KAPOKA
Azo nokapohina tamin’ny hazo na tehina izay voasazy, araka ny Lalàn’i Mosesy. Ny mpitsara no nanapaka hoe firy ny kapoka hatao arakaraka ny heloka vita, ny antony sy toe-javatra nanaovana an’ilay heloka, ary ny toy izany. ‘Nasain’ny mpitsara nampandrina sy nokapohina teo anatrehany izy, ka arakaraka ny ratsy nataony ny isan’ny kapoka.’ Hatramin’ny 40 ihany ny kapoka azo natao (De 25:2, 3), satria lasa tsy nisy vidiny teo imason’ny mpiray firenena taminy ilay olona raha nokapohina mihoatra noho izany. Porofo izany fa tsy neken’ny Lalàn’i Mosesy ny sazy feno habibiana na tafahoatra. Ny hanitsy an’ilay voasazy no tanjona, fa tsy ny hamaly faty na haneho habibiana toy ny fanaon’ny hafa firenena. Nosazina ilay nikapoka raha nihoatra an’ilay isa ara-dalàna. Noferan’ny Jiosy ho 39 àry ny kapoka sao nihoatra tsy nahy, ka nandika lalàna izy ireo.—2Ko 11:24.
Azon’ny Hebreo nokapohina tamin’ny hazo ny mpanompony (lahy na vavy) tsy nankatò na nikomy. Nosazina anefa izy raha maty ilay mpanompo. Raha afaka iray na roa andro taorian’ilay kapoka kosa ilay mpanompo vao maty, dia porofo izany fa tsy te hamono azy ny tompony. Nanan-jo hanafay mantsy izy, satria ‘volany’ ihany ny mpanompony. Tsy ho tiany koa ny hamotika ny fananany ka ho maty antoka. Mety ho tsy ilay kapoka koa no nahafaty an’ilay mpanompo, raha mbola velona izy afaka iray andro na mihoatra. Tsy nosazina àry ilay tompony.—Ek 21:20, 21.
Raha nandainga ny lehilahy iray hoe tsy virjiny ny vadiny tamin’izy nampakatra azy, dia hofaizin’ny mpitsara na ny anti-panahin’ny tanàna izy ka hasainy mandoa onitra. Nanala baraka virjiny teo amin’ny Israely mantsy izy. Mety ho kapoka ny famaizana azy.—De 22:13-19.
Asongadin’ny Soratra Masina imbetsaka fa mahasoa ny kapoka. Hoy ny Ohabolana 20:30: “Ny ratra misy mangana no manafaka amin’ny toetra ratsy, ary ny kapoka kosa mihatra hatrany anatin’ny fo.” Mety hisy vokany lalina amin’ny olona iray àry ny famaizana. Tsapany fa nanao hadalana izy ka tokony hiova. (Oh 10:13; 19:29) Tsy mila kapoka kosa ny olona tena hendry fa teny fotsiny dia ampy hanitsiana azy.
“Efa nanam-pahadisoana” ny olona rehetra rehefa nateraka, ary “efa mpanota” raha vao niforona tao an-kibo. (Sl 51:5) Tsy maintsy hentitra àry ny ray aman-dreny rehefa manafay, ka mampiasa tsorakazo mihitsy indraindray. (Oh 22:15) Mety hanampy an’ilay zanaka hahazo sitraka amin’Andriamanitra izany, ary hamonjy ny ainy.—Oh 23:13, 14.
Nampiasa karavasy koa ny Jiosy tatỳ aoriana. (He 11:36) Maharary kokoa noho ny kapohina amin’ny hazo ny karavasina. Tsy nifototra tamin’ny Lalàna io sazy io, na dia ara-dalàna aza tamin’ny andron’i Jesosy. (Mt 10:17; 23:34) Nokaravasina toy izao ilay voasazy, araka ny voalazan’ny Mishnah izay toa namelabelatra ny lovantsofina jiosy:
“Afatotra eo amin’ny andry iray ny tanany roa, toy ny hoe mamihina an’ilay andry. Sintonin’ny mpiandraikitra ao amin’ny synagoga ny akanjony, ka mety ho tataka na rovitra tanteraka, ary miseho ny tratrany. Asiana vato ao aoriany mba hitsanganan’ilay mpiandraikitra, izay mitana karavasy vita amin’ny hodi-janak’omby. Aforitra roa ilay karavasy, avy eo aforitra efatra, ary misy tady roa [mifatotra] aminy . ...
“Toy ny sakan’ny felatanana ny lavan’ny tahon’ilay karavasy sy ny sakany, ary tsy maintsy hatreo amin’ny foitran’ilay kapohina ny tendron’ilay karavasy. Atao eo amin’ny tratrany ny ampahatelon’ny kapoka, ary eo amin’ny lamosiny ny roa ampahatelony. Tsy azo kapohina izy rehefa mitsangana na mipetraka fa rehefa miondrika ihany, satria voasoratra hoe: Hasain’ny mpitsara ampandriana izy. Mikapoka amin’ny tanan’ila amin’ny heriny manontolo ilay mikapoka.
“... Raha maty ilay olona, dia tsy meloka ilay nikaravasy. Tsy maintsy mandositra miala ny taniny anefa izy raha be loatra ny kapoka nataony ka maty ilay olona.”
“Firy ny kapoka azo atao? Efapolo latsaka iray, satria voasoratra hoe: Hatramin’ny efapolo; [izany hoe] latsaka ny efapolo.”—Makkôt 3:12-14, 10, nadikan’i H. Danby.
Tsy nety nanome sakafo an’ireo miaramilan’i Gideona nanenjika ny mpanjakan’i Midianina ireo andriana sy anti-panahin’i Sokota niisa 77. Nokapohin’i Gideona àry izy ireo ka “nataony nahalala ny anarany.” Tsy karavasy anefa no nampiasainy fa tsilo sy voarointsilo tany an-tany efitra.—Mpts 8:7, 14, 16.
Mafy kokoa ny kapoka nataon’ny firenen-kafa, ary tsy noferany ho 40. Novelezin’ny Ejipsianina mafy, ohatra, ny Israelita nandevoziny.—Ek 5:14, 16; 2:11, 12.
Nikapoka tamin’ny hazo ny Romanina, ary nendahan’izy ireo aloha ny akanjo ivelan’ilay nokapohina. (As 16:22, 23) Rhabdizô ny teny grika nadika hoe ‘mikapoka amin’ny hazo’ (As 16:22), ary iray tarika amin’ny hoe rhabdôs (tsorakazo; tehina) izy io. (Ampit. 1Ko 4:21.) Iray tarika amin’ny hoe rhabdokôs (a.b.t.: mpitondra tsorakazo) nadika hoe “mpanefa baiko” (As 16:35, 38) kosa ireo teny grika roa ireo.
Nampiasa karavasy koa ny Romanina. Natsotra ilay olona, ary toa nafatotra tamin’ny tady hoditra teo amin’ny tsato-kazo ny tanany. (As 22:25, 29) Ny mpitari-tafika no nibaiko hoe hatao impiry ny kapoka. Olona hofantsihana amin’ny hazo fijaliana matetika no nokaravasina. Niantsoantso mafy ny Jiosy hoe tokony hofantsihana i Jesosy. Nanaiky àry i Pilato ka nafahany ho azy ireo i Barabasy, ary ‘tamin’izay, dia nalainy i Jesosy ka nokaravasiny.’ (Jn 19:1; Mt 20:19) Indraindray nokaravasin’ny Romanina izay tiany ‘hofotopotorana’ mba hibaboka na hijoro ho vavolombelona. (As 22:24, 25) Mastigôô (Mt 10:17) sy mastizô (As 22:25) ny matoanteny grika nadika hoe ‘mikaravasy’ sy “mikapoka”, ary iray tarika amin’ny hoe mastiks, izay midika ara-bakiteny hoe ‘karavasina’ (As 22:24; He 11:36) sy manana heviny an’ohatra hoe ‘aretina mampijaly’ (Mr 3:10; 5:34). Tsy azo natao anefa ny nikapoka Romanina, araka ny Lalàna Valeria, raha nangataka ny hotsarain’ny vahoaka ilay olona, ary na tsy nangataka an’izany aza, araka ny Lalàna Porcia. Nivoaka teo anelanelan’ny 509 sy 195 T.K. ireo lalàna ireo.
Ny flagellum no karavasy nahatsiravina indrindra. Nisy tahony izy io, ary nisy tady tsotra na hoditra maromaro novesarana taolana na metaly maranitra mba haharary sy ho mafy kokoa ny kapoka. Avy amin’ny teny latinina hoe flagellum ny teny grika hoe fragellion (“karavasy”; Jn 2:15), ary fragellôô ny matoanteny nadika hoe ‘karavasina.’—Mt 27:26; Mr 15:15.
Nilaza i Jesosy fa hokapohina any amin’ny synagoga ny mpianany, noho ny anarany. (Mr 13:9) Nitranga imbetsaka izany. Nisy apostoly nosamborina ka nentina teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy, ary nokapohina rehefa tsy nanaiky hoe tsy hitory intsony. (As 5:40) Nanenjika mafy ny Kristianina koa i Saoly (lasa apostoly Paoly) talohan’ny niovany ho Kristianina, ka nisy nogadrainy sy nokapohiny isaky ny synagoga. (As 22:19) Iray tarika amin’ny hoe derma (‘hoditra’; He 11:37) ny matoanteny grika (derô) nadika hoe ‘mikapoka’ ao amin’ireo andininy ireo, ary midika hoe “manendaka hoditra.”—Ampit. Lk 12:47, Int.
Nokapohina tamin’ny hazo i Paoly tany Filipy. Afaka niaro sy nanamafy orina ny vaovao tsara araka ny lalàna anefa izy tamin’izay. Natahotra mantsy ireo tompon’andraiki-panjakana rehefa nahafantatra hoe Romanina izy, satria efa nokapohina ampahibemaso izy na dia mbola tsy voaheloka akory aza, ary nogadraina. Efa naseho vahoaka ho toy ny olon-dratsy koa i Paoly sy Silasy. Hoy àry i Paoly rehefa nodidian’ny tompon’andraiki-panjakana hanafaka azy roa lahy ny mpiambina: “Romanina izahay nefa nokapohiny ampahibemaso na dia mbola tsy voaheloka aza, ary nataony am-ponja. Koa izao ve dia avoakany mangingina izahay? Tsia! Aoka izy ireo mihitsy no ho avy eto ka hamoaka anay.” Tsy maintsy tonga niaiky ny fahadisoany ireo tompon’andraiki-panjakana. “Dia nilaza izany tamin’ny tompon’andraiki-panjakana ireo mpanefa baiko. Koa natahotra izy ireo rehefa nandre fa, hay, Romanina izy roa lahy. Dia tonga tokoa àry izy ireo ka niangavy azy roa lahy, ary rehefa namoaka azy dia nangataka azy mba hiala tao amin’ilay tanàna.” (As 16:22-40) Nasehon’ireo tompon’andraiki-panjakana tamin’ny olona hoe tsy nanao ratsy i Paoly sy Silasy, ka voaporofo fa tsy mpandika lalàna izay nitory ny vaovao tsara. Tratran’i Paoly ny tanjony, dia ny ‘hanamafy orina ny vaovao tsara araka ny lalàna.’—Fi 1:7.
Heviny an’ohatra. Nilaza i Rehoboama Mpanjaka fa toy ny karavasy tsotra ny fitondran’i Solomona rainy, fa ny azy kosa ho toy ny karavasy misy zava-maranitra. (Midika ara-bakiteny hoe “maingoka” ny teny hebreo [ʽakrabbim] nadika hoe “karavasy misy zava-maranitra”, ary toa nisy vona na zava-maranitra toy ny fanindron’ny maingoka ilay karavasy, na angamba nasiana tsorakazo nisy nivohitra na nisy tsilo.)—1Mp 12:11-14.
Nanao fifanekena tamin’i Davida momba ny fanjakana iray i Jehovah. Nilaza izy fa ho mpanjaka ny taranany nefa raha manao fahadisoana ilay mpanjaka, dia ‘hanariny amin’ny tsorakazon’ny olombelona, sy amin’ny kapoky ny taranak’i Adama.’ (2Sa 7:14; Sl 89:32) Nitranga izany rehefa navelany ho resin’ny mpanjakan’ny firenen-kafa ny mpanjakan’ny Joda, indrindra rehefa nesorin’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona tsy ho mpanjaka tao Jerosalema i Zedekia.—Je 52:1-11.
Ho ‘karavasy hikapoka ny tehezan’ny’ Israelita ireo firenena tsy horoahin’izy ireo, hoy i Jehovah. (Js 23:13) Tsy ara-drariny ny nikapohan’ny Asyrianina an’i Ziona tamin’ny tsorakazo, ka hanambana azy ireo amin’ny “karavasy” i Jehovah. (Is 10:24-26) Oharina amin’ny kapoka koa ny famaizan’i Jehovah.—He 12:6, Prot.
Naminany i Isaia fa hitondra ny aretina sy fanaintainan’ireo mino azy ny Mesia. Hoy izy: “Ny ratrany no nahazoanay fanasitranana.” (Is 53:3-5) Nampiharin’i Petera tamin’i Jesosy Kristy io faminaniana io ka hoy izy: “Izy no nitondra ny fahotantsika tao amin’ny vatany, teo amin’ny tsato-kazo, mba ho afaka amin’ny ota isika ka hanao ny marina foana eo amin’ny fiainantsika. ‘Ny ratra taminy no nahasitrana anareo.’”—1Pe 2:24.