Hevitra mahaliana ao amin’ny Baiboly Salamo 73 ka hatramin’ny 106
Nahoana no “midera an’i Jehovah”?
Ahoana no tsy ho feno fankasitrahana an’i Jehovah, rehefa mieritreritra an’izay rehetra efa nataony ho antsika, izay rehetra mbola ataony ankehitriny ary izay rehetra hataony amin’ny ho avy isika! Marina tokoa fa tokony hanosika antsika hidera ny Andriamanitsika ny fontsika. Ny boky fahatelo sy fahefatra amin’ny Salamo dia mampahatsiaro ireo antony maro loha tokony hiderantsika an’i Jehovah. Mandritra ny fandinihantsika ny Salamo 73 ka hatramin’ny 106, dia manontania tena hoe: ‘Antony inona no ananako manokana mba hiderana an’i Jehovah?’
Aza mialona ny ratsy fanahy
Mba vakio ny Salamo 73 ka hatramin’ny 77. Lazaina ho nataon’i Asafa, hita miharihary fa nampian’ireo zanany lahy, izy ireo. Miaiky i Asafa fa nialona ny ratsy fanahy izy — mandra-pahitany indray ny antony (Salamo 73). Avy eo ny mpanao salamo dia nitaraina ny amin’ny fandravana an’i Jerosalema (Salamo 74). Manaraka izany dia asehony ny fankasitrahany an’ilay “Andriamanitra mahatahotra”, ary manolotra vavaka amin’ny “Andriamani-dehibe” izy, mba hahatsiarovany ny fahorian’ny vahoakany. — Salamo 75 ka hatramin’ny 77.
◆ 73:24 (MN ) — Ho amin’ny “voninahitra” inona no nitondran’i Jehovah ny mpanao salamo?
Mandra-pahatsapan’ny mpanao salamo fa ‘ny ho akaikin’Andriamanitra no mahatsara azy’, dia noheveriny fa faniry kokoa noho ny an’ny marina ny toerana misy ny ratsy fanahy (Salamo 73:2-12, 28). Tamin’ny famelana ny “torohevitr’Andriamanitra” hitari-dàlana azy, dia afaka nandray ny “voninahitra” izy, izany hoe ny fankasitrahana, ny fitahian’i Jehovah.
◆ 76:6 — Amin’ny heviny ahoana no azo ilazana fa “sondrian-tory” ny ‘mpitondra kalesy’ sy ny “soavaly”?
Nandidy ny Isiraelita i Jehovah mba hitoky aminy, fa tsy amin’ny soavaly sy ny kalesy (Salamo 20:7; Ohabolana 21:31). Tsy nanana antony mihitsy hatahorana ny soavaly sy ny kalesy nisy antsy maranitra nananan’ny fahavalony izy ireo, satria Jehovah dia afaka nahatonga ny fahavalony tsy hanan-kery, ‘nampahasondrian-tory’ azy. Marihina mazava tsara eto fa “sondrian-tory [lalina, MN.]” izy ireny, izany hoe ao anatin’ny fahafatesana (Jeremia 51:39). Izany ka fampitandremana izay ho tsara ankehitriny raha heverin’ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao mametraka ny fitokisany amin’ireo fitaovam-piadiany. — Salamo 76:12.
Fianarana ho antsika: Mampitandrina antsika hanohitra ny avonavona ny Salamo 75 rehefa miteny hoe: “Aza manandratra ny tandrokareo”. (Salamo 75 Andininy faha-5). Mariky ny tanjaka, ny hery ny tandroka (Deoteronomia 33:17). Ny hoe manandratra ny tandroka dia nidika hoe nitondra tena tamim-piavonavonana. Mampitandrina ny ratsy fanahy eto ny mpanao salamo mba tsy hanana fihetsika mianjonanjona noho ny tsy fananana ahiahy omen’ny hery ho azy satria ‘ny tandroky ny ratsy fanahy hotapahin’i Jehovah (Salamo 75:10). Mamporisika ny mpanompon’Andriamanitra izany mba hitoetra tsy mivadika aminy na dia eo aza ny toa fiadanan’ny ratsy fanahy. — Jereo Salamo 144:11-15a.
Aoka isika hanaiky ny “Avo Indrindra”
Vakio ny Salamo 78 ka hatramin’ny 83. Eto dia mbola salamo nosoratan’i Asafa ihany. Maka fianarana avy amin’ny tantaran’ny Isiraely ny mpanao salamo (Salamo 78). Manaraka izany izy dia mitaraina noho ny loza nanjo ny tempoly; avy eo dia nisy vavaka ho an’ny fanarenana indray ny Isiraely. (Salamo 79, 80). Taorian’ny hira iray nampieritreritra ny vahoaka ny amin’ny fomba nanafahan’Andriamanitra azy, sy namporisika azy hankatò azy, dia nisy vavaka natolotra ho an’i Jehovah mba hampiharany ny didim-pitsarany amin’ireo mpitsara tsy marina sy amin’ireo fahavalon’ny Isiraely. — Salamo 81 ka hatramin’ny 83.
◆ 82:1 — Ahoana no fomba itsaran’i Jehovah “eo amin’ireo andriamanitra”?
Toa mpitsara ny Isiraely ireo “andriamanitra”. Nantsoina hoe andriamanitra izy ireny satria nanao azy ho olona nahery ny fahefana ara-pitsarana. Koa satria Jehovah no Mpitsara tampony dia nanana zo izy hipetraka teo amin’ireny mpitsara ireny mba hanakiana azy noho ny tsy nitsarany araka ny lalàny. — Isaia 33:22; Salamo 82:2-4.
◆ 83:9-15 — Moa ve toe-tsaina tia mamaly faty no nanetsika ny mpanao salamo?
Tsy izany velively. Nivavaka tamin’Andriamanitra izy mba hampiharany ny didim-pitsarany amin’ireo izay “mankahala [lalina, MN ]” an’i Jehovah (Salamo 83 andininy faha-2). Hahafantatra amin’izany ny firenen-kafa fa ilay Andriamanitra izay antsoina hoe Jehovah no “Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra” marina tokoa. (Salamo 83 Andininy faha-18.) Izany fampisehoan-kery izany dia hanome voninahitra ny anaran’Andriamanitra, Jehovah, manerana ny tany rehetra.
Fianarana ho antsika: Mamaly soa be dia be an’ireo izay mankatò azy Jehovah; izany no asehon’ny fitenenana hoe “vary tsara indrindra [menaka amin’ny vary, MN ] (Salamo 81:16.) Eto, ny teny hoe “menaka” dia ampiasaina amin’ny heviny ara-panoharana mba hanambarana ny tsara indrindra (jereo Salamo 63:5). Raha ‘mihaino ny feon’i Jehovah ny Isiraelita, dia ho notahiny tamin’ny “vary tsara indrindra” — ireo zavatra tsara indrindra, ny mahafinaritra indrindra (Salamo 81:11; Deoteronomia 32:13, 14). Toy izany koa, fa raha ‘mihaino ny feon’i Jehovah’ isika dia hotahiny be dia be. — Ohabolana 10:22.
Aoka isika hanatona an’Andriamanitra
Vakio ny Salamo 84 ka hatramin’ny 89. Maniry ny tranon’Andriamanitra ny mpanao salamo (Salamo 84.) Manaraka izany, ireo jiosy niverina avy tamin’ny fahababoana dia mangataka an’Andriamanitra hampitony ny fahatezerany (Salamo 85). Mivavaka i Davida mba hahazo fitarihana sy fiarovana, amin’ny fitokisana fa hamaly azy Jehovah (Salamo 86). Manaraka izany ny tonon-kira iray ho an’ireo izay ‘teraka tao Ziona’, avy eo dia vavaka ataon’ny lehilahy iray azom-pahoriana mafy (Salamo 87, 88.) Farany, ny Salamo 89 dia manandratra ny hatsaram-po nasehon’i Jehovah tamin’ny alalan’ny fanekena nataony tamin’i Davida.
◆ 84:3 — Nahoana no manisy firesahana ny amin’ny vorona?
Ny mpanao salamo, Levita iray avy amin’ny taranak’i Kora, dia naniry mafy ho ao amin’ny ‘tabernakelin’i Jehovah tsara tarehy’ (Salamo 84 andininy 1, 2). An’aliny maro anefa ny Levita. Noho izany, ny kilasin’ny Levita tsirairay avy dia tsy nanompo tao amin’ny tabernakely afa-tsy indroa isan-taona, ary izany dia nandritra ny herinandro. Teo akaikin’izany, na dia ireo voronkely aza dia afaka nitoetra tamin’ny fomba naharitra tao amin’ny fitoerana masina tamin’ny fanamboarana ny akaniny tao. Ho tena sambatra tokoa ny mpanao salamo nidera an’i Jehovah tamin’ny fitoerana naharitra tahaka izany tao an-tranon’Andriamaniny!
◆ 89:49 (MN ) — Inona izany ‘asa mampiseho hatsaram-po’ izany?
Ny teny hoe ‘asa mampiseho hatsaram-po’ dia mifamatotra amin’ny fanekena momba ilay Fanjakana miaraka amin’ireo endrika isehoany rehetra. Tao anatin’ny fahasahiranana ny Isiraelita ka nampahatsiaro tamin’ny fotoana nety an’i Jehovah ny amin’ireo fampanantenana nomeny, tsy noho izy ireo nisalasala ny amin’ilay fanekena akory, fa mba hiantsoana an’Andriamanitra kosa tamin’ny anaran’io fanekena io.
Fianarana ho antsika: Ny Salamo 85 dia manipika ny amin’izay ho tokony hampaniry fatratra antsika ny fandaharan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra. Tsy miresaka afa-tsy amin’ny teny fohy ny amin’ireo tombontsoa ara-nofo izy (Salamo 85 andininy faha-12), fa ny toerana lehibe indrindra dia nomena ireo fitahiana ara-panahy: ny hatsaram-po, ny fahamarinana, ny rariny ary ny fiadanana (Salamo 85 andininy faha-10 ka hatramin’ny faha-13). Tsy mandoka ireo faniriana ara-nofo i Jehovah; ampianariny antsika, mifanohitra amin’izany, fa tokony ho velombelomin’ny fahatsinjovana tombontsoa ara-panahy indrindra mifamatotra amin’ny fandaharan-javatra vaovao isika.
‘Tonga mpanjaka i Jehovah!’
Vakio ny Salamo 90 ka hatramin’ny 100. Mampifanohitra ny maha-mandrakizay an’Andriamanitra sy ny fahafohezan’ny fiainan’olombelona i Mosesy, avy eo izy dia mampiseho fa ao amin’i Jehovah no misy tsy fananana ahiahy (Salamo 90, 91). Asandratra ambony ireo toetran’i Jehovah ambony ary ireo salamo manaraka dia manisy vidiny ny hery, ny hatsaram-po ary ny fahamarinan’i Jehovah, ary koa ilay Fanjakana. — Salamo 92 ka hatramin’ny 100.
◆ 90:10 — Tsy niaina nihoatra lavitra ny 80 taona ve i Mosesy?
Tsy nampiseho ny olombelona tamin’ny ankapobeny i Mosesy, izay velona 120 taona. Tamin’ilay taranaka tsy nanam-pinoana nivoaka avy tany Egypta, ireo voasoratra “hatramin’ny roa-polo taona no ho miakatra” dia ho faty tao anatin’ny 40 taona, mifanaraka tsara amin’izay ambaran’i Mosesy eto (Nomery 14:29-34). Rehefa maty Mosesy, dia “tsy pahina ny masony, na nihena ny heriny”, ka izany dia mampiseho fa notohanan’ny herin’i Jehovah izy. — Deoteronomia 34:7.
◆ 95:3 — Amin’ny heviny ahoana moa i Jehovah no “Mpanjaka lehibe ambonin’ny andriamanitra rehetra”?
Amin’ny maha-Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao azy, Jehovah dia Mpanjaka ambonin’ireo andriamani-diso maro be amin’ny heviny hoe ambony lavitra noho izy ireo izy. Tsy misy mihitsy fitoviana marina tokoa amin’i Jehovah Andriamanitra sy ireo anjely na zavatra ivavahana hafa na inona izany na inona, indrindra fa ireo andriamani-diso tsy ao anatin’ny fisiana akory.
Fianarana ho antsika: Manome antony fanampiny hiderana an’i Jehovah ny Salamo 91: “Ny fierena izay an’ny Avo Indrindra.” (Salamo 91 Andininy 1). Amin’ireo izay mahafeno ireo fepetra aseho ao amin’ilay salamo, io toerana io dia manolotra filaminana ara-panahy, fiarovana amin’ireo loza mandrahona ny ara-panahiny. “Fierena” izy io amin’ny heviny hoe ny olona eo amin’izao tontolo izao — izay jamba ara-panahy — dia tsy mahita azy. Ny maha-fierena an’ny “Avo Indrindra” azy dia mampiseho fa tsy hahita ny filaminana ao isika raha tsy miandany amin’i Jehovah amin’ny raharaha momba ny fiandrianana eo amin’izao rehetra izao.
“Derao Jah!”
Vakio ny Salamo 101 ka hatramin’ny 106. Lazalazain’i Davida eto ny fomba itondrany ny raharahan’ilay fomba itondrany ny raharahan’ilay firenena (Salamo 101). Mangataka amin’i Jehovah ny azom-pahoriana iray mba ‘hanangana an’i Ziona’. (Salamo 102.) Avy eo dia misy salamo manintona ny saina ho amin’ny famindrampo, ny fahalehibeazana ary ireo asan’i Jehovah, voamariky ny fanasana ‘hisaotra an’i Jehovah’. Toy izany koa no isehoan’ny teny hoe “Haleloia [Derao Jah!, MN ]” eto, izay hita in-20 mahery ao amin’ireo Salamo (Salamo 103, 104). Farany, ny salamo ara-tantara roa dia midera an’i Jehovah noho ireo asany ho tombontsoan’ny vahoakany. — Salamo 105, 106.
◆ 102:25 — Iza no ‘nanorina ny tany’?
Niresaka an’Andriamanitra ny mpanao salamo, nefa ny apostoly Paoly dia nampihatra ireo teny ireo tamin’i Jesosy Kristy (Hebreo 1:10, 11). Miharihary fa mihatra amin’i Jesosy koa izy io, satria izy namorona izao rehetra izao tamin’ny naha-Fiasan’i Jehovah (Kolosiana 1:15, 16). Azo natao àry ny nilaza an’i Jesosy koa fa izy dia ‘nanorina ny tany’.
◆ 103:14 (MN ) — Inona no hevitry ny teny hoe “natao”?
Ny teny ampiasaina eto hoe “natao” dia mifamatotra amin’ny matoanteny hoe ‘mamorona’, ampiasaina ao amin’ny Genesisy 2:7, sy ny anarana hoe “mpanefy tanimanga”, izay manondro an’izay manome endrika ny tanimanga (Isaia 29:16; Jeremia 18:2-6). Mampahatsiahy antsika àry ny mpanao salamo fa Jehovah, ilay Mpanefy tanimanga lehibe, dia mitondra antsika amim-pitandremana, amin’ny fahafantarana fa isika dia marefo toy ny vilany tany. — Jereo II Korintiana 4:7.
◆ 104:4 — Amin’ny heviny ahoana moa Jehovah no ‘manao ny rivotra ho irany [ny anjeliny ho fanahy, MN ]’?
Koa satria zavaboary ara-panahy ny anjely, dia tsy mety ho ny vatan’izy ireny ara-panahy izany. Ny teny hoe “fanahy”, anefa, dia mety hidika koa hoe “rivotra” na “hery miasa”. Araka izany, Andriamanitra dia afaka mampiasa ireo anjeliny manan-kery mba hanatanteraka ny sitrapony na hampihatra ny didim-pitsarany, tahaka ny “afo mandevona”. Mahazo toky ny kristiana mahafantatra fa tohanan’ireny zavaboary anjely manan-kery ireny izy eny amin’ny asany fitoriana. — Jereo Apokalypsy 14:6, 7.
Fianarana ho antsika: Manampy antsika ny Salamo 106 hahafantatra fa i Kora, Datana ary Abirama, mpikomy, dia nitsiriritra ny asan’ny mpitondra izay nampiharin’i Mosesy teo amin’ny vahoakan’Andriamanitra (Salamo 106:16; Nomery 16:2-11). Rava tamin’ny farany ny fikomiana rehefa “nisy afo nirehitra” teo amin’ireo mpikomy (Salamo 106:18). Tsy misy isalasalana mihitsy, fa ampitandremana amin’ny avonavona sy ny fitsiriritana isika eto: Toy izany koa amin’izao andro izao, fa raha mitsangana hanohitra ireo mpanompon’i Jehovah notendren’ny fandaminany isika, dia hiharan’ny fahatezerany. — Hebreo 13:17; Joda 4, 8, 11.
Afaka ny ho velom-pankasitrahana marina an’i Jehovah isika noho izay rehetra nomeny antsika. Rehefa mieritreritra ireo fitahiana be dia be narotsany ho antsika isika, moa ve isika tsy tokony hihiaka, araka ny amporisihan’ny mpanao salamo antsika hoe: “Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko”? — Salamo 103:1.