Toko 25
Velona Indray Ireo Vavolombelona Roa
1. Inona no nasain’ilay anjely mahery nataon’i Jaona?
TALOHAN’NY hifaranan’ilay loza faharoa, dia nanasa an’i Jaona ilay anjely mahery, mba handray anjara amin’ny faminaniana iray hafa mifandray amin’ny tempoly. (Apokalypsy 9:12; 10:1) Hoy i Jaona: “Ary nomena bararata toy ny tehina aho raha mbola nilaza izy hoe: ‘Mitsangàna ka refeso ny toerana masin’ny tempolin’Andriamanitra sy ny alitara ary izay mivavaka ao.’ ”—Apokalypsy 11:1.
Ny toerana masin’ny tempoly
2. a) Inona ilay toerana masin’ny tempoly, izay hisy hatramin’ny androntsika? b) Iza no Mpisoronabe ao amin’izy io, ary inona ilay Masina Indrindra ao?
2 Tsy tempoly ara-bakiteny tany Jerosalema no resahina eo, satria efa noravan’ny Romanina tamin’ny taona 70 ny tempoly farany tao. Nilaza anefa ny apostoly Paoly fa talohan’io fandravana io, dia efa niforona ny toerana masin’ny tempoly hafa iray, izay mbola hisy hatramin’ny androntsika. Tsy inona izany fa ny tempoly ara-panahy lehibe, mifanitsy amin’ny tranolay sy ireo tempoly tany Jerosalema. Izy io no “tena tranolay, izay naorin’i Jehovah fa tsy naorin’olona.” I Jesosy no Mpisoronabe ao, ary efa “mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’ny Lehibe any an-danitra” izy, araka ny tenin’i Paoly. Ny toerana misy an’i Jehovah any an-danitra no Masina Indrindra ao amin’io tempoly io.—Hebreo 8:1, 2; 9:11, 24.
3. Inona avy no mifanitsy amin’ireto lafin-javatra tao amin’ny tranolay ireto: a) ny lamba nanasaraka ny Masina Indrindra sy ny Masina? b) ny sorona biby? d) ny alitara nanaovana sorona?
3 Nilaza i Paoly fa manondro ny nofon’i Jesosy, ilay lamba nanasaraka ny Masina Indrindra sy ny Masina tao amin’ny tranolay. Nizara roa io lamba io, rehefa nanao sorona ny ainy i Jesosy. Midika izany fa tsy nanakana azy tsy hankeo anatrehan’i Jehovah tany an-danitra intsony ny nofony. Noho io sorona io, dia ho any an-danitra koa ireo voahosotra tsy mivadika mandra-pahafatiny, izay mpisorona lefitr’i Jesosy. (Matio 27:50, 51; Hebreo 9:3; 10:19, 20) Nilaza koa i Paoly fa mifanitsy amin’ny fanaovan’i Jesosy sorona ny ainy lavorary indray mandeha monja, ireo sorona biby natao tsy tapaka tao amin’ny tranolay. Ilay alitara nanaovana sorona teo an-tokotany kosa, dia mifanitsy amin’ny sitrapon’i Jehovah, na ny fanekeny an’ilay sorona nataon’i Jesosy mba hamonjena ny “maro”, izany hoe ireo voahosotra sy ny ondry hafa izay ‘hiandry fatratra [an’i Jesosy] ho famonjena’ azy ireo.—Hebreo 9:28; 10:9, 10; Jaona 10:16.
4. a) Inona no mifanitsy amin’ny Masina? b) Inona no mifanitsy amin’ny tokotany anatiny?
4 Hitantsika amin’izany fanazavana nomen’Andriamanitra izany, fa ny Masina tao amin’ny tranolay, dia mifanitsy amin’ny fahamasinan’i Kristy sy ireo mpanjaka sady mpisorona 144 000 raha mbola eto an-tany izy ireo, alohan’ny hidirany eo amin’ilay “lambam-baravarana.” (Hebreo 6:19, 20; 1 Petera 2:9) Mifanitsy tsara amin’ny fananganana an’ireo voahosotra ireo ho zanaka ara-panahin’Andriamanitra izany, toy ny nanekeny an’i Jesosy ho Zanany, taorian’ny batisany tao Jordana tamin’ny taona 29. (Lioka 3:22; Romanina 8:15) Ahoana ny amin’ilay tokotany anatiny, izay hany ampahan’ny tranolay hitan’ny Israelita tsy mpisorona, sady toerana nanaovana sorona? Mifanitsy amin’ny fahalavorarian’i Jesosy izy io, ka nahatonga azy hahafeno fepetra hanome ny ainy ho an’ny olombelona. Izy io koa dia manondro ny fahamarinan’ireo voahosotra noho ny soron’i Jesosy, ka mahatonga azy ireo ho masina na dia mbola eto an-tany aza.a—Romanina 1:7; 5:1.
Fandrefesana ny toerana masin’ny tempoly
5. Inona no dikan’ireo faminaniana ao amin’ny Soratra Hebreo momba ny a) fandrefesana an’i Jerosalema? b) fandrefesana ny tempoly tao amin’ny fahitan’i Ezekiela?
5 Nasaina ‘nandrefy ny toerana masin’ny tempolin’Andriamanitra sy ny alitara ary izay mivavaka ao’ i Jaona. Inona no dikan’izany? Ao amin’ny faminaniana ao amin’ny Soratra Hebreo, ny fandrefesana toy izany dia nanome antoka fa hanjaka ny rariny, mifanaraka amin’ny fitsipika lavorarin’i Jehovah. Niresaka momba ny fandrefesana an’i Jerosalema, ohatra, ny faminaniana iray tamin’ny andron’i Manase, mpanjaka ratsy fanahy. Noporofoin’izany fa tsy maintsy hihatra ny didim-pitsarana, ka ho rava ilay tanàna. (2 Mpanjaka 21:13; Fitomaniana 2:8) Ilay fandrefesana an’i Jerosalema tao amin’ny fahitan’i Jeremia kosa, dia nanamafy fa haorina indray ilay tanàna. (Jeremia 31:39; jereo koa ny Zakaria 2:6-12.) Ary ilay fandrefesana ny tempoly tamin’ny an-tsipiriany tao amin’ny fahitan’i Ezekiela, dia nanome antoka ho an’ny Jiosy babo tany Babylona, fa haverina amin’ny laoniny any an-tanindrazan’izy ireo ny fivavahana marina. Izany koa dia fampahatsiahivana ho an’ny Israelita nanao fahadisoana, fa tsy maintsy nanaraka ny ‘refy’ na ny fitsipika masin’Andriamanitra izy ireo nanomboka teo.—Ezekiela 40:3, 4; 43:10.
6. Midika ho inona ny fanasana an’i Jaona handrefy ny toerana masin’ny tempoly sy ny mpisorona mivavaka ao? Hazavao.
6 Araka izany, ny fanasana an’i Jaona handrefy ny toerana masin’ny tempoly sy ny mpisorona mivavaka ao, dia midika fa tsy misy mahasakana ny fahatanterahan’ny fikasan’i Jehovah momba ny tempoly ara-panahy sy ireo manompo ao. Midika koa izany fa kely sisa dia ho tanteraka amin’ny fomba feno ireo fikasany ireo. Efa eo ambany tongotr’ilay anjely maherin’i Jehovah izao ny zava-drehetra. Tonga àry ny fotoana ‘hanorenana [mafy] ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah eo an-tampon’ny tendrombohitra.’ (Isaia 2:2-4) Tsy maintsy asandratra ny fivavahana madio, taorian’ny fivadiham-pinoan’ny Kristianisma Anarana nandritra ny taonjato maro. Efa tonga koa ny fotoana hananganana amin’ny maty an’ireo rahalahin’i Jesosy nahatoky, mba ho any amin’ny “masina indrindra.” (Daniela 9:24; 1 Tesalonianina 4:14-16; Apokalypsy 6:11; 14:4) Tsy maintsy ‘refesina’ na dinihina kosa ireo farany amin’ny ‘mpanompon’Andriamanitra’ asiana tombo-kase eto an-tany, mba hahitana raha manaraka ny fitsipiny izy ireo. Ho hita amin’izany raha mendrika ny hiditra sy hijanona ao amin’ny tempoly ara-panahy ireo zanaka ara-panahin’Andriamanitra ireo. Mahafantatra tsara an’ireo fitsipika masina ireo ny voahosotra toa an’i Jaona ankehitriny, ary tapa-kevitra ny hanaraka izany.—Apokalypsy 7:1-3; Matio 13:41, 42; Efesianina 1:13, 14; ampitahao amin’ny Romanina 11:20.
Fanitsahana ny tokotany
7. a) Nahoana i Jaona no tsy navela handrefy ny tokotany? b) Oviana ilay tanàna masina no nohitsahina nandritra ny 42 volana? d) Inona no mampiseho fa tsy nanaraka ny fitsipika marin’i Jehovah ny mpitondra fivavahana tao amin’ny Kristianisma Anarana, nandritra ny 42 volana?
7 Nahoana i Jaona no tsy navela handrefy ny tokotany? Hoy izy: “Fa ny tokotany eo ivelan’ny toerana masin’ny tempoly kosa dia avelao tanteraka ka aza refesina, satria nomena an’ireo hafa firenena izany. Ary hohitsahin’ireo hafa firenena mandritra ny roa amby efapolo volana ny tanàna masina.” (Apokalypsy 11:2) Hitantsika teo aloha fa ny tokotany anatiny, dia manondro ny fahamarinan’ireo voahosotra mbola eto an-tany. Ho hitantsika fa 42 volana ara-bakiteny no resahina eo, ary nanomboka tamin’ny Desambra 1914 ka hatramin’ny Jona 1918. Niharam-pitsapana mafy ireo rehetra nilaza ho Kristianina tamin’izay. Nanaraka ny fitsipika marin’i Jehovah ve izy ireo nandritra ireo taona nisy ady ireo? Tsy nanao izany ny ankamaroany. Ny fanindrahindram-pirenena, fa tsy ny fankatoavana an’Andriamanitra, no zava-dehibe kokoa tamin’ny mpitondra fivavahana tao amin’ny Kristianisma Anarana. Teo anivon’ny firenena nanaraka ny Kristianisma Anarana no tena nitrangan’ilay ady. Nampirisika ny tovolahy hiady ny mpitondra fivavahana tamin’ireo andaniny roa. An-tapitrisany no maty. Efa nandray anjara tamin’io fandatsahan-dra io koa i Etazonia tamin’ny 1918, fotoana nanombohan’ny fitsarana ny ankohonan’Andriamanitra. Meloka ho nandatsa-dra ny mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana rehetra, ary mbola miantso valifaty amin’Andriamanitra izany ra izany. (1 Petera 4:17) ‘Navela tanteraka’ ireo mpitondra fivavahana ireo, izany hoe nolavina mandrakizay.—Isaia 59:1-3, 7, 8; Jeremia 19:3, 4.
8. Inona no neken’ny Mpianatra ny Baiboly maro nandritra ny Ady Lehibe I, nefa inona no tsy azon’izy ireo tsara?
8 Ahoana ny amin’ireo Mpianatra ny Baiboly vitsy an’isa? ‘Norefesina’ avy hatrany ve izy ireo tamin’ny 1914, izany hoe nojerena raha nanaraka ny fitsipik’Andriamanitra? Tsia. Tsy maintsy notsapaina toy ny Kristianisma Anarana koa izy ireo. ‘Navela tanteraka sy nomena ny hafa firenena’ izy ireo, mba hotsapaina sy henjehina mafy. Maro taminy no niaiky fa tsy tokony hamono ny mpiara-belona aminy izy. Tsy azony tsara anefa ny hoe tsy anisan’izao tontolo izao. (Mika 4:3; Jaona 17:14, 16; 1 Jaona 3:15) Nanaiky lembenana ny sasany rehefa noteren’ireo firenena.
9. Inona ilay tanàna masina nohitsahin’ireo hafa firenena, ary iza no solontenan’izy io eto an-tany?
9 Inona anefa no dikan’ilay hoe nohitsahin’ireo hafa firenena ilay tanàna masina? Mazava fa tsy i Jerosalema izany, satria rava 25 taona mahery talohan’ny nanoratana ny Apokalypsy izy io. I Jerosalema Vaovao kosa ilay tanàna masina, ary miresaka momba azy io ny Apokalypsy any aoriana. Ny solontenan’izy io eto an-tany ankehitriny, dia ny sisa amin’ny Kristianina voahosotra ao amin’ny tokotany anatin’ilay tempoly. Ho anisan’ilay tanàna masina koa izy ireo, rehefa mandeha ny fotoana. Noho izany, izay manitsaka azy ireo, dia toy ny manitsaka an’ilay tanàna mihitsy.—Apokalypsy 21:2, 9-21.
Ireo vavolombelona roa
10. Inona no tokony hataon’ny vavolombelon’i Jehovah mahatoky, na dia misy manitsaka aza?
10 Vavolombelon’i Jehovah foana ireo voahosotra mahatoky ireo, na dia misy manitsaka aza. Hoy àry ilay faminaniana: “ ‘Ary ny vavolombeloko roa dia hasaiko haminany enimpolo sy roanjato sy arivo andro, mitafy akanjo gony.’ Izy ireo no hazo oliva roa sy fitoeran-jiro roa, ary mijoro eo anatrehan’ny Tompon’ny tany izy ireo.”—Apokalypsy 11:3, 4.
11. Inona no dikan’ilay hoe naminany sady ‘nitafy akanjo gony’ ny Kristianina voahosotra?
11 Nila niaritra ireo voahosotra mahatoky ireo, satria tsy maintsy naminany sady ‘nitafy akanjo gony.’ Inona no dikan’izany? Matetika no nilaza fisaonana ny akanjo gony fahiny. Rehefa nanao io lamba fisaonana na akanjo gony io ny olona iray, dia nidika izany fa nalahelo mafy na vontom-pahoriana izy. (Genesisy 37:34; Joba 16:15, 16; Ezekiela 27:31) Ny akanjo gony dia nampifandraisina tamin’ny hafatra milaza loza na miteraka alahelo, izay nolazain’ny mpaminanin’i Jehovah. (Isaia 3:8, 24-26; Jeremia 48:37; 49:3) Mety hidika ho fanetren-tena na fibebahana noho ny fampitandreman’Andriamanitra koa ny fitafiana akanjo gony. (Jona 3:5) Ny akanjo gony nanaovan’ireo vavolombelona roa, dia toa midika fa niaritra sy nanetry tena izy ireo, rehefa nanambara ny didim-pitsaran’i Jehovah. Vavolombelona nilaza ny andro famalian’i Jehovah izy ireo, ary hiteraka alahelo ho an’ireo firenena koa izany.—Deoteronomia 32:41-43.
12. Nahoana no toa ara-bakiteny ilay fe-potoana nanitsahana ilay tanàna masina?
12 Tsy maintsy nitory io hafatra io ireo voahosotra, nandritra ny fotoana voafaritra tsara, izany hoe 1 260 andro, na 42 volana. Mitovy amin’ny fotoana nanitsahana ilay tanàna masina izany. Toa ara-bakiteny io fe-potoana io, satria lazaina amin’ny fomba roa, dia volana sy andro. Ankoatra izany, tamin’ny fiandohan’ny andron’ny Tompo, dia nisy fe-potoana niavaka naharitra telo taona sy tapany, nanomboka tamin’ny Desambra 1914 ka hatramin’ny Jona 1918. Mifanaraka amin’izay lazain’ilay faminaniana eto ny fijalian’ny vahoakan’i Jehovah tamin’io fotoana io. (Apokalypsy 1:10) Nilaza hafatra momba ny didim-pitsaran’i Jehovah mahakasika ny Kristianisma Anarana sy ity tontolo ity izy ireo, ary hita taratra amin’ilay “akanjo gony” notafiany izany.
13. a) Nahoana no oharina amin’ny vavolombelona roa ireo Kristianina voahosotra? b) Inona ilay faminanian’i Zakaria mifandray amin’ny “hazo oliva roa sy fitoeran-jiro roa”?
13 Oharina amin’ny vavolombelona roa izy ireo, mba hanamafisana fa marina ny hafatra nentiny. (Ampitahao amin’ny Deoteronomia 17:6; Jaona 8:17, 18.) Nantsoin’i Jaona hoe “hazo oliva roa sy fitoeran-jiro roa” izy ireo, ary nolazainy fa “mijoro eo anatrehan’ny Tompon’ny tany.” Miharihary fa mifandray amin’ny faminanian’i Zakaria momba ny fitoeran-jiro iray misy sampany fito sy ny hazo oliva roa izany. Voalaza fa ireo hazo oliva roa dia mifanitsy amin’ireo voahosotra roa, izany hoe i Zerobabela Governora sy Josoa Mpisoronabe, izay ‘nitsangana teo anoloan’ny Tompon’ny tany rehetra.’—Zakaria 4:1-3, 14.
14. a) Inona no dikan’ilay fahitan’i Zakaria momba ireo hazo oliva roa sy ilay fitoeran-jiro? b) Inona no nataon’ireo Kristianina voahosotra nandritra ny Ady Lehibe I?
14 Niaina tamin’ny andro nanorenana indray ny tempoly i Zakaria. Ny fahitany momba ireo hazo oliva roa, dia nidika fa homen’i Jehovah ny fanahiny i Zerobabela sy Josoa, ka hampahery ny vahoaka mba hanatontosan’izy ireo ilay asa. Ny fahitana momba an’ilay fitoeran-jiro indray, dia nampahatsiahy an’i Zakaria mba tsy ‘hanamavo ny andron’ny zava-madinika.’ Ho tanteraka mantsy ny fikasan’i Jehovah, nefa “tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin’ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.” (Zakaria 4:6, 10; 8:9) Toy izany koa fa nampiasaina mba hanao asa fanorenana indray ireo Kristianina vitsivitsy, izay nikiry nampiely ny fahazavan’ny fahamarinana, nandritra ny Ady Lehibe I. Nampahery ny hafa koa izy ireo, ary nianatra niantehitra tamin’i Jehovah na dia vitsy aza. Tsy nanamavo ny andron’ny zava-madinika izy ireo, na ny fotoana naha vitsy an’isa azy ireo teo am-piandohana.
15. a) Ahatsiarovana inona koa ny firesahana vavolombelona roa? Hazavao. b) Nomena fahefana hanao famantarana inona avy ireo vavolombelona roa?
15 Ahatsiarovana an’ilay fiovan-tarehy koa ny firesahana vavolombelona roa. Nahita an’i Jesosy efa Mpanjaka be voninahitra, niaraka tamin’i Mosesy sy Elia, ny apostoliny telo tao amin’io fahitana io. Izany dia mifanitsy amin’ny fipetrahan’i Jesosy teo amin’ny seza fiandrianany be voninahitra tamin’ny 1914, mba hanatanteraka asa noharina tamin’ny an’ireo mpaminany roa ireo. (Matio 17:1-3) Tsy mahagaga raha manao famantarana toy ny nataon’i Mosesy sy Elia koa ireo vavolombelona roa. Izao, ohatra, no lazain’i Jaona: “Ary raha nisy te hanisy ratsy azy ireo, dia nisy afo nivoaka avy tamin’ny vavany ka nandevona ny fahavalony. Ary raha nisy te hanisy ratsy azy ireo, dia tahaka izany koa no tsy maintsy hamonoana azy. Nanana fahefana hanidy ny lanitra izy ireo mba tsy hisy orana hilatsaka nandritra ny andro naminaniany.”—Apokalypsy 11:5, 6a.
16. a) Nahoana ilay famantarana momba ny afo no mampahatsiahy an’ilay fotoana nanoheran’ny Israelita ny fahefan’i Mosesy? b) Inona no nataon’ny mpitondra fivavahana, mba hanoherana ny Mpianatra ny Baiboly sy hanohintohinana ny asan’izy ireo nandritra ny ady? Inona no nataon’ireo Kristianina ho setrin’izany?
16 Mampahatsiahy ny fotoana nanoheran’ny Israelita ny fahefan’i Mosesy izany. Nanao teny nirehidrehitra hanamelohana azy ireo izy. Nandringana ny mpikomy i Jehovah, ary nandefa afo avy tany an-danitra, izay nandevona ny 250 taminy. (Nomery 16:1-7, 28-35) Nanohitra ny Mpianatra ny Baiboly koa ny mpitarika ny Kristianisma Anarana, ka nilaza fa tsy nahazo diplaoma avy tamin’ny sekoly teolojika izy ireo. Ambony noho izany anefa ny porofo fa mahafeno fepetra ho mpitory izy ireo. Tsy inona izany fa ireo olona manetry tena sy manaiky ny hafatra ara-baiboly toriny. (2 Korintianina 3:2, 3) Navoakan’ny Mpianatra ny Baiboly tamin’ny 1917 ilay boky hoe Ilay Mistery Fantatra, izay nisy fanazavana mafonja momba ny Apokalypsy sy Ezekiela. Nozaraina taorian’izay ny 10 000 000 tamin’ilay taratasy mivalona hoe Ny Gazetin’ny Mpianatra ny Baiboly Mivoaka Isam-bolana. Izao no loha hevitra novelabelarin’izy io: “Ny Fianjeran’i Babylona—Nahoana ny Kristianisma Anarana no Tsy Maintsy Mijaly Ankehitriny, ary Ahoana no Hiafarany?” Tezitra ny mpitondra fivavahana tany Etazonia, ka nanararaotra ny hafanam-pon’ny olona tamin’ny ady, mba hanaovana izay handrarana an’ilay boky. Nanesoran’ny manam-pahefana kosa ny tao anatin’izy io, tany an-tany hafa. Ho setrin’izany, dia namoaka hafatra mafonja hatrany ireo mpanompon’i Jehovah, tao amin’ireo taratasy mivalona hoe Vaovao Momba Ilay Fanjakana. Rehefa nitohy ny andron’ny Tompo, dia nisy boky hafa navoaka, izay nampiharihary fa maty ara-panahy ny Kristianisma Anarana.—Ampitahao amin’ny Jeremia 5:14.
17. a) Oviana no nisy hain-tany sy afo, tamin’ny andron’i Elia? b) Ahoana no nisian’ny afo nivoaka avy tamin’ny vavan’ireo vavolombelona roa, ary inona ilay hain-tany nambaran’izy ireo?
17 Ary ahoana ny amin’i Elia? Tamin’ny andron’ny mpanjakan’ny Israely, dia nambarany fa hisy hain-tany, mba hampisehoan’i Jehovah ny hatezerany tamin’ireo Israelita nivavaka tamin’i Bala. Naharitra telo taona sy tapany ilay hain-tany. (1 Mpanjaka 17:1; 18:41-45; Lioka 4:25; Jakoba 5:17) Tatỳ aoriana, rehefa naniraka miaramila i Ahazia, mpanjaka nivadika, mba hanery an’i Elia hankany aminy, dia nivavaka ilay mpaminany mba hisy afo avy any an-danitra handevona an’ireo miaramila ireo. Tsy nanaiky hoentina tany amin’ny mpanjaka izy, raha tsy rehefa nisy lehiben’ny miaramila nanaja tsara ny naha mpaminany azy. (2 Mpanjaka 1:5-16) Tsy natahotra koa ireo sisa voahosotra tamin’ny 1914 ka hatramin’ny 1918, rehefa nanambara fa misy hain-tany ara-panahy ao amin’ny Kristianisma Anarana. Nampitandrina izy ireo fa hampihatra didim-pitsarana mivaivay toy ny afo i Jehovah, amin’ilay ‘androny lehibe sady mahatahotra.’—Malakia 3:19, 23; Amosa 8:11.
18. a) Inona no fahefana nomena an’ireo vavolombelona roa, ary nahoana izany no nitovy tamin’ny an’i Mosesy? b) Inona no nahariharin’ireo vavolombelona roa momba ny Kristianisma Anarana?
18 Hoy koa i Jaona momba ireo vavolombelona roa: “Ary nanana fahefana tamin’ny rano hanova ny rano ho ra sy fahefana hamely ny tany tamin’izao karazana loza rehetra izao izy ireo, isaky ny te hanao izany.” (Apokalypsy 11:6b) Nampiasa an’i Mosesy mba handefa loza tamin’i Ejipta mpampahory i Jehovah, mba handresena lahatra an’i Farao hanafaka ny Israely. Anisan’izany ilay fanovana ny rano ho ra. Nahatsiaro izany tsara ny Filistinina, fahavalon’ny Israely, taonjato maro tatỳ aoriana, ka nanao hoe: ‘Iza no hamonjy antsika amin’ny tanan’io Andriamanitra mahery io? Izy no Andriamanitra namely ny Ejipsianina tamin’ny kapoka [na loza] rehetra tany an-tany efitra.’ (1 Samoela 4:8; Salamo 105:29) Mitovy amin’i Mosesy i Jesosy, izay nanana fahefana hilaza ny didim-pitsaran’i Jehovah momba ny mpitondra fivavahana tamin’ny androny. (Matio 23:13; 28:18; Asan’ny Apostoly 3:22) Ary nandritra ny Ady Lehibe I, dia nahariharin’ireo rahalahin’i Kristy, na ireo vavolombelona roa, fa “rano” mahafaty no ampisotroin’ny Kristianisma Anarana ny ondriny.
Novonoina ireo vavolombelona roa
19. Araka ny Apokalypsy, inona no nitranga, rehefa nahavita ny fitoriany ireo vavolombelona roa?
19 Mafy be tamin’ny Kristianisma Anarana ilay loza, ka nataony izay “hahafaty” ireo vavolombelona roa, rehefa avy nitory sy nitafy akanjo gony nandritra ny 42 volana izy ireo. Hoy i Jaona: “Ary rehefa vitan’izy ireo ny fitoriany, dia hiady aminy ilay bibidia niakatra avy tao amin’ny lavaka mangitsokitsoka, ka handresy sy hahafaty azy ireo. Ary ny fatin’izy ireo dia hiampatra eny an-dalamben’ilay tanàna lehibe, izay antsoina amin’ny heviny ara-panahy hoe Sodoma sy Ejipta, sady tao koa no namantsihana ny Tompon’izy ireo tamin’ny hazo fijaliana. Ary hijery ny fatin’izy ireo mandritra ny telo andro sy tapany ireo anisan’ny vahoaka sy foko sy olona samy hafa fiteny sy firenena, ary tsy havelany hatao ao am-pasana ny fatin’izy ireo. Ary faly noho izay nanjo ireo mpaminany roa ireo ny mponina tamin’ny tany ka ravoravo ary hifanolotra fanomezana, satria nampijaly ny mponina tamin’ny tany ireo mpaminany ireo.”—Apokalypsy 11:7-10.
20. Inona “ilay bibidia niakatra avy tao amin’ny lavaka mangitsokitsoka”?
20 Miverimberina ao amin’ny Apokalypsy ny teny hoe bibidia. Hodinihintsika amin’ny an-tsipiriany ny momba azy io sy ny bibidia hafa any aoriana. Ampy aloha izao ny milaza fa avy amin’i Satana “ilay bibidia niakatra avy tao amin’ny lavaka mangitsokitsoka.” Fitondrana ara-politika eo am-perinasa izy io.b—Ampitahao amin’ny Apokalypsy 13:1; Daniela 7:2, 3, 17.
21. a) Ahoana no nanararaotan’ny fahavalon’ireo vavolombelona roa ny ady? b) Midika ho inona ny hoe tsy nalevina ny fatin’ireo vavolombelona roa? d) Ahoana no tokony hiheverana an’ilay fe-potoana telo andro sy tapany? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)
21 Tao anatin’ny Ady Lehibe I ireo firenena, tamin’ny 1914 ka hatramin’ny 1918. Nafana dia nafana ny fitiavan-tanindrazana, ka nanararaotra izany ny fahavalon’ireo vavolombelona roa, tamin’ny Aprily 1918 tany ho any. Notaomin’izy ireo ny tao amin’ny fitsarana, mba hanagadra an’ireo tompon’andraikitra teo anivon’ny Mpianatra ny Baiboly, izay nendrikendrehina ho nitaona olona hikomy tamin’ny fanjakana. Very hevitra ireo olo-nahatoky niara-niasa tamin’izy ireo. Nitsahatra ny asan’ilay Fanjakana tamin’ny ankapobeny. Toy ny maty ny asa fitoriana. Tena afa-baraka ny olona tsy nalevina tao am-pasana fahiny. (Salamo 79:1-3; 1 Mpanjaka 13:21, 22) Tena afa-baraka koa àry ireo vavolombelona roa, satria tsy nalevina. Mafana be any Palestina, ka tsy maintsy ho maimbo ny faty navela teny an-dalana nandritra ny telo andro sy tapany.c (Ampitahao amin’ny Jaona 11:39.) Milaza ny henatra tsapan’ireo vavolombelona roa àry io tsipiriany io. Tsy navela handoa onitra mba hahazoana fanafahana vonjimaika akory aza ireo tompon’andraikitra nigadra, teo am-piandrasana ny fitsarana ambony. Navela ho hitam-bahoaka elaela izy ireo, ka maimbo tamin’ireo mponin’ilay “tanàna lehibe.” Inona anefa ilay “tanàna lehibe”?
22. a) Inona ilay tanàna lehibe? b) Inona no mampiseho fa naneho fifaliana toy ireo mpitondra fivavahana koa ny gazety, rehefa nitsahatra ny fitorian’ireo vavolombelona roa? (Jereo ny efajoro.)
22 Manampy antsika hamantatra an’ilay “tanàna lehibe” i Jaona. Milaza izy fa tao no namantsihana an’i Jesosy tamin’ny hazo fijaliana. Tonga ao an-tsaintsika avy hatrany àry i Jerosalema. Milaza koa anefa izy fa antsoina hoe Sodoma sy Ejipta ilay tanàna lehibe. Nantsoina hoe Sodoma tokoa i Jerosalema fahiny, noho ny fanao maloto teo aminy. (Isaia 1:8-10; ampitahao amin’ny Ezekiela 16:49, 53-58.) Indraindray koa dia manondro an’ity tontolo ity i Ejipta, ilay voalohany amin’ireo firenena natanjaka indrindra. (Isaia 19:1, 19; Joela 4:19) Ilay tanàna lehibe àry dia “Jerosalema” iray, izay mihambo ho manompo an’Andriamanitra, nefa feno fahalotoana sy fahotana toa an’i Sodoma, sady anisan’ny tontolon’i Satana toa an’i Ejipta. Izy io dia ny Kristianisma Anarana, izay mifanitsy amin’ilay Jerosalema nivadika fahiny. Faly be ny olona tao aminy, rehefa nahavita nampitsahatra ny fitorian’ireo vavolombelona roa, izay nanelingelina azy.
Natsangana indray!
23. a) Inona no nanjo an’ireo vavolombelona roa taorian’ireo telo andro sy tapany, ary inona no vokatr’izany teo amin’ireo fahavalony? b) Oviana no tanteraka ny Apokalypsy 11:11, 12 sy ny faminanian’i Ezekiela momba ny fanisian’i Jehovah fofonaina tao amin’ireo taolana maina?
23 Nilaza lainga momba ny vahoakan’i Jehovah koa ny gazety, toy ny mpitondra fivavahana. Nisy gazety, ohatra, nilaza hoe: “Vita hatreo ny amin’ilay Mistery Fantatra.” Lainga tsy nisy hoatr’izany! Tsy hoe maty foana akory ireo vavolombelona roa. Hoy ny Baiboly: “Ary rehefa afaka ny telo andro sy tapany, dia nisy aina avy tamin’Andriamanitra niditra tao anatin’ireo, ka nijoro tamin’ny tongony izy, ary raiki-tahotra indrindra izay nahita azy. Ary nahare feo mafy avy tany an-danitra izy, nanao taminy hoe: ‘Miakara atỳ.’ Ary niakatra tany an-danitra tamin’ny rahona izy, ka nahita azy ny fahavalony.” (Apokalypsy 11:11, 12) Toy izay nitranga tamin’ireo taolana maina teny amin’ilay lohasaha tao amin’ny fahitan’i Ezekiela, ny nanjo an’ireo vavolombelona roa. Nasian’i Jehovah fofonaina tao amin’ireo taolana ka velona indray. Izany dia mifanitsy amin’ny fiverenan’ny firenen’ny Israely tany amin’ny taniny, rehefa avy babo 70 taona tany Babylona. (Ezekiela 37:1-14) Tanteraka tamin’ny fomba nanaitra tamin’ny 1919 ireo faminanian’i Ezekiela sy ny Apokalypsy ireo, rehefa novelomin’i Jehovah ireo vavolombelony “maty”, ka navitribitrika indray.
24. Rehefa velona indray ireo vavolombelona roa, inona no vokatr’izany teo amin’ireo mpitondra fivavahana nanenjika azy?
24 Taitra tokoa ireo mpanenjika! Velona tampoka indray ireo vavolombelona roa, ka niverina niasa. Nangidy tamin’ireo mpitondra fivavahana izany, indrindra satria navoaka indray ireo tompon’andraikitra izay nogadraina noho ny tetik’izy ireo, ary nambara fa tsy meloka tatỳ aoriana. Azo antoka fa vao mainka taitra izy ireo tamin’ny Septambra 1919, rehefa nanao fivoriambe tany Cedar Point, any Etazonia, ny Mpianatra ny Baiboly. Nanentana ny mpanatrika i J. Rutherford, izay vao nivoaka ny fonja, tamin’ilay lahateniny hoe “Manambara Ilay Fanjakana”, niorina tamin’ny Apokalypsy 15:2 sy Isaia 52:7. Nanomboka ‘naminany’, na nitory indray ireo voahosotra. Nihanatanjaka izy ireo, ka tsy natahotra nampiharihary ny fihatsarambelatsihin’ny Kristianisma Anarana.
25. a) Oviana ireo vavolombelona roa no nilazana hoe “miakara atỳ”, ary ahoana no nitrangan’izany? b) Rehefa velona indray ireo vavolombelona roa, inona no vokatr’izany teo amin’ilay tanàna lehibe?
25 Niezaka foana ny Kristianisma Anarana, mba hahazo fandresena toy ilay tamin’ny 1918. Nitarika mpirotaka izy, nitaona ny tao amin’ny fitsarana, ary nanao izay hampigadra na hahafaty an’ireo vavolombelona mihitsy aza. Tsy nahomby anefa izany! Tsy afaka nikitika an’ireo vavolombelona roa intsony izy taorian’ny 1919. Nilaza tamin’ireo vavolombelona mantsy i Jehovah tamin’izay hoe: “Miakara atỳ”, ary nisandratra teo amin’ny lafiny ara-panahy izy ireo, ka na dia hitan’ny fahavalony aza, dia tsy azony nokasihina. Tena nisy akony teo amin’ilay tanàna lehibe izany, araka ny tenin’i Jaona hoe: “Ary nisy horohoron-tany lehibe tamin’izay ora izay, ka nianjera ny ampahafolon’ny tanàna. Ary fito arivo ny olona matin’ilay horohoron-tany, ka nanjary raiki-tahotra ny olona sisa ary nanome voninahitra an’ilay Andriamanitry ny lanitra.” (Apokalypsy 11:13) Nihozongozona tokoa ireo fivavahana. Rehefa niverina niasa ireo Kristianina nahazo hery vao, dia toy ny hoe nihovotrovotra ny tany nohitsahin’ireo mpitondra fivavahana. Nisy fiantraikany lehibe teo amin’ny ampahafolon’ny tanànany, na ireo olona 7 000 izany, ka toy ny maty izy ireo.
26. Manondro an’iza ny “ampahafolon’ny tanàna” sy ny “fito arivo” ao amin’ny Apokalypsy 11:13? Hazavao.
26 Ny hoe “ampahafolon’ny tanàna” dia mampahatsiahy ny faminanian’i Isaia momba an’i Jerosalema fahiny. Nilaza izy fa ho tafavoaka velona amin’ny fandravana ilay tanàna ny ampahafolon’izy io, ary ho taranaka masina. (Isaia 6:13) Ary ilay isa 7 000 indray dia mampahatsiahy ny tenin’i Jehovah tamin’i Elia, izay nihevitra fa izy irery sisa no nahatoky teo amin’ny Israely. Nilaza taminy i Jehovah fa mbola nisy 7 000 tsy nandohalika tamin’i Bala tao. (1 Mpanjaka 19:14, 18) Nilaza ny apostoly Paoly tamin’ny taonjato voalohany, fa ireo 7 000 ireo dia manondro ny sisa amin’ny Jiosy, izay nandray ny vaovao tsara momba an’i Kristy. (Romanina 11:1-5) Hitantsika avy amin’ireo andininy ireo, fa ny “fito arivo” sy ny “ampahafolon’ny tanàna” ao amin’ny Apokalypsy 11:13, dia ny olona mandray tsara an’ireo vavolombelona roa velona indray, ary miala amin’ilay tanàna lehibe feno fahotana. Toy ny maty izy ireo eo imason’ny Kristianisma Anarana. Vonoina tsy ho ao amin’izy io ny anaran’izy ireo, ary toy ny tsy misy intsony izy ireo aminy.d
27, 28. a) Inona no dikan’ilay hoe ‘nanome voninahitra an’ilay Andriamanitry ny lanitra ny olona sisa’? b) Inona no voatery neken’ny mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana?
27 Inona no dikan’ilay hoe ‘nanome voninahitra an’ilay Andriamanitry ny lanitra ny olona sisa’ ao amin’ny Kristianisma Anarana? Azo antoka fa tsy nandao an’ilay fivavahana nivadi-pinoana izy ireo, ary tsy lasa mpanompon’i Jehovah. Ny dikan’izy io kosa dia mifanaraka amin’ny fanazavan’i Vincent, ao amin’ilay bokiny hoe Famakafakana Teny ao Amin’ny Testamenta Vaovao (anglisy). Hoy izy io: “Tsy midika hoe miova na mibebaka na maneho fankasitrahana ireo teny ireo, fa midika hoe miaiky, ary izany matetika no heviny ao amin’ny Soratra Masina. Ampitahao amin’ny Josoa 7:19 (Fandikan-tenin’ny Fitopolo), Jaona 9:24, Asan’ny Apostoly 12:23, ary Romanina 4:20.” Kivy ratsy ny Kristianisma Anarana, izay voatery niaiky fa nahavita asa lehibe ny Andriamanitry ny Mpianatra ny Baiboly, rehefa nanampy azy ireo hanao ny asany indray.
28 Mety ho tany an-tsaina fotsiny anefa no naneken’ny mpitondra fivavahana izany. Azo antoka fa tsy nisy tamin’izy ireo nanaiky ampahibemaso ny Andriamanitr’ireo vavolombelona roa. Ilay faminaniana nampanoratin’i Jehovah an’i Jaona anefa, dia manampy antsika hahalala ny tao am-pon’izy ireo, sy hahafantatra fa voa mafy sy afa-baraka izy ireo tamin’ny 1919. Niala tao amin’ny Kristianisma Anarana ny “fito arivo” nanomboka tamin’izay, na dia niezaka mafy aza izy hihazona azy ireo. Voatery niaiky àry ireo mpitondra fivavahana, fa matanjaka noho ny andriamanitr’izy ireo ny Andriamanitr’ireo voahosotra. Vao mainka niaiky izany izy ireo tatỳ aoriana, rehefa nihamaro ny ondry nivoaka ny valany. Toy ireo vahoaka tamin’ny andro nandresen’i Elia ny mpivavaka tamin’i Bala teo amin’ny Tendrombohitra Karmela, dia resy lahatra koa ireny olona ireny fa “Jehovah, Izy no Andriamanitra; Jehovah, Izy no Andriamanitra.”—1 Mpanjaka 18:39.
29. Inona no nolazain’i Jaona fa ho tonga haingana, ary inona no mbola hanozongozona ny Kristianisma Anarana?
29 Henoy indray anefa ny tenin’i Jaona: “Lasa ny loza faharoa. Indro, ho tonga haingana ny loza fahatelo.” (Apokalypsy 11:14) Koa raha efa nanozongozona ny Kristianisma Anarana àry ireo zava-nitranga teo aloha, inona no hanjo azy rehefa hambara ny loza fahatelo, hitsoka ny trompetrany ny anjely fahafito, ary ho tanteraka hatramin’ny farany ilay zava-miafina masin’Andriamanitra?—Apokalypsy 10:7.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Manazava amin’ny an-tsipiriany an’ilay tempoly ara-panahy lehibe ny lahatsoratra hoe “Ilay Tempolin’i Jehovah Ara-panahy Lehibe”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 1996, pejy 14-19.
b Manondro toerana an’ohatra tsy anaovana na inona na inona ny “lavaka mangitsokitsoka” (grika: aʹbys·sos; hebreo: tehohmʹ). (Jereo ny Apokalypsy 9:2.) Midika ara-bakiteny hoe ranomasimbe koa anefa izy io. Matetika ilay teny hebreo no adika hoe “rano lalina” na ny “lalina.” (Salamo 71:20; 106:9; Jona 2:6) Tsy inona àry “ilay bibidia niakatra avy tao amin’ny lavaka mangitsokitsoka”, fa ilay “bibidia niakatra avy tao amin’ny ranomasina” ihany.—Apokalypsy 11:7; 13:1.
c Na dia toa ara-bakiteny aza ilay 42 volana ao amin’io zavatra niainan’ny vahoakan’i Jehovah io, dia tsy toy izany kosa ilay telo andro sy tapany, izany hoe tsy 84 ora. Nolazaina indroa ilay fe-potoana telo andro sy tapany (andininy 9 sy 11), angamba mba hanasongadinana fa fohy ihany izany, raha oharina amin’ireo telo taona sy tapany nitorian’izy ireo talohan’io.
d Ampitahao amin’ny fampiasana ny teny hoe “maty” sy “velona” ao amin’ny Romanina 6:2, 10, 11; 7:4, 6, 9; Galatianina 2:19; Kolosianina 2:20; 3:3.
[Efajoro, pejy 168]
Ilay Fifaliana ao Amin’ny Apokalypsy 11:10
Tamin’ny 1933, i Ray Abrams dia namoaka ilay boky hoe Mandray Fiadiana ny Mpitory Teny (anglisy). Noresahiny tao ny fanoherana mafy nataon’ny mpitondra fivavahana, rehefa nivoaka ilay bokin’ny Mpianatra ny Baiboly hoe Ilay Mistery Fantatra. Noresahiny koa ny ezaka nataon’izy ireo mba hamongorana ny Mpianatra ny Baiboly sy ny “fandresen-dahatra manimba” ataony. Izany no nahatonga ilay raharaham-pitsarana nahavoaheloka an’i J. Rutherford sy ny namany fito, higadra taona maro. Hoy koa i Abrams: ‘Rehefa dinihina ilay raharaha manontolo, dia hita fa ireo fivavahana sy ny mpitondra tao aminy no tena nahatonga an’ireo fihetsiketsehana, izay natao hamongorana ny mpanara-dia an’i Russell. Nanomboka nanao ezaka maty paika hanoherana azy ireo sy ny bokiny, indrindra fa Ilay Mistery Fantatra, ny mpitondra fivavahana tany Kanada, tamin’ny Febroary 1918. Noheverina fa ny “tatitra nataon’ny mpitondra fivavahana” no nahatonga ny bokin’izy ireo ho voarara, hoy ny gazety iray tany Winnipeg.’
Hoy indray i Abrams: “Rehefa fantatry ny mpampanonta gazety ara-pivavahana ilay fanamelohana higadra 20 taona, dia naneho fifaliana ny ankamaroan’ireo gazety ireo, na ny kely na ny lehibe. Tsy nahitako teny naneho alahelo mihitsy tao amin’ny gazetin’ireo fivavahana mahazatra. ‘Tsy isalasalana’, hoy i Upton Sinclair, fa ‘anisan’ny nahatonga ny fanenjehana azy ireo ... ny fankahalan’ny fivavahana “mahazatra.” ’ Ny fitondrana indray izao no toa nahatontosa, ny zavatra nokasain’ireo fivavahana hatao nefa tsy vitany.” Rehefa avy nilaza ny fanesoana nataon’ny boky ara-pivavahana maro i Abrams, dia niresaka an’ilay toe-javatra nitsimbadika, vokatry ny didy navoakan’ny Fitsarana Ambony. Hoy izy: “Gina tsy nahateny ireo fivavahana, rehefa nivoaka ilay didim-pitsarana.”
[Sary, pejy 163]
Mandrefy ny tempoly ara-panahy i Jaona—misy fitsipika tsy maintsy arahin’ny voahosotra mpisorona
[Sary, pejy 165]
Ny fanorenana indray ny tempoly nataon’i Zerobabela sy Josoa, dia midika fa hitombo be ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny andron’ny Tompo, na dia vitsy an’isa aza teo am-piandohana. Tsy maintsy nitarina be ireo trano toy ny hitantsika eo ambony (Brooklyn, any New York), mba hikarakarana izay ilain’izy ireo
[Sary, pejy 166]
Mifanitsy amin’ny asa faminanian’i Mosesy sy Elia ireo didim-pitsarana mivaivay toy ny afo nambaran’ireo vavolombelona roa
[Sary, pejy 169]
Toy ireo taolana maina resahin’ny Ezekiela toko 37, dia novelomina indray ireo vavolombelona roa mba hanao ny asa fitoriana