Mitandrema Amin’ny Tsy Fahampiam-pinoana
“Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy [ampy finoana, amin’ny fialana, NW ] amin’Andriamanitra velona”. — HEBREO 3:12.
1. Manintona ny saintsika ho amin’ny zava-misy manaitra inona ny tenin’i Paoly ho an’ny Kristianina hebreo?
MAMPAHATAHOTRA tokoa ny mieritreritra ny hoe ny olona iray izay efa nanana fifandraisana manokana tamin’i Jehovah tamin’ny andro lasa, dia mety hanjary hanana “fo ratsy” sy ‘hiala amin’Andriamanitra velona’! Fampitandremana izany! Tsy olona tsy mpino akory no niantefan’ireo tenin’ny apostoly Paoly ireo, fa olona efa nanokana ny fiainany ho an’i Jehovah, niorina tamin’ny finoana ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy.
2. Fanontaniana inona avy no ilaintsika hodinihina?
2 Ahoana no mety hahatonga ny olona iray hanana ‘fo ratsy tsy ampy finoana’, na dia ao anatin’izany toe-piainana ara-panahy feno fitahiana izany aza izy? Ahoana tokoa no mety hahatonga ny olona iray hinia hiala amin’Andriamanitra, na dia efa nanandrana ny fitiavan’Andriamanitra sy ny hatsaram-panahiny amin’izay tsy mendrika akory aza izy? Mety hitranga amin’iza na iza amintsika ve izany? Mampisaintsaina tokoa izany tarehin-javatra izany, koa tsara ny handinihantsika ny antony nanomezana an’io fampitandremana io. — 1 Korintiana 10:11.
Nahoana no torohevitra hentitra toy izany no nomena?
3. Lazalazao ireo tarehin-javatra nahakasika ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, tao Jerosalema sy ny manodidina azy.
3 Miharihary fa ireo Kristianina hebreo tany Jodia no nanoratan’i Paoly ny taratasiny, tamin’ny 61 am.f.i. Io fotoana io, araka ny nomarihin’ny mpahay tantara iray, dia fotoana “tsy nisian’ny fiadanana na filaminana ho an’olo-maotina sy manao ny marina na iza na iza, na tao an-tanànan’i Jerosalema izany, na tany an-toeran-kafa, nanerana ny provansy manontolo”. Fotoan’ny fandikan-dalàna sy herisetra izy io, satria nifamahofaho tao ireto tarehin-javatra ireto: Ny fisian’ireo miaramila romana mpanao famoretana, sy ny fahasahisahian-dratsin’ireo Zelôta jiosy nanohitra ny Romana, ary ny heloka bevava nataon’ny mpangalatra izay nanararaotra ilay fotoana nisafotofoto. Izany rehetra izany dia nahatonga ny toe-javatra ho tena sarotra ho an’ny Kristianina, izay niezaka mafy mba tsy ho voasingotsingotry ny raharaha toy izany. (1 Timoty 2:1, 2). Raha ny marina, noho izy ireo tsy nomba ny atsy na ny aroa, dia noheverin’ny sasany ho nihataka tamin’ny fiaraha-monina, na mpanongam-panjakana mihitsy aza, izy ireo. Matetika no nentina tamin’ny fomba ratsy ny Kristianina, ary niharam-pahavoazana manokana. — Hebreo 10:32-34.
4. Inona no fanerena ara-pivavahana nahazo an’ireo Kristianina hebreo?
4 Azon’ny fanerena mafy ara-pivavahana koa ireo Kristianina hebreo. Nahavelom-pialonana sy nahatezitra ny Jiosy — indrindra fa ireo mpitarika ara-pivavahana teo aminy — ny zotom-pon’ireo mpianatra nahatokin’i Jesosy, sy ilay fitaran’ny kongregasiona kristianina haingana, vokatr’izany. Tsy nisy na inona na inona nahasakana azy ireo tsy hila sotasota sy hanenjika ireo mpanara-dia an’i Jesosy Kristy.a (Asan’ny Apostoly 6:8-14; 21:27-30; 23:12, 13; 24:1-9). Na dia tsy niharam-panenjehana nivantana aza ny Kristianina sasany, dia novingavingain’ny Jiosy sy nataony ho fihomehezana ihany izy ireny. Ny Kristianisma dia nohamavoina ho toy ny fivavahana niforona vao haingana, izay tsy mba nanana ilay renty nampiavaka ny Jodaisma, satria tsy mba nanana tempoly sy fisoronana sy andro firavoravoana ary fanatitra ara-pomba, sy ny toy izany. Na dia i Jesosy mpitarika azy ireo aza, dia novonoina ho faty toy ny mpanao heloka bevava voaheloka. Tsy maintsy nanana finoana sy herim-po ary fiaretana ny Kristianina mba hanarahana ny fivavahany.
5. Nahoana no tena nilain’ireo Kristianina tany Jodia ny nitoetra ho mailo ara-panahy?
5 Ambonin’ny zavatra rehetra, dia niaina tao anatin’ny fotoana iray tena lehibe teo amin’ny tantaran’io firenena io, ireo Kristianina hebreo tany Jodia. Efa tanteraka ny maro tamin’ireo zavatra nolazain’i Jesosy Kristy, Tompon’izy ireo, fa hanamarika ny faran’ny fandehan-javatra jiosy. Tsy lavitra intsony ny farany. Mba hahatafitana velona, ny Kristianina dia tsy maintsy nitoetra ho mailo ara-panahy sy ho vonona ny “handositra ho any an-tendrombohitra”. (Matio 24:6, 15, 16). Moa ve izy ireo hanana ny finoana sy ny tanjaka ara-panahy ilaina mba hanaovan-javatra avy hatrany, araka ny toromarik’i Jesosy? Toa nisy nampisalasala ny amin’izany.
6. Inona avy no nilain’ireo Kristianina tany Jodia, maika dia maika?
6 Nandritra ny folo taona farany talohan’ny nahafonganan’ny fandehan-javatra jiosy manontolo, dia mazava fa azon’ny fanerena mafy avy ao anatiny sy avy any ivelan’ny kongregasiona, ireo Kristianina hebreo. Nila fampaherezana mafy izy ireo, ary tsy vitan’izany ihany fa nila torohevitra sy fitarihan-dalana koa, mba hanampiana azy hahita fa efa nifidy ny lalana marina izy ireo no sady tsy ho very maina fotsiny ny nizakany sy niaretany fahoriana. Soa ihany fa nanao izay azony natao i Paoly mba hanampiana azy ireo.
7. Nahoana isika no tokony ho liana amin’izay nosoratan’i Paoly ho an’ireo Kristianina hebreo?
7 Tokony hahaliana antsika fatratra izay nosoratan’i Paoly ho an’ireo Kristianina hebreo. Nahoana? Satria miaina amin’ny fotoana iray sahala amin’ny azy ireo isika. Isan’andro isika dia iharam-panerena avy amin’izao tontolo izao, izay eo ambany fifehezan’i Satana. (1 Jaona 5:19). Tanteraka eo ambany masontsika ireo faminanian’i Jesosy sy ny apostoly, mahakasika ny andro farany sy ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”. (Matio 24:3-14, NW; 2 Timoty 3:1-5; 2 Petera 3:3, 4; Apokalypsy 6:1-8). Ambonin’ny zavatra rehetra, dia mila mitoetra ho mailo ara-panahy isika mba hahafahana ‘handositra izany zavatra rehetra izany’. — Lioka 21:36.
Ilay lehibe kokoa noho i Mosesy
8. Rehefa nilaza ilay teny voarakitra ao amin’ny Hebreo 3:1 i Paoly, dia nampirisihiny hanao inona ireo Kristianina toa azy?
8 Nanoratra toy izao i Paoly raha niresaka ny amin’ny hevitra tena lehibe iray: “[Diniho, NW ] ny Apostoly sy Mpisoronabe Izay ekentsika, dia Jesosy”. (Hebreo 3:1). Ny hoe ‘mandinika’ dia midika hoe “mahatakatra mazava (...), mahazo ny heviny feno, mandinika akaiky”. (Vine’s Expository Dictionary of Old and New Testament Words). Araka izany, dia nampirisika ireo mpiray finoana taminy i Paoly mba hiezaka mafy hahatakatra marina ny anjara asan’i Jesosy teo amin’ny finoan’izy ireo sy ny famonjena azy ireo. Ny fanaovan’izy ireo izany dia hanatanjaka ny fahatapahan-keviny hiorina mafy amin’ny finoana. Inona àry no anjara asan’i Jesosy, ary nahoana isika no tokony ‘handinika’ azy?
9. Nahoana i Paoly no niresaka an’i Jesosy ho “Apostoly” sy “Mpisoronabe”?
9 Nampiharin’i Paoly tamin’i Jesosy ilay teny hoe “Apostoly” sy “Mpisoronabe”. Ny “Apostoly” dia iraka, ary eto izy io dia manondro ilay fitaovana entin’Andriamanitra mampita hevitra amin’ny olombelona. Ny “Mpisoronabe” dia olona izay amin’ny alalany no ahafahana manatona an’Andriamanitra. Tena ilaina eo amin’ny fanompoam-pivavahana marina ireo fandaharana roa ireo, ary i Jesosy no sary velona mampiseho azy ireo. Izy ilay nirahina avy tany an-danitra mba hampianatra ny olombelona ny fahamarinana momba an’Andriamanitra. (Jaona 1:18; 3:16; 14:6). I Jesosy ihany koa no voatendry ho Mpisoronabe nasehon’ny tandindona, ao amin’ilay tempolin’i Jehovah ara-panahy izay natao mba hisian’ny famelan-keloka. (Hebreo 4:14, 15; 1 Jaona 2:1, 2). Raha tena mankasitraka ireo fitahiana azontsika amin’ny alalan’i Jesosy isika, dia hanana ilay herim-po sy fahatapahan-kevitra hiorina mafy hatrany amin’ny finoana.
10. a) Ahoana no nanampian’i Paoly an’ireo Kristianina hebreo mba hahatakarany fa ambony ny Kristianisma, raha oharina amin’ny Jodaisma? b) Inona ilay fahamarinana tsy miova, izay notononin’i Paoly mba hanamafisana ny heviny?
10 Ta hanantitrantitra ny hasarobidin’ny finoana kristianina i Paoly, ka nampitaha an’i Jesosy tamin’i Mosesy, izay noheverin’ny Jiosy ho mpaminany lehibe indrindra tamin’ny razambeny. Raha takatr’ireo Kristianina hebreo mazava tsara fa lehibe kokoa noho i Mosesy i Jesosy, dia tsy hisy antony tokony hisalasalan’izy ireo ny amin’ny maha ambony kokoa ny Kristianisma, raha oharina amin’ny Jodaisma. Nanazava i Paoly fa i Mosesy dia nisaina ho mendrika ho nanankinana ny ‘tranon’Andriamanitra’ — ny firenena na kongregasionan’ny Isiraely. Na dia izany aza anefa, dia mpitandrin-draharaha na mpanompo nahatoky fotsiny ihany i Mosesy. (Nomery 12:7). I Jesosy kosa anefa, etsy an-danin’izany, dia Zanaka, tompo manam-pahefana amin’ny trano. (1 Korintiana 11:3; Hebreo 3:2, 3, 5). Mba hanamafisana ny heviny, dia nanonona izao fahamarinana tsy miova izao i Paoly: “Fa ny trano rehetra dia samy nisy mpanao azy; fa Izay nanao ny zavatra rehetra kosa dia Andriamanitra.” (Hebreo 3:4). Tsy hisy hitsipaka ny hoe lehibe kokoa noho ny olona rehetra Andriamanitra, satria izy no Mpanorina na Mpamorona ny zava-drehetra. Mazava ho azy àry fa, satria mpiara-miasa tamin’Andriamanitra i Jesosy, dia tsy maintsy ho lehibe kokoa izy raha oharina amin’ny zavaboary hafa rehetra, anisan’izany i Mosesy. — Ohabolana 8:30; Kolosiana 1:15-17.
11, 12. Inona no nampirisihan’i Paoly an’ireo Kristianina hebreo mba hohazonina “mafy hatramin’ny farany”, ary ahoana no ahafahantsika mampihatra ny toroheviny?
11 Marina tokoa fa nanana toerana nisy tombontsoa tena manokana ireo Kristianina hebreo. Nampahatsiahivin’i Paoly azy ireo fa “mpiombona ny fiantsoana avy any an-danitra” izy ireo, ary izany dia tombontsoa tokony hoheverina ho sarobidy mihoatra noho ny zavatra rehetra natolotry ny fandehan-javatra jiosy. (Hebreo 3:1). Tsy maintsy ho nahavelom-pankasitrahana an’ireo Kristianina voahosotra ireo ny tenin’i Paoly, satria tsara toerana mba hahazo lova vaovao izy ireo, fa tsy halahelo noho ny namoizany zavatra nifandray tamin’ny lovany tamin’ny naha Jiosy azy. (Filipiana 3:8). Hoy i Paoly, raha nampirisika azy ireo hihazona ny tombontsoany ka tsy hihevitra azy io ho tsinontsinona: “Kristy kosa dia Zanaka manapaka ny tranon’Andriamanitra; ary isika no tranony, raha hazonintsika mafy hatramin’ny farany ny fahasahiana sy ny firavoravoana momba ny fanantenana.” — Hebreo 3:6.
12 Eny, raha tian’ireo Kristianina hebreo ny ho tafita velona amin’ilay fifaranan’ny fandehan-javatra jiosy nananontanona, dia nila nihazona “mafy hatramin’ny farany” ny fanantenana nomen’Andriamanitra azy, izy ireo. Tsy maintsy manao toy izany koa isika amin’izao andro izao, raha irintsika ny ho tafita velona amin’ny faran’itỳ fandehan-javatra itỳ. (Matio 24:13). Ny finoantsika ny fampanantenan’Andriamanitra dia tsy tokony havelantsika hohozongozonin’ny fanahiana eo amin’ny fiainana, ny tsy firaharahan’ny olona, na ny fironana tsy lavorary ananan’ny tenantsika manokana. (Lioka 21:16-19). Mba hahitana ny fomba azontsika anatanjahana ny tenantsika, dia andeha hodinihintsika ny teny nanampin’i Paoly.
“Aza manamafy ny fonareo”
13. Fampitandremana inona no nomen’i Paoly, ary ahoana no nampiharany ny Salamo faha-95?
13 Rehefa avy nandinika ilay toerana nisy tombontsoa manokana nananan’ireo Kristianina hebreo i Paoly, dia nanome izao fampitandremana izao: “Araka izay lazain’ny Masina hoe: ‘Anio, raha hihaino ny feony hianareo, aza manamafy ny fonareo, tahaka ny tamin’ny fahasosorana, tamin’ny andro fakam-panahy tany an-efitra’ ”. (Hebreo 3:7, 8). Nanonona ny Salamo faha-95 i Paoly, ka afaka nilaza hoe araka izay “lazain’ny Fanahy Masina”.b (Salamo 95:7, 8; Eksodosy 17:1-7). Ny Soratra Masina dia ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny fanahiny masina. — 2 Timoty 3:16.
14. Nanao ahoana ny fihetsik’ireo Isiraelita teo anoloan’ny zavatra nataon’i Jehovah ho azy ireo, ary nahoana?
14 Rehefa avy nafahana tamin’ny fanandevozana tany Egypta ireo Isiraelita, dia nahazo voninahitra lehibe, izany hoe, ny fidirana tamin’ny fifandraisana nisy fifanekena tamin’i Jehovah. (Eksodosy 19:4, 5; 24:7, 8). Tsy nankasitraka izay nataon’Andriamanitra ho azy anefa izy ireo, fa tsy ela kosa dia nikomy. (Nomery 13:25–14:10). Ahoana no mety ho nahatonga izany? Nolazain’i Paoly amintsika ny antony: Ny fahamafisan’ny fon’izy ireo. Ahoana anefa no mahatonga ny fo hihamafy, na dia fo mora andairan’ny Tenin’Andriamanitra sy mandray tsara azy io aza? Ary inona no tsy maintsy ataontsika mba hisorohana izany?
15. a) Amin’ny fomba ahoana no andrenesana ‘ny feon’Andriamanitra’, tamin’ny lasa sy ankehitriny? b) Fanontaniana inona avy no ilaintsika hapetraka amin’ny tenantsika, raha ny amin’ny ‘feon’Andriamanitra’?
15 Teny misy fepetra manao hoe “raha hihaino ny feony hianareo”, no nanombohan’i Paoly ny fampitandremana nomeny. Niteny tamin’ny vahoakany tamin’ny alalan’i Mosesy sy ny mpaminany hafa, Andriamanitra. Avy eo i Jehovah dia niteny tamin’izy ireo tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany. (Hebreo 1:1, 2). Amin’izao andro izao isika dia manana ny Baiboly Masina, ilay Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry feno. Manana ny “mpanompo mahatoky sy malina”, izay notendren’i Jesosy hanome “hanina [ara-panahy] amin’ny fotoana mety”, koa isika. (Matio 24:45-47, NW ). Araka izany, dia mbola miteny foana Andriamanitra. Mihaino anefa ve isika? Ohatra, ahoana no fihetsitsika eo anoloan’ny torohevitra momba ny fitafiana sy ny fisehoana ankapobe, na ny fialam-boly sy ny mozika fidintsika? “Mihaino” ve isika, izany hoe, mitandrina sy mankatò izay zavatra rentsika? Raha manana fahazarana mitady fialan-tsiny na manohitra torohevitra isika, dia mitono tena ho amin’ny loza misoko mangina, izay tsy inona fa ny fanamafisana ny fontsika.
16. Inona ny fomba iray mety hahatonga ny fontsika hihamafy?
16 Mety hihamafy koa ny fontsika raha toa isika ka manao fialana mba tsy hanaovana izay zavatra azontsika atao sy tokony hataontsika. (Jakoba 4:17). Na dia teo aza ny zava-drehetra nataon’i Jehovah ho an’ny Isiraelita, dia sady tsy naneho finoana izy ireo no nikomy tamin’i Mosesy sy nifidy ny hino tatitra ratsy momba an’i Kanana, ary nanda tsy hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina. (Nomery 14:1-4). Namoaka didy àry i Jehovah fa handany 40 taona any an’efitra izy ireo — fotoana ampy tsara mba hahatapitra maty ireo olona tsy nanam-pinoana anisan’io taranaka io. Tofoka tamin’izy ireo Andriamanitra, ka nanao hoe: “Ireo dia maniasia amin’ny fony mandrakariva ka tsy nahalala ny làlako; ary araka izany no nianianako tamin’ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin’ny fitsaharako mihitsy izy”. (Hebreo 3:9-11). Hitantsika ho misy fianarana ho antsika ve amin’izany?
Fianarana ho antsika
17. Na dia nahita maso ny asa fampisehoan-kery nataon’i Jehovah aza ireo Isiraelita, ary nandre ny fanambarana nataony, nahoana izy ireo no tsy ampy finoana?
17 Ilay taranaka isiraelita izay nivoaka avy tany Egypta dia nahita maso sy nandre nivantana ny asa fampisehoan-kery sy ny fanambarana nataon’i Jehovah. Na dia izany aza, dia tsy nanam-pinoana izy ireo fa ho afaka hampiditra azy soa aman-tsara ao amin’ny Tany Nampanantenaina Andriamanitra. Nahoana? “Tsy nahalala ny làlako” izy, hoy i Jehovah. Fantatr’izy ireo izay zavatra nolazain’i Jehovah sy nataony, saingy tsy natoky ny fahaizan’i Jehovah hikarakara azy, izy ireo. Revo loatra tamin’izay zavatra nilainy sy nirin’ny tenany manokana izy ireo, ka tsy nihevitra firy ny lalan’Andriamanitra sy ny fikasany. Eny, tsy ampy finoana ny fampanantenan’Andriamanitra izy ireo.
18. Araka ny filazan’i Paoly, inona no hiteraka ‘fo ratsy tsy ampy finoana’?
18 Mihatra tsara amintsika koa ireto teny fanampiny ho an’ny Hebreo ireto: “Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy [ampy finoana, amin’ny fialana, NW ] amin’Andriamanitra velona”. (Hebreo 3:12). Niresaka ny votoatin’ilay raharaha i Paoly, tamin’ny filazana fa ‘fo ratsy tsy ampy finoana’ no vokatry ny ‘fialana amin’Andriamanitra velona’. Tany aloha kokoa tao amin’io taratasy io, dia niresaka ny amin’ny olona “hindaosina hiala” noho ny tsy fitandremana, i Paoly. (Hebreo 2:1). Etsy an-danin’izany kosa anefa, dia “mihataka” no hevitr’ilay teny grika nadika hoe “fialana”, ao amin’ny Hebreo 3:12 (NW ), ary ny teny hoe “fivadiham-pinoana” no ampifandraisina amin’izy io. Manondro finiavana hanohitra sy hihataka ary hiova lasy izy io, no sady ahitana taratry ny fanamavoana.
19. Amin’ny ahoana no mety hisy vokany mampidi-doza ny tsy fihainoana torohevitra? Hazavao amin’ny ohatra.
19 Ny fianarana ho antsika àry dia ny hoe: Tsy ho ela ny fontsika dia hanjary tsy hihontsina sy hihamafy, raha manjary zatra tsy ‘mihaino ny feony’ isika, ka tsy miraharaha ny torohevitra omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny Teniny sy ny kilasin’ny mpanompo mahatoky. Ohatra, mety ho somary tafahoatra ny fanehoam-pitiavana ifanaovan’ny olon-droa tsy mpivady. Ahoana raha tsy miraharaha tsotra izao ilay raharaha izy ireo? Hiaro azy ireo tsy hamerina izay nataony ve izany, sa vao mainka hanamora ny hamerenany ilay izy? Toy izany koa fa rehefa manome torohevitra ny kilasin’ny mpanompo hoe ilaina hofantenana ny mozika sy ny fialam-boly fidintsika, sy ny toy izany, moa ve isika mandray izany amim-pankasitrahana ka manitsy izay ilaina hahitsy? Nampirisika antsika mba “tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory” i Paoly. (Hebreo 10:24, 25, NW ). Na dia eo aza io torohevitra io, dia tsy rototra firy amin’ny fivoriana kristianina ny sasany. Mety hihevitra izy ireo fa tsy mampaninona ny tsy mahavonjy fivoriana sasany, na tsy manatrika intsony mihitsy ny sasany amin’izy ireny.
20. Nahoana no tena ilaina ny handraisantsika tsara ny torohevitry ny Soratra Masina?
20 Raha toa isika ka tsy mihaino tsara ny ‘feon’i Jehovah’ ambara mazava ao amin’ny Soratra Masina sy ireo zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly, tsy ho ela isika dia hahita ny tenantsika ‘hiala amin’Andriamanitra velona’. Ny finiavana tsy hiraika eo anoloan’ny torohevitra dia mety ho tonga mora foana fanaovan-javatra mba hanamaivanana sy hanakianana ary handavana azy io. Raha tsy voahitsy izany, dia ‘fo ratsy tsy ampy finoana’ no ho vokany, ary tena sarotra mazàna ny miarina avy amin’izany. (Ampitahao amin’ny Efesiana 4:19.) Mety tokoa raha nanoratra toy izao i Jeremia: “Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina; iza moa no mahafantatra ny aminy?” (Jeremia 17:9). Noho izany antony izany no nampirisihan’i Paoly toy izao an’ireo Hebreo mpiray finoana taminy: “Mifananara isan-andro, raha mbola atao hoe ‘Anio’; fandrao hisy aminareo ho tonga mafy fo noho ny famitahan’ny ota.” — Hebreo 3:13.
21. Ampirisihina hanao inona isika rehetra, ary inona avy no zavatra azontsika antenaina?
21 Sambatra tokoa isika fa mbola miteny amintsika amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fandaminany i Jehovah, amin’izao andro izao! Velom-pankasitrahana isika fa manohy manampy antsika ‘hitana mafy hatramin’ny farany ny fatokiantsika voalohany’ ny “mpanompo mahatoky sy malina”. (Hebrio 3:14, Fandikan-teny Katolika). Izao no fotoana tokony hanaovantsika zavatra ho setrin’ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fitarihany lalana. Rehefa manao izany isika, dia afaka ny hahazo fampanantenana hafa iray, izay anisan’ireo fampanantenana mahatalanjona nataon’i Jehovah, dia ny ‘hiditra ao amin’ny’ fitsaharany. (Hebreo 4:3, 10). Io no foto-kevitra manaraka, noresahin’i Paoly tamin’ireo Kristianina hebreo, ary io koa no foto-kevitra hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Nilaza i Josèphe fa fotoana fohy taorian’ny nahafatesan’i Festosy, dia lasa mpisoronabe i Ananus (Ananiasy), izay avy tamin’ny sekta atao hoe Sadoseo. Nentiny teo anatrehan’ny Synedriona i Jakoba, rahalahin’i Jesosy iray reny taminy, sy ny mpianatra hafa, ka nataony izay hahatonga azy ireo ho voaheloka ho faty sy hotoraham-bato.
b Miharihary fa naka teny avy tao amin’ny Septante grika i Paoly. “Fifamaliana” no andikan’izy io ilay teny hebreo nadika hoe “Meriba”, ary “fitsapana” kosa no andikany ny hoe “Masa”. Jereo ny pejy faha-983 sy ny faha-1003, ao amin’ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
Azonao Hazavaina Ve?
◻ Nahoana no torohevitra hentitra toy izany no nosoratan’i Paoly ho an’ireo Kristianina hebreo?
◻ Ahoana no nanampian’i Paoly an’ireo Kristianina hebreo mba hahatakaran’izy ireo fa nanan-javatra tsara kokoa noho ny fiainana teo ambanin’ny Jodaisma izy ireo?
◻ Ahoana no mahatonga ny fon’ny olona iray hihamafy?
◻ Inona no tsy maintsy ataontsika mba tsy hananana ‘fo ratsy tsy ampy finoana’?
[Sary, pejy 10]
Moa ve ianao maneho finoana an’i Jesosy, ilay Mosesy Lehibe?