ONESIFOROSY
(Ônesifôrôsy) [Mpitondra Soa].
Kristianina noresahin’i Paoly ao amin’ny 2 Timoty 4:19. Nandao an’i Paoly ny Kristianina hafa tany amin’ny faritr’i Azia, fa i Onesiforosy kosa nanohana azy foana, sady nikaroka azy mafy rehefa tany Roma, na dia mety ho nampidi-doza aza izany. Tsy nahamenatra an’i Onesiforosy ny hoe nigadra i Paoly fa nanampy azy kosa izy, toy ny nataony tany Efesosy. Tena nankasitraka ny tsy fivadihany i Paoly, ary nivavaka mba hiantran’i Jehovah azy sy ny ankohonany.—2Ti 1:15-18.
Misy milaza fa efa maty i Onesiforosy, matoa ny ankohonany, fa tsy izy, no nataon’i Paoly mampamangy. (2Ti 4:19) Mety ho marina izany na tsia. Tsy niaraka tamin’ny fianakaviany fotsiny angamba izy tamin’izay, na koa nataon’i Paoly mampamangy niaraka tamin’ny ankohonany.