Voatokana ho Mpidera Amim-pifaliana Maneran-tany
“[Miderà an’i Jah ianareo, ry olona!, NW ]. Miderà, hianareo mpanompon’i Jehovah, miderà ny anaran’i Jehovah.” — SALAMO 113:1.
1, 2. a) Mifanaraka amin’ny Salamo 113:1-3, iza no mendrika ny fiderantsika feno hafanam-po? b) Fanontaniana inona no mety raha apetraka?
I JEHOVAH ANDRIAMANITRA no Mpamorona Lehibe ny lanitra sy ny tany, ilay Tompom-piandrianana eo Amin’izao Rehetra Izao mandrakizay doria. Mendrika tanteraka ny fiderantsika feno hafanam-po izy. Izany no antony andidian’ny Salamo 113:1-3 antsika toy izao: “[Miderà an’i Jah ianareo, ry olona!, NW ]. Miderà, hianareo mpanompon’i Jehovah, miderà ny anaran’i Jehovah. Isaorana anie ny anaran’i Jehovah hatramin’izao ka ho mandrakizay. Hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany no hoderaina anie ny anaran’i Jehovah.”
2 Amin’ny maha-Vavolombelon’Andriamanitra antsika, dia mahafaly antsika ny manao izany. Mampientam-po erỳ ny hoe tsy ho ela dia hataon’i Jehovah Andriamanitra hameno ny tany manontolo io hira fiderana falifaly hiraintsika ankehitriny io! (Salamo 22:27). Re ao anatin’io amboarampeo lehibe maneran-tany io ve ny feonao? Raha eny, toy inona moa no tsy maintsy ho fahasambaranao tafasaraka amin’izao tontolo izao misara-bazana sy tsy misy fifaliana!
3. a) Inona no mahatonga ny vahoakan’i Jehovah hiavaka sy tsy hanam-paharoa? b) Amin’ny fomba ahoana avy isika no voatokana?
3 Ny fiderantsika an’i Jehovah amim-piraisan-tsaina dia azo antoka fa mahatonga antsika hiavaka sy tsy hanam-paharoa. Mifanaraka ny tenintsika ary mifanaraka ny fampianarantsika, mampiasa fomba mitovy hoenti-manambara ny ‘haben’ny fahatsaran’i Jehovah’ isika. (Salamo 145:7). Eny, amin’ny maha-vahoakan’i Jehovah vita fanoloran-tena antsika, dia voatokana ho amin’ny fanompoana an’i Jehovah Andriamanitsika isika. Nilaza tamin’ny Isiraely, vahoakany fahiny vita fanoloran-tena, Andriamanitra mba hitoetra ho tafasaraka tamin’ireo firenena nanodidina azy mba tsy ho voaloton’ny fanaon’ireny firenena ireny. (Eksodosy 34:12-16). Nanome lalàna ny vahoakany izy mba hanampiana azy ireo hanao izany. Toy izany koa amin’izao andro izao, i Jehovah dia nanome antsika ny Teniny Masina, dia ny Baiboly. Mampiseho amintsika ny fomba ahafahantsika mitoetra ho tafasaraka amin’itỳ tontolo itỳ ny toromarika ao anatin’izy io. (2 Korintiana 6:17; 2 Timoty 3:16, 17). Tsy hoe voatokana amin’ny alalan’ny fitokana-monina any amin’ny mônasitera sy ny couvent isika, sahala amin’ireo frera sy maseran’i Babylona Lehibe. Ho fanarahana ny ohatra navelan’i Jesosy Kristy, dia mpidera an’i Jehovah ampahibemaso isika.
Tahafo ilay Mpidera an’i Jehovah Lehibe Indrindra
4. Ahoana no namelan’i Jesosy ohatra raha ny amin’ny fiderana an’i Jehovah?
4 Tsy nihataka na oviana na oviana tamin’ny fikasany hidera an’i Jehovah i Jesosy. Ary izany no nampiavaka azy tamin’izao tontolo izao. Tany amin’ireo synagoga sy tany amin’ny tempoly tao Jerosalema, dia nidera ny anarana masin’Andriamanitra izy. Na tany an-tampon-tendrombohitra na tany amoron-dranomasina, na taiza na taiza no niangonan’ny olona, dia nitory ampahibemaso ireo fahamarinan’i Jehovah i Jesosy. Nanambara toy izao izy: “Midera Anao [ampahibemaso, NW ] Aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany”. (Matio 11:25). Na dia fony izy notsaraina teo anatrehan’i Pontio Pilato aza, dia nanambara toy izao i Jesosy: “Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina.” (Jaona 18:37). Takatr’i Jesosy ny maha-zava-dehibe ny asany. Na taiza na taiza nisy azy, dia nanambara ny amin’i Jehovah sy nidera azy ampahibemaso i Jesosy.
5. Mihatra amin’iza ny Salamo 22:22, ary ahoana no tokony ho fihetsitsika?
5 Ao amin’ny Salamo 22:22, dia ahitantsika izao fanambarana ara-paminaniana izao, momba ilay Mpidera an’i Jehovah Lehibe Indrindra: “Hitory ny anaranao amin’ny rahalahiko aho; eo amin’ny [kongregasiona, NW ] no hiderako Anao.” Ary ao amin’ny Hebreo 2:11, 12, ny apostoly Paoly dia mampihatra an’ireo andininy ireo amin’i Jesosy Tompo sy amin’ireo nohamasinin’i Jehovah Andriamanitra ho amin’ny voninahitra any an-danitra. Sahala aminy, dia tsy menatra ny hidera ny anaran’i Jehovah eo anivon’ny kongregasiona izy ireo. Moa ve isika manana an’io toe-tsaina io rehefa manatrika ireo fivorian’ny kongregasiona? Ny fandraisantsika anjara amin-kafanam-po amin’ireo fivoriana, ao an-tsaina sy amin’ny feo, dia midera an’i Jehovah. Mifarana eo ve anefa ny fiderantsika amim-pifaliana?
6. Nanasa ireo mpianany hanao inona i Jesosy, ary amin’ny fomba ahoana ireo tia fahazavana no manome voninahitra an’Andriamanitra?
6 Araka ny Matio 5:14-16, i Jesosy Tompo dia nanasa koa an’ireo mpanara-dia azy mba hamela ny fahazavan’izy ireo hazava mba hideran’ny hafa an’i Jehovah. Hoy izy: “Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao. (...) Aoka hazava eo imason’ny olona (...) ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.” Manome voninahitra an’Andriamanitra ireo tia fahazavana. Amin’ny filazana sy fanaovan-javatra tsara sy mahasoa ny hafa fotsiny ve no anaovan’izy ireo izany? Tsia, manao izany kosa izy ireo, amin’ny fanomezam-boninahitra an’i Jehovah amim-piraisan-tsaina. Eny, manolo-tena ho an’Andriamanitra ireo tia fahazavana ary tonga mpidera azy amim-pifaliana. Efa nanao an’io dingana mahafaly io ve ianao?
Fifaliana avy amin’ny fiderana an’i Jehovah
7. Nahoana no faly dia faly ireo mpidera an’i Jehovah, ary inona ny fifalian’izy ireo tamin’ny andro Pentekosta 33 am.f.i.?
7 Nahoana ireo mpidera an’i Jehovah no faly dia faly? Satria vokatry ny fanahy masin’Andriamanitra ny fifaliana. Ao amin’ny Galatiana 5:22, izy io dia manarakaraka avy hatrany ny fitiavana. Naneho an’io vokatry ny fanahin’i Jehovah io ireo mpianatr’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany. Tamin’ny andro Pentekosta 33 am.f.i., rehefa nandrotsaka ny fanahiny tamin’ny mpianatr’i Jesosy tokony ho 120 Andriamanitra, dia nanomboka nidera an’i Jehovah tamin’ny fiteny samy hafa izy rehetra. ‘Very hevitra sy talanjona’ ireo Jiosy mpivavaka tsara tonga tao Jerosalema avy tany amin’ny firenena maro. Nihiaka toy izao izy ireo: ‘Rentsika miteny amin’ny fitenintsika avy ny asa lehibe ataon’Andriamanitra izy ireo’! (Asan’ny Apostoly 2:1-11). Inona ny vokatr’io fiderana an’i Jehovah mahatalanjona tamin’ny fiteny maro io? Jiosy sy proselyta jiosy tokony ho 3 000 no nanaiky ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana, izay vaovao tsara momba ny Mesia. Natao batisa izy ireo, nandray ny fanahy masina, ary dodona ny hampiaraka ny feony tamin’ny an’ireo mpidera an’i Jehovah amim-pifaliana. (Asan’ny Apostoly 2:37-42). Fitahiana re izany!
8. Taorian’ny Pentekosta, inona no nataon’ny Kristiana mba hampitomboana ny fifaliany?
8 Manohy toy izao ilay tatitra: “Niray saina isan-andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan’ny tempoly ary namaky mofo tao an-trano ka nihinan-kanina tamin’ny fifaliana sy ny fahatsoram-po, nidera an’Andriamanitra sady nahita fitia tamin’ny vahoaka rehetra. Ary ny olom-bonjena dia nanampin’ny Tompo isan-andro ho isan’ireo.” (Asan’ny Apostoly 2:46, 47). Moa ve ny fifaneraseran’izy ireo sy ny fihinanany hanina fotsiny no nitondra fifaliana ho azy ireo? Tsia, ny fifalian’izy ireo lehibe indrindra dia avy tamin’ny fiderana an’i Jehovah Andriamanitra isan’andro. Ary nitombo ny fifalian’izy ireo rehefa nahita olona an’arivony maro nandray tsara ny hafatra nitondra famonjena nentiny, izy ireo. Toy izany koa ny amintsika amin’izao andro izao.
Mpidera an’Andriamanitra amim-pifaliana any amin’ny firenena rehetra
9. a) Oviana ary tamin’ny fomba ahoana no nanombohan’Andriamanitra nanome fahafahana ny olona avy tamin’ny firenena rehetra mba handre ny vaovao tsarany? b) Nahoana no nirotsaka tamin’i Kornelio sy ireo namany talohan’ny batisan’izy ireo ny fanahy masina?
9 Tsy nirin’i Jehovah ho voafetra ho an’ny firenena iray ilay asa fitondrana fahazavana nataon’ny mpanompony. Noho izany, nanomboka tamin’ny 36 am.f.i., dia nanome fahafahana ny olona avy tamin’ny firenena rehetra handre ny vaovao tsarany izy. Noho ny baikon’Andriamanitra, dia nandeha tany an-tranon’ny kapiteny jentilisa iray tany Kaisaria i Petera. Tany dia nahita an’i Kornelio niara-nivory tamin’ireo namany akaiky indrindra sy ny fianakaviany, izy. Raha mbola nanongilan-tsofina tamin’ny tenin’i Petera izy ireo, dia naneho finoana an’i Jesosy tao am-pony. Ahoana no ahalalantsika izany? Satria nilatsaka tamin’ireo mpino jentilisa ireo ny fanahy masin’Andriamanitra. Raha ny tokony ho izy, ny fanomezana ny fanahin’Andriamanitra dia tsy natao raha tsy taorian’ny batisa, kanefa tamin’io fotoana io, i Jehovah dia nampiseho ny fankasitrahany an’ireo tsy Jiosy ireo talohan’ny nandrobohana azy. Raha tsy nanao izany i Jehovah, dia nety ho tsy nahazo antoka i Petera fa neken’Andriamanitra ho mpanompony izao ny Jentilisa ary koa fa nahafeno fepetra ho amin’ny batisa ao anaty rano izy ireo. — Asan’ny Apostoly 10:34, 35, 47, 48.
10. Ahoana no nanambarana mialoha efa hatramin’ny andro fahiny fa hisy olona avy amin’ny firenena rehetra hidera an’i Jehovah?
10 Efa hatramin’ny andro fahiny i Jehovah no nanambara mialoha fa hisy olona avy amin’ny firenena rehetra hidera azy. Hanana mpidera amim-pifaliana any amin’ny tany rehetra izy. Mba hanaporofoana izany, dia nanonona faminaniana avy tao amin’ny Soratra Hebreo ny apostoly Paoly. Toy izao no nolazainy tamin’ilay kongregasiona tany Roma, kongregasiona nisy Kristiana avy tamin’ny firenena maro: “Mifandraisa hianareo tahaka ny nandraisan’i Kristy anareo koa ho voninahitr’Andriamanitra. Fa lazaiko fa Kristy efa tonga mpanompon’ny voafora noho ny fahamarinan’Andriamanitra hahatò ny teny fikasana tamin’ny razana, mba hankalazan’[ireo firenena, NW ] an’Andriamanitra koa noho ny famindrampo, araka ny voasoratra [ao amin’ny Salamo 18:49] hoe: ‘Izany no hiderako Anao [eo anivon’ireo firenena, NW ] sy hankalazako ny anaranao’. Ary hoy koa Izy [ao amin’ny Deoteronomia 32:43]: ‘Miravoravoa [ianareo ry firenena, NW ], mbamin’ny olony’. Ary koa [ao amin’ny Salamo 117:1]: ‘Miderà an’i Jehovah, [ianareo firenena rehetra ary aoka ny olona rehetra hidera azy, NW ]’.” — Romana 15:7-11.
11. Ahoana no nanampian’Andriamanitra ny olona avy amin’ny firenena rehetra mba hianatra ireo fahamarinany, ary inona no vokany?
11 Tsy afaka ny hidera an’i Jehovah amim-piraisan-tsaina ny olona raha tsy mametraka ny fanantenany amin’i Jesosy Kristy, ilay notendren’Andriamanitra hanapaka ny olona avy amin’ny firenena rehetra. Mba hanampiana azy ireo hahatakatra ny Fahamarinany izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay, dia nanorina fandaharam-pampianarana iraisam-pirenena Andriamanitra. Eo am-panomezana fitarihan-dalana amin’ny alalan’ny kilasin’ny mpanompo mahatoky izy. (Matio 24:45-47). Ny vokany? Feon’olona falifaly maherin’ny dimy tapitrisa no mihira fiderana an’i Jehovah any amin’ny tany maherin’ny 230. Ary an-tapitrisany maro hafa no liana ny hanao toy izany. Jereo ny hamaroan’ny nanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny 1996: 12 921 933. Mahatalanjona!
Nambara mialoha ny amin’ny olona betsaka mpidera an’Andriamanitra amim-pifaliana
12. Fahitana mampihetsi-po inona no hitan’ny apostoly Jaona, ary inona ilay zava-misy tena iainana nasehon’izy io?
12 Tao amin’ny fahitana, ny apostoly Jaona dia nahita “olona betsaka” avy amin’ny firenena rehetra. (Apokalypsy 7:9). Inona no votoatin’ny fiderana hirain’io olona betsaka io miaraka amin’ny sisa voahosotr’Andriamanitra? Izao no lazain’i Jaona amintsika: “Ny famonjena [dia azonay avy amin’Andriamanitray, NW ], Izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana, sy [avy amin’ny, NW ] Zanak’ondry.” (Apokalypsy 7:10). Ambara amim-pahasahiana any amin’ny faritra rehetra eo amin’izao tontolo izao izany. Amin’ny fanofahofana sampan-drofia, raha izany no ilazana azy, dia mihoby an’Andriamanitra amim-piraisan-tsaina ho Tompom-piandrianana eo Amin’izao Rehetra Izao isika ary miaiky amim-pifaliana eo anatrehan’ny lanitra sy ny tany fa ny famonjena antsika dia ‘azontsika’ avy aminy sy avy amin’i Jesosy Kristy Zanany, ny Zanak’ondry. Toy inona moa ny fientanam-pon’ny apostoly Jaona teo am-pijerena an’io fahitana mampihetsi-po momba ny olona betsaka io! Ary toy inona moa ny fientanam-pontsika eo am-pahitana ilay zava-misy tena iainana izay efa hitan’i Jaona, ary indrindra fa hoe anisan’izy io isika!
13. Inona no mampiavaka ny vahoakan’i Jehovah amin’izao tontolo izao?
13 Amin’ny maha-mpanompon’i Jehovah antsika, dia mirehareha isika mitondra ny anarany. (Isaia 43:10, 12). Mahatonga antsika ho samy hafa amin’itỳ tontolo itỳ ny maha-Vavolombelon’i Jehovah antsika. Fifaliana toy inona moa ny mitondra ny anarana miavak’Andriamanitra sy ny manana zava-kendrena eo amin’ny fiainana, dia ny fanaovana ny asany! Nampisy heviny ny fiainantsika ny fikasana lehiben’i Jehovah hanamasina ny anarany masina sy hanamarina ny fiandrianany eo amin’izao rehetra izao, amin’ny alalan’ilay Fanjakana. Ary nanampy antsika izy mba hananantsika toerana ao amin’ny fikasany momba ny anarany sy ny Fanjakany. Tamin’ny fomba telo no nanaovany izany.
Nanankinana ny fahamarinana
14, 15. a) Inona no fomba iray izay nanampian’Andriamanitra antsika mba hananantsika toerana ao amin’ny fikasany momba ny anarany sy ny Fanjakany? b) Amin’ny ahoana ilay Fanjakana naorina tamin’ny 1914 am.f.i. no samy hafa amin’ilay naongana tamin’ny 607 al.f.i.?
14 Voalohany aloha, dia nankinin’i Jehovah tamin’ny vahoakany ny fahamarinana. Ny fanambarana nampientana indrindra dia ny hoe nanomboka nanapaka tamin’ny 1914 ny Fanjakany. (Apokalypsy 12:10). Io fitondram-panjakana any an-danitra io dia samy hafa amin’ilay fanjakana tandindona tany Jerosalema, izay nametrahana ireo mpanjaka avy tamin’ny taranak’i Davida ho eo amin’ny seza fiandrianana. Naongana io fanjakana io, ary nanomboka tamin’ny 607 al.f.i., dia teo ambany fifehezan’ny fanapahan’ny herim-panjakana jentilisa tanteraka i Jerosalema. Ilay Fanjakana vaovao izay naorin’i Jehovah tamin’ny 1914 dia fahefana iray any an-danitra izay sady tsy ho eo ambany fifehezan’olona na iza na iza mihitsy ankoatra an’i Jehovah no tsy ho rava koa. (Daniela 2:44). Afa-tsy izany koa, dia hafa ny fanapahan’izy io. Amin’ny fomba ahoana? Mamaly toy izao ny Apokalypsy 11:15: “Nisy feo mafy tany an-danitra nanao hoe: Ny fanjakana amin’izao tontolo izao dia efa [tonga fanjakan’ny, NW ] Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay.” — Izahay no manao sora-mandry.
15 Mampihatra fahefana amin’ny tontolon’ny olombelona manontolo ‘ilay fanjakan’ny Tompontsika sy ny Kristiny’. Tafiditra ao anatin’io fanehoana vaovao ny fiandrianan’i Jehovah io ilay Zanany Mesianika sy ireo rahalahin’i Jesosy 144 000, izay efa natsangana tamin’ny maty ho amin’ny voninahitra any an-danitra izao ny ankamaroany. Izy io dia tsy hoe zava-mahaliana atao resa-be fotsiny — na hoe teôria mety ho tian’ny mpianatra hiadian-kevitra. Tsia, tena fitondram-panjakana io Fanjakana any an-danitra io. Ary manome antsika antony ampy mba hanohizana hifaly ny fananantsika fahatsinjovan-javatra mahafinaritra, dia ny hiaina mandrakizay ao anatin’ny fahatanterahana, ho vokatry ny fanapahan’izy io. Ny fanankinana amintsika izany fahamarinan’ny Tenin’i Jehovah izany dia manosika antsika hiresaka foana amin’ny fomba tsara ny amin’izy io. (Salamo 56:10). Moa ve ianao manao izany tsy tapaka, amin’ny filazana amin’ny rehetra fa efa manapaka any an-danitra izao ny Fanjakana Mesianikan’Andriamanitra?
Ampian’ny fanahy masina sy ny fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany
16, 17. Inona no fomba faharoa sy fahatelo izay nanampian’Andriamanitra antsika mba hananantsika toerana ao amin’ny fikasany?
16 Ny fomba faharoa izay anampian’Andriamanitra antsika mba hananantsika toerana ao amin’ny fikasany dia amin’ny fanomezana antsika ny fanahiny masina, izay manampy antsika mba hamokatra ny vokany faran’izay tsara eo amin’ny fiainantsika sy hahazo ny fankasitrahany. (Galatiana 5:22, 23). Fanampin’izany, dia nanoratra toy izao ho an’ny Kristiana voahosotra i Paoly: ‘Nandray ny fanahy izay avy amin’Andriamanitra isika, mba ho fantatsika izay zavatra nomen’Andriamanitra antsika [tamin-katsaram-panahy, NW ].’ (1 Korintiana 2:12). Amin’ny fanekentsika hotarihin’ny fanahin’i Jehovah, dia azontsika rehetra atao amin’izao fotoana izao ny mahafantatra sy mahazo ny hevitr’ireo zava-tsoa ankehitriny izay nomeny antsika tamin-katsaram-panahy — ny teny fampanantenany, ny lalàny, ny fotopoto-pitsipiny, sy ny toy izany. — Ampitahao amin’ny Matio 13:11.
17 Raha ny amin’ny fomba fahatelo izay anampian’Andriamanitra antsika, dia eo ilay fianakavian’ny mpirahalahy misy antsika ary koa ny fandaharana mahafinaritra ataon’i Jehovah ao anatin’ny fandaminana mba hanolorana fanompoam-pivavahana. Niresaka ny amin’izy io ny apostoly Petera rehefa nampirisika antsika mba ‘ho tia ny [fitambaran-drahalahy manontolo, NW ]’. (1 Petera 2:17). Ilay fianakaviantsika iraisam-pirenena be fitiavana, misy rahalahy sy anabavy, dia manampy antsika hanompo an’i Jehovah amin’ny fo dibo-kafaliana, araka ny andidian’ny Salamo 100:2 toy izao: “Manompoa an’i Jehovah amin’ny fifaliana; mankanesa eo anatrehany amin’ny fihobiana.” Milaza toy izao koa ny andininy faha-4: “Midira eo amin’ny vavahadiny amin’ny fisaorana, ary eo an-kianjany amin’ny fiderana; misaora Azy, mankalazà ny anarany”. Koa na mitory ampahibemaso isika na manatrika ireo fivoriantsika, dia afaka mahatsapa fifaliana. Fiadanana sy filaminana toy inona moa no hitantsika ao amin’ilay kianja kanton’ny tempoly ara-panahin’i Jehovah!
Derao amim-pifaliana i Jehovah!
18. Nahoana isika no afaka mifaly midera an’i Jehovah na dia eo aza ny fanenjehana na ny olana hafa mianjady amintsika?
18 Na toy inona na toy inona tarehin-javatra sarotra, fanenjehana, na olana hafa, mety hianjady amintsika, dia aoka isika hifaly fa ao amin’ny tranon’i Jehovah fanaovana fanompoam-pivavahana no misy antsika. (Isaia 2:2, 3). Tadidio fa toetran’ny fo io fifaliana io. Ireo rahalahintsika sy anabavintsika kristiana tany am-boalohany dia mpidera an’i Jehovah tamim-pifaliana na dia teo aza ireo zava-tsarotra maro sy famoizan-javatra nodiavin’izy ireo. (Hebreo 10:34). Tsy misy hafa amin’izy ireny ireo mpino namantsika amin’izao andro izao. — Matio 5:10-12.
19. a) Fandidiana miverimberina inona no manosika antsika hidera an’i Jehovah? b) Miankina amin’inona ny fiainantsika mandrakizay, ary inona no fahatapahan-kevitsika?
19 Isika rehetra izay manompo an’i Jehovah dia finaritra mankatò ireo fandidian’ny Baiboly hidera azy. Miverimberina manelanelana ireo fiderana an’Andriamanitra ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy ny fitenenana hoe “Miderà an’i Jah!” (Apokalypsy 19:1-6, NW ). Ao amin’ireo andininy enina ao amin’ny Salamo 150, dia in-13 isika no ilazana mba hidera an’i Jehovah. Izany dia antso alefa manerana an’izao rehetra izao ho an’ny zavaboary rehetra mba hiara-mihira fiderana an’i Jehovah amim-pifaliana. Miankina amin’ny fanatevenantsika ny laharan’io amboarampeo lehibe miredona Haleloia io ny fiainantsika mandrakizay! Eny, ny hany olona hiaina mandrakizay dia ireo izay manao fiderana tsy misy fitsaharana ho an’i Jehovah. Noho izany, dia tapa-kevitra ny hifikitra akaiky amin’ny kongregasionany tsy mivadika maneran-tany isika arakaraka ny anakekezan’ny farany. Amin’izay isika dia afaka manantena ny hahita ireto teny famaranan’ny Salamo 150 ireto ho tanteraka amin’ny fomba feno: “Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’i Jehovah. [Miderà an’i Jah ianareo, ry olona!, NW ].”
Ahoana no Havalinao?
◻ Inona no mahatonga ny vahoakan’i Jehovah hiavaka sy tsy hanam-paharoa?
◻ Nahoana ireo mpanompon’i Jehovah no faly dia faly?
◻ Inona no mampiavaka antsika amin’izao tontolo izao?
◻ Tamin’ny fomba telo inona avy no nanampian’Andriamanitra antsika mba hananantsika toerana ao amin’ny fikasany?
[Sary, pejy 17]
Na taiza na taiza nisy azy, dia nanambara ny amin’i Jehovah sy nidera azy ampahibemaso i Jesosy