Mitandrema tena mba tsy hampiasa ny fahefanao amin’ny fomba ratsy
“Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an’i Jehovah. Ny fiavonavonana sy ny fireharehana sy ny làlana ratsy ary ny vava fandainga dia samy halako avokoa.” — OHABOLANA 8:13.
1. Fironana inona mampiavaka ny olombelona tsy tanteraka moa no mampiharihary fa mamitaka ny fony?
MANAMPATRA ny fahefan’ny tena noho ny antony mampiseho fitiavan-tena, izany dia tsy isalasalana mihitsy fa anankiray amin’ireo lalan-dratsy halan’i Jehovah Andriamanitra. Ao amin’ny Teniny izy, dia mampitandrina antsika amin’izany fironana raikitra ao amin’ny olombelona tsy tanteraka izany, satria fantany ny fon’olombelona. Izao no vakintsika: “Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina; iza moa no mahafantatra ny aminy? Izaho Jehovah no Mpandinika ny fo sy Mpamantatra ny voa, mba hanome ny olona rehetra araka ny alehany avy, dia araka ny vokatry ny asany.” — Jeremia 17:9, 10.
2. Mora mitondra vokany inona eo amin’ireo izay mitana azy moa ny fahefana?
2 Rariny ny ampitandreman’ny Tenin’Andriamanitra antsika amin’ny fanamparam-pahefana. Ny olombelona dia mirona aoka izany hampiasa amin’ny fomba ratsy na hanampatra ny fahefany, hany ka nanao izao fanamarihana izao ny mpanoratra tantara anglisy iray: “Mirona hahatonga handray kolikoly ny fahefana; mampandray kolikoly amin’ny fomba feno ny fahefana feno.” Nanao izao fanamarihana izao koa izy: “Amin’ny zavatra rehetra mampikororosy sy mampietry ny olona, dia ny fahefana no matetika indrindra sy misy vokany indrindra. Mazava ho azy fa araka ny hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, ny fahefana dia tsy misy heriny manimba foana akory, kanefa mety hisy izany.
3. Eo amin’ny fifandraisan’olombelona inona avy moa ny tena no mety hanampatra ny fahefana ananana, ary nahoana?
3 Iza no tokony hitandrina mba tsy hanampatra ny fahefany? Saika ny olona rehetra! Amin’ny fifandraisan’olombelona rehetra na saika amin’izany, ny olona iray dia mety hanana tombontsoa raha oharina amin’ny hafa noho ny harenany, ny fahaizany, ny heriny, ny toerany, ny toe-batany, ets. Arakaraka ny maha-lehibe ilay tombontsoa ny halehiben’ny fakam-panahy hampiasa izany. Nahoana? Satria “ny fironan’ny fon’ny olona dia ratsy hatramin’ny fahazazany”. (Genesisy 8:21, MN.) Marina tokoa fa ny fon’ny olombelona tsy tanteraka dia “mamitaka”, manodoka, miolakolaka sy mirona ho amin’ny ratsy. — Jeremia 17:9.
Ireo mpiandraikitra kristiana
4. Noho ny fahatsapana ireo fakam-panahy tsy maintsy toherin’izay mandray hery sy fahefana, inona moa no ohatra tsara dia tsara nomen’i Jetro an’i Mosesy?
4 Aoka aloha isika hiresaka ny amin’ireo loholona, ireo mpiandraikitra ny kongregasiona kristiana. Ny fepetra takina tokony hofenoin’izy ireo dia mahatonga hieritreritra ny teny nataon’i Jetro tamin’i Mosesy rehefa tsy maintsy nanendry mpifehy arivo, mpifehy zato, mpifehy dimampolo ary mpifehy folo i Mosesy. Izao izany: “Ary mizahà eo amin’ny olona rehetra izay lehilahy mahay sy matahotra an’Andriamanitra, dia lehilahy marina izay tsy tia kolikoly.” (Eksodosy 18:21). Azo natao ny nanankina toeram-piandraiketana ho an’ny lehilahy toy izany. Tsy hanararaotra ny tombontsoa homen’ny toerany azy izy ireny, satria ny fahatahorana an’Andriamanitra dia milaza fankahalana ny ratsy. ‘Tsy ho tia kolikoly’ izy ireny fa tsy hitady izany kosa na ho tia izany.
5. Nahoana moa no tena mety ny torohevitra omena ao amin’ny I Petera 5:2, 3, ary ahoana no azon’ireo loholona anarahana izany?
5 Fantatry ny apostoly Petera fa nety ho voan’ny fakam-panahy hanampatra ny fahefany ireo loholona. Izany no antony nanomezany izao torohevitra izao ho an’ireo mpiandraikitra tao amin’ny kongregasiona kristiana: “Andraso ny ondrin’Andriamanitra izay eo aminareo, mitandrina azy tsy an-tery, fa amin’ny sitrapo (...); tsy amin’ny fitiavana harena maloto, fa amin’ny zotom-panahy; tsy ho mpanjakazaka amin’ny anjara-fiandrasana, fa ho fianaran’ny ondry.” (I Petera 5:2, 3). Ny mpiandraikitra izay hiandry ny andian’ondrin’Andriamanitra mba hahazoana harena maloto dia hampiasa amin’ny fomba ratsy ny fahefany. Toy izany koa, raha manjakazaka amin’ny andian’ondry izy dia hanararaotra amim-pitiavan-tena ny fahefany. Ohatra, ny loholona iray dia mety hanana fiheverana voafaritra tsara ny amin’ny fomba tokony hitafian’ny ankohonany. Hitandrina anefa izy mba tsy hanandrana hampihatra ny fiheverany manokana amin’ny ondry; raha manao izany izy, dia hanjakazaka.
6. Inona moa no atao hoe “népotisme”, ary ahoana no mety hahatonga ireo loholona ho meloka hanao izay?
6 Raha tsy mitandrina ireo loholona dia mety ho tonga meloka noho ny karazam-panamparam-pahefana hafa iray koa: ny “népotisme” (fiangarana ataon’ny lehibe mba hahasoa ny havany). Inona moa izany? Ny teny hoe “népotisme” dia avy amin’ny teny latina izay ny dikany dia hoe “neveux” (zanaky ny iraitampo). Izany dia nipoitra avy amin’ny fahazarana fanta-bahoaka nananan’ireo papa sy mpitondra ambony hafa tao amin’ny Eglizy manome tombontsoa ara-pivavahana sy ara-nofo ho an’ny mpianakaviny, indrindra fa ireo zanaky ny iraitampo aminy. Ny papa Nicolas III aza dia nantsoina hoe “patriariky ny ‘népotisme papal’ ”. Raha tsy malina tsara ireo mpiandraikitra kristiana, dia mety hanaiky tsy ara-dalàna ho voataonan’ny fatoram-pianakaviana fa tsy ireo fotopoto-pitsipika ara-panahy. Izany no hita tamin’ny loholona iray izay nino mafy fa nahafeno ireo fepetra takina mba hanolorana azy ho mpiandraikitra ny zanany lahy. Koa satria ireo anisan’ny kolejin’ny loholona hafa niarahany tsy nieritreritra izany, dia tapa-kevitra izy ny hiova kongregasiona. Taona vitsivitsy taty aoriana anefa, dia mbola tsy voatendry ho loholona foana ilay zanany. Miharihary tokoa fa nanaiky ho voataonan’ny fatoran’ny ra io ray io.
7, 8. Ohatra inona avy moa no mampiseho fa tena loza ho an’ireo loholona ny “népotisme”?
7 Tonga meloka ho manampatra ny fahefany azo ampitahaina amin’ny “népotisme” koa ireo loholona raha tsy mandray ireo fandaharana ilaina hatao rehefa misy havany manao ratsy (jereo I Samoela 2:22-25, 30-35). Taona vitsivitsy lasa izay, dia nisy tarehin-javatra nahatafintohina nitombo tao amin’ny kongregasiona sasany tany afovoan’i Etazonia, ary nitranga vao haingana ny zavatra toy izany tao amin’ny kongregasiona tany Eoropa: nisy tanora maro nijangajanga, nampiasa zavatra mahadomelina sy nanarampo tamin’ny fanao hafa ratsy toy izany. Maro tamin’izy ireny no zanaky ny loholona, nefa tamin’ireo loholona ireo, ny sasany dia toa nanakimpy ny masony teo anoloan’ny fitondrantena ratsin’ireo zanany. Rehefa vaky betroka ireo zava-nitranga, dia namoy ny tombontsoany ny sasany tamin’ireny loholona ireny noho izy nampiasa tamin’ny fomba ratsy ny tombontsoany tamin’ny naha-loholona, na ny marimarina kokoa, noho ny tsy nampiasana tamin’ny fomba tsara ny fahefany.
8 Indraindray dia toa misy loholona na mpikarakara momba ny asa manana fironana sahala amin’izany rehefa mitarika fivoriana iray anasana ny mpihaino hilaza hevitra. Tokony hitandrina izy mba tsy haneho fizahan-tavan’olona. Afaka manampy azy amin’izany lafiny izany ny mpianakaviny amin’ny fahavononana hanome valinteny rehefa tsy mamaly ny mpanatrika hafa, ary amin’ny tsy fitadiavana izay tsy maintsy hamaliana rehefa be dia be no maniry hanao izany.
Ireo mpiandraikitra mpitety faritany
9. Inona moa no atao hoe “simonie”, ary nahoana no izany anarana izany io fanararaotam-pahefana io?
9 Ireo kristiana mitana toerana misy andraikitra, indrindra fa ireo solontenan’ny Fikambanana Watch Tower mpitety faritany, dia tokony hitandrina mba tsy ho meloka fanahy iniana na tsia, ho manaraka ny atao hoe “simonie”. Io teny io dia avy amin’ny olona iray natao hoe Simona izay, araka ny Asan’ny apostoly 8:9-24, dia nanome vola ireo apostoly mba hanomezan’ireo azy fahefana hamindra ny fanahy masina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana. Notantarain’i Lioka toy izao izay nitranga tamin’izay: “Aoka ho very mbamin’ny tenanao ny volanao, satria nataonao fa azo vidim-bola ny fanomezan’Andriamanitra. Tsy manana anjara na raharaha amin’izany zavatra izany hianao, satria tsy mahitsy fo eo anatrehan’Andriamanitra. Koa mibebaha amin’izao haratsianao izao, ka mangataha amin’ny Tompo [Jehovah, MN ], andrao mba havelany izay noheverin’ny fonao.” Fahiny, ny “simonie” dia nampiharin’ireo nitana toerana ambony tao amin’ny Eglizy katolika tamin’ny fomba niharihary. Mitantara ny “encyclopédie” iray fa “nanjary fahita tokoa io fahadisoana io tao amin’ny Eglizy tamin’ny taonjato faha-11 sy 12”.
10, 11. Ahoana moa no mety hahatonga ireo loholona ho latsaka ao anatin’ny fandriky ny “simonie”?
10 Ahoana no mety hahatonga mpiandraikitra mpitety faritany iray ho meloka ho manao “simonie”? Raha tsy mitandrina izy, dia mety ho voan’ny fakam-panahy hanolotra loholona iray mba handraisany anjara amin’ny fandaharana ao amin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany na distrika satria io rahalahy io miseho ho tia mampiantrano azy na malala-tanana aminy. Marina tokoa fa nisy toe-javatra nahalana nahitana loholona nanolotra fanomezana tamim-pahalalahan-tanana sady nitady tombontsoa manokana. Toa tsy naniry hitondra tena toy ny “kely indrindra” izy ireny ka hamela ny fanahy masina hitari-dalana ireo rahalahy voatendry hanao fanendrena teokratika (Lioka 9:48). Tamin’ny toe-javatra toy izany, ireo mpiandraikitra mpitety faritany dia tsy nandray izany karazam-panomezana izany, ka nampiseho ohatra tsara tamin’izany raha ny amin’ny tsy fanamparana ny fahefany. Miharihary amin’izany rehetra izany fa ireo loholona mitana toerana miavaka dia tokony ho malina mba tsy hanao izay hahameloka azy ho manao “simonie”!
11 Etsy andaniny koa, indraindray ny minisitra mpitety faritany iray dia tokony hanoro hevitra loholona iray amin’ny fomba hentitra. Toa ho sarotra aminy angamba anefa izany raha toa io loholona io ka nanome fanomezana azy na nampiantrano azy imbetsaka. Moa ve ny fiheverana mampiseho fitiavan-tena hisakana azy tsy hanao ny adidiny, hanome be dia be torohevitra ilaina? Homeny toerana alohan’ny tombontsoan’ny tenany manokana ve ny tombontsoa ara-panahin’ireo rahalahiny? Iza no hitadiavany sitraka, Andriamanitra sa ny olona? — Galatiana 1:10.
Ny faritry ny fianakaviana
12. Nahoana moa ireo lehilahy manambady no tokony hiahy ny amin’ny hampiasana amin’ny fomba tsara ny fahefany?
12 Eo anivon’ny fianakaviana, ny tsirairay avy dia tokony hitandrina mba tsy hampiasa amin’ny fomba ratsy ny tombontsoany na ny fahefany. Noho ny fahefany, ny tanjany ara-batana na noho izy mahazo ny vola ilaina ao an-tokantrano, ny lehilahy iray dia mety hanao zavatra amin’ny fomba jadona, mampiseho fitiavan-tena sy feno fahasiahana, ka izany dia hampiseho tsy fahatakarana ny fihevitry ny ankohonany. Nosoritan’i Paoly mafy fa tokony hanaiky ny vadiny ny vehivavy. Nilaza tamin’ireo lehilahy koa izy mba ho tia ny vadiny tahaka ny tenany sy ho vonona ny ho faty ho azy, toy ny nanoloran’i Kristy ny tenany ho an’ny kongregasiona kristiana (Efesiana 5:25-33). Raha manaraka izany torohevitra izany ny lehilahy iray, dia tsy hanampatra ny fahefany na ny tombontsoany. Rehefa avy nanoro hevitra an’ireo vehivavy ny apostoly Petera mba hanaiky ny vadiny, dia nananatra ireo lehilahy manambady toy izao izy: “Ary toy izany koa, hianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy araka ny marina, manaja ny vavy, tahaka ny mety hatao amin’ny fanaka malemilemy kokoa sady mpiara-mandova ny fahasoavan’ny fiainana, — mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo.” Eny, ny lehilahy dia tokony hitandrina mba hampiasa amin’ny fomba tsara ny fahefany raha tiany ny hitana fifandraisana tsara amin’i Jehovah Andriamanitra. — I Petera 3:7.
13. a) Toetoetra inona mampiavaka ny vehivavy moa no hararaotin’ny lehilahy sasany? b) Ahoana moa no ampiasan’ny vehivavy tia tena amin’ny fomba ratsy ny fahefany, ary inona no fameperana araka ny Baiboly dikainy koa?
13 Misy milaza fa eo amin’ny mpivady, ilay vady tia kokoa dia anaovan’ilay kely fitiavana kokoa izay tiany atao. Toa misy marina kely amin’izany fanamarihana izany. Amin’ny ankapobeny, dia lalina kokoa ny fitiavana tsapan’ny vehivavy noho ny an’ny vadiny, zava-dehibe ho azy ireny ny fitiavana, ary lehilahy maro no manararaotra izany amim-pitiavan-tena. Etsy andaniny koa, dia misy vehivavy mampiseho tsy firaikana amin’ny fanatanterahana ireo adidiny ara-panambadiana rehefa tsy henoina ny faniriany. Raha ny marina, ny vehivavy sasany aza dia tonga hatramin’ny fandavana tsy ho an’ny vadiny. Mampalahelo ny mahavoatery hilaza fa indraindray izany dia nitarika lehilahy iray hanitsakitsa-bady. Ny vehivavy iray manaraka fihetsika toy izany mifanohitra amin’ny torohevitr’i Paoly voasoratra ao amin’ny I Korintiana 7:3-5 dia mampiasa amin’ny fomba ratsy koa ny fahefany noho ny antony mampiseho fitiavan-tena.
14. Inona moa no manaporofo fa ny ray aman-dreny sasany dia mampiasa amin’ny fomba ratsy ny fahefana ananany eo amin’ireo zanany?
14 Koa satria ny zanaka tokony hankatò ireo ray aman-dreniny ao amin’ny Tompo, ireo, indrindra fa ny ray, dia manana fahefana eo amin’izy ireny. Amin’ny fomba ahoana anefa no ampiasan’izy ireo izany fahefana izany? Amin’ny fomba tsy voahevitra, mangatsiaka na tsy misy fahatakarana ny fiheviny ve? Eo amin’izao tontolo izao, dia manao toy izany ny ray maro be sy ny reny sasany, ka izany no mahatonga tanora maro ho voan’ny “fitambaram-pisehoan’aretin’ny ankizy voambaka”. Araka ny revio Fahasalamana maneran-tany (anglisy) tamin’ny janoary/febroary 1984, dia “ahitana ankizy atao ratsy fitondra ao anatin’ny fitambaran’olona rehetra”, ary “amin’izao androntsika izao dia toa mihamaro ny ankizy atao ratsy fitondra, ambakaina, kapohina na ariana, ary izany dia any amin’ny faritra rehetra eo amin’izao tontolo izao”. Ny fitantarana hafa iray koa dia mampiseho fa any Etazonia dia tafakatra avo roa heny mahery ny isan’ny fanaovana an-keriny ankizy tao anatin’ny folo taona farany. Tsy azo lavina fa izany dia samy fanamparam-pahefana. Na dia ray aman-dreny kristiana tsy hanan-kevitra na oviana na oviana ny hitondra zanaka iray amim-pahasiahana aza dia mety ho meloka noho ny karazam-panaovana an-keriny amin’ankizy. Miharihary izany amin’izao torohevitr’i Paoly izao: “Ary hianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo [Jehovah, MN ] izy.” “Hianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy.” — Efesiana 6:4; Kolosiana 3:21.
15, 16. Ahoana no mety hampiasan’ny zanaka amin’ny fomba ratsy ny fahefany, ka noho izany dia tokony hiahy ny amin’ny inona ny ray aman-dreny?
15 Na dia mety ho toa hafahafa tokoa aza izany raha tsy dinihina tsara, ny zanaka koa dia mety hanjary ho meloka ho manampatra fahefana. Ahoana izany? Amin’ny fanararaotana ny firaiketam-pon’ireo ray aman-dreniny aminy mba hitarihana azy ireo hanao zavatra mifanohitra amin’ny hevitra efa notapahin’izy ireo. Araka izany, ny zanaka iray mahalala fa mendrika ny hokapohina izy, dia hitomany mafy dia mafy aoka izany angamba, hany ka tsy ho afaka ny hampihatra aminy ny fanitsiana ny reniny. Indray andro, ny vehivavy mpanao raharaham-barotra iray dia nirehareha toy izao ny amin’ny fahaizany hanan-kery eo amin’ny mpividy zavatra aminy: “Mahay ny vehivavy amin’izany. Ho hitanao fa manan-kery eo amin’ny rainy ny zanako vavy!”
16 Araka ny filazan’ny gazety iray, “ny isan’ny ‘ankizy liam-pahefana’ izay manapaka sy mampiasa ny ray aman-dreniny dia mitombo amin’ny fomba mahabe ahiahy any Amerika Avaratra”. Ny fanafodiny anefa dia tsy ny fanomezana torohevitra ho an’ny zanaka, fa ho an’ny ray aman-dreny. Tokony hiray saina izy ireo eo anoloan’ny zanany. Mora voamariky ny ankizy izay rehetra mety ho fisarahana ary mailaka izy ny hampiady ireo ray aman-dreniny mba hahazoana izay tadiaviny. Tokony hiseho ho hentitra koa ny ray aman-dreny raha ny amin’izay marina sady manome toky mandrakariva ireo zanany ny amin’ny fitiavany azy ireo. Sahala amin’i Jehovah, ireo ray aman-dreny kristiana dia mifehy ny zanany amim-pitiavana. — Hebreo 12:5, 6.
Eo amin’ny fifandraisana hafa
17. Ahoana moa no anamparan’ny sasany ny fahefany eo amin’ny fifandraisan’ny mpampiasa sy mpiasa?
17 Mety ho voan’ny fakam-panahy koa ny tena hampiasa amin’ny fomba ratsy ny fahefan’ny tena eo amin’ny fifandraisan’ny mpampiasa sy ny mpiasa. Nahatsapa izany i Paoly ka nanome izao torohevitra izao ho an’ireo nanana mpanompo (azo lazaina hoe ny mpampiasa, ny mpifehy sy ny lehibe amin’izao fotoana izao): ‘Ary hianareo tompo, atsaharo ny fandrahonana, satria fantatrareo fa ny Tompony sady Tomponareo koa dia any an-danitra; ary tsy misy fizahan-tavan’olona aminy.’ (Efesiana 6:9; Kolosiana 4:1). Ireo kristiana izay mitondra olon-kafa ao anatin’ny faritry ny asa tsy ara-pivavahana dia tokony hitandrina mba tsy hampiasa ny fahefany amin’ny fomba ratsy. Amin’izany lafiny izany, dia azony atao ny manahaka an’i Boaza, lehilahy iray fahizay nitana fifandraisana tsara dia tsara tamin’ireo olona niasa ho azy. — Rota 2:4.
18. Inona moa no tokony hotandreman’ny lehilahy sy vehivavy kristiana tsy manambady mba tsy hampiasana ny fahefany amin’ny fomba ratsy?
18 Aoka hotononintsika ny fahefana farany tokony hitandreman’ny kristiana tena mba tsy hampiasaina amin’ny fomba ratsy: ny fanintonana eo amin’ny lahy sy ny vavy. Noho ny toe-tenany mihitsy, dia zazavavy kristiana maro no maniry hanambady sy hiteraka. Indraindray àry ny lehilahy kristiana dia mety hanararaotra mora foana ny fihetseham-pon’izy ireny. Amin’izany izy ireo dia tena hampiasa amin’ny fomba ratsy ny fahefany. Nanoro hevitra an’i Timoty i Paoly mba hitondra “ny vehivavy anti-panahy toy ny reny, ny tanora fanahy toy ny anabavy, amin’ny fahadiovana rehetra”. Etsy andaniny koa, ny vehivavy kristiana dia asaina mba “hiravaka amin’ny fitafiana mahamendrika mbamin’ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena”. Na manambady izy ireny na tsia, dia tokony hitandrina koa izy mba hanana ‘fitondrantena madio’. — I Timoty 2:9; 5:2; I Petera 3:2.
19. Ankoatra ny fahendrena, ny fahamarinana sy ny fitiavana, toetra hafa inona koa moa no tokony hampiasaintsika amin’ny fomba tsara?
19 Matetika ireo bokintsika momba ny Baiboly no nanazava fa ny kristiana dia tokony hanaiky hotarihin’ny fahendren’Andriamanitra, hampihatra ny rariny amin’ny fifandraisany rehetra amin’ny mpiara-belona aminy ary hohetsehin’ny fitiavana mifototra amin’ny fotopoto-pitsipika, dia ny fitiavana agapê. Nasehon’ity lahatsoratra ity fa ny mpanompon’i Jehovah rehetra dia tokony hiahy koa ny amin’ny fomba ampiasany ny fahefany. Tsy tokony hanampatra izany mihitsy izy fa hampiasa azy amin’ny fomba tsara foana. Ny Tenin’Andriamanitra dia manaporofo ny fahendren’Andriamanitra amin’ireo torohevitra omeny amin’io lafiny io. Amin’ny fanarahana amim-pitandremana izany torohevitra izany, dia hanome voninahitra ny anaran’i Jehovah isika, ho fitahiana ho an’ny mpiara-belona amintsika isika, ary hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra.
Torohevitra inona avy no tadidinao?
◻ Nahoana no azo atao ny milaza fa manana fironana raikitra hampiasa amin’ny fomba ratsy ny fahefantsika isika?
◻ Nahoana moa ny loholona no tokony hitandrina mba tsy hanampatra ny fahefany?
◻ Amin’ny fomba ahoana avy moa no tokony hitandreman’ny lehilahy sy ny vehivavy mba tsy hanampatra ny fahefany eo amin’ny fifandraisany ara-panambadiana?
◻ Ao anatin’ny faritry ny fianakaviana, inona moa no tokony hohalavirin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka ny fanaovana azy mba tsy hampiasana ny fahefany amin’ny fomba ratsy?
[Sary, pejy 15]
Nanandrana mampiasa ny harenany i Simona mba hananan-kery teo amin’i Petera. Inona no fianarana azontsika tsoahina avy amin’io fitantarana io?
[Sary, pejy 17]
Manampatra ny fahefany ve ireo zanakao mba hananany hery eo aminao?