-
Tena Mino ny Fampanantenan’i Jehovah ve Ianao?Ny Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2016 | Oktobra
-
-
10. Iza avy ireo mpanompon’i Jehovah tsy nivadika, ary inona no nanampy azy ireo?
10 Miresaka ny fitsapana niaretan’ireo mpanompon’i Jehovah tsy nivadika ny apostoly Paoly, ao amin’ny Hebreo toko faha-11. Nisy vehivavy maty zanaka, ohatra, nefa avy eo natsangana tamin’ny maty ny zanany. Nisy olon-kafa koa “tsy nanaiky hafahana tamin’ny alalan’ny vidim-panavotana, mba hahazoany fitsanganana tsara kokoa.” (Heb. 11:35) Tsy fantatsika hoe iza no tao an-tsain’i Paoly tamin’izay. Nisy mpanompon’i Jehovah notoraham-bato anefa satria nankatò azy sy nanao ny sitrapony, anisan’izany i Nabota sy Zakaria. (1 Mpanj. 21:3, 15; 2 Tan. 24:20, 21) Tsy nivadika tamin’i Jehovah koa i Daniela sy ny namany, ka “tsy nanaiky hafahana.” Natoky izy ireo hoe homen’i Jehovah hery, ka vitany ny “nanakombona ny vavan’ny liona” sy ‘nanohitra ny herin’ny afo.’—Heb. 11:33, 34; Dan. 3:16-18, 20, 28; 6:13, 16, 21-23.
-
-
Tena Mino ny Fampanantenan’i Jehovah ve Ianao?Ny Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2016 | Oktobra
-
-
12. Iza no modely tsara indrindra ho antsika, ary inona no nanampy azy hiaritra fitsapana?
12 Niresaka momba an’i Jesosy Kristy i Paoly, rehefa avy niresaka momba an’ireo lehilahy sy vehivavy nanam-pinoana. I Jesosy no modely tsara indrindra ho antsika. Hoy ny Hebreo 12:2 momba azy: “Niaritra hazo fijaliana izy noho ilay fifaliana natao teo anoloany, ka tsy nitandro henatra, ary nipetraka teo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.” Nanam-pinoana i Jesosy rehefa niatrika fitsapana faran’izay mafy. Tokony ‘handinika tsara’ ny modely nomeny àry isika. (Vakio ny Hebreo 12:3.) Novonoina ho faty hoatran’i Jesosy ny Kristianina maro tamin’ny taonjato voalohany, satria tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy. Anisan’izany i Antipasy. (Apok. 2:13) Efa nandray ny valisoany izy ireny, ary tsara lavitra ilay izy raha oharina amin’ilay “fitsanganana tsara kokoa” nantenain’ireo olona nanam-pinoana fahiny. (Heb. 11:35) Taoriana kelin’ny taona 1914, rehefa lasa Mpanjaka i Jesosy, dia natsangana tamin’ny maty ireo voahosotra rehetra tsy nivadika, ary lasa fanahy any an-danitra. Hiara-manjaka amin’i Jesosy izy ireo, ka hitondra ny olombelona.—Apok. 20:4.
-