Mahantra Nefa Manankarena — Ahoana no Hetezan’izany?
Taonjato maro lasa izay, dia nivavaka ny lehilahy hendry iray mba tsy ho tonga mahantra ny tenany. Nahoana izy no nangataka izany? Satria natahotra izy fandrao ny fahantrana hahatonga fihetsika sy fanaovan-javatra izay hahatandindomin-doza ny fifandraisany tamin’Andriamanitra. Miharihary amin’ireto teniny ireto izany: “Fahano aho amin’izay anjara-hanina sahaza ho ahy; (...) andrao, raha tonga malahelo aho, dia hangalatra ka hanamavo ny anaran’Andriamanitro.” — OHABOLANA 30:8, 9.
MIDIKA ve izany fa tsy azon’ny olona mahantra atao ny manompo amim-pahatokiana an’Andriamanitra? Tsy izany velively! Nandritra ny tantara manontolo, dia nisy mpanompon’i Jehovah Andriamanitra maro tsy tambo isaina nihazona tsy fivadihana taminy, na dia teo aza ny zava-tsarotra ateraky ny fahantrana. I Jehovah indray kosa dia tia an’ireo mitoky aminy ka manome izay ilain’izy ireo.
Olona nahatoky fahiny
Ny tenan’ny apostoly Paoly dia nandia fotoam-pahasahiranana. (2 Korintiana 6:3, 4). Nolazalazainy koa ny amin’ireo vavolombelona “toy ny rahona” nahatoky, talohan’ny Kristianisma. Ny sasany tamin’ireny dia “nirenireny nitafy hoditr’ondry sy hoditr’osy; efa lao, (...) nirenireny tany an-efitra sy tany an-tendrombohitra sy tany an-johy ary tao an-dava-tany”. — Hebreo 11:37, 38; 12:1.
Iray tamin’ireny olona nahatoky ireny i Elia mpaminany. Nandritra ny hain-tany iray naharitra telo taona sy tapany, dia nanome azy sakafo tsy tapaka, i Jehovah. Tamin’ny voalohany, dia nasain’Andriamanitra nitondra mofo sy hena ho an’ilay mpaminany ny goaika. (1 Mpanjaka 17:2-6). Tatỳ aoriana, dia nampaharetin’i Jehovah, tamin’ny fomba nahagaga, ny tahirin-koba sy diloilo izay nanomezan’ny vehivavy mpitondratena iray an’i Elia. (1 Mpanjaka 17:8-16). Tena tsotra ilay sakafo, kanefa dia nihazona an’ilay mpaminany sy ilay vehivavy mbamin’ny zanany ho velona.
Nanohana an’i Jeremia mpaminany nahatoky toy izany koa i Jehovah, nandritra ny fotoam-pahasahiranana ara-toe-karena. Tsy maty tamin’ilay fahirano nataon’ny Babyloniana tamin’i Jerosalema i Jeremia, fony voatery ‘nihinana mofo an-danjany tamin’ny fanahiana’ ny olona. (Ezekiela 4:16). Tamin’ny farany dia nanjary mafy aoka izany ny mosary tao amin’ilay tanàna, hany ka nihinana ny nofon’ny zanany naterany ny vehivavy sasany. (Fitomaniana 2:20). Na dia tao am-ponja aza i Jeremia noho ny fitoriany tsy tamin-tahotra, dia nataon’i Jehovah azo antoka fa nomena “mofo” isan’andro izy, “ambara-pahalanin’ny mofo rehetra tao an-tanàna”. — Jeremia 37:21.
Koa i Jeremia, sahala amin’i Elia, àry dia tsy nanan-kanina firy nohanina. Tsy milaza amintsika ny Soratra Masina hoe inona no nohanin’i Jeremia, na hoe impiry izy no nisakafo rehefa tsy nisy mofo intsony tao Jerosalema. Kanefa, fantatsika fa nanohana azy i Jehovah, ary tafita soa aman-tsara tamin’ilay fotoan’ny mosary mafy izy.
Amin’izao andro izao, dia misy fahantrana any amin’ny faritra rehetra amin’ny tany. Araka ny Firenena Mikambana, dia atỳ Afrika no ahitana ny fahantrana lehibe indrindra. Hoy ny fanambarana iray nataon’ny ONU ho an’ny filazam-baovao tamin’ny 1996: “Ny antsasaky ny Afrikana rehetra, fara fahakeliny, no nanjary mahantra.” Na dia eo aza ny toe-javatra ara-toe-karena mihamafy, dia misy Afrikana mitombo isa hatrany mampihatra ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly eo amin’ny fiainana, ary manompo amim-pahatokiana an’Andriamanitra, amin’ny fananana toky fa hanohana azy ireo izy. Diniho ny ohatra sasany avy amin’ny tapany iray amin’ny tontolo mikorontana misy antsika.
Fihazonana ny fanaovana ny marina
Tantsaha iray manan-janaka enina hovelomina i Michael,a izay mipetraka any Nizeria. “Sarotra ny manao ny marina rehefa tsy misy vola hikarakarana ny fianakavian’ny tena”, hoy izy. “Rehefa alaim-panahy hanao ny tsy marina anefa aho, dia tadidiko ny Efesiana 4:28, manao hoe: ‘Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin’ny tanany’. Koa raha tojo fakam-panahy aho, dia manontany tena hoe: ‘Niasa ve aho mba hahazoana itỳ vola itỳ?’.”
“Ohatra”, hoy ny teny nanampin’i Michael, “indray andro teny an-dalana, dia nahita kitapo nilatsaka avy teo aorian’ny moto iray aho. Tsy vitako ny nampijanona an’ilay mpitaingina moto, koa noraisiko ilay kitapo ka hitako fa feno vola ilay izy! Tamin’ny fampiasana ilay karatra tao amin’ilay kitapo, dia hitako ny tompony ary naveriko taminy ny kitapo.”
Ady atao amin’ny fahaketrahana
Nanamarika toy izao ny lehilahy iray any Afrika Avaratra: “Ny fahantrana dia [toy] ny hoe tafahitsoka ao anaty lavaka lalina ny tena, afaka mahita ny hazavana sy ny olona mivezivezy malalaka, saingy tsy mahaloa-peo hiantsoana vonjy na hangatahana tohatra mba hiakarana avy ao.” Tsy mahagaga loatra àry raha miteraka fahaketrahana sy fahakiviana ny fahantrana matetika! Na dia ireo mpanompon’Andriamanitra aza dia mety hahita ny harenan’ny hafa ka hanomboka hieritreritra fa tsy mendrika ny hanaovana ezaka ny fananana fiainana mampiseho tsy fivadihana. (Ampitahao amin’ny Salamo 73:2-13.) Ahoana no mety handresena fihetseham-po toy izany?
I Peter avy any Afrika Andrefana dia nisotro ronono rehefa avy niasa 19 taona ho an’ny fanjakana. Izao izy dia mivelona amin’ny vola kely fisotroan-drononony fotsiny. “Rehefa mandia fotoam-pahakiviana aho”, hoy ny filazan’i Peter, “dia tadidiko izay novakiko tao amin’ny Baiboly sy ny zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Watch Tower. Madiva hanjavona itỳ fandehan-javatra tranainy itỳ, ary eo am-piandrasana fandehan-javatra tsara kokoa iray isika.
“Afa-tsy izany koa, dia eritreretiko ny lazain’ny 1 Petera 5:9 manao hoe: ‘Tohero izy [Satana], ka miorena tsara amin’ny finoana hianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran’izao tontolo izao.’ Koa tsy izaho irery ihany izany no miaritra fahasahiranana. Manampy ahy handroaka ny eritreritra manakivy sy manaketraka ireny fampahatsiahivana ireny.”
“Ankoatra izany”, hoy ny teny nanampin’i Peter, “i Jesosy dia nanao fahagagana maro fony izy teto an-tany, kanefa tsy nampanankarena na iza na iza teo amin’ny ara-nofo. Koa nahoana aho no tokony hanantena azy hampanankarena ahy?”
Ny herin’ny vavaka
Ny fanatonana akaiky an’i Jehovah Andriamanitra amim-bavaka dia fomba hafa iray hiadiana amin’ny fisainana tsy manorina. Rehefa tonga Vavolombelon’i Jehovah i Mary tamin’ny 1960, dia nahafoy azy ny fianakaviany. Tsy manambady izy ary eo amin’ny faha-50 taonany ankehitriny, osaosa sy tsy manana firy eo amin’ny ara-nofo. Na dia izany aza, dia be zotom-po eo amin’ny fanompoana kristiana izy.
Hoy i Mary: “Rehefa mahatsiaro ho kivy aho, dia manatona an’i Jehovah amim-bavaka. Fantatro fa tsy misy olona na iza na iza afaka manampy ahy mihoatra noho izy. Nianarako fa rehefa mitoky amin’i Jehovah ny tena, dia manampy izy. Tadidiko ato an-tsaina foana ireto tenin’i Davida Mpanjaka hita ao amin’ny Salamo 37:25 ireto: ‘Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra ankehitriny; fa tsy mbola hitako izay marina nafoy, na ny zanany mangataka hanina.’
“Manovo fampaherezana koa aho avy amin’ny fanandraman-javatra hitan’ireo anadahy sy rahavavy ara-panahy be taona kokoa, izay voatantara ao amin’ny Tilikambo Fiambenana. Nanampy azy ireny i Jehovah Andriamanitra, koa fantatro fa hanohy hanampy ahy koa izy. Tahiny ilay asa keliko fivarotana fufu [karazana toto-mangahazo] ka afaka mahazo izay ilaiko isan’andro aho. Indraindray, rehefa tsy manam-bola iny aho ary manontany tena ny amin’izay tokony hatao, dia maniraka olona i Jehovah mba hanome vola ahy, ka hoy ilay olona hoe: ‘Intỳ raiso, ranabavy’. Mbola tsy nandiso fanantenana ahy mihitsy i Jehovah.”
Ny hasarobidin’ny fianarana Baiboly
Ny Vavolombelon’i Jehovah dia mihevitra ho sarobidy ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, ary tsy maningana amin’izany ireo mahantra eo anivony. Mpisava lalana (mpitory ilay Fanjakana manontolo andro) i John, 60 taona, sady mpanampy amin’ny fanompoana ao amin’ny kongregasiona. Trano tsizarizary misy rihana izay zarain’ny fianakaviana 13 no ipetrahany. Ny misy azy dia tapany iray amin’ny lalantsara ambany rihana izay zarazarain’ny takela-kazo manify ho efitrefitra. Misy seza tranainy roa sy latabatra iray feno fitaovana fianarana Baiboly misavovona ao aminy. Kidoro mololo no atoriany.
Taloha i John dia nahazo tokony ho iray dolara isan’andro, tamin’ny fivarotana mofo dipaina, nefa rehefa voarara ny fanafarana varimbazaha, dia nafoiny ny asa fivelomany. Hoy izy: “Hitako ho tena sarotra ny fiainana indraindray, kanefa manohy manao ny asan’ny mpisava lalana aho. I Jehovah no manohana ahy. Ataoko izay asa rehetra mety ho hitako ary tsy miantehitra amin’olona na iza na iza aho mba hanohana na hamelona ahy, na dia tena manampy aza ireo rahalahy ao amin’ny kongregasiona. Manampy ahy hitady asa izy ireo, ary manome vola ahy indraindray.
“Maka fotoana mba hamakiana ny Baiboly sy ny zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Watch Tower aho. Vao maraina be aho no mianatra, raha mbola mangina ny ao an-trano, ary amin’ny alina aho no mamaky teny, isaky ny misy elektrisite. Fantatro fa tsy maintsy manohy mianatra manokana aho.”
Fampiofanana ireo ankizy mba hahazo fiainana
Lehilahy maty vady sy manan-janaka enina i Daniel. Tamin’ny 1985 izy dia namoy ilay asa nataony nandritra ny 25 taona, nefa nahita asana mpivarotra izy. “Sarotra ny fiainana ho an’ny fianakaviana eo amin’ny ara-bola”, hoy izy. “Amin’izao fotoana izao izahay dia tsy afaka misakafo afa-tsy indray mandeha isan’andro. Indray mandeha, dia tsy nisakafo nandritra ny telo andro izahay. Rano fotsiny no nosotroinay mba hitanana aina.”
Loholona ao amin’ny kongregasiona i Daniel. “Tsy mba manapaka fivoriana mihitsy aho, ary be atao hatrany amin’ny asa teokratika”, hoy izy. “Isaky ny misy asa tokony hatao any amin’ny Efitrano Fanjakana, dia tsy maintsy any aho. Ary rehefa mazana ny fiainana, dia tadidiko ny tenin’i Petera tamin’i Jesosy voarakitra ao amin’ny Jaona 6:68, manao hoe: ‘Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay?’ Raha mitsahatra tsy manompo an’i Jehovah aho, dia ho aiza? Ireo tenin’i Paoly hitantsika ao amin’ny Romana 8:35-39 koa dia mahatonga ahy ho feno fahatapahan-kevitra, satria asehon’izy ireo fa tsy hisy na inona na inona hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra sy i Kristy. Izany no toe-tsaina ampidiriko tsikelikely ao amin’ireo zanako. Milaza amin’izy ireo tsy tapaka aho fa tsy tokony handao an’i Jehovah na oviana na oviana isika.” Ny zotom-pon’i Daniel omban’ny fianaram-pianakaviana mifototra amin’ny Baiboly tsy tapaka, dia nisy heriny manorina teo amin’ireo zanany.
Toe-tsaina tia manome
Mety hisy hieritreritra fa ireo miaina ao anatin’ny fahantrana faraidiny dia zara raha ho afaka handray anjara ara-bola amin’ny fampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana. Tsy izany anefa no izy. (Ampitahao amin’ny Lioka 21:1-4.) Ny Vavolombelona sasany any Ghana, izay ny fambolena no antom-pivelomany lehibe indrindra, dia manokana ampahany amin’ny taniny mba hampiasaina ho fampandrosoana ny tombontsoan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Rehefa lafo ny vokatra amin’izany ampahany amin’ny tanin’izy ireo izany, dia ampiasaina manontolo ho an’izany zava-kendrena izany ny vola. Tafiditra amin’izany ny fanaovana fanomezana any amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana.
Mpisava lalana i Joan izay mipetraka any Afrika Afovoany. Mba hikarakarana ny vadiny malemy sy havana efatra hafa miankina aminy, dia mivarotra mofo izy. Rehefa nila dabilio ho an’ny Efitrano Fanjakana ny kongregasiona nisy azy, dia nanapa-kevitra ny fianakavian’i Joan fa hanome ny vola rehetra tao an-tranony. Nahatonga azy ireo ho tsy hanam-bariraiventy izany. Ny ampitson’io anefa, dia nisy olona, tsy nampoizina, nandoa trosa iray efa ela be, ka nanome azy ireo vola izay tsy nantenain’izy ireo ho azo intsony mihitsy!
Olona falifaly i Joan ary tsy manahy tafahoatra momba ny vola izy. “Hazavaiko amin’i Jehovah amim-bavaka ny tarehin-javatra misy ahy, ary avy eo dia mandeha any amin’ny fanompoana eny amin’ny saha aho. Fantatsika fa tsy misy fanantenana firy hahita fotoana tsara kokoa eto amin’itỳ fandehan-javatra itỳ. Kanefa, takatsika fa hanome izay ilaintsika i Jehovah.”
Fanehoana fahazotoana miasa
Ny Vavolombelon’i Jehovah dia fantatra noho ny fifankatiavany. (Jaona 13:35). Ireo manam-bola dia manampy ireo Kristiana namany izay sahirana. Matetika dia miseho amin’ny endriky ny fanomezana izany, ary indraindray dia amin’ny endriky ny fanampiana mba hahazo asa.
Voan’ny habokana i Mark izay mipetraka any Congo. Nanimba ny rantsantongony sy ny rantsantanany izany. Koa mba hamindrana àry dia miankina amin’ny tehina izy. Rehefa nanapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah i Mark, dia nanomboka nanao fiovana lehibe teo amin’ny fiainany. Tsy nangataka hanina toy ny nataony teo aloha intsony izy, fa nanomboka namokatra ny sakafon’ny tenany ihany. Nanao biriky izay namidiny koa izy.
Na dia teo aza ny kilemany ara-batana, dia nanohy niasa tamim-pahazotoana i Mark. Rehefa nandeha ny fotoana dia nividy sombin-tany izy, ary nanorina trano tsotsotra teo. Izao i Mark dia loholon’ny kongregasiona ary hajaina tsara ao amin’ny tanàna misy azy. Ankehitriny izy dia manampy olon-kafa sahirana.
Mazava ho azy fa zara raha azo atao ny mahita asa any amin’ny toerana maro. Nanoratra toy izao ny loholona kristiana iray manompo ao amin’ny iray amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower any Afrika Afovoany: “Rahalahy maro no tsy an’asa eto. Manandrana mamorona asa ho an’ny tenany ny sasany, nefa sarotra izany. Maro no nanjohy hevitra hoe: Koa satria hijaly ihany isika na inona na inona ataontsika, dia hanao sorona eo amin’ny zavatra ara-nofo isika amin’ny fanompoana amin’ny maha-mpisava lalana. Tamin’ny fanaovana izany, dia maro no nahita fa fitahiana betsaka kokoa no noraisiny noho ny raha nanao asa kely karama, na tsy nahazoana karama mihitsy aza, ny tenany.”
Manohana ny vahoakany i Jehovah
Nilaza toy izao momba ny tenany i Jesosy Kristy: “Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voromanidina manana fialofana; fa ny Zanak’olona tsy mba manana izay hipetrahan’ny lohany.” (Lioka 9:58). Toy izany koa, ny apostoly Paoly dia nanoratra hoe: “Mandraka ankehitriny izao dia noana sy mangetaheta sy tsy manan-kitafy sy asiana totohondry ary tsy manana antom-ponenana izahay”. — 1 Korintiana 4:11.
I Jesosy sy i Paoly dia samy nifidy ny tsy hanan-javatra ara-nofo firy teo amin’ny fiainana, mba hahafahany hanohy ny fanompoany tamin’ny fomba feno kokoa. Kristiana maro amin’izao andro izao no mahantra satria tsy manan-tsafidy izy ireo. Na dia izany aza, dia mampihatra ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly eo amin’ny fiainana izy, ary miezaka manompo an’Andriamanitra amin-jotom-po. Fantany fa tian’i Jehovah amim-piraiketam-po izy rehefa iainany ny fahamarinan’ny fanomezan-tokin’i Jesosy hoe: “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany [zavatra ara-nofo] rehetra izany.” (Matio 6:25-33). Ambonin’izany, ireny mpanompon’Andriamanitra mahantra ireny dia manana porofo fa “ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena”. — Ohabolana 10:22.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tsy ny tena anaran’ireo olona no ampiasaina ato amin’itỳ lahatsoratra itỳ.
[Efajoro, pejy 6]
Iza no “Mpankatò ny Teny”?
ARAKA ny fitsapan-kevi-bahoaka Gallup tamin’ny 1994, ny 96 isan-jaton’ny Amerikana dia “mino an’Andriamanitra na ny fanahy iray manenika izao rehetra izao”. Ambonin’izany, “isaky ny mponina iray dia betsaka kokoa ny isan’ny fiangonana eto Etazonia noho ny any amin’ny firenena hafa rehetra eto ambonin’ny Tany”, hoy ny U.S.News & World Report. Na dia eo aza izany fisehoana ho tia fivavahana izany, dia hoy i George Gallup, Jr., mpitsapa hevi-bahoaka iray ela nihetezana: “Ny zava-misy tsy azo odian-tsy hita dia hoe ny ankamaroan’ny Amerikana dia tsy mahalala hoe inona no inoany na hoe nahoana izy no mino.”
Ireo antontan’isa koa dia mampiseho fa misy hantsana lehibe eo amin’ny finoan’ny olona maro sy ny zavatra ataony. Ohatra, “ireo mpandinika ny fiainan’ny fitambaran’olona dia mahamarika fa ny sasany amin’ireo faritra ahitana heloka bevava betsaka indrindra eto amin’ny firenena dia ireo izay ahitana finoana sy fiainana ara-pivavahana matanjaka indrindra”, hoy i Jeffery Sheler, mpanoratra iray.
Tsy tokony hahagaga anefa izany. Fa nahoana? Satria tany amin’ny taonjato voalohany, ny apostoly Paoly dia efa nampitandrina an’ireo Kristiana namany ny amin’ireo izay “manaiky fa mahalala an’Andriamanitra (...), nefa mandà Azy amin’ny asany”. (Titosy 1:16). Fanampin’izany, i Paoly dia nilaza tamin’i Timoty, zatovolahy, fa ny ‘atỳ am-parany’ dia hiavaka noho ny olona “manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, nefa nandà ny heriny”. — 2 Timoty 3:1, 5.
Ny Kristiana marina kosa anefa dia manao araka izay fara heriny mba hanarahana ny baikon’i Jesosy Kristy mba ‘handeha sy hanao mpianatra ny firenena rehetra’. (Matio 28:19). Amin’izany fomba izany izy ireo dia manjary ‘mpankatò ny teny, fa tsy mpihaino fotsiny’. — Jakoba 1:22.
[Sary, pejy 7]
Heverin’ny olona maneran-tany ho sarobidy ny fianarana Baiboly