-
BatisaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nivavaka i Jesosy tamin’izy natao batisa. (Lk 3:21) Ireto teny ao amin’ny Salamo 40:6-8 (LXX) ireto no nolazainy rehefa tonga “teo amin’izao tontolo izao izy” (tsy hoe tamin’izy teraka akory satria mbola tsy nahay niteny sy namaky teny izy tamin’izany, fa tamin’izy natao batisa sy nanomboka ny fanompoany): “Tsy tianao ny sorona sy ny fanatitra, fa nanomana vatana ho ahy ianao. ... Intỳ aho tonga mba hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô! Voasoratra ao amin’ny horonam-boky ny momba ahy.” (He 10:5-9) Jiosy i Jesosy ka vao teraka izy dia efa anisan’ilay firenena nanaovan’i Jehovah Andriamanitra ny fifaneken’ny Lalàna. (Ek 19:5-8; Ga 4:4) Efa tao anatin’io fifanekena io àry izy, tamin’izy nankeo amin’i Jaona mba hatao batisa. Nanao mihoatra noho izay notakin’ny Lalàna taminy izy tamin’izay. Nasehony mantsy fa vonona hanao ny ‘sitrapon’i’ Jehovah Rainy izy, dia ny hanao sorona an’ilay vatana efa ‘nomanina’ ho azy, ka hamarana hatreo ny sorona biby notakin’ny Lalàna. Hoy ny apostoly Paoly: “Izany ‘sitrapony’ izany no nanamasinana antsika tamin’ny nanolorana ny vatan’i Jesosy Kristy indray mandeha monja.” (He 10:10) Sitrapon-dRainy koa ny hitoriana an’ilay Fanjakana, ary vonona hanao izany i Jesosy. (Lk 4:43; 17:20, 21) Neken’i Jehovah sy nankasitrahany ny fahavononan’ilay Zanany, ka nohosorany tamin’ny fanahy masina izy ary nilazany hoe: “Ianao no Zanako malalako, ianao no sitrako.”—Mr 1:9-11; Lk 3:21-23; Mt 3:13-17.
-
-
Boky, IFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Ny Baiboly na ny ampahany aminy ilay hoe “ny bokin’ny fifanekena” (Ek 24:7) izay misy ny lalàna ao amin’ny Eksodosy (20:22–23:33) angamba, sy ilay hoe “ny horonam-boky” na ny Soratra Hebreo.—He 10:7.
-