Ny Fomba Anompoan’ireo Mpiandry Kristiana Anao
AMIN’NY toerana maro, dia azo atao ny mandinika ny fomba fikarakaran’ny mpiandry ondry ny andiam-biby iray. Mitarika sy miaro ary manome izay ilain’ny ondry izy ireo. Mahaliana izany ho an’ireo loholona kristiana satria mahafaoka asa fiandrasana ny asan’izy ireo. Eny tokoa, andraikitr’izy ireo ny “miandry ny kongregasionan’Andriamanitra” sy ny ‘mitandrina ny andian’ondry rehetra’. — Asan’ny Apostoly 20:28, NW.
Raha mpikambana ao amin’ny kongregasiona kristiana ianao, ahoana no ahafahan’ireo mpiandry ara-panahy manompo anao? Ary ahoana no tokony ho fihetsikao eo anoloan’ny ezaka ataony ho anao? Nahoana ny kongregasiona no mila ny fanampian’izy ireo?
Fiarovana amin’inona?
Tamin’ny andro fahiny, dia nitondra loza ho an’ireo andiam-biby sy niremby ny ondry nandeha singany ireo liona sy ireo biby dia hafa. Tsy maintsy nanolotra fiarovana ireo mpiandry ondry. (1 Samoela 17:34, 35). I Satana Devoly dia “mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany”. (1 Petera 5:8). Manao ady amim-pahatezerana izy, tsy amin’ny fandaminan’i Jehovah eto an-tany amin’ny fitambarany ihany, fa amin’ny mpanompon’Andriamanitra tsirairay koa. Inona no zava-kendren’i Satana? Iriny ny hahakivy ny vahoakan’i Jehovah sy hisakana azy mihitsy aza ‘tsy hitandrina ny didin’Andriamanitra’ sy tsy hanatanteraka “ny filazana an’i Jesosy”. — Apokalypsy 12:17.
Nomelohin’i Jehovah ho nanao tsirambina ireo mpiandry teo amin’ny fitondrana teo amin’ny Isiraely fahiny, satria nanjary “rembin’ny bibi-dia rehetra” ny ondriny. (Ezekiela 34:8). Kanefa, ny loholona kristiana kosa dia manana faniriana amim-pahatsorana hiaro ireo ao amin’ny kongregasiona mba tsy hisy ho very noho ny fanaovana tsirambina na noho ny fitaoman’i Satana sy izao tontolo izao, na noho ireo “amboadia” nivadi-pinoana. (Asan’ny Apostoly 20:29, 30.) Ahoana no anampian’ny mpiandry ny mpikambana rehetra amin’ny andian’ondry mba hahonon-tena sy hiambina? Ny fomba iray dia amin’ny fanomezana lahateny voaomana tsara araka ny Soratra Masina avy eny amin’ny lampihazon’ny Efitrano Fanjakana. Ny fomba hafa iray dia amin’ny fanaovana resadresaka manorina sy mampahery, aloha sy aorian’ny fivoriana. Mbola fomba hafa iray mandaitra koa ny fitsidihana ny “ondry” manokana any an-tokantrano. (Ampitahao amin’ny Salamo 95:7.) Inona anefa no atao hoe fitsidihan’ny mpiandry? Ahoana no tokony hanatanterahana ny fitsidihana toy izany? Ary iza no tokony hotsidihina?
Inona no atao hoe fitsidihan’ny mpiandry?
Ny fitsidihan’ny mpiandry dia tsy fitsidihana mahafinaritra ho fiarahana amin’ny namana fotsiny, ka anaovana resaka momba ny zavatra tsy dia manao ahoana loatra. Nanao izao fanamarihana izao ny loholona iray: “Ankafizin’ny ankamaroan’ny mpitory amin’ny fomba feno ny famakiana andinin-teny iray na ny fiaraha-midinika ny amin’ny olo-malaza iray manokana ao amin’ny Baiboly. Mazava ho azy fa tsy ilay loholona ihany no manao ny firesahana rehetra. Araka ny mahazatra, dia ankafizin’ny mpitory ilay Fanjakana izay tsidihina ny milaza ny heviny momba ny Baiboly, ary manatanjaka ny finoan’ny tenany ny fanaovana izany. Mety hitondra gazety Ny Tilikambo Fiambenana iray na Mifohaza! ilay loholona mba hiarahana midinika lahatsoratra mampahery iray. Io fiaraha-midinika ara-panahy io angamba no mampiavaka ny fitsidihan’ny mpiandry amin’ny fitsidihana mahafinaritra iray ho fiarahana amin’ny namana.”
Nanome izao fanazavana izao ny loholona hafa iray ampy fanandraman-javatra: “Alohan’ilay fitsidihana, dia mandany fotoana hieritreretana momba ny zavatra ilain’ilay mpitory hotsidihiny ilay loholona. Inona no ho afaka hanorina ilay mpitory? Ny teny fiderana amim-pahatsorana dia tapany tena ilaina amin’ny fitsidihan’ny mpiandry, satria izy io manatanjaka ny olona iray hiaritra.” Eny, ny fitsidihan’ny mpiandry dia mihoatra noho ny fitsidihana amim-pisakaizana fotsiny izay mety hataon’iza na iza ao amin’ny kongregasiona.
Nahoana no mitsidika anao ny mpiandry?
Rehefa mitsidika tokantrano iray ny loholona iray, dia voaomana mba hampahery ireo mpiray finoana aminy sy hanampy azy ireo hiorina mafy amin’ny finoana, izy. (Romana 1:11, NW ). Koa rehefa maniry hitsidika anao àry ny loholona iray na roa, ahoana no ho fihetsikao? Hoy ny mpiandraikitra mpitety faritany iray: “Raha amin’ny fotoana isian’ny zava-manahirana ihany vao atao ireo fitsidihan’ny mpiandry, dia mety hoe: ‘Inona no tsy nety nataoko?’ no ho fihetsika voalohany amin’ilay fitsidihana atao.” Ny mpiandry ara-panahy be fitiavana dia manahaka an’i Jehovah, izay nikarakara ilay mpanao salamo sy ‘namelombelona ny fanahiny’, indrindra tamin’ny fotoana nisian’ny fahoriana sy nilana zavatra manokana. — Salamo 23:1-4.
Ny zava-kendrena amin’ny fitsidihan’ny mpiandry dia ny ‘hanangana fa tsy handrava’. (2 Korintiana 13:10). Mampahery tokoa ireo teny fankasitrahana noho ny fiaretana, ny zotom-po sy ny asa mahatokin’ilay olona tsidihina. Nanao izao fanamarihana izao ny loholona iray: “Amin’ny fitsidihan’ny mpiandry dia tsy tsara ny anaovana izay hiheverana fa tonga mba hizaha raha misy zava-manahirana ary hiara-midinika izany ny tena. Mazava ho azy fa ny tenan’ilay mpitory dia mety haniry hiresaka momba ny zava-tsarotra iray manokana. Ary raha malemy na mitokantokana amin’ny sisa amin’ny andian’ondry ny ondry iray, dia mila manao zavatra ilay loholona mba hanampiana azy.”
Tsy isalasalana fa ireo mpiandry kristiana dia hikarakara manokana izay rehetra tahaka ireo voalazalaza amin’izao teny izao hoe: “Ny very hotadiaviko, ny voaroaka hampodiko, ny folaka [hofeheziko, NW ], ny malemy hohatanjahiko”. (Ezekiela 34:16). Eny, mety hila ny hotadiavina, hampodina, hofehezina, na hohatanjahina ny ondry. Nanao tsirambina ireo andraikitra ireo ny mpiandry teo amin’ny Isiraely. Mitaky ny hanatonan’ny mpiandry iray akaiky ny ondry manokana iray sy ny hikarakarany ny zavatra ilainy ny fanatontosana izany asa izany. Amin’ny fotony, dia izany no tokony ho ny toetra iray lehibe mampiavaka ny fitsidihana tsirairay ataon’ny mpiandry amin’izao andro izao.
Mila fikarakarana ny ondry salama
Tokony hanatsoaka hevitra ve isika fa tsy mila mampiseho fitandremana manokana ny ondry salama ny mpiandry ara-panahy amin’ny andro ankehitriny? Rehefa tafiditra amin’ny fahasahiranana ny ondry ara-bakiteny iray, dia mora lavitra ny manampy azy raha toa ka manana fatokiana ilay mpiandry izy. Manao fanamarihana ny boky iray fa “amin’ny fomba voajanahary dia manalavitra ny olombelona ny ondry, ary tsy mora foana akory ny fahazoana ny fitokian’izy ireny”. Ankoatra ny zavatra hafa, io boky io ihany dia manolotra izao toro lalana fototra izao mba hahazoana ny fatokian’ny ondry: “Iresaho tsy tapaka ny ondry. Manjary zatra amin’ilay feo, izay manome toky azy, izy ireo. Tsidiho matetika ao amin’ny toerana firaofany ny ondry.” — Alles für das Schaf. Handbuch für die artgerechte Haltung (Izay rehetra momba ny ondry. Boky ny Amin’ny Fomba Fikarakarana Azy Ireny Araka ny Tokony ho Izy).
Noho izany, dia ilaina ny fifandraisana manokana raha tiana ny hisian’ny fifandraisam-pitokiana eo amin’ilay mpiandry ondry sy ny ondry. Marina koa izany ao amin’ny kongregasiona kristiana. Nanamarika toy izao ny loholona iray: “Ny fahafantarana ny tena ho loholona mitsidika tsy tapaka ny ondry ao amin’ny kongregasiona, dia manamora kokoa ny mitsidika olona iray manan-java-manahirana.” Noho izany, dia tsy tokony hanandrana hamahana sy hikarakara ny ondry afa-tsy any amin’ny Efitrano Fanjakana fotsiny ireo mpiandry ara-panahy. Araka izay amelan’ny toe-javatra izany, dia tokony hanjary hahalala ny ondry ireo loholona, amin’ny fanaovana fitsidihan’ny mpiandry any an-tokantranony. Tsaroan’ny Kristiana iray fa fony izy vao voatendry ho loholona dia niantso azy an-telefaonina ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha ary nangataka taminy mba hitsidika sy hampionona ny rahalahy iray izay vao avy namoy ny zanany vavy tamin’ny lozam-piarakodia nahatsiravina iray. Miaiky toy izao ilay loholona: “Nenina toy inona moa no tsapako, satria mbola tsy nitsidika ilay rahalahy mihitsy aho ary tsy nahalala akory aza hoe taiza izy no nipetraka! Fanamaivanana tokoa rehefa nanolotra ny hiaraka tamiko ny loholona matotra iray.” Eny, ireo loholona dia mifanampy amin’ny fitsidihan’ny mpiandry.
Rehefa miomana sy manao fitsidihan’ny mpiandry ny loholona iray dia mety hiaraka amin’ny mpanampy amin’ny fanompoana iray izay maniry ny ‘asa tsaran’ny’ mpiandraikitra. (1 Timoty 3:1, 13). Toy inona moa ny fankasitrahan’ny mpanampy amin’ny fanompoana iray mahita ny fomba anompoan’ny loholona ny ondry any amin’ny fitsidihan’ny mpiandry! Ireo loholona sy mpanampy amin’ny fanompoana, araka izany, dia manjary akaiky kokoa an’ireo rehetra ao amin’ny kongregasiona, manatanjaka ny fatoran’ny fitiavana sy firaisan-tsaina kristiana. — Kolosiana 3:14, NW.
Fandaminana fotoana ho amin’ny fitsidihan’ny mpiandry
Rehefa avelan’ny fitambaran-doholona amin’ny mpitarika ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona ny andraikitra amin’ny fanaovana fitsidihan’ny mpiandry, dia voatsidika ao anatin’ny enim-bolana ny mpitory rehetra ao amin’ny antokon’olona sasany, kanefa kosa dia tsy misy voatsidika ny any amin’ny antokon’olona hafa. Nanosika ny loholona iray hilaza toy izao izany: “Hita fa mahay manombo-javatra ny loholona sasany ary manao asa fiandrasana be dia be, nefa ny hafa kosa dia mila fampirisihana avy amin’ireo loholona tahaka azy mba hanaovana izany.” Koa manao fandaharana àry ny fitambaran-doholona sasany mba ho voatsidik’ireo mpiandry ao anatin’ny fe-potoana voafaritra tsara ny mpitory rehetra.
Mazava ho azy fa afaka mitsidika olona iray ao amin’ny kongregasiona ny loholona iray na izay mpitory hafa rehetra, tsy mila miandry ny hanaovana fandaharana manokana. Alohan’ny hanaovana fitsidihan’ny mpiandry, ny loholona iray dia miantso an-telefaonina sady milaza hoe: “Mitsidika fianakaviana iray isam-bolana aho. Afaka mitsidika anareo ve aho mandritra ny adiny iray na toy izany amin’ny volana manaraka? Fotoana inona no mahamety izany ho anareo?”
Ireo fitahiana amin’ny fitsidihan’ny mpiandry
Arakaraka ny itomboan’ireo fanerena avy amin’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ hatrany, no manjary mahasoa hatrany tsy misy toy izany ny fitsidihana mampahery ataon’ireo mpiandry mahazo ny fihevitry ny hafa. Rehefa omena fampaherezana sy fanampiana amin’ny alalan’ny fitsidihan’ny mpiandry ireo rehetra ao amin’ny andian’ondry, dia mahatsiaro ho voaro sy tsy manana ahiahy ny ondry tsirairay avy.
Momba ny kongregasiona iray izay voatsidik’ireo mpiandry tsy tapaka ny mpitory ilay Fanjakana rehetra ao aminy, dia izao no tatitra natao: “Nanjary nanana toe-tsaina manorina momba ny fitsidihan’ny mpiandry ireo mpitory. Azo lazaina hoe nahazatra ny mpitory ny nanatona loholona iray mba hanontany azy hoe rahoviana izy no hanao fitsidihana hafa, satria nankafiziny ny fiaraha-midinika manorina nandritra ny fitsidihana teo aloha. Anton-javatra iray nanampy mba hanatsara ny toe-tsain’ny kongregasiona ireo fitsidihan’ny mpiandry.” Lazain’ny tatitra hafa fa rehefa manompo amim-pitiavana amin’izany fomba izany ireo mpiandry, dia afaka mitombo ao amin’ny fitiavana sy ny firaisan-tsaina ary ny hafanana ny kongregasiona. Fitahiana re izany!
Ireo mpiandry kristiana dia mitsidika mba hampandrosoana ny fahasalamana ara-panahin’ny ondry. Maniry hampahery sy hanatanjaka ireo mpiray finoana aminy ireo loholona. Raha toa ka misy zava-manahirana lehibe iray mitaky torohevitra aseho mandritra ny fitsidihana iray, dia mety ho tsara indrindra ny hanaovana fandaharana mba hiaraha-midinika amin’ny fotoana hafa, indrindra raha miaraka amin’ny mpanampy amin’ny fanompoana ilay loholona. Na manao ahoana na manao ahoana, dia mety ny hamaranana ilay fitsidihan’ny mpiandry amin’ny vavaka.
Maniry hitsidika anao any an-tokantranonao ve ny mpiandry kristiana iray amin’ny hoavy tsy ho ela? Raha izany no izy, dia aoka ianao hihevitra mialoha amim-pifaliana ny fampaherezana izay miandry anao. Tonga mba hanompo sy hanatanjaka anao amin’ny fahatapahan-kevitrao hitoetra eo amin’ny lalana mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay izy. — Matio 7:13, 14.
Fanoloran-kevitra ho Amin’ny Fitsidihan’ny Mpiandry
◻ Mifanaova fotoana: Mazàna dia tsara ny mifanao fotoana. Raha mikasa handamina zava-manahirana lehibe ilay loholona, dia mety ny hampahafantarana ilay mpitory ny amin’io mialoha.
◻ Fiomanana: Hevero ny toetran’ilay olona sy ny tarehin-javatra misy azy. Manolora teny fiderana amim-pahatsorana. Ataovy ho zava-kendrenao ny hampita “fanomezana ara-panahy” mampahery sy manatanjaka ny finoana. — Romana 1:11, 12, NW.
◻ Iza no hoentina miaraka: Loholona hafa iray na mpanampy amin’ny fanompoana iray ampy fahaizana.
◻ Mandritra ny fitsidihana: Tokony ho tony, ho be fitiavana sy hahay hampifanara-javatra ilay loholona. Anontanio ny momba ilay fianakaviana, ny fahasalamany sy ny toy izany. Mihainoa amim-pitandremana. Raha misy zava-manahirana lehibe iray mitranga, dia mety ho tsara indrindra ny manao fandaharana mba hanaovana fitsidihan’ny mpiandry manokana.
◻ Faharetan’ny fitsidihana: Hazony ho amin’ilay fotoana nifanekena, ary aoka ianao hiainga rehefa mbola mankafy ilay fitsidihana ilay mpampiantrano anao.
◻ Famaranana ny fitsidihana: Mety ny hanaovana vavaka sady tena ankasitrahana marina. — Filipiana 4:6, 7.
[Sary, pejy 24]
Manome fiarovana ara-panahy ireo mpiandry kristiana
[Sary, pejy 26]
Manome fahafahana tsara dia tsara hanomezana fampaherezana ara-panahy ny fitsidihan’ny mpiandry