Fieken-keloka ny fomba ankasitrahan’ny olona sa ny an’Andriamanitra?
TEO AMIN’NY katolika, ny fieken-keloka dia niova tamin’ny fomba niavaka nandritra ireo taonjato. Tamin’ireo taona voalohandohan’ny Eglizy katolika, dia tsy notakina ny konfesy sy ny fivalozana raha tsy tamin’ny fahotana lehibe ihany. Momba izany, dia milaza toy izao ilay boky hoe Ny fivavahana tany Andrefana tamin’ny Andro Antenatenany (anglisy): “Mandra-pahatongan’ny faramparan’ny taonjato fahenina, dia tena henjana ny fandehan’ny raharaha momba ny fivalozana: tsy azo omena ny sakramenta raha tsy indray mandeha mandritra ny andro ahavelomana, atao ampahibemaso ny konfesy, maharitra sady mafy ny famaizana.”
Mafy nanao ahoana ny famaizana toy izany? Tamin’ny 1052, ny mpanota nibebaka iray dia nasaina nandeha tsy nikiraro eran’ny lalana avy any Bruges any Belgique ka hatrany Jerosalema! “Tamin’ny 1700, dia mbola nisy katolika nety ho hita tao anaty dobo na loharano masina, nandohalika tao anaty rano mamanala hatreo an-tendany mba hilazana ny vavaka fivalozana nataony”, hoy ilay boky hoe Ny kristianisma tany Andrefana 1400-1700 (anglisy). Koa satria tsy nomena ny famotsorana tamin’izany fotoana izany mandra-panefa ny sazy, dia maro be no nampihemotra ny konfesiny ho amin’ny andro nahafatesany.
Oviana no nanomboka ny fomba fanaovana konfesy amin’ny andro ankehitriny? Manambara toy izao Ny fivavahana tany Andrefana tamin’ny Andro Antenatenany: “Nisy fomba fivalozana iray vaovao nampidirin’ireo moanina tao Celte, tany Frantsa, tamin’ny faramparan’ny taonjato fahenina. (...) Izany dia konfesy tsy mifanatri-maso, izay nieken’ilay mpanota manokana ny fahotany tamin’ny pretra iray, ary fanarahana ny fomba fanoroana hevitra ara-panahy tao amin’ny monastera izany.” Araka ny fanao tao amin’ny monastera tranainy kokoa, dia nifampiaiky heloka ireo moanina hahazoana fanampiana ara-panahy mba handreseny ny fahalemeny. Tao amin’ny konfesy tsy mifanatri-maso vaovao kokoa anefa, dia nilaza ny eglizy fa manana ny “hery na fahefana hamela heloka” lehibe kokoa ny pretra. — Firaketana Katolika Vaovao.
Moa ve i Jesosy tena nanome hery toy izany tokoa ny mpanara-dia azy? Inona no nolazainy ka nahatonga ny sasany hanao io fanatsoahan-kevitra io?
“Ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra”
Indray mandeha i Jesosy Kristy dia niteny toy izao tamin’ny apostoly Petera: “Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra, ka izay rehetra hofehezinao etỳ an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra, ary izay rehetra hovahanao etỳ an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra.” (Matio 16:19, Baiboly Katolika). Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’ny hoe “ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra”? Azontsika atao ny mahatakatra izany tsara kokoa raha mijery ny fisehoan-javatra hafa nampiasan’i Jesosy ny teny hoe “fanalahidy” isika.
Niteny toy izao tamin’ireo filoha ara-pivavahana jiosy nahay ny lalàn’i Mosesy i Jesosy indray mandeha: “Loza ho anareo, ry mpampianatra ny Lalàna, fa nalainareo ny fanalahidin’ny fahalalana, ka hianareo tsy niditra, ny te-hiditra nosakananareo.” (Lioka 11:52, Kat.). ‘Nosakanany ny te-hiditra tsy hiditra’ aiza? Hoy i Jesosy amintsika ao amin’ny Matio 23:13: “Loza ho anareo mpanora-dalàna sy Farisiana mpihatsaravelatsihy, fa hidianareo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra; ka ny tenanareo tsy miditra, ny olona hiditra sakananareo.” (Kat.). Azo lazaina hoe nanakatom-baravarana teo anoloan’ny olona maro be ny klerjy jiosy, tamin’ny fandrombahana tamin’izy ireny ny fahafahana hiaraka amin’i Jesosy Kristy any an-danitra. Ny “fanalahidy” ‘nalain’ireny’ filoha ara-pivavahana ireny dia tsy misy ifandraisana amin’ny famelan-keloka. Fanalahidy ho amin’ny fahalalana nomen’Andriamanitra izany.
Tahaka izany koa, “ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra” nomena an’i Petera dia tsy mampiseho fahefana hampahafantatra ny lanitra hoe iza no tokony havela heloka na tsy tokony havela heloka. Izany kosa dia mampiseho ny tombontsoa lehibe ananan’i Petera hanokatra ny lalana ho any an-danitra amin’ny alalan’ny fampielezana ny fahalalana nomen’Andriamanitra nandritra ny fanompoany. Nanao izany tamin’ny Jiosy sy ny proselita jiosy izy tamin’ny voalohany, avy eo tamin’ny Samaritana, ary farany tamin’ny Jentilisa. — Asan’ny apostoly 2:1-41; 8:14-17; 10:1-48.
“Izay rehetra hofehezinao etỳ an-tany”
Taoriana kelin’izay, dia naverin’i Jesosy tamin’ny mpianany hafa izay nolazainy tamin’i Petera. “Lazaiko marina aminareo”, hoy i Jesosy, “fa na inona na inona hofehezinareo etỳ ambonin’ny tany dia ho voafehy any an-danitra; ary na inona na inona hovahanareo etỳ ambonin’ny tany dia ho voavaha any an-danitra.” (Matio 18:18, Kat.). Fahefana inona eto no omen’i Kristy ny mpianatra? Asehon’ny teny manodidina fa niresaka ny amin’ny fandaminana ny zava-manahirana teo amin’ny samy mpino manokana sy ny fitanana ny kongregasiona ho madio tsy hisy mpanao ratsy tsy mibebaka, izy. — Matio 18:15-17.
Amin’ireo raharaha mahatafiditra fandikana lehibe ny lalàn’Andriamanitra, dia voatery mitsara ny raharaha sy manapa-kevitra ireo lehilahy manana andraikitra ao amin’ny kongregasiona na tokony ‘hofehezina’ (hoheverina fa meloka) na ‘hovahana’ (hafahana) ilay mpandika lalàna. Nidika ve izany fa nanaraka ny fanapahan-kevitry ny olombelona ny lanitra? Tsia. Araka ny tondroin’ilay mpivaofy teny ao amin’ny Baiboly atao hoe Robert Young, dia tsy misy fanapahan-kevitra na inona na inona nataon’ireo mpianatra nanaraka ny fanapahan-kevitry ny lanitra na nialoha azy. Lazainy fa tokony hovakina ara-bakiteny toy izao io andininy faha-18 io: “Izay fehezinareo etỳ an-tany dia “ho ilay (efa) voafehy” any an-danitra.
Raha ny marina, dia hevi-dravina ny hiheverana fa hisy olombelona tsy tanteraka ho afaka hanao fanapahan-kevitra ny hamehy ny fahotan’ireo izay any amin’ny fitsaran’ny lanitra. Marina kokoa ny hilazana fa nanendry solontena i Kristy hanaraka ny fitarihany mba hitanana ny kongregasionany ho madio. Nanao izany izy ireny tamin’ny fanaovana fanapahan-kevitra mifototra amin’ireo fotopoto-pitsipika efa niorina tany an-danitra. I Jesosy mihitsy no nitarika azy ireo tamin’ny fanaovana izany. — Matio 18:20.
Moa ve misy olombelona afaka “hisolo tena an’i Kristy amin’ny maha-mpitsara avy amin’ny Ray” azy eo amin’ny lafin’ny fanapahana ny hoavy mandrakizay ho an’ny mpiray finoana aminy? (Firaketana Katolika Vaovao). Ireo pretra mandre konfesy dia saika manome famotsoran-keloka amin’ny fomba tsy miovaova, na dia “toa misy finoana tsy ambara aza [eo amin’ireo teôlôjiana katolika] hoe olona an-kavitsiana no tena manenina noho ny fahotany”. (Ny Firaketana Britanika vaovao). Oviana tokoa ny fotoana farany nandrenesanao ny amin’ny pretra iray nanda ny hanome famotsoran-keloka na hanafaka mpandika lalàna iray? Azo inoana fa ny mahatonga izany dia satria tsy mihevitra ilay pretra fa manana fahaizana hitsara raha mibebaka ny mpanota iray na tsia. Nefa raha izany no izy, nahoana izy no milaza ho manana fahefana hanome famotsoran-keloka?
Alao sary an-tsaina ny fitsarana iray izay misy mpitsara be indrafo iray nanafaka tamim-pahazarana fotsiny ireo mpanao heloka bevava, eny, fa hatramin’ireo zatra mandika lalàna aza, noho izy ireo namerina fombafomba fiekena ny heloka bevava nataony sy filazana fa manenina izy noho izany. Na dia nety ho nahafapo ireo mpandika lalàna aza izany, ny fiheveran-diso momba ny famindrampo toy izany dia mandrodana ny fanajana ny rariny. Moa ve ny fieken-keloka araka ny nampiharan’ny Eglizy katolika azy, tsy mahatonga ny olona hikiry hanaraka ny lalan’ny ota raha ny marina? — Mpitoriteny 8:11.
“Tsy miteraka fironana na inona na inona hiezaka hisoroka ny fahotana amin’ny hoavy ny konfesy”, hoy i Ramona raha niresaka ny amin’izay tsapany tamin’ny fanaovany konfesy tamin’ny naha-katolika azy hatramin’ny fahafito taonany izy. Manampy toy izao izy: “Ny konfesy dia mampitombo ny fiheverana fa mamela ny heloka rehetra Andriamanitra ary izay rehetra itarihan’ny nofonao tsy tanteraka hataonao dia havelany avokoa. Tsy mampitombo faniriana lalina hanao izay mahitsy izany.”a
Nefa, ahoana ny amin’ilay tenin’i Jesosy voarakitra ao amin’ny Jaona 20:22, 23? Ao izy dia niteny toy izao tamin’ny mpianany: “Raiso ny Fanahy Masina: ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela, ary izay hotananareo dia ho voatana.” (Kat.) Moa ve i Jesosy eto tsy manome amin’ny fomba manokana ho an’ny mpianany, fahefana hamela heloka?
Raha raisina mitokana ireo andalan-teny ao amin’ny Baiboly ireo dia mety ho toa milaza toy izany. Kanefa, rehefa dinihina miaraka amin’ny fitantarana ao amin’ny Matio 18:15-18 sy ny zavatra hafa rehetra ampianarin’ny Baiboly momba ny fieken-keloka sy ny famelan-keloka ireo teny ireo, inona no fanatsoahan-kevitra tsy maintsy ataontsika? Ao amin’ny Jaona 20:22, 23 i Jesosy dia nanome fahefana ny mpianany handroaka tsy ho ao amin’ny kongregasiona ireo mpanao fahotana lehibe tsy mibebaka. Tamin’izay fotoana izay ihany, dia nanome fahefana ny mpanara-dia azy haneho famindrampo sy hamela ny mpanota mibebaka i Kristy. Azo antoka fa tsy niteny i Jesosy fa tokony hiaiky ny fahotany rehetra amin’ny pretra ireo mpianany.
Ireo mpiandraikitra ao amin’ny kongregasiona àry dia nomena fahefana hanapa-kevitra ny amin’ny fomba fifandraisana amin’ireo izay manao fahotana lehibe. Ny fanapahan-kevitra toy izany dia natao teo ambany fitarihan’ny fanahy masin’Andriamanitra ary nifanaraka tamin’ny fitarihan’Andriamanitra nomena tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy sy ny Soratra masina. (Ampitahao amin’ny Asan’ny apostoly 5:1-5; 1 Korintiana 5:1-5, 11-13.) Nanaiky ny fitarihana avy any an-danitra ireo mpiandraikitra ireo araka izany, fa tsy nampanaiky ny lanitra ny fanapahan-keviny.
“Mifampieke fahotana hianareo”
Raha izany àry, amin’ny fotoana toy inona no mety ny hifampieken’ny kristiana fahotana? Rehefa misy fanaovana fahotana lehibe (fa tsy isak’izay misy fahadisoana kely), dia tokony hiaiky heloka any amin’ireo mpiandraikitra ny kongregasiona ilay olona. Na dia tsy tena lehibe aza ilay fahotana, nefa manelingelina azy loatra ny fieritreretan’ilay mpanota, dia misy vidiny lehibe ny hiekena heloka sy hitadiavana fanampiana ara-panahy.
Momba izany, dia milaza toy izao i Jakoba mpanoratra ny Baiboly: “Misy marary [ara-panahy] va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon’ny fiangonana; ary aoka hanosotra diloilo azy amin’ny anaran’ny Tompo ireo sady hivavaka eo aminy; ary ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy; ary raha nanota izy, dia havela ny helony. Koa mifaneke heloka hianareo, ary mifampivavaha.” — Jakoba 5:14-16.
Ao amin’ireo teny ireo, dia tsy misy fanoroan-kevitra hanao fieken-keloka ofisialy sy misy fombafomba ary tsy mifanatri-maso. Rehefa misy kristiana iray vesaran-keloka kosa ka mahatsapa fa tsy afaka mivavaka, dia tokony hiantso ireo loholona na mpiandraikitra voatendry ao amin’ny kongregasiona izy, ka ireo no hivavaka miaraka aminy. Mba hanampiana azy ho sitrana amin’ny ara-panahy, dia hampiasa ny diloilon’ny tenin’Andriamanitra koa izy ireo. — Salamo 141:5; ampitahao amin’ny Lioka 5:31, 32; Apokalypsy 3:18.
Mendrika ny hodinihina ny fananaran’i Jaona mpanao batisa ‘hamoa voa miendrika ny fibebahana’. (Matio 3:8; ampitahao amin’ny Asan’ny apostoly 26:20.) Ny mpandika lalàna iray mibebaka marina dia miala amin’ny lalany feno ota. Sahala amin’i Davida mpanjaka teo amin’ny Isiraely fahiny, ny mpanota miaiky ny fahadisoany amin’Andriamanitra dia hahazo famelan-keloka. Nanoratra toy izao i Davida: “Ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloko tsy mba nafeniko. Hoy izaho: Hiaiky ny fahadisoako amin’i Jehovah aho; ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako.” — Salamo 32:5.
Tsy mety hahazoana famelan-keloka toy izany ny asa fivalozana. Andriamanitra irery ihany no afaka manome izany. Mihevitra ho zava-dehibe ireo zavatra takin’ny rariny lavorary izy, nefa mampiseho ny fitiavany ny taranak’olombelona ny famelany heloka. Ny famelany heloka koa dia fisehoan’ny hatsaram-pony amin’izay tsy mendrika akory miorina amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy ary atolotra ho an’ireo mpanota mibebaka ihany izay niala tamin’izay ratsy eo imason’Andriamanitra. (Salamo 51:7; Isaia 1:18; Jaona 3:16; Romana 3:23-26). Ireo izay navelan’i Jehovah Andriamanitra heloka ihany no hahazo ny fiainana mandrakizay. Ary mba hahazoana ny famelan-keloka toy izany, dia tsy maintsy manao fieken-keloka araka ny sitrapon’Andriamanitra isika fa tsy ny an’ny olombelona.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mifanohitra amin’izany, jereo Marka 3:29; 1 Korintiana 6:9, 10; Hebreo 6:4-6; 10:26. Ao amin’ireo andinin-teny ireo, dia miresaka ny amin’ny fahotana izay azo antoka fa tsy avelan’Andriamanitra ireo mpanoratra ny Baiboly.
[Sary, pejy 7]
I Davida dia niaiky heloka tamin’i Jehovah, izay namela heloka