ZON’NY LAHIMATOA
Zo ananan’ny zokiny indrindra amin’ireo zanakalahin’ny lehilahy iray. Samy avy amin’ny fototeny midika hoe “lahimatoa” ny teny hebreo hoe bekôrah sy ny teny grika hoe prôtôtôkia, izay samy nadika hoe zon’ny lahimatoa.
Rehefa maty ny loham-pianakaviana iray fahiny, dia ny lahimatoany no lasa lohan’ilay fianakaviana ary nanana fahefana teo amin’izay anisan’ilay ankohonana izy. Andraikiny ny nikarakara azy ireo ary izy no nandimby an-drainy ka lasa solontenan’ilay fianakaviana teo anatrehan’i Jehovah. Matetika no nahazo tsodrano avy tamin’ny rainy ny lahimatoa. (Ge 27:4, 36; 48:9, 17, 18) Nahazo anjaran’olon-droa avy tamin’ny fananan-drainy koa izy, izany hoe avo roa heny noho ny anjaran’ny rahalahiny tsirairay ny anjarany. Milaza ny Lalàn’i Mosesy fa raha nanana vady mihoatra ny iray ny lehilahy iray, dia tsy azony nomena ho an’ny zanaky ny vady tena tiany ny zon’ny lahimatoa izay tokony ho an’ny tena lahimatoany.—De 21:15-17.
Azon’ny loham-pianakaviana fahiny nomena ho an’ny zanany hafa ny zon’ny lahimatoa, raha nisy antony manokana. Nafoin’i Robena, ohatra, ny zon’ny lahimatoa noho izy nijangajanga tamin’ny vadikelin-drainy. (1Ta 5:1, 2) Azon’ny lahimatoa natao koa ny nivarotra ny zony tamin’ny rahalahiny. Nanao tsinontsinona sy nivarotra ny zony tamin’i Jakoba rahalahiny, ohatra, i Esao ho takalon’ny hanina indray mihinana. (Ge 25:30-34; 27:36; He 12:16) Nampiasa an’izany zo vao azony izany ve i Jakoba mba hahazoany anjaran’olon-droa tamin’ny fananan’i Isaka, na trano sy tany izany na zavatra hafa? Tsy izany no izy satria i Isaka aza tsy nanana tany ankoatra an’ilay saha nisy lava-bato nandevenana tao Makpela. Lova ara-panahy kosa, izany hoe ilay fampanantenana natao tamin’i Abrahama momba ilay taranaka, no tian’i Jakoba ho azo sy homena holovan’ny ankohonany.—Ge 28:3, 4, 12-15.
Ny zon’ny lahimatoa koa no nahafahan’ny lahimatoa handova ny seza fiandrianan-drainy teo amin’ny Israely. (2Ta 21:1-3) Tsy voatery hanaraka izany anefa i Jehovah, satria izy no tena Mpanjaka sy Andriamanitry ny Israely. Notendreny ho mpanjaka, ohatra, i Solomona nefa tsy lahimatoa.—1Ta 28:5.
Tsy nivadika tamin’i Jehovah Rainy mihitsy i Jesosy Kristy, ilay “lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra.” Manana ny zon’ny lahimatoa izy ka notendrena ho “mpandova ny zava-drehetra.”—Kl 1:15; He 1:2; jereo LOVA.