“Ho masina hianareo”
“Fa araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa hianareo amin’ny fitondrantena rehetra, satria voasoratra hoe: ‘ho masina hianareo, satria masina Aho.’ ” — 1 PETERA 1:15, 16.
1, 2. a) Inona no fampahatsiahivana azo novakina teo amin’ny fehilohan’ny mpisoronabe, ary inona no zava-nokendreny? b) Nahoana no mety amin’izao fotoana izao ny mampahatsiahy ny fahamasinan’i Jehovah? d) Fananarana inona no nomen’i Petera momba ny fahamasinana?
“HAMASININA ho an’i Jehovah [an’i Jehovah ny fahamasinana, MN ].” Ireo teny manaitra ireo, voasoratra teo amin’ny takela-bolamena madio iray nipetaka mihitsy tamin’ny fehiloha fitondran’ny mpisoronabe teo amin’ny Isiraely, dia mora hitan’ny rehetra (Eksodosy 28:36-38). Nampahatsiahy tamin’ny fomba nanakoako izany fa, nifanohitra tamin’ireo firenena mpanompo sampy izay nanamasina andriamanitra tsy madio, ny Isiraely dia nivavaka tamin’ny Andriamanitra iray madio, masina.
2 Raha Vavolombelon’i Jehovah ny tenanao, tsapanao tanteraka ve fa madio, masina ary marina ilay Andriamanitra ivavahanao? Angamba heverinao ho tsy dia ilaina loatra ny fampahatsiahivana ny fahamarinana tsotra indrindra toy izany. Na ahoana na ahoana, moa ve Jehovah tsy nitahy antsika, dia isika mpanompony, tamin’ny fanomezana antsika ny fahatakarana ny “saina lalina izay an’Andriamanitra”: ireo faminaniana sarotra raisina ao amin’ny Baiboly, ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipiny ary koa ny fampianarany (1 Korintiana 2:10; jereo Daniela 12:4)? Hita miharihary anefa fa tsy manaiky amim-pahatsorana ny fahamasinan’i Jehovah ny sasany. Isan-taona tokoa dia Vavolombelona an’arivony maromaro no latsaka ao anatin’ny fahalotoana. An’arivony maro hafa no mahita fahasahiranana amin’ny fidirana hanao zavatra mahakasika ny fandikana lalàna ao amin’ny Baiboly. Miharihary fa misy amin’izy ireny tsy mahafantatra ny tena halehiben’ireto teny voasoratra ao amin’ny 1 Petera 1:15, 16 ireto: “Fa araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa hianareo amin’ny fitondrantena rehetra, satria voasoratra hoe: ‘Ho masina hianareo, satria masina Aho.’ ”
Andriamanitra masina, mpivavaka masina
3. Mampiharihary inona moa ny hiran’i Mosesy iray raha ny momba ny tenan’i Jehovah?
3 ‘Ahoana no mety hahatonga olona iray tsy tanteraka ho masina? Tsy azo atao izany’, hoy angamba ianao. Jereo anefa hoe avy taiza no nakan’i Petera ny fananarany. Eto izy dia manonona teny izay niantefa voalohany tamin’ireo Isiraelita, fotoana fohy taorian’ny nivoahany avy tany Egypta. Tamin’ny nanafahana azy ireo tamin’ny fomba mahagaga, Jehovah dia niseho ho Mpanafaka iray, dia Olona iray mitana ireo fampanantenany, “mpiady mahery”. (Eksodosy 3:14-17; 15:3.) Tao amin’ny hira iray nankalazana ny faharesena nahamay namely an’i Egypta tao amin’ny ranomasina Mena, Mosesy dia nampiseho endriny hafa iray koa momba ny tenan’i Jehovah; hoy izy: “Jehovah ô, iza moa no tahaka Anao amin’izay andriamanitra? Iza moa no tahaka Anao, Izay ankalazaina amin’ny fahamasinana?” (Eksodosy 15:11). Vao voalohany eo, ao amin’ny Baiboly, no nilazana fa an’i Jehovah ny fahamasinana.
4. a) Amin’ny heviny ahoana i Jehovah no “ankalazaina amin’ny fahamasinana”? b) Inona no tsy nitovian’i Jehovah tamin’ireo andriamanitr’i Kanana?
4 Ny teny hebreo sy grika nadika hoe “masina” ao amin’ny Baiboly dia manondro izay ‘mamirapiratra, vao haingana na vaovao, tsy misy loto na madio’. Jehovah àry dia nasehon’i Mosesy ho toy ny Andriamanitra iray manana fahadiovana fara tampony, afaka amin’ny fahalotoana, tsy mba mety ho tonga ratsy ary tsy milefitra tokoa amin’ny fahalotoam-pitondrantena (Habakoka 1:13). Jehovah dia nifanohitra mazava tamin’ireo andriamanitr’i Kanana, ilay tany honenan’ny Isiraelita fotoana fohy atỳ aoriana. Nisy antontan-taratasy hita tany Ras Shamra, tanàna miorina any amin’ny moron-tsiraka syriana, any avaratra, mampahafantatra antsika ambangovangony voafetra nefa mampiaiky ny amin’ny fitambaran’ireo andriamanitra kananita. Araka ny voalazan’ilay boky hoe Ireo Kananita (anglisy) nosoratan’i John Gray, ireo teny voasoratra ireo dia milazalaza ny amin’ny andriamanitra “tia ady, be fialonana, mpamaly faty ary mpanaram-po tamin’ny fahalotoam-pitondrantena”.
5, 6. a) Nanan-kery inona teo amin’ny Kananita moa ny fanompoam-pivavahana natolony ho an’ireo andriamaniny ratsy fitondrantena? b) Inona no herin’ny fanompoam-pivavahana tamin’ilay Andriamanitra masina teo amin’ny Isiraelita?
5 Araka ny azo nampoizina, ny fanabeazana ara-tsain’ny Kananita dia taratr’ireo andriamanitra mpijangajanga nivavahany. Manazava ny boky Ny fivavahan’ny Isiraely (anglisy) hoe: “Ny fanao meloka araka ny ohatra navelan’ireo andriamanitra dia noheverina ho toy ny anisan’ny fanompoam-pivavahana natolotra ho azy ireo. (...) Aschtoreth [ny andriamanibavin’ny fitiavana manaitaitra ny nofo] dia nanana teo ambany fiadidiany lehilahy sy vehivavy maro dia maro nanoka-tena ho azy (...). Nanolo-tena ho azy izy ireny tamin’ny fijangajangana taminy.” Manampy i William Albright hoe: “Ny endriky ny fanompoam-pivavahany nifandray tamin’ny fitiavana momba ny lahy sy ny vavy ambany indrindra dia tsy maintsy niafara tamin’ny faharatsiana naharikoriko indrindra.” Ny fanompoam-pivavahana tamin’ny “tsato-kazo masina”, nampiseho ny filahiana, ny fanaovana sorona ankizy, ny majika, ny fampiasana teny fandraikiraikena, ny fandriana amin’ny havana akaiky, ny sodomia (firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy) ary ny fandriana amin’ny biby, ireo no zavatra fanao tao amin’ny tany Kanana. — Eksodosy 34:13; Levitikosy 18:2-25; Deoteronomia 18:9-12.
6 Etsy an-danin’izany kosa, Jehovah dia “lehibe amin’ny fahamasinana”. Tsy afaka mandefitra amin’ny faharatsiana toy izany izy eo amin’ireo mpivavaka aminy (Salamo 15). Nifanohitra tamin’ireo andriamanitra kananita, Jehovah ary dia nampisondrotra ireo mpivavaka taminy. Namerimberina imbetsaka an’izao fananarana izao izy, izay horaisin’i Petera indray atỳ aoriana: “Aoka ho masina hianareo, satria masina Aho, Jehovah Andriamanitrareo”. — Levitikosy 11:44; 19:2; 20:26.
‘Masina ny Lalàna, sady marina no tsara’
7, 8. a) Ahoana no azon’ny Isiraelita ‘nisehoana ho masina’? b) Asehoy ny fahasamihafana misy eo amin’ny Lalàn’i Jehovah sy ny fitambaran-dalàna babylonian’i Hammourabi.
7 “Ny fisehoana ho masina” dia tsy nidika ho fahatanterahan’ny tena na fisehoana ho tia fivavahana amin’ny miseho ivelany, fa fankatoavana fitambaran-dalàna feno izay noraisin’ny Isiraely tamin’ny alalan’i Mosesy (Eksodosy 19:5, 6). Samy hafa tamin’ny lalàn’ny firenen-kafa, ny Lalàn’Andriamanitra dia azo natao hoe: ‘masina, marina ary tsara’. — Romana 7:12.
8 Marina aloha fa ny fitambaran-dalàna babylonian’i Hammourabi, izay toa hoe talohan’ny Lalàn’i Mosesy, dia manana lafin-javatra itovizana aminy. Ny sasantsasany amin’ireo fitsipiny, toy ny lalan’ny “talion” (‘maso solon’ny maso’) dia azo ampitahaina amin’ireo fotopoto-pitsipika nambaran’i Mosesy. Misy mpanakiana sasany milaza àry fa itsy farany dia tsy nanao afa-tsy ny nandray fotsiny ireo lalàny tao amin’ny fitambaran-dalàn’i Hammourabi. Raha ny tena marina, izany fitambaran-dalàna izany dia miaina fotsiny amin’ny fanindrahindrana an’i Hammourabi sy ny fiasana ho an’ireo tombotsoany ara-politika. Mifanohitra amin’izany, Andriamanitra dia nanome ny Lalàna ho an’ny Isiraelita ‘mba hahitany soa mandrakariva sy hahavelona azy’. (Deoteronomia 6:24.) Afa-tsy izany, dia tsy nisy loatra ny porofo mampiseho fa ny fitambaran-dalàn’i Hammourabi dia lalàna tsy maintsy notandremana foana tao Babylona; izy io dia tsy inona fa “fitarihan-dalana iray ara-pitsarana ho an’olona teo am-pitadiavana torohevitra”. (La Nouvelle Encyclopédie britannique, fanontana 1985, boky faha-21, pejy 921.) Ny Lalàn’i Mosesy kosa dia tsy maintsy notandremana ary nampiseho ny famaizana ara-drariny tokony hampiharina rehefa nisy tsy fankatoavana. Farany, ny fitambaran-dalàn’i Hammourabi dia mifantoka amin’ny fomba fanao amin’ireo mpandika lalàna; amin’ireo lalàna 280 voarakitra ao anatiny, dia tsy misy afa-tsy fandrarana mivantana 5. Ny Lalàn’Andriamanitra kosa anefa dia mifikitra amin’ny fisorohana ny ratsy fa tsy amin’ny fanasaziana azy.
9. Inona no herin’ny Lalàn’i Mosesy teo amin’ny fiainan’ny Jiosy?
9 Koa satria ‘masina, marina ary tsara’ izany, ny Lalàn’i Mosesy dia nampihatra hery mitaona lehibe teo amin’ny fiainan’ny Jiosy. Nandamina ny fanompoam-pivavahan’izy ireo izy io sady nanomana andro sabata tsy nanaovan-draharaha na inona na inona; namaritra ny raharaha ara-toe-karen’ilay firenena izany, nilaza fitsipika sasany ny amin’ny fomba fitafy ary nanome torohevitra mahasoa teo amin’ny lafin-javatra maro toy ny sakafo, ny firaisan’ny lahy sy ny vavy ary ny fitandremam-pahasalamana. Ny Lalàn’i Mosesy dia namaofivaofy na dia ny amin’ny sasantsasany amin’ny fomba fiasan’ny vatana voajanahary aza.
“Madio ny didin’i Jehovah”
10. a) Nahoana moa ny Lalàna no niresaka lafin-javatra maro be toy izany? b) Ahoana no nanatsaran’ny Lalàna ny fahadiovana ara-batana sy ny fahasalamana (jereo koa ny fanamarihana)?
10 Ireny didy mifandray amin’ny fiainana andavanandro voalaza tamin’ny tsipiriany ireny dia nanana zava-kendrena mendri-kaja: hanao ny Isiraely ho vahoaka madio, teo amin’ny lafiny ara-batana, ara-panahy, ara-tsaina ary ara-pitondrantena. Ohatra, ireo lalàna nandidy ny Isiraelita handro, handevina ny dikiny, hanokan-toerana ireo izay voan’ny areti-mifindra ary hifady sakafo sasany dia nanatsara avokoa ny fahasalamana sy ny fahadiovana ara-batanaa. — Eksodosy 30:18-20; Levitikosy toko faha-11; 13:4, 5, 21, 26; 15:16-18, 21-23; Deoteronomia 23:12-14.
11. Inona no dikan’ny hoe maloto teo amin’ny lafiny ara-pivavahana?
11 Zava-dehibe kokoa noho ny fahasalamana tsara sy ny fitandremam-pahasalamam-bahoaka anefa ny fahadiovana ara-panahy. Noho izany, ny lehilahy na ny vehivavy iray izay nihinana sakafo iray voarara, nanao firaisan’ny lahy sy ny vavy na nikasika faty dia nambara fa maloto teo amin’ny lafiny ara-pivavahana (Levitikosy toko faha-11, 15; Nomery toko faha-19). Voarara àry ho an’ny olona naloto toy izany ny nandray anjara tamin’ny fanompoam-pivavahana, fa naha-meloka ho faty tamin’ny tarehin-javatra sasany (Levitikosy 15:31; 22:3-8). Inona anefa ny fifandraisana nisy teo amin’ireny fandrarana ireny sy ny fahadiovana ara-panahy?
12. Ahoana no nanatsaran’ireo lalàna mifandray amin’ny fahadiovana ara-pivavahana ny fahadiovana ara-panahy?
12 Ny fanompoam-pivavahan’ny mpanompo sampy dia niavaka tamin’ny fijangajangana, ny fanajana ny maty ary ny fimamoana. Milaza amintsika kosa anefa ny “encyclopédie” iray (The International Standard Bible Encyclopedia) hoe: “Na tamin’inona na tamin’inona, ny fanao momba ny lahy sy ny vavy dia tsy azo noheverina ho toy ny fomba fivavahana amin’i Yahweh. Nandoto ilay mpanao azy àry ny fanao rehetra karazan’izany (...). Teo amin’ny Isiraely, dia nomen-kaja ny maty, kanefa tsy nandray mihitsy fankamasinana tsy tokony hatao izy ireny na nanjary zavatra iray nivavahana (...). Ambonin’izany, ho an’ny Isiraelita anankiray, dia tsy azo atao ny fifaneraserana rehetra tamin’ireo mpifanolobodirindrina taminy nandritra ny fotoana fankalazana ireo fetiny niharo fanompoan-tsampy, izay nanomanana fanasan-dehibe, satria naloto ny sakafony.” Ireo soratry ny Lalàna àry dia nahaforona “rindrina” iray nanasaraka ny Isiraelita tamin’ireo lafin-javatra ara-pivavahana naloto.— Efesiana 2:14, MN.
13. Ahoana no nanatsaran’ny Lalàna ny fahadiovana ara-tsaina?
13 Nanatsara ny fahadiovana ara-tsain’ny Isiraelita koa ny Lalàna. Ohatra, ireo didiny nahakasika ny fiainana miafin’ny mpivady dia nanampy hampisondrotana ny toe-tsain’ny lehilahy (Levitikosy 15:16-33). Ny Isiraelita dia nianatra hifehy tena teo amin’ny lafin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy, tsy hanaiky ho resin’ny fahamaimaizana tsy voafehy sahala amin’ny nataon’ny Kananita. Nampianatra an’ireo izay nitandrina azy aza ny Lalàna mba hifehy ny fihetseham-po sy ny faniriany, satria nomelohiny ny faniriana mihoapampana. — Eksodosy 20:17.
14. Tamin’ny ahoana moa ny Lalàna no tsy nanam-paharoa raha ny amin’ny famporisihana hanana fahadiovana ara-pitondrantena?
14 Mbola tsara homarihina kokoa ihany anefa, fa ny Lalàna dia nanantitrantitra ny amin’ny fahadiovana ara-pitondrantena. Marina aloha fa nanameloka koa fanao sasany toy ny fanitsakitsaham-bady ny lalàn’i Hammourabi. Kanefa, ny lahatsoratra iray nivoaka tao amin’ny revio iray momba ny arkeolojia (The Biblical Archaeologist) dia nanao izao fanamarihana izao: “Mifanohitra amin’ireo Babyloniana sy Asyriana izay tamin’izy ireny ny fanitsakitsaham-bady dia tsy inona fa fakana an-keriny fotsiny ny fahefam-pananan’ny vady, ny lalàn’ny Testamenta Taloha dia mihevitra ny fanitsakitsaham-bady ho toy ny fahotana lehibe mifanohitra amin’ny fitondrantena tsara.”
15. a) Asehoy amin’ny alalan’ny ohatra fa ny Isiraelita dia tsy maintsy nanao fiezahana lehibe mba hijanonana ho madio. b) Soa inona avy no noraisiny tamin’ny fiezahana toy izany?
15 Marina aoka izany àry ireto tenin’ny mpanao salamo ireto: “Madio ny didin’i Jehovah, mampahazava ny maso.” (Salamo 19:8). Marina aloha fa nilaina indraindray ny nanao fiezahana mafy mba hijanonana ho madio. Herinandro vitsivitsy monja taorian’ny fahaterahan’ny zanany, ireo reny dia tsy maintsy nankany Jerosalema mba hanaraka ny fombafomba fidiovana (Levitikosy 12:1-8; Lioka 2:22-24). Rehefa avy nanao firaisana miafina, sy tamin’ny tarehin-javatra hafa nahakasika ny fiainan’ny mpivady, ny lehilahy sy ny vehivavy dia tsy maintsy nidio araka ny fombam-pivavahana (Levitikosy 15:16, 18; Deoteronomia 23:9-14; 2 Samoela 11:11-13). Raha notandremany tamim-pieritreretana tsara ny Lalàna ka nitoetra ho madio izy ireny, dia ‘nahita soa’ tamin’izany, teo amin’ny lafiny ara-batana, ara-tsaina, ara-pitondrantena ary ara-panahy (Isaia 48:17). Ambonin’izany, ny maha-zava-dehibe ny hijanonana ho madio dia ho voasoritra tao am-pon’izy ireo tamin’ny fomba tsy azo kosehina. Ary ambonin’ny zavatra rehetra, ny fiezahany tamim-pahatsorana hiaro ny fahamasinany dia ho nahazoany ny fankasitrahan’Andriamanitra.
Madio eo amin’izao tontolo izao tsy madio
16, 17. a) Manao ahoana ny tsy maintsy itoeran’ny kristiana ho madio ankehitriny? b) Nahoana moa no tena sarotra ny mitoetra ho madio? d) Nahoana ny olona sasantsasany be mpahalala no tsy ohatra halain-tahaka amin’izay lafiny izay?
16 Takatsika kokoa àry ankehitriny ireo teny nataon’i Petera ho an’ny kristiana: “Tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin’ny tsi-fahalalanareo; fa araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa hianareo amin’ny fitondrantena rehetra, satria voasoratra hoe: ‘Ho masina hianareo, satria masina Aho.’ ” — 1 Petera 1:14, 15.
17 Ilaina tokoa ny manaiky fa tsy mora akory izany. Na aiza na aiza itodihantsika, ny olona dia manaram-po amin’ny fitaka, ny tsy fahamarinana ary ny fahalotoam-pitondrantena momba ny lahy sy ny vavy. Nanoratra ny New York Times hoe: “Amerikana mihamaro hatrany no mifidy ny hanao tokantranomaso alohan’ny hanambadiana.” Na dia ireo olona fanta-daza tokoa aza dia manome ohatra mampalahelo amin’izany. Ny sasantsasany amin’ireo olo-malaza indrindra eo amin’izao tontolo izao, ao amin’ny faritry ny fanatanjahan-tena, ny politika na ny fampisehoana an-tsehatra, dia manaram-po an-karihary amin’ny fanao maloto: “Faran’izay mandiso fanantenana, hoy ny fitarainan’ny mpanao fanatanjahan-tena iray, ny maka olona iray ho ohatra halain-tahaka sy ny mahita fa ratsy fitondrantena izy.” Inona no anton’ireo teny ireo? Mpifaninana amin’ny hazakazaka maromaro be mpahalala no niaiky fa nihinana zavatra mahadomelina izy ireo. Tsapa matetika fa ny lehilahy na ny vehivavy nohindrahindraina toy ny sampy dia manana fiainana maloto, mahamenatra, satria mpanitsakitsa-bady, mpijangajanga, lehilahy mandry amin’ny lehilahy na vehivavy mandry amin’ny vehivavy, mpangalatra, mpanao an-keriny na mpihinana zavatra mahadomelina. Angamba toa madio ara-batana izy ireny, kanefa ny fiteniny dia tsy mendrika, vetaveta. Mahafinaritra azy ireny aza indraindray ny manamavo ny fitondrantena tsara amin’ny fandokafana ny faharatsiam-pitondratenany feno hadalana.
18. Amin’ny fomba ahoana ny maro amin’ireo mpanaraka fiainana maloto ara-pitondrantena no ‘mijinja izay nafafiny’?
18 Tsy azo atao anefa ny manilika an-kitsirano sy tsotra fotsiny izao ireto tenin’ny Baiboly ireto: “Andriamanitra tsy azo vazivazina [“Tsy manaiky hatao tsinontsinona Andriamanitra”, TOB], fa izay afafin’ny olona no hojinjany. Fa izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo.” (Galatiana 6:7, 8). Matetika ny fitondrantena ratsy no manana ho vokany ny aretina na ny fahafatesana alohan’ny fotoana ao aorian’ny aretina toy ny tety, ny angatra na ny SIDA, raha tsy hanonona afa-tsy izay fantatra indrindra aza. Ny vokatry ny faharatsiam-pitondrantena koa indraindray dia ny fikorontanana ara-tsaina sy ara-pihetseham-po, ny fahakiviana ary ny famonoan-tena mihitsy aza. Angamba ireo izay manaram-po amin’ny fanao ratsy mety haneso an’izay miezaka hitoetra ho madio, kanefa mitsahatra ny fihomehezana rehefa manomboka ‘mijinja izay nafafiny’ ireo mpaneso. — Jereo Romana 1:24-27.
19, 20. Ahoana no nampisehoan’ny klerjy ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana fa nandoto ny tenany izy teo amin’ny lafiny ara-pivavahana sy ara-pitondrantena?
19 Miaina ao anatin’izao tontolo izao iray ratsy eo amin’ny lafiny ara-pivavahana ihany koa isika. Angamba ireo mpitondra fivavahana mitondra fitafiana tsara tarehy tena madio; na dia izany aza dia mampianatra fombafombam-pivavahana sy fampianarana babyloniana maloto izy ireny, toy ny fanompoan-tsampy, ny Trinite, ny fampijaliana mandrakizay, ny tsy fahafatesan’ny fanahy ary ny afo fandiovana. Izy ireny dia mitovy amin’ireo filoha ara-pivavahana nilazan’i Jesosy hoe: “Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa hianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan’ny maty mbamin’ny fahalotoana rehetra. Dia tahaka izany koa hianareo: raha amin’ny eo ivelany dia miseho amin’ny olona ho marina, nefa ny ao anatinareo dia feno fihatsarambelatsihy sy tsi-fankatoavan-dalàna.” — Matio 23:27, 28.
20 Ny klerjy dia tonga hatramin’ny fanalana tsiny ny fahalotoam-pitondrantenan’ireo ondriny mihitsy aza. Olona maro fantatra noho ny fitondrantenany maloto sy vetaveta — mpijangajanga izy ireny, mpanitsakitsa-bady na lehilahy mandry amin’ny lehilahy — no mitana ihany na dia izany aza ny laza tsarany. Toy izao no nolazain’ny revio Newsweek momba izany: “Araka ny filazan’i Richard Sipe, mpandinika toe-tsaina miasa ao Maryland, ary pretra taloha, dia 20 isan-jaton’ireo pretra katolika 57 000 any Etazonia no lehilahy mandry amin’ny lehilahy (...). Mpitsabo maro hafa no mihevitra fa amin’izao fotoana izao io ampahan’isa io dia hanakaiky kokoa ny 40%.” John McNeill, teolojiana katolika (izay niaiky fa lehilahy mandry amin’ny lehilahy) dia manamarina an-karihary ny firaisan’ny lehilahy amin’ny lehilahy amin’ireto teny ireto: “Ny fitiavana ifanaovan’ny vehivavy mandry amin’ny vehivavy roa sy ny lehilahy mandry amin’ny lehilahy roa, raha fitiavana manorina izany, dia tsy fahotana na mampanalavitra ireo izay mifankatia toy izany amin’ny fikasan’Andriamanitra, fa mety ho fitiavana tena masina.” — The Christian Century.
21. Amin’ny ahoana ny teny hoe “An’i Jehovah ny fahamasinana” no mahaforona fampahatsiarovana mety ho antsika?
21 Ny fampahatsiarovana toy izao izay azo novakina teo amin’ny fehilohan’ny mpisoronabe àry dia mety lavitra kokoa hatrany: “An’i Jehovah ny fahamasinana.” (Eksodosy 28:36, MN ). Mangataka i Jehovah, takiny aza ny hijanonantsika ho madio amin’ny lafiny rehetra. Ahoana anefa no hetezan’izany? Amin’ny lafiny inona avy no ilàntsika manokana hitandrina tsara? Hamaly an’ireo fanontaniana ireo ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tsy nirakitra didy toy izany ny fitambaran-dalàn’i Hammourabi. Tsy nahitana koa fitambaran-dalàna momba ny fitandremam-pahasalamana azo ampitahaina amin’izany teo amin’ny Egyptiana fahiny izay nanaraka karazam-pitsaboana azo lazaina ho nandroso anefa. Izao no vakina ao amin’ny boky hoe Egypta fahiny (anglisy): “[Tao amin’ireo soratra ara-pitsaboana egyptiana], ireo lalàm-pahendrena dia voaravaka be dia be tamin’ny famosaviana sy ny fomba fiteny ara-majika hafa.” Ny Lalàn’Andriamanitra kosa anefa, dia tsy nitondra marika araka ny demonia mihitsy; marina ara-tsiansa izany. Ohatra, tamin’izao vanim-potoana misy antsika izao ny mpitsabo vao nahafantatra ny ilàna hisasa rehefa avy nikasika faty, araka ny notakin’ny Lalàn’i Mosesy an’arivony taona maromaro lasa izay. — Nomery toko faha-19.
Famerenana
◻ Amin’ny heviny ahoana moa Jehovah no ‘ankalazaina [lehibe] amin’ny fahamasinana’, ary inona no dikan’izany ho an’ireo mpivavaka aminy?
◻ Tamin’inona ny Lalàn’i Mosesy no hafa noho ireo lalàn’ny firenen-kafa rehetra?
◻ Ahoana no nanatsaran’ny Lalàn’i Mosesy ny fahadiovana ara-batana, ara-panahy, ara-tsaina ary ara-pitondrantena?
◻ Amin’ny fomba ahoana ny maro be amin’ireo izay manana fitondrantena maloto no ‘mijinja izay nafafiny’?
[Sary, pejy 11]
Ny fanompoam-pivavahana natolotry ny Kananita ho an’ny Andriamanitra ratsy fitondrantena dia niafara tamin’ny faharatsian’ny fitondrantenan’izy ireo koa.
[Sary nahazoan-dalana]
Avy tamin’ny fanomezan-dalana amim-pahatsaram-panahin’ny British Museum any Londres
[Sary, pejy 12]
Nandray anjara tamin’ny filaminana tao amin’ny fanjakana sy nanome voninahitra ny mpanjaka ny fitambaran-dalàn’i Hammourabi fa tsy nahatonga ny Babyloniana ho masina.
[Sary nahazoan-dalana]
Fitehirizana rakitry ny ela any Louvre, Paris