LESONA 40
Filazana Zavatra Marina
METY hilaza zavatra tsy marina ve ny Kristianina iray? Eny, raha mamerina tsaho fotsiny izy, nefa tsy naka fotoana hanamarinana ilay izy. Na mety hanita-dresaka izy, satria tsy hitany akory hoe diso ny famakiany ilay fanazavana. Raha hitan’ny mpihaino fa mitandrina isika mba hilaza ny marina, na dia amin’ny zavatra madinika aza, dia hatoky izy fa marina koa ireo zava-dehibe kokoa lazaintsika rehefa mitory.
Eny amin’ny fanompoana. Maro no matahotra hanomboka hitory, satria fantany fa mbola be dia be ny zavatra tsy maintsy ianarany. Vetivety anefa dia ho hitany fa afaka mitory tsara izy, na dia mbola voafetra aza ny fahalalany ny fahamarinana. Inona no hanampy azy amin’izany? Ny fanomanana.
Alohan’ny handehanana hitory, dia fantaro tsara ilay foto-kevitra tianao horesahina. Eritrereto mialoha ireo fanontaniana mety hapetraky ny olona. Mitadiava valin-teny ara-baiboly mahafa-po. Ho afaka hanome valin-teny marina amin’ny saina tony ianao, amin’izay. Handeha hampianatra Baiboly ve ianao? Jereo tsara indray ilay zavatra hianarana. Fantaro tsara ny hevitr’ireo andinin-teny iorenan’ny valin’ireo fanontaniana ao amin’ilay boky.
Ahoana raha manontany zavatra tsy nampoizinao ny tompon-trano iray, na ny mpiara-miasa aminao? Raha tsy azonao antoka ny tena valiny, dia aza maminavina fotsiny. “Ny fon’ny marina mihevitra vao mamaly.” (Ohab. 15:28) Mety hanampy anao ny boky Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina na ny “Foto-dresaka Ara-baiboly”, raha misy amin’ny fiteninao. Raha tsy nentinao izy ireo, dia lazao fa hanao fikarohana ianao mba hamaliana ny fanontaniany. Tsy hampaninona an’ilay olona ny hiandry ny valin-teny marina, raha tso-po izy. Mety hankasitrahany mihitsy aza ny fanetren-tenanao.
Miaraha miasa amin’ny mpitory za-draharaha eny amin’ny fanompoana, mba hianarana ny fahaiza-mampiasa ny Tenin’Andriamanitra araka ny marina. Mariho ireo andinin-teny ampiasainy sy ny fomba anazavany azy. Ekeo amim-panetren-tena izay fanoloran-kevitra na fanitsiana omeny. Nandray soa be dia be avy tamin’ny fanampian’ny hafa ilay mpianatra be zotom-po nantsoina hoe Apolosy. Nolazain’i Lioka ho “nahay nandaha-teny” izy, “nahery tamin’ny Soratra Masina”, “nafana fo”, ary “niteny sy nampianatra marimarina ny amin’i Jesosy.” Mbola tsy feno anefa ny fahalalan’i Apolosy tamin’izay. Rehefa tsikaritr’i Prisila sy i Akoila izany, dia “nandray azy hankao aminy [izy ireo] ka nampianatra azy marimarina kokoa ny amin’ny làlan’Andriamanitra.”—Asa. 18:24-28.
‘Tano mafy ny teny marina.’ Tokony ho hita amin’ny famelabelarana ataontsika any amin’ny fivoriana, fa manaja ny fiangonana ho “andry sy fiorenan’ny fahamarinana” isika. (1 Tim. 3:15) Mba hiarovana ny fahamarinana, dia tena ilaina ny hahazoana ny hevitr’ireo andinin-teny hampiasaintsika ao amin’ny anjarantsika na lahatenintsika. Hevero ny teny manodidina ilay andinin-teny, sy ny antony nanoratana azy.
Mety hisy hamerina ny zavatra lazainao any amin’ny fivoriana. Marina fa “tafintohina amin’ny zavatra maro isika rehetra.” (Jak. 3:2) Handray soa anefa ianao raha miezaka hanana fahazarana izay hanampy anao hilaza zavatra marina. Rahalahy maro manao anjara amin’ny Sekolin’ny Fanompoana no ho tonga anti-panahy any aoriana. “Bebe kokoa” no antenaina amin’ireo izay anankinana izany andraikitra izany. (Lioka 12:48) Mety hiharan’ny fahatezeran’Andriamanitra ny anti-panahy iray raha tsy mieritreritra izy ka manome torohevitra diso, izay hiteraka olana lehibe ho an’ireo anisan’ny fiangonana. (Matio 12:36, 37) Koa ny rahalahy iray tendrena ho anti-panahy àry dia tsy maintsy fantatra ho “mitana mafy ny teny marina araka ny efa nampianarina.”—Titosy 1:9.
Tandremo ny fanazavanao mba hifanaraka amin’ny “mariky ny teny tsy misy kilema” mampiavaka ny fahamarinana ao amin’ny Soratra Masina. (2 Tim. 1:13) Tsy tokony hampahatahotra anao izany. Angamba ianao mbola tsy nahavaky ny Baiboly manontolo. Tohizo ihany ny ezaka ataonao amin’izany. Araho koa ireto hevitra manaraka ireto, rehefa mamakafaka ireo fanazavana kasainao hampiasaina mba hampianarana, ianao.
Voalohany aloha, dia manontania tena hoe: ‘Mifanaraka amin’izay efa nianarako tao amin’ny Baiboly ve ity fanazavana ity? Hahatonga ny mpihaino hanatona an’i Jehovah ve izy ity, sa kosa hanindrahindra ny fahendren’izao tontolo izao, ka hampirisika ny olona hanaraka azy io?’ Hoy i Jesosy: “Ny teninao no fahamarinana.” (Jaona 17:17; Deot. 13:2-6; 1 Kor. 1:19-21) Avy eo, dia ampiasao tsara ireo fitaovana fanaovana fikarohana nomen’ny mpanompo mahatoky sy malina. Hanampy anao izy ireny mba hahazo tsara ny hevitry ny andinin-teny sy hahay ny fomba hampiharana azy araka ny tokony ho izy. Ampioreno amin’ny “mariky ny teny tsy misy kilema” ny lahateninao. Miantehera amin’ny fitaovana ampiasain’i Jehovah, rehefa manazava andinin-teny sy manao fampiharana azy io. Ho marina ny zavatra lazainao raha manao izany ianao.
Hamarino ny fahamarinan’ny zavatra holazainao. Ny filazam-baovao sy ny tenin’olona ary ny zavatra niainan’olona, dia hanampy anao hanazava sy hanao fampiharana hevitra sasany. Ahoana no hahafantaranao raha tena marina izy ireny? Loharanom-baovao azo itokisana jerena. Hamarino fa ny vaovao farany no azonao. Vetivety dia lany andro ny antontan’isa; toy izany koa ny zava-baovao ara-tsiansa; ary rehefa mitombo ny fahalalan’ny olona momba ny tantara sy ny fiteny fahiny, dia tsy maintsy ovany arakaraka izany ny fanazavany. Mila mitandrina indrindra ianao, rehefa hampiasa vaovao lazain’ny gazety, na radio, na televiziona na ordinatera. Hoy ny Ohabolana 14:15: “Ny kely saina mino ny teny rehetra; fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.” Manontania tena hoe: ‘Malaza ho azo itokisana ve io loharanom-baovao io? Azo hamarinina amin’ny fomba hafa ve io vaovao io?’ Raha mampisalasala anao ny zavatra iray, dia aza raisina.
Rehefa avy nohamarininao fa azo itokisana ilay loharanom-baovao, dia hevero tsara koa ny fomba hampiasanao ilay vaovao. Ataovy mifanaraka tsara amin’ny fanazavana nakanao azy, ny fampiasanao ireo tenin’olona sy antontan’isa. Na dia te hanamafy hevitra aza ianao, dia tandremo sao miova ho “ny ankamaroan’ny olona” ny hoe “ny olona sasany”, sy manjary hoe “ny olona rehetra” ny hoe “olona maro”, ary lasa hoe “foana” ny hoe “indraindray.” Tsy hatoky anao ho milaza ny marina intsony ny hafa, raha manitatra filazan-javatra na isa ianao.
Rehefa marina mandrakariva ny zavatra lazainao, dia ho fantatra ho olona manaja ny fahamarinana ianao. Ho tsara ny fiheveran’ny olona ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fitambarany, noho izany. Mbola zava-dehibe kokoa ny fanomezan’izany voninahitra an’i ‘Jehovah, ilay Andriamanitry ny fahamarinana.’—Sal. 31:5.