-
Hanohana Anao i JehovahNy Tilikambo Fiambenana—2015 | 15 Desambra
-
-
13. Inona no tokony hotadidintsika alohan’ny hanomezana na hanekena torohevitra momba ny fahasalamana?
13 Tsy misy Kristianina mahay fahagagana mba hanasitranana intsony ankehitriny. Misy Kristianina tia manome torohevitra momba ny fahasalamana anefa. Marina fa tsy ratsy ny manome torohevitra tsotsotra sy azo ampiharina. Nasain’i Paoly nisotro divay kely, ohatra, i Timoty tamin’izy narary vavony. Nety ho nisotro rano tsy madio tsara mantsy izy.a (Vakio ny 1 Timoty 5:23.) Misy anefa mandresy lahatra ny mpiara-manompo aminy mba hanandrana zavatra tsy mandaitra akory na mety hampidi-doza. Mety hasainy hanandrana karazana tambavy na fanafody, ohatra, ianao na koa hifady na hihinana karazana sakafo sasany. Milaza ilay olona indraindray hoe: ‘Efa nisy havanay voan’io aretina io koa dia nampiasa ... dia sitrana.’ Tena te hitady izay hahasoa anao angamba izy. Tadidio anefa fa mety hisy vokany ratsy na dia ny fanafody sy fitsaboana be mpampiasa aza.—Vakio ny Ohabolana 27:12.
-
-
Hanohana Anao i JehovahNy Tilikambo Fiambenana—2015 | 15 Desambra
-
-
a Hoy ilay boky hoe Ny Niandohan’ny Divay sy ny Tantarany (anglisy): “Hita tamin’ny andrana natao fa maty avy hatrany ny mikraobana tefoedra sy mikraoba hafa rehefa nasiana divay.”
-