-
Ny Tranolay MasinaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Ny Tranolay Masina
NASAIN’I Jehovah naorina tany an-tany efitr’i Sinay ilay tranolay masina, tamin’ny 1512 T.K. Teo afovoan’ny tobin’ny Israely io foiben’ny fivavahana marina io. Fanoharana ny amin’ny “tranolay lehibe kokoa sy lavorary kokoa”, dia ny tempoly ara-panahin’Andriamanitra, izy io, hoy ny apostoly Paoly.—He 9:9, 11.
-
-
MpisoronabeFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Tsy nolovan’i Kristy tamin’ny taranak’i Arona ny fisoronany ary tsy nisy mpisorona nodimbiasany na nandimby azy, nefa nifanitsy tamin’izay nataon’ny mpisoronabe taranak’i Arona ny nataony. Nilaza mantsy i Paoly hoe tandindon’ilay “tena tranolay, izay naorin’i Jehovah fa tsy naorin’olona” ny tranolay masina tany an-tany efitra, ary nanao “fanompoana masina izay tandindona fotsiny sady aloky ny zavatra any an-danitra” ny Levita mpisorona. (He 8:1-6; 9:11) Nanazava izy fa tsy nilaina intsony ny sorona biby, satria ny tenan’i Jesosy Kristy lavorary mihitsy no nataony sorona. “Lasa nankany an-danitra” i Jesosy avy eo, “ary tsy ran’osilahy sy ran’ny vantotr’ombilahy no nentiny niditra, fa ny ran’ny tenany mihitsy, ka niditra indray mandeha monja tao amin’ny toerana masina izy, ary nahazo fanafahana mandrakizay ho antsika.” (He 4:14; 9:12; 10:5, 6, 9) Niditra tao amin’ny Masina Indrindra i Arona. Niditra tao amin’ilay Masina Indrindra an’ohatra koa i Jesosy, dia ny “lanitra mihitsy, mba hisehoany ankehitriny eo anatrehan’Andriamanitra ho antsika.”—He 9:24.
-
-
Toerana MasinaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
4. Ny efitra voalohany lehibe kokoa, na ny Toerana Masina, na ny Masina, fa tsy ny efitra anatiny indrindra na ny Masina Indrindra. (Ek 26:33) Roa ampahatelon’ny lavan’ny tempoly ny lavan’io efitra io. (1Mp 6:16, 17; 2Ta 3:3, 8) Ireto avy no tao amin’ny Toerana Masin’ny tranolay masina: Teo amin’ny lafiny atsimo ny fitoeran-jiro volamena (Ek 25:31-40; 40:24, 25); teo andrefana, teo anoloan’ny ridao nanoloana ny Masina Indrindra ny alitara volamena fandoroana emboka manitra (Ek 30:1-6; 40:26, 27); ary teo avaratra ny latabatry ny mofo aseho (Ek 25:23-30; 40:22, 23; He 9:2, 3). Nisy fitaovana volamena koa niaraka tamin’ireo: Vilia baolina, fihazonana lahin-jiro, sns. Ireto kosa no tao amin’ny Toerana Masin’ny tempoly: Alitara volamena, latabatra folo nasiana ny mofo aseho, ary fitoeran-jiro folo. Teo ankavanana ny fitoeran-jiro sy latabatra dimy, ary teo ankavia ny dimy.—1Mp 7:48-50; 2Ta 4:7, 8, 19, 20.
-