Manaova izay sitrak’i Jehovah amin’ny fanehoana hatsaram-panahy
“Izay ilain’i Jehovah aminao, dia izao ihany: ny hanao ny marina sy ny ho tia famindrampo [hatsaram-panahy, NW] ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amin’ny fanetren-tena.” — MIKA 6:8.
1. Nahoana no tsy tokony hahagaga antsika ny hanantenan’i Jehovah ny hampisehoan’ny vahoakany hatsaram-panahy?
MANANTENA ny hampisehoan’ny vahoakany hatsaram-panahy i Jehovah. Tsy tokony hahagaga antsika izany. Ny tenan’Andriamanitra mihitsy dia tsara fanahy amin’ny rehetra, na dia amin’ireo ratsy fanahy tsy mahay misaotra aza. Momba izany, dia nilaza toy izao tamin’ny mpianany i Jesosy: “Tiava ny fahavalovareo, ary manaova soa, dia mampisambora [tsy misy zanabola, MN], ka aza kivy na amin’inona na amin’inona [aza manantena na inona na inona ho valiny, MN], dia ho lehibe ny valim-pitianareo, ary ho zanaky ny Avo Indrindra hianareo; fa Izy mora fanahy [tsara fanahy, NW] amin’izay tsy misaotra sy ny ratsy fanahy. Aoka ho mpamindra fo hianareo mba ho tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo.” — Lioka 6:35, 36.
2. Fanontaniana inona avy momba ny hatsaram-panahy no mendrika ny hoheverintsika?
2 Araka ny ambaran’ny Mika 6:8 (NW), ireo izay miara-mandeha amin’Andriamanitra dia tsy maintsy “tia hatsaram-panahy” mihitsy. Miharihary fa sitrak’i Jehovah rehefa tia hatsaram-panahy ny mpanompony ka maneho izany amim-pahatsoram-po. Inona anefa no atao hoe hatsaram-panahy? Soa inona avy no entin’ny fampisehoana azy io? Ary amin’ny fomba ahoana no azo ampisehoana io toetra io?
Ny atao hoe hatsaram-panahy
3. Ahoana no hamaritanao ny atao hoe hatsaram-panahy?
3 Ny hatsaram-panahy dia ny fanehoana fiheverana ny hafa amin’ny alalan’ny asa. Aseho amin’ny alalan’ny asa manasoa sy ny teny mampiseho fiheverana izy io. Ny hoe tsara fanahy dia midika hoe manao soa fa tsy manao zavatra manimba ny hafa akory. Ny olona tsara fanahy iray dia sariaka, mora fanahy, mangoraka ary mahafinaritra ny fihetsiny. Manana fihetsika malala-tanana sy mampiseho fiheverana ny hafa izy. Ary anisan’ireo zavatra mahaforona ny fitafiana ara-panoharan’ny kristiana marina koa ny hatsaram-panahy, satria nampirisika toy izao i Paoly: “Mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy [hatsaram-panahy, NW], fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana.” — Kolosiana 3:12.
4. Tamin’ny ahoana no nanomezan’i Jehovah ohatra tamin’ny fampisehoana hatsaram-panahy tamin’ny taranak’olombelona?
4 Manome ny ohatra i Jehovah raha ny amin’ny fampisehoana hatsaram-panahy. Araka ny nolazain’ny apostoly Paoly, “rehefa niseho ny fahamoram-panahin’ [hatsaram-panahin’, NW] Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona, dia (...) araka ny famindrampo (...) no namonjeny antsika, tamin’ny fanasan’ny fiterahana indray sy ny fanavaozan’ny Fanahy Masina.” (Titosy 3:4, 5). Manadio, na ‘manasa’, ireo kristiana voahosotra amin’ny ran’i Jesosy Andriamanitra, amin’ny fampiharana amin’izy ireo ny vidin’ny sorom-panavotan’i Kristy. Havaozina amin’ny alalan’ny fanahy masina koa izy ireo, ka tonga “olom-baovao”, dia zanak’Andriamanitra nateraky ny fanahy. (2 Korintiana 5:17). Mazava ho azy fa mihatra koa amin’ny “olona betsaka”, izay ‘nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny ran’ny Zanak’ondry’, ny hatsaram-panahin’Andriamanitra sy ny fitiavany ny olona. (Apokalypsy 7:9, 14; 1 Jaona 2:1, 2). Fanampin’izany, ireo voahosotra sy ny olona betsaka manana fanantenana ny ho etỳ an-tany, dia samy eo ambanin’ny zioga ‘feno hatsaram-panahin’i’ Jesosy. — Matio 11:30, NW.
5. Nahoana isika no tokony hanantena ny hampisehoan’ireo izay tarihin’ny fanahin’Andriamanitra hatsaram-panahy amin’ny hafa?
5 Anisan’ny vokatry ny fanahy masina, na hery miasan’Andriamanitra koa ny hatsaram-panahy. Hoy i Paoly hoe: “Ny vokatry ny fanahy (...) dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaram-po, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena. Tsy misy lalàna manohitra izany.” (Galatiana 5:22, 23, NW). Koa, inona àry no tokony hantenaintsika amin’ireo izay tarihin’ny fanahin’Andriamanitra? Azo antoka fa ny hampisehoan’izy ireo hatsaram-panahy amin’ny hafa.
6. Tokony hahatonga ireo loholona sy ny kristiana hafa hanao zavatra amin’ny fomba ahoana ny hatsaram-panahy?
6 Azo aseho amin’ny fomba maro ny hatsaram-panahy. Mampiseho hatsaram-panahy isika rehefa mamindra fo. Ohatra, ireo loholona kristiana dia tsara fanahy rehefa maneho famindrampo amin’ny mpanao ratsy iray nibebaka ka mitady fomba hanampiana azy eo amin’ny lafiny ara-panahy. Mahatonga ireo mpiandraikitra hanana faharetana, hampiseho fiheverana sy fiantrana ary ho mora fanahy ny hatsaram-panahy, izay toetra avy amin’Andriamanitra. Manosika azy ireo “hitondra ny andian’ondry amim-panehoam-pitiavana” izy io. (Asan’ny apostoly 20:28, 29, MN). Raha ny marina, ny hatsaram-panahy, vokatry ny fanahy, dia tokony hahatonga ny kristiana rehetra hamindra fo, hanana faharetana, hampiseho fiheverana, ho sariaka ary hahay mampiantrano vahiny.
Halaviro ny hatsaram-panahy diso toerana
7. Nahoana ianao no hilaza fa fahalemena ny hatsaram-panahy diso toerana?
7 Misy olona mihevitra fa fahalemena ny hatsaram-panahy. Mino izy ireo fa tsy maintsy henjana, tsy mahalala fomba mihitsy aza indraindray, ny olona iray, mba hanohinana ny hafa noho ny heriny. Kanefa voalaza amin’ny fomba mety fa “ny tsy fahalalam-pomba dia ny fitadiavan’ny olo-malemy iray hiseho ho mahery.” Raha ny tena izy, dia tena ilàna hery tokoa ny ho tsara fanahy marina sy ny fanalavirana ny hatsaram-panahy diso toerana. Ny hatsaram-panahy izay vokatry ny fanahin’Andriamanitra, dia tsy fihetsika malemy sy manaiky lembenana eo anoloan’ny fitondrantena ratsy. Ny hatsaram-panahy diso toerana kosa dia fahalemena izay mahatonga ny olona iray hanala tsiny ny fanaovan-dratsy.
8. a) Raha ny amin’ireo zanany lahy, tamin’ny ahoana moa no nisehoan’i Ely ho nanao tsirambina? b) Nahoana no tsy maintsy mitandrina ireo loholona mba tsy ho latsaka ao amin’ny hatsaram-panahy diso toerana?
8 I Ely mpisoronabe teo amin’ny Isiraely dia nanao tsirambina ny famaizana an’i Hofinia sy i Finehasa, zanany lahy, izay nanao ny asan’ny mpisorona tao amin’ny tabernakely. Tsy nianina tamin’ny fakana ny anjara tamin’ny fanatitra iray notendren’ny Lalàn’Andriamanitra ho azy izy ireo, fa nasainy nangataka hena manta tamin’ilay nanolotra fanatitra talohan’ny nandoroana ny saboran’ilay fanatitra teo ambonin’ny alitara koa ny mpanampy azy. Nanana firaisana maloto tamin’ireo vehivavy nanompo teo amin’ny varavaran’ny tabernakely koa ireo zanakalahin’i Ely ireo. Tsy nandroaka an’i Hofinia sy i Finehasa tsy hanao io raharaha io intsony anefa i Ely, fa niteny azy ireo moramora fotsiny, ka nanome voninahitra ny zanany nihoatra noho Andriamanitra. (1 Samoela 2:12-29, MN). Tsy mahagaga raha ‘nahàlana ny tenin’i Jehovah tamin’izany andro izany’! (1 Samoela 3:1). Ireo loholona kristiana àry dia tsy tokony ho latsaka ao amin’ny fanjohian-kevitra diso na ny fanehoana hatsaram-panahy diso toerana izay mety hampidi-doza ny toetra ara-panahin’ny kongregasiona. Ny tena hatsaram-panahy marina dia tsy jamba ka tsy hahita ireo teny na asa ratsy izay mandika ireo fitsipi-pitondrantenan’Andriamanitra.
9. a) Fihetsika inona no afaka manampy antsika tsy ho latsaka ao amin’ny hatsaram-panahy diso toerana? b) Tamin’ny fomba ahoana no nampisehoan’i Jesosy hery teo amin’ny fitondrany ireo mpivavaka nivadi-pinoana?
9 Raha tiantsika ny hanalavitra ny fampisehoana hatsaram-panahy diso toerana, dia tsy maintsy mivavaka mba hangataka ny fanampian’Andriamanitra isika mba hahazoana hery mitovy amin’izay niharihary tamin’ireto tenin’ny mpanao salamo ireto: “Mialà amiko hianareo mpanao ratsy, mba hitandremako ny didin’Andriamanitro.” (Salamo 119:115). Mila ny manaraka ny ohatr’i Jesosy Kristy, izay tsy meloka ho nampiseho hatsaram-panahy diso toerana mihitsy, koa isika. Raha ny marina, dia i Jesosy mihitsy no fisehoana velon’ny tena hatsaram-panahy marina. Ohatra, ‘nahatsiaro firaiketam-po feno fitiavana ny olona izy satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy nisy mpiandry’. Noho izany, ireo olona tso-po dia nanatona malalaka an’i Jesosy, ka nitondra ireo zanany kely teo aminy mihitsy. Ary alao sary an-tsaina fotsiny ny hatsaram-panahy sy ny fiantrana nasehony rehefa “nitrotro azy izy (...) ka nitso-drano azy”! (Matio 9:36; Marka 10:13-16). Na dia tsara fanahy aza i Jesosy, dia nitana mafy foana ny heviny raha ny amin’izay tsara teo imason’ny Rainy any an-danitra. Tsy nanala tsiny ny ratsy na oviana na oviana i Jesosy; nanana ny hery nomen’Andriamanitra azy izy mba hanamelohana an-karihary ireo mpitondra fivavahana mpihatsaravelatsihy. Ao amin’ny Matio 23:13-26 izy dia namerina imbetsaka ny fanambarana hoe: “Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy!” Isaky ny nanonona izany i Jesosy dia nanome ny anton’ny fanamelohan’Andriamanitra.
Hatsaram-panahy mifandray amin’ny fitiavana
10. Ahoana no ampisehoan’ny mpianatr’i Jesosy hatsaram-panahy sy fitiavana amin’ireo mpiray finoana aminy?
10 Momba ireo mpanara-dia azy, dia hoy i Jesosy hoe: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:35). Ary inona no lafiny iray amin’ny fitiavana izay mampahafantatra ireo tena mpianatr’i Jesosy? Hoy i Paoly hoe: “Ny fitiavana mahari-po sady tsara fanahy.” (1 Korintiana 13:4, NW). Ny hoe mahari-po sady tsara fanahy dia midika hoe miaritra ireo tsy fahatanterahana sy fahadisoan’ny hafa isika, tsy misy hafa amin’ny anaovan’i Jehovah izany amin-katsaram-panahy tokoa. (Salamo 103:10-14; Romana 2:4; 2 Petera 3:9, 15). Ny fitiavana sy hatsaram-panahy kristiana dia miseho koa rehefa mandia fotoan-tsarotra ireo mpiray finoana amintsika any amin’ny toerana iray amin’ny tany. Hampiseho mihoatra noho ny “hatsaram-panahin’olombelona” ireo kristiana any amin’ny toerana hafa ka haneho fitiavana ny rahalahy amin’ny fanomezana zavatra ara-nofo mba hanampiana ireny mpanompon’i Jehovah ireny. — Asan’ny apostoly 28:2, NW.
11. Araka ny Soratra masina, inona no atao hoe hatsaram-panahy miharo fitiavana?
11 Mifandray amin’ny fitiavana ny hatsaram-panahy ao amin’ilay teny hoe “hatsaram-panahy miharo fitiavana”, ampiasaina matetika ao amin’ny Soratra masina. Izany dia hatsaram-panahy vokatry ny fitiavana tsy mivadika. Ny anarana hebreo nadika hoe “hatsaram-panahy miharo fitiavana” (cheʹsedh) dia milaza mihoatra noho ny fiheverana amim-panehoam-pitiavana. Izany dia hatsaram-panahy izay mifikitra amim-pitiavana amin-javatra iray mandra-pahatanteraky ny fikasana mifandray amin’izany. Ny hatsaram-panahin’Andriamanitra miharo fitiavana, na ny fitiavany tsy mivadika, dia miseho amin’ny fomba samihafa. Ohatra, miseho amin’ireo asam-pamonjena sy fiarovana nataony izany. — Salamo 6:4, NW; 40:11, NW; 143:12, NW.
12. Rehefa mivavaka mba hangataka fanampiana na famonjena ny mpanompon’i Jehovah, dia afaka mahazo antoka ny amin’inona moa izy ireo?
12 Tsy mahagaga raha mampanatona ny olona azy ny hatsaram-panahin’i Jehovah miharo fitiavana! (Jeremia 31:3, NW). Rehefa mila famonjena na fanampiana ireo mpanompo mahatokin’Andriamanitra, dia fantany fa tena fitiavana tsy mivadika tokoa, izay tsy hamela azy ireo ho irery tsy hisy mpanampy, ny hatsaram-panahiny miharo fitiavana. Noho izany, dia afaka mivavaka amim-pinoana izy ireo, toy ny nataon’ilay mpanao salamo izay nanao hoe: “Fa raha izaho kosa, dia ny famindramponao [hatsaram-panahinao miharo fitiavana, NW] no itokiako; ho faly amin’ny famonjenao ny foko.” (Salamo 13:5). Koa satria tsy mivadika ny fitiavan’Andriamanitra, dia tsy mitoky amin’ny hatsaram-panahiny miharo fitiavana tsy amin’ny antony ny mpanompony. Rehefa mivavaka mba hangataka fanampiana na famonjena izy ireo, dia mahazo izao toky izao: “Jehovah tsy mba hanary ny olony, ary ny lovany tsy hafoiny.” — Salamo 94:14.
Ireo valisoa noho ny hatsaram-panahy
13, 14. Nahoana no manana sakaiza tsy mivadika ny olona tsara fanahy iray?
13 Ho fanahafana an’i Jehovah, ireo mpanompony dia ‘samy mifampiantra [mifaneho hatsaram-panahy miharo fitiavana, NW] sy mifamindra fo amin’ny rahalahiny avy’. (Zakaria 7:9; Efesiana 5:1). “Ny zavatra faniry eo amin’ny olona eto an-tany dia ny hatsaram-panahiny miharo fitiavana”, ary ny olona iray maneho io toetra io dia mijinja valisoa tondraka. (Ohabolana 19:22, NW). Inona avy no sasany amin’izany?
14 Mahatonga antsika hahay mandanjalanja ny hatsaram-panahy ka manampy antsika hihazona fifandraisana tsara amin’ny hafa. Ny olona iray mahay mandanjalanja dia milaza sy manao zavatra na mandamina tarehin-javatra sarotra amin’ny fomba mampiseho fiheverana sy tsy mahatezitra. Raha todìn’ny halozany ny olona “lozabe” iray, “ny olona mamindra fo [maneho hatsaram-panahy miharo fitiavana, NW] dia mahazo soa ho an’ny tenany.” (Ohabolana 11:17). Manalavitra ny olona lozabe ny hafa fa voasintona ho any amin’izay maneho hatsaram-panahy aminy kosa. Noho izany, ny olona tsara fanahy iray dia manana sakaiza tsy mivadika. — Ohabolana 18:24.
15. Vokatra inona no mety hoentin’ny hatsaram-panahy ao amin’ny tokantrano voazarazara eo amin’ny ara-pivavahana?
15 Ny vehivavy kristiana iray manambady tsy mpino dia mety hitarika azy io ho amin’ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny toetra tsara toy ny hatsaram-panahy. Talohan’ny nahalalany ny fahamarinana sy nitafiany “ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana [tsy fivadihana, MN] momba ny fahamarinana”, dia nety ho tsy tsara fanahy, ho tia ady mihitsy aza, izy io. (Efesiana 4:24). Raha nahafantatra ohabolana sasantsasany ny vadiny, dia ho nanaiky fa “ny ady ataon’ny vehivavy dia toy ny rano mitete mandrakariva”, ary koa fa “aleo mitoetra any an-efitra toy izay amin’ny vehivavy tia ady sady foizina”. (Ohabolana 19:13; 21:19). Kanefa, ankehitriny, ny fitondrantena madion’ilay vehivavy kristiana sy ny fanajany lalina, miaraka amin’ny toetra toy ny hatsaram-panahy, dia mety hanampy azy hitaona ny vadiny ho amin’ny fivavahana marina. (1 Petera 3:1, 2, MN). Eny, mety ho valisoa iray avy amin’ny hatsaram-panahy izany.
16. Ahoana no mety handraisantsika soa avy amin’ny hatsaram-panahy aseho antsika?
16 Mety hitondra soa ho antsika ny hatsaram-panahy aseho antsika satria mahatonga antsika hiantra sy hamela heloka. Ohatra, raha mila fanampiana ara-panahy isika ka raisina amin-katsaram-panahy sy amim-pahalemem-panahy, moa ve izany tsy hahatonga antsika ho voatosika kokoa hitondra ny hafa amin’izany fomba izany koa? Azo antenaina avy amin’ireo lehilahy mahafeno fepetra ara-panahy ny fitondrana ny hafa amin-katsaram-panahy sy amim-pahalemem-panahy, satria hoy ny nosoratan’i Paoly hoe: “Ry rahalahy, raha misy olona azon’ny ota tsy nahy aza, dia atsanganonareo izay manana ny fanahy amin’ny fahamorana [fahalemem-panahy, MN] izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao hianao koa mba halaim-panahy ihany.” (Galatiana 6:1). Miresaka amim-pahalemem-panahy sy amin-katsaram-panahy ireo loholona voatendry rehefa mitady ny hanampy ireo mpiray finoana aminy nanao fahadisoana. Kanefa, na nahazo izany fanampiana feno hatsaram-panahy izany ny tenantsika manokana na tsia, inona moa no antenain’Andriamanitra amin’ireo rehetra manompo azy? Tokony hampiseho hatsaram-panahy amin’ny hafa ny kristiana rehetra ary hanaraka izao torohevitr’i Paoly izao: “Aoka samy halemy fanahy [ho tsara fanahy, NW] amin’ny namany avy hianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy.” (Efesiana 4:32). Mazava ho azy fa, raha navelan’ny olona iray ny helotsika taminy na nampiana tamin’ny fomba feno hatsaram-panahy isika tamin’ny zava-tsarotra ara-panahy nahazo antsika, izany dia tokony hampitombo ny fahaizantsika manokana hamela heloka, hiantra sy ho tsara fanahy.
Ankasitraho ny hatsaram-panahin’ Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory
17. Koa satria mpanota hatramin’ny nahaterahantsika isika, hatsaram-panahy inona moa no tokony hahavelom-pankasitrahana antsika manokana?
17 Koa satria teraka mpanota nomelohina ho amin’ny fahafatesana isika rehetra, dia misy hatsaram-panahy iray izay ilaintsika ny mankasitraka azy manokana. Izany dia ny hatsaram-panahin’i Jehovah Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory. Ny fanafahana mpanota avy amin’ny fanamelohana ho amin’ny fahafatesana sy ny fanamarinana azy ireo dia hatsaram-panahy izay tsy mendrika ho azy ireo mihitsy. Nilaza toy izao tamin’ireo kristiana tany Roma fahizay i Paoly, izay nanonona ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory in-90 tao amin’ireo taratasiny 14 azony avy tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra: “Samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra, nefa hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany [hatsaram-panahiny amin’izay tsy mendrika akory, NW] izy noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy.” (Romana 3:23, 24). Fankasitrahana toy inona moa no tokony ho tsapantsika noho ny hatsaram-panahy amin’izay tsy mendrika akory asehon’i Jehovah Andriamanitra!
18, 19. Ahoana no hahafahantsika hanalavitra ny ho diso ny zava-kendren’ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory?
18 Amin’ny tsy fahaizantsika mankasitraka, dia mety ho diso ny zava-kendren’ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory isika. Momba izany, dia hoy i Paoly hoe: “Koa dia iraka solon’i Kristy izahay, toa an’Andriamanitra mampangataka anay aminareo, solon’i Kristy izahay ka mangataka indrindra aminareo hoe: mihavàna amin’Andriamanitra anie hianareo. Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy kosa isika. Ary izahay mpiara-miasa aminy dia mangataka aminareo koa mba tsy handraisanareo foana [nefa ho diso ny zava-kendren’, NW] ny fahasoavan’Andriamanitra [hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory, NW] fa hoy Izy [ao amin’ny Isaia 49:8]: ‘Tamin’ny taona fankasitrahana no nihainoako anao, ary tamin’ny andro famonjena no namonjeko anao’; indro, ankehitriny no andro fankasitrahana; indro, ankehitriny no andro famonjena; fa tsy manao izay mahatafintohina izahay na amin’inona na amin’inona, mba tsy homen-tsiny ny fanompoana; fa amin’ny zavatra rehetra dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon’Andriamanitra izahay.” (2 Korintiana 5:20 ka hatramin’ny 6:4). Inona no tian’i Paoly holazaina?
19 Iraka solon’i Kristy ireo kristiana voahosotra, ary ny olona betsaka dia mpitondra hafany. Miaraka izy ireo mampirisika ny olona hihavana amin’Andriamanitra mba hahazoana famonjena. Tsy nirin’i Paoly ny handraisan’iza na iza ny hatsaram-panahin’i Jehovah Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy nefa ho diso ny zava-kendren’izany. Mety hitranga amintsika izany raha tsy manao ilay asa izay nahatonga antsika ho mendrika ny hanao azy io izany hatsaram-panahy amin’izay tsy mendrika akory izany. Noho isika manana fifandraisana tsara amin’Andriamanitra amin’ny maha-olona nampihavanina taminy antsika, dia tsy ho very maina foana ny handraisantsika ny hatsaram-panahiny amin’izay tsy mendrika akory raha manatanteraka “ny fanompoana fampihavanana” isika, dia ny hoe: “Andriamanitra ao amin’i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy”. (2 Korintiana 5:18, 19). Haneho hatsaram-panahy lehibe indrindra amin’ny hafa koa isika amin’ny fanampiana azy ireo hihavana amin’Andriamanitra.
20. Inona no hodinihintsika amin’ny manaraka?
20 Mampiasa ny fotoanany sy ny fananany amin’ny fanaovana asa mampiseho hatsaram-panahy ny mpanompon’i Jehovah rehefa mitady ny hanampy ny olona amin’ny lafiny ara-panahy, amin’ny alalan’ny fanompoana kristiana, izy ireo. Inona anefa no azontsika ianarana avy amin’ireo ohatra ny amin’ny hatsaram-panahy miseho amin’ny alalan’ny asa, hita ao amin’ny Soratra masina? Aoka hodinihintsika amin’ny manaraka ny sasany amin’izy ireny ary aoka isika hihevitra ny amin’ny fomba hafa hanaovana izay sitrak’i Jehovah amin’ny fampisehoana hatsaram-panahy.
Ahoana no havalinao?
◻ Inona no atao hoe hatsaram-panahy?
◻ Ahoana no hahafahantsika tsy ho latsaka ao amin’ny hatsaram-panahy diso toerana?
◻ Nahoana no afaka matoky ny hatsaram-panahin’i Jehovah miharo fitiavana ny olony?
◻ Inona avy ny sasany amin’ireo valisoa noho ny hatsaram-panahy?
◻ Amin’ny fanaovana inona no hahatonga antsika tsy ho diso ny zava-kendren’ny hatsaram-panahin’i Jehovah amin’izay tsy mendrika akory?
[Sary, pejy 13]
Mahatonga ireo loholona kristiana hanana faharetana, hampiseho fiheverana sy fiantrana ny hatsaram-panahy
[Sary, pejy 15]
Mety hanampy azy hitaona ny vadiny ho amin’ny fivavahana marina ny hatsaram-panahin’ny vehivavy kristiana iray
[Sary, pejy 17]
Afaka maneho hatsaram-panahy lehibe indrindra amin’ny hafa isika amin’ny fanampiana azy ireo hihavana amin’Andriamanitra