Aoka isika hanolotra fanatitra sitrak’i Jehovah
“Koa aoka isika hanatitra fanati-piderana amin’ny alalany [Jesosy Kristy] ho an’Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny [manao fanambarana ampahibemaso ho an’ny, MN ] anarany.” — HEBREO 13:15.
1. Nampirisihin’i Jehovah hanao inona ireo Isiraelita nanota?
JEHOVAH no Mpanampy an’ireo izay manolotra fanatitra ankasitrahany. Noho izany, dia nahita fitia teo imasony fahiny ireo Isiraelita izay nanolotra fanatitra biby. Inona anefa no nitranga rehefa namerimberina nanota izy ireo? Nampirisihina toy izao izy ireo tamin’ny alalan’i Hosea mpaminany: “Ry Isiraely ô, miverena amin’i Jehovah Andriamanitrao, fa lavon-keloka hianao. Mitondrà teny hianareo, eny, miverena amin’i Jehovah, ka manaova aminy hoe: Mamelà ny heloka rehetra, ary raiso izay tsara, ka dia haterinay ho fanatitra [hatolotray ho takalony ny vantotr’ombilahin’ny, MN ] ny molotray.” — Hosea 14:2, 3 [14:1, 2, MN ]
2. Inona ireo ‘vantotr’ombilahin’ny molotra’, ary ahoana no niresahan’ny apostoly Paoly ny amin’ny faminanian’i Hosea?
2 Toy izany àry no nampirisihana ny vahoakan’Andriamanitra fahiny mba hanolotra ho an’i Jehovah Andriamanitra ‘ny vantotr’ombilahin’ny molony’. Inona moa izany? Fanati-piderana amim-pahatsorana! Raha niresaka ny amin’io faminaniana io ny apostoly Paoly, dia nampirisika ny kristiana hebreo “hanatitra ny fanati-piderana (...) ho an’Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny [manao fanambarana ampahibemaso ho an’ny, MN ] anarany”. (Hebreo 13:15.) Inona no afaka manampy ny Vavolombelon’i Jehovah hanolotra fanatitra toy izany amin’izao andro izao?
‘Aoka isika hanahaka ny finoany’
3. Inona no ventin-kevitra nolazain’ny apostoly Paoly ao amin’ny Hebreo 13:7, ary mahatonga fanontaniana inona izany?
3 Ny fampiharana ny torohevitra nomen’i Paoly ho an’ny Hebreo no hahatonga antsika ho afaka hanolotra fanatitra ankasitrahana ho an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpanampy antsika lehibe. Nanoratra toy izao, ohatra, ilay apostoly: “Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin’Andriamanitra taminareo; hevero ny niafaran’ny fiainany, ka araho ny finoany.” (Hebreo 13:7). Iza no notondroin’i Paoly rehefa niteny izy hoe: “Tsarovy ny mpitondra anareo”.
4. a) Araka ny soratra grika, inona no ataon’ireo “mpitondra”? b) Iza moa ireo “mpitondra” eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah?
4 Niresaka ny amin’ireo izay ‘mitondra’ i Paoly (andininy faha 7, 17, 24). Ny teny hoe “mitondra” (‘gouverner’, avy amin’ny teny latina), dia avy amin’ny teny grika hoe kybernao, izay midika hoe “mamily sambo, mitarika, mitondra.” Mitondra ireo loholona kristiana amin’ny fampiasana ny “fahaizany mitarika” (grika kyberneseis) amin’ny fanomezana fitarihana sy fitantanana ao amin’ny kongregasiona eo an-toerana (1 Korintiana 12:28). Nanompo tamin’ny naha-kolejy anefa ireo apostoly sy loholona hafa tao Jerosalema mba hanomezana fitantanana sy torohevitra ho an’ny kongregasiona rehetra (Asan’ny apostoly 15:1, 2, 27-29). Noho izany, ankehitriny, dia kolejy mpitondra voaforona loholona maro, ny Kolejy foibe, no mitondra ny fitantanana ara-panahy ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany.
5. Nahoana ary amin’ny fomba ahoana no tokony hivavahantsika ho an’ireo loholona ao amin’ny kongregasiona sy ho an’ireo anisan’ny Kolejy foibe?
5 Ireo loholona eo an-toerana sy ireo anisan’ny Kolejy foibe no mitondra antsika; tokony hanaja azy ireny àry isika ary hivavaka mba hanomezan’Andriamanitra azy ny fahendrena ilaina hitondrana ny kongregasiona. (Jereo Efesiana 1:15-17.) Mety tokoa ny hahatsiarovantsika ireo ‘nitory ny tenin’Andriamanitra tamintsika’! Tsy ny reniny sy ny renibeny ihany no nampianatra an’i Timoty, fa i Paoly sy ny hafa koa tatỳ aoriana (2 Timoty 1:5, 6; 3:14). Izany no nahafahan’i Timoty nandinika ny fomba niafaran’ny fitondrantenan’ireo nitondra, ary nanahaka ny finoany.
6. Ny finoan’iza no tokony hotahafintsika nefa ny dian’iza no harahintsika?
6 Naneho finoana ny olona toa an-dry Abela, Noa, Abrahama, Saraha, Rahaba ary Mosesy (Hebreo 11:1-40). Noho izany, dia afaka manahaka ny finoany tsy misy fisalasalana isika, satria maty tsy nivadika tamin’Andriamanitra izy ireo. Nefa afaka ‘manahaka ny finoana’ ananan’ireo lehilahy mahatoky mitondra antsika amin’izao fotoana izao koa isika. Mazava ho azy fa tsy hanara-dia olona tsy tanteraka akory isika, satria mibanjina hatrany an’i Kristy isika. Hoy ilay mpandika Baiboly atao hoe Edgar J. Goodspeed: “Tsy maka tahaka ny olo-malaza fahiny akory ny mpino, fa manana môdely tsara kokoa ao amin’i Kristy izy (...) Tokony hibanjina an’i Jesosy ny mpihazakazaka kristiana.” Eny, ‘Kristy aza efa nijaly hamonjy antsika ka namela fianarana ho antsika, mba hanarahantsika ny diany’ — 1 Petera 2:21; Hebreo 12:1-3.
7. Amin’ny ahoana ny Hebreo 13:8 no misy vokany eo amin’ny fiheverantsika ny amin’ny fijaliana noho ny amin’i Jesosy Kristy?
7 Raha nanintona ny saina ho amin’ny Zanak’Andriamanitra i Paoly, dia nanampy hoe: “Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.” (Hebreo 13:8). Nampiseho tsy fivadihana tsy azo hozongozonina ny vavolombelona nahatoky sahala amin-dry Stefana sy Jakoba, taorian’ny oha-pahatokiana tsy niova nasehon’i Jesosy (Asan’ny apostoly 7:1-60; 12:1, 2). Koa satria izy ireo nanaiky ny ho faty tamin’ny naha-mpanara-dia an’i Kristy, dia mendrika ny hotahafintsika ny finoany. Na tamin’ny lasa, na ankehitriny, ary na dia amin’ny ho avy aza, ny olona tia an’Andriamanitra dia tsy hitady hiala na inona na inona vidiny amin’ny fampijaliana mety hihatra amin’ny mpianatr’i Jesosy.
Aoka hariantsika ny fampianaran-diso
8. Ahoana no hamelabelaranao ny tenin’i Paoly ao amin’ny Hebreo 13:9?
8 Ny tsy fiovana eo amin’ny maha-izy an’i Jesosy sy ny fampianarany dia tokony hahatonga antsika hifikitra amin’izay nampianarin’ny tenany sy ny apostoliny. Nilazana ireo Hebreo hoe: “Aza mety havilin’izay fampianarana maro hafahafa hianareo. Fa tsara raha ampiorenina amin’ny fahasoavana ny fo, fa tsy amin’ny hanina, izay tsy mahasoa ny mahavatra azy.” — Hebreo 13:9.
9. Ny amin’ny zavatra lehibe lavitra inona no nasehon’i Paoly ao amin’ny taratasy ho an’ny kristiana hebreo?
9 Nasongadin’ireo Jiosy ny zavatra toy ny fanomezana tamin’ny fomba nanaitra ny Lalàna teo an-tendrombohitra Sinay sy ny fanjakana maharitr’i Davida. Nasehon’i Paoly tamin’ireo kristiana hebreo anefa fa, na dia nampivarahontsana aza ny fanorenana ny faneken’ny Lalàna, dia tamin-kery kokoa no nanaovan’i Jehovah fanambarana rehefa notokanana ny fanekena vaovao tamin’ny alalan’ny famantarana, fambara, asa lehibe maro ary tamin’ny filatsahan’ny fanahy masina (Asan’ny apostoly 2:1-4; Hebreo 2:2-4). Tsy azo hozongozonina toy ny nanjo ny fanjakan’ny taranak’i Davida teto an-tany tamin’ny 607 al.fan.ir. ny Fanjakan’i Kristy any an-danitra (Hebreo 1:8, 9; 12:28). Ankoatra izany, dia angonin’i Jehovah ireo voahosotra eo anoloan’ny zavatra mampivarahontsana lavitra noho ilay fahagagana niseho teo an-tendrombohitra Sinay, satria manatona ny tendrombohitra Ziona any an-danitra izy ireo. — Hebreo 12:18-27.
10. Araka ny Hebreo 13:9, amin’inona no ampiorenina ny fo?
10 Nilain’ireo Hebreo, noho izany, ny nitandrina mba tsy ‘hivilian’ny fampianarana maro hafahafa’ avy amin’ny mpanaraka ny jodaisma (Galatiana 5:1-6). Tsy avy amin’ny fampianarana toy izany, fa avy amin’ny ‘fahasoavan’Andriamanitra no ampiorenana ny fo’ mba hitoerana tsy miova ao amin’ny fahamarinana. Toa niady hevitra ny amin’ny sakafo sy ny fanaovana sorona ny sasany, satria nilaza i Paoly fa ny fo dia tsy ampiorenina “amin’ny hanina, izay tsy mahasoa ny mahavatra azy”. Avy amin’ny fifikirana amin’Andriamanitra sy ny fankasitrahana ny avotra ny soa ara-panahy, fa tsy avy amin’ny fanahiana tafahoatra ny amin’ny fihinanana sakafo sasany na amin’ny fitandremana andro manokana (Romana 14:5-9). Ambonin’izany, dia nahatonga ny sorona fanaon’ny Levita ho tsy nanan-kery ny soron’i Kristy. — Hebreo 9:9-14; 10:5-10.
Sorona sitrak’Andriamanitra
11. a) Inona no ventin-kevitry ny tenin’i Paoly ao amin’ny Hebreo 13:10, 11? b) Alitara ara-panoharana inona no ananan’ny kristiana?
11 Nihinana hena avy tamin’ny biby natao sorona ny mpisorona levita, nefa nanoratra toy izao i Paoly: “Isika manana alitara, izay tsy ananan’ny mpanompo ny tabernakely fahefana hihinanana. Fa rehefa nentin’ny mpisoronabe niditra ho ao amin’ny fitoerana masina ho fanatitra noho ny ota ny ran’ny biby, dia nodorana tany ivelan’ny toby ny fatiny” tamin’ny Andro Fanavotana (Hebreo 13:10, 11; Levitikosy 16:27; 1 Korintiana 9:13). Manana alitara ara-panoharana ny kristiana, ka izany dia milaza fanatonana an’Andriamanitra mifototra amin’ny soron’i Jesosy izay manao fanavotana ny amin’ny ota ary miteraka ny famelan’Andriamanitra sy ny famonjena ho amin’ny fiainana mandrakizay.
12. Nampirisihina hanao inona ireo kristiana voahosotra ao amin’ny Hebreo 13:12-14?
12 Tsy nanantitrantitra loatra ny fitoviana amin’ny Andro Fanavotana i Paoly fa nanampy teny toy izao: “Ary amin’izany Jesosy koa dia niaritra teny ivelan’ny vavahady [ny an’i Jerosalema] mba hahamasina ny olona amin’ny rany.” Teo no nahafatesan’i Jesosy sy nanolorany sorom-panavotana manan-kery tanteraka (Hebreo 13:12; Jaona 19:17; 1 Jaona 2:1, 2). Nampirisika ny kristiana voahosotra namany i Paoly nanao hoe: “Koa aoka isika hivoaka hankeo aminy [Kristy] eo ivelan’ny toby, mitondra ny latsa izay nentiny. Fa etỳ isika tsy manana tanàna maharitra, fa mitady ny ho avy.” (Hebreo 13:13, 14; Levitikosy 16:10). Na dia alaim-baraka sahala amin’i Jesosy aza isika, dia haharitra amin’ny maha-vavolombelon’i Jehovah antsika. Isika dia “handa izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao ary ho velona amin’ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’izao fiainana ankehitriny izao” eo am-piandrasana an’izao tontolo izao vaovao (Titosy 2:11-14; 2 Petera 3:13; 1 Jaona 2:15-17). Ary ireo voahosotra izay eo amintsika kosa dia tena mikatsaka tokoa ny “tanàna”, ilay Fanjakana any an-danitra. — Hebreo 12:22.
13. Tsy voafetra ho amin’inona moa ny fanatitra sitrak’Andriamanitra?
13 Niresaka ny amin’ny fanatitra sitrak’Andriamanitra i Paoly avy eo tamin’ny fanoratana hoe: “Koa aoka isika hanatitra fanati-piderana amin’ny alalany [Jesosy] ho an’Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany. Fa aza manadino hanao soa sy hiantra; fa fanatitra toy izany no sitrak’Andriamanitra.” (Hebreo 13:15, 16). Tsy voaforon’ny asa fiantrana fotsiny akory ny fanatitra kristiana. Manao zavatra toy izany ny olona maro be. Niseho izany, ohatra, rehefa nanolotra ny fanampiany ho an’ireo niharam-pahavoazana noho ny horohorontany tany Armenia sovietika ny olona avy tamin’ny firenena maro tany amin’ny faramparan’ny 1988.
14. Mifandray amin’ny asa inona indrindra moa ny fanolorana ho an’Andriamanitra fanatitra ankasitrahana?
14 Ny fanompoana masina ataontsika ho an’i Jehovah “amin’ny fanajana sy ny fahatahorana”, dia miorina amin’ny karazam-pitiavana feno fahafoizan-tena izay nasehon’i Jesosy (Hebreo 12:28; Jaona 13:34; 15:13). Mifandray indrindra amin’ny asa fitoriantsika io fanompoana io satria, amin’ny alalan’i Kristy Mpisoronabe, isika dia ‘hanatitra ny fanati-piderana ho an’Andriamanitra, dia vokatry ny molotra izay manaiky ny [manao fanambarana ampahibemaso ho an’ny, MN ] anarany’. (Hosea 14:3 [14:2, MN ]; Romana 10:10-15; Hebreo 7:26.) Azo antoka fa tsy hohadinointsika ny “hanao soa sy hiantra”, na dia amin’ireo tsy anisan’ny “mpianakavin’ny finoana” aza. (Galatiana 6:10.) Rehefa iharan-doza na sahirana na ao anatin’ny fahoriana indrindra ireo namantsika kristiana no tolorantsika fanampiana feno fitiavana ara-nofo sy ara-panahy. Nahoana? Satria mifankatia isika. Irintsika koa izy ireo ho afaka hihazona ny fanambarana ampahibemaso ny fanantenany tsy hihozongozona “fa fanatitra toy izany no sitrak’Andriamanitra”. — Hebreo 10:23-25; Jakoba 1:27.
Aoka isika hanaiky
15. a) Ahoana no hamelabelaranao ny torohevitra ao amin’ny Hebreo 13:17? b) Nahoana isika no tokony haneho fanajana an’ireo mitondra antsika?
15 Mba hanolorana fanatitra azo ekena, dia tokony hiara-miasa amin’ny fomba feno amin’ny fandaminan’Andriamanitra isika. Tsy namerimberin-teny ny amin’ny fahefana i Paoly fa nanoratra hoe: “Manekè ny mpitondra anareo, ka manoava azy; fa izy miambina ny fanahinareo araka izay tokony hataon’ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin’ny fifaliana, fa tsy amin’ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany.” (Hebreo 13:17). Tokony hanaja ireo loholona voatendry ao amin’ny kongregasiona isika mba tsy hisentoany noho ny tsy fisian’ny fiaraha-miasa avy amintsika. Ny tsy fahampian’ny fanekena avy amintsika dia hanjary hahasorena ireo loholona ka hahatonga fahasimbana ara-panahy eo amintsika. Ny toe-tsaina tia fiaraha-miasa dia manamora kokoa ny asan’ireo loholona amin’ny fanolorana fanampiana sy fandraisana anjara amin’ny firaisan-tsaina ary fampandrosoana ny asa fitoriana ilay Fanjakana. — Salamo 133:1-3.
16. Nahoana no mety ny hanekena an’ireo izay mitondra antsika?
16 Mety tokoa ny hanekentsika ireo mpitondra! Mampianatra ao amin’ny fivoriantsika izy ireo ary manampy antsika amin’ny fanompoana. Amin’ny maha-mpiandry ondry azy, dia mikatsaka izay hahasambatra antsika izy ireny (1 Petera 5:2, 3). Manampy antsika mba hanana fifandraisana tsara amin’Andriamanitra sy amin’ny kongregasiona izy ireo (Asan’ny apostoly 20:28-30). Amin’ny fanekentsika ny fanaraha-maso feno fahendrena sy feno fitiavana, isika dia maneho fanajana an’ilay Mpiandraikitra fara tampony, dia i Jehovah Andriamanitra, ary Jesosy Kristy Mpiandry lefiny. — 1 Petera 2:25; Apokalypsy 1:1; 2:1-3:22.
Ny maha-zava-dehibe ny vavaka
17. Vavaka toy inona no nangatahin’i Paoly, ary nahoana no afaka nanao izany ara-drariny izy?
17 Noho ny tenany sy ny namany tafasaraka tamin’ireo Hebreo, angamba noho ny fanenjehana, dia niteny toy izao i Paoly: “Mivavaha ho anay; fa matoky izahay fa manana fieritreretana tsara ka te-hitondra tena tsara amin’ny zavatra rehetra. Nefa mainka mangataka anareo hanao izany aho, mba hampodina faingampaingana kokoa ho aminareo.” (Hebreo 13:18, 19). Raha olona miolakolaka izay maty eritreritra i Paoly, ahoana no ho nahafahany nangataka tamin’ireo Hebreo mba hivavaka ny hodiany any amin’izy ireo (Ohabolana 3:32; 1 Timoty 4:1, 2)? Azo antoka fa minisitra marina izay nanohitra ny mpanaraka ny jodaisma tamin’ny fieritreretana madio izy (Asan’ny apostoly 20:17-27). Natoky koa i Paoly fa ho afaka hihaona indray amin’ireo Hebreo haingana kokoa izy raha nivavaka ny hitrangan’izany izy ireo.
18. Raha irintsika ny hivavahan’ny hafa ho antsika, afaka manontany tena hoe ahoana isika?
18 Ny fangatahan’i Paoly vavaka tamin’ireo Hebreo dia mampiseho fa mety ho an’ny kristiana ny mifampivavaka, amin’ny fanononana ny anarana mihitsy aza. (Jereo Efesiana 6:17-20.) Nefa raha maniry ny hivavahan’ny hafa ho antsika isika, moa ve isika tsy tokony ho toa an’ilay apostoly ary mahazo antoka fa “manana fieritreretana tsara ka te-hitondra tena tsara amin’ny zavatra rehetra”? Marina amin’izay rehetra ataonao ve ianao? Ary manana fatokiana mitovy amin’ny an’i Paoly ve ianao raha mivavaka? — 1 Jaona 5:14, 15.
Teny famaranana sy fampirisihana
19. a) Firarian-tsoa inona no nataon’i Paoly ho an’ireo Hebreo? b) Nahoana no fanekena mandrakizay ny fanekena vaovao?
19 Rehefa avy nangataka vavaka tamin’ireo Hebreo i Paoly, dia nanambara vavaka mirakitra firarian-tsoa nanao hoe: “Ary Andriamanitry ny fiadanana, Izay nitondra an’i Jesosy Tompontsika, Mpiandry ondry lehibe, hiala amin’ny maty, mitondra ny ran’ny fanekena mandrakizay, Izy anie hahatanteraka anareo amin’ny tsara rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatinareo izay ankasitrahana eo imasony amin’ny alalan’i Jesosy Kristy; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.” (Hebreo 13:20, 21). Tamin’ny fahatsinjovana tany hanjakan’ny filaminana, dia natsangan’ilay “Andriamanitry ny fiadanana” ho amin’ny fiainana tsy mety maty any an-danitra i Kristy, ary tany no nanoloran’i Jesosy ny vidin’ny rany nalatsaka izay nampanan-kery ny fanekena vaovao (Isaia 9:5, 6; Lioka 22:20). Fanekena mandrakizay izy io, satria ireo hiaina eto an-tany dia handray soa maharitra avy amin’ny asan’ireo zanak’Andriamanitra ara-panahy 144 000 izay hiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra sady tafiditra ao amin’ny fanekena vaovao (Apokalypsy 14:1-4; 20:4-6). Amin’ny alalan’i Kristy, ilay Andriamanitra izay omentsika voninahitra dia ‘hahatanteraka antsika amin’ny asa tsara rehetra mba hanaovana ny sitrapony ka hahazoana sitraka eo imasony’.
20. Ahoana no hamelabelaranao sy hanazavanao ireo fampirisihana farany nataon’i Paoly ho an’ny kristiana hebreo?
20 Noho ny fisalasalany ny amin’izay fomba handraisan’ireo Hebreo ny taratasiny, dia hoy i Paoly: “Ary mangataka aminareo aho, ry rahalahy, zakao ny teny fananarana [hihaino ny Zanak’Andriamanitra, fa tsy ireo mpanaraka ny jodaisma]; fa efa nanoratra epistily fohifohy ihany ho aminareo aho [raha jerena ny zava-dehibe ao anatiny]. Aoka ho fantatrareo fa efa afaka [avy any an-tranomaizina] Timoty rahalahintsika; koa raha tàhiny handeha faingana izy, dia hiaraka aminy hamangy anareo aho.” Azo inoana fa nanoratra tao Roma ilay apostoly ka nanantena ny hitsidika ireo Hebreo tany Jerosalema hiaraka amin’i Timoty. Hoy i Paoly avy eo: “Manaova veloma amin’izay rehetra mpitondra anareo [sahala amin’ireo loholona miasa mafy] sy ny olona masina rehetra [ireo manana fanantenana ho any an-danitra]. Izay an’Italia dia manao veloma anareo. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana [avy amin’Andriamanitra].” — Hebreo 13:22-25.
Taratasy misy vidiny maharitra
21. Manampy antsika hahatakatra hevitra lehibe inona ny taratasy ho an’ny Hebreo?
21 Angamba ny taratasy ho an’ny Hebreo no manampy antsika hahatakatra ny hevitr’ireo sorona natao teo ambanin’ny Lalàna mihoatra noho ny boky hafa rehetra ao amin’ny Soratra Masina. Asehon’ilay epistily mazava fa ny soron’i Jesosy Kristy no hany manome ny avotra ilaina ho an’ny olombelona mpanota. Ary ny hafatra lehibe hita ao amin’io taratasy io dia ny tokony hihainoantsika ny Zanak’Andriamanitra.
22. Inona avy ireo antony sasantsasany mahatonga antsika ho velom-pankasitrahana noho ny taratasy ho an’ny Hebreo?
22 Ankoatra izany, araka izay efa hitantsika tao amin’ireo lahatsoratra roa teo aloha, dia manana antony hafa hisehoana ho velom-pankasitrahana isika noho ny taratasy ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ho an’ny Hebreo. Manampy antsika tsy ho sasatra amin’ny fanompoantsika izany, ary mameno antsika herim-po, satria fantatsika fa Jehovah no Mpanampy antsika. Ambonin’izany, dia mampirisika antsika izy io hampiasa ny molotsika sy ny fahaizantsika rehetra tsy misy fitadiavana tombony amin’ny fanolorana fanompoana masina andro aman’alina, ary amin’ny fanaterana fanatitra avy amin’ny fo izay sitrak’i Jehovah, ilay Andriamanitsika mendri-piderana sady be fitiavana.
Ahoana no havalinao?
◻ Tamin’ny ahoana ny taratasy ho an’ny Hebreo no nanampy azy ireo hanary ny fampianaran-diso?
◻ Mifandray amin’ny asa lehibe inona indrindra moa ny fanatitra sitrak’Andriamanitra?
◻ Iza moa ireo ‘mpitondra antsika’, ary nahoana no tokony hanaiky azy isika?
◻ Ahoana no ampisongadinan’ny taratasy ho an’ny Hebreo ny vavaka?
◻ Nahoana no afaka milaza isika fa misy vidiny maharitra ny taratasy ho an’ny kristiana hebreo?
[Sary, pejy 23]
Anisan’ny fanatitra sitrak’Andriamanitra ny fandraisana anjara amin’ny fanompoana ampahibemaso sy ny fanomezana torohevitra manampy an’ireo namana kristiana.