Arovy ny finoanao sy ny fahasalamanao ara-panahy
“Tano amin’ny finoana sy ny fitiavana ao amin’ny Kristy Jesosy ny mariky ny teny tsy misy kilema, izay efa renao tamiko.” — 2 TIMOTY 1:13.
1. Nahoana moa ny fahasalamana no fananana sarobidy tokony harovana?
FANANANA sarobidy ny fahasalamana. Rehefa salama ny tena dia afaka manao zavatra maro sy manararaotra bebe kokoa ny fiainana. Mifanohitra amin’izany kosa fa raha mijaly noho ny aretina mitaiza na noho ny takaitra ny tena, dia sarotra lavitra ny fiainana. Eny tokoa, tokony harovana ny fahasalamana. Mihoatra ny iray anefa ireo olona izay manao tsirambina ny fahasalamany na manaraka fanao izay mahatonga ny tenany harary. Mifanohitra amin’izany fa ireo izay mikarakara tena dia matetika kokoa no mifaly amin’ny fahasalamana sy tanjaka mahafa-po mandritra ny tapany lehibe indrindra amin’ny fiainany.
2. a) Nahoana ny fahasalamana ara-panahy no sarobidy kokoa noho ny fahasalamana ara-batana? b) Inona no tokony hatao mba hatanjaka hatrany amin’ny finoana?
2 Zava-dehibe lavitra noho ny fahasalamana ara-batana ny fahasalamana ara-panahy. Marina tokoa fa na dia tsara toy inona aza ny fahasalamana ara-batana, dia tsy afaka manome ny fiainana mandrakizay izay fanomezana avy amin’Andriamanitra. Ny fahasalamana ara-panahy dia avy amin’ny fanarahana ny fanompoam-pivavahana madio sy ny finoana miorina amin’ny fahalalana marina (Jaona 17:3; Hebreo 11:6; Jakoba 1:27). Izany no antony nilazan’ny apostoly Paoly hoe: “Ny lehilahy anti-panahy anaro hahonon-tena, ho maotona, ho hendry, hatanjaka amin’ny finoana, amin’ny fitiavana, amin’ny faharetana.” (Titosy 2:2). Na iza na iza ta-hatanjaka amin’ny finoana dia tsy maintsy manao fiezahana mafy ary ho malina hatrany amin’ny toe-javatra rehetra. Ny fandrahonana ny fahasalamantsika ara-panahy dia mety ho avy ao anatiny na avy any ivelany. Tokony ho fantatsika ireny fandrahonana ireny raha irintsika ny hiaro ny finoantsika sy ny fahasalamantsika ara-panahy eo amin’izao tontolo izao marary manodidina antsika.
Hatraiza no marary izao tontolo izao?
3, 4. Famantarana aretina ara-pitondrantena inona no hita eo amin’izao tontolo izao sy eo amin’ny fihetsiky ny olona?
3 Tsy azo lavina fa marary mafy eo amin’ny lafiny ara-pitondrantena izao tontolo izao. Misy aretina mahafaty mamely ny “taovany” rehetra: ny fivavahana eo aminy, ny fandaharany ara-politika, ireo zavatra naoriny ara-barotra ary ny fialam-boliny. Ankavitsiana no manaja an’Andriamanitra sy ny lalàna nomeny hahasambatra ny olombelona. Araka ny hamarinin’ny Tantara anefa, ny fikororosiana ara-pitondrantena dia tsy maintsy miteraka fitomboan’ny isan’ny aretina ara-batana sy loza. Ny tena mampalahelo dia ny fandavan’ny ankamaroan’ny olona tsy hanao na inona na inona mba hanarenana an’io toe-javatra ara-pitondrantena mampahonena io, satria tiany ireo fanao mahatonga izany.
4 Eny, faran’izay marary izao tontolo izao ankehitriny. Maro no manimba ny fiainany amin’ny fisotroana na amin’ny fampiasana zavatra mahadomelina mba hahatsapana fahataitairana mafy na mba handosirana ny zava-misy. Hita hatraiza hatraiza ny herisetra, tsy asiana vidiny ny aina ary hipoka ny fonja. Any amin’ny tany maro, dia miafara amin’ny fisarahana ny antsasaky ny fanambadiana. Manjary maditra ireo ankizy tsy misy mikarakara. Koa satria fanao mahazatra ny fahalotoam-pitondrantena, dia mihanaka haingana ny SIDA sy ny areti-mifindra hafa azo avy amin’ny firaisana.
5. Ahoana no teny nilazalazan’i Isaia ny toe-javatra nanjaka teo amin’ny Joda fahiny?
5 Ho azon’Andriamanitra lazaina amin’ity tontolo marary ity ireo teny nomeny ara-tsindrimandry an’i Isaia mba hampitain’io tamin’ny firenen’i Joda nikomy, nanao hoe: “Indrisy! firenena mpanota, olona mavesa-keloka, taranaka mpanao ratsy, zanaka mpanao meloka! Efa nahafoy an’i Jehovah izy, efa nanamavo ny Iray Masin’ny Isiraely, efa nihodina izy. Nahoana no mbola ta-hasiana ihany hianareo noho izao fihodinanareo lalandava izao? Henika aretina avokoa ny loha rehetra, ary marary ny fo rehetra. Hatramin’ny faladia ka hatramin’ny loha dia tsy misy izay tsy marary.” — Isaia 1:4-6.
6. Teo amin’ny Joda fahiny, toy ny amin’izao androntsika izao, nanao ahoana ny akon’ny fanasan’i Jehovah?
6 Mody tsy nandre ny fanasan’i Jehovah ny ankamaroan’ny mponin’i Joda: tsy nibebaka izy ireo na ‘nianatra hanao ny tsara’. (Isaia 1:16-20.) Ny fandravana an’i Jerosalema ary ny fahababoan’ireo Jiosy tany Babylona no vokatr’izany tamin’ny farany. Andriamanitra dia tsy nitahy na nitsimbina afa-tsy mpikambana vitsivitsy tamin’ilay firenena narary izay tsy nivadika taminy hatrany. Toy izany koa amin’izao androntsika izao, eo amin’izao tontolo izao marary hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia, dia vitsivitsy monja no maniry hianatra hanao ny tsara. Manao fiezahana mafy ireo mpanompo mahatokin’i Jehovah ireo mba hiarovana ny finoany sy ny fahasalamany ara-panahy ka manantena hahazo fahasalamana tanteraka sy ny fiainana mandrakizay ao amin’ny fandehan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra. — 2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:1-4.
Loza ho an’ny fahasalamana ara-panahy eo amin’izao tontolo izao marary
7. a) Loza inona avy no mandrahona ny finoantsika sy ny fahasalamantsika ara-panahy? b) Inona no lazain’ny Baiboly mikasika ny fahafahana miatrika ireo fandrahonana telo lehibe mitatao amin’ny fahasalamantsika ara-panahy?
7 Mitaky fiezahana ny fiarovana ny finoana sy ny fahasalaman’ny tena ara-panahy, satria ny aretina ara-pitondrantena mahazo an’izao tontolo izao ankehitriny dia tena mifindra. Tokony hiady amin’ny tsy fahatanterahan’ny tenany izay nolovany koa ny kristiana (Romana 7:21-25). Ankoatra izany, dia fantatr’i Satana, ilay “filohan’izao tontolo izao”, ny fahalemen’ny nofo ary tena ikoizana amin’ny fakana fanahy izy (Jaona 14:30, MN; 1 Jaona 5:19). Ireo loza telo lehibe ho an’ny finoana sy ny fahasalamana ara-panahy ireo — ny nofo, izao tontolo izao, ary ny Devoly — dia mampidi-doza. Azo atao anefa ny ‘tsy ho naman’izao tontolo izao’ sady miaina eo anivony. Azo atao ny ‘mandeha hatrany araka ny fanahin’Andriamanitra ary tsy manatanteraka ny filan’ny nofo’. Ary, noho ny fanampian’Andriamanitra dia ‘afaka hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly’ isika. (Jaona 17:15, 16; Galatiana 5:16; Efesiana 6:11; 2 Korintiana 2:11.) Aoka hojerentsika izao ny fomba hiatrehana ireo fandrahonana telo lehibe mitatao amin’ny finoantsika sy ny fahasalamantsika ara-panahy ireo.
8. Ahoana no teny nilazalazan’i Jesosy ireo hery miasa amintsika ka mety handrava ny fahasalamantsika ara-panahy?
8 Manana hery mety hanosika antsika hanota sy hanjary harary eo amin’ny lafiny ara-panahy ny toe-tenantsika amin’ny maha-olombelona tsy lavorary (Jakoba 1:14, 15). Miasa indrindra ao anatin’ny fontsika ara-panoharana ireo hery ireo. Izao tokoa no nambaran’i Jesosy: “Fa avy ao anatin’ny olona, dia avy ao am-pony, no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin’olona, ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana: izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin’ny olona ka mahaloto azy.” — Marka 7:21-23.
9. a) Faniriana inona no mamaka ao am-po ara-panoharana? b) Araka ny Ohabolana 4:20-23, ahoana no azontsika iarovana ny fontsika?
9 Na dia loharanon’ny fanirian-dratsy aza ny fo, dia fitoeran’ny fanajana an’i Jehovah sy ny fitiavana izay mahitsy koa izy io ho an’ireo olona tia fivavahana (Matio 22:37; Efesiana 4:20-24). Arakaraka izay zavatra avelantsika hiditra ao am-pontsika no anjakan’ny tsara na ny ratsy ao. Manome izao torohevitra izao àry ny Tenin’Andriamanitra: “Anaka, tandremo ny teniko; atongilano ny sofinao hihaino ny filazako. Aza avela hiala eo imasonao izy, fa raketo ao am-ponao. Fa aina ho an’ny mahazo azy izy ary fahasalamana ho an’ny nofony rehetra. Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; fa avy ao aminy no ihavian’ny aina.” — Ohabolana 4:20-23.
10. Inona no vokatry ny fahalemen’ny nofontsika eo amin’ny fihetseham-po sy ny faniriantsika?
10 Manan-kery eo amin’ny fihetseham-pontsika sy ny faniriantsika ny fahalemen’ny nofontsika. Iza moa no tsy mbola kivy, tsy ampy faharetana na sosotra? Tsy afaka hiaro ny fahasalamantsika ara-panahy isika raha tsy manitsy haingana ireny fironan’ny nofo ireny. Mety hanorim-paka haingana ao am-pontsika ny avonavona sy ny fanirian-daza fatratra. Mety hanenika antsika ny fieremana sy ny hetahetam-pahafinaretana mihoa-pampana. Ankoatra izany, ny faniriana eo amin’ny lahy sy ny vavy, na dia voajanahary aza, noho ny fomba namoronan’Andriamanitra antsika, dia mety hampiala antsika tsikelikely nefa tsy tsapantsika akory. Mba hanakanana an’io karazana aretina ara-panahy io tsy hitombo ao amintsika, dia tokony hamboly ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika andavanandro isika ary hizatra ‘hankahala ny ratsy’ ka ‘hifikitra amin’ny tsara’. — Romana 12:9; Galatiana 5:22, 23.
Antony ivelany mahatonga aretina ara-panahy
11. a) Toe-tsaina inona sy fihetsik’izao tontolo izao manao ahoana no tena mifindra? b) Araka ny nolazain’i Jesosy, inona no tokony hotandremantsika mikasika ny fontsika?
11 Avy amin’ny antony ivelany indraindray no mahatonga aretina ara-panahy. Mety hifindran’aretina avy amin’ireo izay maty eo amin’ny lafiny ara-panahy isika (Efesiana 2:1-3). Raha mifanerasera akaiky loatra amin’izy ireny isika dia mety hanaraka ny toe-tsainy sy ny fomba fiainany. Ho an’ny olona eo amin’izao tontolo izao, ny zava-dehibe dia ny hahazoana fisondrotana, ny hanam-bola, ny hananana izay zavatra vita tsara indrindra ary ny hahitana fahafinaretana. Tena mamindra anefa ny faniriana ireo zavatra ireo, ary na dia ny fifampikasohana voafetra amin’ny ratsy aza dia ampy hahatonga antsika ho kamo eo amin’ny lafiny ara-panahy. Nandefa izao fampitandremana izao i Jesosy: “Ary mitandrema fandrao ny fonareo hovesaran’ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana [fihinanana tafahoatra sy fisotroana tafahoatra, MN ] ary ny fiahiahian’izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany. Fa hihatra amin’izay rehetra mitoetra et? ambonin’ny tany rehetra izany.” — Lioka 21:34, 35.
12. Loza inona no entin’ny fisainana sy fampianarana diso ho an’ny fahasalamana ara-panahy?
12 Mety hahavoa antsika koa ny fisainana sy ny fampianaran-dison’izao tontolo izao. Nanao izao fampitandremana izao i Paoly: “Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; ary hampiala ny sofiny amin’ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin’ny anganongano.” (2 Timoty 4:3, 4). Mitovy amin’ny fery mihady ny fampianaran-diso (2 Timoty 2:16, 17). Rehefa mahazo ny rantsambatana iray izany, dia maty io, satria tsy mikoriana ao intsony ny ra izay ranoka tena ilain’ny aina.
13. Raha mipoitra ny aretina ara-panahy iray toy ny fery mihady, inona no tokony hatao?
13 Mihanaka haingana ny fery mihady. Mba hamonjena ilay marary, dia voatery ny mpitsabo indraindray manapaka ny faritra iray eo amin’ny vatana. Raha toa àry ka mandrahona hahavoa anao eo amin’ny lafiny ara-panahy ny fisalasalana, ny fitarainana na ny fivadiham-pinoana, dia faingàna “manapaka” sy manary izany (jereo Matio 5:29, 30)! Mangataha ny fanampian’ireo loholona ao amin’ny kongregasiona. Aza manahaka ireo olona izay nolazain’i Paoly fa ‘adala [marary saina, MN ] amin’ny fiadian-kevitra sy ny fiadian-teny’ satria ‘tsy nanaiky ny teny tsy misy kilema’. — 1 Timoty 6:3, 4.
14. Inona no heverin’ny loholona fa ilaina indraindray mba hiarovana ny fahasalaman’ny kongregasiona ara-panahy?
14 Mba hiarovana ny fahasalamana ara-panahin’ny kongregasiona, ireo loholona dia tokony “hananatra amin’ny fampianarana tsy misy kilema sady handresy lahatra ny mpanohitra”. (Titosy 1:9, 13, 16; 2:1.) Azo atao indraindray ny manarina ireny olona ireny eo amin’ny lafiny ara-panahy (2 Timoty 2:23-26). Inona anefa no hatao raha mampiely fampianaran-diso izy ireny ary tsy mety mibebaka? Raha izany dia toy ny hatoka-monina izy. Roahina izy, ary mihataka aminy isika mba tsy hifindran’ny aretiny ara-panahy. — Romana 16:17, 18; 1 Korintiana 5:9-13; Titosy 3:9-11.
15. Inona moa ny fomba fiasan’i Satana roa lehibe mba hanimbana ny fahasalamana ara-panahin’ny mpanompon’Andriamanitra?
15 Ny loharanon’ny loza ho an’ny finoantsika sy ny fahasalamantsika ara-panahy fahatelo, dia ny Devoly (Efesiana 6:11, 12). Hatramin’izao izy dia nanandrana nampahosa ny finoan’ireo mpanompon’i Jehovah amin’ny alalan’ny fanenjehana: famelezana mafy, kapoka, fandefasana an-tranomaizina ary fandrahonana ho faty, ohatra (Apokalypsy 2:10). Koa satria mahalana i Satana no afaka manamontsana ny tsy fivadihan’ny mpanompon’i Jehovah amin’izany fomba izany, dia ampiasainy ny fanintonan’izao tontolo izao, izay izy no andriamaniny, mba hanandramana handavo ny sasany aminy. — 2 Korintiana 4:4; 11:3, 14.
16. Fomba fiarovana inona no ananantsika mba hanoherana ny fanafihan’ny Devoly ny finoantsika sy ny fahasalamantsika ara-panahy?
16 Ahoana no hahafahantsika hanohitra ny fanafihan’ny Devoly? Amin’ny fitafiana ny tapany rehetra amin’ny fiadian’Andriamanitra ara-panahy. Ilaintsika indrindra ny ‘mitana ny finoana ho ampinga izay hahazoantsika hamono ny zana-tsipìka mirehitra’ alefan’i Satana amintsika. Tokony haverintsika ao amin’ny vavaka ataontsika koa ity hevitra notononin’i Jesosy ity: “Ary aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ny ratsy.” (Efesiana 6:11-18; Matio 6:13). Raha mivavaka toy izany isika ka manao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka ataontsika, dia afaka manantena fa hanampy antsika hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra alefan’i Satana ny Raintsika any an-danitra.
Aoka isika hatanjaka hatrany amin’ny finoana
17. Hatraiza no maha-zava-dehibe ny ihinanana ny “hanina amin’ny fotoana” sy andraisana anjara tsy tapaka amin’ireo asa kristiana mba hiarovana ny fahasalamana ara-panahy?
17 Mba ho salama ara-batana hatrany, dia tena zava-dehibe ny fisorohana aretina. Ilaina indrindra ny hananana sakafo tsara, hampiasana ny vatana, ary hikarakarana ny toetry ny saina sy ny vatan’ny tena amin’ny ankapobeny. Mahery kokoa ny fiarovana voajanahary amin’ny aretina ao amin’ny vatana salama. Toy izany koa, eo amin’ny lafiny ara-panahy, dia tena zava-dehibe ny hanarahana ny fandaharan-tsakafo omen’Andriamanitra, sy ny hankasitrahana ny “hanina” mahasalama omeny “amin’ny fotoana” amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina”. Sady manary ny sakafo simban’izao tontolo izao isika no tokony hianatra ny Baiboly mbamin’ireo zavatra vita an-tsoratra kristiana ary hivory tsy tapaka miaraka amin’ny vahoakan’Andriamanitra (Matio 24:45-47; Hebreo 10:24, 25). Mila fampiasana tena koa isika, ary, raha ny marina dia manana betsaka amin’izany isika satria tokony ‘hahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo’,izany hoe ny fanompoana sy ireo asa kristiana hafa. — 1 Korintiana 15:58.
18. Inona moa ilay “mariky ny teny tsy misy kilema”, ary nahoana isika no tokony hitana izany ao am-po sy ao an-tsaintsika?
18 Mba hatanjaka hatrany amin’ny finoana dia hararaoty amin’ny fomba feno izay omen’Andriamanitra anao eo amin’ny lafiny ara-panahy. Izany no nanoroan’i Paoly hevitra an’i Timoty tamin’izao teny izao: “Tano aminy finoana sy ny fitiavana ao amin’i Kristy Jesosy ny mariky ny teny tsy misy kilema, izay efa renao tamiko. Ilay zavatra tsara natolotra anao dia tehirizo amin’ny fampaherezan’ny Fanahy Masina, Izay mitoetra ao anatintsika.” (2 Timoty 1:13, 14). Ny fiteny rehetra dia toa mahaforona ‘mariky ny teny’. Toy izany no izy amin’ny ‘fiteny madio’, dia ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Izy io dia ‘mariky ny teny’ izay ny foto-keviny dia ny fanamarinana ny anaran’i Jehovah amin’ny alalan’ilay Fanjakana (Zefania 3:9). Eny, tokony hitana an’io mariky ny teny tsy misy kilema io ao am-pontsika sy ao amin’ny saintsika isika raha irintsika ny hiaro ny finoantsika sy ny fahasalamantsika ara-panahy. Raha tsy izany dia tsy ho hitantsika ny maha-zava-dehibe azy. Toa izany no nitranga tamin’ny kongregasiona tany Korinto izay nahitana mpikambana sasany ‘farofy’ sy “marary” satria tsy ampy fahaiza-manavaka eo amin’ny lafiny ara-panahy. — 1 Korintiana 11:29-32.
19. a) Inona no tokony hataonao raha tratran’ny aretina ara-panahy ianao? b) Inona no azon’ireo loholona atao rehefa voan’ny aretina ara-panahy ny olona iray?
19 Inona no tokony hataonao raha tratran’ny aretina ara-panahy ianao? Tsy maintsy mila fanampiana feno fitiavana ianao, ary afaka ny hahita izany satria izao no nambaran’i Jakoba: “Misy marary va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon’ny fiangonana; ary aoka hanosotra diloilo azy amin’ny anaran’ny Tompo [Jehovah, MN ] ireo sady hivavaka eo aminy.” (Jakoba 5:14). Eny, antsoy ny loholona. Afaka manampy anao hamantatra ny anton’ny aretinao ara-panahy ireo mpitsabo ara-panahy ireo. Amin’ny fampiasana diloilo fanasitranana, ny Tenin’Andriamanitra, dia hanosotra izany aminao amim-pahalemem-panahy nefa amin’ny fomba mandaitra izy ireo mba hampiditra izany ao aminao. Raha nanota ianao nefa nibebaka tamin’izany, dia matokia fa hamela anao tanteraka i Jehovah (Salamo 103:8-14). Inona no ho azonao antenaina rehefa avy nivavaka niaraka taminao sy ho anao ireo loholona? Mamaly toy izao i Jakoba: “Ary ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo [Jehovah, MN ] hanangana azy; ary raha nanota izy, dia havela ny helony.” — Jakoba 5:15.
Mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay ny fahasalamana ara-panahy
20. a) Torohevitra inona no nomen’ny kolejy foibe tamin’ny taonjato voalohany ho an’ireo kristiana mba hanampiana azy hiaro ny fahasalamany ara-panahy? b) Inona no hanampy antsika eo am-piandrasantsika an’izao tontolo izao vaovao?
20 “Mirary fahasalamana ho anareo!” Tamin’ireo teny ireo no namaranan’ny kolejy foiben’ny vahoakan’i Jehovah tamin’ny taonjato voalohany ny taratasiny manonona ireo ‘zavatra tsy maintsy hotandremana’ takina amin’ny kristiana. Tokony “hifady ny hena aterina amin’ny sampy sy ny ra sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana” izy ireo. (Asan’ny apostoly 15:28, 29, MN.) Mbola manan-kery foana io taratasim-panafody nokendrena hiantoka fahasalamana ara-panahy io. Eo am-piandrasana ireo soa hoentin’izao tontolo izao vaovao, dia azontsika arovana ny finoantsika sy ny fahasalamantsika ara-panahy amin’ny fanohizana mitory amin-jotom-po ny vaovao tsaran’ny Fanjakana sy amin’ny fiarovana ny anaran’i Jehovah eo amin’izao tontolo izao marary. Amin’ny fiasana hatrany, dia tsy ho resin’ny tsy faharetana isika eo am-piandrasantsika ilay tontolo vaovao tena akaiky. Marina tokoa fa “ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary am-bavafo, fa hazon’aina ny faniriana tanteraka”. — Ohabolana 13:12.
21. Soa inona no miandry an’ireo miaro ny finoany sy ny fahasalamany ara-panahy eo amin’izao tontolo izao marary?
21 Aza odian-tsy hita ny soa mahatalanjona atokan’Andriamanitra ho an’ireo tia azy. Tsy very maina akory ny nanaovanao ny zavatra rehetra mba hanoherana ny fitaoman’izao tontolo izao sy hiadiana amin’ny fahalemen’ny nofonao, ary hanosehana ireo zana-tsipika mirehitra alefan’ny Devoly. Ao amin’ilay tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra, dia ho hitan’ny masonao ny fotoana izay ‘tsy hisian’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho’ (Isaia 33:24). Izany no hitranga noho ny fandaharana nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy, izay ‘nitondra ny aretintsika sady nivesatra ny fahoriantsika’. (Matio 8:17; Isaia 53:4.) Ho azonao atao ny hisotro amin’ny “onin’ny ranon’aina” ara-panoharana ary hihinana amin’ny voan’ireo “hazon’aina” izay ny raviny dia ho “fanasitranana ny firenena maro”. (Apokalypsy 22:1, 2.) Fiainana tsy hanam-pahataperana ao anatin’ny fahalavorariana sy ny fahasambarana, izany no valisoa ho azonao noho ny niarovanao ny finoanao sy ny fahasalamanao ara-panahy eo amin’izao tontolo izao marary.
Tadidinao ve?
◻ Nahoana no zava-dehibe kokoa ny matanjaka amin’ny finoana noho ny salama ara-batana?
◻ Inona moa ireo loza lehibe telo mandrahona ny finoana sy ny fahasalamana ara-panahy?
◻ Inona no ifandraisan’ny fahasalamana ara-panahy sy ny fo ara-panoharana?
◻ Inona no tokony hatao rehefa marary ara-panahy ny tena?
[Sary, pejy 16]
Na dia eo amin’izao tontolo izao marary aza, dia azo atao ny manana finoana matanjaka sy fahasalamana eo amin’ny lafiny ara-panahy.
[Sary, pejy 18]
Mba ho salama ara-panahy, dia tsy maintsy mandray anjara amin-jotom-po amin’ireo asa kristiana ary mandray tsy tapaka ny sakafo ara-panahy omena amin’ny fotoana.