FILEMONA, TARATASY HO AN’I
Taratasy nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’i Filemona. (Flm 1, 2, 19) Nigadra voalohany tany Roma (t. 60-61 angamba) i Paoly tamin’izy nanoratra azy io, matoa izy nanantena ny “hafahana.”—And. 22; jereo FILEMONA; ONESIMOSY.
Nampirisihin’ilay apostoly i Filemona mba handray tsara an’i Onesimosy, ilay mpanompony nandositra nefa niova ho Kristianina tatỳ aoriana. Nanana fahefana hanery an’i Filemona hanao izany i Paoly satria apostoly izy. Naleony anefa niangavy azy noho ny fitiavana sy noho izy ireo mpinamana. (Flm 8, 9, 17) Lehilahy nanam-pinoana sy be fitiavana i Filemona. Natoky àry i Paoly hoe horaisiny tsara ilay mpanompo tsy nahasoa azy teo aloha, toy ny handraisany tsara an’ilay apostoly ihany (and. 10, 11, 21), na dia zon’i Filemona aza ny hanasazy mafy an’i Onesimosy.
Asongadin’ilay taratasy fa toetra kristianina mahafinaritra ny hatsaram-panahy sy famelan-keloka ary famindram-po. Ampahafantariny antsika koa fa nivory tao an-tranon’ny mpiara-manompo ny Kristianina voalohany, nifampiantso hoe ‘rahalahy’ sy ‘anabavy’ (Flm 1, 2, 20), ary nifampivavaka (and. 4, 22). Nampahery azy ireo koa ny fitiavana sy finoana nasehon’ny mpiray finoana taminy.—And. 4-7.
[Efajoro, pejy 877]
HEVITRA MISONGADINA: FILEMONA
Taratasy mampirisika ny hitiavana mpanompo iray nandositra nefa niova ho Kristianina, sy ny hamindrana fo aminy
Nosoratan’i Paoly tamin’ny taona 60-61 tany ho any, tamin’izy nigadra tany Roma
Noderaina ny fitiavan’i Filemona sy ny finoany (and. 1-7)
Nantsoin’i Paoly hoe malala sy mpiara-miasa i Filemona
Nisaotra an’Andriamanitra i Paoly rehefa nahare ny fitiavany sy ny finoany, nahafaly sy nankahery be azy izany
Nalefan’i Paoly nody i Onesimosy izay ‘mihoatra noho ny mpanompo’ (and. 8-25)
Niangavy ho an’i Onesimosy i Paoly noho ny fitiavana; lasa Kristianina io mpanompo nandositra io rehefa nifanerasera taminy tany am-ponja
Te hihazona an’i Onesimosy i Paoly satria nikarakara azy izy; nalefany nody anefa izy satria tsy te hanao na inona na inona i Paoly raha tsy efa nanaiky i Filemona
Nampirisihiny i Filemona handray an’i Onesimosy toy ny handraisany an’i Paoly; natoky izy fa hanao mihoatra noho izay nangatahina taminy i Filemona