Manekè ny mpitondra anareo
“Manekè ny mpitondra anareo, ka manoava azy; fa izy miambina ny fanahinareo araka izay tokony hataon’ny olona mbola hampamoahina.” — HEBREO 13:17.
1. Inona no soa entin’ny fiandrasan’ireo loholona?
AMIN’IZAO androntsika izao, “amin’ny andro farany”, Jehovah dia manome mpiandraikitra ny fandaminany (Daniela 12:4). Manome ohatra ireny lehilahy ireny amin’ny fiahiana ny “ondry” izay mahita fampiononana avy amin’izany (Isaia 32:1, 2). Ankoatra izany, ny fiandrasana feno fitiavana ataon’ireny loholona izay mitondra ny andian’ondrin’Andriamanitra amim-pahalemem-panahy ireny dia fiarovana amin’i Satana sy ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny. — Asan’ny apostoly 20:28-30; 1 Petera 5:8; 1 Jaona 5:19.
2. Inona no nolazain’ny sasany momba ny apostoly Paoly, nefa fihetseham-po manao ahoana no tokony hananana amin’ireo loholona?
2 Ahoana anefa no fiheveranao ireo loholona? Miteny irery ao amin’ny miafina indrindra ao amin’ny fonao ve ianao manao hoe: ‘Raha misy zava-manahirana manjo ahy dia tsy ho any amin’ny loholona intsony aho satria tsy matoky na dia ny iray aminy aza aho’? Raha manjohy hevitra toy izany ianao, moa ve satria mandinika ny tsy fahatanterahany? Tao Korinto fahizay dia nilaza toy izao mikasika ny apostoly Paoly ny sasany: “Fa ny epistiliny (...) dia mavesatra sy mahery; fa malemy kosa ny fanatrehan’ny tenany, ary tsinontsinona ny teniny.” Nanankinan’Andriamanitra fanompoana anefa izy sady nampiasainy ho “Apostolin’ny jentilisa”. (2 Korintiana 10:10; Romana 11:13; 1 Timoty 1:12.) Antenaina kosa àry ianao fa hanana fihetseham-po mitovy amin’ny an’ity vehivavy kristiana ity izay nilaza indray andro hoe: “Manana ny kolejin’ny loholona tsara indrindra eto ambonin’ny tany izahay. Eo foana izy ireo mba hanampy anay rehefa mila azy izahay.”
Nahoana no mankatò azy ireo?
3. Raha irintsika ho amin’ny fanahy izay asehontsika ny Tompo, ahoana no tokony hiheverantsika ireo mpiandry lefitra kristiana?
3 Koa satria noho i Jehovah, ilay Mpiandry lehibe, no nahazoantsika ireo mpiandry lefitra kristiana, dia ahoana no tiany hiheverantsika azy ireny? Tsy isalasalana fa antenainy ny hanarahantsika ny fitarihana miorina ao amin’ny Baiboly omen’ireny loholona feno fitiavana ireny eo ambany fitarihan’ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Raha mankatò azy ireny isika dia ‘ho amin’ny fanahintsika ny Tompo’ ary hahita fiadanana sy hiorina amin’ny lafiny ara-panahy isika — 2 Timoty 4:22; jereo Asan’ny apostoly 9:31; 15:23-32.
4. Ahoana no azontsika ampiharana manokana ny Hebreo 13:7?
4 Manome izao famporisihana izao ho antsika i Paoly: “Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin’Andriamanitra taminareo; hevero ny niafaran’ny fiainany, ka araho ny finoany.” (Hebreo 13:7). Nanana an’ireo apostoly ho mpitondra azy aloha ireo kristiana voalohany. Amin’izao androntsika izao isika dia afaka mahita ireo anisan’ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah sy mpiandraikitra voahosotra hafa ary ireo anisan’ny “olona betsaka” izay mpitondra antsika (Apokalypsy 7:9). Na dia tsy amporisihina hanahaka ny fomba fiteniny na ny fomba fihetsiny na ny toetoetra mampiavaka ny maha-izy azy manokana aza isika, dia tokony hanao izay hahatonga ny fiafaran’ny fitondrantenantsika ho tsara noho ny fanahafantsika ny finoany.
5. Amin’izao androntsika izao, eto an-tany, iza no nahazo ny andraikitra mavesatra hiahy ny kongregasiona kristiana, ary mendrika inona ireny lehilahy ireny?
5 Amin’izao vanim-potoana misy antsika izao, eto an-tany, dia ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina” indrindra no manana andraikitra hanome izay ilaintsika ara-panahy. Ny Kolejy foibe izay solontenany no mpitondra antsika ary mandamina ny asa fitoriana ilay Fanjakana maneran-tany (Matio 24:14, 45-47). Azontsika heverina manokana ho ‘mpitondra’ antsika ara-panahy ireo mpiandraikitra voahosotry ny fanahy izay mahaforona izany satria azo adika toy izao ny Hebreo 13:7: “Mihainoa an’ireo izay mitondra anareo.” (Kingdom Interlinear). Koa satria misy kongregasiona maherin’ny 60 000 ary mpitory ilay Fanjakana 3 500 000, dia ‘manan-katao be amin’ny asan’ny Tompo’ ireo loholona 12 izay mahaforona ny Kolejy foibe. (1 Korintiana 15:58.) Noho ny asa nankinin’Andriamanitra tamin’izy ireo, dia mendrika ny fiaraha-miasa feno avy amintsika toy ny nandraisan’ny kolejy foibe tamin’ny taonjato voalohany ny fanohanan’ireo kristiana voalohany izy ireo. — Asan’ny apostoly 15:1, 2.
6. Ankoatra ny zavatra hafa, inona no ataon’ny loholona ho fanasoavana ny mpanompon’i Jehovah?
6 Notendren’ny fanahy ireo mpiandraikitra mba hanome izay ilain’ny kongregasiona ara-panahy (Asan’ny apostoly 20:28). Miahy ny hitoriana ny hafatr’ilay Fanjakana ao amin’ny faritanin’ny kongregasionany izy. Manome fitarihana ara-panahy feno fitiavana koa ireo lehilahy mahay araka ny fomba fijerin’ny Soratra masina ireo. Mananatra sy mampionona ireo rahalahiny sy anabaviny kristiana izy ary manao fanambarana eo anatrehan’izy ireo mba handehanany mendrika an’Andriamanitra hatrany (1 Tesaloniana 2:7, 8, 11, 12). Raha misy aza azon’ny ota tsy nahy, dia andraman’ireny lehilahy ireny atsangana “amin’ny fahamorana” izy. — Galatiana 6:1.
7. Inona no torohevitra nomen’i Paoly ao amin’ny Hebreo 13:17?
7 Maniry ny hiara-miasa amin’ny fo rehetra amin’ireny mpiandraikitra be fitiavana ireny isika, ary izany indrindra no tokony hatao satria nanoratra toy izao i Paoly: “Manekè ny mpitondra anareo, ka manoava azy; fa izy miambina ny fanahinareo araka izay tokony hataon’ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin’ny fifaliana, fa tsy amin’ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany.” (Hebreo 13:17). Ahoana no tokony hahazoantsika an’io torohevitra io?
8, 9. a) Mifanaraka amin’ny Hebreo 13:17, nahoana isika no tokony hankatò ireo mpitondra antsika? b) Vokatra tsara inona no mety hoentin’ny fankatoavantsika sy ny fanekentsika?
8 Mamporisika antsika hankaò an’ireo izay mitarika antsika eo amin’ny lafiny ara-panahy i Paoly. Tokony ‘hanoa’ an’ireny mpiandry lefitra ireny isika. Inona no antony? Satria ‘izy miambina mandrakariva ny fanahintsika’, ny fiainantsika voatokana ho an’Andriamanitra. Ary amin’ny fomba ahoana no ‘iambenany mandrakariva’? Ny matoanteny grika agrupnéô, izay matoantenin’ny mpanao milaza ny ankehitriny eto, dia midika ara-bakiteny fa ireo loholona dia “tsy matory”. Izany dia mampahatsiaro antsika mpiandry ondry manirery izay miari-tory mba hiarovana ny andian’ondriny amin’ireo loza amin’ny alina. Indraindray ireo loholona dia tsy matory amin’ny alina mba hivavahana ho an’ny andian’ondrin’Andriamanitra na mba hitondrana fanampiana ara-panahy ho an’ireo namany kristiana. Aoka àry hankamamintsika betsaka ny fanompoana ataony amim-pahatokiana. Tsy irintsika tokoa ny hitovy amin’ireo “olona ratsy fanahy” tamin’ny andron’i Joda izay ‘nandà ny nanana fahalehibiazana ary niteny ratsy ny nanana voninahitra’, izany hoe ny mpiandraikitra kristiana voahosotra sy ny fahalehibeazana, ny voninahitra izay nomen’Andriamanitra azy. — Joda 3, 4, 8.
9 Tsy hahazo sitraka amin’i Jehovah isika raha tsy mankatò sy tsy manaiky ireo mpiandraikitra kristiana. Hanasarotra ny asany ny fihetsika toy izany sady hitondra fahavoazana ho antsika eo amin’ny lafiny ara-panahy. Raha tsy tia fiarahamiasa isika, dia mety ho tonga hatramin’ny fiantsorohana ny andraikiny amim-pisentoana sy amim-pahakiviana ireo loholona ka mety hanaisotra ny fifaliantsika eo amin’ny asa kristiana izany. Mifanohitra amin’izany fa ny fankatoavantsika sy ny fanekentsika dia mampandroso ny fisian’ny fitondrantena tia fivavahana sady manatanjaka ny finoantsika. ‘Miaraka amin’ny fanahy asehontsika ny Tompo’ ary dibo-kafaliana isika ao anatin’io rivo-piainana misy fiaraha-miasa sy filaminana ary firaisan-tsaina io. — 2 Timoty 4:22; Salamo 133:1.
10. Araka ny 1 Timoty 5:17, nahoana no mendrika hahazo fanajana ireo izay mitondra tsara?
10 Ny fankatoavantsika sy ny fanekentsika ireo loholona ao amin’ny kongregasiona dia tsy midika akory fa mitady sitraka amin’olona isika. Hifanohitra amin’ny Soratra masina izany satria, tamin’ny taonjato voalohany, dia namporisihina ireo mpanompo kristiana mba hanaiky ny tompony “tsy amin’ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin’olona, fa amin’ny fahatsoram-po, matahotra ny Tompo [Jehovah, MN ].” (Kolosiana 3:22; Efesiana 6:5, 6.) Matoa mendrika omem-boninahitra ireo mpiandraikitra ‘izay mitondra tsara sy mikely aina amin’ny teny sy ny fampianarana’ dia satria indrindra miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fampianarana ataony. Nanoratra toy izao tokoa i Paoly: “Aoka ny loholona izay mitondra tsara hatao tokony hahazo fanajana roa heny, indrindra fa izay mikely aina amin’ny teny sy ny fampianarana. Fa hoy ny Soratra Masina: ‘Aza manakombona ny vavan’ny omby mively vary hianao’ ary koa “Ny mpiasa miendrika hahazo ny karamany.’ ” — 1 Timoty 5:17, 18.
11. Amin’ny fomba ahoana no mety hahazoan’ny loholona “fanajana roa heny”, nefa inona no tsy tokony hataony?
11 Asehon’ireo tenin’i Paoly ireo fa, azo atao ara-drariny ny mitondra fanampiana ara-nofo ho an’ireo izay miahy ny tombontsoa ara-panahin’ireo namany. Tsy milaza akory izany fa tokony handray karama ireo loholona. Tsy hitaky ny hanomezana azy “fanajana roa heny” koa ny loholona. Angamba hanome izany azy avy hatrany ny mpikambana ao amin’ny kongregasiona, nefa tsy hampiasa na oviana na oviana ny toerany mba hampitomboana ny fahefany na ny fananany ara-nofo izy. Tsy hitady ny voninahitry ny tenany izy ary tsy hifanerasera indrindra amin’ireo manana kokoa mba hahazoana tombontsoa ara-nofo ka tsy hiraharaha ny hafa (Ohabolana 25:27; 29:23; Joda 16). Ny mpiandraikitra iray kosa aza dia tokony hiandry ny andian’ondrin’Andriamanitra ‘amin’ny sitrapo; tsy amin’ny fitiavana harena maloto, fa amin’ny zotom-panahy’. — 1 Petera 5:2.
12. Inona no tsy tokony hohadinointsika mba hahafahana mankatò mora kokoa ireo mpitondra antsika?
12 Ho mora kokoa amintsika ny hankatò an’ireo izay mitondra antsika sy hanaja azy raha tsaroantsika fa Andriamanitra mihitsy no nanome ny loholona (Efesiana 4:7-13.). Koa satria notendren’ny fanahy izy ireo, ary mitana toerana lehibe eo amin’ny fiainantsika amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah ny fandaminan’Andriamanitra, dia maniry tokoa haneho fankasitrahana sy fanajana ireo fandaharana teokratika isika. Ankoatra izany, dia azontsika ampiana ireo vao tonga ao amin’ny kongregasiona hamboly io fihetsika io amin’ny fanehoana aminy ohatra tsara amin’ny fankatoavana sy fanekena an’ireo izay mitondra antsika.
Nahoana no mankamamy ny fanompoana ataony?
13. a) Fihetsika mifanohitra mikasika ny fahefana inona no hita eo amin’izao tontolo izao sy ao amin’ny fandaminan’Andriamanitra? b) Antony tsara inona no mahatonga antsika hatoky ireo lehilahy mitondra antsika? d) Toy izay hampisongadina ny tsy fahatanterahan’ireo loholona be herim-po, inona no tokony hataontsika?
13 Ahitana fironana handa izay rehetra mety ho fahefana eo amin’izao tontolo izao. Niaiky izany tamin’izao teny izao ny mpandahateny iray: “Ny fisondrotan’ny ambaratongam-pahalalana dia nampitombo aoka izany ny fahaizan-javatra, ary ireo mpianatra dia nanjary be fanakianana tsy misy toy izany ka toa tena tsy azo entina mihitsy izy ireo.” Tsy manjaka ao anatin’ny fandaminan’Andriamanitra anefa ny toe-tsaina tsy tia fiankinana, ary manana antony ara-drariny hitokiana amin’ireo lehilahy izay mitondra antsika isika. Ohatra, izay mahafeno ireo fepetra takina ara-baiboly ihany no voatendry ho loholona (1 Timoty 3:1-7). Ny fampiofanana raisiny dia manampy azy ho be fahamoram-panahy, be fitiavana sy tia manompo ny hafa, nefa koa hiaro amin’ny fomba hentitra ireo fotopoto-pitsipika marin’i Jehovah. Tsy mivadika amin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly izy, ‘mitana mafy ny teny marina mba hahaizany hananatra amin’ny fampianarana tsy misy kilema’. (Titosy 1:5-9.) Mazava ho azy fa tsy tokony hampisongadina ny tsy fahatanterahan’olombelona ananany isika, satria isika rehetra dia samy tsy tanteraka (1 Mpanjaka 8:46; Romana 5:12). Toy izay ho sosotra amin’ny fahalemeny sy hanamaivana ny toroheviny, dia aoka isika hanaiky ny fitarihana miorina amin’ny Baiboly izay omen’ny loholona antsika amin’ny fiaikena fa avy amin’Andriamanitra izany.
14. Fihetseham-po manao ahoana voambara ao amin’ny 1 Timoty 1:12 moa no tokony hananan’ny loholona noho ny fanompoana nankinina taminy?
14 Niteny toy izao i Paoly, izay tsy mba olona tsy nahay nankasitraka: “Misaotra an’i Kristy Jesosy Tompontsika aho, Izay nampahery ahy, fa nataony mahatoky aho ka notendreny ho amin’ny fanompoana.” (1 Timoty 1:12). Tafiditra amin’io fanompoana io ny asa fitoriana sy ny fanampiana nentiny ho an’ireo namany kristiana. Marina fa ny mpiandraikitra iray dia notendren’ny fanahy masina mba hanao ny asan’ny mpiandry, nefa tsy izany no tokony hampihevi-tena azy ho ambony noho ny hafa satria anisan’ny ‘andian’ondrin’Andriamanitra’ koa ny tenany (1 Petera 5:4). Mifanohitra amin’izany, fa tokony hankasitraka an’i Jesosy Kristy, ilay Filohan’ny kongregasiona, izay nihevitra azy ho mendrika hanompo ireo anisan’ny andian’ondry izy, ary hankasitraka an’Andriamanitra izay nahatonga azy hahay tamin’ny fanomezany azy, amin’ny fetra sasany, fahalalana sy fahendrena ary fahakingan-tsaina (2 Korintiana 3:5). Koa satria tena manana antony hahatsapana fankasitrahana ny loholona iray noho ny tombontsoa nomen’Andriamanitra azy, dia tokony hankamamy ny fanompoana na ny asa tanterahiny ny mpikambana hafa ao amin’ny kongregasiona.
15. Inona no votoatin’ny torohevitra nomen’i Paoly ao amin’ny 1 Tesaloniana 5:12, 13?
15 Ankamamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fandaminana izay naorin’Andriamanitra amin’izao androntsika izao, mandritra ny andro farany, ary manosika azy hanaja ny loholona ny fankasitrahany. Tokony ho faly isika hanaraka amin’ny fomba feno ireo fandaharana raisiny mba hahasoa antsika. Nilaza toy izao i Paoly: “Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin’ny Tompo ary mananatra anareo, ary mba hohajainareo indrindra amin’ny fitiavana izy noho ny asany.” (1 Tesaloniana 5:12, 13). Ravoraro ireo izay manaraka an’io torohevitra io ary tahin’i Jehovah izy.
Aoka harahintsika haingana ireo torohevitra omeny
16, 17. Torohevitra inona no tsy maintsy omen’ny loholona indraindray mikasika ny fanambadiana, ary inona no azon’ny tena amin’ny fanarahana izany?
16 Namporisika an’i Titosy ‘hananatra sy handrara amin’ny fahefana rehetra’ i Paoly. (Titosy 2:15.) Toy izany koa no anintonan’ireo solontenan’Andriamanitra amin’izao androntsika izao ny saintsika ho amin’ireo fotopoto-pitsipika sy lalàna ao amin’ny Baiboly. Manana ny antony rehetra hiheverana ny famporisihana izay omena antsika matetika isika, dia ny hanarahana ny torohevitra sy ny fitarihana omen’ny fandaminan’i Jehovah sy ny loholona.
17 Ohatra, aoka hataontsika hoe voatery mananatra kristiana iray hanaraka ny torohevitry ny Baiboly hanambady “ao amin’ny Tompo ihany” ireo loholona. (1 Korintiana 7:39; Deoteronomia 7:3, 4.) Mety hampahatsiaro azy izy ireo fa ny fanambadiana olona tsy vita batisa dia mety hitarika zava-manahirana lehibe, toy ny asehon’izay nitranga tamin’i Solomona mpanjaka izay nanao fahadisoana lehibe tamin’ny fakana vehivavy hafa irenena ho vadiny. Nampirona ny fony ho amin’ireo andriamanitra diso tokoa izy ireo ary nampiala azy tamin’i Jehovah (1 Mpanjaka 11:1-6). Mety hanazava aminy koa ireo loholona fa nandidy ny Jiosy i Ezra mba hisaotra ny vady mpanompo sampy izay nalainy ary i Nehemia dia nilaza tamin’ireo nanambady tsy mpino fa ‘nanao ratsy lehibe sy nanota tamin’Andriamanitra’ izy ireo. (Nehemia 13:23-27; Ezra 10:10-14; jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 febroary 1987, pejy faha-26 ka hatramin’ny faha-30.) Izay manaraka an’io torohevitra ara-baiboly omen’ny loholona feno fitiavana io dia hahita soa sy fahafaham-po amin’ny fampijaliana an’i Jehovah.
18. Mifanaraka amin’izay nosoratan’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 5:9-13, inona no tokony hataontsika raha voaroaka ny anankiray anisan’ny fianakaviantsika?
18 Mety koa ny manaja ny fanapahan-kevitra ara-pitsarana nataon’ireo loholona. Nilaza tamin’ireo kristiana tany Korinto i Paoly mba ‘tsy hiharoharo aminy, raha misy atao hoe rahalahy, nefa mpijangajanga, na mpierina, na mpanompo sampy, na mpanaratsy, na mpimamo, na mpanao an-keriny, na hiara-mihinana akory amin’ny toy izany’. Tokony ‘hanaisotra aminy ilay mpanao ratsy’ izy ireo. (1 Korintiana 5:9-13.) Nefa inona no hataonao raha voaroaka ny anankiray amin’ny havanao akaiky? Na dia voatery manana fifandraisana voafetra amin’ny havana voaroaka aza ny tena indraindray mba handaminana raharaha ara-pianakaviana, dia tokony ho tapahina avokoa izay mety ho fiombonana ara-panahy aminy (jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 jolay 1988, pejy faha-26 ka hatramin’ny faha-31). Eny, ny tsy fivadihantsika amin’Andriamanitra sy amin’ny fandaminany dia tokony hanosika antsika hanaja ireo fanapahan-kevitra ara-pitsarana nataon’ireo mpiandraikitra.
19. Inona no tokony hataontsika raha asehon’ireo loholona fa diso lalana isika eo amin’ny lafiny ara-panahy?
19 Tsy mora ny mijanona eo amin’ny lalana tery mankamin’ny fiainana. Mba hahatongavana amin’izany, dia tsy maintsy manaraka ny lalana atoron’ny Tenin’Andriamanitra sy ireo izay nahazo andraikitra hiandry ireo anisan’ny fandaminany isika (Matio 7:13, 14). Aoka halaintsika sary an-tsaina hoe diso lalana isika rehefa nandeha tamin’ny fiarakodia niala avy amin’ny tanàna iray ho any amin’ny hafa iray. Tokony hahita indray ny lalana marina isika, raha tsy izany dia tsy ho tonga na oviana na oviana any amin’izay aleha. Toy izany koa, raha asehon’ireo loholona antsika fa, amin’ny lafiny ara-panahy, dia diso lalana isika amin’ny fifaneraserana amin’ny tsy mpino ohatra, dia tokony hampihatra avy hatrany ny torohevitra omeny avy ao amin’ny Baiboly isika. Izany dia ho fomba fampisehoana fa tena ‘matoky an’i Jehovah tokoa isika’. — Ohabolana 3:5, 6.
Aoka isika hanaja azy na dia amin’ny zavatra madinika aza
20. Fanontaniana inona no azontsika atao amin’ny tenantsika mba hanajana ny fitarihan’ireo loholona na dia amin’ny zavatra madinika aza?
20 Tokony hanaiky ny fitarihan’ireo loholona isika na dia amin’ny zavatra madinika aza. Aoka àry isika hanontany tena hoe: ‘Moa ve aho miara-miasa amin’ireo loholona rehefa mangataka amin’ny kongregasiona izy mba hitsidika marary na hampiofana mpitory vaovao amin’ny fitoriana? Moa ve manaiky tsy amim-pimonomononana ireo anjara omena ahy amin’ny fivoriana aho ary manomana izany amim-pitandremana? Moa ve mihaino tsara aho rehefa manome torohevitra mikasika ny famandrihan-toerana any amin’ny fivoriambe, mikasika ny fomba fitafy na ny raharaha hafa ireo loholona? Miseho ho mahay miara-miasa ve aho rehefa angatahiny handray anjara amin’ny fanadiovana ny Efitrano Fanjakana sy rehefa asaina mamerina ny filazana asa tsy misy hataka andro na asaina ho tonga ara-potoana ao amin’ny fivoriana?
21. Mahatonga antsika hieritreritra ny tenin’i Jesosy hoe ahoana moa ny fanajana asehontsika an’ireo loholona?
21 Ankamamin’ireo mpiandraikitra ao amin’ny kongregasiona ny fiarahantsika miasa izay miteraka vokatra tena tsara. Raha fintinina, ny fanajantsika sy ny fiarahantsika miasa na dia amin’ny zavatra madinika aza dia mety hahatonga antsika hieritreritra ireto tenin’i Jesosy ireto: “Ary izay mahatoky amin’ny kely indrindra dia mahatoky koa amin’ny be.” (Lioka 16:10). Tsy irintsika ve ny hoheverina fa mahatoky?
Aoka hankamamintsika hatrany ny fiandrasan’ireo mpiandraikitra be fitiavana
22. Inona ny soa sasantsasany izay vokatry ny fiandrasana feno fitiavana ataon’ny mpanompo mahatoky sy ny loholona ao amin’ny kongregasiona?
22 Asehon’ireo soa ateraky ny fiandrasana feno fitiavana ataon’ny mpanompo mahatoky sy ny loholona ao amin’ny kongregasiona fa mitahy dia mitahy ny fandaminany eto an-tany i Jehovah. Ankoatra izany, ny fitarihana mandaitra izay omen’ireo loholona antsika dia manakambana ny fahaizan’izy ireo ary manampy mba hisian’ny firaisan-tsaintsika. Mahatonga antsika ho afaka hampifandrindra ny fiezahantsika koa izany ka hanompo amin’ny fomba mandaitra ilay Fanjakana. Tsy azo lavina fa ny fankasitrahantsika ny fiandrasana ataon’ireo izay mitondra antsika, dia mahatonga antsika hotahin’Andriamanitra indrindra amin’ny asa fitoriana sy fanaovana mpianatra (Matio 28:19, 20). Ny fiarahantsika miasa amin’ireo loholona dia manomana antsika koa ho amin’ny fiainana mandrakizay ao amin’ny fandehan-javatra vaovao.
23. Raha jerena araka ny 1 Jaona 5:3, dia tokony ho voatosika hanao inona isika?
23 Koa satria tiantsika Jehovah, dia tsy asa manasatra antsika ny fankatoavana azy. Nanoratra toy izao ny apostoly Jaona: “Fa izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny.” (1 Jaona 5:3). Mankatò amim-pifaliana ny didin’i Jehovah ireo kristiana mahatoky ary mahatsiaro ho voatosika hiara-miasa amin’ireo izay nampiandraiketiny asa fiandrasana ao amin’ny kongregasiona. Endrey ny fankasitrahantsika ny maha-anisan’ny fandaminan’Andriamanitra antsika sy ny fananana ireny ‘fanomezana olona’ ireny! (Efesiana 4:8, MN.) Sady matoky tanteraka ny fitarihan’i Jehovah ny vahoakany isika no aoka hankatò mandrakariva an’ireo izay manana tombontsoa hitondra ny Vavolombelony.
Ahoana ny hevitrao?
◻ Nahoana isika no tokony hankatò an’ireo mpitondra antsika?
◻ Ahoana no tokony ho fihetsitsika eo anoloan’ny fanompoana tanterahin’ireo loholona amin-jotom-po?
◻ Nahoana no tokony ho mailaka isika hampihatra ny torohevitr’ireo loholona?
◻ Soa inona no azon’ireo kristiana izay manaiky ny fiandrasana feno fitiavana ataon’ny loholona?
[Teny notsongaina, pejy 24]
Miara-miasa amin’ireo loholona ve ianao, ohatra, amin’ny fanekena izay anjara omena anao amin’ireo fivoriana, amin’ny fandraisana anjara amin’ny fanadiovana ny Efitrano Fanjakana ary amin’ny famerenana tsy misy hataka andro ny filazana asa?
[Sary, pejy 23]
Nifaly tamin’ny fitoriana ny vaovao tsara sy tamin’ny fanompoana ireo namany kristiana i Paoly. Ry loholona, mahatsapa fankasitrahana noho ny tombontsoam-panompoana omen’Andriamanitra anareo ve ianareo?