-
Jesosy KristyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Mbola nanan-tsafidy foana. Nilaza i Jesosy fa “tsy maintsy ho tanteraka” ny faminaniana rehetra momba ny Mesia. (Lk 24:44-47; Mt 16:21; ampit. Mt 5:17.) Tsy midika anefa izany hoe tsy nisy andraikiny tamin’ilay izy, na hoe tsy nanan-tsafidy intsony izy. Mbola afaka nifidy mantsy izy na hivadika na tsia, fa tsy hoe izay tian’i Jehovah, ilay Andriamanitra Mahery Indrindra, ihany no hatao. Tsy maintsy nanao ny anjarany ilay Zanany mba hahatanteraka an’ireo faminaniana. Nataon’Andriamanitra azo antoka anefa fa ho tanteraka izany, satria ilay “Zanany tiany” no nofidiny hanatanteraka izany. (Kl 1:13) Mbola nanana safidy malalaka foana ilay Zanany, na dia rehefa olombelona teto an-tany aza. Nilaza mantsy izy fa nanana ny sitrapony. Nasehony koa anefa fa nanaiky ny sitrapon-dRainy izy. (Mt 16:21-23; Jn 4:34; 5:30; 6:38) Niezaka mafy koa izy nanatanteraka ny asa nanendrena azy voalaza ao amin’ny Tenin’ny Rainy. (Mt 3:15; 5:17, 18; 13:10-17, 34, 35; 26:52-54; Mr 1:14, 15; Lk 4:21) Tsy niankina taminy anefa ny fahatanterahan’ny faminaniana sasany, satria nisy taorian’ny nahafatesany vao tanteraka. (Mt 12:40; 26:55, 56; Jn 18:31, 32; 19:23, 24, 36, 37) Niady mafy izy ny alina talohan’ny nahafatesany mba ho ny sitrapon’ny Rainy, izay hendry kokoa no izy, no hatao fa tsy ny azy. (Mt 26:36-44; Lk 22:42-44) Tsapany tsara koa tamin’izay fa nila niantehitra tamin’i Jehovah Andriamanitra Rainy izy mba hahazoana hery, na dia olona lavorary aza.—Jn 12:23, 27, 28; He 5:7.
-
-
Lavorary, Tonga LafatraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Lavorary i Kristy Jesosy. Olombelona lavorary, izany hoe masina sy tsy nisy ota, i Jesosy tamin’izy teraka. (Lk 1:30-35; He 7:26) Lavorary ny vatany nefa voafetra ihany izany. Olombelona izy ka voafetra ihany ny zavatra azony natao. Nahatsiaro reraka izy, nangetaheta, ary noana. Nety maty koa izy. (Mr 4:36-39; Jn 4:6, 7; Mt 4:2; Mr 15:37, 44, 45) Fikasan’i Jehovah Andriamanitra ny hanao an’ilay Zanany lahy ho Mpisoronabe ho an’ny olombelona. Nila “natao lavorary” (gr.: teleiôô) anefa i Jesosy, na dia efa lavorary aza, mba hanaovany an’io asa io, ka hahafeno ny fepetra takin’ny Rainy, ary hahatratra ny tanjona izay nokendrena momba azy. Ireto avy izany fepetra izany: Tokony ho tonga “tahaka an’ireo ‘rahalahiny’ izy tamin’ny lafiny rehetra”, ka hiaritra fahoriana sy hianatra hankatò ao anatin’ny fitsapana, toa an’ireo “rahalahiny” na mpanara-dia azy ihany. ‘Hahay hangoraka antsika amin’ny fahalementsika’ izy amin’izay satria efa “notsapaina tamin’ny lafiny rehetra toa antsika koa, nefa tsy nanota.” (He 2:10-18; 4:15, 16; 5:7-10) Tokony ho lasa fanahy tsy mety maty any an-danitra koa izy aorian’ny hahafatesany ho sorona lavorary sy hananganana azy amin’ny maty. Amin’izany fomba izany no ‘anaovana [azy] ho lavorary mandrakizay’ mba ho lasa Mpisoronabe. (He 7:15–8:4; 9:11-14, 24) Tsy maintsy ‘atao lavorary’ koa ireo ho lasa mpisorona lefitra miaraka amin’i Kristy, izany hoe tsy maintsy atao izay hahatratraran’izy ireo an’ilay tanjony any an-danitra izay niantsoana azy.—Fi 3:8-14; He 12:22, 23; Ap 20:6.
-