Apolosy — Mpitory ny Fahamarinana Kristiana Nahay Nandaha-teny
NA MPIKAMBANA ao amin’ny kongregasiona kristiana hatramin’ny taona maro izy ireo, na vao haingana, ireo mpitory ilay Fanjakana rehetra dia samy tokony ho liana amin’ny fandrosoana avokoa amin’ny maha-mpitory ny vaovao tsara azy. Izany dia mahatafiditra fampitomboana ny fahalalantsika ny Tenin’Andriamanitra sy ny fahaizantsika mampianatra azy io amin’ny hafa. Ho an’ny sasany, izany dia mety hidika ho fiatrehana zava-tsarotra, na fandresena zava-manahirana, na fanaovana izay hahatonga ny tenany ho afaka hanao asa bebe kokoa.
Ny Baiboly dia mirakitra ohatra maromaro ny amin’ireo lehilahy sy vehivavy be fandavan-tena tamin’ny andro fahiny izay nahavita fandrosoana ara-panahy lehibe tamin’ny fomba samy hafa, ary nijinja valisoa noho ny ezaka nataony. Iray tamin’ireny i Apolosy. Rehefa nampahalalain’ny Soratra Masina antsika izy, dia lehilahy iray nanana fahalalana tsy feno momba ny fampianarana kristiana; taona vitsivitsy monja tatỳ aoriana anefa, dia niasa tamin’ny naha-solontenan’ny kongregasiona mpitety faritany tamin’ny taonjato voalohany izy. Inona no nahatonga azy ho afaka nandroso toy izany? Izy dia nanana toetra izay tsara raha tahafintsika rehetra.
“Nahery tamin’ny Soratra Masina”
Tokony ho tamin’ny taona 52 am.f.i., araka ny voalazan’i Lioka mpanoratra ny Baiboly, dia “tonga tany Efesosy ny Jiosy anankiray atao hoe Apolosy, izay teraka tany Aleksandria, lehilahy nahay nandaha-teny sady nahery tamin’ny Soratra Masina. Izany lehilahy izany efa nampianarina ny amin’ny làlan’[i Jehovah, NW ]; ary nafana fo izy, dia niteny sy nampianatra marimarina ny amin’i Jesosy, kanefa ny batisan’i Jaona ihany no fantany. Ary izy niteny tamin’ny fahasahiana teo amin’ny synagoga”. — Asan’ny Apostoly 18:24-26
I Aleksandria, any Egypta, no tanàna lehibe indrindra faharoa teo amin’izao tontolo izao taorian’i Roma, ary izy no iray tamin’ireo foibe ara-kolontsaina lehibe indrindra tamin’izany fotoana izany ho an’ny Jiosy sy ny Grika. Azo inoana fa nahazo ilay fahalalany marim-pototra momba ny Soratra Hebreo sy ny fahaiza-mandaha-teny i Apolosy, vokatry ny fanabeazana tao amin’ilay fiaraha-monina jiosy lehibe tao amin’io tanàna io. Sarotra kokoa ny maminany izay toerana nianaran’i Apolosy ny amin’i Jesosy. “Miharihary fa mpanao dia lavitra izy — angamba mpanao varo-mandeha”, hoy ny tolo-kevitr’ilay manam-pahaizana manokana atao hoe F. F. Bruce, “ary nety ho nihaona tamina mpitory kristiana tany amin’ny iray amin’ireo toerana maro notsidihiny izy.” Na ahoana na ahoana, na dia niteny sy nampianatra marimarina momba an’i Jesosy aza izy, dia toa hita fa talohan’ny Pentekosta tamin’ny 33 am.f.i. no nanaovana fanambarana taminy, satria “ny batisan’i Jaona ihany no fantany”.
Tamin’ny naha-mpialoha lalana an’i Jesosy azy, i Jaona Mpanao Batisa dia nanao fanambarana mahery tamin’ny firenena isiraelita iray manontolo, ary maro no nataony batisa ho mariky ny fibebahana. (Marka 1:5; Lioka 3:15, 16). Araka ny voalazan’ny mpanoratra tantara maromaro, dia voafetra tamin’izay notorina teo amoron’i Jordana ny fahalalana momba an’i Jesosy nananan’ny olona maro, teo anivon’ny mponina jiosy tao amin’ny Empira Romana. “Ny Kristianisman’izy ireo dia teo amin’ilay ambaratonga efa nisy azy ihany tamin’ny fiandohan’ny fanompoan’ny Tompontsika”, hoy i W. J. Conybeare sy i J. S. Howson. “Tsy nahafantatra tamin’ny fomba feno ny hevitry ny nahafatesan’i Kristy izy ireo; azo inoana fa tsy fantany akory aza ny nitsanganany.” Toa hita fa tsy fantatr’i Apolosy koa ny amin’ny nilatsahan’ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i. Na dia izany aza, dia nahazo fanazavana marina sasany momba an’i Jesosy izy, ary tsy nihazona izany ho an’ny tenany. Raha ny marina, dia tamim-pahasahiana no nitadiavany fahafahana hiresaka ny amin’izay fantany. Mbola tsy nifanaraka tamin’ny fahalalana araka ny marina anefa ny zotom-pony sy ny hafanam-pony.
Be zotom-po kanefa nanetry tena
Mitohy toy izao ny fitantaran’i Lioka: “Rehefa nandre azy Prisila sy Akoila, dia nandray azy hankao aminy ka nampianatra azy marimarina kokoa ny amin’ny làlan’Andriamanitra.” (Asan’ny Apostoly 18:26). Tsy maintsy nahatakatra i Akoila sy i Prisila fa ny finoan’i Apolosy dia nanan-javatra maro niombonana tamin’ny azy. Tamim-pahendrena anefa, dia tsy nanandrana nanitsy ampahibemaso ilay fahazoany hevi-javatra tsy feno, izy ireo. Azo inoana fa nanao resaka manokana maromaro tamin’i Apolosy izy ireo ho fikendrena ny hanampy azy. Nanao ahoana ny fihetsik’i Apolosy, lehilahy “nahery tamin’ny Soratra Masina”? (Asan’ny Apostoly 18:24). Azo inoana tanteraka fa efa nitory ampahibemaso ilay hafatra tsy feno nentiny i Apolosy nandritra ny fotoana kelikely talohan’ny nihaonany tamin’i Akoila sy i Prisila. Ny olona nieboebo iray dia ho nanda mora foana tokoa izay nety ho fanitsiana, kanefa dia nanetry tena i Apolosy ary velom-pisaorana izy noho ny fahafahany nameno ny fahalalany.
Miseho koa izany fihetsik’i Apolosy tsy tia sehoseho izany teo amin’ny fahavononany hanaiky taratasy filazana soa momba azy, avy tamin’ireo rahalahy tao Efesosy hoentina hankany amin’ny kongregasiona tany Korinto. Manohy toy izao ilay fitantarana: “Ary rehefa ta-handroso hankany Akaia izy, dia namporisika azy ny rahalahy sady nanoratra taratasy ho any amin’ny mpianatra mba handray azy tsara”. (Asan’ny Apostoly 18:27; 19:1). Tsy nitaky ny hanekena azy noho ny fahamendrehany manokana i Apolosy, fa nihevi-tena araka ny antonona ka nanaraka ilay fandaharan’ny kongregasiona kristiana.
Tany Korinto
Tena tsara ny vokatry ny fanompoan’i Apolosy voalohany tany Korinto. Manao tatitra toy izao ny bokin’ny Asan’ny Apostoly: “Ary rehefa tonga izy, dia nampahatanjaka tsara izay efa nino noho ny fahasoavana; fa izy nahery nandresy lahatra ny Jiosy teo imason’ny olona ka naneho marimarina tamin’ny Soratra Masina fa Jesosy no Kristy.” — Asan’ny Apostoly 18:27, 28.
Niasa ho an’ny kongregasiona i Apolosy, nampahery ireo rahalahy tamin’ny fahavononany sy ny zotom-pony. Inona no fanalahidin’ny fahombiazany? Azo antoka fa nanana fahaizana voajanahary i Apolosy, ary be herim-po izy teo amin’ny fanaovana ady hevitra ampahibemaso tamin’ny Jiosy. Kanefa mbola zava-dehibe kokoa fa nanjohy hevitra tamin’ny fampiasana ny Soratra Masina, izy.
Na dia nampihatra fitaomana mahery teo amin’ireo Korintiana aza i Apolosy, dia nampalahelo fa niteraka voka-dratsy tsy nampoizina ny fitoriana nataony. Ahoana izany? I Paoly sy i Apolosy dia samy nanao soa maro teo amin’ny fambolena sy ny fanondrahana ny voan’ny fahamarinana momba ilay Fanjakana tany Korinto. Nitory tany i Paoly tokony ho tamin’ny taona 50 am.f.i., roa taona teo ho eo talohan’ny nahatongavan’i Apolosy. Tamin’ny fotoana nanoratan’i Paoly ny taratasiny voalohany ho an’ny Korintiana, tokony ho tamin’ny 55 am.f.i., dia nisy fisaratsarahana nitombo. Ny sasany nihevitra an’i Apolosy ho mpitarika azy ireo, fa ny hafa kosa tia kokoa an’i Paoly na i Petera, na tsy nitana afa-tsy i Kristy ihany. (1 Korintiana 1:10-12). Nisy nilaza hoe: ‘Izaho an’i Apolosy’. Nahoana?
Iray ihany ny hafatra notorin’i Paoly sy i Apolosy, kanefa tsy nitovy ny toetra naha-izy azy ireo. Araka ny fieken’ny tenany ihany, i Paoly dia “tsy nampianarina laha-teny”; i Apolosy, etsy an-danin’izany, dia “nahay nandaha-teny”. (2 Korintiana 10:10; 11:6). Nanana fahaizana izay nahatonga azy ho nohenoina teo amin’ireo fiaraha-monina jiosy sasany tao Korinto izy. Vitany ny “nandresy lahatra ny Jiosy”, kanefa kosa, i Paoly dia nandao ny synagoga, tsy ela talohan’izay. — Asan’ny Apostoly 18:1, 4-6.
Mety ho izany ve no antony nahatonga ny sasany hirona ho amin’i Apolosy? Mpivaofy teny maromaro no manombantombana fa ilay fankafizana voajanahary ny dinidinika ara-pilozofia teo amin’ireo Grika no nety ho nitarika ny sasany ho tia kokoa an’ilay tari-dresaka nandrisika kokoa nataon’i Apolosy. Nandroso hevitra i Giuseppe Ricciotti fa “ilay fiteniny marevaka sy ireo fanoharana kanto [nataon’i Apolosy] dia nahatonga azy hahazo fideran’ny maro izay tia azy kokoa noho i Paoly izay mpandahateny tsy tia sehoseho sady votsa”. Raha nisy tokoa sasany namela tamim-pahadisoan-kevitra fitiavan-javatra manokana toy izany hiteraka fisaratsarahana teo amin’ireo rahalahy, dia mora takatra ny antony nanakianan’i Paoly mafy ny fanandratana “ny fahendren’ny hendry”. — 1 Korintiana 1:17-25.
Ny fanakianana toy izany anefa dia tsy nidika hoe nisy fifandonana teo amin-dry Paoly sy Apolosy. Na dia naminavina aza ny sasany fa sakay sy maso ireo mpitory roa ireo, niady mba hahazo ny firaiketam-pon’ireo Korintiana, dia tsy milaza zavatra toy izany ny Soratra Masina. Tsy niezaka nanandra-tena ho lohan’ny antoko iray i Apolosy, fa nandao kosa an’i Korinto sady niverina tany Efesosy, ary niaraka tamin’i Paoly, fony izy nanoratra ny taratasiny voalohany ho an’ilay kongregasiona voazarazara.
Tsy nisy fisarahana na fifandrafiana teo amin’izy ireo; niharihary kosa aza fa nifarimbona izy mirahalahy mba handamina ireo zava-nanahirana tany Korinto, tao anatin’ny fifampitokiana. Angamba i Paoly niahiahy olona sasany tany Korinto, kanefa azo antoka fa tsy momba an’i Apolosy. Nirindra tanteraka ny asan’izy roa lahy; nifameno ny fampianarany. Araka ny tenin’i Paoly dia hoe: “Izaho namboly, Apolosy nandena”, fa samy “mpiara-miasa amin’Andriamanitra” izy mirahalahy. — 1 Korintiana 3:6, 9, 21-23.
Sahala amin’i Paoly, dia nanaja fatratra an’i Apolosy ireo Korintiana, naniry hahazo ny fitsidihany indray. Kanefa rehefa nanasa an’i Apolosy mba hiverina tany Korinto i Paoly, dia nanda ilay Aleksandriana. Hoy i Paoly: “Ary ny amin’i Apolosy rahalahy, dia nangataka azy fatratra aho (...) hankatỳ aminareo, saingy tsy sitrapony akory ny handeha tamin’izany; nefa ho avy ihany izy, rehefa misy andro mahalalaka azy.” (1 Korintiana 16:12). Nety ho tsy nazoto hiverina tany i Apolosy, noho ny tahotra sao manetsika fizarazarana fanampiny, na satria fotsiny be zavatra natao tany an-toeran-kafa izy.
Ny nanononana farany an’i Apolosy ao amin’ny Soratra Masina, dia izy teo am-pandehanana nankany Kreta sy tany ankoatra an’io angamba. Teo indray i Paoly dia nanisy fiheverana manokana an’ilay sakaizany sady mpiara-miasa taminy, ka nangataka an’i Titosy mba hanome an’i Apolosy sy i Zena, mpiray dia taminy, izay rehetra nilain’ireo tamin’ny diany. (Titosy 3:13). Tamin’io fotoana io, taorian’ny fiofanana kristiana nandritra ny folo taona teo ho eo, dia nahavita fandrosoana ampy i Apolosy mba hiasana tamin’ny naha-solontenan’ny kongregasiona mpitety faritany.
Toetra araka an’Andriamanitra izay manamora ny fitomboana ara-panahy
Ilay mpitory aleksandriana dia namela ohatra tsara dia tsara ho an’ireo mpitory ny vaovao tsara rehetra amin’ny andro maoderina, ary, raha ny marina, dia ho an’ireo rehetra maniry handroso ara-panahy. Mety tsy hahay handaha-teny sahala aminy isika, kanefa dia azo antoka fa afaka mikely aina isika mba haka tahaka ilay fahalalany sy fahaizany mampiasa ny Soratra Masina, ka hanampy ireo mitady amim-pahatsorana ny fahamarinana. Tamin’ny ohatra nomeny teo amin’ny asa tamin-jotom-po, dia “nampahatanjaka tsara izay efa nino” i Apolosy. (Asan’ny Apostoly 18:27). I Apolosy dia nanetry tena, nahafoy tena, ary vonona hanompo ny hafa. Takany tsara fa tsy nisy toerana ho an’ny fandrafiana na ny fanirian-daza tao amin’ny kongregasiona kristiana, satria samy “mpiara-miasa amin’Andriamanitra” isika rehetra. — 1 Korintiana 3:4-9; Lioka 17:10.
Afaka mandroso ara-panahy sahala amin’i Apolosy, isika. Vonona ny hanatsara na hanitatra ny fanompoana masina ataontsika ve isika, ka hametraka ny tenantsika eo amin’ny toerana izay ahazoan’i Jehovah sy ny fandaminany mampiasa antsika amin’ny fomba feno kokoa? Raha izany no izy, dia ho mpianatra sy mpitory be zotom-po ny fahamarinana kristiana isika.