Tomoera mafy ao amin’ny finoana!
Hevi-dehibe ao amin’ny Petera voalohany
NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH dia miatrika fitsapana maro samihafa, na fizahan-toetra ny finoany. Any amin’ny tany sasany, dia atao ao anatin’ny fanenjehana lehibe ny asa fitorian’izy ireo ilay Fanjakana. Satana Devoly no ao ambadik’izany sy ireo fiezahana maro hafa hanimba ny fifandraisan’izy ireo amin’Andriamanitra. Nefa tsy hahomby izy io satria ataon’i Jehovah izay hampiorina mafy, eny, hanatanjahana ny mpanompony ao amin’ny finoana.
Nanana tombontsoa ny apostoly Petera ‘hampahery ireo rahalahiny’ izay ‘nampalahelovina (...) tamin’ny fakam-panahy [fitsapana, MN] maro samihafa’. (Lioka 22:32; 1 Petera 1:6, 7). Nanao toy izany izy ao amin’ny taratasiny voalohany, nosoratana tany amin’ny taona 62 ka hatramin’ny 64 am.fan.ir., tany Babylona. Ao i Petera dia nanome torohevitra, nampionona, ary nampahery ireo kristiana jiosy sy jentilisa, tamin’ny fanampiana azy ireny mba hanohitra ny famelezan’i Satana ka hitoetra “mafy ao amin’ny finoana”. (1 Petera 1:1, 2; 5:8, 9, MN). Ankehitriny, satria kely sisa ny andron’i Satana, ary feno habibiana aoka izany ny famelezany, dia azo antoka fa afaka mandray soa amin’ny tenin’i Petera azo tamin’ny tsindrimandry ny vahoakan’i Jehovah.
Fitondrantena miorina amin’ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra
Na ho any an-danitra ny fanantenantsika na ho eto an-tany, izy io dia tokony hanampy antsika hiaritra ireo fitsapana sy hanao zavatra araka ny fomba ankasitrahan’Andriamanitra. (1:1–2:12). Ny fanantenana lova any an-danitra dia mahatonga ireo voahosotra hifaly manoloana ireo fitsapana, izay tena misedra ny finoan’izy ireo tokoa. Amin’ny maha-trano ara-panahy miorina eo ambonin’ny fanorenan’i Kristy azy ireo, dia manolotra fanatitra ara-panahy sitrak’Andriamanitra sy mitondra tena amin’ny fomba tsara dia tsara izay manome voninahitra Azy izy ireo.
Tokony hotarihin’ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra ny fifandraisantsika amin’ny olombelona rehetra tahaka antsika. (2:13–3:12). Nasehon’i Petera fa tokony hanaiky ireo mpanapaka olombelona isika. Ny mpanompo dia tokony hanaiky ny tompon’izy ireo, ary ireo vehivavy vady hanaiky ny vadiny. Ny vehivavy kristiana iray manana fitondrantena ankasitrahan’Andriamanitra dia mety hahataona ny vadiny tsy mpino ho amin’ny finoana marina. Ary ny lehilahy vady mpino iray dia tokony ‘hanaja ny vavy, tahaka ny mety hatao amin’ny fanaka malemilemy kokoa’. Ny kristiana rehetra dia tokony hampiseho fahaizana mahatakatra ny toeran’ny hafa, hanana fitiavan-drahalahy, hanao izay tsara, ary hitady fihavanana.
Fiaretana mitondra fitahiana
Hiafara amin’ny fitahiana ny fiaretana fahoriana amim-pahatokiana ataon’ny kristiana marina. (3:13–4:19). Raha mitondra fahoriana noho ny fahamarinana isika, dia tokony ho sambatra. Ankoatra izany, satria i Kristy nijaly tamin’ny nofo mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra, dia tsy tokony hiaina araka ny filan’ny nofo intsony isika. Raha miaritra ireo fitsapana amim-pahatokiana isika, dia ho anisan’ny handray anjara amin’ny fifalian-dehibe amin’ny fisehoan’i Jesosy. Ny fitondrana fahafaham-baraka noho ny anaran’i Kristy, na noho ny maha-mpianany, dia tokony hahasambatra antsika satria manaporofo izany fa manana ny fanahin’i Jehovah isika. Noho izany, rehefa mijaly araka ny sitrapon’Andriamanitra isika, dia aoka hanolotra ny tenantsika ho azy ary hanohy hanao ny tsara.
Amin’ny maha-kristiana antsika, dia mila miantsoroka ny andraikitsika amim-pahatokiana isika ary hanetry tena ambanin’ny tàna-maherin’Andriamanitra. (5:1-14). Tsy maintsy miandry ny ondrin’Andriamanitra an-tsitrapo ireo loholona, ary tokony hametraka ny fanahiantsika amin’i Jehovah isika, amin’ny fahatakarana fa tena miahy antsika izy. Ilaintsika koa ny manohitra ny devoly ka tsy hanjary ho kivy na oviana na oviana, satria ireo rahalahintsika dia miaritra ny fahoriana iaretantsika koa. Tadidio mandrakariva fa hanao izay hampiorina mafy antsika sy hahafahantsika hitoetra ho matanjaka ao amin’ny finoana i Jehovah Andriamanitra.
[Efajoro/Sary, pejy 22]
Firavaky ny vehivavy: Raha nanoro hevitra ny vehivavy kristiana i Petera dia nilaza hoe: “Ary aoka ny firavahanareo tsy ho zavatra eny ivelany, toy ny firandranam-bolo sy ny firava-bolamena na ny fiakanjoana; fa aoka ho toetra miafina ao am-po, izay [ao amin’ny fitafiana, MN] tsy mety ho lo, dia ny fanahy malemy sady miadana [saina tony sy malefaka, MN], izay soa indrindra eo imason’Andriamanitra.” (1 Petera 3:3, 4). Nandritra ny taonjato voalohany am.fan.ir., dia nanana taovolo voakaly fatratra mazàna ireo vehivavy mpanompo sampy, tamin’ny fandrandranana ny volo lavany hahaforona sarisary mirenty sy tamin’ny fanasiana firava-bolamena tamin’ireny randrana ireny. Azo inoana fa maro no nanao izany ho toy ny fisehosehoana — zavatra izay tsy mendrika ny kristiana. (1 Timoty 2:9, 10). Kanefa, tsy ny firavaka rehetra akory no tsy mety, satria ampidirin’i Petera ao ny “fiakanjoana [fanaovana akanjo ivelany, MN], izay mazava ho azy fa tsy maintsy anaovana. Nampiasain’ireo mpanompon’Andriamanitra tamin’ny andro fahiny koa ny firavaka. (Genesisy 24:53; Eksodosy 3:22; 2 Samoela 1:24; Jeremia 2:32; Lioka 15:22). Na izany aza, ny vehivavy kristiana iray dia hanalavitra amim-pahendrena ny fanaovana firavaka mirenty sy ny fitafiana manaitaitra ny filan’ny nofo ary tokony hitandrina izy mba hahay hifidy tsara ny fanatsarana endrika na inona na inona. Ny vontoatin’ilay torohevitry ny apostoly dia ny tokony hiheveran’ny vehivavy ho zava-dehibe ny firavaka anaty fa tsy ny ivelany. Mba hahatonga azy ho tena hanintona, dia tsy maintsy mitafy amim-pahamaotinana izy ary manana ny toetry ny olona matahotra an’Andriamanitra. — Ohabolana 31:30; Mika 6:8.
[Sary nahazoan-dalana]
Sampandraharaha isiraeliana momba ny fahagola sy ny rakitry ny ela; Israel Museum/David Harris