HEBREO, TARATASY HO AN’NY
Taratasy anisan’ny Soratra Grika Kristianina nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ny Kristianina hebreo tany Jodia tamin’ny taona 61 tany ho any, 28 taona teo ho eo taorian’ny nahafatesan’i Jesosy Kristy sy ny nitsanganany tamin’ny maty. Tena tonga tamin’ny fotoana nilan’izy ireo azy ilay izy. Nanenjika mafy an’ireo Kristianina jiosy tany Jerosalema sy Jodia mantsy ny mpitondra fivavahana jiosy, taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. Novonoina ny Kristianina sasany, ary niparitaka niala tao Jerosalema ny ankamaroany. (As 8:1) Nitory ny vaovao tsara tany amin’izay rehetra nalehany foana anefa izy ireo. (As 8:4) Ny apostoly kosa nijanona tao Jerosalema ary niezaka nampiray an’ilay fiangonana tao. Nitombo izy io na dia notoherina mafy aza. (As 8:14) Nisy fotoana koa izy io nandry feizay. (As 9:31) Novonoin’i Heroda Agripa I anefa ny apostoly Jakoba rahalahin’i Jaona tatỳ aoriana, ary nampahoriny ny Kristianina hafa. (As 12:1-5) Lasa sahirana ara-bola koa ny Kristianina tany Jodia, ka nandefasan’ny tany Akaia sy Makedonia fanampiana (t. 55) ho porofon’ny fitiavany sy ny firaisan-tsainy. (1Ko 16:1-3; 2Ko 9:1-5) Niaritra zava-tsarotra maro àry ilay fiangonana tao Jerosalema.
Zava-kendreny. Jiosy sy olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy taloha ny ankamaroan’ny Kristianina teo anivon’ny fiangonan’i Jerosalema. Maro taminy no tsy nahalala ny fahamarinana, raha tsy taorian’ilay fanenjehana faran’izay mafy. Efa nihalefy ny fanenjehana tamin’i Paoly nanoratra ny taratasiny ho an’ny Hebreo, satria hoy izy: “Mbola tsy tonga hatramin’ny fahalatsahan-dra ny ady nataonareo.” (He 12:4) Mbola notoherin’ireo mpitondra fivavahana jiosy ihany anefa ny Kristianina, na dia tsy novonoina ho faty aza. Nenjehina koa ny vaovao. Nisy koa ireo mbola tsy nihamatotra ihany, na dia efa ela aza no tokony ho nandroso. (5:12) Nitsapa ny finoan’izy ireo isan’andro ny fanoheran’ny Jiosy. Nila nanam-paharetana àry izy ireo.—12:1, 2.
Nadiva horavana i Jerosalema. Tsy nahalala ny fotoana hitrangan’izany anefa na i Paoly na ny fiangonan’i Jerosalema, afa-tsy Andriamanitra ihany. (Lk 21:20-24; Da 9:24, 27) Tsy maintsy mailo sy naneho finoana àry izy ireo, ka handositra raha vao hitany fa nisy miaramila nitoby nanodidina an’i Jerosalema. Nila nifampahery ny rehetra teo anivon’ilay fiangonana mba hiatrehana izany. Voalaza fa tonga nanafika an’ilay tanàna i Cestius Gallus, dimy taona teo ho eo monja taorian’ny nanoratana an’ilay taratasy ho an’ny Hebreo, ary avy eo niala tampoka. Noravan’ny Romanina notarihin’ny Jeneraly Titus i Jerosalema sy ny tempoliny, efa-taona taorian’izay. Efa nanome ny torohevitra nilain’ny mpanompony anefa i Jehovah, talohan’ny nitrangan’izany rehetra izany.
Fanoheran’ny Jiosy. Nanaratsy an’ireo mpianatr’i Kristy sy nanao izay ho afany ny mpitondra fivavahana jiosy mba hankahalan’ny olona azy ireo. Hita hoe tapa-kevitra ny hampiasa ny fomba rehetra izy ireny mba hanoherana ny Fivavahana Kristianina. (As 22:22; 23:12-15, 23, 24; 24:1-4; 25:1-3) Nila sotasota tamin’ny Kristianina foana izy ireny sy ny mpomba azy, ary niezaka nandresy lahatra azy ireo mba hivadika amin’i Kristy. Toy ny hoe nampiaiky erỳ ny hevitra naroson’izy ireny ka tsy hita izay hanoherana azy.
Maro ny zavatra hita maso sy azo notsapain-tanana nampiavaka ny Fivavahana Jiosy tamin’izany. Ireny angamba no nentin’ny Jiosy nanaporofoana fa tsara kokoa ny fivavahany, fa hadalana kosa ny nanaraka ny Fivavahana Kristianina. Nilaza tamin’i Jesosy, ohatra, izy ireo fa i Abrahama izay nomena an’ireo fampanantenana, no rain’izy ireo. (Jn 8:33, 39) Mpanompo sady mpaminanin’Andriamanitra i Mosesy izay niresahany “mivantana.” (No 12:7, 8) Ny Jiosy koa no voalohany nomena ny Lalàna sy ny tenin’ny mpaminany. ‘Koa satria efa nisy hatry ny ela be ny Fivavahana Jiosy, tsy io ve izany no fivavahana marina?’, hoy izy ireo. Niteny tamin’ny alalan’ny anjely Andriamanitra rehefa nanao ny fifaneken’ny Lalàna. Anjely mantsy no nampita ny Lalàna tamin’i Mosesy. (As 7:53; Ga 3:19) Nampiseho ny heriny be voninahitra tamin’ny fomba nampahatahotra Andriamanitra tamin’izay: Nihovotrovotra ny Tendrombohitra Sinay ary nisy feon’anjombona mafy, setroka, kotroka, ary tselatra.—Ek 19:16-19; 20:18; He 12:18-21.
Teo koa ny tempoly tsara tarehy sy ny asa fisoronana izay fandaharana avy tamin’i Jehovah. Nanompo tao amin’ny tempoly ny mpisorona, izay nanao fitafiana manokana lafo vidy sy nanolotra sorona maro isan’andro. Be voninahitra koa ny fanompoana natao tao. Mety ho nisy Jiosy àry nilaza hoe: ‘Fa angaha moa tsy i Jehovah no nandidy ny hitondrana ny fanatitra noho ny ota ao amin’ny toerana masina? Tsy ny mpisoronabe taranak’i Arona, rahalahin’i Mosesy, ve no miditra ao amin’ny Masina Indrindra amin’ny Andro Fandrakofam-pahotana? Tsy izy ve no misolo tena ny vahoaka eo anatrehan’Andriamanitra, sy manolotra fanatitra noho ny fahotan’ny firenena? (Le 16) Tsy an’ny Jiosy ve ilay fanjakana satria Jiosy (ny Mesia izay mbola ho avy, hono) ilay hipetraka eo amin’ny seza fiandrianana ao Jerosalema?’
Raha natao hanampiana ny Kristianina hamaly ny fanoheran’ny Jiosy ilay taratasy ho an’ny Hebreo, dia mety ho niteny toy izao ireo fahavalon’ny Fivavahana Kristianina ireo: ‘Inona no mba porofo haroson’ireo “mpivadi-pinoana” ireo fa marina sy ankasitrahan’Andriamanitra ny fivavahany? Aiza izay mba tempoliny sy mpisorony? Iza no mba mpitarika azy? Mba anisan’ny mpitarika nalaza teo amin’ny firenena ve ilay Jesosy Galilianina iny, izay zanaka mpandrafitra sady tsy nianatra tany amin’ny sekolin’ireo raby akory? Na ny fomba nahafatesany aza nanala baraka. Aiza izay fanjakany? Iza no mba apostoliny sy mpanara-dia azy? Mpanarato sy mpamory hetra! Olona hoatran’ny ahoana no mba tena voasarika hanaraka ny Fivavahana Kristianina? Ny mahantra sy ny olona ambany ary ny tena loza aza, dia ny hafa firenena tsy mifora, izay tsy taranak’i Abrahama akory! Iza koa no hatoky an’iny Jesosy iny, nefa izy aza nanevateva an’Andriamanitra sy nikomy ka novonoina ho faty? Izahay ve dia hihaino ny mpianany izay tsy dia nahita fianarana sady olon-tsotra?’—As 4:13.
Tsara kokoa ny Fivavahana Kristianina. Nisy Kristianina tsy matotra mety ho nanao tsirambina ny famonjen’i Kristy azy ireo (He 2:1-4), na nanaiky ho voataonan’ny Jiosy tsy mpino. Nanome porofo mampiaiky avy tao amin’ny Soratra Hebreo (izay nolazain’ny Jiosy fa ninoan’izy ireo) àry i Paoly, mba hampisehoana fa tsara kokoa ny Fivavahana Kristianina sy ny fisoronan’i Jesosy Kristy ary ny fanjakany. Zanak’Andriamanitra mantsy i Jesosy Kristy, ambony noho ny anjely (1:4-6), noho i Abrahama (7:1-7) sy Mosesy (3:1-6) ary ireo mpaminany (1:1, 2). Notendrena ho mpandova ny zava-drehetra izy, nosatrohana voninahitra sy haja, ary notendrena hiandraikitra ny asan’ny tanan’i Jehovah.—1:2; 2:7-9.
Tsara kokoa noho ny fisoronan’ny taranak’i Arona avy amin’ny fokon’i Levy ny fisoronan’i Kristy. Noho ny fianianan’Andriamanitra no nahatonga azy ho mpisorona, fa tsy noho izy taranaka mpisorona tsy lavorary. (He 6:13-20; 7:5-17, 20-28) Nahoana anefa izy no niaritra fitsapana maro sy nampijalina rehefa novonoina ho faty? Mba hahafahany hamonjy ny olombelona sy hahafeno fepetra ho Mpisoronabe ary hanana fahefana amin’ny zava-drehetra, araka ny didin’Andriamanitra. (2:8-10; 9:27, 28; ampit. Is 53:12.) Tsy maintsy tonga nofo aman-dra sy maty izy mba hanafahany an’ireo rehetra nandevozin’ny tahotra ny fahafatesana. Ny fahafatesany no hanafoanany ny Devoly. Tsy hisy mpisorona olombelona hahavita izany mihitsy. (He 2:14-16) Mpisoronabe mahay mangoraka antsika amin’ny fahalementsika izy ary afaka manampy antsika, satria efa nijaly sy notsapaina tamin’ny lafiny rehetra.—2:17, 18; 4:15.
Tsy niditra tao amin’ny tranolay na trano tetỳ an-tany io Mpisoronabe io, satria aloky ny zavatra any an-danitra ireny. “Nankany an-danitra” kosa izy, ary niseho teo anatrehan’Andriamanitra. (He 4:14; 8:1; 9:9, 10, 24) Tsy nila niseho matetika izy, fa indray mandeha monja niaraka tamin’ny sorona lavorary sy tsy nisy ota natolony. (7:26-28; 9:25-28) Tsy toa an’ireo mpisorona taranak’i Arona izy ka hoe mila mpandimby, satria velona mandrakizay mba hamonjy tanteraka an’ireo ampiany. (7:15-17, 23-25) I Kristy ilay Mpanelanelana amin’ny fifanekena tsara kokoa noresahin’i Jeremia. Ahazoana tena famelan-keloka sy feon’ny fieritreretana madio io fifanekena io. Tsy nahavita izany mihitsy ny Lalàna. Nosoratana teo amin’ny takela-bato ny Teny Folo na lalàna fototra tao amin’ny fifaneken’ny Lalàna, fa hosoratana ao am-po kosa ny fifanekena vaovao. Ho lany andro àry ny fifaneken’ny Lalàna, ka ho levona.—8:6-13; Je 31:31-34; De 4:13; 10:4.
Niaiky i Paoly fa nampiseho ny heriny tokoa Andriamanitra teo Sinay, ho fankasitrahana ny fifaneken’ny Lalàna. Niavaka kokoa anefa ny porofo nomen’i Jehovah rehefa nanomboka nanan-kery ny fifanekena vaovao, satria nisy famantarana sy fambara ary fahagagana maro tamin’izay, ary nahazo fanahy masina ny iray fiangonana. (He 2:2-4; ampit. As 2:1-4.) Avo kokoa noho ny an’ireo mpanjaka taranak’i Davida ny seza fiandrianan’i Kristy. Any an-danitra mantsy izy io, fa tsy eto an-tany, tsy ao Jerosalema. (He 1:9) Andriamanitra no nanome fahefana an’i Kristy ka tsy azo hozongozonina ny Fanjakany, tsy hoatran’ilay fanjakana tao Jerosalema izay rava tamin’ny 607 T.K. (1:8; 12:28) Zava-mahatalanjona kokoa noho ny fahagagana teo an-tendrombohitra Sinay no asehon’Andriamanitra ny vahoaka angoniny. Entiny manatona an’ilay Tendrombohitra Ziona any an-danitra mantsy ny Kristianina voahosotra, ary tsy ny tany ihany no hohozongozoniny fa ny lanitra koa.—12:18-27.
Sarobidy be amin’ny Kristianina ny taratasy ho an’ny Hebreo. Manampy azy ireo izy io hahatakatra fa mifanitsy amin’izay natao teo ambanin’ny Lalàna ny zavatra maro nataon’i Kristy. Efa fantatry ny Jiosy hatry ny ela, ohatra, fa nisolo tena azy ireo teo anatrehan’i Jehovah ilay mpisoronabe niditra tao amin’ny Masina Indrindra, araka ny voalazan’ny Soratra Hebreo. Tsy takatr’izy ireo mihitsy anefa hoe tena hiseho eo anatrehan’i Jehovah any an-danitra ilay tena Mpisoronabe! Tsy ho azontsika koa ny naha zava-dehibe ny fihaonan’i Abrahama tamin’i Melkizedeka, sy ny hoe iza no mifanitsy amin’io mpanjaka sady mpisorona io, raha mamaky ny Soratra Hebreo fotsiny isika. Roa monja amin’ireo zavatra nataon’i Kristy nanjary takatsika ao amin’ny bokin’ny Hebreo ireo.
Manamafy ny finoan’ny Kristianina sy ny fanantenany ilay taratasy, noho izy io ‘manome porofo mazava momba ny zavatra tena misy izay tsy hita maso.’ (He 11:1) Mahatonga ny olon’Andriamanitra “ho tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra” koa izy io, na dia maro aza ankehitriny no miantehitra amin’ny zavatra efa nisy hatry ny ela, fikambanana manankarena sy matanjaka, fombafomba manetriketrika, ary amin’ny fahendren’ity tontolo ity fa tsy amin’Andriamanitra.—2Ti 3:16, 17.
Mpanoratra; fotoana sy toerana nanoratana azy. Eken’ny maro, anisan’izany ireo mpanoratra taloha, fa ny apostoly Paoly no nanoratra ny taratasy ho an’ny Hebreo. Iray amin’ireo taratasy sivy nosoratan’i Paoly hita ao amin’ny Papyrus Chester Beatty No. 2 (P46) (t. 200) ilay ho an’ny Hebreo, ary anisan’ireo “taratasy 14 nosoratan’ny apostoly Paoly” hita ao amin’ny “Lisitra Nataon’i Athanase” tamin’ny taonjato fahefatra.
Tsy nanonona ny anarany i Paoly tamin’izy nanoratra ny Hebreo, tsy toy ny nataony tao amin’ireo taratasiny hafa rehetra. Tsy midika anefa izany hoe tsy izy no nanoratra azy io. Misy porofo mantsy ao ahitana fa i Paoly no nanoratra azy io tany Italia, tany Roma angamba. (He 13:24) Tany Roma izy no nigadra voalohany (taona 59-61). Niaraka taminy tany i Timoty, araka ny nolazainy ao amin’ireo taratasiny ho an’ny Filipianina, Kolosianina, ary ho an’i Filemona, izay samy nosoratany tamin’izy nigadra tany. (Fi 1:1; 2:19; Kl 1:1, 2; Flm 1) Mifanaraka amin’izay voalazan’ny Hebreo 13:23 izany, dia ny hoe nafahana avy tao am-ponja i Timoty ary nikasa ho any Jerosalema tsy ho ela ilay mpanoratra.
Talohan’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny taona 70 no nosoratana ilay taratasy, satria nilaza i Paoly fa mbola teo ny tempoly ary mbola nisy nanompo tao. Nosoratana sivy taona teo ho eo talohan’izay, tamin’ny taona 61 angamba, izy io satria efa nafahana i Timoty, hoy i Paoly, ary noheverina fa efa nafahana koa ilay apostoly.—He 13:23.
[Efajoro, pejy 1114]
HEVITRA MISONGADINA: HEBREO
Fanaporofoan-kevitra mafonja nampahery ny Kristianina hebreo, sy nahafahany nanampy Jiosy tso-po talohan’ny nifaranan’ny tontolo jiosy
Nosoratan’ny apostoly Paoly, folo taona latsaka talohan’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny taona 70
Mitana toerana ambony ny Zanak’Andriamanitra (1:1–3:6)
Zanaka lahitokana izy, notendrena ho mpandova, mitovy tanteraka amin’ny an’ny Rainy ny maha izy azy, amin’ny alalany no anohanana ny zavaboary rehetra
Tsy mpanompo hoatran’ny anjely ilay Zanaka. Izy irery no antsoin’ny Ray hoe “zanako”; Lahimatoa iankohofan’ny anjely; Andriamanitra no seza fiandrianany, izany hoe avy aminy ny fanjakany; haharitra noho ny lanitra sy ny tany noforonina tamin’ny alalany izy, ary eo ankavanan-dRainy no misy azy
Nosazina izay tsy niraharaha ny Lalàna nampitaina tamin’ny alalan’ny anjely, ka vao mainka tokony hankatoavina ny teny nolazain’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Zanany, izay ambony lavitra noho ny anjely
Natao ambany kely noho ny anjely i Jesosy Kristy, nefa avy eo nasandratra ho ambonin’izy ireo ka nasaina nanjaka amin’ilay tany onenana ho avy
Mpanompo tao an-tranon’Andriamanitra i Mosesy, fa i Jesosy Kristy kosa miandraikitra ny ao an-tranony rehetra
Mbola azo atao ny miditra amin’ny fitsaharan’Andriamanitra (3:7–4:13)
Tsy niditra tamin’ny fitsaharan’Andriamanitra ny Israelita nandao an’i Ejipta satria tsy nankatò sy tsy nino
Afaka ny hiditra amin’ny fitsaharany kosa ny Kristianina raha tsy manao toa an’ireo Israelita, fa mankatò sy miezaka ny tsy hivadika
Velona sy maranitra noho ny sabatra ny teny hoe azo atao ny miditra amin’ny fitsaharany, vitan’izy io ny manavaka ny miseho ivelany sy ny any am-po (hita amin’ny fihetsik’ilay olona)
Tsara kokoa ny fisoronan’i Kristy sy ny fifanekena vaovao (4:14–10:31)
Notsapaina tamin’ny lafiny rehetra i Jesosy Kristy nefa tsy nanota, ka lasa mpisoronabe mahay mangoraka an’ireo mpanota
Notendren’Andriamanitra ho mpisorona tahaka an’i Melkizedeka, ary tsara kokoa noho ny asa fisoronan’ny Levita ny azy
Tsy toa an’ireo Levita mpisorona taranak’i Arona, satria tsy ho faty intsony ka tsy mila mpandimby fa afaka mamonjy foana; tsy misy ota ka tsy mila manolotra sorona; ny tenany mihitsy fa tsy biby no natolony, ary tsy toerana masina teto an-tany fa ny lanitra no nidirany tamin’izy nitondra ny rany ka lasa nanan-kery ny fifanekena vaovao
Tsara kokoa noho ny fifaneken’ny Lalàna ny fifanekena vaovao: I Jesosy no Mpanelanelana, voasoratra ao am-pon’ireo ao amin’ilay fifanekena ny lalàn’i Jehovah ary tena voavela ny helony
Hanambara ampahibemaso ny fanantenany sy hivory foana ny Kristianina mankasitraka an’ireo fitahiana ireo
Ilaina ny finoana mba hankasitrahan’Andriamanitra (10:32–12:29)
Tsy ankasitrahan’i Jehovah ireo mihemotra amin’ny finoana sy tsy miaritra, ka tsy hahazo an’izay nampanantenainy
Mandrisika ny Kristianina hihazakazaka amim-paharetana ny tsy fivadihan’ireo olona nanam-pinoana nanomboka tamin’i Abela, ary dinihin’izy ireo tsara i Jesosy Kristy izay tsy nivadika rehefa nijaly
Toy ny famaizana avy amin’Andriamanitra ny fijaliana avelany hozakain’ny Kristianina tsy mivadika, ary mitondra vokatra hiadanana izany, dia ny fahamarinana
Aza mivadika (13:1-25)
Tiavo ny rahalahy, mahaiza mandray vahiny, tsarovy ireo mpino mijaly, aoka ho mendri-kaja foana ny fanambadiana, aoka hianina amin’izay efa eo, matokia fa hanampy i Jehovah
Tahafo ny finoan’ireo mitarika, aza mety ho voataonan’ny fampianarana hafahafa
Aoka isika ho vonona hitondra latsa toa an’i Kristy; manaova foana sorona fiderana ho an’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy
Ankatoavy ireo mitarika