‘Mitadiava fihavanana ka manaraha izany’
“Ankalazaina anie Jehovah, Izay mankasitraka ny fiadanan’ny mpanompony.” — SALAMO 35:27.
1. Fiadanana inona no ananantsika amin’izao andro izao?
FIFALIANA toy inona moa izany hoe mihavana, eo anivon’ity tontolo voazarazara ity! Fahafinaretana toy inona moa izany hoe manompo an’i Jehovah, ilay “Andriamanitry ny fiadanana”, sy ny manana anjara amin’ireo fitahiana noho ny “fanekem-pihavanana” nataony! Ao anatin’ireo fanerena eo amin’ny fiainana, dia famelombelomana toy inona moa ny mahafantatra “ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra” sy manandrana “ny fehim-pihavanana” izay mampiray ny vahoakan’Andriamanitra na inona na inona fireneny, fiteniny, firazanany na fiaviany ara-tsôsialy! — 1 Tesaloniana 5:23; Ezekiela 37:26; Filipiana 4:7; Efesiana 4:3.
2, 3. a) Raha mbola hiaritra ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny fitambarany, inona no mety hitranga amin’ny kristiana isam-batan’olona? b) Inona no ampirisihan’ny Baiboly hataontsika?
2 Amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah antsika dia mandala fatratra an’io fiadanana io isika. Kanefa dia tsy afaka mihevitra azy ho tsy maintsy ho azo isika. Tsy voatana fotsiny amin’izao akory ny fiadanana satria fotsiny hoe miaraka amin’ny kongregasiona kristiana isika na sendra anisan’ny fianakaviana kristiana iray. Raha mbola hiaritra hatramin’ny farany amin’ny maha-andiany iray azy ny sisa voahosotra sy ireo namany anisan’ny “ondry hafa”, ny isam-batan’olona dia mety hamoy ny fiadanany ka hiala. — Jaona 10:16; Matio 24:13; Romana 11:22; 1 Korintiana 10:12.
3 Nampitandrina ny kristiana voahosotra tamin’ny androny ny apostoly Paoly hoe: “Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin’Andriamanitra velona.” (Hebreo 3:12). Mihatra amin’ny olona betsaka koa io fampitandremana io. Koa mampirisika ny kristiana toy izao àry ny Baiboly: ‘Mitadiava fihavanana ary manaraha izany. Fa ny mason’ny Tompo [Jehovah, MN] dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany, fa ny tavan’ny Tompo [Jehovah, MN] tezitra amin’ny mpanao ratsy”. — 1 Petera 3:10-12; Salamo 34:14, 15.
“Ny fihevitry ny nofo”
4. Inona no mety hanakorontana ny fihavanantsika amin’Andriamanitra?
4 Inona no mety hampiato ny fanarahantsika ny fihavanana? Nanonona zavatra iray i Paoly rehefa nilaza hoe: “Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa [dia] fiainana (sy fiadanana) satria fandrafiana an’Andriamanitra ny fihevitry ny nofo”. (Romana 8:6, 7). Tamin’ny teny hoe “nofo”, i Paoly dia nanisy fitenenana ny amin’ny toerana mietry misy antsika amin’ny maha-olombelona tsy tanteraka manana fironana hanota nolovana. Handrava ny fiadanantsika ny tsy fanoherana ny fironan’ny nofo mietry. Raha toa ny kristiana iray ka maloto fitondrantena na mandainga na mangalatra na mampiasa zavatra mahadomelina, na mandika ny lalàn’Andriamanitra amin’ny fomba hafa sasany, kanefa tsy mibebaka, dia manapaka ny fihavanany amin’Andriamanitra izay nananany fahiny izy. (Ohabolana 15:8, 29; 1 Korintiana 6:9, 10; Apokalypsy 21:8). Ankoatra izany, raha mamela ny zavatra ara-nofo ho tonga zava-dehibe kokoa ho azy noho ny zavatra ara-panahy izy, dia tandindomin-doza lehibe ny fihavanany amin’Andriamanitra. — Matio 6:24; 1 Jaona 2:15-17.
5. Inona no tafiditra amin’ny fanarahana ny fihavanana?
5 Etsy an-daniny koa, i Paoly dia nilaza hoe: “Ny fihevitry ny Fanahy kosa [dia] fiainana (sy fiadanana)”. Ny fiadanana dia anisan’ireo vokatry ny fanahy, ary raha zarintsika mankasitraka zavatra ara-panahy ny fontsika, amin’ny fangatahana amin’ny vavaka ny fanahin’Andriamanitra mba hanampy antsika ho amin’izany, amin’izay isika dia hanalavitra ny “fihevitry ny nofo”. (Galatiana 5:22-24) Ao amin’ny 1 Petera 3:10-12, dia mifamatotra amin’ny fahamarinana ny fihavanana. (Romana 5:1). Nilaza i Petera fa ny fanarahana ny fihavanana dia mahatafiditra ‘fialana amin’ny ratsy sy fanaovana ny soa’. Afaka manampy antsika ‘hitady fahamarinana’ ny fanahin’Andriamanitra, ka amin’izay dia hiaro ny fihavanantsika amin’Andriamanitra. — 1 Timoty 6:11, 12.
6. Inona no iray amin’ireo andraikitry ny loholona raha ny amin’ny fiadanan’ny kongregasiona?
6 Zavatra ahina lehibe ho an’ireo loholona ao amin’ny kongregasiona ny fanarahana fihavanana. Ohatra, raha misy olona manandrana mampiditra fanao maloto, ireo loholona dia manana andraikitra hiaro ny kongregasiona, amin’ny fanandramana mananatra ilay mpanota. Raha manaiky ilay fananarana izy, dia ho azony indray ny fiadanany. (Hebreo 12:11). Raha tsy izany, dia mety havoaka any ivelany izy mba hahafahana miaro ny fifandraisana feno fihavanan’ny kongregasiona amin’i Jehovah. — 1 Korintiana 5:1-5.
Fihavanana amin’ireo rahalahintsika
7. Fisehoan’ny ‘fihevitry ny nofo’ inona no nampitandreman’i Paoly ny Korintiana?
7 Afaka manapotika, tsy ny fihavanantsika amin’Andriamanitra ihany, ny ‘fihevitry ny nofo’, fa ny fifandraisana tsara ananantsika amin’ny kristiana hafa koa. Nanoratra toy izao ho an’ny Korintiana i Paoly: “Fa mbola araka ny nofo ihany hianareo. Fa raha misy fialonana sy fifandirana eo aminareo, tsy araka ny nofo va hianareo ka mandeha araka ny fanaon’ny olona?” (1 Korintiana 3:3). Mifanohitra tanteraka amin’ny fihavanana ny fialonana sy fifandirana.
8. a) Inona no mety hitranga amin’izay mahatonga fialonana sy fifandirana ao amin’ny kongregasiona? b) Miankina amin’inona ny fihavanantsika amin’Andriamanitra?
8 Ny fanakorontanana ny fiadanan’ny kongregasiona amin’ny fanaovana izay hisian’ny fialonana sy fifandirana dia tena lehibe. Rehefa niresaka ny amin’ny toetra tsara iray mifandray amin’ny fiadanana amin’ny maha-vokatry ny fanahy azy ny apostoly Jaona, dia nampitandrina toy izao: “Raha misy manao hoe: Tia an’Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an’Andriamanitra Izay tsy hitany?” (1 Jaona 4:20). Amin’ny fomba mitovy amin’izany, raha toa ny olona iray ka mahatonga fialonana sy fifandirana eo amin’ireo rahalahy, moa ve izy afaka hiavana marina tokoa amin’Andriamanitra? Azo antoka fa tsia! Ampirisihina toy izao isika: “Mifalia [hatrany, MN], aoka ho tanteraka hianareo, mandraisa ny fampiononana, miraisa saina, mihavàna; ary Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana ho aminareo”. (2 Korintiana 13:11). Eny, raha miaina amim-pihavanana hatrany isika eo amintsika samy isika, dia ho eo amintsika ilay Andriamanitry ny fiadanana.
9. Ahoana no ahafantarantsika fa hisy tsy fifankahazoana sy tsy fifanarahana indraindray eo amin’ny kristiana?
9 Izany akory tsy midika hoe tsy hisy tsy fifankahazoana mihitsy eo amin’ny samy kristiana. Tao anatin’ireo herinandro nanaraka ny Pentekosta, dia nisy tsy fifanarahana tao amin’ilay kongregasiona kristiana vao niforona, nikasika fizarana hanina isan’andro. (Asan’ny apostoly 6:1). Tamin’ny toe-javatra iray, ny tsy fifanarahana teo amin’i Paoly sy i Barnabasy dia nitarika ho amin’ny ‘fifandirana mafy’. (Asan’ny apostoly 15:39). Tsy maintsy nanoro hevitra an’i Eodia sy i Syntyke, izay tsy isalasalana fa anabavy nahafinaritra sy be zotom-po, “mba hiray saina ao amin’ny Tompo” i Paoly. (Filipiana 4:2). Tsy mahagaga raha nanome torohevitra amin’ny antsipiriany i Jesosy ny amin’ny fomba fandaminana ny fikorontanan’ny fihavanana eo amin’ny samy kristiana ary nampisongadina ny ilàna maika dia maika fikarakarana zava-manahirana toy izany avy hatrany! (Matio 5:23-25; 18:15-17). Tsy ho nanome io torohevitra io izy raha tsy nahatsinjo mialoha, zava-manahirana eo amin’ireo mpanara-dia azy.
10. Toe-javatra inona indraindray no mipoitra ao amin’ny kongregasiona, ary andraikitra inona no apetrak’izany eo amin’izay rehetra tafiditra amin’izany?
10 Amin’izao andro izao àry, dia mety hitranga tokoa ny hoe misy olona mety ho tafintohina noho ny teny tsy voalanjalanja na noho ny fanamavoana tsikaritra teo amin’ny kristiana namana iray. Ny toetra mampiavaka ny olona iray dia mety hanorisory mafy ny hafa iray. Mety hifandona ny tsy fitovian-toetra. Misy olona mety tsy hifanaraka mafy amin’ny fanapahan-kevitr’ireo loholona. Eo anivon’ny kolejin’ny loholona mihitsy aza, dia mety ho mahery loha ny loholona iray ary hanandrana ny hanjakazaka eo amin’ireo loholona hafa. Na dia eo aza ny fitrangan’ny zavatra toy izany, dia mbola tsy maintsy mitady fihavanana sy manaraka izany ihany isika. Ny fihaikana dia ny fikarakarana ireny zava-manahirana ireny amin’ny fomba kristiana mba hiarovana ny “fehim-pihavanana”. — Efesiana 4:3.
11. Fandaharana mialoha inona no nataon’i Jehovah mba hanampiana antsika hitady fihavanana eo amintsika samy isika?
11 Hoy ny Baiboly: “Hankalazaina anie Jehovah, Izay mankasitraka ny fiadanan’ny mpanompony”. (Salamo 35:27). Eny tian’i Jehovah hihavana isika. Noho izany, dia nanao fandaharana mialoha miavaka roa izy mba hanampiana antsika hiaro ny fihavanana eo amintsika samy isika sy aminy. Ny iray dia ny fanahy masina, izay manana ny fiadanana ho vokatra miaraka amin’ireo toetra mampihavana mifandray amin’izany, toy ny fahari-po, fahamoram-panahy, fahalemem-panahy, ary ny fifehezan-tena. (Galatian 5:22, 23, MN). Ilay iray hafa dia ny fahendren’Andriamanitra, izay amakiantsika toy izao ny aminy: “Ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindrampo sy be voka-tsoa”. — Jakoba 3:17, 18.
12. Inona no tokony hataontsika raha nikorontana ny fihavanantsika tamin’ireo rahalahintsika?
12 Noho izany, rehefa mikorontana ny fihavanantsika amin’ny hafa, dia tokony hivavaka isika mba hanoro antsika ny fihetsika harahina ny fahendrena avy any ambony, ary tokony hangataka isika mba hanatanjaka antsika hanao izay marina ny fanahy masina. (Lioka 11:13; Jakoba 1:5; 1 Jaona 3:22). Mifanaraka amin’ny vavaka ataontsika, dia afaka mijery ao amin’ilay loharanon’ny fahendren’Andriamanitra isika amin’izay, dia ao amin’ny Baiboly mba hahazoana fitarihana, ary koa manamarina ao amin’ireo zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly izay misy, mba hahazoana torohevitra ny amin’ny fomba fampiharana ny Soratra masina. (2 Timoty 3:16.) Mety haniry ny hitady torohevitra avy amin’ny loholona ao amin’ny kongregasiona koa isika. Ny dingana farany dia ho ny fanarahana ny fitarihana azo. Hoy ny Isaia 54:13: “Ary ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan’ny zanakao”. Milaza tsy mivantana izany fa miankina amin’ny fampiharantsika ireo zavatra ampianarin’i Jehovah antsika ny fiadanantsika.
“Sambatra ny mpampihavana”
13, 14. a) Inona no tafiditra amin’ny fitenenan’i Jesosy hoe “tia fihavanana”? b) Ahoana ny ahafahantsika ho tonga mpitondra fihavanana?
13 Hoy i Jesosy tao amin’ny Toriteniny teo an-tendrombohitra: “Sambatra ny mpampihavana [ny tia fihavanana, MN], fa izy no hatao hoe zanak’Andriamanitra”. (Matio 5:9). Ny hoe “tia fihavanana” eto dia tsy manisy fitenenana ny amin’ny olona iray tony fotsiny noho ny toetra voajanahary. Ny teny grika tany am-boalohany dia midika hoe “mpitondra fihavanana”. Ny mpitondra fihavanana iray dia mahay mamerina amin’ny laoniny ny fihavanana rehefa voakorontana izany. Mbola zava-dehibe kokoa, ny mpitondra fihavanana iray dia miezaka voalohany indrindra manalavitra ny fanakorontanana ny fihavanana. ‘Manapaka ao am-pony ny fiadanana.’ (Kolosiana 3:15). Raha miezaka ho tonga mpitondra fihavanana ny mpanompon’Andriamanitra, amin’izay dia ho voatana ho faran’izay kely ny zava-manahirana eo amin’izy ireo.
14 Ny fahatongavana ho mpitondra fihavanana dia mahatafiditra fiekena ny fahalemen’ny tenantsika. Ohatra, ny kristiana iray dia mety hanana toetra mirehitra na mora tohina sy mora tafintohina. Rehefa iharan’ny fanerena izy, ny fihetseham-pony dia mety hampanadino azy ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly. Ampoizina avy amin’ny olombelona tsy tanteraka izany. (Romana 7:21-23). Na dia izany aza, dia alahatra ho asan’ny nofo ny fifandrafiana, fifandirana, ary ny fiafonafonana. (Galatiana 5:19-21). Raha mahita fironana toy izany ao amintsika isika — na raha nampahafantarin’ny hafa antsika izany — dia tokony hivavaka amin-kafanam-po sy tsy tapaka isika mba hampitomboan’ny fanahin’Andriamanitra ao amintsika ny fifehezan-tena sy ny fahalemem-panahy. Marina tokoa fa tokony hiezaka hamboly ireo toetra ireo ho anisan’ny toetrany vaovao ny tsirairay. — Efesiana 4:23, 24; Kolosiana 3:10, 15.
15. Ahoana no ifanoheran’ny fahendrena avy any ambony amin’ny kiry tsy amin’antony?
15 Indraindray, ny kongregasiona na ny kolejin’ny loholona iray dia voakorontan’olona kirina izay manantitrantitra mandrakariva ny hanao izay tiany. Marina fa amin’izay mahakasika ny lalàn’Andriamanitra, dia tokony ho mahery loha, na tsy milefitra mihitsy aza ny kristiana iray. Ary raha mahatsapa isika fa manana hevitra tsara izay mety hahasoa ny hafa ny tenantsika, dia tsy misy maha-ratsy ny hiresahantsika amin’ny fomba mivantana, satria manazava ny antony ananantsika isika. Kanefa tsy irintsika ny ho sahala amin’ireo izay “tsy azo ifampiraharahana” eo amin’izao tontolo izao. (2 Timoty 3:1-4, MN). Tia fihavanana sy mandefitra ny fahendrena avy any ambony. Tokony hihaino tsara ny torohevitr’i Paoly ho an’ny Filipiana mba tsy “handrani-tena foana” ireo izay manao asa mampiseho tsy fileferana feno kiry. — Filipiana 2:3.
16. Amin’ny ahoana ny torohevitr’i Paoly ho an’ny Filipiana no manampy antsika handresy ny fandranitan-tena?
16 Ao amin’io taratasy io ihany, i Paoly dia mampirisika ny tokony ‘hanaovantsika ny namantsika ho mihoatra noho ny tenantsika’ amim-pahatsorana “amin’ny fanetren-tena”. Izany dia tena mifanohitra amin’ny fandranitan-tena. Ny kristiana matotra iray, dia tsy mihevitra voalohany indrindra ny hanery ny hanekena ny heviny manokana, na hanao izay tsy hahafa-baraka, na hiaro ny toerany manokana sy ny fahefany. Izany dia ho nifanohitra tamin’ny fampirisihan’i Paoly tsy ‘samy hihevitra ny azy ihany, fa samy ny an’ny namany koa’. — Filipiana 2:4; 1 Petera 5:2, 3, 6.
Teny tia fihavanana
17. Fampiasana ny lela amin’ny fomba ratsy inona no mety hanakorontana ny fiadanan’ny kongregasiona?
17 Mitandrina manokana ny fampiasany ny lelany ny olona iray manaraka ny fihavanana. Mampitandrina toy izao i Jakoba: “Dia toy izany koa ny lela, rantsana kely izy, kanefa mirehareha fatratra. Indro, ny fiavovon’ny antontan-kazo arehitry ny afo kely!” (Jakoba 3:5). Ny resadresa-poana manimba, ny fanakianana ny hafa any an-damosiny, ny teny tsy misy fiantrana sy mahasosotra, ny fimonomononana sy ny fitarainana, ary koa ny fandokafana tsy marina mba ho tombontsoan’ny tena manokana — ireo rehetra ireo dia asan’ny nofo izay manakorontana ny fihavanan’ny vahoakan’Andriamanitra. — 1 Korintiana 10:10; 2 Korintiana 12:20; 1 Timoty 5:13; Joda 16.
18. a) Raha nisy fampiasana tsy nahy ny lela tamin’ny fomba ratsy, inona no lalana mety ho an’ny tsirairay tafiditra amin’izany? b) Raha mahatonga olona iray hilaza teny maharary ny fahatezerana, ahoana no ho fihetsiky ny kristiana matotra iray?
18 Marina fa niteny toy izao i Jakoba: “Fa tsy misy olona mahafolaka ny lela”. (Jakoba 3:8). Na dia ny kristiana matotra aza indraindray dia miteny zavatra izay anenenany amim-pahatsorana rehefa avy eo. Manantena isika rehetra fa hamela antsika noho ireny fahadisoana ireny ny hafa, sahala amin’ny amelantsika azy ireo koa. (Matio 6:9, 10). Indraindray dia mety hiteraka teny maharary ny fipoahan’ny fahatezerana mafy. Amin’izay, ny mpitondra fihavanana iray dia hahatsiaro fa “ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy; fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana.” (Ohabolana 15:1). Matetika, dia ilainy fotsiny ny mitroka rivotra lalina indray mandeha ary mandà ny hamaly tenin’olon-tezitra amin’ny tenin’olona mbola tezitra kokoa. Aorian’izany, rehefa nihanangatsika ny fihetseham-po, ny mpitondra fihavanana manana fo malalaka iray dia mahafantatra ny fomba handeferana amin’ny zavatra nolazaina tao anatin’ny hafanan’ny fihetseham-po. Ary ny kristiana manetry tena iray dia hahay hiala tsiny sy hiezaka hanasitrana izay ratra nataony. Mariky ny fahatanjahan-tsaina izany hoe afaka miteny amim-pahamarinana hoe “Aza fady”.
19. Inona no ianarantsika avy amin’i Jesosy sy i Paoly mikasika ny fomba fanomezana torohevitra?
19 Mety ho nampiasaina mba hanoroana hevitra ny hafa ny lela. Nananatra ampahibemaso an’i Petera i Paoly rehefa nanao zavatra tamin’ny fomba tsy nety izy io tany Antiokia. Ary nanome torohevitra mahery i Jesosy tao amin’ny hafatra nalefany ho an’ireo kongregasiona fito. (Galatiana 2:11-14; Apokalypsy, toko faha-2, 3). Raha mandinika tsara ireo ohatra ireo isika dia hianatra fa tsy tokony halefaka loatra ny torohevitra mba tsy hahavery ny heviny. Na dia izany aza, dia tsy nahasosotra na nasiaka i Jesosy sy i Paoly. Tsy famoahana ny tsy fahafahampon’ny tenany manokana akory ny torohevitr’izy ireo. Niezaka marina nanampy ny rahalahiny izy ireo. Rehefa mahatsapa ny olona iray hanome torohevitra fa tsy mahafehy tanteraka ny lelany izy, dia mety hifidy ny hiato sy hampitony tena kely izy alohan’ny hitenenana. Raha tsy izany dia mety hilaza teny mahasosotra sy hahatonga zava-manahirana ratsy kokoa noho ilay andramany karakaraina izy. — Ohabolana 12:18.
20. Inona no tokony hanapaka izay rehetra lazaintsika amin’ireo rahalahintsika sy anabavintsika na mikasika azy ireo?
20 Araka ny efa nambara, dia mifandray akaiky amin’ny maha-vokatry ny fanahy azy ny fiadanana sy ny fitiavana. Raha toa izay lazaintsika amin’ireo rahalahintsika — na izay lazaintsika mikasika azy ireo — ka manome mandrakariva taratry ny fitiavantsika azy ireo, amin’izay izany dia handray anjara amin’ny fiadanan’ny kongregasiona. (Jaona 15:12, 13). Tsy maintsy ho “amin’ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira” izay lazaintsika. (Kolosiana 4:6). Tokony ho tsara tsiro izany, raha azo atao ny milaza izany, hanintona ny fo. Nanoro hevitra toy izao i Jesosy: “Aoka hisy sira ao anatinareo, ka mihavàna tsara hianareo”. — Marka 9:50.
“Ataovy izay farany azonareo atao”
21. Inona no miharihary mikasika ny vahoakan’Andriamanitra amin’ireo fivoriany isan-kerinandro sy mandritra ireo fivoriambeny sy fivoriamben’ny distrika?
21 Nanoratra toy izao ny mpanao salamo: “Endrey, tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina [amim-piraisan-kina, MN]”. (Salamo 133:1). Marina tokoa fa ravoravo isika miaraka amin’ireo rahalahintsika, indrindra amin’ireo fivoriantsika isan-kerinandro ary mandritra ny fivoriambe sy ireo fivoriamben’ny distrika lehibe kokoa. Amin’ny fotoana toy izany dia miharihary ny fihavanantsika na dia amin’ireo eny ivelany aza.
22. a) Fiadanana sandoka inona no hoheverin’ireo firenena fa ho vitany tsy ho ela, ary hitarika ho amin’inona izany? b) Hitondra ho amin’ny tena fiadanana inona moa ny fanekem-pihavanan’Andriamanitra?
22 Tsy ho ela dia hihevitra ireo firenena fa hahavita hanorina fiadanana tsy mila an’Andriamanitra izy. Kanefa, raha mbola eo am-pitenenana izy ireo hoe “Miadana sy mandry fahizay”, dia ho avy tampoka amin’ireo rehetra tsy mihavana amin’Andriamanitra ny fandringanana. (1 Tesaloniana 5:3). Aorian’izany, ilay Andrian’ny Fiadanana lehibe dia handroso hanasitrana ny olombelona amin’ireo loza vokatry ny nanarian’ny olombelona ny fihavanany tamin’Andriamanitra tany am-boalohany. (Isaia 9:5, 6; Apokalypsy 22:1, 2). Avy eo, ny fanekem-pihavanan’Andriamanitra dia hahatonga filaminana maneran-tany. Na ireo biby any an-tsaha aza dia hahita fitsaharana avy amin’ny fankahalana. — Salamo 37:10, 11; 72:3-7; Isaia 11:1-9; Apokalypsy 21:3, 4.
23. Raha mandala fatratra ny fanantenana tontolo vaovao iray feno fiadanana isika, inona no tokony hataontsika izao?
23 Ho fotoana halaza toy inona moa amin’izay! Moa ve ianao miandrandra fatratra izany? Raha izany no izy, dia “miezaha mitady fihavanana amin’ny olona rehetra”. Mitadiava fihavanana izao amin’ireo rahalahinao, ary indrindra amin’i Jehovah. Eny, “koa satria miandry izany zavatra izany ianareo, dia ataovy izay farany azonareo atao mba ho hitany amin’ny farany, tsy misy pentina sy tsy manan-tsiny ary mihavana”. — Hebreo 12:14; 2 Petera 3:14, MN.
Tadidinao ve?
◻ Inona no mety handrava ny fihavanantsika amin’i Jehovah?
◻ Karazana tsy fifankahazoana inona no mety hilaina halamina ao amin’ny kongregasiona?
◻ Fandaharana mialoha inona no nataon’i Jehovah mba hanampiana antsika hitady fihavanana sy hanaraka izany?
◻ Fihetsika araka ny nofo inona no mety hanakorontana ny fiadanan’ny kongregasiona, ary ahoana no ahafahantsika manohitra izany?
[Sary, pejy 22]
Be ny fiadanana eo amin’ireo ampianarin’i Jehovah
[Sary, pejy 24]
Endrey, mahafinaritra ny fihavanan’ireo rahalahy izay manompo amim-piraisan-kina!