Vavolombelona maro be toy izany!
“Satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika (...) hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana (...) napetraka eo anoloantsika izao.” — HEBREO 12:1.
1, 2. a) Fisehoan-javatra inona moa no nety ho noeritreretin’i Paoly fony izy nanoratra ny taratasiny ho an’ny Hebreo? b) Nahoana moa ireo naman’i Paoly hebreo no nila finoana mafy orina?
ALAO sary an-tsaina fa hoe eo am-pihazakazahana ao amin’ny kianja iray ianao. Miantoraka ianao, ny nofo aman-kozatra mihenjana, ny maso mibanjina ny tsipika eny am-pahatongavana. Iza no mandinika anao ery amin’ny tohatohatra? Mpandresy tamin’ny fifaninanana taloha. Tsy mpijery velively fotsiny izy ireny taloha fa vavolombelona narisika daholo, na tamin’ny teny na tamin’ny natao.
2 Nety ho nieritreritra fisehoan-javatra sahala amin’izany ny apostoly Paoly fony izy nanoratra ny taratasiny ho an’ny Hebreo, tany amin’ny 61 amin’ny fanisan-taona iraisana. Nila finoana mafy orina ireny kristiana ireny (Hebreo 10:32-39). Ny finoana ihany no nahatonga azy ireo ho afaka hanaraka ny fampitandreman’i Jesosy ny amin’ny tokony handosirany rehefa ho voahodidin’ny tafika hasaina hitoby Jerosalema (tamin’ny 66), ka izany dia hitranga taona vitsivitsy alohan’ny handravan’ny Romana ilay tanàna (tamin’ny 70). Nanohana azy ireny koa ny finoana rehefa ‘nenjehina noho ny fahamarinana’ izy ireny. — Matio 5:10; Lioka 21:20-24.
3. Ao amin’ny Hebreo 12:1, inona moa “ny ota izay malaky mahazo antsika”, ary fihazakazahana inona no ananarana ny kristiana mba hatao amim-piaretana?
3 Rehefa avy namisavisa ireo asam-pinoan’ny mpanompon’Andriamanitra talohan’ny andro kristiana i Paoly ao amin’ny Hebreo toko faha-11, dia milaza izao fananarana izao: “Koa amin’izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika [izay hanelingelina antsika amin’ny ara-panahy] mbamin’ny ota [ny tsy fahampiam-pinoana] izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana [ho amin’ny fiainana mandrakizay] napetraka eo anoloantsika izao.” (Hebreo 12:1). Hazavain’i Paoly eo ireo lafiny madinika samihafa amin’ny finoana miasa, ary mety hahasoa antsika izany fandinihana izany, na kristiana tafiditra ao amin’ny fihazakazahana ho amin’ny tsy fahafatesana any an-danitra isika, na anisan’ny “olona betsaka” manana ho zava-kendrena ny hiaina eo amin’ny tany Paradisa (Apokalypsy 7:4-10; Lioka 23:43, MN; Romana 8:16, 17). Fa inona marina tokoa moa no atao hoe finoana? Inona avy no lafiny madinika amin’io vatosoa ara-panahy io? Ahoana no hataontsika raha manam-pinoana isika? Amin’ny fitadiavana hamaly ireo fanontaniana ireo, dia mba vakio — amin’ny fianaranao manokana aloha, avy eo dia miaraka amin’ny kongregasiona — ireo andininy homenay avy amin’ny toko faha-11 sy 12 amin’ny taratasy ho an’ny Hebreo.
Ny atao hoe finoana
4. Inona moa no atao hoe finoana?
4 Nanomboka nilazalaza ny amin’ny atao hoe finoana i Paoly (vakio Hebreo 11:1-3). Ny finoana dia “fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina” indrindra. Izay manana finoana dia manana antoka fa izay rehetra ampanantenain’Andriamanitra dia azo lazaina hoe tanteraka. Ny finoana koa dia “fanehoana ny zavatra tsy hita”. Ireo porofo manamarina ny fisian’ny zavatra tena izy tsy hita dia mampiaiky aoka izany, hany ka ny finoana dia ampitovina amin’izany fampisehoana mazava izany.
5. Inona no takatsika noho ny finoana?
5 Tamin’ny finoana no “nahatsara laza ny ntaolo”; fantatr’izy ireny fa nahazo sitraka tamin’Andriamanitra izy. Afa-tsy izany koa, dia “finoana no ahafantarantsika fa ny tenin’Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao [ny tany, ny masoandro, ny volana sy ny kintana], ka dia tsy izay zavatra miseho no nanaovana izao zavatra hita izao”. Na dia tsy afaka mahita azy aza isika satria Fanahy tsy hita maso izy, dia mino mafy isika fa Jehovah no Mpamorona ireny zavatra ireny. — Genesisy 1:1; Jaona 4:24; Romana 1:20.
Ny finoana sy “izao rehetra izao taloha”
6. Nahoana moa Abela no tao anatin’ny “fiandrasana tamin-toky” fisehoan-javatra nambaran’i Jehovah ny amin’ny ‘taranaky ny vehivavy’?
6 Ny anankiray amin’ireo lafiny madinika maro amin’ny finoana dia ny fahatsapana ny ilàna sorona noho ny fahotana (vakio Hebreo 11:4). Teo ‘amin’izao rehetra izao taloha’, Abela — zanaka lahiaivon’i Adama sy Eva, mpivady olombelona voalohany — dia nampiseho ny finoany fanatitra nalatsa-dra (II Petera 2:5). Azo atao ny mieritreritra fa ny tenan’i Abela dia nahay nanavaka tao aminy ireo vokatra mahafatin’ny fahotana nolovana (Genesisy 2:16, 17; 3:6, 7; Romana 5:12). Tsy isalasalana fa azony natao koa ny nandinika ny fahatanterahan’ny didin’Andriamanitra momba ny asa mafy tsy maintsy nataon’i Adama ary nahafantatra fa hanaintaina tokoa Eva rehefa hiteraka (Genesisy 3:16-19). Abela àry dia tao anatin’ny “fahatokiana [fiandrasana tamin-toky]” fisehoan-javatra hafa nambaran’Andriamanitra, indrindra fa — raha nilaza izao teny ara-paminaniana izao tamin’ilay mpamitaka lehibe, Satana, izy, — ka niteny tamin’ilay bibilava hoe: “Dia hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.” — Genesisy 3:15.
7. a) Ahoana no nampisehoan’i Abela fa tsapany ny ilàna fanatitra noho ny fahotana? b) Tamin’ny fomba ahoana no ‘nanambaran’Andriamanitra ny amin’ny fanatitra nataon’i Abela’?
7 Nasehon’i Abela ny finoany an’ilay Taranaka nampanantenaina tamin’ny fanolorana ho an’Andriamanitra sorona biby izay, tamin’ny fomba an’ohatra, dia azo natolotra ho solon’ny ain’ny tenany. Ny zokiny lahy, Kaina, lehilahy tsy nanam-pinoana, dia nanolotra fanatitra tsy azo nalatsa-dra, dia vokatry ny tany. Nanao ny tenany ho mpamono olona izy tamin’ny fandatsahana ny ran’i Abela (Genesisy 4:1-8). Maty anefa Abela tamin’ny fahafantarana fa nihevitra azy ho marina Jehovah, satria “Andriamanitra no nanambara ny amin’ny fanatitra nataony”. Ahoana izany? Tamin’ny fanekena ny sorona natolotr’i Abela tamim-pinoana. Noho ny finoany sy ny fankasitrahan’Andriamanitra mbola anaovan’ny Soratra ara-tsindrimandry fanambarana ihany, ‘na dia maty aza Abela, dia mbola miteny ihany’. Takany ny ilàna hanao sorona noho ny fahotana. Inoanao ve ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy lehibe lavitra? — I Jaona 2:1, 2; 3:23.
8. a) Mampahafantatra inona antsika ny amin’ny finoana ny fitorian’i Enoka tamin-kerim-po? b) Tamin’ny heviny ahoana moa Enoka no ‘nafindra tsy hiharan’ny fahafatesana’?
8 Ny finoana dia hanosika antsika hanambara ny hafatr’Andriamanitra amim-pahasahiana (vakio Hebreo 11:5, 6). Enoka, anankiray amin’ireo vavolombelon’i Jehovah voalohany, dia nanana herim-po naminany ny amin’ny hampiharana ny fanamelohan’Andriamanitra ny ratsy fanahy (Joda 14, 15). Azo inoana fa nitady izay hamonoana azy ireo fahavalon’i Enoka, kanefa “nentin’Andriamanitra” izy, hany ka tsy nijaly noho ny horohoron’ny fahafatesana (Genesisy 5:24). Talohan’izay, “dia nambara fa nankasitrahan’Andriamanitra izy”. Tamin’ny fomba ahoana? “Finoana no namindrana an’i Enoka tsy hiharan’ny fahafatesana.” Paoly koa dia nafindra na “nakarina ho any Paradisa”, ka azo inoana fa nahazo fahitana ny paradisa ara-panahin’ny kongregasiona kristiana ho avy (II Korintiana 12:1-4). Araka ny hita tokoa àry, dia nahita fahitana i Enoka, dia ny an’ny Paradisa an-tany ho avy, rehefa nampatorin’i Jehovah tao amin’ny fahafatesana izy mba tsy ho azon’ireo fahavalony. Raha tiantsika ny hahazo sitraka amin’Andriamanitra, dia tokony hanambara amim-pahasahiana ny hafatra avy aminy tahaka an’i Enoka isika (Asan’ny apostoly 4:29-31). Tokony hino koa isika fa misy Andriamanitra sady “Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy”.
9. Ahoana moa no ampisehoan’ny fitondrantenan’i Noa fa ny lafiny kely hafa iray amin’ny finoana dia ny fanarahana akaiky ireo toromarik’Andriamanitra?
9 Ny lafiny kely hafa iray amin’ny finoana dia ny fanarahana akaiky ireo toromarik’Andriamanitra (vakio Hebreo 11:7). Nanao zavatra tamim-pinoana i Noa ka nanao ‘araka ny nandidian’Andriamanitra’. (Genesisy 6:22; 7:16.) “Notoroan’Andriamanitra hevitra ny amin’ny zavatra tsy mbola hita” izy ary nino ny fanambaran’i Jehovah ny amin’ny tsy maintsy hisian’ny safodrano haneran-tany iray. Tamin’ny finoana sy noho ny tahotra an’Andriamanitra “no nanamboaran’i Noa sambo-fiara hamonjena ny ankohonany”. Tamin’ny fankatoavana sy tamin’ny asam-pahamarinana, dia nanameloka izao tontolo izao tsy nino noho ny asa ratsiny izy ary nampiseho fa mendrika ny horavana izany. — Genesisy 6:13-22.
10. Na dia nanana sambo fiara haorina aza Noa, asa hafa inona moa no nanokanany fotoana?
10 Vavolombelon’i Jehovah koa i Noa satria “mpitory ny fahamarinana”. (II Petera 2:5.) Na dia sahirana tamin’ny fanorenana ny sambo fiara aza izy, dia naka fotoana hitoriana, toy ny ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao. Niteny tamim-pahasahiana tokoa i Noa. Nampahafantariny ny fampitandreman’Andriamanitra ny olombelona talohan’ny safodrano, kanefa “tsy fantany mandra-pihavin’ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra”. — Matio 24:36-39.
Ny finoana teo amin’ireo patriarka taorian’ny safodrano
11. a) Ahoana moa no nampisehoan’i Abrahama fa ny finoana dia mahafaoka fitokisana tanteraka ireo fampanantenan’i Jehovah? b) Tamin’ny finoana, “tanàna” inona moa no nandrasan’i Abrahama?
11 Ny finoana dia mahafaoka fitokisana tanteraka ireo fampanantenan’i Jehovah (vakio Hebreo 11:8-12). Finoana no nankatoavan’i Abrahama (Abrama) ny baikon’Andriamanitra sy nandaozany an’i Ora, tanàna any Kaldea izay nanolotra tombontsoa maro teo amin’ny lafiny ara-nofo. Nino an’i Jehovah izy rehefa nampanantena azy izy io fa amin’ny alalany no hitahiana “ny firenena rehetra ambonin’ny tany” ary hahazo tany ny taranany (Genesisy 12:1-9; 15:18-21). Ny zanany lahy, Isaka, sy ny zafikeliny, Jakoba, dia ‘mpiara-mandova izany teny fikasana izany taminy’. ‘Finoana no nivahinian’i Abrahama tany amin’ny tany nolazain’ny teny fikasana, toy ny any an-tanin’olona’. Ny nametrahany ny fanantenany dia “tanàna misy fanorenana (...), Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao izany”. Abrahama tokoa dia niandry ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra izay eo ambany fanapahany no hitsanganany mba hiaina eo amin’ny tany. Moa ve ilay Fanjakana mitana toerana lehibe toy izany eo amin’ny fiainanao? — Matio 6:33.
12. Inona moa no nitranga noho Saraha nino ireo fampanantenan’i Jehovah?
12 Ny vadin’ireo patriarika izay natahotra an’Andriamanitra dia nino koa ireo fampanantenan’i Jehovah. Ohatra, finoana no ‘nandraisan’i Saraha, vadin’i Abrahama, hery hanana anaka’, na dia momba aza izy ary noho izy efa sivifolo taona teo ho eo dia efa “nitsaha-jaza” izy, “satria nataony fa mahatoky Ilay [Andriamanitra] efa nanome ny teny fikasana”. Tamin’ny androny, dia niteraka an’Isaka i Saraha. Araka izany, avy tamin’i Abrahama izay efa zato taona sy “efa toy ny maty” — raha ny amin’ny fiterahana — “no nihavian’ny maro toy ny kintana eny amin’ny lanitra”. — Genesisy 17:15-17; 18:11; 21:1-7.
13, 14. a) Na dia tsy mbola “nahazo ny teny fikasana” aza Abrahama sy Isaka ary Jakoba”, ahoana no nataony? b) Ahoana no azontsika ieritreretana amin’ny fomba mahasoa ny tsy fivadihan’ireo patriarika teo anatrehan’i Jehovah, na dia tsy hitantsika tanteraka avy hatrany aza ireo fampanantenany?
13 Ny finoana dia hahatonga antsika ho afaka ny tsy hivadika hatrany amin’i Jehovah, na dia tsy hitantsika tanteraka avy hatrany aza ireo fampanantenany (vakio Hebreo 11:13-16). Ireo patriarika nahatoky dia maty daholo tsy nahita ny fahatanterahana fenon’ireo fampanantenan’Andriamanitra ny amin’izy ireo. Kanefa “nahatazana azy [ireo zavatra nampanantenaina] eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tetỳ ambonin’ny tany [tao amin’ilay tany, MN ]”. Eny, nanam-pinoana hatramin’ny fahafatesany izy ireo, satria taranaka maro no lasa talohan’ny hahatongavan’ny Tany nampanantenaina ho fananan’ny taranak’i Abrahama.
14 Tsy sosotra Abrahama sy Isaka ary Jakoba ary tsy nanjary nivadi-pinoana satria tsy nahazo tamin’ny andro nahavelomany ny fahatanterahan’ireo fampanantenan’Andriamanitra. Tsy nandao an’i Jehovah izy ireny mba hiverina tany Ora ary tsy nanaiky ho voatanan’ireo raharahan’izao tontolo izao (jereo Jaona 17:16; II Timoty 4:10; Jakoba 1:27; I Jaona 2:15-17). Tsia, ireny patriarika ireny dia ‘naniry’ toerana tsara kokoa noho Ora, dia “toerana an’ny lanitra” (MN). Noho izany, dia ‘tsy menatra ny natao hoe Andriamaniny’ Jehovah. Nitahiry ny finoany ny Avo Indrindra hatramin’ny fahafatesany izy ireny ary tsy ho ela dia hatsangana amin’ny maty mba hiaina eto an-tany, izay anisan’ny faritr’ilay “tanàna”, na Fanjakana mesianika nomanin’Andriamanitra ho azy ireo. Hanao ahoana anefa ny aminao? Na dia ‘mandeha ao amin’ny fahamarinana’ hatramin’ny taona maro aza ianao ka antitra teo amin’ny asan’i Jehovah, dia tokony hanohy haneho finoana ny fandehan-javatra vaovao nampanantenainy ianao (III Jaona 4; II Petera 3:11-13). Toa inona moa ny valisoa horaisinao sy ireo patriarika nahatoky noho ny finoanareo!
15. a) Inona no nahatonga an’i Abrahama ho afaka, azo lazaina hoe hanolotra an’Isaka ho sorona? b) Inona no tokony ho herin’io fotoana teo amin’ny fiainan’i Abrahama sy Isaka io eo amin’ny finoantsika? d) Nampiseho inona ara-paminaniana moa io fisehoan-javatra io?
15 Ny fankatoavana tsy misy fepetra an’Andriamanitra koa dia lafiny kely iray lehibe tokoa amin’ny finoana (vakio Hebreo 11:17-19). Noho Abrahama nankatò an’i Jehovah tsy niady hevitra, dia ‘nateriny Isaka’, “zanani-lahy tokana” — ilay hany naterany tamin’i Saraha. Ahoana no nahafahan’i Abrahama nanao zavatra toy izany? satria “nihevitra izy fa [raha nilaina izany] Andriamanitra dia mahay manangana [an’Isaka] ny maty aza” mba hitanana ny fampanantenana nomeny azy, dia ny hanome azy taranaka amin’ny alalan’io zanaka io. Tao anatin’ny fotoana kely, ny antsy notanan’i Abrahama dia saika hamarana ny fiainan’i Isaka, kanefa nisakana izany ny feon’ny anjely iray. Noho izany, “ary fanoharana izany” (MN), Abrahama dia nandray an’Isaka avy tamin’ny fahafatesana. Toy izany koa, ny finoana dia tokony hanosika antsika hankatò an’Andriamanitra, na dia voakasika aza ny fiainantsika na ny an’ireo zanatsika (I Jaona 5:3). Voamaritsika koa fa Abrahama sy Isaka dia nampiseho ara-paminaniana ny fomba hanoloran’i Jehovah Andriamanitra ho avotra ny Zanany lahitokana, Jesosy Kristy, mba ho afaka hahazo ny fiainana mandrakizay ireo izay maneho finoana azy. — Genesisy 22:1-19; Jaona 3:16.
16. Raha ny amin’izay mahakasika ireo zanatsika sy ny finoana ireo fampanantenan’Andriamanitra, inona moa no ohatra navelan’ireo patriarika?
16 Raha manana finoana isika, dia hanampy ireo zanatsika hametraka ny fanantenany amin’ireo fampanantenana nomen’Andriamanitra ny amin’ny ho avy (vakio Hebreo 11:20-22). Natanjaka aoka izany ny finoan’ireo patriarika, hany ka na dia tsy tanteraka tamin’ny fomba feno aza ireo fampanantenan’i Jehovah nandritra ny andro niainan’izy ireny, dia nampitainy tamin’ireo zanany ho toy ny lova sarobidy tokoa izany. Tamin’izany no “nitsofan’Isaka rano an’i Jakoba sy Esao ny amin’ny zavatra ho avy”, ka nitsofan’i Jakoba rano an’i Efraima sy Manase, zanak’i Josefa, rehefa ho faty izy. Koa satria ny tenan’i Josefa nino mafy fa handao an’i Egypta indray andro any ny Isiraelita mba ho any amin’ny Tany nampanantenaina, dia nampianiana an’ireo rahalahiny izy mba hitondra hiaraka amin’izy ireo ny taolany rehefa handeha izy ireo (Genesisy 27:27-29, 38-40; 48:8-22; 50:24-26). Moa ve ny tenanao manampy ny fianakavianao hahazo finoana toy izany ireo fampanantenan’i Jehovah?
Mahatonga antsika hametraka an’Andriamanitra eo amin’ny toerana voalohany ny finoana
17. Nahoana moa no azo atao ny milaza fa ireo ray aman-drenin’i Mosesy dia nanao zavatra tamim-pinoana?
17 Ny finoana dia manosika antsika hametraka an’i Jehovah sy ny vahoakany alohan’izay rehetra mety hatolotr’izao tontolo izao antsika (vakio Hebreo 11:23-26). Rehefa nandevozina ny Isiraelita ka niandry ny hafahana tamin’ny zioga egyptiana, dia nanao zavatra tamim-pinoana ireo ray aman-drenin’i Mosesy. “Tsy natahorany ny didin’ny mpanjaka” izay nitady ny hamonoana ny zazalahy Hebreo vao teraka rehetra. Tsy nanao izany izy fa nanafina an’i Mosesy nandritra ny telo volana, avy eo dia nametraka azy tao anaty fiara zozoro, tao anaty zozoro naniry, teo amoron’i Neily. Rehefa hitan’ny zanakavavin’i Farao i Mosesy dia “notezainy ho zanany”. Nampinonoina sy notezaina tao an-tranon’ny ray aman-dreniny, dia Amrama sy Jokebeda, anefa aloha izy. Taty aoriana, rehefa anisan’ny tao an-dapan’i Farao izy, dia “nampianarina ny fahendrena rehetra nananan’ny Egyptiana” ary tonga “nahery tamin’ny teniny sy ny asany izy”, ka nanana fahaizana ara-tsaina sy ara-batana lehibe. — Asan’ny apostoly 7:20-22; Eksodosy 2:1-10; 6:20.
18. Raha ny amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah, inona moa no toerana notanan’i Mosesy noho ny finoany?
18 Kanefa, na dia tao aza ny fanabeazana azy egyptiana sy ny famirapiratan’ny tao an-dapan’ny mpanjaka, dia tsy niala tamin’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah i Mosesy ary tsy nanjary nivadi-pinoana. Mifanohitra lavitra amin’izany kosa fa “finoana no nandavan’i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin’i Farao, rehefa lehibe izy”; mampiseho izany ny hoe indray mandeha izy dia niaro ny anankiray tamin’ireo rahalahiny hebreo (Eksodosy 2:11, 12). Nifidy Mosesy ny “hiara-mitondra fahoriana amin’ny olon’Andriamanitra [Ireo Isiraelita izay nivavaka tamin’i Jehovah tahaka azy] toy izay hanana fifaliana vetivety amin’ny fahotana”. Raha mpanompon’i Jehovah vita batisa ianao ka nahazo fanabeazana ara-panahy mafy orina, hanaraka ny ohatra nomen’i Mosesy ve ianao amin’ny fiandaniana mafy amin’ny fanompoam-pivavahana marina?
19. a) Inona moa no mampiseho fa Mosesy dia nametraka an’i Jehovah sy ny Olony ho eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainany? b) Nibanjina famalian-tsoa inona moa i Mosesy?
19 Nampifamatotra ny anjarany tamin’ny an’ny olon’i Jehovah i Mosesy satria “nanao [nihevitra, MN ] ny fanaratsiana an’i Kristy ho harena be lavitra noho ny zava-tsoan’i Egypta”. Toa ‘nihevitra ny fanaratsiana azy ho tandindon’i Kristy, na Voahosotr’Andriamanitra ho harena be lavitra noho ny zava-tsoan’i Egypta’ i Mosesy. Noho izy anisan’ny tao an-dapan’ny mpanjaka, dia nety ho afaka ny hiaina tao anatin’ny harena sy voninahitra tany Egypta izy. Naneho finoana anefa izy ary “nijery ny famalian-tsoa”, dia: ny fiainana mandrakizay, noho ny fananganana amin’ny maty ho eto an-tany ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra.
20. Amin’ny ahoana moa izay nitranga tamin’i Mosesy no mampiseho fa ny finoana dia manao antsika ho mpanompon’i Jehovah tsy matahotra?
20 Misakana antsika tsy hatahotra ny finoana, satria matoky an’i Jehovah isika, ary fantatsika fa afaka manafaka antsika izy (vakio Hebreo 11:27-29). Rehefa ren’i Farao fa namono Egyptiana iray i Mosesy, dia nitady hahafaty azy izy. “Fa Mosesy nandositra ny tavan’i Farao ka nonina tany amin’ny tany Midiana.” (Eksodosy 2:11-15). Noho izany, dia azo inoana fa ny amin’ny fifindran’ny Hebreo, rehefa nivoaka avy tany Egypta izy ireo taty aoriana, no nasian’i Paoly fitenenana rehefa nilaza izy hoe: “Finoana no nandaozany [Mosesy] an’i Egypta, ka tsy natahorany ny fahatezeran’ny mpanjaka [izay nandrahona ny hamono azy ho faty noho izy solontenan’Andriamanitra teo amin’ny firenen’Isiraely], fa naharitra toy ny mahita Izay tsy hita izy.” (Eksodosy 10:28, 29). Na dia tsy tena nahita an’Andriamanitra mihitsy aza i Mosesy, dia akaiky aoka izany ny fifandraisana notanany tamin’i Jehovah, hany ka nanao zavatra toy ny hoe tena nahita tokoa “Izay tsy hita” izy. (Eksodosy 33:20.) Moa ve ny fifandraisanao amin’i Jehovah sahala amin’izay nampiray an’i Mosesy tamin’ilay Andriamanitra marina? — Salamo 37:5; Ohabolana 16:3.
21. Rehefa nandao an’i Egypta ny Isiraely, inona no nitranga noho ny “finoana”?
21 “Finoana no nitandremany [Mosesy] ny Paska sy ny famafazana ny ra, fandrao hahatratra ny azy [ny Isiraelita] ilay nandringa na ny lahimatoa”; talohan’ny handaozan’ny Isiraelita an’i Egypta. Nilaina tokoa ny hananana finoana mba hankalazana ny Paska tamin’ny fiaikena mafy fa ho voatsimbina ireo lahimatoan’ny Isiraely, kanefa ho faty ny an’ny Egyptiana; ary novalian-tsoa izany finoana izany (Eksodosy 12:1-39). Toy izany koa; “finoana no nitana [nitan’ny Isiraelita] ny Ranomasina Mena toy ny mandia tany maina, izay mba nandraman’ny Egyptiana, ka voatelina izy”. Noporofoin’Andriamanitra tamin’ny fomba mahatalanjona fa azony natao ny nanafaka ny olony, ary noho izany fanafahana izany, dia “natahotra an’i Jehovah ny olona [ny Isiraelita] ka nino an’i Jehovah sy Mosesy mpanompony”. — Eksodosy 14:21-31.
22. Inona avy moa no fanontaniana hafa mahakasika ny finoana mbola tokony hodinihina?
22 Tena ohatra faka tahaka marina ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao tokoa ny finoana nananan’i Mosesy sy ireo patriarka. Inona anefa tatỳ aoriana no fifandraisana nisy tamin’Andriamanitra sy ny taranak’i Abrahama rehefa nalamina ho firenena teokratika izy ireo? Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo asam-pinoana hafa notanterahina tamin’ny andro fahiny?
Ahoana no havalinao?
◻ Inona moa no atao hoe finoana?
◻ Inona moa no ampianarin’ny ohatra ny amin’i Enoka antsika momba ny finoana?
◻ Ahoana moa no nampisehoan’ireo patriarika izay natahotra an’Andriamanitra fa ny finoana dia mahafaoka fitokisana tanteraka ireo fampanantenan’i Jehovah?
◻ Inona moa no zavatra nataon’i Abrahama mampiseho fa ny fankatoavana an’Andriamanitra tsy misy fepetra dia lafiny kely iray tena lehibe amin’ny finoana?
◻ Inona avy moa no zavatra nataon’i Mosesy mampiseho fa ny finoana dia fametrahana an’i Jehovah sy ny Olony alohan’izay rehetra mety hatolotr’izao tontolo izao antsika?