Efa Niditra ao Amin’ny Fitsaharan’andriamanitra ve Ianao?
“Izay niditra tao amin’ny fitsaharan[’Andriamanitra], dia izy koa no nitsahatra tamin’ny asany”. — HEBREO 4:10, fanamarihana ambany pejy.
1. Nahoana no irina fatratra ny hisian’ny fialan-tsasatra?
FIALAN-TSASATRA! Izany ka teny mamy sy mahafinaritra! Mihazakaza-dava sy misomebiseby ilay tontolo iainantsika ankehitriny, hany ka hanaiky ny ankamaroantsika fa mahafinaritra erỳ ny miala sasatra kely. Ny fiainana andavanandro fotsiny dia efa mety hahatonga antsika hahatsiaro hiharam-panerena mafy sy ho trotraka, na tanora isika na antitra, ary na manambady na mpitovo. Ho an’ireo izay voafetra ihany ny mety ho vitany eo amin’ny lafiny ara-batana na kilemaina, dia zava-tsarotra ny andro tsirairay. Milaza tokoa ny Soratra Masina fa “izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny”. (Romana 8:22). Tsy voatery ho kamo akory ny olona iray miala sasatra. Zavatra iray ilain’ny olombelona ny fialan-tsasatra ka tsy maintsy omena fahafaham-po.
2. Nanomboka oviana i Jehovah no nitsahatra?
2 Na dia i Jehovah Andriamanitra aza, dia miala sasatra na hoe mitsahatra. Izao no vakintsika ao amin’ny bokin’ny Genesisy: “Vita ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy. Ary tamin’ny andro fahafito dia vitan’Andriamanitra ny asa efa nataony; ary dia nitsahatra tamin’ny andro fahafito Izy tamin’ny asany rehetra izay efa nataony.” Nisy heviny manokana teo imason’i Jehovah ny “andro fahafito”, satria hoy ny tohin’ilay fitantarana ara-tsindrimandry: “Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy”. — Genesisy 2:1-3.
Nitsahatra tamin’ny asany Andriamanitra
3. Tsy mety ho antony inona avy no nahatonga an’Andriamanitra hitsahatra?
3 Nahoana Andriamanitra no nitsahatra tamin’ny “andro fahafito”? Mazava ho azy fa tsy noho ny harerahana akory no nitsaharany. Noho ny “haben’ny fahatanjahan[’i Jehovah]”, dia “tsy mba mety ho reraka na sasatra” izy. (Isaia 40:26, 28). Tsy hoe nila niato kely akory Andriamanitra na nila niala voly kely, ka izany no nahatonga azy hitsahatra, satria nilaza i Jesosy hoe: “Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa.” (Jaona 5:17). Na ahoana na ahoana, “Andriamanitra dia Fanahy”, ka tsy mba voafehifehin’ireo tsingerina ara-batana sy ireo zavatra ilain’ny zavaboary hita maso. — Jaona 4:24.
4. Inona no naha hafa ny “andro fahafito”, raha oharina amin’ireo “andro” enina teo alohany?
4 Ahoana no ahafahantsika mahatakatra tsara ny antony nahatonga an’Andriamanitra hitsahatra tamin’ny “andro fahafito”? Mariho fa na dia tena nahafa-po an’Andriamanitra aza izay zavatra vitany nandritra ilay fe-potoana lava dia lava naharetan’ireo “andro” famoronana enina teo aloha, dia nitahy manokana ny “andro fahafito” izy, ka nanambara azy io ho ‘masina’. Ny teny hoe ‘masina’ dia faritan’ny diksionera iray amin’ny hoe “voatokana tanteraka (ho an’ny andriamanitra iray na ho amin-java-kendrena ara-pivavahana iray)”. Araka izany, ny nitahian’i Jehovah ny “andro fahafito” sy ny nanambarany azy io ho masina, dia manondro fa tsy maintsy misy ifandraisany amin’ny sitrapony masina sy ny fikasany io andro io sy ny ‘fitsaharany’, fa tsy hoe nanan-javatra nilaina akory Andriamanitra. Inona izany zavatra ifandraisany izany?
5. Inona no nampandehanin’Andriamanitra, nandritra ireo “andro” famoronana enina?
5 Nanao sy nampandeha ireo tsingerina sy lalàna rehetra mifehy ny fiasan’ny tany sy ny zava-drehetra manodidina azy io, Andriamanitra, nandritra ireo “andro” famoronana enina teo aloha. Ankehitriny ireo mpahay siansa vao mahafantatra ny fomba mahatalanjona nanaovana azy ireny. Tany amin’ny faramparan’ny “andro fahenina”, dia namorona ny mpivady olombelona voalohany Andriamanitra, ka nametraka azy ireo tao amin’ny “saha tao Edena tany atsinanana”. Tamin’ny farany, dia nambaran’Andriamanitra, tamin’ny alalan’ireto teny ara-paminaniana ireto, ny fikasany momba ny fianakavian’olombelona sy ny tany: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjakà amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.” — Genesisy 1:28, 31; 2:8.
6. a) Nanao ahoana ny fihetseham-pon’Andriamanitra mahakasika ny zavatra rehetra noforoniny, tany amin’ny faran’ny “andro fahenina”? b) Amin’ny heviny ahoana no masina ny “andro fahafito”?
6 Rehefa nifarana ny ‘andro famoronana fahenina’, dia milaza amintsika toy izao ny fitantarana: “Hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany.” (Genesisy 1:31). Nahafa-po an’Andriamanitra ny zava-drehetra nataony. Nitsahatra, na niato tsy nanao asa famoronana hafa mahakasika ny tany, izy. Na dia tonga lafatra sy kanto aza anefa ilay zaridaina paradisa tamin’izay fotoana izay, dia faritra kely fotsiny no nisy azy io, ary zavaboary olombelona roa monja no teto an-tany. Hila fotoana vao hahatratra ilay tanjona nikasan’Andriamanitra azy, ny tany sy ny fianakavian’olombelona. Noho izany antony izany, dia nanendry “andro fahafito” izy, ka mandritra izany, dia havelany hitombo tsikelikely mifanaraka amin’ny sitrapony masina ny zava-drehetra noforoniny tao anatin’ireo “andro” enina teo aloha. (Ampitahao amin’ny Efesiana 1:11.) Eo am-pifaranan’ny “andro fahafito”, dia ho efa tonga paradisa ny tany manontolo, ary ho fonenana mandrakizay ho an’ny fianakavian’olombelona lavorary. (Isaia 45:18). Voatokana mba hamitana sy hanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra momba ny tany sy ny olombelona ny “andro fahafito”. Amin’izay heviny izay izy io no ‘masina’.
7. a) Tamin’ny lafiny inona Andriamanitra no nitsahatra tamin’ny “andro fahafito”? b) Hanao ahoana ny zava-drehetra amin’ny fotoana hahataperan’ny “andro fahafito”?
7 Nitsahatra tamin’ny asa famoronany àry Andriamanitra, tamin’ny “andro fahafito”. Toy ny hoe niato izy ka navelany hiasa hatramin’ny farany ireo zavatra efa nampandehaniny. Matoky tanteraka izy fa amin’ny faran’ny “andro fahafito”, fara fahelany, dia ho efa mitovy tsy misy valaka amin’ny nikasany azy ny zavatra rehetra. Na dia nisy vato nisakana aza, dia ho efa noresena ireny. Handray soa avokoa ny olombelona mankatò rehefa ho tanteraka amin’ny fomba feno ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy hisy na inona na inona hahasakana izany, satria mitahy ny “andro fahafito” Andriamanitra, ka “nanamasina” azy io. Izany ka fanantenana be voninahitra misokatra ho an’ny olombelona mankatò!
Tsy tafiditra tao amin’ny fitsaharan’Andriamanitra ny Isiraely
8. Oviana sy tamin’ny fomba ahoana no nahatonga ny Isiraelita hitandrina ny Sabata?
8 Nandray soa tamin’ny fandaharan’i Jehovah momba ny fotoana iasana sy ialan-tsasatra ny firenen’ny Isiraely. Na dia talohan’ny nanomezana ny Lalàna teo amin’ny Tendrombohitra Sinay aza, dia nilaza tamin’izy ireo toy izao Andriamanitra, tamin’ny alalan’i Mosesy: “Saino fa Jehovah no nanome anareo ny Sabata, koa izany no anomezany anareo mofo ampy ho indroa andro amin’ny andro fahenina; samia mitoetra eo amin’ny fitoerany avy hianareo, ka aoka tsy hisy hiala amin’ny fitoerany amin’ny andro fahafito.” Ny vokany dia “nitsahatra ny olona tamin’ny andro fahafito”. — Eksodosy 16:22-30.
9. Nahoana no tsy isalasalana fa fiovana nahafinaritra ny Isiraelita ny lalàna momba ny Sabata?
9 Vaovao io fandaharana io ho an’ireo Isiraelita izay vao nafahana avy tamin’ny fanandevozana tany Egypta. Fe-potoana naharitra dimy ka hatramin’ny folo andro no nitsinjaran’ny Egyptiana sy ny firenena hafa ny fotoana. Na dia izany aza anefa, dia tsy azo inoana ny hoe nomen-dalana hahazo andro iray tsy hiasana ireo Isiraelita nandevozina. (Ampitahao amin’ny Eksodosy 5:1-9.) Ara-dalàna àry ny hanatsoahan-kevitra fa finaritra tamin’io fiovana io ny vahoakan’ny Isiraely. Tsy tokony ho enta-mavesatra na fameperana no niheveran’izy ireo ny zavatra notakin’ny Sabata, fa tokony ho fifaliana ho azy ireo kosa. Raha ny marina, dia nilaza tamin’izy ireo Andriamanitra, tatỳ aoriana, fa ny Sabata dia natao hampahatsiahivana azy ireo fa andevo tany Egypta izy ireo ary nanafaka azy ireo tamin’izany izy. — Deoteronomia 5:15.
10, 11. a) Ho afaka niandrandra inona ny Isiraely raha nankatò? b) Nahoana no tsy tafiditra tao amin’ny fitsaharan’Andriamanitra ny Isiraelita?
10 Raha nankatò ireo Isiraelita nandao an’i Egypta niaraka tamin’i Mosesy, dia ho nanana ilay tombontsoa hiditra tao amin’ny “tany tondra-dronono sy tantely”, araka izay nampanantenaina azy ireo. (Eksodosy 3:8). Ho nanana fitsaharana marina izy ireo tao, tsy tamin’ny Sabata fotsiny, fa nandritra ny fiainany manontolo mihitsy. (Deoteronomia 12:9, 10). Tsy izany anefa no nitranga. Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly momba azy ireo: “Iza moa no nahatezitra Azy, rehefa nandre? Tsy izay rehetra nentin’i Mosesy niala tany Egypta va? Ary iza no nahatezitra Azy efa-polo taona? Tsy izay nanota va, ka dia niampatrampatra tany an-efitra ny fatiny? Ary iza no nianianany fa tsy hiditra any amin’ny fitsaharany, afa-tsy izay tsy nanaiky? Ka dia hitantsika fa tsy nahazo niditra izy ireo noho ny tsi-finoany.” — Hebreo 3:16-19.
11 Izany ka fianarana lehibe ho antsika! Noho izy ireo tsy ampy finoana an’i Jehovah, dia tsy nahazo ilay fitsaharana nampanantenainy azy io taranaka io. Maty tany an’efitra kosa izy ireo. Tsy takatr’izy ireo fa tamin’ny naha taranak’i Abrahama azy, dia nifandray akaiky tamin’ilay sitrapon’Andriamanitra ny amin’ny hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany, izy ireo. (Genesisy 17:7, 8; 22:18). Tsy nanao zavatra nifanaraka tamin’ny sitrapon’Andriamanitra izy ireo, fa naniasia tanteraka kosa, noho ny nananany faniriana niompana tamin’ny fiainana andavanandro sy feno fitiavan-tena. Enga anie isika ka tsy ho latsaka na oviana na oviana amin’izany lalana izany! — 1 Korintiana 10:6, 10.
Mbola misy fitsaharana
12. Fanantenana inona no mbola nisokatra teo anoloan’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, ary ahoana no nahafahan’izy ireo nahazo izany?
12 Taorian’ny nanazavan’i Paoly fa tsy afaka niditra tao amin’ny fitsaharan’Andriamanitra ny Isiraely noho ny tsy fahampiam-pinoany, dia nitodika tany amin’ireo mpiray finoana taminy izy. Araka ny marihina ao amin’ny Hebreo 4:1-5, dia nanome toky azy ireo izy fa mbola “misy teny fikasana” milaza fa hisy olona “hiditra any amin’ny fitsaharan[’Andriamanitra]”. Nampirisika azy ireo mba haneho finoana ny “filazantsara” na vaovao tsara (NW ), i Paoly, satria “isika izay nino no miditra amin’izany fitsaharana izany”. Koa satria efa nesorin’ny sorom-panavotan’i Jesosy ny Lalàna, dia tsy niresaka momba ny fitsaharana ara-bakiteny nentin’ny Sabata akory i Paoly eto. (Kolosiana 2:13, 14). Nampirisika ireo Kristianina hebreo hiditra ao amin’ny fitsaharan’Andriamanitra i Paoly rehefa nanonona ny Genesisy 2:2 sy ny Salamo 95:11.
13. Nahoana i Paoly no nanintona ny saina ho amin’ilay teny hoe “Anio”, rehefa nanonona ny Salamo faha-95?
13 Tokony ho “vaovao tsara” ho an’ireo Kristianina hebreo ny fahafahana hiditra ao amin’ny fitsaharan’Andriamanitra, tsy misy hafa amin’ilay fitsaharana tamin’ny Sabata, izay tokony ho “vaovao tsara” ho an’ireo Isiraelita fahiny. Noho izany, dia nampirisika ireo mpiray finoana taminy i Paoly mba tsy hanao fahadisoana mitovy amin’izay nataon’ny Isiraely tany an’efitra. Nanonona ilay antsoina ankehitriny hoe Salamo 95:7, 8, i Paoly, ka nanintona ny saina ho amin’ilay teny hoe “Anio”, na dia efa ela be aza Andriamanitra no nitsahatra tsy namorona. (Hebreo 4:6, 7). Inona no tian’i Paoly holazaina? Tsy inona akory fa ny hoe mbola tsy tapitra ilay “andro fahafito”, izay natokan’Andriamanitra hahatanteraka amin’ny fomba feno ny fikasany momba ny tany sy ny olombelona. Ho an’ireo Kristianina toa azy àry, dia nilaina maika ny hiasany mifanaraka amin’izany fikasana izany, fa tsy ho revo amin’ny fikatsahan-javatra feno fitiavan-tena. Mbola nandefa indray izao fampitandremana izao izy: “Aza manamafy ny fonareo”.
14. Ahoana no nampisehoan’i Paoly fa mbola nitohy ny ‘fitsaharan’Andriamanitra’?
14 Nasehon’i Paoly koa, fanampin’izany, fa ilay “fitsaharana” nampanantenaina dia tsy midika fotsiny ho fanorenam-ponenana tao amin’ny Tany Nampanantenaina, teo ambany fitarihan’i Josoa. (Josoa 21:44). “Fa raha Josoa no nanome azy fitsaharana”, hoy ny fanaporofoan-kevitr’i Paoly, “dia tsy mba ho nilaza andro hafa Izy tao aorian’izany.” Izany no nahatonga an’i Paoly hanampy teny hoe: “Mbola misy sabata fitsaharana ho an’ny olon’Andriamanitra.” (Hebreo 4:8, 9). Inona no atao hoe “sabata fitsaharana”?
Midira ao amin’ny fitsaharan’Andriamanitra
15, 16. a) Inona no hevitr’ilay teny hoe “sabata fitsaharana”? b) Inona no hevitry ny hoe ‘mitsahatra amin’ny asan’ny tena’?
15 Ilay teny hoe “sabata fitsaharana” dia dikan’ny teny grika iray, izay midika hoe “fanaovana sabata”. (Kingdom Interlinear). Hoy ny Profesora William Lane: “Nanjary nisy fiovana kely manokana ny hevitr’ilay teny noho ny toromarika momba ny Sabata tao amin’ny Jodaisma. Niorina tamin’ny Eksodosy 20:8-10 ilay toromarika izay nanantitrantitra fa mifanindran-dalana ny fitsaharana sy ny fiderana. (...) [Io teny io] dia manamafy ilay lafiny manokana amin’ny firavoravoana sy ny fifaliana, izay aseho ho fankalazana sy fiderana an’Andriamanitra.” Tsy midika fotsiny ho tsy fiasana àry izany ilay fitsaharana nampanantenaina, fa fanovana ny zavatra atao kosa, izany hoe miala amin’ny asa mafy mandreraka sy tsy misy zava-kendrena, ka manao fanompoana mahafaly izay manome voninahitra an’Andriamanitra.
16 Manamafy izany izao tenin’i Paoly manaraka izao: “Fa izay niditra tao amin’ny fitsaharan[’Andriamanitra], dia izy koa no nitsahatra tamin’ny asany, tahaka an’Andriamanitra tamin’ny Azy.” (Hebreo 4:10, fanamarihana ambany pejy). Tsy noho ny harerahana akory no nahatonga an’Andriamanitra hitsahatra tamin’ny andro famoronana fahafito. Niato tsy nanao asa famoronana momba ny tany kosa izy, mba hamelana ny asa tanany hiroso tsikelikely ho amin’ny voninahitra feno, ho fiderana sy fankalazana azy. Amin’ny maha anisan’ny zavaboarin’Andriamanitra antsika, dia tokony hanao zavatra mifanaraka amin’izany fandaharana izany koa isika. Tokony ‘hitsahatra amin’ny asantsika’ isika, izany hoe, tokony hatsahatsika hatreo ny fiezahana hanamarin-tena eo anatrehan’Andriamanitra. Tsy hitady famonjena avy amin’ny fanamarinan-tena toy izany isika. Tokony hino kosa isika fa ny famonjena antsika dia miankina amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy, izay amin’ny alalany no hahatonga ny zavatra rehetra hifanaraka indray amin’ny fikasan’Andriamanitra. — Efesiana 1:8-14; Kolosiana 1:19, 20.
Misy heriny ny Tenin’Andriamanitra
17. Inona no lalana narahin’ny Isiraely ara-nofo ka tsy maintsy halavirintsika?
17 Tsy tafiditra tao amin’ilay fitsaharana nampanantenain’Andriamanitra ny Isiraelita, satria tsy nankatò sy tsy ampy finoana. Noho izany, dia nampirisika ireo Kristianina hebreo toy izao i Paoly: “Koa aoka isika hanao izay farany azontsika atao mba hidirana amin’izany fitsaharana izany, fandrao hisy olona ho latsaka amin’izany ohatra mampiseho tsy fankatoavana izany.” (Hebreo 4:11, NW ). Ny ankamaroan’ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany dia tsy naneho finoana an’i Jesosy, ary maro tamin’izy ireo no nijaly mafy rehefa nifarana ny fandehan-javatra jiosy, tamin’ny 70 am.f.i. Tena zava-dehibe tokoa ny hinoantsika ny teny fampanantenan’Andriamanitra amin’izao andro izao!
18. a) Antony inona avy no nolazain’i Paoly fa tokony hanehoana finoana ny tenin’Andriamanitra? b) Amin’ny ahoana ny tenin’Andriamanitra no “maranitra noho ny sabatra roa lela”?
18 Manana antony marim-pototra hanehoana finoana ny tenin’i Jehovah isika. Hoy ny nosoratan’i Paoly: “Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka maranitra noho sabatra roa lela, ka manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo.” (Hebreo 4:12). Eny, “maranitra noho ny sabatra roa lela” ny tenin’Andriamanitra na ny hafatr’Andriamanitra. Nila nitadidy izay nitranga tamin’ireo razambeny ireo Kristianina hebreo. Namoaka didim-pitsarana tokoa mantsy i Jehovah fa ho faty any an’efitra izy ireo. Tsy niraharaha izany anefa izy ireo, fa mbola nanandrana niditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina ihany. Nampitandrina azy ireo toy izao anefa i Mosesy: “Ny Amalekita sy ny Kananita dia eo anoloanareo, ka ho lavon-tsabatra hianareo”. Rehefa nikiry handeha ihany ireo Isiraelita, dia “nidina ny Amalekita sy ny Kananita, izay nonina teo amin’izany tendrombohitra izany, ka namely azy ary nanorotoro azy hatrany Horma”. (Nomery 14:39-45). Maranitra noho ny sabatra roa lela ny tenin’i Jehovah, ary na iza na iza no minia tsy hiraharaha azy io, dia azo antoka fa hijinja ny vokany. — Galatiana 6:7-9.
19. Manao ahoana ny hery ‘fanindronan’ny’ tenin’Andriamanitra, ary nahoana isika no tokony hanaiky fa hampamoahina eo anatrehan’Andriamanitra ny tenantsika?
19 Mahery tokoa ny fanindron’ny tenin’Andriamanitra ka tonga “hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka”! Mahafantatra ny eritreritra sy ny antony manosika ny isam-batan’olona izy io, ka toy ny hoe manindrona hatrany amin’ny tsoka any amin’ny faritra anatiny indrindra amin’ny taolana! Na dia nanaiky hitandrina ny Lalàna aza ny Isiraelita nafahana tamin’ny fanandevozana egyptiana, dia fantatr’i Jehovah kosa fa tsy nankasitraka ny fandaharana nataony sy ny zavatra notakiny izy ireo tao am-pony tao. (Salamo 95:7-11). Tsy nanao ny sitrapon’i Jehovah izy ireo, fa revo tamin’ny fanomezana fahafaham-po ny fanirian’ny nofony. Noho izany, dia tsy niditra tao amin’ilay fitsaharana nampanantenain’Andriamanitra izy ireo, fa maty tany an’efitra. Mila mandray am-po izany isika, satria “tsy misy zava-boary miafina eo anatrehan’Andriamanitra, fa mihanjahanja sy miharihary eo imason’izy hampamoaka antsika ny zavatra rehetra”. (Hebrio 4:13, Fandikan-teny Katolika). Enga anie àry isika ka hanao zavatra mifanaraka amin’ny fanoloran-tenantsika ho an’i Jehovah, ka tsy ‘hihemotra ho amin’ny [fandringanana, NW ]’. — Hebreo 10:39.
20. Inona no miandry antsika, ary inona no tsy maintsy ataontsika dieny izao mba hidirana ao amin’ny fitsaharan’Andriamanitra?
20 Na dia mbola tsy tapitra aza ny “andro fahafito” — ny andro fitsaharan’Andriamanitra — dia mailaka ny hanatanteraka ny fikasany momba ny tany sy ny olombelona izy. Tsy ho ela dia hanao zavatra i Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka Mesianika, mba hanaisotra amin’ny tany ireo rehetra manohitra ny sitrapon’Andriamanitra, anisan’izany i Satana Devoly. Mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, i Jesosy sy ireo mpiara-manapaka aminy 144 000, dia hanao izay hahatonga ny tany sy ny olombelona ho amin’ilay toe-piainana nikasan’Andriamanitra azy. (Apokalypsy 14:1; 20:1-6). Izao no fotoana tokony hampisehoantsika fa miompana amin’ny fanaovana ny sitrapon’i Jehovah Andriamanitra ny fiainantsika. Tsy hitady hanamarina ny tenantsika eo anatrehan’Andriamanitra sy hampandroso ny tombontsoan’ny tenantsika isika, fa izao kosa no fotoana ‘hitsaharantsika amin’ny asantsika’, ka hampandrosoantsika amin’ny fontsika manontolo ny tombontsoan’ilay Fanjakana. Amin’ny fanaovana izany, sy amin’ny fitoerana ho mahatoky eo anatrehan’i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra, dia hanana ny tombontsoa handray soa amin’ny fitsaharan’Andriamanitra isika, dieny izao sy ho mandrakizay.
Azonao Hazavaina Ve?
◻ Ho fikendrena inona no nitsaharan’Andriamanitra tamin’ny “andro fahafito”?
◻ Fitsaharana inona no nety ho azon’ny Isiraelita, kanefa nahoana izy ireo no tsy afaka niditra tao amin’izy io?
◻ Inona no tsy maintsy ataontsika mba hidirana ao amin’ny fitsaharan’Andriamanitra?
◻ Amin’ny ahoana ny tenin’Andriamanitra no velona sy mahery ary maranitra noho ny sabatra roa lela?
[Sary, pejy 16]
Nitandrina ny Sabata ny Isiraelita, saingy tsy niditra tao amin’ny fitsaharan’Andriamanitra. Fantatrao ve ny antony?