Aoka isika hihaino an’i Jehovah eo am-pahantomoran’ny farany
“Sambatra izay olona mihaino ahy (...). Fa izay mahita ahy dia mahita fiainana.” — OHABOLANA 8:34, 35.
1, 2. a) Na dia tsy nahita fiadanana aza izao tontolo izao nandritra ny tantaran’olombelona, inona no ambaran’ny olona sasany momba izao androntsika izao? b) Nahoana ny olombelona no tsy afaka hanorina ny tena fiadanana?
NA dia tsy nahita fiadanana aza izao tontolo izao nandritra ny Tantara, ary indrindra fa tamin’izao taonjato faha-20 izao, dia misy olona sasany milaza fa ireo firenena dia manao zavatra mba handresena ny zava-manahirana mahazo azy. Marihiny fa mandamina fihaonana tampony ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao mba hiresahana ny amin’ny fandriampahalemana sady manao sonia izao karazana fifanarahana rehetra izao. Moa ve tsy nambaran’ny Firenena mikambana ho “Taona iraisam-pirenena ho an’ny fandriampahalemana” ny 1986? Nantenainy tamin’izay fa hanao fiezahana fanampiny ho an’ny fiadanana ireo firenena, ka izany dia mety hisy vokany amin’ny ho avy tsy lavitra loatra.
2 Kanefa, azo lazaina ve fa ny fanombohan-javatra toy izany dia nitondra fiadanana maharitra tamin’ny fotoana iray na hafa teo amin’ny Tantara? Raha nahavita izany ny olombelona dia ho efa hatramin’ny ela no nanorenany ny fiadanana. Eny, efa ho nampihavanina ny tany taloha elan’ny nahatratraran’ny isan’ny mponina tao aminy dimy lavitrisa, izay voazarazara ho firenena 160 mahery manaraka hevitra ara-politika, ara-barotra sy ara-pivavahana maro be. Nefa tsy nanjaka mihitsy teto an-tany ny fiadanana, ary tsy hampiorina izany na oviana na oviana ny fanandramana ataon’ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao. Inona àry no antony? Ankoatra ny zavatra hafa, dia satria ny olombelona izao dia mahita fahasahiranana lehibe aoka izany ka tsy hain’ny tenany samy irery resena. Marina indrindra ny voalazan’i Jeremia 10:23 manao hoe: “Tsy (...) an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany”.
Nahoana no tsy mahomby ny fiezahan’ny olombelona
3. Antony hafa inona no tsy hahafahan’ny olona na ireo firenena mihitsy hitondra ny tena fiadanana?
3 Antony hafa iray tsy ahafahan’ny fiezahan’ny olona sy ny firenena mihitsy hitondra ny tena fiadanana dia resahin’ny Baiboly ao amin’ny I Jaona 5:19 toy izao: “Izao tontolo izao dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.” Apokalypsy 12:9 dia manondro fa “ilay ratsy” io dia “izay atao hoe Devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao”. Ao amin’ny II Korintiana 4:4, dia antsoina hoe “ny andriamanitr’izao tontolo izao [fandehan-javatra, MN ]” izy io. Araka izany, ny fanapahana ny fandehan-javatra manontolo ara-politika, ara-barotra sy ara-pivavahana, izay mahatonga ny herisetra ho betsaka toy izao, dia tsy ampiharin’Andriamanitra akory, fa Satana kosa. Noho izany, ao amin’ny I Korintiana 2:8, dia izao no lazaina ny amin’ny fahendrena avy amin’Andriamanitra: “Ary tsy nisy nahalala izany [ny fahendrena] ny mpanapaka izao tontolo izao.” — Lioka 4:5, 6.
4. Inona moa no nitranga satria tsy nihaino an’i Jehovah intsony ireo ray aman-drenintsika voalohany?
4 Rehefa niodina tamin’Andriamanitra Satana, dia namporisika ireo ray aman-drenintsika voalohany hihaino azy, izy, toy izay Jehovah. Noho izany dia nitsahatra ny nankatò an’Andriamanitra Adama sy Eva ka nandentika ny fianakavian’olombelona tao anatin’ny fahoriana naharitra enina arivo taona. Araka ny asehon’ny Baiboly mazava, Satana dia nampino ny olombelona fa hahita tombontsoa izy amin’ny tsy fihainoana ny Mpamorona azy ireo (Genesisy 3:1-5). Tamin’ny fahendreny, dia namela an’izao tontolo izaon’ny olombelona hanaraka ny lalany lavitra ny fitarihan’Andriamanitra Jehovah, ary naharitra hatramin’izao androntsika izao izany tarehin-javatra izany. Ny tantaran’izao tontolo izao dia nanaporofo tamin’ny fomba tsy azo lavina fa tsy nahomby ny fanapahan’olombelona. — Deoteronomia 32:5; Mpitoriteny 8:9.
5. Na dia mety ho tafaorina aza ny fiadanana noho ny fiezahan’ny olombelona, fahoriana inona no ho anjarantsika foana?
5 Ankoatr’izany, satria nitsahatra tsy nihaino an’i Jehovah, ilay Loharanon’aina sy ny fahatanterahana Adama sy Eva, dia tonga tsy lavorary izy ireo ka tamin’ny farany dia maty. Noho izany, ny taranany rehetra dia teraka tsy lavorary. Ny aretina, ny fahanterana sy ny fahafatesana no tonga mpahazo ny olombelona (Romana 5:12). Na dia ho afaka hampiorina ny fiadanana aza ny olombelona, dia tsy ho afaka hampanjavona ny tsy fahatanterahana nolovana izy. Ho azon’ny aretina sy ny fahanterana ary ny fahafatesana foana isika. Koa satria Satana no tompon’andraikitra ny amin’izao tarehin-javatra izao, dia nilaza izao ny aminy Jesosy: “Izy dia mpamono olona hatramin’ny taloha, ary tsy nitoetra tamin’ny marina.” (Jaona 8:44). Marina fa rehefa eritreretina ireo olona an-davitrisany maro velona tamin’ny lasa ka maty, dia tsy afaka ny tsy hihevitra ny tena fa toy ny novonoin’i Satana izy ireny.
6. Iza moa ireo izay manimba ny fiadanana, ary inona no tokony hanjo azy ireo?
6 Satana dia nanosika fanahy hafa koa hiaraka aminy amin’ny fikomiany, ka ireny zavaboary rehetra ireny dia tsy nety nihaino rehefa niteny Andriamanitra. Satana, ireo demoniany sy ny olombelona mpikomy àry no nanao an’izao tontolo izao ho toy ny hita ankehitriny. Tokony hanjavona izy rehetra; amin’izay dia hifarana ny fanandraman-javatra nitondra loza voaforon’ireo enina arivo taona tsy niankinan’ny olona tamin’ny Mpamorona. “Fa Andriamanitry ny fiadanana, hoy ny ambaran’ny Romana 16:20, hanorotoro an’i Satana faingana”, miaraka amin’ireo demoniany ary ny olombelona rehetra izay tsy mety mihaino rehefa miteny Andriamanitra. — Matio 25:41.
Mbola ilaina kokoa ihany ny mihaino amin’izao androntsika izao
7. Nahoana no tonga ny fotoana hampitomboana ny fiezahantsika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah?
7 Efa lasa lavitra ankehitriny ny tapany farany amin’ireo “andro farany” (II Timoty 3:1-5, MN ). Mbola ilaina tsy misy toy izany mihitsy àry ny hihainoana izay lazain’i Jehovah amintsika. Tahaka izany koa, fa ny faniriantsika hamoy zavatra mba hanompoana azy dia tokony hitombo. Nahoana no tokony hampitomboina ny fiezahantsika? Satria fantatr’i Satana fa “kely sisa ny androny”. (Apokalypsy 12:12.) Azo antoka noho izany fa ny tenany koa dia hanamafy ny asa ataony mba hanimbana sy handringanana.
8. a) Nahoana ny fahavalon’ny asa fitoriana no tsy afaka mampitsahatra izany? b) Inona no tokony hataontsika mba hitanana ny fanohanan’i Jehovah?
8 Irin’i Satana indrindra ny tsy hanambaran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny vaovao tsaran’ny Fanjakana intsony. Kanefa tsy afaka manakana azy ireny amin’izany izy satria manome izao fampanantenana izao tamin’ny vahoakany Jehovah: “Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina”. (Isaia 54:17). Ireo izay manohitra ny mpanompony dia hiseho “ho mpiady amin’Andriamanitra”. (Asan’ny apostoly 5:38, 39.) Noho ny fanohanan’ny fanahin’i Jehovah amin-kery, sy ny an’i Kristy Jesosy ary ireo tafika anjely sesehena àry, dia mitatra bebe kokoa hatrany ihany isan-taona ny fitoriana ny Fanjakana. Mba hitanana ny fanohanan’i Jehovah, ireo mpanompony dia miahy mba hanaraka ny torohevitra voalaza ao amin’ny Jakoba 4:7, 8 manao hoe: “Ka dia maneke an’Andriamanitra hianareo; ary manohera ny Devoly, dia handositra anareo izy. Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.”
9. Nahoana no tsy tokony hohamaivanina ny fisian’i Satana?
9 Aoka tsy hohamaivanintsika ny fahefan’i Satana hamitaka sy hanao ratsy. Manome antsika izao fampitandremana izao ny Tenin’Andriamanitra: “Mahonòna tena, miambena. Fa ny Devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany. Tohero izy, ka miorena tsara amin’ny finoana.” (I Petera 5:8, 9). Raha renao fa misy liona iray misafoaka mandehandeha ao amin’ny faritra misy anao, dia handray ny fepetra fitandremana ianao mba hiarovana ny tenanao sy ny fianakavianao. Eto anefa, dia Satana no resahina, ka tokony mbola hitandrina kokoa ihany isika, satria afaka mitondra fahavoazana mandrakizay ho antsika izy. Mampalahelo anefa fa ny ankamaroan’ny olona dia tsy manam-piarovana eo anatrehany satria tsy miaiky ny fisiany akory. Nifidy ny tsy hihaino ny tenin’i Jehovah tokoa ireo. Inona no ho vokatr’izany fisafidianana ratsy izany? “Izay afafin’ny olona no hojinjany” hoy ny fanambaran’ny Galatiana 6:7.
Rehefa hiantsoantso izy hoe: “Miadana sy mandry fahizay!”
10, 11. a) Na inona na inona fandresena azon’ireo firenena eo amin’ny fanorenana ny fiadanana, inona no tsy tokony hohadinointsika? b) Inona no ambaran’ny Teny ara-paminanian’Andriamanitra ny amin’ny fiezahana andraman’ny firenena atao ho an’ny fiadanana amin’izao androntsika izao? d) Haharitra hafiriana ny fiadanana mety hoentin’ireo firenena?
10 Aoka isika tsy ho voafitaky ny mety ho fahombiazan’ireo firenena eo amin’ny fampiorenany ny fiadanana. Aoka tsy hohadinointsika fa tsy mampiasa na dia iray akory aza amin’ireny fandaminana eo amin’izao tontolo izao ireny Jehovah mba hahatongavana amin’izany. Tokana ihany ny fitaovana nomanin’Andriamanitra mba hampanjakana ny tena fiadanana, dia: ny Fanjakany eo ambany fitarihan’i Kristy. Noho izany, na inona na inona fahombiazana azon’ireo firenena eo amin’ny fanorenana ny fiadanana, izany dia ho vetivety ihany sady sarintsariny fotsiny. Tsy hisy zavatra tena hiova. Ny heloka bevava, ny herisetra, ny ady, ny mosary, ny fahantrana, ny tsy fahombiazan’ny fianakaviana, ny fahalotoana eo amin’ny maha-lahy sy maha-vavy, ny aretina, ny fahafatesana, ary Satana sy ny demoniany dia ho eo foana raha tsy Jehovah mihitsy no hanafoana azy rehetra ireny. “Raha tsy Jehovah no manao ny trano, dia miasa foana ny mpanao azy.” — Salamo 127:1.
11 Marina fa ny Baiboly dia naminany fa amin’izao androntsika izao dia hanao fiezahana miaraka ho an’ny fiadanana ireo firenena. Izao no ambarany: “Hianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo [Jehovah, MN ]. Raha misy olona manao hoe: ‘Miadana sy mandry fahizay!’, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian’ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy.” (I Tesaloniana 5:2, 3). Io antsoantso hoe: “Miadana sy mandry fahizay!” io akory tsy milaza fa hoe ho voasakana ny fikororosian’izao tontolo izao. araka ny nambara tao amin’ny II Timoty 3:13, “ny ratsy fanahy sy ny mpanoloky kosa dia handroso hiharatsiratsy kokoa”. Ny zava-misy dia hifanaraka foana amin’izay nambaran’ny tompon’andraikitra tao amin’ny fandaminana iray mandinika ny fifandraisan’ny zavaboary amin’ny toerana misy azy, manao hoe: “Ny zava-manahirana fototra, dia ny hoe tsy azo tapahina intsony ny fikambanan’olombelona misy antsika.”
12. Inona no fantatr’ireo mpanompon’i Jehovah ny amin’ny tena hevitry ny antsoantso hoe: “Miadana sy mandry fahizay!”?
12 Rehefa halefa tsy ho ela ny antsoantso hoe: “Miadana sy mandry fahizay!”, dia olona betsaka eo amin’izao tontolo izao no ho voafitaky ny fanantenana tsinontsinona. Tsy ho toy izany anefa no izy ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah satria izy ireo dia mihaino rehefa miteny Andriamanitra. Araka izany dia fantany, amin’ny alalan’ny Teniny, fa izany fanambarana izany dia tsy hitondra ny fiadanana sy ny filaminana marina. Mifanohitra amin’izany, dia ho fanairana farany izany ka hanambara fa “hanjo azy tampoka ny fandringanana” ary akaiky ny “fahoriana lehibe” nambaran’i Jesosy ho an’izao androntsika izao. Izao tokoa no nambarany: “Fa amin’izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.” — Matio 24:21.
13. Ahoana no ilazalazan’ny Baiboly ny amin’ny fiafaran’ny fanapahan’olombelona?
13 Mandritra ny “fahoriana lehibe”, ny fanapahan’olombelona dia hofoanana. Salamo 2:2-6 dia milaza hoe: “Ireo mpanjakan’ny tany mitsangana, ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an’i Jehovah sy ny Mesiany ka manao hoe: ‘Aoka hotosantsika ny famatorany ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany!’ Izay mipetraka any an-danitra mihomehy; ny Tompo [Jehovah, MN ] maneso ireo. Dia hiteny azy amin’ny fahavinirany Izy ka hampangorohoro azy amin’ny fahatezerany hoe: ‘Izaho kosa efa nanendry ny Mpanjakako tambonin’i Ziona [any an-danitra], tendrombohitro masina.’ ” Manampy toy izao ny Salamo 110:5, 6: “Ny Tompo [Jehovah, MN ] (...) dia handripaka ny mpanjaka maro amin’ny andron’ny fahatezerany. Hitsara any amin’ny jentilisa Izy.” Ny fikasana ara-politika rehetra dia hifarana, satria Isaia 8:9, 10 manambara hoe: “Misikìna ihany hianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy, eny, misikìna ihany hianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy! Makà saina ihany hianareo, nefa mbola ho foanana izany; milazà ihany ny teny, nefa tsy ho tanteraka izany tsy akory; fa aminay Andriamanitra.”
Matoky ho amin’ny fahatafitana velona
14. Inona no mahatonga antsika hatoky ny amin’ny hoe hisy olona ho tafita velona amin’ny faran’ity izao tontolo izao ity?
14 Matoky izao hevitra izao isika: hataon’i Jehovah izay hanazavana tsara ireo mpanompony ka hanaovany zavatra mba ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” ho avy. Ahoana no ahazoantsika tsy fisalasalana toy izany? Ny faminaniana ao amin’ny Apokalypsy 7:9, 14 dia mampiseho tokoa fa hisy “olona betsaka” amin’ny olombelona ho tafita velona, izany dia satria mihaino izy rehefa miteny Jehovah ka ampianarina araka ny mety amin’ny lalany izy ireo. Izany no ahafahany manaraka izay voalaza ao amin’ny Apokalypsy 7:15 manao hoe: “Manompo azy andro aman’alina eo amin’ny tempoliny izy.” Manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra àry izy ireo, mifaly ny amin’ny fankasitrahany ka mandray soa avy amin’ny fiarovany, ary izany dia ahafahany ho tafita velona amin’ny faran’ity izao tontolo izao ity. — I Jaona 2:15-17.
15. Ahoana no hanosihosena ity fandehan-javatra ity araka ny voalazan’i Joela, nefa inona no hitranga amin’ny mpanompon’Andriamanitra?
15 Joela 4:13-16 koa dia manisy fitenenana ny amin’ny fahatafitan’ireo mpanompon’Andriamanitra rehefa hosena tahaka ny voaloboka ao am-pamiazana izao fandehan-javatra izao. Izao no ambarany: “Arosoy ny fijinjana, fa masaka ny vokatra. (...) Mihoatra ny vata fanantazana; fa be ny faharatsiany. He izany vahoaka mireondreona ao amin’ny lohasaha fitsarana, fa efa antomotra ny andron’i Jehovah ao amin’ny lohasaha fitsarana. Ny masoandro sy ny volana ho tonga maizina, ary ny kintana tsy hamirapiratra. Jehovah mierona ao Ziona [any an-danitra]. (...) Ka hihorohoro ny tany aman-danitra; fa Jehovah no fialofan’ny olony.”
16. Faminaniana hafa inona no mampiseho fa hiaro ny vahoakany amin’ny fandringanana an’izao tontolo izao Jehovah?
16 Tahaka izany koa, ao amin’i Isaia 26:20, 21, Jehovah dia miresaka amintsika ny amin’izany fotoana ho avy izany amintsika, amin’izao teny izao: “Mandehana, ry oloko, midira ao amin’ny efi-tranonao, ary mirindrìna varavarana hianao, ka miere kely indray mipì-maso monja, mandra-pahalasan’ny fahatezerana. Fa, indro, Jehovah mivoaka avy amin’ny fitoerany hamaly ny mponina amin’ny tany noho ny helony.” Noho izany dia manao izao famporisihana izao Zefania 2:2, 3: “Dieny tsy mbola tonga aminareo ny andro firehetan’ny fahatezeran’i Jehovah, mitadiava an’i Jehovah, hianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany, izay efa nanaraka ny fitsipiny. Tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana. Angamba ho voafina hianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.”
‘Aoka isika hiezaka’ ho ao amin’i Jehovah
17. a) Inona no tokony hatao mba hahazoana ny fiarovan’i Jehovah? b) Tamin’ny ahoana no naha-ratsy ny nataon’ny olona talohan’ny safodrano?
17 Ohabolana 18:10 dia milaza hoe: “Ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy. Ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy.” Ianao koa, moa ve ny tenanao “miezaka” ho ao amin’i Jehovah? Tsarovy izay nolazain’i Jesosy ny amin’ny olona niaina tamin’ny andron’i Noa. “Nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin’ny andro izay nidiran’i Noa tao amin’ny sambo-fiara, ary tsy fantany mandra-pihavin’ny safo-drano izay nandringana ny olona rehetra.” (Matio 24:38, 39). Nanao ratsy ny olona tamin’ny nanaovana izao karazana asa rehetra izao nefa tsy nihaino an’Andriamanitra rehefa niteny tamin’izy ireo tamin’ny alalan’i Noa, solontenany, izay “mpitory ny fahamarinana izy”. (II Petera 2:5.) Satria tsy nihaino izy ireo dia ‘ringana’ avokoa rehefa avy ny safo-drano.
18. Nahoana moa ny maha-“mendrika” fotsiny no tsy nahavonjy ireo olona ringana tamin’ny safodrano?
18 Maro tamin’ireo izay maty tamin’ny safo-drano no tsy isalasalana fa nihevi-tena ho olona “mendrika”, izay tsy nisalovana tamin’ny herisetra nameno ny fitambaran’olona tamin’izany fotoana izany. Kanefa ny hoe naha-olo-mendrika azy dia tsy nahavonjy azy ireny. Tsy niraika sady nanakimpy ny masony tamin’ny faharatsiana nisy izy ireo. Mbola ratsy lavitra noho izany aza fa tsy ‘niezaka’ ho ao amin’i Jehovah izy ireny; tsy nihaino izy rehefa niteny ny solontenan’Andriamanitra. Tsy nanao izay tokony ho natao mba hahavoavonjy azy àry izy ireo. Ireo izay nihaino kosa dia tafita velona.
19. Inona ireo soa mahatalanjona azon’ny mpanompon’i Jehovah dieny izao, ary nahoana?
19 Amin’izao fotoana izao, Andriamanitra dia manambara fiadanana ho an’izay mihaino azy. Soa inona moa no raisin’izy ireo avy amin’izany? Isaia 54:13 dia milaza hoe: “Ary ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan’ny zanakao.” Eny, “Jehovah hitahy ny olony amin’ny fiadanana”. (Salamo 29:11.) Noho izany, na dia miaina ao anatin’izao tontolo izao feno herisetra aza ny Vavolombelon’i Jehovah, dia mahita ny tena fiadanana izay tsy misy na inona na inona afaka manembantsembana izany izy ireo. Manjaka eo amin’izy samy izy ny firahalahiana iraisam-pirenena voamariky ny fitiavana, izay tsy ho tratran’ny mpitondra eo amin’izao tontolo izao sy ny fireneny ary ny fivavahany. Nahoana no toy izany? Satria tsy tena mihaino izy ireo rehefa miteny Andriamanitra. Tsy manatanteraka izay lazainy àry izy ireo. Ny Vavolombelon’i Jehovah kosa, dia mihaino an’Andriamanitra. Heveriny ho zava-dehibe ny tenin’ny Mpitoriteny 12:13 manao hoe: “Andriamanitra no atahory ary ny didiny no tandremo. Fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra.”
20. Inona no tokony hataon’ny olona rehetra mba hahatafita velona ka hiditra ao amin’izao tontolo izao vaovao ampanantenain’Andriamanitra?
20 Izany no tokony hataon’ny olona rehetra — eny, izay rehetra maniry hiaina ao amin’izao tontolo izao vaovao nampanantenain’Andriamanitra. Tokony ‘hiezaka’ ho ao amin’i Jehovah tsy misy hataka andro ny rehetra. Tokony hotarihin’ny fahendrena avy amin’Andriamanitra tokoa izy ireo, ary io fahendrena io dia milaza amintsika hoe: “Koa mihainoa ahy hianareo (...); fa sambatra izay manaraka ny diako; minoa anatra, ka hendre, fa aza mandà. Sambatra izay olona mihaino ahy (...). Fa izay mahita ahy dia mahita fiainana.” — Ohabolana 8:32-35.
Ahoana no havalinao?
◻ Nahoana ny fiezahan’ny olona no tsy ho afaka ny hitondra fiadanana mihitsy?
◻ Nahoana no mbola ilaina kokoa ihany ny hihainoana an’i Jehovah amin’izao androntsika izao?
◻ Inona marina no ho hevitr’ilay antsoantso ho avy hoe: “Miadana sy mandry fahizay!”?
◻ Inona no tokony hataontsika raha maniry ho tafita velona ka hiditra ao amin’ny fandehan-javatra vaovao ampanantenain’Andriamanitra isika?
[Sary, pejy 17]
Toy ny liona mierona, Satana dia manamafy ny asany mba hanimbana sy handringanana.
[Sary, pejy 18]
Rehefa hohosena tahaka ny voaloboka ao am-pamiazana ity fandehan-javatra ity, dia “Jehovah no ho fialofan’ny olony”.