Mamela Heloka dia Mamela Heloka Tokoa i Jehovah
“Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny làlany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin’i Jehovah ireny, (...) fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.” — ISAIA 55:7.
1. Fitahiana inona ankehitriny no azon’ireo izay mahazo famelan-keloka avy amin’i Jehovah?
MAMELA ny helok’ireo mpanao ratsy mibebaka i Jehovah ka avy eo dia manampy azy ireo mba hanana fiadanan-tsaina ao amin’ny paradisa ara-panahy iray. Izany no izy satria mahafeno ireto fepetra ireto izy ireo: “Mitadiava an’i Jehovah, dieny mbola hita Izy, miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy. Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny làlany, ary ny [lehilahy manisy ratsy, NW ] hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin’i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa [“hamela heloka amin’ny fomba malalaka”, NW ] Izy.” — Isaia 55:6, 7.
2. a) Inona no tiana holazaina amin’ny hoe ‘mitady an’i Jehovah’ sy ny hoe ‘miverina ho aminy’, voalaza ao amin’ny Isaia 55:6, 7? b) Nahoana ireo Jiosy natao sesitany tany Babylona no nila ny niverina tamin’i Jehovah, ary inona no nitranga tamin’ny sasany tamin’izy ireo?
2 Mba ‘hitadiavana an’i Jehovah’ sy hiantsoana azy amin’ny fomba azo ekena, ny ratsy fanahy iray dia tsy maintsy mandao ny lalan-dratsiny sy izay hevitra rehetra ny hanisy ratsy ny hafa. Ny ilana “hiverina ho amin’i Jehovah” dia mampiseho fa nisy fotoana nananan’ilay mpanao ratsy fifandraisana akaiky tamin’Andriamanitra, kanefa nandao azy io izy. Izany no nitranga tamin’ireo mponin’i Joda. Ny tsy fahatokiany teo anatrehan’Andriamanitra tamin’ny farany dia nitarika ho amin’ny fanaovana an-tsesitany azy tany Babylona. Ireo Jiosy natao sesitany dia nila ny niverina ho amin’i Jehovah, tamin’ny fibebahana noho ireo zava-dratsy nataony ka nitarika ho amin’ny fahababoan’izy ireo tany Babylona sy ho amin’ilay fahafoanan’ny taniny nandritra ny 70 taona nolazaina mialoha. Tamin’ny 537 al.f.i., dia nonenan’ireo sisa jiosy natahotra an’Andriamanitra ka nafahana avy tany Babylona noho ny didim-panjakana, indray izany tany izany. (Ezra 1:1-8; Daniela 9:1-4). Nahatalanjona aoka izany ireo vokatr’io famerenana ho amin’ny laoniny io, hany ka noharina tamin’ny Paradisan’i Edena ny tanin’i Joda. — Ezekiela 36:33-36.
3. Tamin’ny ahoana no nahitan’ny sisa amin’ny Isiraely ara-panahy fanandraman-javatra nitovy tamin’ny an’ireo natao sesitany natahotra an’Andriamanitra ka niverina tany Joda?
3 Nahita fanandraman-javatra nitovy tamin’ny an’ireo Jiosy natahotra an’Andriamanitra izay niverina tany Joda taorian’ny sesitany tany Babylona, ireo Isiraelita ara-panahy. (Galatiana 6:16). Nanisy fiovana teo amin’ny fanaony sy ny heviny taorian’ny Ady Lehibe Voalohany avy hatrany, ny sisa amin’ny Isiraely ara-panahy. Ny taona 1919 dia nanamarika ny faran’ny fanaovana sesitany azy ireo tany ivelan’ny fahazoana sitraka feno tamin’Andriamanitra ary tao amin’ny faritra anjakan’i Babylona Lehibe, ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. Anisan’ny fahotan’izy ireo ny tahotra olona sy ny fitsaharana teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Satria nibebaka tamin’izany izy ireo, dia nanafaka azy ireo avy tamin’i Babylona Lehibe i Jehovah, ka namerina azy ireo ho amin’ny faritra ara-panahy tokony ho azy indray ary niverina nampiasa azy ireo indray mba hitory ny hafatra momba ilay Fanjakana. Nanomboka tamin’izay, dia nisy paradisa ara-panahy niroborobo teo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra, ho voninahitry ny anarany masina. (Isaia 55:8-13). Ao amin’ilay tandindona fahiny sy ao amin’ilay tena izy maoderina àry isika dia mahita porofo mazava fa misy fitahiana maro manaraka ny famelan’Andriamanitra heloka, ary koa fa tena mamela amin’ny fomba malalaka tokoa ny helok’ireo mibebaka i Jehovah.
4. Inona no atahoran’ny mpanompon’i Jehovah sasany?
4 Noho izany, dia afaka matoky ny famelan-keloka avy amin’i Jehovah ireo mpanompony amin’ny andro ankehitriny. Kanefa, ny sasany amin’izy ireo dia kivy noho ny fahadisoana nataony taloha, ary mila ny hanafotra azy ireo ny fahatsiarovan-tena ho meloka. Tsy mihevi-tena ho mendrika ny hitoetra ao amin’ilay paradisa ara-panahy izy ireo. Raha ny marina, ny sasany dia matahotra sao nanao ilay fahotana tsy hahazoana famelan-keloka ny tenany, ka hoe tsy hahazo ny famelan’i Jehovah na oviana na oviana. Mety ho azo inoana ve izany?
Fahotana sasany izay tsy hahazoana famelan-keloka
5. Nahoana no azo lazaina fa misy fahotana izay tsy hahazoana famelan-keloka?
5 Misy fahotana tsy hahazoana famelan-keloka. Hoy i Jesosy Kristy: “Hahazo famelan-keloka ny olona amin’ny ota sy fitenenan-dratsy samy hafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin’ny fitenenan-dratsy amin’ny Fanahy Masina.” (Matio 12:31). Koa ny fitenenan-dratsy amin’ny fanahy masin’Andriamanitra, na ny heriny miasa, àry dia tsy hahazoana famelan-keloka. Nanisy firesahana ny amin’ny fahotana toy izany ny apostoly Paoly rehefa nanoratra hoe: “Izay efa nohazavaina indray mandeha (...) nefa nihemotra, dia tsy azo havaozina indray ho amin’ny fibebahana, satria manombo ny Zanak’Andriamanitra indray amin’ny hazo fijaliana ka manao Azy ho fahamenarana.” — Hebreo 6:4-6.
6. Inona no manapaka raha hahazoana famelan-keloka na tsia ny fahotana iray?
6 Andriamanitra irery no mahalala raha nanao ilay fahotana tsy hahazoana famelan-keloka ny olona iray na tsia. Kanefa, nanome fahazavana momba io raharaha io i Paoly rehefa nanoratra hoe: “Raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony, fa fiandrasana mahatahotra amin’ny fitsarana”. (Hebreo 10:26, 27). Ny olona mahery loha iray dia manao zavatra amim-piniavana, na koa hoe “kirina ary matetika dia mafy hatoka amin-karatsiam-panahy”. (Webster’s New Collegiate Dictionary). Na iza na iza manohy manota amim-piniavana sy amin-kiry aorian’ny nahafantarany ny fahamarinana, dia tsy hahazo famelan-keloka. Noho izany, dia tsy dia ilay fahotana loatra, fa ny toetran’ny fo, ny ambaratongam-piniavana tafiditra, no misy fiantraikany eo amin’ny hoe azo avela ilay fahotana na tsia. Etsy an-danin’izany kosa, inona no azo inoana fa mitranga rehefa iharan’ny fijalian-tsaina lalina noho ny ratsy vitany ny Kristiana iray nanao fahadisoana? Ny fanahiana lehibe tsapany dia azo inoana fa mampiseho fa tsy nanao fahotana tsy hahazoana famelan-keloka izy, raha ny tena izy.
Tsy hahazoany famelan-keloka ny fahotan’izy ireo
7. Nahoana isika no afaka milaza fa nanao fahotana tsy hahazoany famelan-keloka ny sasany tamin’ireo mpanohitra ara-pivavahana an’i Jesosy?
7 Ny mpitondra fivavahana jiosy sasany izay nanohitra an’i Jesosy dia tena nanao fahotana feno finiavana ka noho izany dia tsy hahazoany famelan-keloka. Na dia nahita ny fiasan’ny fanahy masin’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesosy fony izy nanao soa sy fahagagana aza ireo anisan’ny klerjy ireo, dia nilaza fa avy tamin’i Belzeboba, na Satana Devoly, ny fahefany. Nanota tamim-pahalalana tanteraka ny amin’ny fiasan’ny fanahin’Andriamanitra tsy azo nolavina, izy ireo. Noho izany, dia nanao fahotana tsy hahazoany famelan-keloka izy ireo, satria hoy i Jesosy: “Na iza na iza no miteny hanohitra ny Fanahy Masina, dia tsy mba hahazo famelan-keloka, na amin’izao fiainana izao, na amin’ny ho avy.” — Matio 12:22-32.
8. Nahoana no tsy hahazoany famelan-keloka ny fahotan’i Jodasy Isikariota?
8 Ny fahotan’i Jodasy Isikariota koa dia tsy nahazoana famelan-keloka. Ny famadihany an’i Jesosy no asa fara tampony feno kiry sy finiavana teo amin’ny lalana feno fihatsarambelatsihy sy tsy fahamarinana narahiny. Ohatra, rehefa nahita an’i Maria nanosotra an’i Jesosy tamin’ny menaka sady tsara no sarobidy i Jodasy, dia nanontany toy izao: “Nahoana io menaka io no tsy namidy denaria telon-jato ka nomena ny malahelo?” Nanampy teny toy izao ny apostoly Jaona: “Ary [Jodasy] no nilaza izany, tsy noho ny fiahiany ny malahelo, fa satria mpangalatra izy sady nitondra ny kitapo ka naka izay tao anatiny.” Tsy ela taorian’izay, dia namadika an’i Jesosy tamin’ny sekely volafotsy telopolo, i Jodasy. (Jaona 12:1-6; Matio 26:6-16). Marina fa nanenina i Jodasy ary namono tena. (Matio 27:1-5). Kanefa tsy nahazo famelan-keloka izy, satria ny lalana feno fitiavan-tena narahiny tamim-piniavana sy tsy an-kijanona, ary koa ilay famadihana nataony, dia nanome taratry ny fanotany tamin’ny fanahy masina. Tena mety indrindra ny niantsoan’i Jesosy an’i Jodasy hoe “ilay zanaky ny fahaverezana”! — Jaona 17:12; Marka 3:29; 14:21.
Nahazoany famelan-keloka ny fahotan’izy ireo
9. Nahoana Andriamanitra no namela ireo fahotan’i Davida nifandray tamin’i Batseba?
9 Mifanohitra tanteraka amin’ireo fahadisoana nataon’ireo nahazo famelan-keloka avy amin’Andriamanitra ireo fahotana natao tamim-piniavana. Raiso, ohatra, i Davida Mpanjakan’ny Isiraely. Nijangajanga tamin’i Batseba vadin’i Oria izy ary tatỳ aoriana dia nanasa an’i Joaba hanao izay hahafaty an’i Oria tany an’ady. (2 Samoela 11:1-27). Nahoana Andriamanitra no naneho famindram-po tamin’i Davida? Noho ilay fanekena ny amin’ilay Fanjakana aloha voalohany indrindra, fa noho ny famindram-po nasehon’ny tenan’i Davida sy noho ny fibebahany tamim-pahatsorana koa. — 1 Samoela 24:5-8; 2 Samoela 7:12; 12:13.
10. Na dia nanao fahotana lehibe aza i Petera, nahoana Andriamanitra no namela azy?
10 Diniho koa ny apostoly Petera. Nanao fahotana lehibe izy tamin’ny fandavana an’i Jesosy niverimberina. Nahoana Andriamanitra no namela ny helok’i Petera? Tsy toa an’i Jodasy Isikariota i Petera fa nanao ny marina teo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra sy i Kristy. Ny fahotan’io apostoly io dia vokatry ny fahalemen’ny nofo, ary nibebaka marina izy ka “nitomany fatratra”. — Matio 26:69-75.
11. Ahoana no hamaritanao ny hoe “fibebahana”, ary inona no tokony hataon’ny olona iray raha mibebaka marina izy?
11 Ireo ohatra ireo dia mampiseho fa na dia ny olona manao fahotana lehibe aza dia afaka mahazo famelan-keloka avy amin’i Jehovah Andriamanitra. Fihetsika manao ahoana anefa no takina mba hahazoana famelan-keloka? Tena zava-dehibe ny fibebahana marina raha tian’ny Kristiana iray nanao fahadisoana ny hahazo famelan-keloka avy amin’Andriamanitra. Ny hoe mibebaka dia midika hoe “miala amin’ny ota fa malahelo noho ny ratsy natao taloha”, na hoe “mahatsiaro fanenenana na alahelo noho izay nataon’ny tena na tsy nataon’ny tena”. (Webster’s Third New International Dictionary). Ny olona mibebaka marina dia hampiseho fanenenana noho izay tsiny, alahelo na zava-manahirana nentin’ny fanotany tamin’ny anaran’i Jehovah sy ny fandaminany. Ilay mpanao ratsy mibebaka dia hamoa voa mifanentana amin’izany koa, ka hanao asa mendrika ny fibebahana. (Matio 3:8; Asan’ny Apostoly 26:20). Ohatra, raha nanambaka olona izy, dia hanao dingana araka ny antonony mba hanonerana izay nafoin’ilay olona. (Lioka 19:8). Ny Kristiana mibebaka toy izany dia manana antony araka ny Soratra Masina tsara mba hatokiana fa hamela ny helony amin’ny fomba malalaka i Jehovah. Inona avy izany?
Ireo antony hatokiana ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra
12. Inona no fototra lazain’ny Salamo 25:11 fa ahazoan’ny olona mibebaka iray mivavaka mba hahazoana famelan-keloka?
12 Ny mpanao ratsy iray mibebaka dia afaka mivavaka amim-patokiana mba hahazo famelan-keloka, miorina amin’ny anaran’i Jehovah. Niangavy toy izao i Davida: “Noho ny anaranao, Jehovah ô, dia mamelà ny heloko, fa lehibe izany.” (Salamo 25:11). Ny vavaka toy izany, arahin’ny fibebahana noho izay tsiny rehetra nentin’ilay mpanao ratsy tamin’ny anaran’Andriamanitra, dia tokony hisakana azy tsy hanao fahotana lehibe amin’ny hoavy.
13. Inona no anjara asan’ny vavaka eo amin’ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra?
13 Mamaly ireo vavaka feno fahatsorana ataon’ny mpanompony nanao fahadisoana nefa mibebaka, i Jehovah Andriamanitra. Ohatra, i Jehovah dia tsy nanampin-tsofina teo anoloan’i Davida, izay nivavaka tamin’ny fony rehefa avy nahatsapa ny halehiben’ireo fahotany nifandray tamin’i Batseba. Raha ny tena izy, ireo tenin’i Davida ao amin’ny Salamo 51, dia maneho ny fihetseham-pon’ny mpitalaho maro. Niangavy toy izao izy: “Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao; araka ny haben’ny fiantranao vonoy ny fahadisoako. Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana. Ny fanatitra ho an’Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona.” — Salamo 51:1, 2, 17.
14. Fanomezan-toky inona no omen’ny Soratra Masina ny amin’ny famelan’Andriamanitra ny helok’ireo izay maneho finoana ny sorom-panavotan’i Jesosy?
14 Mamela ny helok’ireo izay maneho finoana ny sorom-panavotan’i Jesosy Andriamanitra. Nanoratra toy izao i Paoly: “Izy no ananantsika fanavotana amin’ny rany, dia ny famelana ny fahadisoantsika”. (Efesiana 1:7). Nanoratra hevitra mitovy amin’izany toy izao koa ny apostoly Jaona: “Anaka, izany zavatra izany no soratako ny aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina; ary Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao koa.” — 1 Jaona 2:1, 2.
15. Mba hanohizana hahazo ny famindram-pon’Andriamanitra, inona moa no tsy maintsy ataon’ny mpanota iray mibebaka?
15 Ny famindram-pon’i Jehovah dia manome ho an’ny mpanao ratsy iray mibebaka, fototra hatokiana fa afaka mahazo famelan-keloka izy. Nilaza toy izao i Nehemia: “Andriamanitry ny famelan-keloka Hianao ka miantra sy mamindra fo, mahari-po sady be [hatsaram-panahy miharo fitiavana, NW ]”. (Nehemia 9:17; ampitahao amin’ny Eksodosy 34:6, 7.) Mazava ho azy fa mba hanohizany hahazo ny famindram-pon’Andriamanitra, dia tsy maintsy miezaka mafy mba hitandrina ny lalàn’Andriamanitra ilay nanota. Araka ny nolazain’ilay mpanao salamo, dia “aoka ho tonga amiko ny fiantranao, mba ho velona aho; fa ny lalànao no firavoravoako. Lehibe ny antranao, Jehovah ô; velomy aho araka ny fitsipikao.” — Salamo 119:77, 156.
16. Fampiononana inona no omen’ny fahalalana fa maneho fiheverana ny maha-mpanota antsika i Jehovah?
16 Manisy fiheverana ny maha-mpanota antsika i Jehovah, ka izany koa dia manome ho an’ny mpanao ratsy iray mibebaka fampiononana sy antony hivavahana amim-patokiana fa hamela azy Andriamanitra. (Salamo 51:5; Romana 5:12). Nanome toky feno fampiononana i Davida mpanao salamo rehefa nanambara toy izao: “Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy [Jehovah Andriamanitra], na mamaly antsika araka ny helotsika, fa tahaka ny hahavon’ny lanitra ambonin’ny tany no haben’ny famindrampony amin’izay matahotra Azy. Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana no halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika. Tahaka ny fiantràn’ny ray ny zanany no fiantràn’i Jehovah izay matahotra Azy; fa Izy mahalala ny toetsika ka mahatsiaro fa vovoka isika.” (Salamo 103:10-14). Eny, mbola be famindram-po sy fiantrana kokoa noho ny ray na ny reny olombelona aza ilay Raintsika any an-danitra.
17. Inona no fiantraikan’ny fanompoana tamim-pahatokiana nataon’ny tena ho an’i Jehovah tamin’ny lasa, eo amin’ny fahazoana famelan-keloka?
17 Ny mpanota iray mibebaka dia afaka mivavaka mba hahazo famelan-keloka, amin’ny fatokiana fa tsy hanadino ny fanompoana tamim-pahatokiana nataony tamin’ny lasa i Jehovah. Tsy niangavy mba hahazo famelan-keloka noho ny fahotany i Nehemia, fa nilaza toy izao kosa: “Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro ô.” (Nehemia 13:31). Ny Kristiana iray mibebaka dia afaka mahita fampiononana avy amin’ireto teny ireto: “Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany”. — Hebreo 6:10.
Fanampiana avy amin’ireo loholona
18. Inona no tokony hatao raha nahatonga ny Kristiana iray ho marary ara-panahy ny fahotany?
18 Ahoana raha tsy mihevitra ny tenany ho mendrika ny hijanona ao amin’ilay paradisa ara-panahy ny Kristiana iray, na tsy afaka mivavaka satria nahatonga azy ho marary ara-panahy ny fahotany? “Aoka izy hampaka ny loholon’ny fiangonana; ary aoka hanosotra diloilo azy amin’ny anaran’ny Tompo ireo sady hivavaka eo aminy”, hoy ny nosoratan’i Jakoba mpianatra. “Ary ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy; ary raha nanota izy, dia havela ny helony.” Eny, ireo loholon’ny kongregasiona dia afaka mivavaka miaraka amin’ny mpiray finoana aminy mibebaka iray sy ho azy, amin’ny fanantenana ny hamerenana aminy indray fahasalamana ara-panahy tsara. — Jakoba 5:14-16.
19. Raha voaroaka ny olona iray, inona no tsy maintsy ataony mba hahazoana famelan-keloka ka ho voaray indray?
19 Na dia mandroaka mpanota iray tsy mibebaka aza ny komity ara-pitsarana iray, izany akory tsy midika fa nanao ilay fahotana tsy hahazoana famelan-keloka izy. Mba hahazoana famelan-keloka sy mba hahavoaray indray anefa, dia tsy maintsy mankatò amim-panetren-tena ireo lalàn’Andriamanitra izy, mamoa vokatra mendrika ny fibebahana ary manao fangatahana amin’ireo loholona mba horaisina indray. Rehefa avy noroahina avy tao amin’ny kongregasiona tany Korinto fahizay ny mpijangajanga iray, dia nanoratra toy izao i Paoly: “Ampy ho amin’izany olona izany ny fampijaliana nataon’ny maro, ka dia aleo mamela heloka sy mampifaly azy kosa hianareo, fandrao dia resin’ny fitomboan’alahelo izany olona izany. Koa mananatra anareo aho mba hekenareo horaisina tsara amin’ny fitiavana izy.” — 2 Korintiana 2:6-8; 1 Korintiana 5:1-13.
Manome hery Andriamanitra
20, 21. Inona no mety hanampy olona iray mitebiteby sao nanao fahotana tsy hahazoana famelan-keloka ny tenany?
20 Raha ratsy fahasalamana ianao na voan’ny fihenjanana ka izany dia miteraka fanahiana sao nanao fahotana tsy hahazoana famelan-keloka ny tena, dia mety hanampy ny fialan-tsasatra sy ny torimaso tsara. Ny tokony hotadidinao indrindra anefa dia ireto tenin’i Petera ireto: “Apetraho [amin’Andriamanitra] ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo.” Ary aza avela hanakivy anao na oviana na oviana i Satana, satria nanampy teny toy izao i Petera: “Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; tohero izy, ka miorena tsara amin’ny finoana hianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran’izao tontolo izao. Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, (...) rehefa niaritra fahoriana vetivety hianareo, dia Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo.” — 1 Petera 5:6-10.
21 Koa raha feno fanenenana ianao nefa natahotra sao meloka ho nanao fahotana tsy hahazoana famelan-keloka, dia tadidio fa feno fahendrena sy rariny ary fitiavana ireo lalan’Andriamanitra. Noho izany, dia mivavaha aminy amim-pinoana. Aza mitsahatra mandray ny sakafo ara-panahy izay omeny amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina”. (Matio 24:45-47, NW ). Miaraha amin’ireo mpiray finoana aminao ary mandraisa anjara tsy tapaka amin’ny fanompoana kristiana. Izany dia hanatanjaka ny finoanao ary hanafaka anao amin’ny tahotra sao hoe mety ho tsy namela heloka anao Andriamanitra.
22. Inona no hodinihintsika manaraka?
22 Ireo mponina ao amin’ilay paradisa ara-panahy dia afaka mandray fampiononana avy amin’ny fahalalana fa mamela heloka amin’ny fomba malalaka i Jehovah. Kanefa, tsy hoe tsy misy fisedrana akory ny fiainan’izy ireo amin’izao andro izao. Angamba izy ireo ketraka satria maty ny olon-tiany iray na marary mafy ny namany tsy foiny iray. Araka ny ho hitantsika, amin’ireo toe-javatra ireo sy amin’ny hafa koa, dia manampy i Jehovah ary mitarika ny vahoakany amin’ny alalan’ny fanahiny masina.
Inona avy no Valin-teninao?
◻ Inona no porofo fa ‘mamela heloka amin’ny fomba malalaka’ i Jehovah?
◻ Fahotana inona no tsy hahazoana famelan-keloka?
◻ Ao anatin’ny toe-javatra manao ahoana avy no avela ny fahotan’ny tena?
◻ Nahoana ireo mpanao ratsy mibebaka no afaka matoky ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra?
◻ Fanampiana inona no azon’ireo mpanao ratsy mibebaka raisina?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 10]
Fantatrao ve hoe nahoana i Davida sy i Petera no nahazo famelan-keloka, fa i Jodasy Isikariota kosa tsy nahazo?
[Sary, pejy 12]
Ny fanampian’ireo loholon’ny kongregasiona dia afaka manampy ny Kristiana iray be dia be eo amin’ny ara-panahy