — Salamo 116:12.