Fanontanian’ny Mpamaky
Amin’ny ahoana ireo soa azo amin’ny fanompoan’ny mpisoronabe ataon’i Kristy Jesosy, voalaza ao amin’ny Hebreo 4:15, 16, no mihatra amin’ireo “ondry hafa” dieny izao?
Na dia misy heviny voalohany indrindra ho an’ireo izay hiaraka aminy any an-danitra aza ny anjara asan’i Jesosy amin’ny maha-Mpisoronabe, dia mandray soa dieny izao amin’ny fanompoan’ny mpisorona ataon’i Jesosy, ireo Kristiana manana fanantenana ny ho eto an-tany.
Nanomboka tamin’i Adama, dia novesaran’ny ota ny olombelona. Isika dia mijaly noho ny tsy fahalavorariana nolovana, toa an’ireo Isiraelita. Izy ireo dia niankina tamin’ny fifandimbasana mpisoronabe sy mpisorona mpanampy, izay nanao fanatitra ho an’ny fahotan’ny tenany ary koa ho an’ny fahotan’ny vahoaka. Tamin’ny farany, i Jesosy dia voahosotra ho mpisorona “araka ny fanaon’i Melkizedeka”. Rehefa avy natsangana tamin’ny maty i Jesosy, dia niseho teo anoloan’i Jehovah mba hanolotra ny vidin’ny soron’ny ain’olombelona lavorary nananany. — Salamo 110:1, 4.
Inona no hevitr’izany ho antsika amin’izao andro izao? Tao amin’ny taratasiny ho an’ny Hebreo, dia niresaka ny fanompoana ataon’i Jesosy amin’ny maha-Mpisoronabe i Paoly. Amakiantsika toy izao ao amin’ny Hebreo 5:1: “Ny mpisoronabe rehetra dia alaina amin’ny olona ka tendrena ho solon’ny olona hanao ny raharahan’Andriamanitra, hanatitra fanomezana sy fanatitra hanafaka ota”. Avy eo, eo amin’ny Heb. 5 andininy faha-5 sy faha-6, dia nasehon’i Paoly fa i Jesosy dia tonga mpisoronabe, izay afaka mitondra soa ho antsika.
Amin’ny ahoana? Nanoratra toy izao i Paoly: “Nianatra fanarahana tamin’izay fahoriana nentiny Izy, na dia Zanaka aza; ary rehefa natao tanteraka Izy, dia tonga loharanon’ny famonjena mandrakizay ho an’izay manaraka Azy.” (Hebreo 5:8, 9). Tamin’ny voalohany izany andininy izany dia nety ho nahatonga antsika hieritreritra ny amin’ny fomba hahafahantsika handray soa ao amin’ny tontolo vaovao, rehefa hesorina ny fahotan’ireo izay tsy nivadika tamin’Andriamanitra sy i Jesosy, ary rehefa hahazo fiainana mandrakizay izy ireo. Izany dia fahatsinjovan-javatra ara-dalàna, miorina amin’ny vidin’ny sorom-panavotan’i Jesosy sy amin’ny fanompoana ataony amin’ny maha-Mpisoronabe.
Raha ny marina anefa, dia mety handray soa avy amin’io anjara asany na fanompoana ataony amin’ny maha-Mpisoronabe io isika dieny izao. Mariho izao voalaza ao amin’ny Hebreo 4:15, 16 izao: “Isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota. Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana [“hatsaram-panahy ho an’izay tsy mendrika akory”, NW ] ho famonjena amin’izay andro mahory [“amin’ny fotoana mety”, NW ].” Rahoviana no ho “fotoana mety”? Izany dia rehefa mila famindram-po sy hatsaram-panahy ho an’izay tsy mendrika akory isika. Isika rehetra, noho ny tsy fahalavorariantsika, dia tokony hahatsapa io zavatra ilaina io dieny izao.
Ny hevi-dehibe asongadin’ny Hebreo 4:15, 16, dia ny hoe: i Jesosy — izay mpisorona any an-danitra ankehitriny — dia efa mba olombelona koa, noho izany izy dia afaka ny hahay hipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa. Ny an’iza? Ny antsika. Rahoviana? Dieny izao. Fony izy olombelona, dia niharan’ireo fihenjanana sy ireo fanerena fahitan’ny olona i Jesosy. Tamin’ny fotoana iray, dia noana sy nangetaheta i Jesosy. Ary na dia lavorary aza izy, dia nahatsiaro reraka. Izany dia tokony hanome toky antsika. Nahoana? Noho i Jesosy nahatsiaro fahasasarana ara-dalàna, dia fantany hoe inona matetika no tsapantsika. Tadidio koa fa tsy maintsy nanohitra ny fifamaliana nampiseho fialonana nisy teo amin’ireo apostoliny izy. (Marka 9:33-37; Lioka 22:24). Eny, efa mba diso fanantenana i Jesosy. Tsy tokony hanome fatokiana antsika ve izany fa takany rehefa diso fanantenana sy kivy isika? Izany marina tokoa.
Rehefa kivy ianao, inona no azonao atao? Moa ve i Paoly nilaza hoe tsy maintsy miandry fotsiny ianao mandra-panampin’i Jesosy, Mpisoronabenao anao ho tonga lavorary amin’ny saina sy ny vatana, ao amin’ny tontolo vaovao? Tsia. Hoy i Paoly: “Mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’izay andro mahory”, ary izany dia mahafaoka ny fotoana ankehitriny. Ankoatra izany, fony i Jesosy olombelona, dia niharan’ny fijaliana sy ireo zava-tsarotra izy, “nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika”. (Izahay no manao sora-mandry.) Koa rehefa miatrika zavatra toy izany isika, dia vonona ny hanampy antsika izy, miorina amin’ny fahatakarany izay mihatra amintsika. Tsy mahatonga anao hanatona azy ve izany?
Mariho izao ny Heb. 4 andininy faha-16. Milaza i Paoly fa isika — ary tafiditra amin’izany ireo voahosotra sy ireo anisan’ny ondry hafa — dia afaka manatona an’Andriamanitra amin’ny fahasahiana. (Jaona 10:16). Tsy te hilaza akory ilay apostoly fa isika dia afaka milaza fotsiny ao amin’ny vavaka, izay zavatra rehetra tiantsika, na ireo zavatra mahatezitra sy tsy maneho fanajana mihitsy aza. Tsia, miorina amin’ny soron’i Jesosy sy ny anjara asany amin’ny maha-Mpisoronabe kosa, dia afaka manatona an’Andriamanitra isika, na dia mpanota aza.
Ny fomba iray hafa ahafahantsika mandray soa dieny izao amin’ny fanompoan’i Jesosy Kristy, Mpisoronabentsika, dia mahakasika ireo fahotantsika na ireo fahadisoantsika. Marina tokoa fa isika dia tsy manantena ny hampiharan’i Jesosy amintsika ny soa feno azo avy amin’ny sorony, ao amin’ny fandehan-javatra ankehitriny. Na dia hanao izany aza izy, dia mbola tsy hahazo ny fiainana mandrakizay ihany isika. Tadidinao ve ny ohatra voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Lioka 5:18-26, nahakasika lehilahy iray nararin’ny paralysisa, izay nampidinina teo amin’ny loaka teo amin’ny tafontrano ny fandriany? Hoy i Jesosy taminy: “Ralehilahy, voavela ny helokao”. Tsy nidika akory izany fa nisy fahotana voafaritra izay nahatonga ilay paralysisa. Izany dia tsy maintsy nidika ho ny fahotan’ilay lehilahy tamin’ny ankapobeny, ary tamin’ny fetra sasany, dia tokony ho nahakasika ny tsy fahalavorariana nolovana, izay mahatonga ireo fahoriana.
Niorina tamin’ny sorona natolony, i Jesosy dia afaka nitondra lavitra ireo fahotan’ny olona, toy ny nitondran’ny osilahin’i Azazela tany lavitra ny fahotan’ny Isiraely tamin’ny Andro Fanavotana. (Levitikosy 16:7-10). Kanefa mbola olombelona ihany ilay lehilahy nararin’ny paralysisa. Nanota indray izy, ary tamin’ny farany dia maty, toy ny tsy maintsy hahafatesan’ny mpanota. (Romana 5:12; 6:23). Izay nolazain’i Jesosy dia tsy nidika akory fa ilay lehilahy dia nahazo ny fiainana mandrakizay teo no ho eo. Voatahy anefa ilay lehilahy tamin’izany fotoana izany, tamin’ny nahazoany famelan-keloka tamin’ny fetra sasany.
Izao dia diniho ny tarehin-javatra misy antsika. Noho isika tsy lavorary, dia manao fahadisoana isika isan’andro. (Jakoba 3:2). Inona no azontsika atao momba izany? Isika dia manana Mpisoronabe be famindram-po any an-danitra, izay amin’ny alalany no ahafahantsika manatona an’i Jehovah ao amin’ny vavaka. Eny, araka ny nosoratan’i Paoly, isika rehetra dia afaka ‘manatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavan’[Andriamanitra] amin’ny fahasahiana, mba hahazo famindram-po sy hahita fahasoavana ho famonjena amin’izay andro mahory.’ Noho izany, ireo rehetra anisan’ny ondry hafa amin’izao andro izao, dia azo antoka fa mahazo soa mahatalanjona, ao anatin’izany, feon’ny fieritreretana madio, avy amin’ny fanompoan’ny mpisoronabe ataon’i Kristy.
Ireo Kristiana rehetra manana fanantenana eto an-tany dia afaka miandrandra soa mahatalanjona kokoa ao amin’ny tontolo vaovao efa antomotra. Amin’izany fotoana izany, ilay Mpisoronabentsika any an-danitra dia hampihatra amin’ny fomba feno ny soa azo tamin’ny sorony, ka hitondra famelana tanteraka ny fahotana. Hanitatra ireo soa ho lehibe kokoa koa izy, amin’ny fiahiana ny fahasalamana ara-panahy sy ara-batan’ny olona. Ary i Jesosy dia hanitatra be dia be ny fampianarana ny vahoakan’Andriamanitra eto an-tany, satria ny fampianarana ny Lalàna no andraikitra iray lehibe nananan’ireo mpisorona teo amin’ny Isiraely. (Levitikosy 10:8-11; Deoteronomia 24:8; 33:8, 10). Koa amin’izany, eo am-pandraisantsika soa dieny izao amin’ny fanompoan’ny mpisorona ataon’i Jesosy, dia mbola betsaka lavitra no miandry antsika!