Jesosy, ohatra iray harahina akaiky
“Fa ho amin’izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany.” — I Petera 2:21.
1, 2. Karazana mpianatra nanao ahoana Petera nandritra ny fanompoany niaraka tamin’i Jesosy?
NANDRITRA ny telo taona sy tapany, Simona, nantsoina hoe Kefasy, na Petera, dia nanana tombontsoa nifanerasera akaiky tamin’i Jesosy Kristy (Jaona 1:35-42). Taorian’ny naha-mpianany azy nandritra ny herintaona teo ho eo, dia anisan’ny apostoly roambinifolo nofidin’i Jesosy izy (Marka 3:13-19). Ireo fitantarana ara-pilazantsara dia mampiseho antsika Petera iray sahisahy, maimay ary be resaka. Izy ilay nilaza fa, na inon-kidona na inon-kihatra, dia tsy handa an’i Kristy na oviana na oviana izy. Kanefa, teo anoloan’ny fisedrana, dia nanda azy intelo izy, araka ny efa nanambaran’i Jesosy azy mialoha. — Matio 26:31-35; Marka 14:66-72.
2 Petera no ilay apostoly nilaza tamin’i Jesosy hoe: “Sanatria raha hanasa ny tongotro hianao.” Avy eo, rehefa nanariny izy, dia latsaka tamin’ny lafiny tafahoatra ary nilaza hoe: “Tompoko, tsy ny tongotro ihany àry, fa ny tanako sy ny lohako koa.” (Jaona 13:1-17). Io ilay Simona, tamin’ny fotoana nisamborana an’i Jesosy, izay nanatsoaka avy hatrany ny sabany ary nahafaka ny sofin’i Malko, mpanompon’ny mpisoronabe. Indray mandeha koa izy dia voatenin’i Jesosy hoe: “Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao; ny kapoaka nomen’ny Raiko ahy tsy hosotroiko va?” — Jaona 18:10, 11.
3. Inona no azontsika hianarana amin’ny ohatr’i Petera?
3 Inona no hevitra omen’ireo filazalazana ireo sy ny maro hafa koa antsika ny amin’i Petera? Dia izao, matetika tokoa izy no tsy mba nisaina toa an’i Jesosy. Ary ankoatr’izany, dia tsy mba nanana mandrakariva ny hevitr’i Kristy izy. Matetika no marina ho antsika koa izany. Tsy tarihintsika ho amin’izay mifanaraka amin’ny fomba fihevitr’i Jesosy ny saintsika. Niova ny fihetsitsika noho ny toetrantsika maha-olombelona tsy tanteraka. — Lioka 9:46-50; Romana 7:21-23.
4. Inona no fitrangan-javatra nitarika an’i Petera taty aoriana hanova ny fomba fiheviny (jereo Galatiana 2:11-14)?
4 Kanefa, nanomboka niova ny toe-javatra ho an’i Petera hatreo amin’ny Pentekosta. Noho izy voatosiky ny fanahy masina, dia nandray anjara lehibe teo amin’ny raharaham-pitoriana tamin’ny Jiosy tany Jerosalema (Asan’ny apostoly toko faha-2 ka hatramin’ny faha-5). Rehefa nohazavain’ny fanahy masina izy dia nanova koa ny fiheverany ny Jentilisa, na tsy Jiosy, mba hampifandrindra izany amin’ny hevitr’i Kristy (Asan’ny apostoly toko faha-10). Naneho fanetren-tena i Petera, dia toetra ilaintsika raha maniry hifanaraka amin’i Kristy isika. — Matio 18:3; 23:12.
Tsy hita maso nefa fantatra
5, 6. Ny tsy mbola nahitantsika an’i Kristy mihitsy ve manakana antsika tsy hanaraka ny ohatra navelany?
5 Talohan’ny nanoratany ny taratasiny voalohany ara-tsindrimandry, tokony ho teo amin’ny 62-64 amin’ny fanisan-taona iraisana, Petera dia nanana fotoana hisaintsainana ny amin’ny fanompoany niaraka tamin’i Jesosy sy hahatakarana tsaratsara kokoa ny hevitr’i Kristy ny amin’ny raharaha sasany. Eo ampiandohan’ny taratasiny, ilay apostoly dia mampiseho fahatsapan-javatra iray: ny ankamaroan’ireo rahalahy tany Azia Minora dia tsy nahafantatra mihitsy manokana an’i Jesosy, mifanohitra aminy. Kanefa ve izany nanakana azy ireo tsy hanana ny hevitr’i Kristy sy hanaraka ny ohany? Manambara toy izao i Petera: “Izay, na dia tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo, ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, anefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo amin’ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra, mandray ny anton’ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahy. — I Petera 1:8, 9.
6 Ireo tenin’i Petera ireo dia tokony ho afaka hihatra amin’ny vahoakan’i Jehovah rehetra koa ankehitriny. Isika dia tsy nahalala manokana an’i Kristy, kanefa raha mba “mitady sy mikatsaka fatratra” toy ireo mpaminany isika, dia ho afaka, amin’ny fomba malalaka kokoa hanana ny hevitr’i Kristy. — I Petera 1:10, 11.
Jesosy, ilay ohatra tanteraka
7, 8. a) Torohevitra ankapobeny inona no omen’i Petera ao amin’ny taratasiny voalohany? b) Inona no matoan-kevitry ny teny hoe hupogrammos? Fampiharana inona no ataon’i Petera amin’izy io?
7 Noho ny fahatakarana tsara kokoa ny fomba fihevitr’i Jesosy sy ny fitarihan’ny fanahy masina, dia azon’i Petera natao ny nanoro hevitra an’ireo namany kristiana mba hanomezan’izy ireny taratry ny hevitr’i Kristy amin’ny toe-javatra samihafa (II Timoty 3:16). Ka izany no ampaherezany ny kristiana rehetra, “vahiny sy mpivahiny”, hifady ny filan’ny nofo. Mampahery azy ireny izy, na dia mijaly noho ny fahamarinana aza, mba hanana fitondrantena tsara mandrakariva eo amin’ny fiainany andavanandro. — I Petera 2:11, 12.
8 Andalana vitsivitsy atỳ aoriana, Petera dia mampiseho sary manohina: “Raha tahiny manao soa kosa hianareo ka mitondra fahoriana sy mandefitra, dia izany no sitrak’Andriamanitra. Fa ho amin’izany no niantsoana anareo, fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo mba hanarahanareo ny diany.” (I Petera 2:20, 21). Ny teny grika nadika hoe “fianarana”, na “ohatra”, ao amin’ny fandikan-teny sasantsasany, dia hupogrammos. Izy io dia midika hoe “soratra ambany” na “sora-kaliana”, ahitana ny abidia rehetra, ary omena ny ankizy mba hanampy azy hizatra manoratra”. (Lexique grec-anglais du Nouveau Testament, angl., J. Thayer.) Araka izany, indraindray ny mpampianatra dia manome ho an’ny mpianany solaitra kely misy savoka manify izay nanoratany, tamin’ny alalan’ny pensily kely endri-tsoratra faka tahaka. Ireo mpianatra dia tokony hanaraka izany ohatra izany sy hiezaka hanao eo ambany, kopia mitovy tsara. Manome fanaporofoan-kevitra mahery Petera eto, satria izy irery no hany mpanoratra ny Soratra grika mampiasa ny teny hoe hupogrammos. Asongadiny amin’izany ny ohatra tanteraka navelan’i Jesosy ho an’ny mpianany.
9. Mahafaoka inona ny teny grika nadika hoe “toe-tsaina”? (Jereo Matio 20:28.)
9 Lavidavitra kokoa atỳ aoriana, Petera dia manatsoaka fianarana ho antsika ny amin’ny fiaretan’i Kristy ny fahoriana: “Koa satria niaritra tamin’ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo koa izany saina izany [grika, énnoïan].” (I Petera 4:1). Eto indray koa, izy dia mampiasa teny iray tsy dia mahazatra, énnoïa, izay tsy hita afa-tsy indroa ao amin’ny Soratra grika (jereo Hebreo 4:12, The Kingdom Interlinear Translation). Araka an’i Thayer, énnoïa dia midika hoe “hevitra, fahalalana, sitrapo; fomba fihevitra na fahatsapana”. Noho izany,dia tokony hampifanarahantsika amin’ny fomba fihevitra sy fahatsapan’i Kristy ny fisainantsika. Kanefa ahoana no azontsika hahatongavana amin’izany? Ary hatraiza no tokony hanaovantsika izany?
10. Inona no tian’i Petera ambara amin’ny hoe “mitafia fiadiana”?
10 Petera dia mampiasa ny matoanteny grika tsy dia fampiasan’ny maro loatra hoplisasthé,izay midika hoe ‘mirongo fiadiana toy ny miaramila’. Ny miaramila iray tsy miomana amim-paharisihana amin’ny ady dia tsy ho velona maharitra mihitsy amin’izany. Izany no antony tsy anomezan’ny tenin’i Petera toerana ho an’ny matimaty eo amin’ny fanahafana ny fomba fihevitr’i Jesosy. Tokony ho manontolo ny faniriantsika hanana ny “toe-tsaina” na ny “fomba fihevitra” ananan’i Kristy (I Petera 4:1, Today’s English Version). Izany dia mampahatsiaro antsika ny tenin’i Paoly milaza fa ny kristiana iray dia tokony hitafy ‘ny fiadian’Andriamanitra rehetra’ mba hahafahana mahatohitra an’i Satana sy izao tontolo izao. — Efesiana 6:11-18.
Ny toe-tsain’i Kristy sy ny vehivavy vady
11. Inona no torohevitra omen’i Petera ny vehivavy vady kristiana?
11 Rehefa eo antenantenan’ny taratasiny, Petera dia miresaka ny fifandraisan’ny mpivady. Teo amin’izao tontolo izao mpanompo sampy fahiny, izay tsy nananan’ny vehivavy afa-tsy zo kely dia kely, dia faran’izay sarotra ho an’ny vehivavy kristiana iray manambady tsy mpino ny mitoetra tsy mivadika. Satria namela ireo andriamanitry ny razany izy, dia tonga lasibatry ny fitenenan-dratsy, ny fampahoriana, ary izany dia nety ho tonga hatramin’ny fisarahana. Amin’izao androntsika izao, dia tsy tena hafa amin’izany ny toe-javatra. Kanefa, Petera dia mampahatsiaro ny maha-zava-dehibe ny hananana ny toe-tsain’i Kristy, ny hahavononana hijaly noho ny fahamarinana. Izao no nambarany: “Ary toy izany koa [mifanaraka amin’ny fitondrantenan’i Kristy voalazan’ireo andininy eo ambony], hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, mba ho voataonan’ny fitondrantenan’ny vavy izy, na dia tsy amin’ny teny aza, rehefa hitany ny fahadiovan’ny fitondrantenanareo amin’ny fahatahorana”. — I Petera 3:1, 2.
12. a) Amin’ny ahoana ny fanahy malemy sy manaiky asehon’ny vehivavy vady no taratry ny ohatr’i Jesosy (I Korintiana 11:3)? b) Ahoana no fihevitr’Andriamanitra ny fanahy malemin’izany vehivavy vady izany, ary ahoana no mety hiheveran’ny vadiny azy?
12 Eny tokoa, fa matetika ny lehilahy vady tsy mpino no mety ho azo, tsy hoe tsy maintsy ho amin’ny alalan’ny fitoriana manantitrantitra, fa amin’ny “fahatahorana” [fanajana lalina, MN ], ary amin’ny ohatra mahatoky sy amim-pieritreretana tsara ataon’ny vadiny mankatò. Ny “fanahy malemy sady miadana [asehon’io], izay soa indrindra eo imason’Andriamanitra”, dia mety hanampy ilay lehilahy vady hahita ny vokatra ateraky ny fihevitr’i Kristy eo amin’ny fiainana andavanandron’ny vadiny (I Petera 3:4). Amin’ny ahoana io fanahy malemy io no taratry ny toe-piainan’i Jesosy? Izy mihitsy no nilaza hoe: “Ento ny ziogako, ka mianara amiko, fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po aho, dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo”. — Matio 11:29.
Ny toe-tsain’i Kristy sy ny lehilahy vady
13. Ahoana no tokony hitondran’ny lehilahy ny vadiny (Efesiana 5:28, 29, 33)?
13 Ny lehilahy vady koa, dia tokony hanome taratry ny toe-tsain’i Kristy amin’ny fitiavana marina tokoa ny vadiny. Ho amin’izany no namporisihan’i Petera azy ireo toy izao: “Ary toy izany koa, hianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy araka ny marina, manaja ny vavy, tahaka ny mety hatao amin’ny fanaka malemilemy kokoa, [dia ny fanaka vehivavy, MN ].” (I Petera 3:7). Ho an’izao tontolo izao mpanompo sampy fahiny, dia nanana izay nahatonga azy ho nanaitra ilay torohevitra: manaja ny vavy hoe! Nefa ny kongregasiona kristiana dia tokony ho hafa noho io izao tontolo izao io. Tokony hisy fahamendrehana sy fanajana tao amin’ny fanambadiana kristiana. — I Petera 4:3, 4.
14. Ahoana no azon’ny lehilahy hanomezam-boninahitra sy fanajana ny vadiny?
14 Niseho ho be fiahiana ny mpianany sy ny vahoaka nanaraka azy i Kristy (Marka 6:30-44). Tena mifanaraka tsara amin’ny torohevitra nomen’i Petera ho an’ny lehilahy vady izany, dia ny hihevitra ny toetram-behivavin’ny vadiny. Ny Baiboly amin’ny teny frantsay mahazatra dia mandika ny I Petera 3:7 toy izao: “Ary toy izany koa, hianareo lehilahy, miaraha miaina amin’ny vadinareo amin’ny fiheverana ny toetrany marefo kokoa; ento amim-panajana izy.” Raha manaraka ny ohatr’i Kristy ny lehilahy vady iray, dia hihevitra ny lafiny marefo misy eo amin’ny fiainan’ny vadiny izy; indrindra fa ireo andro sarotra ilàny hanehoana aminy fahalemem-panahy, faharetana sy fanajana bebe kokoa. Amin’ireny fotoana ireny, dia tsy isalasalana fa ny lehilahy vady tia iray dia haneho fifehezan-tena ary tsy hiseho ho mitaky be loatra. Manaiky hanao sorona ny tena fitiavana marina. — Jereo Levitikosy 15:24; 20:18; I Korintiana 7:3-6.
15. Inona no ohatra navelan’i Jesosy raha ny amin’ny fahefana?
15 Marina fa ny “lahy no lohan’ny vavy”. Nefa iza moa no ohatra alainy tahaka eo amin’ny fampiharana an’io fahefana io? Manome izao fanazavana izao i Paoly: “Dia tahaka an’i Kristy koa no lohan’ny fiangonana.” (Efesiana 5:23). Io fanamarihana hentitra io dia mampiseho fa tsy misy toerana ho an’ny mpanao didy jadona sy ny mpanjakazaka ao amin’ny fanambadiana kristiana. Teo amin’ny fifandraisana notanany tamin’ny mpianany, Kristy dia tsy mba nanampatra ny fahefany na oviana na oviana; mifanohitra amin’izany kosa, fa izy dia nampiasa izany mifanaraka amin’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. — Jereo Matio 16:13-17, 20; Lioka 9:18-21.
Ny ohatr’i Kristy ho an’ny lehilahy
16. a) Nahoana Petera no tena nahatsapa tsara ny ilàna hanetry tena? b) Iza indrindra, no tokony haneho fanetren-tena?
16 Nandritry ny fanompoany, Jesosy dia nampiseho ny hasarobidin’ny fanetren-tena. Tao amin’ny fanoharana nataony momba ireo nasaina ho amin’ny fanasana fampakaram-bady iray, dia izao no nambarany: “Fa izay rehetra manandran-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.” (Lioka 14:11). Fantatr’i Petera tsara tokoa ny toe-tsain’i Jesosy tamin’io lafiny io. Tsy tsaroany tokoa ve ny ohatra navelan’izy io tamin’ny nanasany ny tongotry ny mpianany (Jaona 13:4-17)? Noho izany, ao amin’ny taratasiny voalohany, Petera dia mamporisika ny loholona sy ny tanora hanetry tena. Ny loholona ‘tsy tokony ho mpanjakazaka amin’ny kongregasiona, fa ho tonga fianarana ho an’ny ondry’. Ny tanora fanahy kosa dia tokony hanaiky ny loholona, ary ny rehetra, tanora na kely kokoa, dia tokony ‘hisikina fanetren-tena, satria Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena’. — I Petera 5:1-5.
17. Amin’ny ahoana ny matoanteny grika nadika hoe ‘misikina’ no mampisongadina ny fanetren-tena tamin’ny asa natao?
17 Eto koa, Petera dia mampiasa fiteny maningana ao amin’ny Soratra grika mba hanaovana izay hahazoana tsara ny fomba hampiharana ny fanetren-tena. Izao no ambarany: “Misikìna [amin’ny teny grika egkombosasthé] fanetren-tena.” Ny fototeny amin’io matoateny io dia midika hoe manao vona na mamatotra, ary ny heviny dia misy hifandraisany amin’ny “saly na aron’akanjo fotsin’ny mpanompo, izay afatotra amin’ny valahan’akanjony (...), ary nampiavaka azy amin’ny olona afaka; noho izany, (...) misikìna fanetren-tena hianareo toy ny fanaovana fitafian’ny mpanompo (...); raha lazaina amin’ny teny hafa, amin’ny fitafiana fanetren-tena, dia manehoa fifanekena aminareo samy ianareo”. — Lexique grec-anglais du Nouveau Testament (angl.), J. Thayer.
18. a) Raha ny amin’ireo antony manosika azy, inona no tokony hotsarovan’ny lehilahy nanolo-tena ho an’Andriamanitra? b) Amin’ny fomba miavaka inona no maha-oha-panetren-tena ny maro amin’ireo anabavy?
18 Ahoana moa no azon’ny olona nanolo-tena ho an’Andriamanitra hampiharana io torohevitra io ankehitriny? Amin’ny fanekena fa ny toerana misy andraikitra rehetra eo anivon’ny fandaminana kristiana dia fizaram-panompoana mitaky fanetren-tena. Mety misy sasany hihevitra amim-pahadisoana fa ny maha-mpikarakara momba ny asa na loholona ao amin’ny kongregasiona, mpiandraikitra ny fizaran-tany, distrika na ao amin’ny Betela dia mampiseho toerana manolotra laza sy fahefana. Raha izany, dia tsy manana ny hevitr’i Kristy ny amin’io raharaha io izy, satria raha manana ny toe-tsain’i Kristy isika, dia tsy hisy fanirian-daza amim-pitiavan-tena ao amintsika. Tokony ho madio ny antony manosika antsika amin’ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny rahalahintsika. Araka izany, dia maro amin’ireo anabavintsika kristiana no manome ohatra eo amin’ny fanompoana amin’ny maha-mpitory maharitra sy amin’ny asa misionera; ny hafa dia mpitory be zotom-po ny vaovao tsara, na dia misy fanenjehana sy fanoherana aza hitany eo anivon’ny tokantranony; ary izany rehetra izany, dia tanterahiny tsy misy fanantenana ny ho tonga mpikarakara momba ny asa na loholona!
Ny fitiavana: vato fehizoron’ny ohatr’i Kristy
19. Inona no vato fehizoron’ny ohatra navelan’i Kristy? Ahoana no ahafantarantsika izany?
19 Inona indrindra moa no hamafisin’i Petera rehefa mampahatsiaro ny hevitr’i Kristy izy? Izao no soratany: “Mifankatiava tsara; fa ny fitiavana manarona fahotana maro.” (I Petera 4:8). Ahoana no nanomezan’i Jesosy taratr’io fitiavana io? Izao no nampianariny: Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo. Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.” (Jaona 15:12, 13). Taoriana kely foana, Jesosy dia nanao sorona ny fiainany ho tombontsoan’ny olombelona. Ary ny fitiavany dia nanarona marina tokoa fahotana maro be! Koa, raha tena manana toe-tsaina mitovy amin’ny an’i Jesosy isika, dia ‘hifaneho fifankatiavan-dalina’ sy hifamela. — Kolosiana 3:12-14; Ohabolana 10:12.
20. Raha te-hanaraka akaiky ny ohatr’i Kristy isika, inona no tokony hataontsika?
20 Teny tokana monja dia ampy hamintinana ny ohatr’i Kristy: fitiavana. Raha toa isika manaraka akaiky ny ohatr’i Kristy amin’izay rehetra sainintsika, ambarantsika, sy ataontsika, dia haneho fitiavana ihany koa isika. Nilaza toy izao Petera: “Farany, miraisa saina hianareo rehetra, ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindra fo, manetre tena, tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana; fa aoka hisaotra kosa, satria ho amin’izany no niantsoana anareo mba handova fitahiana.” — I Petera 3:8, 9.
Tadidinao ve?
◻ Ahoana no azontsika hanarahana ny ohatra navelan’i Kristy ho antsika?
◻ Inona no tokony hataon’ny vehivavy vady kristiana mba hanarahana ny ohatr’i Kristy?
◻ Inona no tokony hataon’ny lehilahy vady kristiana mba hampisehoana fanajana ny vadiny?
◻ Ahoana no nampisongadinan’i Petera ny vidin’ny fanetren-tena?
◻ Inona no vato fehizoron’ny ohatr’i Kristy?
[Sary, pejy 18]
Nandika lahatsoratra faka tahaka ilay mpampianatra eo amin’ireo andalana eo ambony; miezaka ilay mpianatra mba handika mitovy tanteraka amin’izany (hupogrammos).