Vavaka ataon’iza no mahazo valiny?
“MISY heriny lehibe noho izay azon’ny olombelona sainina ny vavaka.” Izany no nolazain’i Alfred Tennyson, mpanoratra tononkalo anglisy tamin’ny taonjato faha-19. Koa satria maro no mivavaka mba hahazo fahasalamana, fahasambarana, fiadanana ary fanambinana, nefa tsy mahazo valiny, dia heverin’ny sasany fa tsy tena mihaino vavaka Andriamanitra. Milaza anefa ny Baiboly fa “Mpihaino vavaka” izy. — Salamo 65:2.
Mety hanontany tena angamba ianao amin’izany hoe iza moa io “Mpihaino vavaka” io? Ilaina ve ny mahafeno fepetra sasany mba hahatonga ny vavaka ataontsika hohenoina? Ahoana no fomba fivavaka? Vavaka ataon’iza no mahazo valiny?
Nohenoina ny vavak’izy ireo
Efa tranainy toy ny taranak’olombelona ny vavaka. Rehefa nanolotra fanatitra ankasitrahana ho an’Andriamanitra i Abela, anankiray tamin’ireo zanakalahin’i Adama sy Eva, ray aman-drenintsika voalohany, dia tsy isalasalana mihitsy fa narahiny fitalahoana sy fiderana izany. — Genesisy 4:1-5.
Tamin’ny taonjato faha-9 alohan’ny fanisan-taona iraisana, i Jona mpaminany dia “nivavaka tamin’i Jehovah Andriamaniny tao an-kibon’ny hazandrano” izay notendrena mba hitelina azy. Nisy vokany ve ny vavaka nataony? Eny, satria “Jehovah nandidy ilay hazandrano, ka dia naloany ho eny amin’ny tany maina Jona”. Noraisin’i Jona ho adidy tamin’izay ny asa nampanaovin’i Jehovah azy, dia ny fandehanana ho any Ninive. — Jona 2:1, 2, 11; 3:1-5.
Rehefa nohodidinin’ireo fahavalony i Davida, mpanjaka teo amin’ny Isiraely fahiny, dia nihiaka toy izao: “Jehovah ô, henoy ny fivavako, ary atongilano amin’ny fifonako ny sofinao; valio aho araka ny teninao marina sy ny fahamarinanao.” (Salamo 143:1). Nekena ny vavaka nitalahoan’i Davida tamin’Andriamanitra mba hanafahany azy, satria tsy afaka namono azy mihitsy ireo fahavalony. Noho izany no nahafahany nilaza toy izao: “Jehovah dia eo akaikin’izay rehetra miantso Azy, dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.” — Salamo 145:18.
Ireo fepetra tena lehibe takina
Mazava àry fa fahiny dia nahazoana valiny ireo vavaky ny mpanompon’Andriamanitra. Azo antoka fa tsy nanao vavaka misy fombafomba arahina tamin’ny Andriamanitra iray tsy fantatra anarana ireo lehilahy ireo. Tsia fa nivavaka tamin’i Jehovah tamim-pinoana izy ireo, dia tamin’“Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra”. (Salamo 83:18.) Inona avy àry ireo fepetra lehibe indrindra hofenoina mba hahatonga ny vavaka ataontsika hohenoina?
Mivavaka amin’i Jehovah, ary aminy irery ihany. Tsy mahasoa, ary mifanohitra amin’ny Soratra Masina, ny fivavahana amin’ny andriamani-tsy izy, izay ny sariny tsy manana aina dia manam-bava, nefa tsy miteny, manan-tsofina nefa tsy mandre, manan-tanana nefa tsy mandray, manan-tongotra nefa tsy mandeha ary manan-tenda nefa tsy mahaloa-peo na dia kely aza (Salamo 115:5-7; 1 Jaona 5:21). Mifanohitra amin’ireny andriamanitra tsy misy hasiny ireny, Jehovah dia manao zavatra hahasoa an’ireo izay tia sy manompo azy. Ohatra, taonjato maro lasa izay, dia nitalaho tamin’i Bala, andriamani-tsy izy, ireo mpaminany mba handatsahany afo avy any an-danitra. Na dia nivavaka taminy nanomboka ny maraina ka mandra-paharivan’ny andro aza izy ireo, dia tsy namaly i Bala. Tamin’izay Elia dia nitalaho tamin’i Jehovah izay namaly azy tamin’ny fandatsahana afo izay nandevona tanteraka ny fanatitra natao teo ambony alitara. — 1 Mpanjaka, toko faha-18.
Manatona an’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy irery ihany. Naniraka an’i Jesosy Kristy, Zanany lahitokana, i Jehovah Andriamanitra ho etỳ an-tany mba ho avotra hanafahana ny olombelona amin’ny ota sy ny fahafatesana (Jaona 3:16, 36; Romana 5:12; 6:23). Avy eo izy dia nanasa ny olombelona rehetra izay maniry ny handray soa avy amin’izany fandaharana izany mba hanatona azy amin’ny vavaka amin’ny fomba vaovao. Fahiny tokoa ireo mpanompon’Andriamanitra toa an’i Davida mpanao salamo dia nivavaka nivantana tamin’i Jehovah. (Salamo 4:1; 17:1; 55:1; 102:1). Hatramin’izao anefa dia ilaina ny hanaovana izany amin’ny alalan’i Jesosy, izay nilaza toy izao: “Tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako. Raha mangataka zavatra amin’ny anarako hianareo, dia hataoko izany.” (Jaona 14:6, 14, MN ). Tsy misy mihitsy filazana ao amin’ny Baiboly mampahafantatra fa tokony hanolotra vavaka amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny olon-kafa isika.
Noho izany, rehefa fantatsika izao fa ilaintsika ny mivavaka amin’Andriamanitra amin’ny anaran’i Jesosy, dia tsy hohenoina ny vavaka ataontsika raha tsy mivavaka amin’i Jehovah amin’ny alalan’ny Zanany irery ihany isika. Mbola misy koa anefa antony hafa tsy amalian’i Jehovah ny ankamaroan’ireo vavaka.
Nahoana no tsy valian’Andriamanitra ireny?
Tsy noho ny fihetsika atao eo am-pivavahana no tsy hamalian’Andriamanitra vavaka. Tsy mitaky ny hananantsika fihetsika manokana rehefa mivavaka ny Soratra Masina. Marina fa mety hampiseho fanetren-tena eo anatrehan’Andriamanitra ny fandohalehana. Nefa azo atao mihitsy koa ny mivavaka mitsangana, mipetraka eo anoloan’ny latabatra, mitsotra eo am-pandriana na eo am-panaovana ny asan’ny tena (Daniela 6:11, 12; Marka 11:25). Raha ny marina, dia henoin’i Jehovah na dia ireo vavaka atao aminy an’eritreritra aza. Araka izany, talohan’ny nilazany tamin’ny mpanjakan’i Persia fa naniry hanangana indray ny manda ravan’i Jerosalema izy, dia ‘nivavaka tamin’ny Andriamanitry ny lanitra’ mangingina i Nehemia, ary nihaino ny vavaka nataony i Jehovah (Nehemia 2:1-6). Raha toa àry ka tsy ny fihetsika atao rehefa mivavaka no zava-dehibe, nahoana no vavaka maro be no tsy mahazo valiny?
Tsy sitrak’i Jehovah ny vavaky ny ratsy fanahy. Marina tokoa fa “izay manentsin-tadìny tsy hihaino ny lalàna, na ny fivavahany aza dia fahavetavetana”. (Ohabolana 28:9) Tamin’ny alalan’Isaia mpaminany no nanambaran’Andriamanitra toy izao tamin’ny vahoakany mpiodina: “Raha mananty tànana hianareo, dia hitampi-maso tsy hijery anareo Aho; eny na dia manao vavaka be aza hianareo, dia tsy hihaino Aho; feno ran’olona ny tànanareo.” (Isaia 1:15). Marina tokoa fa tsy henoina ny vavaky ny ratsy fanahy na dia ataony amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy aza izany.
Tsy henoin’Andriamanitra ny vavaka ataon’ny mpihatsaravelatsihy. “Ary raha mivavaka hianareo”, hoy ny nambaran’i Jesosy Kristy, “aza mba ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy; fa izy tia ny mivavaka mitsangana eo amin’ny synagoga sy eo an-joron-dàlana hahitan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.” Nanampy toy izao i Jesosy: “Fa hianao kosa, raha mivavaka, dia midira ao amin’ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin’ny Rainao, Izay ao amin’ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin’ny mangingina, no hamaly anao.” (Matio 6:5, 6). Tamin’ireo teny ireo i Jesosy dia tsy nanameloka ny fivavahana ampahibemaso rehetra, satria tamin’ny toe-javatra sasany dia nivavaka tamin’ny feo avo teo anatrehan’olon-kafa koa aza ny tenany. (Matio 14:19). Mifanohitra amin’izany, fa nasehon’i Kristy ny maha-ratsy ny mivavaka ampahibemaso noho ny fikendrena fotsiny ny ho hita, ho re, ary hoderain’ny hafa.
Tsy henoin’i Jehovah ny vavaka tsy misy fahatsorana sy miverimberina. Hoy ny nambaran’i Jesosy: “Ary raha mivavaka hianareo, dia aza mba manao teny maro foana tahaka ny jentilisa; fa ataony ho ny hamaroan’ny teniny no hihainoana azy. Koa aza manahaka azy hianareo; fa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo, raha tsy mbola mangataka aminy aza hianareo.” (Matio 6:7, 8). Any amin’ny tany maro any Atsinanana dia betsaka no mihevitra fa isaky ny mampihodina milina fanaovana vavaka (varingarina mirakitra vavaka voasoratra) iray izy dia voaverina izay ilay vavaka. Olona an-tapitrisany maro hafa no mampiasa sapile na manao tsianjery vavaka natonta amin’ny bokim-bavaka. Na iza na iza anefa te-hohenoin’Andriamanitra dia tokony hitandrina mba tsy hamerimberim-bavaka ary hanaraka ireo toromarika hafa nomen’i Jesosy voalaza eto ambany.
“Mivavaha toy izao . . .”
Avy eo i Jesosy dia nanonona ilay mahazatra ny miantso azy hoe Rainay (Matio 6:9-13). Hoy izy: “Koa amin’izany mivavaha toy izao hianareo: Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.” Amin’ny fiantsoana an’Andriamanitra hoe “Rainay” no anekentsika fa misy hafa manana fifandraisana akaiky aminy koa satria anisan’ny fianakavian’ny mpivavaka aminy koa ireo. Tena zava-dehibe indrindra ny fanamasinana ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah. Ahoana anefa no hanamasinan’Andriamanitra ny anarany? Handringana ny ratsy fanahy izy ka amin’izany no hanadiovany ny anarany amin’ny fanalam-baraka rehetra nandotoana azy. — Ezekiela 38:23.
“Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra”, hoy ny nanampin’i Jesosy. Andriamanitra izay hampihatra ny fanapahany amin’ny alalan’ny Fanjakana mesianikan’ny Zanany dia hiady amin’izay rehetra manohitra ny fiandrianany amin’ny fanesorana azy amin’ny tany tsy ho ela (Daniela 2:44). Inona anefa no tiantsika holazaina rehefa mangataka ny hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra eto an-tany tahaka ny any an-danitra isika? Ny angatahintsika amin’i Jehovah dia ny hanatanterahany ireo fikasany momba ny tany, indrindra fa ny hanafoanany ireo fahavalony. — Apokalypsy 16:14-16; 19:11-21.
Rehefa avy nanome ho an’Andriamanitra, ho an’ny Fanamasinana ny anarany ary ho an’ny Fikasany, ny toerana voalohany ao amin’ny Rainay i Jesosy, dia nanohy toy izao: “Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay.” Ny fangatahana amin’i Jehovah mba hanome antsika izay ilaintsika “anio” dia mampirisika antsika hanana finoana ny fahaizany manome izay ilain’ny mpivavaka aminy isan’andro. Izany akory tsy fangatahana amim-pitiavan-tena atao noho ny faniriana hanangona harena mihoa-pampana.
Nanampy toy izao i Jesosy: “Ary mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay.” Tsy afaka mahazo famelan-keloka avy amin’Andriamanitra isika raha tsy mamela ny helok’ireo izay manota amintsika (Matio 6:14, 15). Mety indrindra àry ny nanomezan’ny apostoly Paoly an’ity torohevitra ity: “Tahaka ny namelan’ny Tompo [Jehovah, MN ] ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.” — Kolosiana 3:13.
Hoy i Jesosy raha namarana ny Rainay: “Ary aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ny ratsy.” Tsy maka fanahy na iza na iza amin’ny “ratsy” i Jehovah. (Jakoba 1:13) Marina fa avy amin’i Satana Devoly, ilay ratsy, ny fakam-panahy, nefa voalaza indraindray ao amin’ny Baiboly fa manao zavatra sasany Andriamanitra amin’ny heviny hoe avelany hisy izany. (Rota 1:20, 21; Mpitoriteny 7:13). Henoin’i Jehovah ny fangatahana hoe “aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy”, amin’ny heviny hoe tsy mandao ireo mpanompony mahatoky izy, na dia mamela azy ireo halaim-panahy aza. Noho izany, “Mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany làlana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany”. — 1 Korintiana 10:13.
Rehefa mangataka ny hafahana amin’ny ratsy isika dia mitalaho amin’i Jehovah mba tsy hamela ny Devoly handresy antsika mpivavaka mahatoky amin’Andriamanitra. Raha toa isika ka manompo an’Andriamanitra amim-pahatokiana dia afaka matoky fa hihaino ny vavaka toy izany izy, satria nanoratra toy izao ny apostoly Petera: “Fantatry ny Tompo [Jehovah, MN ] izay hamonjeny ny tsara fanahy amin’ny fakam-panahy.” (2 Petera 2:9). Tena lehibe io tapany amin’ny Rainay io satria Satana Devoly dia “mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany”. — 1 Petera 5:8.
Nahoana no henoina ny vavak’izy ireo
Henoin’Andriamanitra ny vavak’ireo mpanompony mahatoky. Inona no antony? Ankoatra ny zavatra hafa, dia satria mivavaka aminy irery ihany sy manatona azy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy izy ireo. Mankahala ny faharatsiana izy ary tsy manao vavaka mihatsaravelatsihy sy miverimberina aminy. Tsy manao tsianjery ny Rainay ny Vavolombelon’i Jehovah fa maka hevitra avy amin’izany mba hampahafantarana ny fihetseham-pony lalina amin’Andriamanitra. Nefa mbola misy antony hafa koa ahazoany valim-bavaka.
Ireo izay henoina ny vavaka ataony dia mahafeno ireo fepetra notononin’i Paoly tamin’izao teny izao: “Izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.” (Hebreo 11:6). Aoka homarihintsika ireto hevitra tena lehibe roa ireto: Henoin’i Jehovah ny vavaka ataon’ireo 1) izay mino ny fisiany, ary 2) ireo izay “mazoto mitady Azy”.
Nahafeno ireo fepetra ireo i Kornelio, tsy jiosy tia fivavahana, izay velona tamin’ny taonjato voalohany. Nino an’Andriamanitra izy sady nazoto nitady azy. Inona no nataony rehefa avy nandray ny fahalalana marina? Nanolo-tena tamin’ny fony manontolo ho an’i Jehovah Andriamanitra izy ary natao batisa ho marik’izany fanoloran-tenany izany. Avy eo izy, araka ny nahitana azy, dia namatotra fifandraisana akaiky tamin’Andriamanitra, ary izany dia nisy vokany tsara dia tsara teo amin’ny vavaka nataony. — Asan’ny apostoly 10:1-44.
Talohan’ny nanaovana batisa an’i Kornelio dia ‘tafakatra ho fampahatsiarovana teo anatrehan’Andriamanitra’ fotsiny ny vavaka nataony. (Asan’ny apostoly 10:4.) Nefa tamin’ny fanolorany tena ho an’Andriamanitra noho ny finoany ny sorom-panavotan’i Jesosy sy tamin’ny fanaovana batisa azy, dia nanolo-tena tsy nisy fepetra ho an’i Jehovah i Kornelio. Nisy fisakaizana mahagaga tamin’izay teo amin’io lehilahy tia fivavahana io sy Andriamanitra — fifandraisana izay nahatonga azy hanana tombontsoa hivavaka amin’Andriamanitra amin-kalalahana tanteraka. (Jakoba 4:8). Hatramin’izao izy dia afaka manatona ny Rainy any an-danitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy amin’ny fanantenana ny hohenoina. Toy izany koa ny amin’izay rehetra manolo-tena ho an’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy sy atao batisa. Ananany koa ny tombontsoa hivavaka amin’Andriamanitra amin-kalalahana tanteraka.
Azo antoka fa irinao ny hamaliana ny vavaka ataonao. Noho izany, raha tsy mbola nanolo-tena ho an’i Jehovah mba hanompo azy sy hivavaka aminy ianao dia ho fahendrena tokoa ny hitadiavanao azy marina. Manaova toa an’i Kornelio, dia hovalian’Andriamanitra ny vavaka ataonao.
[Sary, pejy 6]
Rehefa nanolo-tena ho an’Andriamanitra i Kornelio ary natao batisa, inona no vokatr’izany teo amin’ny vavaka nataony?