Miantehera amin’ny hery avy amin’Andriamanitra
Hevi-dehibe ao amin’ny Timoty faharoa
MANOME hery ny mpanompony hahafahany hiaritra fitsapana sy fanenjehana i Jehovah. Ary endrey ny nilàn’i Timoty sy ireo kristiana hafa hery avy amin’Andriamanitra! Nisy afo nandrava an’i Roma tamin’ny 64 am.fan.ir. , ary araka ny tsaho niely dia ny Emperora Néron no tompon’andraikitra tamin’izy io. Mba hiarovana ny tenany, dia nanameloka ireo kristiana izy ary izany dia toa niteraka onjam-panenjehana. Azo inoana fa tamin’io fotoana io (tany amin’ny 65 am.fan.ir. tany ho any), dia natao an-tranomaizina tany Roma indray ny apostoly Paoly. Na dia niatrika fahafatesana aza izy tamin’izay dia nanoratra ny taratasiny faharoa ho an’i Timoty.
Ny taratasin’i Paoly dia nanomana an’i Timoty hanohitra ireo mpivadi-pinoana ka hiorina mafy eo anoloan’ny fanenjehana. Nampirisika azy hanohy handroso ara-panahy izy io ary nampahafantatra azy ny amin’ny toe-piainan’i Paoly tao an-tranomaizina. Io taratasy io koa dia manampy ireo mpamaky azy mba hiantehitra amin’ny hery avy amin’Andriamanitra.
Miareta fahoriana ary mampianara amim-pahalemem-panahy
Manome hery antsika Andriamanitra mba hiaretantsika fanenjehana mihatra noho isika mpitory ny vaovao tsara. (1:1-18, MN). Tsy nanadino an’i Timoty na oviana na oviana i Paoly tao amin’ny vavaka nataony, ary tsaroany ny finoany tsy nihatsaravelatsihy. Andriamanitra dia nanome an’i Timoty ‘tsy fanahy osa akory, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahaiza-mitsara zavatra.’ Koa aoka àry izy tsy ho menatra ny hanao fanambarana sy hiaritra fahoriana noho ny vaovao tsara. Nampirisihina koa izy mba ‘tsy hitsahatra ny hihazona ny modelin’ny teny mahasoa’ izay efa reny tamin’i Paoly, dia toy ny tokony hifikirantsika tanteraka amin’ny tena fahamarinana kristiana na dia miala amin’izany aza ny hafa.
Ireo zavatra nampianarin’i Paoly dia tokony hatolotra ireo lehilahy mahatoky izay hampianatra ny hafa kosa. (2:1-26, MN). Nampirisihina mba ho miaramila tsaran’i Kristy i Timoty, ka hahatoky rehefa miaritra fahoriana. Ny tenan’i Paoly mihitsy aza niaritra fatorana noho izy nitory ny vaovao tsara. Nampirisika an’i Timoty izy hanao izay fara heriny mba hanolorana ny tenany ho olona voazaha toetra ka hanalavitra ny fitenenam-poana manao tsinontsinona izay masina. Ary nilazana izy fa ny mpanompon’ny Tompo dia tsy maintsy mampianatra ny hafa amim-pahalemem-panahy.
Mitoria ny teny
Hilaina ny hery avy amin’Andriamanitra mba hiatrehana ireo andro farany ary hiarovana ny fahamarinana ao amin’ny Soratra masina. (3:1-17, MN). Avy amin’ireo tsy tia an’Andriamanitra dia hisy olona hiseho izay “mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina.” Ireny ‘ratsy fanahy sy mpanoloky ireny dia handroso hiharatsiratsy kokoa sady mamitaka no fitahina.’ Kanefa i Timoty dia tokony ‘haharitra amin’izay zavatra nianarany’. Tokony hanao izany koa isika, satria fantatsika fa ‘ny soratra rehetra dia nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra ka mahasoa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fifehezana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.’
Tokony hanohitra ireo mpivadi-pinoana ary hanatanteraka ny fanompoany, i Timoty. (4:1-22). Afaka ny hanao izany izy amin’ny ‘fitoriana ny teny’ sy amin’ny tsy fialana aminy. Koa satria hiatrika “vanim-potoana sarotra” ny kongregasiona satria hisy hampianatra fampianaran-diso, dia tena nilaina ny hanaovany izany. Mifikitra amin’ny Tenin’Andriamanitra koa ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny, ka dodona ny hitory azy io ao amin’ny kongregasiona sy any amin’ny olona any ivelany, na dia amin’ny toe-javatra sarotra aza. “Nitahiry ny finoana” i Paoly, na dia nilaozan’ny sasany aza izy. Nefa ‘nampahery azy ny Tompo, mba hotanterahina amin’ny alalany amin’ny fomba feno ny fitorian-teny’. Enga anie koa isika ka hiantehitra amin’ny hery avy amin’Andriamanitra ary tsy hitsahatra ny hitory ny vaovao tsara.
[Efajoro/Sary, pejy 26]
Miaramila tsara: Nampirisika an’i Timoty toy izao i Paoly: “Miaraha miaritra ny mafy [fahoriana, MN] amiko hianao tahaka ny miaramila tsaran’i Kristy Jesosy. Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin’ny raharaha [ara-barotr’, MN] izao fiainana izao, mba hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila.” (2 Timoty 2:3, 4). Ny miaramila romana nandeha an-tongotra iray dia ‘niaritra fahoriana’ rehefa nibata fiadiana navesatra maro, famaky iray, sobika iray, tahirin-tsakafo hateloana ary entana maro hafa. (Ireo adin’ny Jiosy, nataon’i Josèphe, boky faha-3, toko faha-5). Tsy nikatsaka tombontsoa ara-barotra izy, satria tsy ho nahafaly ny lehibeny izany, ary naloa ho azy ny vidin’izay nilainy rehetra. Toy izany koa, ny kristiana iray dia miaritra fitsapana maro mifandray amin’ny maha-“miaramila tsaran’i Kristy” azy. Na dia mety hiasa ivelan’ny fivavahana aza izy mba hanefany ireo adidiny ara-baiboly, dia tsy mahazo mamela ny fandraisana anjara tafahoatra amin’ny zavatra ara-nofo hampijanona azy tsy hanao ny ady ara-panahy. (1 Tesaloniana 2:9) Rehefa manao fanambarana isan-trano izy dia mampiasa “ny sabatry ny fanahy, izany hoe ny tenin’Andriamanitra”, ary mandray anjara amin’ny fanafahana ny olona amin’ny fahadisoana ara-pivavahana. (Efesiana 6:11-17, MN; Jaona 8:31, 32). Koa satria ny fiainana no tandindomin-doza, dia aoka ny miaramila kristiana rehetra tsy hitsahatra hampifaly an’i Jesosy Kristy sy Jehovah Andriamanitra amin’izany fomba izany.