“Ny Isiraelin’Andriamanitra” sy ny “Olona Betsaka”
“Hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina”. — APOKALYPSY 7:9.
1-3. a) Fahatsinjovan-javatra be voninahitra any an-danitra inona avy no ananan’ny Kristiana voahosotra? b) Tamin’ny fomba ahoana no nitadiavan’i Satana handrava ny kongregasiona tamin’ny taonjato voalohany? d) Inona no nitranga tamin’ny 1919 izay nampiseho fa tsy nahomby ny fiezahan’i Satana hanimba ny kongregasiona kristiana voahosotra?
NY FANORENANA “ny Isiraelin’Andriamanitra” tamin’ny 33 am.f.i. dia dingana lehibe iray teo amin’ny fahatanterahan’ny fikasan’i Jehovah. (Galatiana 6:16). Manana fanantenana ny ho tonga zavaboary ara-panahy tsy mety maty sy hiara-manapaka amin’i Kristy ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra, ireo mpikambana voahosotra amin’izy io. (1 Korintiana 15:50, 53, 54). Eo amin’izany toerana izany, dia hanana anjara lehibe amin’ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah sy amin’ny fanorotoroana ny lohan’ilay Fahavalo lehibe, dia i Satana Devoly, izy ireo. (Genesisy 3:15; Romana 16:20). Tsy mahagaga raha nanao izay rehetra azony natao i Satana mba handravana io kongregasiona vaovao io, tamin’ny fanenjehana azy sy tamin’ny fitadiavana ny hanimba azy! — 2 Timoty 2:18; Joda 4; Apokalypsy 2:10.
2 Fony mbola velona ireo apostoly, dia tsy nety nahomby i Satana. Taorian’ny nahafatesan’izy ireo anefa, dia tsy voafehy ny fielezan’ny fivadiham-pinoana. Tamin’ny farany, teo imason’ny olombelona, dia toa simba ilay kongregasiona kristiana madio naorin’i Jesosy, rehefa namoaka ilay hosoka ara-pivavahana mpivadi-pinoana fantatra amin’izao andro izao hoe Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, i Satana. (2 Tesaloniana 2:3-8). Na dia izany aza, dia mbola naharitra ihany ny Kristianisma marina. — Matio 28:20.
3 Nambaran’i Jesosy mialoha tao amin’ny fanoharany ny amin’ny vary sy ny tsimparifary fa hitombo hiaraka amin’ny “tsimparifary”, na Kristiana sandoka, mandritra ny fotoana elaela ny Kristiana marina; ary dia nitranga izany. Kanefa, nilaza koa izy fa mandritra ny andro farany, “ny zanaky ny fanjakana” dia havahana indray amin’ny “tsimparifary” amin’ny fomba hita maso. (Matio 13:36-43). Voaporofo fa marina koa izany. Tamin’ny 1919, dia nivoaka avy tamin’ny fahababoana tao Babylona ireo Kristiana marina voahosotra. Neken’Andriamanitra ho “mpanompo mahatoky sy malina” izy ireo, ary nanomboka nitory tamim-pahasahiana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. (Matio 24:14, 45-47, NW; Apokalypsy 18:4). Saika Jentilisa ny ankamaroan’izy ireo; kanefa, noho izy ireo nanam-pinoana tahaka ny an’i Abrahama, dia ‘taranak’i Abrahama’ izy ireo, raha ny tena izy. Anisan’ny “Isiraelin’Andriamanitra” izy ireo. — Galatiana 3:7, 26-29.
Ny “olona betsaka”
4. Antokon’olona kristiana iza no nanjary azo nomarihina, indrindra fa tamin’ireo taona 1930?
4 Tany am-boalohany, ireo izay nandray tsara ny fitorian’ireo Kristiana voahosotra ireo dia tonga Isiraelita ara-panahy koa, ny sisa amin’ny 144 000, izay manana fanantenana ny ho any an-danitra. (Apokalypsy 12:17). Kanefa, tamin’ireo taona 1930 indrindra, dia nisy antokon’olona hafa nanjary azo nomarihina. Fantatra ho ny “ondry hafa” voalazan’ilay fanoharana ny amin’ny valan’ondry, izy ireo. (Jaona 10:16). Mpianatr’i Kristy nanana fanantenana ny hiaina mandrakizay eo amin’ny tany zary paradisa izy ireo. Zanaka ara-panahin’ny Kristiana voahosotra izy ireo, raha azo atao ny milaza izany. (Isaia 59:21; 66:22; ampitahao amin’ny 1 Korintiana 4:15, 16.) Nanaiky ny kongregasiona kristiana voahosotra ho mpanompo mahatoky sy malina izy ireo, ary tahaka an’ireo rahalahiny voahosotra, dia nanana fitiavana lalina an’i Jehovah, finoana ny soron’i Jesosy, zotom-po ho an’ny fiderana an’Andriamanitra, sy fahavononana hijaly noho ny fahamarinana.
5. Ahoana no nanjary nahatakarana tsara kokoa tamin’ny fomba miandalana ny toeran’ny ondry hafa?
5 Tamin’ny voalohany, dia tsy takatra tsara ny toeran’izany ondry hafa izany, kanefa rehefa nandeha ny fotoana, dia nihanazava kokoa izany. Tamin’ny 1932, dia nentanina ireo Kristiana voahosotra mba hampirisika mafy ny ondry hafa handray anjara amin’ny asa fitoriana — zavatra izay efa nataon’ny maro tamin’ny ondry hafa. Tamin’ny 1934, dia nentanina ny ondry hafa mba hanaiky ny hatao batisa anaty rano. Tamin’ny 1935, dia fantatra ho ny “olona betsaka” voalazan’ny Apokalypsy toko faha-7 izy ireo. Tamin’ny 1938, dia nasaina hanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy Kristy amin’ny maha-mpitazana izy ireo. Tamin’ny 1950, dia nisy lehilahy matotra teo amin’izy ireo navahana mba ho anisan’ny “mpanapaka” izay ho “fierena amin’ny rivotra sy ho fialofana amin’ny ranonoram-baratra”. (Salamo 45:16; Isaia 32:1, 2). Tamin’ny 1953, ny fandaminan’Andriamanitra eto an-tany — izay voaforon’ny ondry hafa ny tapany lehibe taminy tamin’izay — dia hita ho ny votoatin’ny fitambaran’olona eto an-tany izay hisy ao amin’ny tontolo vaovao. Tamin’ny 1985, dia takatra fa, miorina amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy, ny ondry hafa dia ambara fa marina amin’ny maha-sakaizan’Andriamanitra azy, ary manana fanantenana ny ho tafita velona amin’ny Haramagedona.
6. Inona avy no toerana mifandray tanan’ny voahosotra sy ny ondry hafa amin’izao andro izao, ary mitarika ho amin’ny fanontaniana inona avy izany?
6 Ankehitriny, amin’izao tapany farany amin’ny “andro farany” izao, ny ankamaroan’ny 144 000 dia efa maty sy nahazo ny valisoany any an-danitra. (2 Timoty 3:1, NW; Apokalypsy 6:9-11; 14:13). Manao ny ankamaroan’ny fitoriana ny vaovao tsara ankehitriny ny Kristiana manana fanantenana ny ho eto an-tany, ary heveriny ho tombontsoa ny manohana ireo voahosotra rahalahin’i Jesosy amin’izany. (Matio 25:40). Kanefa, ireny voahosotra ireny no mpanompo mahatoky sy malina izay amin’ny alalany no anomezana ny sakafo ara-panahy mandritra izao andro farany izao. Hanao ahoana ny tarehin-javatra hisy ny ondry hafa rehefa hahazo ny valisoany an-danitra ny voahosotra rehetra? Fandaharana inona avy no hatao ho an’ny ondry hafa amin’izay? Hanampy antsika hamaly ireo fanontaniana ireo ny fanaovana topy maso izay nitranga teo amin’ny Isiraely fahiny.
“Fanjakà-mpisorona” tandindona
7, 8. Hatraiza no naha-fanjaka-mpisorona sy firenena masina ny Isiraely fahiny teo ambanin’ny faneken’ny Lalàna?
7 Rehefa nifidy ny Isiraely ho fireneny manokana i Jehovah, dia nanao fanekena tamin’izy ireo izy, ka nanao hoe: “Raha hihaino ny feoko tokoa hianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa [“manokana”, NW ] ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra hianareo; fa Ahy ny tany rehetra. Dia ho fanjakà-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy hianareo.” (Eksodosy 19:5, 6). Vahoaka manokan’i Jehovah niorina tamin’ny faneken’ny Lalàna, ny Isiraely. Tamin’ny fomba ahoana anefa no nahatanterahan’ilay fampanantenana nahafaoka fanjaka-mpisorona sy firenena masina?
8 Nanoa ny fiandrianan’i Jehovah sy nanaiky azy ho Mpanjakany ny Isiraely, fony izy nahatoky. (Isaia 33:22). Noho izany, dia fanjakana iray izy ireo. Kanefa, araka ny naharihary tatỳ aoriana, dia mbola hanana heviny mihoatra noho izany mihitsy aza ilay fampanantenana ny amin’ny “fanjakana” iray. Ankoatra izany, rehefa nankato ny Lalàn’i Jehovah izy ireo, dia nadio, tafasaraka tamin’ireo firenena nanodidina azy. Firenena masina izy ireo. (Deoteronomia 7:5, 6). Fanjaka-mpisorona ve izy ireo? Teo amin’ny Isiraely, ny fokon’i Levy dia natokana ho amin’ny fanompoana tao amin’ny tempoly, ary tao anatin’io foko io no nisy ny Levita mpisorona. Rehefa notokanana ny Lalàn’i Mosesy, dia nalaina ho takalon’ny lahimatoan’ny fianakaviana tsy levita rehetra ny lehilahy levita.a (Eksodosy 22:29; Nomery 3:11-16, 40-51). Noho izany, ny fianakaviana rehetra teo amin’ny Isiraely dia nanana solontena tamin’ny fanompoana tao amin’ny tempoly, raha azo atao ny milaza izany. Izany no fomba nanakaiky indrindra ny naha-mpisorona an’ilay firenena. Na dia izany aza, dia nisolo tena an’i Jehovah teo anatrehan’ireo firenena izy ireo. Izay olona hafa firenena rehetra naniry ny hanolotra fanompoam-pivavahana ho an’ilay Andriamanitra marina dia tsy maintsy nanao izany niaraka tamin’ny Isiraely. — 2 Tantara 6:32, 33; Isaia 60:10.
9. Inona no nahatonga an’i Jehovah handa ny fanjakan’ny Isiraely tany avaratra ‘tsy ho mpisorony intsony’?
9 Taorian’ny nahafatesan’i Solomona, dia nizara ho firenen’ny Isiraely tany avaratra teo ambanin’ny fitondran’i Jereboama Mpanjaka sy ho firenen’ny Joda tany atsimo teo ambanin’ny fitondran’i Rehoboama Mpanjaka, ny vahoakan’Andriamanitra. Koa satria ilay tempoly, foiben’ny fanompoam-pivavahana madio, tao amin’ny faritanin’ny Joda, dia nanorina endri-panompoam-pivavahana tsy ara-dalàna i Jeroboama tamin’ny fananganana sarin’ombilahikely tao amin’ny faritanim-pireneny manokana. Ankoatra izany, dia “nanao trano teny amin’ny fitoerana avo izy sady nanendry olona hafa ho mpisorona, izay tsy isan’ny taranak’i Levy”. (1 Mpanjaka 12:31). Nihanilentika lalina kokoa tao anatin’ny fanompoam-pivavahan-diso ilay firenena tany avaratra, rehefa namela an’i Jezebela, vadiny hafa firenena, hanorina ny fanompoam-pivavahana ho an’i Bala tao amin’ilay tany, i Ahaba Mpanjaka. Tamin’ny farany, dia nanonona didim-pitsarana fanamelohana an’ilay fanjakana mpikomy i Jehovah. Tamin’ny alalan’i Hosea, dia hoy izy: “Ringana ny oloko noho ny tsi-fisian’ny fahalalana. Satria hianao efa nandà ny fahalalana, dia mba holaviko kosa tsy ho mpisoroko intsony”. (Hosea 4:6). Tsy ela taorian’izay, dia nandrava ny fanjakan’ny Isiraely tany avaratra ny Asyriana.
10. Tamin’ny fomba ahoana ny fanjakan’i Joda tany atsimo, fony izy nahatoky, no nisolo tena an’i Jehovah teo anatrehan’ireo firenena?
10 Ahoana ny amin’ilay firenena tany atsimo, dia ny Joda? Tamin’ny andron’i Hezekia, dia hoy i Jehovah taminy tamin’ny alalan’i Isaia: “Hianareo no vavolombeloko, (...) sady mpanompoko izay efa nofidiko, (...) izao olona noforoniko ho Ahy izao no hanambara ny fiderana Ahy.” (Isaia 43:10, 21; 44:21). Fony izy nahatoky, ilay fanjakana tany atsimo dia nanambara ny voninahitr’i Jehovah tamin’ireo firenena sy nanintona ny olona mahitsy fo mba hanolotra fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah tao amin’ny tempoliny ka hokarakarain’ireo Levita mpisorona ara-dalàna.
Hafa firenena teo amin’ny Isiraely
11, 12. Lazao ny anaran’ny olona hafa firenena sasany izay nanjary nanompo an’i Jehovah niaraka tamin’ny Isiraely.
11 Raha ny amin’ireo hafa firenena izay nandray tsara izany fanambaran’io firenena io izany, dia nisy fandaharana natao ho azy ireo tao amin’ny Lalàna nomena tamin’ny alalan’i Mosesy — izay Midianita i Zipora, vadiny. “Nisy olona maro” tsy isiraelita nandao an’i Egypta niaraka tamin’ny Isiraely ary nanatrika teo koa rehefa nomena ny Lalàna. (Eksodosy 2:16-22; 12:38; Nomery 11:4). Novonjena avy tao Jeriko i Rahaba sy ny fianakaviany ary nekena ho anisan’ny kongregasiona jiosy, tatỳ aoriana. (Josoa 6:23-25). Tsy ela taorian’izay, ireo Gibeonita dia nanao fihavanana tamin’ny Isiraely ka notendrena hanao asa aman-draharaha nifandray tamin’ny tabernakely. — Josoa 9:3-27; jereo koa ny 1 Mpanjaka 8:41-43; Estera 8:17.
12 Tamin’ny farany, dia nisy hafa firenena nitana toerana ambony. I Oria Hetita, vadin’i Batseba, dia anisan’ireo ‘lehilahy maherin’i Davida’, toa an’i Zaleka Amonita. (1 Tantara 11:26, 39, 41; 2 Samoela 11:3, 4). Nanompo tao an-dapa i Ebeda-meleka, Etiopiana iray, ary nahazo nifandray tamin’ny mpanjaka. (Jeremia 38:7-9). Taorian’ny niverenan’ny Isiraely avy tany amin’ny sesitany tany Babylona, dia nomena andraikitra nitombo ny Netinima tsy isiraelita mba hanampy ny mpisorona. (Ezra 7:24). Koa satria heverina ho tandindon’ny olona betsaka amin’izao andro izao ny maro amin’ireny hafa firenena, na vahiny, nahatoky ireny, dia mahaliana antsika ny tarehin-javatra nisy azy.
13, 14. a) Inona avy no tombontsoa sy andraikitry ny proselyta teo amin’ny Isiraely? b) Ahoana no tokony ho niheveran’ny Isiraelita ny proselyta nahatoky?
13 Proselyta ireny olona ireny, mpivavaka nanolo-tena ho an’i Jehovah teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy ary, niaraka tamin’ny Isiraelita, dia tafasaraka tamin’ireo firenena. (Levitikosy 24:22). Nanolotra fanatitra sy tsy nanaraka fanompoam-pivavahan-diso izy ireo ary nifady ra, tsy nisy hafa tamin’ny nataon’ireo Isiraelita. (Levitikosy 17:10-14; 20:2). Nanampy tamin’ny fanorenana ny tempolin’i Solomona izy ireo ary nandray anjara tamin’ny famerenana tamin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana marina teo ambanin’ny fitondran’i Asa Mpanjaka sy i Hezekia Mpanjaka. (1 Tantara 22:2; 2 Tantara 15:8-14; 30:25). Rehefa nampiasa ny fanalahidy voalohan’ilay Fanjakana tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i. i Petera, dia ren’ny ‘Jiosy sy ny proselyta tsy jiosy’ ny teniny. Angamba proselyta ny sasany tamin’ireo telo arivo natao batisa tamin’io andro io. (Asan’ny Apostoly 2:10, 41). Tsy ela taorian’izay, dia nisy proselyta etiopiana iray nataon’i Filipo batisa — talohan’ny nampiasan’i Petera ilay fanalahidy faran’ilay Fanjakana tamin’i Kornelio sy ny fianakaviany. (Matio 16:19; Asan’ny Apostoly 8:26-40; 10:30-48). Mazava àry fa tsy noheverina ho toy ny Jentilisa ny proselyta.
14 Na dia izany aza, dia tsy tahaka ny an’ny Isiraelita teratany ny toeran’ny proselyta tany Isiraely. Tsy nanompo tamin’ny naha-mpisorona ny proselyta, ary tsy nanana solontena teo amin’ny fisoronana nataon’ny Levita ny lahimatoany.b Ary tsy nanana tany ho lova teo amin’ny Isiraely ny proselyta. Na dia izany aza, dia nodidiana ny Isiraelita mba haneho fiheverana ny proselyta nahatoky ary hihevitra azy ireo ho toy ny rahalahiny. — Levitikosy 19:33, 34.
Ilay firenena ara-panahy
15. Inona no vokatry ny tsy netezan’ny Isiraely ara-nofo hanaiky ny Mesia?
15 Natao mba hihazonana ny Isiraely ho madio, tafasaraka tamin’ireo firenena nanodidina azy, ny Lalàna. Kanefa natao noho ny zava-kendrena hafa koa izy io. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin’i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika.” (Galatiana 3:24). Nampalahelo fa tsy voatariky ny Lalàna ho amin’i Kristy ny ankamaroan’ny Isiraelita. (Matio 23:15; Jaona 1:11). Koa nanda io firenena io i Jehovah Andriamanitra ka nanao izay hahaterahan’“ny Isiraelin’Andriamanitra”. Ambonin’izany, dia nanolotra tamin’ireo tsy Jiosy ilay fanasana ho tonga olom-pirenen’io Isiraely vaovao io amin’ny heviny feno, izy. (Galatiana 3:28; 6:16). Eo amin’io firenena vaovao io no manana ny fahatanterahany mahatalanjona sy farany, ilay fampanantenan’i Jehovah ao amin’ny Eksodosy 19:5, 6 ny amin’ny fanjaka-mpisorona iray. Amin’ny fomba ahoana?
16, 17. Amin’ny heviny ahoana ny Kristiana voahosotra eto an-tany no ‘fanjakana’? ‘mpisorona’?
16 Naka teny tao amin’ny Eksodosy 19:6 i Petera fony nanoratra ho an’ny Kristiana voahosotra tamin’ny androny: “Hianareo kosa dia taranaka voafidy, ‘fanjakà-mpisorona, firenena masina’, olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany”. (1 Petera 2:9). Inona no hevitr’izany? Mpanjaka ve ny Kristiana voahosotra eto an-tany? Tsia, mbola ho avy ny fanjakany. (1 Korintiana 4:8). Na dia izany aza, dia ‘fanjakana’ izy ireo amin’ny heviny hoe voafidy ho amin’ny tombontsoam-panjakana ho avy. Na dia ankehitriny aza izy ireo dia firenena iray eo ambanin’ny fitondran’ny mpanjaka iray, dia i Jesosy, voatendrin’i Jehovah Andriamanitra, ilay Tompom-piandrianana Lehibe. Nanoratra toy izao i Paoly: “[Jehovah] nahafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina ka namindra antsika ho amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany”. — Kolosiana 1:13.
17 Mpisorona ve ny Kristiana voahosotra eto an-tany? Amin’ny heviny iray, dia eny. Amin’ny maha-kongregasiona azy, dia tsy azo iadian-kevitra fa miantsoroka ny anjara asan’ny mpisorona izy ireo. Nanazava izany i Petera fony nilaza hoe: “Atsangana (...) hianareo tahaka ny vato velona ho trano fanahy, ho fisoronana masina”. (1 Petera 2:5; 1 Korintiana 3:16). Amin’izao andro izao, dia ny sisa amin’ny Kristiana voahosotra amin’ny fitambarany no “mpanompo mahatoky sy malina”, ilay fitaovana izarana ny sakafo ara-panahy. (Matio 24:45-47, NW ). Toy ny teo amin’ny Isiraely fahiny, na iza na iza maniry hanolotra fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah, dia tsy maintsy manao izany miaraka amin’ireo Kristiana voahosotra ireo.
18. Amin’ny maha-mpisorona azy, inona no andraikitry ny kongregasiona kristiana voahosotra eto an-tany voalohany indrindra?
18 Ambonin’izany, ny Kristiana voahosotra dia naka ny toeran’ny Isiraely raha ny amin’ny tombontsoa hanao fanambarana momba ny fahalehibiazan’i Jehovah eo amin’ireo firenena. Asehon’ny teny manodidina fa rehefa niantso ny Kristiana voahosotra hoe fanjaka-mpisorona i Petera, dia ny asa fitoriana no tao an-tsainy. Eny tokoa, natambany tao amin’ny fakan-teny iray ilay fampanantenan’i Jehovah ao amin’ny Eksodosy 19:6 sy ny tenin’i Jehovah tamin’ny Isiraely ao amin’ny Isaia 43:21, fony i Petera nilaza hoe: ‘Hianareo dia fanjakà-mpisorona mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga’. (1 Petera 2:9). Nifanaraka tamin’izany, i Paoly dia niresaka ny amin’ny fanambarana ny hatsaran’i Jehovah ho toy ny fanatitra ao amin’ny tempoly. Izao no nosoratany: “Koa aoka isika hanatitra fanati-piderana amin’ny alalany [Jesosy] ho an’Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky [“manao fanambarana ampahibemaso”, NW ] ny anarany.” — Hebreo 13:15.
Fahatanterahana any an-danitra
19. Inona no fahatanterahana farany sy lehiben’ilay fampanantenana hoe ho fanjaka-mpisorona ny Isiraely?
19 Kanefa, ny Eksodosy 19:5, 6 dia hanana fahatanterahana be voninahitra lavitra amin’ny farany. Ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy, dia ren’ny apostoly Jaona ny zavaboary any an-danitra mampihatra io andininy io eo am-piderany an’i Jesosy tafatsangana amin’ny maty: “Voavono Hianao, ary ny ranao no nanavotanao ho an’Andriamanitra olona avy tamin’ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra; ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitsika ireo; ary manjaka ambonin’ny tany izy.” (Apokalypsy 5:9, 10). Amin’ny heviny farany, amin’izay ny fanjaka-mpisorona dia ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra, ilay fahefana hanapaka izay nampianarin’i Jesosy antsika mba hangatahina amim-bavaka. (Lioka 11:2). Hanana anjara ao amin’io fandaharana momba ilay Fanjakana io ny Kristiana voahosotra 144 000 rehetra izay miaritra ka mahatoky hatramin’ny farany. (Apokalypsy 20:4, 6). Fahatanterahana mahatalanjon’ilay fampanantenana natao efa ela be tamin’ny alalan’i Mosesy re izany!
20. Fanontaniana inona no tsy maintsy mbola hovaliana?
20 Inona no ifandraisan’izany rehetra izany amin’ny tarehin-javatra misy ny olona betsaka sy ny hoaviny rehefa hahazo ny lovany mahatalanjona ny voahosotra rehetra? Hazava izany ao amin’ny farany amin’itỳ fitohitohizan-dahatsoratra itỳ.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Rehefa notokanana ny fisoronana teo amin’ny Isiraely, dia nisaina ny lahimatoan’ireo foko tsy levita teo amin’ny Isiraely sy ny lehilahy teo amin’ny fokon’i Levy. Nihoatra 273 tamin’ny isan’ny lehilahy levita ny an’ireo lahimatoa. Noho izany, dia nandidy i Jehovah fa sekely dimy no tokony haloa ho avotra ho an’ny tsirairay tamin’ny 273 izay nihoatra.
b Nanatrika teo koa ilay vahoaka maro sesehena tsy isiraelita rehefa notokanana ny Lalàna tamin’ny 1513 al.f.i., kanefa tsy noraisina ny lahimatoany rehefa nalaina ho takalon’ny lahimatoan’ny Isiraely ny Levita. (Jereo ny fehintsoratra faha-8.) Noho izany, dia tsy nalaina ho takalon’ny lahimatoan’ireny tsy Isiraelita ireny ny Levita.
Azonao Hazavaina Ve?
◻ Ahoana no nanjary nahatakarana tsara kokoa tamin’ny fomba miandalana ny toeran’ny ondry hafa?
◻ Nahoana i Jehovah no nanda ny fanjakan’ny Isiraely tany avaratra tsy ho mpisorony intsony?
◻ Fony izy nahatoky, inona no toeran’ny Joda teo anatrehan’ireo firenena?
◻ Inona no toeran’ny proselyta nahatoky teo amin’ny Isiraely?
◻ Ahoana no anompoan’ny kongregasiona voahosotra amin’ny maha-fanjaka-mpisorona?
[Sary, pejy 16]
Amin’ny maha-fanjaka-mpisorona azy, ny Kristiana voahosotra dia manambara eto an-tany ny voninahitr’i Jehovah
[Sary, pejy 18]
Ny fahatanterahana faran’ny Eksodosy 19:6 dia ilay Fanjakana