HORONAM-BOKY
Karazana boky fampiasa tamin’ny fotoana nanoratana ny Baiboly. Nosoratana sy natao dika mitovy teo amin’ny horonana hoditra, hodi-biby malefaka, na taratasy papyrus ny Baiboly. (Je 36:1, 2, 28, 32; Jn 20:30; Ga 3:10; 2Ti 4:13; Ap 22:18, 19) Pejy maromaro no natambatra ho pejy iray lava be, izay nahorona nanodidina hazokely iray, na hazokely roa izay natao nihaona teo afovoany raha tena lava ilay horonana. Novelarin’ny mpamaky tamin’ny tanany iray àry ilay horonana ary ny tanany ilany kosa nangorona ny sisiny iray, mandra-pahitany an’izay andalana notadiaviny. Nahorona indray ilay horonana rehefa voavaky.—Manazava momba ny horonana, ny akora nanaovana azy, ny habeny, sns, ny hoe BOKY, I.
Manambara momba an’i Jesosy. Tonga hanao ny sitrapon’Andriamanitra i Jesosy Kristy, hoy ny Soratra Hebreo na “ny horonam-boky.” (Sl 40:7, 8; He 10:7-9) Novelariny ny horonam-bokin’i Isaia tao amin’ny synagogan’i Nazareta, ary novakiny ilay faminaniana hoe voahosotry ny fanahin’i Jehovah hitory izy. Nahorony ilay izy avy eo, ary natolony ny mpikarakara. Nipetraka izy, ary nanazava hoe: “Androany no tanteraka izany andinin-teny vao renareo izany.” (Lk 4:16-21; Is 61:1, 2) Miresaka momba ny toerana tanan’i Jesosy Kristy sy ny anjara asany ao amin’ny fikasan’i Jehovah ny horonana rehetra misy ny Soratra Masina, sy ny fanambarana ny vaovao tsara raketin’ny horonana misy ny Soratra Grika Kristianina, satria ‘ny fitoriana momba azy no anton’ny faminaniana.’—Ap 19:10.
Nofaranan’i Jaona toy izao ny Filazantsarany: “Misy zavatra maro hafa koa nataon’i Jesosy, ary raha nosoratana tamin’ny an-tsipiriany daholo izy ireny, dia ataoko fa na izao tontolo izao aza tsy ho omby ny horonam-boky voasoratra.” (Jn 21:25) Izay tena nilaina ihany no nosoratany mba hanasongadinana fa i Jesosy Kristy no Zanak’Andriamanitra sady Mesia. Efa ampy tokoa ny voalazan’ny ‘horonam-bokin’i’ Jaona sy ny boky hafa ao amin’ny Baiboly, mba hanomezana porofo mampiaiky fa “i Jesosy no Kristy Zanak’Andriamanitra.”—Jn 20:30, 31.
Heviny an’ohatra. Miresaka “horonam-boky” maromaro an’ohatra ny Baiboly. Samy nahita horonam-boky nisy soratra teo amin’ny lafiny roa i Ezekiela sy Zakaria. Tena mafonja sy mavesa-danja àry ny didim-pitsarana noraketin’izy ireo, satria lafiny iray ihany matetika no nanoratana. (Ezk 2:9–3:3; Za 5:1-4) Horonam-boky nisy tombo-kase fito no teny an-tanan-kavanan’ilay nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana. Tsy nisy nahalala àry ny tao anatiny raha tsy rehefa nosokafan’ny Zanak’ondrin’Andriamanitra ilay izy. (Ap 5:1, 12; 6:1, 12-14) Nasaina nandray sy nihinana horonam-boky iray i Jaona, tao amin’ny fahitana. Natao ho azo ny zavatra raketiny matoa nivelatra sy tsy nisy tombo-kase ilay izy. Mamy ilay izy tao am-bavany, izany hoe “mamy” taminy ilay hafatra tao anatiny. Nampangidy ny kibony anefa ilay izy, satria toa nangidy ny zavatra nasaina nambarany. (Ap 10:1-11) Toy izany koa no tsapan’i Ezekiela satria nisy ‘hira fisaonana sy fanehoana alahelo ary fahoriana’ ilay horonana nomena azy.—Ezk 2:10.
“Ilay horonam-bokin’ny Zanak’ondry.” Tsy nofidin’Andriamanitra hiaraka amin’ny Zanak’ondry ireo mivavaka amin’ilay “bibidia” an’ohatra. “Nanomboka tamin’ny nanorenana izao tontolo izao” no efa tapaka fa ‘tsy hosoratana ao amin’ny horonam-bokin’ny fiainana ny anaran’izy ireo, dia ao amin’ilay horonam-bokin’ny Zanak’ondry, izay efa novonoina ho faty.’—Ap 13:1-8; 21:27.
Horonam-bokin’ny fitsarana sy fiainana. Nahita “horonam-boky novelarina” koa i Jaona, ary ireo natsangana tamin’ny maty dia “notsaraina araka izay voasoratra tao amin’ireo horonam-boky, araka izay nataon’izy ireo.” Toa hita ao ny lalàn’i Jehovah sy ny toromariny momba izay tiany hataon’ny olona mandritra ilay fotoam-pitsarana. Izay mino sy mankatò ny voalaza ao ihany no ho mendrika ny hosoratan’i Jehovah ao amin’ny “horonam-bokin’ny fiainana” ny anarany.—Ap 20:11-15; jereo FIAINANA.
“Hahorona toy ny horonam-boky.” Nomelohin’i Isaia toy izao ireo firenena: “Hahorona toy ny horonam-boky ny lanitra.” (Is 34:4) Izany dia sarin-teny ilazana zavatra tsy ampiasaina na tsy ilaina intsony ka ampirimina na potehina. Nahorona mantsy ny horonana rehefa voavaky ary nampirimina.