Manàna Herim-po!
“Manàna herim-po ary milazà hoe: ‘Jehovah no mpanampy ahy’ ”. — HEBREO 13:6, NW.
1. Fahasahiana inona no nasehon’ireo izay nianatra ny fahamarinan’Andriamanitra tamin’ny taonjato voalohany am.f.i.?
TAONJATO voalohany amin’ny Fanisan-taona Iraisana tamin’izay. Tonga ilay Mesia nandrasana hatramin’ny ela. Nampianatra tsara ireo mpianany izy, ary natombony ny asa fitoriana iray iankinan’ny aina. Tonga ny fotoana tokony handrenesan’ny olona ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Noho izany, ireo lehilahy sy vehivavy izay nianatra ny fahamarinana dia nanambara tamin-kasahiana izany hafatra mahatalanjona izany. — Matio 28:19, 20.
2. Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no mila herim-po amin’izao andro izao?
2 Tsy niorina tamin’izany andro izany ilay Fanjakana. I Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka Voatendry anefa, dia naminany ny amin’ny fanatrehany ho avy tsy hita maso ao amin’ny herin’ny Fanjakana. Izany dia ho voamariky ny ady, mosary, areti-mandringana sy horohoron-tany mbola tsy nisy toy izany ary ny fitoriana maneran-tany ny vaovao tsara. (Matio 24:3-14, NW; Lioka 21:10, 11). Amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah antsika, dia mila herim-po isika mba hiatrehana amim-pahombiazana ireo toe-javatra ireo sy ny fanenjehana hitantsika. Noho izany dia hahasoa ny fandinihana ireo fitantarana ao amin’ny Baiboly mikasika ireo mpitory ilay Fanjakana be herim-po tamin’ny taonjato voalohany am.f.i.
Herim-po hanahafana an’i Kristy
3. Iza no nanome ny ohatra tsara indrindra teo amin’ny herim-po, ary inona no voalaza mikasika azy ao amin’ny Hebreo 12:1-3?
3 Nanome ny ohatra tsara indrindra teo amin’ny herim-po i Jesosy Kristy. Rehefa avy nanonona ireo vavolombelon’i Jehovah be herim-po maro be “toy ny rahona” talohan’ny andro kristiana ny apostoly Paoly, dia nifantoka tamin’i Jesosy tamin’ny filazana hoe: “Koa amin’izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy, Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra Izy. Fa hevero tsara ilay naharitra ny fanoherana nataon’ny mpanota taminy, fandrao ho ketraka hianareo, ka ho reraka ny fanahinareo.” — Hebreo 12:1-3.
4. Ahoana no nanehoan’i Jesosy herim-po rehefa nalain’i Satana fanahy izy?
4 Taorian’ny batisany sy ireo 40 andro nisaintsainany sy nivavahany ary nifadiany hanina tany an’efitra, dia nanohitra tamin-kerim-po an’i Satana i Jesosy. Rehefa nalain’ny Devoly fanahy hanova vato ho tonga mofo i Jesosy, dia tsy nanaiky, satria tsy nety ny fanaovana fahagagana mba hanomezana fahafaham-po ny fanirian’ny tena manokana. “Voasoratra hoe”, hoy i Jesosy, “Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra”. Rehefa nihaika azy hitsambikina avy teny amin’ny tampon’ny tempoly i Satana, dia nanda i Jesosy satria ho fahotana ny fakana fanahy an’Andriamanitra mba hamonjy azy avy amin’izay azo inoana fa ho famonoan-tena. “Voasoratra hoe koa”, hoy i Kristy, “Aza maka fanahy an’i Jehovah Andriamanitrao”. Nanolotra azy ny fanjakana rehetra teo amin’izao tontolo izao ho takalon’ny “asa fanompoam-pivavahana” (NW ) iray monja i Satana, kanefa dia tsy nivadi-pinoana i Jesosy ka hanohana ilay fihantsian’ny Devoly hoe tsy hitoetra ho mahatoky eo anatrehan’Andriamanitra ny olombelona rehefa ao anatin’ny fitsapana. Koa izao no nambaran’i Jesosy: “Mandehana hianao, ry Satana: fa voasoratra hoe: ‘Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao’.” Tamin’izay dia ‘nandao Azy aloha’ ilay Mpaka fanahy. — Matio 4:1-11; Lioka 4:13.
5. Inona no afaka manampy antsika hanohitra fakam-panahy amim-pahatapahan-kevitra?
5 Nanaiky an’i Jehovah ary nanohitra an’i Satana i Jesosy. Raha ‘manaiky an’Andriamanitra sy manohitra ny Devoly’ toy izany koa isika, ‘dia handositra antsika izy’. (Jakoba 4:7). Sahala amin’i Jesosy, dia ho afaka hanohitra fakam-panahy amim-pahatapahan-kevitra sy amin-kerim-po koa isika raha mampihatra ny Soratra Masina, angamba aza amin’ny fanononana azy ireny mihitsy amin’ny fotoana mahatonga antsika halaim-panahy hanao zava-dratsy. Azo inoana ve fa ho resin’ny fakam-panahy hangalatra isika raha mamerina amin’ny tenantsika amin’izay fotoana izay ilay lalàn’Andriamanitra hoe: “Aza mangalatra”? Moa ve azo inoana fa ho latsaka ao amin’ny fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy ny Kristiana roa raha toa ka ny iray amin’izy ireo monja aza manonona amin-kerim-po ny teny hoe: “Aza mijangajanga”? — Romana 13:8-10; Eksodosy 20:14, 15.
6. Ahoana no naha-mpandresy be herim-po an’izao tontolo izao an’i Jesosy?
6 Amin’ny maha-Kristiana ankahalain’itỳ tontolo itỳ antsika, dia afaka manalavitra ny toe-tsainy sy ny fitondran-tenany ratsy isika. Nilaza toy izao tamin’ireo mpanara-dia azy i Jesosy: “Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.” (Jaona 16:33). Nandresy izao tontolo izao izy tamin’ny tsy fitoviana taminy. Ny ohatra navelany tamin’ny naha-mpandresy azy sy ny fiafaran’ny fiainany voamariky ny fihazonana ny tsy fivadihana dia afaka mameno herim-po antsika mba hanahaka azy amin’ny fitoerana ho tafasaraka amin’itỳ tontolo itỳ sy tsy ho voalotony. — Jaona 17:16.
Herim-po hitoriana hatrany
7, 8. Inona no hanampy antsika hitory hatrany na dia eo aza ny fanenjehana?
7 Niantehitra tamin’Andriamanitra i Jesosy sy ireo mpianany mba hahazoana herim-po hitoriana hatrany na dia teo aza ny fanenjehana. Nanatanteraka tamin-kasahiana ny fanompoany i Kristy na dia teo aza ny fanenjehana, ary taorian’ny Pentekosta 33 am.f.i., dia nanohy nanambara ny vaovao tsara ireo mpanara-dia azy izay nenjehina, na dia nanandrana nampitsahatra azy ireo aza ireo filoham-pivavahana jiosy. (Asan’ny Apostoly 4:18-20; 5:29). Nivavaka toy izao ireo mpianatra: “Tompo [“Jehovah”, NW ] ô, jereo ny fandrahonany; ary omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny teninao amin’ny fahasahiana rehetra”. Dia inona no nitranga? “Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany”, hoy ny fitantarana, “dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin’Andriamanitra tamin’ny fahasahiana.” — Asan’ny Apostoly 4:24-31.
8 Koa satria tsy mandray ny vaovao tsara ny ankamaroan’ny olona amin’izao andro izao, dia ilaina matetika ny fahasahiana mba hitoriana hatrany amin’izy ireny. Rehefa enjehina indrindra ireo mpanompon’i Jehovah no mila ilay herim-po omen’Andriamanitra mba hanaovana fanambarana feno. (Asan’ny Apostoly 2:40; 20:24). Koa niteny toy izao tamin’ny mpiara-miasa taminy iray tanora sady tsy ampy fanandraman-javatra i Paoly, mpitory ilay Fanjakana be herim-po: “Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena. Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika, na ahy mpifatony hianao; fa aoka hianao ho mpiombona ny fahoriana noho ny filazantsara araka ny herin’Andriamanitra”. (2 Timoty 1:7, 8). Raha mangataka herim-po amin’ny vavaka isika, dia ho afaka hitory hatrany, ary na dia ny fanenjehana aza dia tsy hanaisotra amintsika ny fifaliantsika amin’ny maha-mpitory ilay Fanjakana antsika. — Matio 5:10-12.
Herim-po hiandaniana amin’i Jehovah
9, 10. a) Inona no nataon’ireo Jiosy sy Jentilisa tamin’ny taonjato voalohany mba hahatongavana ho mpanara-dia an’i Kristy vita batisa? b) Nahoana no nilana herim-po ny fahatongavana ho Kristiana?
9 Nisy Jiosy sy Jentilisa maro tamin’ny taonjato voalohany nanary tamin-kerim-po ireo lovantsofina tsy araka ny Soratra Masina ary tonga mpanara-dia an’i Kristy vita batisa. Fotoana fohy taorian’ny Pentekosta 33 am.f.i., dia “nihamaro indrindra ny isan’ny mpianatra tany Jerosalema; ary maro be kosa ny mpisorona nanaiky ny finoana”. (Asan’ny Apostoly 6:7). Nanana herim-po hanapahana ireo fatorana ara-pivavahana ireo Jiosy ireo, ary nanaiky an’i Jesosy ho Mesia.
10 Nanomboka tamin’ny 36 am.f.i., dia nisy Jentilisa maro tonga mpino. Rehefa nandre ny vaovao tsara i Kornelio sy ny mpianakaviny ary ny Jentilisa hafa, dia nanaiky izany avy hatrany izy ireo, nandray ny fanahy masina, ary dia “natao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy”. (Asan’ny Apostoly 10:1-48). Tany Filipy, ny Jentilisa iray mpiambina tranomaizina, sy ny mpianakaviny dia nanaiky haingana ny Kristianisma, ary “natao batisa tamin’izay izy mbamin’izay azy rehetra”. (Asan’ny Apostoly 16:25-34). Nilaina ny herim-po mba hanaovana izany dingana izany, satria olona vitsy an’isa izay nenjehina sady tsy tiam-bahoaka ireo Kristiana. Mbola toy izany ihany izy ireo. Kanefa raha mbola tsy nanolo-tena ho an’Andriamanitra ianao ka mbola tsy vita batisa amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah, moa ve tsy izao no fotoana tokony hanaovanao ireo dingana mampiseho herim-po ireo?
Herim-po ao amin’ny tokantrano voazarazara
11. Nanome ohatra tsara dia tsara nampiseho herim-po inona i Eonika sy i Timoty?
11 Namela ohatra tsara dia tsara teo amin’ny finoana feno herim-po tao amin’ny tokantrano voazarazara ara-pivavahana i Eonika sy i Timoty zanany lahy. Na dia nanana vady mpanompo sampy aza i Eonika, dia nampianatra ny zanany lahy “ny Soratra Masina” hatramin’ny fahazazany izy. (2 Timoty 3:14-17). Rehefa tonga Kristiana izy, dia naneho ‘finoana tsy nihatsaravelatsihy’. (2 Timoty 1:5). Nanana herim-po hizarana ny fampianarana kristiana tamin’i Timoty koa izy sady naneho fanajana ny naha-lohany an’ilay vadiny tsy mpino. Azo antoka fa ny finoany sy ny herim-pony dia novalian-tsoa rehefa voafidy hiaraka tamin’i Paoly tamin’ireo dia misionera ilay zanany lahy nampianarina tsara. Afaka mampahery ireo ray na reny kristiana izay ao anatin’ny tarehin-javatra toy izany tokoa lahy izany!
12. Nanjary karazan’olona nanao ahoana moa i Timoty, ary iza izao no hita fa sahala aminy?
12 Na dia niaina tao anatin’ny tokantrano voazarazara ara-pivavahana aza i Timoty, dia nanaiky tamin-kerim-po ny Kristianisma izy ary tonga olona araka ny fanahy. Afaka niteny toy izao ny aminy i Paoly: “Nefa manantena ao amin’i Jesosy Tompo aho fa haniraka an’i Timoty faingana ho atỳ aminareo [Filipiana], mba hifaliako koa, rehefa fantatro ny toetrareo. Fa tsy manana olona mitovy fanahy [aminy, fanamarihana ambany pejy] aho na dia iray akory aza, izay hazoto hiahy anareo. (...) Izy kosa dia fantatrareo fa lehilahy voazaha toetra, fa efa niara-nanompo tamiko teo amin’ny filazantsara, tahaka ny zanaka manompo ny rainy.” (Filipiana 2:19-22). Amin’izao andro izao, dia zazalahy sy zazavavy maro ao amin’ny tokantrano voazarazara ara-pivavahana no mandray amin-kerim-po ny Kristianisma marina. Sahala amin’i Timoty, dia manome porofo manamarina izany avy amin’ny tenany izy ireo, ary toy inona moa ny fifaliantsika noho ny maha-anisan’ny fandaminan’i Jehovah azy ireo!
Herim-po ‘hanao vy very ny aintsika’
13. Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’i Akoila sy i Prisila herim-po?
13 I Akoila sy i Prisila (Priska) vadiny, dia namela ohatra tamin’ny ‘fanaovana vy very ny ainy’ tamin-kerim-po ho an’ny mpiray finoana iray. Nandray an’i Paoly tao an-tranony izy ireo, niara-niasa taminy tamin’ny fanamboarana lay, ary nanampy azy mba hanorina ilay kongregasiona vaovao tao Korinto. (Asan’ny Apostoly 18:1-4). Nandritra ireo 15 taona nisakaizan’izy ireo, dia nanao vivery ny ainy ho azy mihitsy izy ireo, ka izany dia tsy voalaza hoe tamin’ny fomba ahoana. Nipetraka tao Roma izy ireo rehefa nilaza tamin’ireo Kristiana tao toy izao i Paoly: “Veloma amin’i Prisila sy Akoila, mpiara-miasa amiko ao amin’i Kristy Jesosy; izy mivady dia [nanao vy very ny ainy hamonjena ahy, DIEM]; nefa tsy izaho ihany no misaotra azy, fa ny fiangonana rehetra any amin’ny jentilisa koa.” — Romana 16:3, 4.
14. Tamin’ny fanaovana vivery ny ainy ho an’i Paoly, dia nanao zavatra nifanaraka tamin’ny didy inona i Akoila sy i Prisila?
14 Tamin’ny fanaovana vivery ny ainy ho an’i Paoly, i Akoila sy i Prisila dia nanao zavatra nifanaraka tamin’ny tenin’i Jesosy hoe: “Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.” (Jaona 13:34). “Vaovao” io didy io noho izy lasa lavitra kokoa noho ny fitakian’ny Lalàn’i Mosesy ny hitiavan’ny olona iray ny namany tahaka ny tenany. (Levitikosy 19:18). Izany dia mitaky fitiavana feno fahafoizan-tena tonga hatramin’ny fanomezana ny ain’ny tena ho an’ny hafa, toy ny nataon’i Jesosy. Ilay mpanoratra tamin’ny taonjato faharoa sy fahatelo am.f.i. atao hoe Tertullien, dia nanonona teny nataon’olona teo amin’izao tontolo izao momba ny Kristiana rehefa nanoratra hoe: “ ‘Jereo’, hoy izy ireo, ‘toy inona ny fifankatiavan’izy samy izy (...) ary hatraiza ny fahavononany ho faty ho an’ny hafa.’ ” (Apologétique, toko faha-39, 7). Rehefa ao anatin’ny fanenjehana indrindra no mety hahavoatery antsika haneho fitiavan-drahalahy amin’ny fanaovana vivery ny aintsika amin-kerim-po mba hiarovana ireo mpiray finoana tsy hiharan’ny herisetra na ny fahafatesana avy amin’ny tanan’ny fahavalo. — 1 Jaona 3:16.
Mitondra fifaliana ny herim-po
15, 16. Araka ny aseho ao amin’ny Asan’ny Apostoly toko faha-16, ahoana no mety hifandraisan’ny herim-po amin’ny fifaliana?
15 Noporofoin’i Paoly sy i Silasy fa ny fanehoana herim-po ao anatin’ny fitsapana dia afaka mitondra fifaliana. Noho ny baikon’ireo mpitsara sivily tao amin’ny tanànan’i Filipy, dia nokapohina ampahibemaso tamin’ny hazo izy ireo ary natao tao amin’ny boloky hazon’ny tranomaizina. Na dia izany aza, dia tsy nipararetra noho ny tahotra tamin’alahelo izy ireo. Na dia teo aza ny tarehin-javatra mafy nahazo azy, dia mbola nananan’izy ireo ihany ilay herim-po nomen’Andriamanitra sy ilay fifaliana entin’izany ho an’ireo Kristiana mahatoky.
16 Tany amin’ny misasakalina tany ho any, dia nivavaka sy nidera an’Andriamanitra tamin’ny hira i Paoly sy i Silasy. Tampoka teo, dia nisy horohoron-tany nanozongozona ilay tranomaizina sy namaha ny fatoran’izy ireo ary nanakipily ny varavarana hivoha. Nanaovana fanambarana tamin-kasahiana ilay mpiandry tranomaizina raiki-tahotra sy ny fianakaviany. Izany dia nitarika ho amin’ny fanaovana batisa azy ireo tamin’ny naha-mpanompon’i Jehovah azy. “Dia nifaly indrindra izy mbamin’izay rehetra tao an-tranony, satria efa nino an’Andriamanitra.” (Asan’ny Apostoly 16:16-34). Fifaliana toy inona moa no tsy maintsy ho nentin’izany ho an’i Paoly sy i Silasy! Rehefa avy nandinika izany sy ireo ohatra hafa ao amin’ny Soratra Masina mikasika ny herim-po isika, dia ahoana no ahafahantsika mitoetra ho be herim-po amin’ny maha-mpanompon’i Jehovah antsika?
Manàna herim-po hatrany
17. Araka ny asehon’ny Salamo faha-27, ahoana no ifandraisan’ny fanantenana an’i Jehovah amin’ny herim-po?
17 Manampy antsika hitoetra ho be herim-po ny fanantenana an’i Jehovah. Nihira toy izao i Davida: “Manantenà an’i Jehovah; manàna herim-po ary aoka ny fonao hatanjaka. Eny, manantenà an’i Jehovah.” (Salamo 27:14, NW ). Ny Salamo faha-27 dia mampiseho fa niantehitra tamin’i Jehovah ho toy ny “fiarovana mafy” ho an’ny ainy i Davida. (Andininy voalohany). Nanome azy herim-po ny nahitany ny fomba nanaovan’Andriamanitra zavatra tamin’ireo fahavalon’i Davida tamin’ny lasa. (Andininy faha-2, 3). Ny antony hafa iray dia ny fankasitrahana ny foibe fanaovana fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah. (Andininy faha-4). Nampitombo ny herim-pon’i Davida koa ny fitokiana tamin’ny fanampiana sy ny fiarovana ary ny famonjen’i Jehovah. (Andininy faha-5-10). Mahasoa koa ny fampianarana mitohy ny fotopoto-pitsipiky ny lalana marin’i Jehovah. (Andininy faha-11). Nanampy an’i Davida ho be herim-po ny fangatahana tamim-patokiana am-bavaka ny fanafahana avy tamin’ny fahavalony, nomban’ny finoana sy ny fanantenana. (Andininy faha-12-14). Afaka mampitombo ny herim-pontsika amin’izany fomba izany koa isika, ka hampiseho fa tena ‘manantena an’i Jehovah’ tokoa isika.
18. a) Inona no mampiseho fa ny fifaneraserana tsy tapaka amin’ireo mpiara-manompo dia afaka manampy antsika hitoetra ho be herim-po? b) Inona no anjara asan’ny fivoriana kristiana amin’ny fampitomboana ny herim-po?
18 Afaka manampy antsika hitoetra ho be herim-po ny fifaneraserana tsy tapaka amin’ireo mpiara-manompo. Rehefa nangataka hotsarain’i Kaisara i Paoly ka nanao dia nankany Roma, dia nihaona taminy teo amin’ny Tsenan’i Apio sy ny Tranombahiny Telo ireo mpino namany. “Raha nahita azy i Paoly”, hoy ilay fitantarana, “dia nisaotra an’Andriamanitra izy ka nahazo toky [“herim-po”, NW ].” (Asan’ny Apostoly 28:15). Rehefa manatrika, ireo fivoriana kristiana isika dia manaraka ny torohevitr’i Paoly hoe: “Aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany, fa mifananara [“mifampahereza”, NW ] kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.” (Hebreo 10:24, 25). Inona no dikan’ny hoe mifampahery? Ny hoe mampahery dia midika ho “manome herim-po, na herin-tsaina na fanantenana”. (Webster’s Ninth New Collegiate Dictionary). Afaka manao zavatra betsaka isika mba hanomezana herim-po an’ireo Kristiana hafa, ary ny fampaherezana avy amin’izy ireo dia afaka mampitombo toy izany koa io toetra io ao amintsika.
19. Ahoana no ifandraisan’ny Soratra Masina sy ireo zavatra vita an-tsoratra kristiana amin’ny fitoerantsika ho be herim-po?
19 Tsy maintsy mianatra tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra sy mampihatra ny toroheviny eo amin’ny fiainantsika isika mba hitoerana ho be herim-po. (Deoteronomia 31:9-12; Josoa 1:8). Ny fianarantsika tsy tapaka dia tokony hahatafiditra ireo zavatra vita an-tsoratra kristiana miorina amin’ny Soratra Masina, satria ireo torohevitra mahasoa omena toy izany, dia hanampy antsika hiatrika ireo fitsapana ny finoana amin’ny alalan’ilay herim-po omen’Andriamanitra. Avy tamin’ireo fitantarana ao amin’ny Baiboly, dia hitantsika ny fomba nisehoan’ireo mpanompon’i Jehovah ho be herim-po tao anatin’ny tarehin-javatra isan-karazany. Amin’izao fotoana izao, dia mety tsy ho fantatsika ny fomba ahafahan’ireny filazana ireny manampy antsika, kanefa dia manan-kery ny Tenin’Andriamanitra, ary izay ianarantsika avy ao dia afaka mitondra soa ho antsika mandrakariva. (Hebreo 4:12). Raha manomboka misy fiantraikany eo amin’ny fanompoantsika, ohatra, ny tahotra olona, dia enga anie isika hitadidy ny fomba nananan’i Enoka herim-po nampita ny hafatr’Andriamanitra tamin’olona tsy tia an’Andriamanitra. — Joda 14, 15.
20. Nahoana no azo lazaina fa tena zava-dehibe ny vavaka raha tiantsika ny hitoetra ho be herim-po amin’ny maha-mpanompon’i Jehovah antsika?
20 Mba hitoerana ho be herim-po amin’ny maha-mpanompon’i Jehovah, dia tsy maintsy maharitra amin’ny vavaka isika. (Romana 12:12). Niaritra tamin-kerim-po ireo fitsapana nahazo azy i Jesosy satria “nanao fivavahana sy fangatahana nomban’ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be tamin’Izay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana Izy, sady voahaino noho ny fahatahorany an’Andriamanitra”. (Hebreo 5:7). Amin’ny fitoerana ho akaikin’Andriamanitra amin’ny vavaka, isika dia tsy ho sahala amin’ireo olona kanosa eo amin’izao tontolo izao izay voatokana hiharan’ny “fahafatesana faharoa” izay tsy hisian’ny fitsanganana amin’ny maty. (Apokalypsy 21:8). Ny fiarovan’Andriamanitra sy ny fiainana ao amin’ilay tontolony vaovao dia natao ho an’ireo mpanompony be herim-po.
21. Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah mahatoky no afaka ny ho be herim-po?
21 Amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah mahatoky antsika, dia tsy ilaintsika ny hatahotra an’ireo demonia sy ireo fahavalo olombelona, satria isika manana ny fanohanan’Andriamanitra sy ny ohatra feno herim-po navelan’i Jesosy, amin’ny maha-mpandresy an’izao tontolo izao azy. Ny fifaneraserana mampandroso ara-panahy amin’ny vahoakan’i Jehovah dia manampy antsika toy izany koa mba ho be herim-po. Mitombo koa ny herim-pontsika amin’ny alalan’ny fitarihana sy ny torohevitry ny Soratra Masina sy ireo zavatra vita an-tsoratra kristiana. Ary ny fitantarana ny amin’ireo mpanompon’Andriamanitra tamin’ny lasa dia manampy antsika handeha amin-kerim-po amin’ny lalany. Amin’izao andro farany sarotra izao àry, dia aoka isika handroso haingana amin-kasahiana eo amin’ny fanompoana masina. Eny, aoka ny vahoakan’i Jehovah rehetra samy hanana herim-po avokoa!
Ahoana no Havalinao?
◻ Ahoana no ahafahan’ny ohatr’i Jesosy, hameno herim-po antsika?
◻ Inona no nanome an’i Jesosy sy ireo mpianany herim-po mba hitoriana hatrany?
◻ Nahoana ny Jiosy sy ny Jentilisa no nila herim-po mba hiandaniana tamin’i Jehovah?
◻ Ohatra ny amin’ny herim-po inona avy no nomen’i Eonika sy i Timoty?
◻ Inona no porofo mampiseho fa mitondra fifaliana ny herim-po na dia ao anatin’ny fanenjehana aza?
[Sary, pejy 18]
Sahala amin’i Jesosy, dia afaka manohitra fakam-panahy amim-pahatahan-kevitra isika raha mampihatra sy manonona ny Soratra Masina