Mahaiza mankasitraka — Manapaka ny Fanjakana Mesianikan’i Jehovah
“Misaotra Anao izahay, Tompo [Jehovah, MN] ô, Andriamanitra Tsitoha, (...) satria nasehonao ny herinao lehibe, ka efa manjaka Hianao.” — APOKALYPSY 11:17.
1. Inona no nambaran’ny prezidan’ny Fikambanana Watch Tower taorian’ny fitetezam-paritany nataony tany Eoropa tamin’ny 1911?
TANY am-piandohan’ny taona 1911, ny prezidan’ny Fikambanana Watch Tower, C. T. Russell, dia nanome fitohitohizana lahateny momba ny Baiboly tany amin’ireo tanàn-dehibe tany Eoropa. Raha nanazava ny amin’izany fitetezam-paritany izany i Russell, dia nanoratra izao manaraka izao tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 15 may 1911: “Gaga izahay raha nahita porofo maro aoka izany ny amin’ny fahombiazana teny rehetra teny (...) Fantatr’ireo mpamaky ny gazetinay fa nandritra ny taona vitsivitsy no efa niandrasanay ity vanim-potoana ity hifarana amin’ny fotoam-pikorontanana mampihorohoro iray, ary nandrasanay ny hipoahan’izany tampoka sy amin-kery, tsy ela aorian’ny oktobra 1914 izay, araka ny fahatakaranay ny Soratra masina, dia daty hifaranan’ny Andron’ny Jentilisa — fotoana voafetra ho an’ny fanapahan’ireo firenena ny tany, noho izany, dia ilay fotoana natao hanombohan’ny fanjakan’ny Mesia hampihatra ny fahefany.” Tanteraka ve izany fanantenana izany?
2. Ahoana no naharavan’ny fandriampahalemana tamin’ny 1914, ary nisy vokany nampalahelo nanao ahoana izany?
2 Nandritra ny tapany voalohany tamin’ny taona 1914, dia toa voaro sy voatsimbina tamin’ny ady izao tontolo izao. Nefa rava tampoka teo ny fandriampahalemana tamin’ny famonoana ny mpandova ny fanjakana tany Aotrisy nataon’ny Serba iray tamin’ny 28 jona 1914. Tsy ela i Aotrisy-Hongria dia nihantsy ady tamin’i Serbia. Niandany tamin’i Serbia i Rosia, hany ka nihantsy ady tamin’i Rosia i Alemaina tamin’ny 1 aogositra. Avy eo i Alemaina dia nihantsy ady tamin’i Frantsa tamin’ny 3 aogositra; i Grande-Bretagne tamin’i Alemaina ny 4 aogositra; i Montenegro tamin’i Aotrisy-Hongria ny 7 aogositra; i Japana tamin’i Alemaina ny 23 aogositra; i Aotrisy-Hongria tamin’i Belzika ny 28 aogositra. Maro no nino fa hifarana tsy ho ela ny ady. Izany anefa dia niampita ho amin’ilay ady ratsy indrindra teo amin’ny tantara hatramin’izany fotoana izany, nisian’ny tany maherin’ny 19 nifampiandany tao anatin’ny ra mandriaka izay namoizana aina miaramila sy sivily 13 000 000, niampy kilemaina sy naratra mafy maherin’ny 21 000 000.
3, 4. Inona no nitranga tao amin’ny foiben’ny Fikambanana tamin’ny marainan’ny zoma 2 oktobra 1914?
3 Ny zoma marainan’ny 2 oktobra 1914, i Russell dia nanambara toy izao tamin’ireo mpiasa tao amin’ny foiben’ny Fikambanana Watch Tower tany Brooklyn, New York: “Nifarana ny Andron’ny Jentilisa; tapitra ny andron’ireo mpanjakany.” Izany dia noraisin’ireo mpianakavin’ny Betela, “ny tranon’Andriamanitra”, tamin’ny tehaka tamin-kafanampo.
4 Inona no antony nahafaly aoka izany an-dry C. T. Russell sy ireo mpiray fikambanana taminy tamin’io marainan’ny oktobra io? Avy aiza no niandohan’ny fitenenana hoe “Andron’ny Jentilisa”? Inona no porofo fa nifarana tamin’ny oktobra 1914 ny Andron’ny Jentilisa? Ary amin’ny ahoana izany no tokony hahakasika anao?
Jerosalema sy ny Andron’ny Jentilisa
5. Avy aiza no niandohan’ny ny fitenenana hoe “Andron’ny Jentilisa”?
5 Ny fitenenana hoe “Andron’ny Jentilisa” na “fotoana voafetra ho an’ireo firenena” dia avy amin’ny faminaniana lehiben’i Jesosy momba ny fandravana an’i Jerosalema. (Lioka 21:5-36, Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao) Roa andro talohan’ny nanomezany izany i Jesosy dia niseho tamin’ny mponina tao Jerosalema tamin’ny naha-Mesian’izy ireo azy. Rehefa nitaingina zana-boriky tamim-panetren-tena namakivaky ny tanàna izy dia nisy Jiosy maro be niantsoantso tamim-pandresena, araka izay nambaran’ny Zakaria 9:9 mialoha indrindra. “Isaorana anie ny Mpanjaka, Izay avy amin’ny anaran’i Jehovah”, hoy izy ireo nihiaka mafy. — Lioka 19:28-40.
6, 7. Nivesatra trosan-dra nahatsiravina inona ny Jodiana tamin’ny taonjato voalohany, ary inona no vokany nampalahelo?
6 Nefa fantatr’i Jesosy fa hivadika tsy ho ela ho fanoherana azy izany fihevitry ny vahoaka izany noho ny fankahalana nokotrehin’ireo filoha ara-pivavahana tao Jerosalema teo ambany fitaoman’ny Devoly, rain’izy ireo. (Genesisy 3:15; Jaona 8:44) Fotoana fohy taorian’izay, ny 14 Nisana, dia nisy jiosy maro be niantsoantso nangataka ny hahafatesan’i Jesosy. “Aoka ny rany ho aminay mbamin’ny zanakay”, hoy ny antsoantson’izy ireo tamin’ilay governora romana tsy narisika. (Matio 27:24, 25) Tsy nanaiky an’i Jesosy ho Mpanjaka mesianika ireo lohan’ny mpisorona fa nanambara hoe: “Tsy manana mpanjaka afa-tsy Kaisara izahay.” (Jaona 19:15) Nofantsihana tamin’ny hazo fijaliana àry ilay tena Mesia marina mba ho faty, rehefa avy nampangaina tamin’ny fomba diso ho mpitaona hikomy tamin’i Roma, sy ho mpiteny ratsy ny Andriamanitry ny Jiosy. — Marka 14:61-64; Lioka 23:2; Jaona 18:36; 19:7.
7 Azo antoka fa nihatra tamin’ireo mponin’i Jodia mihitsy ny fahatezeran’Andriamanitra noho ny trosan-drany nahatsiravina. I Jerosalema, niaraka tamin’ny tempoliny kanto, dia tsy azo nantsoina intsony hoe “tanànan’ny Mpanjaka lehibe”, Jehovah. (Matio 5:35; Lioka 13:33-35) Andro vitsivitsy talohan’ny nahafatesan’i Jesosy, dia niresaka tamim-piderana ny amin’ireo trano nahaforona ny tempolin’io tanàna io ny mpianany. Hamaliana izany, dia naminany i Jesosy hoe: “Ny amin’ireo zavatra hitanareo ireo, dia ho avy ny andro, ka tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.” — Lioka 21:5, 6.
8. Fony Jesosy nanome ny “famantarana” ny fisehoan-javatra hitondra ho amin’ny fandravana an’i Jerosalema, zavatra hafa inona koa no tafiditra?
8 Nanontany tamim-pahagagana ny mpianatr’i Jesosy hoe: “Mpampianatra ô, rahoviana no ho avy izany? ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany?” (Lioka 21:7) Ho valin’izany dia naminany tamin’ny fomba hentitra ny fisehoan-javatra izay hitondra ho amin’ny fandravana an’i Jerosalema i Jesosy, ary nanampy izao teny misy heviny lehibe izao izy: “Jerosalema hohitsahin’ny jentilisa mandra-pahatanteraky ny andron’ny jentilisa.” (Lioka 21:8-24) Araka izany, i Jesosy dia nanondro mialoha zavatra hitranga aorian’ny fandravana an’i Jerosalema — zavatra iray izay tsy maintsy miandry “mandra-pahatanteraky ny andron’ny jentilisa” vao ho tonga. Raha ny amin’ilay “famantarana”, dia hoy i Jesosy: “Raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 21:31) Noho izany àry, dia tokony hanana fahatanterahany anankiroa ilay famantarana. Ny fahatanterahany voalohany, na amin’ny ambaratonga kely, dia hanondro fa ‘efa mby akaiky ny fandravana an’i Jerosalema.’ (Lioka 21:20) Ny fahatanterahana faharoa sady lehibe kokoa, dia ho tonga rehefa hifarana ny Andron’ny Jentilisa, ary hilaza fa “akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.” — Ampitahao amin’ny Matio 24:3.
Nosoloana tanàna iray ambony kokoa ilay Jerosalema etỳ an-tany.
9. Oviana ilay Jerosalema etỳ an-tany no namoy ny toeram-pankasitrahany, ary nosoloana inona izany?
9 Tamin’ny fitenenana hoe: “Jerosalema hohitsahin’ny jentilisa, mandra-pahatanteraky ny andron’ny jentilisa”, moa ve i Jesosy nanipy hevitra fa ilay tanàna etỳ an-tany, amin’ny farany, dia hahazo indray ny fankasitrahan’Andriamanitra? Tsia. Taorian’ny namonoana ny Zanaka malalan’Andriamanitra, ilay Jerosalema etỳ an-tany dia namoy mandrakizay ny toerana manokana notanany ka nosoloana ny “tanànan’Andriamanitra velona, dia Jerosalema any an-danitra”, ambony lavitra. — Hebreo 12:22; Matio 23:37, 38; 27:50, 51.
10. Inona no tiana holazaina amin’ny fitenenana hoe “Jerosalema any an-danitra”?
10 Ny fitenenana hoe “Jerosalema any an-danitra” dia ampiasaina ao amin’ny Baiboly mba hilazana ilay Fanjakana tsy azo ravana any an-danitra izay niantsoana an’ireo kristiana voahosotra.a (Hebreo 11:10; 12:22, 28) Fony nanoratra an’io ny apostoly Paoly dia mbola noderain’ny Jiosy fatratra ilay tanàna etỳ an-tany mbamin’ny tempoliny. Nampahatsiahy ireo kristiana hebreo àry i Paoly “fa etỳ isika tsy manana tanàna maharitra, fa mitady ny ho avy.” — Hebreo 13:14.
Nahoana no antsoina hoe Jerosalema any an-danitra?
11. Mandra-pamoin’ilay Jerosalema etỳ an-tany ny fankasitrahan’Andriamanitra, nampiseho inona izy io?
11 Hatry ny ela i Jerosalema no renivohitry ny firenena Isiraely, ka nolazaina fa “nipetraka tamin’ny seza fiandrianan’i Jehovah” ireo mpanjakany. (1 Tantara 29:23) Ambonin’izany, dia nanao fanekena tamin’i Davida i Jehovah fa ho ao amin’ny fianakaviany mandrakizay ny fitondrana ny fanjakana. Toy ireo renivohitra amin’ny andro ankehitriny, toa an’i Washington, Moscou, Canberra, ary Pretoria, ampiasaina hamantarana ny fitondram-panjakany avy, dia toy izany koa fa i Jerosalema dia ampiasaina ao amin’ny Baiboly hampisehoana ny fanjakan’i Davida. — 2 Samoela 7:16; Lioka 1:32.
12. Ahoana no tokony hampiharana ny teny hoe “Andron’ny Jentilisa”?
12 Ny fanjakan’i Davida dia nanana faritra nanapahana voafetra, niitatra hatreo amin’ny fizaran-tanin’ny Isiraely fahiny nofaritan’Andriamanitra ihany. I Jerosalema etỳ an-tany àry dia tandindon’ilay tena Fanjakana mesianika fotsiny, izay hanapaka avy any an-danitra ary hanana ny tany manontolo ho faritany hanapahany. (Salamo 2:2, 7, 8; Daniela 7:13, 14; 2 Timoty 4:18) Araka izany, ilay boky hoe The Time Is At Hand (Akaiky ny fotoana), navoakan’ny Fikambanana Watch Tower tamin’ny 1889, dia nilaza mazava toy izao: “Ny teny hoe ‘Andron’ny Jentilisa’ dia nampiharin’ny Tompontsika tamin’ilay vanim-potoana teo amin’ny tantaran’ny tany teo anelanelan’ny nanafoanana ilay tandindon’ny Fanjakan’Andriamanitra, ny Fanjakan’ny Isiraely (Ezek. 21: 25-27), sy ny fampidirana ary fanorenana ilay manana azy ho tandindona, dia ny tena Fanjakan’Andriamanitra.”
Andron’ny Jentilisa—Hafiriana ny faharetany?
13. Oviana no nanomboka ny Andron’ny Jentilisa, ary nahoana ianao no mamaly toy izany?
13 Ilay fanjakan’Andriamanitra tandindona dia nazeran’i Nebokadnezara mpanjaka babyloniana tamin’ny 607 al. fan. ir. Hatramin’ny volana jiosy fahafito, tany antenatenan’ny volana oktobra tany ho any, dia nitoetra ho lao ilay tany.b (2 Mpanjaka 25:8, 9, 22, 25, 26) Mba hanaporofoana fa nitranga izany noho ny famelan’Andriamanitra, dia nanome nofy an’i Nebokadnezara i Jehovah. Izany dia mikasika ny hazo iray izay nokapaina ary navela haniry indray rehefa afaka “fetr’andro fito.” Ilay nofy dia nahita fahatanterahana voalohany fony Nebokadnezara naverina indray teo amin’ny seza fiandrianany taorian’ny naha-adala azy nandritra ny fotoana fohy. — Daniela 4:7-14, 25-33.
14. Inona no hevi-dehibe tamin’ny nofin’i Nebokadnezara?
14 Kanefa, ny foto-kevitry ny nofin’i Nebokadnezara dia nampiseho fa ny fahatanterahany lehibe indrindra dia mahakasika ny fanjakan’Andriamanitra tandindona izay namelana io mpanjaka jentilisa io ‘hokapaina.’ Nifarana tamin’izao teny fikasana izao ilay nofy : “Hahafantaran’ny velona fa ny Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olona ka manome izany ho an’izay tiany, ary olona ambany toetra [ny manetry tena indrindra amin’ny olombelona, MN] no ampanapahiny azy.” — Daniela 4:14 [4:17, MN].
15. Ahoana no nahatonga an’i Jesosy Kristy hahafeno fepetra ho ‘ny nanetry tena indrindra tamin’ny olombelona’? (Matio 11:29)
15 Olona anankiray ihany no mahafeno fepetra amin’ny lafiny rehetra mba hantsoina hoe “ny manetry tena indrindra amin’ny olombelona.” Ny Zanak’Andriamanitra lahitokana dia niseho ho toy izany tamin’ny nandaozana an-tsitrapo ny voninahiny tany an-danitra mba hateraka ho olombelona, ho Jesosy, izay niaritra ny fahafatesana nampietry sy tsy nifaditrovana indrindra teo am-pelatanan’i Satana. (Filipiana 2:3, 5-11) Taorian’ny nitsanganany hiverina ho amin’ny voninahiny any an-danitra, dia voatery niandry i Jesosy mandra-pifaran’ny fetr’andro fito anapahan’ny jentilisa vao nomena fiandrianana amin’ny maha-Mpanjaka mesianika eo amin’ny taranak’olombelona. — Hebreo 10:12, 13.
16. Ahoana no anampian’ny bokin’ny Apokalypsy ny kristiana hanao asa marika ny amin’ny fotoana nifaranan’ny fetr’andro fito?
16 Nefa ahoana no nahafantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny faharetan’ny fetr’andro fito? Asehon’ny Baiboly fa ny “fetr’andro iray sy fetr’andro roa ary antsasaky ny fetr’andro”, na fetr’andro telo sy tapany, dia mira 1 260 andro. (Apokalypsy 12:6, 14) Noho izany, ny roa henin’io isa io, na fetr’andro fito, dia mitotaly 2 520 andro. Miorina amin’ny fitsipika amin’ny faminaniana hoe ‘andro iray soloana taona iray’, ny fetr’andro fito dia mira 2 520 taona. (Nomery 14:34; Ezekiela 4:6) Avy amin’io asa marika io, ny Andron’ny Jentilisa izay nanomboka tamin’ny oktobra 607 al. fan. ir., dia nifarana 2 520 taona tatỳ aoriana, tamin’ny oktobra 1914.
17. Fanambarana mahafaly inona no natao ho fantatra tamin’ny 1914?
17 Tamin’ny oktobra 1914, i Jehovah Andriamanitra dia nametraka ny Zanany malala, Jesosy Kristy Tompo, teo amin’ny seza fiandrianana tany amin’ny Fanjakana any an-danitra. Rehefa ela ny ela, ny fahitan’ny apostoly Jaona kristiana ao amin’ny Fanambarana dia nanomboka nanjary zava-misy, ary azo natao ny fanambarana hoe: “Ny fanjakana amin’izao tontolo izao dia efa lasan’ny Tompontsika [Jehovah] sy ny Kristiny; ary Izy [Jehovah] no hanjaka mandrakizay mandrakizay.” (Apokalypsy 1:10; 4:1; 11:15) Vaovao be voninahitra re izany sady antony mahafaly lehibe indrindra ho an’ireo mpiara-mandova rehetra sy ny vahoakan’izany Fanjakana izany! — Apokalypsy 11:17.
18. Nahoana no nampahory ny taranak’olombelona ny toe-piainana mampalahelo nanomboka tamin’ny 1914?
18 Marina fa ho an’ny ankamaroan’ny taranak’olombelona dia tsy nisy fahasambarana loatra teto an-tany nanomboka tamin’ny 1914. Nefa ny toe-piainana heni-doza eto an-tany dia porofo fa madiva hifarana ny fanapahan’i Satana. Ahoana no ahafantarantsika izany? Milaza ny bokin’ny Apokalypsy fa ny fiorenan’ny Fanjakan’Andriamanitra dia hiteraka ady iray any an-danitra. Tsy maintsy horoahina avy any an-danitra i Satana sy ireo demoniany ka ho voafetra ho eo amin’ny manodidina ny tanintsika. Rehefa avy nahita izany fandresena izany tao amin’ny fahitana ara-paminaniana iray i Jaona dia nandre feo mahery iray nanao hoe: “Mifalia ry lanitra sy hianareo izay monina ao aminy. Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny Devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.” — Apokalypsy 12:1-12.
19. Nahoana ny kristiana marina no velom-pankasitrahana aoka izany miaina amin’izao fotoana izao?
19 Ny toe-piainana miharatsy eo amin’izao tontolo izao nanomboka tamin’ny 1914 dia porofo fa nanjary zava-misy ny fahitan’i Jaona, ary mihantomotra amin’ny fomba mampidi-doza ny faran’ny olombelona rehetra tsy mety manaiky ny fiandrianan’Andriamanitra. (Lioka 21:10, 11, 25-32) Endrey izany fientanam-po miaina ao anatin’izao fotoana mahagaga izao rehefa handamina ny raharaha lehibe ny amin’ny fiandrianany manerana ny tany i Jehovah Andriamanitra Tsitoha! Avy eo ny tany dia hovana ho paradisa tsara tarehy iray, ary ireo olombelona marina ho tafita velona dia hasandratra ho amin’ny fahatanterahana. Na ny maty aza dia hatsangana ary homena tombontsoa hameno fepetra mba hahazo ny fiainana mandrakizay. — Apokalypsy 20:1-3, 12, 13; 21:3-5.
Filana fanamboarana amin’ny andro ankehitriny
20. (a) Teto an-tany, iza no niseho ho tena mpanompon’i Jehovah marina talohan’ny 1914? (b) Fanitsiana inona no nataon’ireo kristiana voahosotra nahatoky an-tsitrapo?
20 Nandritra ny 38 taona talohan’ny 1914, ny Mpianatra ny Baiboly, araka ny niantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany, dia nanondro io daty io ho ny taona hifaranan’ny Andron’ny Jentilisa.c Endrey izany porofo miavaka fa tena mpanompon’i Jehovah marina izy ireo! Kanefa, sahala amin’ireo mpanompon’Andriamanitra tamin’ny taonjato voalohany, dia nanana fanantenana diso koa izy ireo. Nanampo izy, ohatra, fa ny kristiana voahosotra rehetra dia hatsangana ho any an-danitra manomboka amin’ny oktobra 1914. Nihevitra koa izy ireo fa ny ady nanomboka tamin’ny 1914 dia hitondra mivantana ho amin’ny faran’izao tontolo izaon’i Satana.
21. Fifehezana inona no niainan’ny kristiana marina nandritra ny Ady Lehibe voalohany?
21 Tamin’ny fotoana nety anefa, dia takatr’ireo kristiana voahosotra fa misy asa be dia be tokony hataon’izy ireo eto an-tany. Noho ny tsy fanekeny hitsahatra tamin’ny fanambarana ampahibemaso nandritra ny Ady Lehibe voalohany, izy ireo dia niharan’ny fanenjehana tamin-kalozana avy tamin’ireo fahefana ara-politika nampirisihin’ny klerjin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. (Salamo 2:1-6) Niharam-pamelezana mafy ny asan’ireo kristiana marina tamin’ny 21 jona 1918, rehefa nosazina 20 taona an-tranomaizina ireo mpitantan-draharahan’ny Fikambanana Watch Tower tany Etazonia, noho ny fiampangana diso.
22, 23. (a) Inona no nataon’ireo kristiana voahosotra nahatoky nanomboka tamin’ny 1919, ary nitondra vokany roa sosona inona izany? (b) Iza ilay nanana an’i Jerosalema tsy nahatoky ho tandindona?
22 Nifarana tampoka ny Ady Lehibe voalohany tamin’ny novambra 1918. Avy eo, tamin’ny martsa 1919, ireo mpitantan-draharahan’ny Fikambanana Watch Tower dia navoaka avy tany am-ponja. Nafahana madiodio tanteraka izy ireo tatỳ aoriana. Nisy vanim-potoam-piadanana iray tsy nampoizina nisokatra ho an’ireo kristiana voahosotra nahatoky ireo, sahala amin’ireo fahafahana natolotra ny mpianatr’i Kristy voalohany taorian’ny namenoana azy ireo hery tamin’ny alalan’ny fanahy masina tamin’ny 33 am. fan. ir. — Asan’ny apostoly 2:17-21, 41.
23 Hatramin’ny 1919 ka hatramin’izao, ireo kristiana voahosotra mahatoky, amin’ny maha-antokon’olona, dia nankatò tamin-jotompo ny baiko tafiditra ao anatin’ity tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 24:14 ity: “Hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” Vokatr’izany, dia manakaiky ny efatra tapitrisa amin’ireo “ondry hafa” an’i Kristy no nanolotra ny fiainany hanompo an’i Jehovah amim-piraisan-tsaina miaraka amin’ny sisa voahosotra. (Jaona 10:16) Manohy mandà ny hafatra momba ilay Fanjakana ny fivavahana lazaina fa kristiana, eo ambany fitaoman’ny klerjiny. Ny fitiavany kokoa ireo tetika ara-politikan’ny olombelona sy ny fanenjehany ny Vavolombelon’i Jehovah dia mifanitsy amin’ny fitondrana ratsy mahatsiravina nampiharin’ireo mponina tao Jodia tamin’ny taonjato voalohany tamin’i Kristy. Toy ny nampiharan’i Jehovah ny fitsarany tamin’i Jerosalema, dia hanao toy izany amin’ilay nanana an’i Jerosalema tsy nahatoky ho tandindona, dia ny fivavahana lazaina fa kristiana, izy. Ary toy ilay taranaka nandre ny hafatra fanamelohan’i Kristy nahita ny fandravana nambarany mialoha, ny taranaka amin’ny andro ankehitriny nanomboka tamin’ny 1914 koa dia “tsy mba ho lany” alohan’ny hahatongavan’ilay “fahoriana lehibe” nambara mialoha. — Matio 24:21, 22, 34.
24. Mba hahatafita velona ho ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra, inona no tsy maintsy ataontsika?
24 Inona no tsy maintsy ataontsika mba hahatafita velona amin’ny fahoriana lehibe ka hanohy hiaina ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra? Na inona na inona fanantenana diso nety ho nananan’iza na iza amintsika, dia tsy maintsy mitandrina mafy isika mba tsy hanjary hatory raha ny amin’ny asa kristiana ataontsika. (Habakoka 2:3; 1 Tesaloniana 5:1-6) Mihavitsy hatrany ireo izay afaka mitadidy ireo fisehoan-javatra nanomboka tamin’ny 1914. Araka izany, dia ilaintsika ny mifoha; tsy tokony handanilany fotoana isika. (Matio 24:42) Izay rehetra te ho tafita velona amin’ny faran’izao tontolo izao ratsin’i Satana dia tsy maintsy manao zavatra amin’ny fomba mifanaraka amin’ity teny ara-tsindrimandry ity dieny izao: “Misaotra Anao izahay, Tompo [Jehovah, MN] ô, Andriamanitra Tsitoha, (...) Satria nasehonao ny herinao lehibe, ka efa manjaka Hianao.” — Apokalypsy 11:17.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 septambra 1983, pejy faha-22.
b Mba hahazoana fanazavana misimisy kokoa ny amin’ny antony nanamarihan’izany ny fanombohan’ny Andron’ny Jentilisa, dia jereo ilay boky hoe “Ho tonga anie ny Fanjakanao”, toko faha-14, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
c C. T. Russell dia nanoratra lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe: “Andron’ny Jentilisa: Rahoviana izany no hifarana?”, izay nivoaka tao amin’ny gazetiboky Bible Examiner (Mpandinika Baiboly), tamin’ny oktobra 1876. Nilaza toy izao ilay lahatsoratra ao amin’ny pejy faha-27: “Ny fetr’andro fito dia hifarana amin’ny 1914 am. fan. ir.”
Ahoana no havalinao?
◻ Inona no nasehon’i Jerosalema fahiny, nefa ahoana no namoizany ny toeram-boninahiny?
◻ Oviana ny Andron’ny Jentilisa no nanomboka sy nifarana, ary nitondra vokany nambara mialoha inona izany?
◻ Tandindon’ny inona ny fandravana an’i Jerosalema tsy nahatoky?
◻ Ahoana no ahafantarantsika fa akaiky ny fahoriana lehibe, ary inona no tsy maintsy ataontsika mba hahatafita velona amin’izany?
[Sary, pejy 16]
Namoy ny toeram-boninahiny i Jerosalema sy ny tempoliny, nefa nanohy nitahy ny Zanany, ilay Mesia, Andriamanitra, ary niresaka taminy nivantana avy any an-danitra mihitsy aza.