-
Tena Kristianina ve ny Vavolombelon’i Jehovah?Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
-
-
3. Ahoana no ampisehoanay hoe be fitiavana hoatran’i Jesosy izahay?
Tena tian’i Jesosy ny mpianany ka hoatran’ny hoe fianakaviany mihitsy. (Vakio ny Marka 3:35.) Hoatran’ny fianakaviana iray koa ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. Izany no mahatonga anay hifampiantso hoe rahalahy sy anabavy. (Filemona 1, 2) Mankatò an’ity didy ity koa izahay: “Tiavo ny rahalahy rehetra.” (1 Petera 2:17) Betsaka ny fomba ampisehoanay hoe tianay ireo rahalahy sy anabavinay maneran-tany. Ampianay, ohatra, izy ireo rehefa tratran’ny loza.
-
-
Tanjona Tena Tsara ny Batisa!Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
-
-
6. Lasa anisan’ny fianakavian’i Jehovah isika rehefa vita batisa
Lasa anisan’ny fianakaviana iray maneran-tany isika rehefa vita batisa. Mitovy daholo ny zavatra inoantsika sy ny fitsipika arahintsika, na inona na inona fiaviantsika na zavatra niainantsika. Vakio ny Salamo 25:14 sy ny 1 Petera 2:17, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Lasa manao ahoana ny fifandraisan’ny olona iray amin’i Jehovah sy ny mpanompony hafa rehefa vita batisa izy?
-
-
Miezaha Hiray Saina FoanaAnkafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
-
-
Rehefa miaraka amin’ny mpiara-manompo isika, dia mahatsapa an’ity tenin’i Davida Mpanjaka ity: “Tsara sy mahafinaritra erỳ rehefa miara-monina sady miray saina ny mpirahalahy!” (Salamo 133:1) Tsy hoe miray saina ho azy akory isika, fa mila miezaka daholo ny tsirairay.
1. Inona no mampiavaka ny vahoakan’Andriamanitra?
Efa nisy fotoana ve ianao nanatrika fivoriana tany an-tany hafa? Tsy azonao angamba ny fitenin’ny olona tao, nefa tsy nahatsiaro ho vahiny mihitsy ianao. Nahoana? Satria mitovy daholo ny boky sy gazety ampiasaintsika mba hianarana ny Baiboly. Isika koa miezaka mifankatia. Na aiza na aiza misy antsika, dia samy ‘miantso ny anaran’i Jehovah’ daholo isika, ‘ka miray hina manompo azy.’—Zefania 3:9.
2. Inona no azonao atao mba hiray saina ny fiangonana?
“Mifankatiava lalina amin’ny fo.” (1 Petera 1:22) Ahoana no azonao ampiharana an’izany? Aza mifantoka amin’ny toetra ratsin’ny hafa, fa jereo hoe inona ny toetra tsarany. Mety hoe miaraka matetika amin’ny mpiara-manompo sasany ianao satria mitovy ny zavatra tianareo. Miezaha koa anefa mba hinamana amin’ny rahalahy sy anabavy tsy mitovy aminao. Ankoatra izay, dia miezaha mafy mba tsy hanavakavaka mihitsy, na dia ao am-ponao aza.—Vakio ny 1 Petera 2:17.a
3. Inona no hataonao raha manana olana amin’ny mpiara-manompo ianao?
Miray saina isika nefa samy tsy lavorary koa. Mety handiso fanantenana na hampalahelo ny hafa àry isika indraindray, dia ry zareo koa mety hanao an’izany amintsika. Izany no mahatonga ny Tenin’Andriamanitra hilaza hoe: ‘Mahaiza foana mifamela heloka. Namela tanteraka ny helokareo i Jehovah, ka mba manaova hoatr’izany koa ianareo.’ (Vakio ny Kolosianina 3:13.) Imbetsaka isika no nampalahelo an’i Jehovah, nefa namela antsika izy. Tiany koa àry isika raha mamela an’ireo rahalahy sy anabavintsika. Raha tsapanao hoe nampalahelo olona ianao, dia manaova zavatra mba handaminana an’ilay izy.—Vakio ny Matio 5:23, 24.b
ANDAO HOHALALININTSIKA
Hodinihintsika hoe inona avy no azonao atao mba hiray saina sy hihavana ny fiangonana.
4. Aza manavakavaka
Te ho tia ny mpiara-manompo rehetra isika. Mety ho sarotra amintsika anefa ny minamana amin’ny olona tsy mitovy amintsika. Inona no afaka manampy antsika? Vakio ny Asan’ny Apostoly 10:34, 35, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:
Ny karazan’olona rehetra no eken’i Jehovah ho Vavolombelony. Ahoana àry no tokony ho fiheveranao ny olona tsy mitovy aminao?
Inona no karazana fanavakavahana fahita etỳ aminareo? Nahoana ianao no tsy tokony hanao hoatr’izany?
Vakio ny 2 Korintianina 6:11-13, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Inona no azonao atao mba hinamana kokoa amin’ny mpiara-manompo rehetra ianao?
5. Miezaha hamela heloka tanteraka sy hihavana amin’ny hafa
Tsy mba manao diso mihitsy i Jehovah ka tsy mila famelan-keloka avy amintsika. Rehefa manao fahadisoana anefa isika, dia mamela tanteraka antsika izy. Vakio ny Salamo 86:5, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:
Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah, rehefa jerena io andinin-teny io?
Nahoana ianao no faly hoe mamela heloka i Jehovah?
Rahoviana no mety ho sarotra ilay hoe mihavana amin’ny hafa?
Hiray saina foana amin’ireo rahalahy sy anabavintsika isika raha manahaka an’i Jehovah. Ahoana no ampisehoantsika hoe manahaka azy isika? Vakio ny Ohabolana 19:11, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Inona no azonao atao raha misy olona manao zavatra mahasosotra na mahatezitra anao?
Ary ahoana indray raha isika no manao zavatra mahatezitra ny hafa? Inona no tokony hataontsika? Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.
Nanana olana tamin’ny mpiara-manompo ilay anabavy tao amin’ilay video. Inona no nataony mba hihavana indray ry zareo?
6. Mifantoha amin’ny toetra tsaran’ny mpiara-manompo
Rehefa mifanerasera amin’ireo rahalahy sy anabavintsika isika, dia tsy ny toetra tsarany ihany no hitantsika fa ny toetra ratsiny koa. Inona àry no hanampy antsika hifantoka amin’ny toetra tsarany? Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.
Inona no hanampy anao hifantoka amin’ny toetra tsaran’ireo rahalahy sy anabavy?
Mifantoka amin’ny toetra tsarantsika i Jehovah. Vakio ny 2 Tantara 16:9a, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Inona no tsapanao rehefa fantatrao hoe mifantoka amin’ny toetra tsaranao i Jehovah?
MISY MITENY HOE: “Izaho indray tsy hamela azy izany raha tsy mifona aloha izy.”
Nahoana isika no tokony ho mailaka hamela heloka?
FAMINTINANA
Manampy ny fiangonana hiray saina foana ianao raha mamela heloka sady tia ny rahalahy sy anabavy rehetra.
Famerenana
Inona no hanampy anao tsy hanavakavaka?
Inona no hataonao raha manana olana amin’ny mpiara-manompo ianao?
Nahoana ianao no te hamela heloka hoatran’i Jehovah?
JEREO KOA IRETO
Nahoana no manampy antsika tsy hitsaratsara ny hafa ny fanoharana iray nataon’i Jesosy?
Mila miala tsiny ve isika na dia mieritreritra aza hoe tsy diso?
“Fomba Itandrovana Fihavanana ny Fialan-tsiny” (Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 2002)
Jereo ato hoe inona no ataon’ny olona sasany mba tsy hanavakavaka intsony.
Raha manana olana amin’ny mpiara-manompo ianao, inona no azonao atao dieny mbola tsy manakorontana ny fiangonana ilay izy?
“Miezaha Haneho Fitiavana Rehefa Mandamina Tsy Fifankahazoana” (Ny Tilikambo Fiambenana Mey 2016)
a Hazavaina ao amin’ny Fanamarihana 6 hoe be fitiavana ny Kristianina ka mitandrina mba tsy hamindra aretina.
b Hazavaina ao amin’ny Fanamarihana 7 hoe ahoana no handaminana ny raharaha mifandray amin’ny vola sy ny raharaha ara-pitsarana.
-