Inona no Dikan’izany Rehetra Izany?
HO HITANAO mazava hoe mirona mankaiza ny fitsipi-pitondran-tena tato anatin’ireo taona faramparany, raha mandinika ianao. Miharihary fa miharatsy hatrany ny toetran’ny ankamaroan’ny olona. Inona no tena dikan’izany?
Midika ve izany fa ho ringana tanteraka tsy ho ela, araka ny iheveran’ny sasany azy, ny sivilizasiona sy ny olombelona rehetra? Sa ara-dalàna izany fiovana izany sady anisan’ny fizotran’ny tantara fotsiny?
Io farany io no heverin’ny maro. Heveriny ho fironana miserana fotsiny ny toetra ratsy mitombo ankehitriny, ary toy ny zavatra tonga sy lasa rehetra hatramin’izay. Manantena mafy izy ireo fa hiova tampoka ny toe-draharaha ka ho tsara toetra kokoa tampoka indray ny olona. Marina ve izany?
Andro farany
Andeha hodinihintsika ny zava-misy, ka hotarafintsika amin’izay lazain’ny boky iray nekena ho mpametra fitsipi-pitondran-tena nandritra ny taonjato maro, dia ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra. Ahitantsika hevitra ny fampitahana an’izao tontolo izao ankehitriny amin’ny faminanian’ny Baiboly momba ny vanim-potoana lehibe indrindra eo amin’ny tantaran’ny olombelona. Antsoiny hoe “any am-parany”, na andro farany, na “fahataperan’izao tontolo izao”, io vanim-potoana io. (2 Timoty 3:1; Matio 24:3) Araka ireo anarana ireo, dia hanamarika ny faran’ny vanim-potoana iray sy ny fanombohan’ny iray hafa, izy io.
Efa nilaza ny Tenin’Andriamanitra fa ho “andro mahory” ny andro farany. Manome tsipiriany maro hamantarana an’io fotoana manokana io ny Baiboly, mba hanampiana ny mpandinika mailo hamantatra ny andro farany.
Toetra ratsin’ny olona
Izao no lafiny iray amin’io famantarana io, fahita ankehitriny: “Manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra [ny olona], nefa nandà ny heriny.” (2 Timoty 3:2, 5) Mbola tsy nisy mihitsy fotoana tsy nitiavan’ny olona fivavahana toy izao. Tsy manaiky an’Andriamanitra ho manam-pahefana intsony ny ankamaroan’ny olona, ary tsy manaiky ny Baiboly ho hany loharanon’ny fahamarinana. Marina fa mbola misy ny fivavahana, kanefa anarana isalorana fotsiny izy ireny, fa tsy mahataona ny olona.
Milaza lafiny hafa amin’ilay famantarana koa ny Baiboly: “Ny olona ... tsy mahonom-po, lozabe”, ary “noho ny haben’ny tsi-fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro.” (2 Timoty 3:2, 3; Matio 24:12) Anisan’ny hevitr’ilay teny grika nadika hoe “lozabe” ny hoe “tsy miantra ary tsy manana fihetseham-pon’olombelona.” Mihakely taona kokoa hatrany ireo ankizy “lozabe” ankehitriny, ary mihamahery setra kokoa hatrany rehefa manao heloka bevava.
Nanjary narian’ny olona koa ireo toetra tsara fahiny, noho ny fandrosoana haingana teo amin’ny haitao sy ny toe-karena, izay miteraka fitiavam-bola. Tsy miraharaha ny hafa izy ireo, fa ampiasainy avokoa izay mety ho fomba, na tsara na ratsy, azony anaovana be fandraoka mba hampitonena ny faniriany feno fitiavan-tena. Porofon’ny fitiavan-tena koa ny fahabetsahan’ny filokana, ary hita mazava izany eo amin’ny fitomboan’ny heloka bevava tao anatin’ireo folo taona faramparany.
Izao koa no lafiny tena misongadina amin’ny androntsika: “Ny olona ho tia ... fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra.” (2 Timoty 3:2, 4) Ohatra amin’izany ny hoe tia fahafinaretan’ny nofo ny olona, kanefa tsy ta handray andraikitra hiara-miaina amin’ny vady iray mandritra ny androm-piainany. Maro, noho izany, ny fianakaviana rava, ny ankizy mampalahelo fa kamboty velon-dray aman-dreny, ny ray na reny mitaiza irery ny zanany, ary ny aretina azo avy amin’ny firaisana.
Lafiny hafa amin’ilay famantarana koa ny hoe “ny olona ho tia tena, ho tia vola.” (2 Timoty 3:2) Araka ny Die Zeit, dia “ny fitiavan-tena no hery manosika ny rafitra [ara-toe-karena ankehitriny].” Mbola tsy nisy toy izao mihitsy ny fiheveran’ny olona ny fitadiavam-bola ho ny zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana. Tsy raharahaina ny toetra tsara hafa, ao anatin’izany fitadiavam-bola feno fitiavan-tena izany.
Zava-mitranga maneran-tany
Ankoatra ny fiharatsian’ny toetran’ny olona, dia efa nilaza koa ny Baiboly fa hisy fikorontanana lehibe hiantraika eo amin’ny fianakavian’olombelona, amin’ny andro farany. Milaza izy, ohatra, fa “hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana. Ary hisy horohorontany lehibe ary mosary sy areti-mandringana any amin’ny tany samy hafa.”—Lioka 21:10, 11.
Tamin’ny taonjato faha-20 ihany no nisy olona maro aoka izany voakasiky ny loza lehibe naneran-tany tao anatin’ny vanim-potoana fohy. Nisy 100 tapitrisa mahery, ohatra, no maty an’ady nandritra io fotoana io, ka betsaka lavitra noho ny maty an’ady rehetra nandritra ireo taonjato maromaro lasa izany. Nisy ady roa hafa noho ny ady rehetra koa tamin’io, ka nantsoina hoe ady lehibe. Mbola tsy nisy ady naneran-tany toy izany mihitsy taloha.
Fitaoman’ny hery ratsy
Asehon’ny Baiboly koa fa misy zavaboary ara-panahy ratsy sy matanjaka, “izay atao hoe devoly sy Satana”, mitetika ny hitarika ny olona hanary ireo toetra tsara sy hisarika azy ho ratsy toetra. Milaza ny Baiboly fa nalefa etỳ an-tany io zavaboary io, mandritra ny andro farany, ary “manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.”—Apokalypsy 12:9, 12.
Milaza ny Baiboly fa ny Devoly no “mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin’ny zanaky ny tsi-fanarahana.” (Efesiana 2:2) Midika izany fa manan-kery eo amin’ny olona maro izy, ary matetika ireny olona ireny no tsy mahatsikaritra izany, toy ny tsy ahitantsika ny rivotra maloto fohintsika.
Hita ao amin’ny fampitan-kevitra isan-karazany, ohatra, ny fitaoman’i Satana: vidéo, sarimihetsika, televiziona, Internet, dokam-barotra, boky ary gazety. Mampita hevitra mihoa-pefy sy maharikoriko toy ny fanavakavaham-bolon-koditra sy ny fanaovana ny asan’ny maizina, ny fahalotoam-pitondran-tena ary ny herisetra mahatsiravina, ny ankamaroan’izy ireny, indrindra fa ireo natao ho an’ny tanora tsy mitandrina.
Olona tso-po maro no gaga rehefa nahita fa mitovy amin’izay lazain’ny Baiboly momba ny andro farany ny toe-javatra misy maneran-tany. Marina fa nisy fisehoan-javatra talohan’ny taonjato faha-20 mifanitsy kely amin’ny filazalazan’ny Baiboly. Tamin’ny taonjato faha-20 sy izao faha-21 izao ihany anefa vao hita daholo ireo tsipiriany rehetra amin’ilay famantarana.
Vanim-potoana vaovao ho avy
Samy diso na ireo mihevitra fa horinganina ny olona rehetra, na ireo milaza fa mbola hitohy toy izao ihany ny fiainana. Milaza kosa ny Baiboly fa hosoloana fitambaran’olona vaovao tanteraka ilay fitambaran’olona manapaka ny tany ankehitriny.
Izao no nolazain’i Jesosy, rehefa avy nanonona lafiny maro hamantarana ny andro farany izy: “Dia tahaka izany koa hianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 21:31) Ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra no foto-kevitry ny fitorian’i Jesosy. (Matio 6:9, 10) Notendren’Andriamanitra izy mba ho Mpanjakan’io Fanjakana io, ka hitondra ny tany manontolo tsy ho ela.—Lioka 8:1; Apokalypsy 11:15; 20:1-6.
Rehefa tapitra ny andro farany, dia hesorin’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra tarihin’i Kristy ny fahavalony rehetra, dia ny Devoly sy ny mpanohana azy, ary hosoloany tontolo vaovao sy marina ny fiaraha-monina ratsy toetra tanteraka ankehitriny. (Daniela 2:44) Hiaina mandrakizay ao amin’ny tany novana ho paradisa ny olona mahitsy fo amin’izay.—Lioka 23:43; 2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:3, 4.
Afaka manantena hoavy mahafinaritra ireo mankahala ny toetra ratsy sy mahita fa tanteraka ankehitriny ny famantarana ny andro farany. Isaorantsika noho izany ilay Andriamanitra Tsitoha miahy antsika olombelona sy mikasa hanao zavatra be voninahitra ho an’ny zavaboariny eto an-tany.—Salamo 37:10, 11, 29; 1 Petera 5:6, 7.
Manasa anao ny Vavolombelon’i Jehovah mba hianatra bebe kokoa momba ilay Mpamorona antsika be fitiavana sy ilay fanantenana tontolo feno olona tsara toetra, atolony ny olona rehetra maniry izany. Milaza tokoa ny Baiboly hoe: “Izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.”—Jaona 17:3.
[Sary, pejy 10]
Hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany ny olona mahitsy fo