-
Aoka Isika ho Naman’izay MinoNy Tilikambo Fiambenana—1999 | 15 Desambra
-
-
Fampiasana araka ny mety ny Tenin’Andriamanitra
6. Avy taiza no nakan’i Paoly ireo teny notononiny voarakitra ao amin’ny Hebreo 10:38?
6 Nampitombo ny finoan’ireo mpiray finoana taminy koa i Paoly, tamin’ny nampiasany tamim-pahakingana ny Soratra Masina. Izao, ohatra, no nosoratany: “Ary ‘ny oloko marina dia ho velon’ny finoana;’ fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko.” (Hebreo 10:38). Nanonona ny tenin’i Habakoka mpaminany i Paoly teto.a Azo inoana fa nahafantatra tsara ireo teny ireo ny mpamaky ny taratasin’i Paoly, dia ireo Kristianina hebreo izay nahalala tsara ireo boky ara-paminaniana. Ny tanjon’i Paoly dia ny hanatanjaka ny finoan’ireo Kristianina tao Jerosalema sy ny teny akaikiny, tany amin’ny taona 61 am.f.i tany ho any. Raha izany tanjona izany no heverina, dia tena nety tsara ny nifidianan’i Paoly ny ohatr’i Habakoka. Nahoana?
7. Oviana i Habakoka no nandrakitra an-tsoratra ny faminaniany, ary nanao ahoana ny toe-piainana tany Joda tamin’izany fotoana izany?
7 Miharihary fa 20 taona mahery kely monja talohan’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny 607 al.f.i. no nanoratan’i Habakoka ny bokiny. Tao amin’ny fahitana iray, dia hitan’ilay mpaminany ireo Kaldeanina (na Babylonianina), “firenena masiaka sady mirehidrehitra”, manafika tampoka an’i Joda sy mandrava an’i Jerosalema, sady mipaoka olona sy firenena. (Habakoka 1:5-11). Izany loza izany anefa dia efa nambara mialoha nanomboka tamin’ny andron’i Isaia, taonjato iray mahery talohan’izay. Tamin’ny andron’i Habakoka, dia nandimby an’i Josia mpanjaka tsara i Joiakima, ka niroborobo tao Joda indray ny faharatsiana. Nanenjika sy namono nahafaty mihitsy an’ireo niteny tamin’ny anaran’i Jehovah i Joiakima. (2 Tantara 36:5; Jeremia 22:17; 26:20-24). Tsy mahagaga raha niantsoantso toy izao i Habakoka mpaminany izay sahiran-tsaina mafy: “Mandra-pahoviana, Jehovah ô?” — Habakoka 1:2, NW.
8. Nahoana ny ohatr’i Habakoka no hita ho mahasoa ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany sy amin’izao andro izao?
8 Tsy fantatr’i Habakoka hoe toy inona ny fahakekezan’ny fandravana an’i Jerosalema. Toy izany koa fa tsy fantatr’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany hoe rahoviana no hifarana ny fandehan-javatra jiosy. Isika amin’izao andro izao koa dia tsy mahalala ny “andro sy ora” hampiharana ny didim-pitsaran’i Jehovah amin’ity fandehan-javatra ratsy ity. (Matio 24:36). Aoka àry homarihintsika ny valin-teny roa sosona nomen’i Jehovah an’i Habakoka. Voalohany, dia nanome toky an’ilay mpaminany izy fa ho tonga ara-potoana tsara ny farany. “Tsy ho diso aoriana izy”, hoy Andriamanitra, na dia mety ho toa mitaredretra aza ilay izy, araka ny fomba fijerin’olombelona. (Habakoka 2:3, NW ). Faharoa, dia nampahatsiahy an’i Habakoka toy izao i Jehovah: “Ny marina ho velon’ny finoany.” (Habakoka 2:4). Izany ka fahamarinana kanto sy tsotra! Ny zava-dehibe indrindra dia tsy ny hoe rahoviana no ho tonga ny farany, fa ny hoe hanohy hanana fiainam-pinoana ve isika sa tsia.
9. Tamin’ny ahoana ireo mpanompon’i Jehovah nankato no velon’ny finoany a) tamin’ny 607 al.f.i.? b) taorian’ny 66 am.f.i.? d) Nahoana no tena zava-dehibe ny hanatanjahana ny finoantsika?
9 Rehefa norobaina i Jerosalema tamin’ny 607 al.f.i., dia nahita ny fahamarinan’ilay fampanantenana nomen’i Jehovah an’i Habakoka i Jeremia, sy i Baroka mpitan-tsorany, sy i Ebeda-meleka, ary ireo Rekabita nahatoky. ‘Velona’ izy ireo, satria tsy niharan’ilay fandringanana nahatsiravina nahazo an’i Jerosalema. Nahoana? Satria namaly soa ny fahatokian’izy ireo i Jehovah. (Jeremia 35:1-19; 39:15-18; 43:4-7; 45:1-5). Toy izany koa fa tsy maintsy ho nandray tsara ny torohevitr’i Paoly ireo Kristianina hebreo tamin’ny taonjato voalohany, satria rehefa nanafika an’i Jerosalema ny Romanina tamin’ny 66 am.f.i., ary nihataka noho ny antony tsy hay hazavaina nony avy eo, dia nanaraka an-tsakany sy an-davany ny fampitandreman’i Jesosy ny amin’ny tokony handosirana, ireo Kristianina ireo. (Lioka 21:20, 21). Velona izy ireo, noho ny fahatokiany. Ho velona toy izany koa isika raha hita ho mahatoky rehefa ho tonga ny farany. Izany ka antony tena lehibe tokony hanatanjahana ny finoantsika ankehitriny!
-
-
Aoka Isika ho Naman’izay MinoNy Tilikambo Fiambenana—1999 | 15 Desambra
-
-
a I Paoly dia nanonona ny dikan-tenin’ny Septante ho an’ny Habakoka 2:4, izay ahitana ilay teny hoe: “Raha misy mihemotra, dia tsy sitraky ny fanahiko”. Tsy hita ao amin’ny soratanana hebreo rehetra misy ankehitriny io teny io. Nisy nandroso hevitra fa ny Septante dia niorina tamin’ny soratanana hebreo tranainy kokoa, izay tsy misy intsony ankehitriny. Na ahoana na ahoana, dia nampidirin’i Paoly teo izy io, teo ambany fitarihan’ny fanahy masin’Andriamanitra. Matoa àry izy io ao, dia satria Andriamanitra no nanome lalana ny hanaovana izany.
-