-
Inona no Hanampy Anao Hianatra Baiboly Foana?Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
-
-
5. Tohizo foana ny fianarana na misy manakana aza
Mety hisy olona hiezaka handresy lahatra anao tsy hianatra Baiboly intsony. Diniho ny tantaran’i Francesco. Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.
Ahoana no nataon’ny naman’i Francesco sy ny fianakaviany rehefa noresahiny tamin-dry zareo ny zavatra nianarany?
Inona no vokany rehefa notohiziny foana ny fianarany?
Vakio ny 2 Timoty 2:24, 25, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:
Ahoana no fahitan’ny fianakavianao sy ny namanao ny zavatra ianaranao?
Araka io andinin-teny io, ahoana no tokony hataonao raha misy olona tezitra hoe mianatra Baiboly ianao? Nahoana?
-
-
Inona no Azonao Atao mba Hiresahana ny Vaovao Tsara?Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
-
-
Rehefa miresaka ny vaovao tsara ianao, dia aza ny zavatra holazainao ihany eritreretina fa ny fomba hilazanao azy koa. Vakio ny 2 Timoty 2:24 sy ny 1 Petera 3:15, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:
Ahoana no azonao ampiharana an’ireo andinin-teny ireo rehefa miresaka amin’ny olona momba ny Baiboly ianao?
Mety tsy hanaiky ny zavatra teneninao ny fianakavianao na ny namanao. Inona no azonao atao? Inona no tsy tokony hataonao?
Nahoana no tsara kokoa raha mametraka fanontaniana mety tsara isika fa tsy manery ny olona hino an’izay lazaintsika?
-