Ny fiterahana teo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra
“Jehovah (...) anie hampitombo anareo ho arivo toraka izao”! — DEOTERONOMIA 1:11.
1. Ahoana moa no teny iresahan’ny Baiboly ny amin’ny zanaka sy ny fahafahana hiteraka?
IZAO no azo vakina ao amin’ny Salamo 127:3-5: “Indro, lova avy amin’i Jehovah ny zanaka maro; tamby ny ateraky ny kibo. Tahaka ny zana-tsipìka eo an-tànan’ny mahery ny zanaky ny fahatanorana. Sambatra izay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin’ireny.” Marina tokoa fa ny fahafahana hiteraka dia fanomezana mahatalanjona natolotry ny Mpamorona, Jehovah, ho an’ny mpivady olombelona voalohany sy ny taranany. — Genesisy 1:28.
Ny zanaka teo amin’ny Isiraely
2. Inona moa no mampiseho fa fahasoavana ho an’ny taranak’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba ny ho maro anaka?
2 Teo amin’ireo taranak’i Abrahama avy amin’i Isaka sy Jakoba, dia nampiseho fahasoavana izany hoe maro anaka. Na dia ireo zanaka nateraka tamin’ny vady teo amin’ny laharana faharoa sy ny vaditsindrano aza dia noheverina ho ara-dalàna; izany no hita ny amin’ny zanak’i Jakoba sasany, izay tonga ray mpanorina ny foko 12 teo amin’ny Isiraely (Genesisy 30:3-12; 49:16-21; jereo 2 Tantara 11:21). Na dia tsy nanomana afa-tsy ny fanambadiana tokana aza Andriamanitra tamin’ny voalohany, dia noleferiny, teo amin’ireo taranak’i Abrahama, ny famporafesana sy ny fananana vaditsindrano; izany fandaharana izany dia nahatonga fetezan’ny fitomboan’ny isan’ny mponina haingana. Ny Isiraelita dia natao ho tonga “vahoaka maro be tahaka ny vovo-tany”. (2 Tantara 1:9; Genesisy 13:14-16.) Io firenena io dia tokony hamoaka ny “taranaka nampanantenaina” ho azo itahiana “ny firenena rehetra ambonin’ny tany”. — Genesisy 22:17, 18; 28:14; Deoteronomia 1:10, 11.
3. Nanao ahoana ny toeran’ny Isiraely tamin’ny andro nanjakan’i Solomona?
3 Raha mazava fa teo amin’ny Isiraely, ny fahaterahan’ny zaza iray dia noheverina ho fahasoavana avy amin’i Jehovah (Salamo 128:3, 4), dia homarihina ihany fa ireo andininy ao amin’ny Salamo 127 notononina eo am-piandohan’ny lahatsoratra dia nosoratan’i Solomona mpanjaka izay ny ankamaroan’ny andro nanjakany dia tamin’ny fotoana tsara tanteraka teo amin’ny tantaran’ny Isiraely. Toy izao no ilazalazan’ny Baiboly izany fotoana izany: “Ary ny Joda sy ny Isiraely dia maro, tahaka ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony, sady mihinana sy misotro ary mifaly. Ary ny Joda sy ny Isiraely nandry fahizay tamin’ny andron’i Solomona rehetra, samy teny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny ny olona hatrany Dana [any avaratra] ka hatrany Beri-sheba [any atsimo].” — 1 Mpanjaka 4:20; 5:5.
Fotoan-tsarotra ho an’ny zanaka teo amin’ny Isiraely
4, 5. a) Nahoana moa ny fiterahana no tsy niteraka fifaliana foana teo amin’ny Isiraely? b) Fisehoan-javara nahatsiravina inona no hita indroa fara fahakeliny tao Jerosalema?
4 Nisy anefa vanim-potoana hafa teo amin’ny tantaran’ny Isiraely izay tsy nahatonga ny fiterahana ho antom-pifaliana velively. Izao no nosoratan’i Jeremia mpaminany tamin’ny fotoana nandravana an’i Jerosalema voalohany: “Pahina ny masoko azon’ny ranomaso (...) noho ny ankizy madinika sy ny zaza minono izay ana eny an-kalalahana ao an-tanàna. (...) Ny vehivavy va hihinana ny ateraky ny kibony, dia ny zanany madinika trotroiny?” “Ny tànan’ny vehivavy malemy fanahy aza dia nahandro ny zanany.” — Fitomaniana 2:11, 20; 4:10.
5 Ireo fisehoan-javatra nitranga tokony ho taonjato fito tatỳ aoriana dia toa niteraka tantara mahatsiravina toy izany koa. Nolazain’i Josèphe mpanoratra tantara jiosy fa nandritra ny fanaovana fahirano an’i Jerosalema, tamin’ny taona 70 amin’ny fanisan-taona iraisana, dia nisy ankizy nanaisotra sakafo avy eny am-bavan’ny rainy, nisy reny nanaisotra izany avy eny am-bavan’ny zanany kely. Notantarainy ny fomba namonoan’ny vehivavy iray ny zanany vao teraka, nanendasany azy sy nihinanany ny ampahany. Andraikitra ny niteraka tao anatin’ny fandehan-javatra jiosy, taloha kelin’ny fampiharana ny fanamelohan’i Jehovah an’i Jerosalema tamin’ny 607 alohan’ny fanisan-taona iraisana sy tamin’ny 70 amin’ny fanisan-taona iraisana.
Ny zanaka teo amin’ireo kristiana voalohany
6, 7. a) Inona avy moa no fanao nofoanan’i Jesosy teo amin’ny kristiana? b) Amin’ny alalan’ny inona moa no tokony hitomboan’ny Isiraely ara-panahy, ary inona no manaporofo izany?
6 Ahoana no niheveran’ny kristiana voalohany ny fiterahana? Homarihina aloha fa nofoanan’i Jesosy ny famporafesana sy ny fananana vaditsindrano teo amin’ny mpianany, ary naveriny tamin’ny laoniny ny ohatra naorina tamin’ny voalohany: ny fanambadiana tokana, firaisan’ny vehivavy iray ihany amin’ny lehilahy iray ihany (Matio 19:4-9). Nitombo tamin’ny alalan’ny fiterahana ny Isiraely araka ny nofo; hanao izany ny Isiraely ara-panahy amin’ny alalan’ny fitoriana. — Matio 28:19, 20; Asa. 1:8.
7 Raha tokony hitatra indrindra tamin’ny alalan’ny fiterahana ny kristianisma, dia tsy ho namporisika ireo mpianany Jesosy “handray” ny fijanonana ho mpitovo “noho ny fanjakan’ny lanitra”. (Matio 19:10-12.) Fa raha ny amin’ny apostoly Paoly, dia tsy ho nanoratra toy izao izy: “Izay manome ny maha-virijina azy ho amin’ny fanambadiana dia manao tsara, fa izay tsy manome izany ho amin’ny fanambadiana dia hanao tsaratsara kokoa.” — 1 Korintiana 7:38, MN.
8. Inona moa no mampiseho fa tamin’ny taonjato voalohany, dia kristiana maro no nanambady sy niteraka?
8 Kanefa, raha namporisika ny hijanonana ho mpitovo mba hiasana ho an’ilay Fanjakana na Jesosy na Paoly, dia samy tsy nandidy ny hanarahana izany. Samy nahatsinjo izy ireo fa hisy kristiana hanambady ary noho ny herin-javatra, dia hiteraka ny sasany. Andinin-teny maromaro ao amin’ny Soratra grika koa no nanome ho an’ny kristiana tamin’ny taonjato I, torohevitra hentitra ny amin’ny fomba hitaizana ny zanak’izy ireny (Efesiana 6:1-4; Kolosiana 3:20, 21). Raha nanambady ny loholona sy ny mpikarakara momba ny asa dia tokony ho ray faka tahaka. — 1 Timoty 3:4, 12.
9. Araka ny filazan’ny apostoly Paoly, amin’ny ahoana moa ny fiterahana no ho fiarovana ho an’ny vehivavy kristiana sasany; nefa ankoatr’izany, ahoana no tokony hitondran’izy ireny tena?
9 Nanambara aza ny apostoly Paoly fa mety ho fiarovana ho an’ny vehivavy kristiana sasany ny fiterahana. Izao no nolazainy momba ny fanampiana tokony homena ireo vehivavy mpitondratena sahirana. “Fa mandava ny mpitondratena tanora. (...) Sady mianatra ho malaina koa izy ka mandehandeha mitety trano; ary tsy malaina ihany, fa mpilazalaza sy mpandehandeha miraharaha ny an’olona ka manao teny tsy mety. Koa tiako ny mpitondratena tanora fanahy hanam-bady sy hanana zanaka sy hanapaka ny tranony ka tsy hanome vava ny fahavalo hiteny ratsy. Fa ny sasany efa nivily sahady nanaraka an’i Satana.” Ny vehivavy toy izany àry dia ‘hovonjena amin’ny fiterahan-jaza, raha maharitra amin’ny finoana sy ny fitiavana ary ny fahamasinana mbamin’ny fahononan-tena’. — 1 Timoty 5:11-15; 2:15.
‘Fahoriana ao amin’ny nofony’
10. Inona moa no torohevitra hafa noho izany omen’i Paoly ho an’ny vehivavy mpitondratena ao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny Korintiana?
10 Azo atao anefa ny manamarika fa ao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny Korintiana, dia ny apostoly Paoly ihany koa no nanolotra lalana hafa iray ho an’ireo vehivavy mpitondratena. Raha niteny hoe “fandeferana” izy, dia nanome izao torohevitra izao: “Fa hoy izaho amin’ny tsy manam-bady sy ny mpitondratena kosa: Tsara aminy raha mitoetra tahaka ahy izy. Nefa raha tsy maharitra izy, dia aoka hanam-bady ihany; fa tsara ny manam-bady noho ny ho maimay. Nefa raha araka ny hevitro, sambatra kokoa izy [ny vehivavy maty vady] raha mitoetra toy izao ihany; ary ataoko fa izaho koa manana ny Fanahin’Andriamanitra.” — 1 Korintiana 7:6, 8, 9, 40.
11. a) Inona no hitranga amin’ireo kristiana izay hanambady, ary ahoana no anazavan’ny fakàn-teny ampiarahina amin’ny 1 Korintiana 7:28 amintsika ny amin’io raharaha io? b) Inona moa no tian’i Paoly holazaina amin’ny fitenenana hoe “izaho miantra anareo”?
11 Nanazava ny amin’io hevitra io i Paoly tamin’ny filazana hoe: “Na dia hanam-bady aza ny virijina, dia tsy manota izy. Kanefa kosa hanam-pahoriana amin’ny nofo ireny; fa izaho miantra anareo.” (1 Korintiana 7:28). Ny amin’ireny ‘fahoriana ao amin’ny nofo’ ireny, ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao misy fanamarihana dia mampitodika any amin’ny Genesisy 3:16, izay amakiantsika toy izao: “Hahabe dia hahabe ny fahorianao Aho, indrindra fa raha manan-anaka hianao; ary fahoriana no hiterahanao zanaka; ary ny vadinao no hianteheran’ny fanirianao, ka izy no hanapaka anao.” Tsy isalasalana fa, ankoatra ny fahasahiranana ara-panambadiana mety hitranga, ny ‘fahoriana amin’ny nofo’ niandry ireo izay hanambady dia mety hisy fifandraisana amin’ny zanaka. Tsy tonga hatramin’ny fandrarana tsy hanam-bady na hiteraka i Paoly, fa noraisiny ho adidy ny nampiomana ireo namany tao amin’ny finoana ny amin’ireo fahasahiranana sy anton-javatra mahavariana izay mety hipoitra ary angamba hanakantsakana ny asany ho an’i Jehovah.
“Efa fohy ny andro”
12. Inona moa no torohevitra nomen’ny apostoly Paoly ho an’ireo kristiana manambady, ary inona no antony?
12 Tsy tokony hiaina tahaka ny olona teo amin’izao tontolo izao ireo kristiana tamin’ny taonjato I. Hisy vokany eo amin’ny fiainany ara-panambadiana koa aza ny toe-piainana nisy azy. Izao no nosoratan’i Paoly: “Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Efa fohy ny andro, mba ho toy ny tsy manam-bady ny manana amin’izao sisa izao; (...) ary mba ho toy izay tsy mahavatra izao fiainana izao loatra ny mahavatra azy, fa mandalo izao fiainana izao. Fa tiako tsy ho maro ahina hianareo. (...) Ary miteny izany aho mba hahasoa anareo, fa tsy haningotra anareo amin’ny tadivavarana, fa mba hanaovanareo izay miendrika sy hitoeranareo tsara amin’ny Tompo, ka tsy hivezivezen’ny sainareo.” — 1 Korintiana 7:29-35.
13. Tamin’ny heviny ahoana moa no hoe “fohy ny andro” ho an’ireo kristiana tamin’ny taonjato I?
13 Nanoratra toy izao ilay mpandinika Baiboly atao hoe Frédéric Godet: “Raha tokony haharitra tsy misy farany izao tontolo izao ho an’ireo tsy mpino, ny kristiana kosa dia tsy manadino na oviana na oviana ny fiandrasana mahafinaritra ny Parousia [Fanatrehana].” Nomen’i Kristy an’ireo mpianany ny famantarana ny ‘fanatrehany’ ary nilaza izao fampitandremana izao izy: “Koa amin’izany miambena hianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ny Tomponareo.” (Matio 24:3, 42). “Fohy” ny fotoana sisa amin’ny heviny hoe ireo kristiana tamin’ny taonjato I dia tokony hiaina amin’ny fiandrasana foana ny fahatongavan’i Kristy. Afa-tsy izany koa, dia tsy nisy na dia iray monja aza tamin’izy ireny nahalala hoe fotoana toy inona sisa tavela ho azy alohan’ny hahatongavan’ny “fotoana sy fisehoan-javatra tsy ampoizina” hanapitra ny fahavelomany, ka hatreo dia hanaisotra aminy izay rehetra mety ho fahafahana ‘hampitoetra ny fiantsoana azy’. — Mpitoriteny 9:11, MN; 2 Petera 1:10.
14. a) Ahoana moa no tokony handraisana ny hevitry ny andinin-teny ao amin’ny Matio 24:19? b) Nahoana moa no nanjary zava-dehibe kokoa hatrany ny fanarahana ny torohevitr’i Jesosy arakaraka ny nanatonana ny taona 66?
14 Zava-dehibe indrindra ny ‘hiambenan’ireo’ kristiana tany Jodia sy Jerosalema. Rehefa nampiomana ireo mpianany ny amin’ny fandravana an’i Jerosalema fanindroany i Jesosy, dia izao no nambarany: “Ary lozan’ny bevohoka sy ny mampinono amin’ireo andro ireo!” (Matio 24:19). Tsy nilaza tamin’ireo kristiana tamin’ny taonjato I akory i Jesosy hoe tsy tokony hiteraka izy ireo. Nasainy nomarihina tamin’ny fomba ara-paminaniana fotsiny fa rehefa hiseho ny famantarana fa mananontanona ny fandravana an’i Jerosalema, dia ho sarotra amin’ny vehivavy bevohoka iray, na ny kristiana hanana zanaka madinika, ny handositra haingana (Lioka 19:41-44; 21:20-23). Na dia izany aza, raha mbola nisamboaravoara ny tao amin’ny Jiosy tany Jodia arakaraka ny fahantomoran’ny taona 66, dia tsy isalasalana fa tsaroan’ny kristiana ny fampiomanan’i Jesosy, ka izany dia nahatonga azy ireny hieritreritra raha mety ny hiterahana tamin’izay fotoana nikorontana izay.
Ny zanaka amin’izao andro izao
15, 16. a) Amin’ny heviny ahoana moa no hoe “fohy ny andro” ho an’ny kristiana miaina amin’izao androntsika izao? b) Fanontaniana inona avy moa no tokony hapetraky ny kristiana amin’ny tenany?
15 Ahoana no tokony hiheveran’ny kristiana ny fanambadiana sy ny fiterahana amin’izao “andro farany” izao? (Daniela 12:4.) Tsy tokony hohadinoiny fa “eo am-piovana ny sehatr’izao tontolo izao” — tsy mbola marina toy izao mihitsy izany — na, araka ny fandikan-teny hafa iray, dia “mandalo ny endrik’izao tontolo izao”. — 1 Korintiana 7:31, Osty.
16 Tsy mbola “fohy” toy izao mihitsy ny fotoana sisa tavela. Eny, tsy manana fotoana firy intsony ny olon’i Jehovah mba hamitana ny asa nankinin’ny Mpamorona azy aminy. “Hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity, ho vavolombelona ho an’ny firenena rehetra; dia vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14). Tokony hotanterahina io asa io alohan’ny hahatongavan’ny farany. Mety àry ny hanontanian’ny kristiana tena hoe inona no mety ho vokatry ny fanambadiana sy ny fiterahana eo amin’ny fandraisan’izy ireo anjara amin’io asa iankinan’ny aina io.
Ohatra harahina tamin’ny andro taloha
17. a) Asa inona moa no tokony hotanterahin’i Noa sy ireo zanany telo lahy talohan’ny safodrano, ary fotoana toy inona no azo inoana fa lanin’izy ireo tamin’izany? b) Inona moa no nety ho anton’ny tsy niterahan’ireo zanak’i Noa nandritra ny vanim-potoana talohan’ny safodrano?
17 Nampitahain’i Jesosy tamin’ny “andron’i Noa” ny fotoana hahita “ny fanatrehan’ny Zanak’olona”. (Matio 24:37, MN.) Talohan’ny safodrano, Noa sy ireo zanany telo lahy dia tokony hanatanteraka asa hentitra tsara, asa fanamboarana fiara goavana sy fitoriana (Genesisy 6:13-16; 2 Petera 2:5). Toa efa nanambady ireo zanakalahin’i Noa fony Jehovah nanome toromarika ho an’ny fanorenana ny sambo fiara (Genesisy 6:18). Tsy fantatra ny tena faharetan’izany fanorenana izany, nefa azo inoana fa nitohy tao anatin’ny am-polony taona maromaro izany. Nandritra izany vanim-potoana rehetra nialoha ny safodrano izany, dia voamarika fa tsy niteraka ireo vinantovavin’i Noa. Nilaza mazava tokoa ny apostoly Petera fa ‘valo mianaka no novonjena tamin’ny rano’; raha lazaina amin’ny teny hafa dia ireo mpivady efatra, fa tsy nisy ankizy (1 Petera 3:20). Antony roa no nety ho nahatonga ireo zanak’i Noa tsy hiteraka. Voalohany indrindra, noho ny fahantomoran’ny fandringanana tamin’ny alalan’ny safodrano, dia nanankina tamin’izy ireo asa nitaky ny fitandremany rehetra Andriamanitra. Manaraka izany, dia azo antoka fa tsy nirin’izy ireo loatra ny hiteraka tamin’ny fotoana ‘naha-be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro’, fotoana “heni-doza”. — Genesisy 6:5, 13.
18. Na dia tsy tokony hampiasaina ho fitsipika ho an’ireo mpivady amin’izao andro izao aza ny ohatra navelan’ireo zanakalahin’i Noa sy ny vadiny, ahoana no azo ieritreretana ny amin’izany?
18 Tsy milaza akory io ohatra taloha io fa hoe tokony hampiasaina ho fitsipika ho an’ireo mpivady amin’izao andro izao ny fitondrantena narahin’ny zanakalahy sy ny vinantovavin’i Noa talohan’ny safodrano. Kanefa, noho Jesosy nampitaha ny andron’i Noa amin’izao androntsika izao, dia azontsika eritreretina ny ohatra nomen’ireo mpanompon’i Jehovah fahiny ireo.
“Andro mahory”
19. a) Amin’ny ahoana moa ny androntsika no azo ampitahaina amin’ny an’i Noa? b) Ahoana moa ny faminanian’i Paoly ny amin’ny “am-parany”, ary amin’ny ahoana io faminaniana io no mahakasika ny fiterahana?
19 Sahala amin’i Noa sy ny ankohonany, isika koa dia miaina eo “amin’izao tontolo izaon’ny ratsy fanahy”. (2 Petera 2:5, MN.) Sahala amin’izy ireny, isika dia manatrika ny “andro farany” ho an’ny fandehan-javatra ratsy sy madiva horavana. Naminany ny apostoly Paoly fa amin’ny “am-parany” ho an’izao tontolo izaon’i Satana, dia hisy “andro mahory”. Nampiany koa fa ‘tsy hanoa ray sy reny’ ny zanaka, ka nasehony tamin’izany fa ho anisan’ny zavatra sarotra amin’izao andro farany izao ny fitaizana ny zanaka. Nolazainy koa fa ny olona amin’ny ankapobeny, voafaoka amin’izany ny ankizy sy ny zatovo, dia ‘tsy hahay hisaotra, tsy hahatoky, tsy hanam-pitiavana’. (2 Timoty 3:1-3.) Na dia naminany ny amin’ny toe-piainana hanjaka eo amin’ny olona eo amin’izao tontolo izao aza i Paoly, dia mazava fa ny toe-tsaina nolazalazainy dia hampitombo ny fahasahiranan’ny kristiana eo amin’ny fitaizana ny zanaka. Maro be tokoa no efa nahatsapa izany.
20. Inona no horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
20 Zava-dehibe àry ny hananantsika fiheverana voalanjalanja ny amin’ny fiterahana. Mety hiteraka fifaliana be sy fahoriana be izany. Misy soa sy fanahiana koa amin’ny fiterahana; izany no hovelabelarina ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
Famerenana
◻ Nahoana moa no fahasoavana ny hoe maro anaka teo amin’ny Isiraely?
◻ Inona moa no mampiseho fa nisy fotoana nahatonga ny fananana zanaka hampanaintaina ny Jiosy?
◻ Ahoana no tokony hitomboan’ny Isiraely ara-panahy?
◻ Tamin’ny heviny ahoana moa no hoe “fohy ny andro” ho an’ireo kristiana voalohany?
◻ Inona avy moa no nety ho antony tsy nananan’ireo zanak’i Noa zanaka talohan’ny safodrano, ary ahoana ny amin’ny kristiana amin’izao andro izao?
[Sary, pejy 21]
Miaraka amin’ny ankizy madinika, dia ho sarotra kokoa ny handositra haingana an’i Jerosalema.