Liona — Saka Heni-kaja Misy Vombony, Atsy Afrika
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ATSY KENYA
SENDRA ilay niposaka iny ny masoandro tamin’izay, tao amin’ny Lemak’i Serengeti, eto Afrika. Nangatsiaka ny rivotra maraina. Nipetraka tao anaty fiarakodianay Land Rover izahay ary nijery andian-diom-bavy sy ny zanany. Namirapiratra ny volony nivolombolamena sy mavomena, izay nifanaraka tsara tamin’ny lokon’ny ahitra lava sy maina. Tia sangisangy sy feno hery ireo zana-diona kely. Nitsambikimbikina sy nilalao izy ireo nanodidina ny vatam-ben’ireo liom-bavy, izay toa tsy niraika akory tamin’ny sangisanginy adaladala.
Tampotampoka teo, dia tsy nisy nihetsika izy rehetra. Niherika izy rehetra, ka nibanjina terỳ lavitra terỳ. Avy teo amin’ny faritra avo nisy anay, dia nitodika tany amin’ny toerana nifantohan’ny mason’ireo liona izahay, ka nahita ny zavatra nisarika ny sain’izy ireo. Indro fa nahariharin’ny hazavana tamin’ny vao mangiran-dratsy ny bika nahatalanjon’ny lion-dahy iray goavana. Nifanojo tamin’ny masony ny masonay rehefa nibanjina anay izy. Tsapanay ho nangovitra ny vatanay, tsy noho ny hatsiaka maraina akory, fa noho ny nahatakaranay fa izahay no nobanjininy. Nampahatahotra izy io, nefa tsara tarehy. Nisy vombony natevina nivolombolamena sy nitsipitsipika mainty nanodidina ny loha beny. Mavo manja ny lokon’ny maso beny, izay mailo. Ny fianakaviany anefa no nisarika ny sainy, ka nahodiny moramora tany amin’izy ireo ny masony, ary nanatona azy ireo izy.
Toy ny famindran’ny mpanjaka heni-kaja mihitsy ny famindrany. Tsy nitopy tany aminay fanindroany akory ny masony, fa nandalo teo anoloan’ny fiarakodianay teo mihitsy izy, ary nanatona ireo liom-bavy sy ny zanany. Nitsangana avokoa izy rehetra mba hanatona azy, ary nifandimby nampitohoka ny tavany teo amin’ny vava matanjak’ilay lion-dahy izy ireo, araka ny fanaon’ny saka izay mifampikasoka takolaka rehefa mifampiarahaba. Nankeo afovoan’ilay andiany izy, ary nidaboka teo amin’ny tany, toy ny hoe trotraky ny dia nataony, ary nitsinkasinkasina teo. Nifindra tamin’ny hafa koa ilay faharendremana nahazo azy, ary tsy ela dia ilay andiany iray manontolo no renodrenoka teo amin’ny tara-masoandro voalohany amin’ny hafanana vao maraina. Sary nampiseho filaminana sy fahafaham-po, nohodidinin’ny ahitra nivolombolamena sy notsofin’ny rivotra no hitanay teo amin’ilay tany lemaka tsy nisy nanakontakona.
Zavaboary mahaliana sy mahavariana
Tsy nisy mihitsy angamba biby nanaitra ny sain’ny olombelona mihoatra noho ny liona. Taloha ela be, dia nandravaka ny vatolampy tamin’ny sarin-diona mihaza ny rembiny ireo mpanakanto afrikanina. Nisy sary vongana goavana vita tamin’ny vato, nampiseho liona be vombony, nandravaka ny lapa sy ny tempoly fahiny. Amin’izao andro izao, ny olona dia mitangorona any amin’ireo saha misy bibidia, mba hijery ireny saka mahavariana ireny. Naseho ho toy ny biby mahaliana be ny liona tao amin’ireo boky sy sarimihetsika, toa an’ilay hoe Born Free, izay tantara marina ny amin’ny zana-diona kamboty iray nompiana tao amin’ny toerana voafefy, ary tamin’ny farany, dia nalefa. Naseho ho toy ny biby ratsy fanahy koa ny liona, biby sompatra sy mpihinan’olona, tao amin’ireo tantara marina miharo angano. Tsy mahagaga àry raha mitoetra ho zavaboary mahaliana sy mahavariana ny liona!
Mety ho faran’izay masiaka ny liona, ary indraindray dia halemy fanahy sy ho tia sangisangy toy ny zana-tsaka. Mirohondrohona moramora izy ireo rehefa afa-po, nefa afaka mierona mafy koa, ka mety ho re hatrany amin’ny valo kilaometatra aza izany. Indraindray, dia toa kamo sy ta hatory lava no fijery azy, nefa afaka mihazakazaka amin’ny hafainganam-pandeha mahagaga izy. Tsaroana foana ny liona noho ny herim-pony.
Simbaa — Saka tia miaraka amin’ny hafa
Anisan’ny saka tia miara-miaina amin’ny hafa indrindra ny liona. Mitombo tsara izy ireo ao anatin’ny fianakaviambe maro antsoina hoe andiany, izay mety hisy liona vitsivitsy monja ka hatramin’ny 30 mahery. Antokon-diom-bavy, izay mety ho mpihavana akaiky, no mahaforona ilay andiany. Miara-miaina sy miara-mihaza ary miara-miteraka izy ireo. Mety haharitra mandritra ny androm-piainany io fatorana akaiky io, ary fototra iorenan’ny fianakaviambe iray, ka manome antoka ny amin’ny ahavelomany hatrany.
Ao amin’ny andiany tsirairay dia misy lion-dahy efa lehibe iray, fara fahakeliny, izay misafo ny faritanin’ilay andiany, ary mamela fofona ho marika mamefy izany. Manomboka eo amin’ny tendron’ny orony mainty, ka hatramin’ny tendron’ny rambony midoroboka, dia mety hahatratra telo metatra ny halavan’ireny biby mahatalanjona ireny. Ary mety hilanja 225 kilaograma mahery izy ireny. Na dia manjaka eo amin’ilay andiany aza ny lion-dahy, dia ny vavy no mampihatra fitarihana. Ny liom-bavy mazàna no manombo-javatra, toy ny fifindran-toerana ho any amin’ny faritra misy alokaloka, na ny fihazana.
Isaky ny roa taona mazàna no miteraka ny liom-bavy. Tena tsy manan-kery ny zana-diona raha vao teraka. Ny rehetra no miara-mitaiza ireo zana-diona, ary ny liom-bavy rehetra no hiaro sy hampinono ny liona kely ao amin’ilay andiany. Mihalehibe haingana ireo zana-diona; efa mihazakazaka sy milalao izy raha vao feno roa volana. Mikodiadia eo amin’ireo namany toy ny zana-tsaka, izy ireo, ary mifampitolona sy miantsambotra amin’ireo miara-milalao aminy, sy mitsambikina manakatra ireo ahitra avo. Izay rehetra mihetsiketsika dia mahavariana azy avokoa: hitsambikina hisambotra lolo sy hanenjika bibikely ary hitolona amin’ny rantsankazo sy amin’ny zavamaniry mandady izy. Ny fihetsehan’ny rambon-dreniny, izay iniany akipilipily, toy ny manasa hilalao, no tsy aritr’izy ireo indrindra.
Ao anatin’ny toerana voafaritra tsara no monina ny andiany tsirairay ary mety hahatratra ana hektara maro izany toerana izany. Faritra avo no tian’ny liona indrindra, any amin’izay misy rano betsaka, mbamin’ny alokaloka hiaro azy amin’ny hainandro migaingaina amin’ny mitataovovonana. Miara-monina amin’ny elefanta, ny girafes, ny ombidia lehibe, ary ny biby hafa monina an-tany lemaka, izy ireo any. Mizara roa ny fiainan’ny liona: ora maro atoriana sy fe-potoana fohy ihazana sy ivadiana. Raha ny marina aza, dia mety hisy liona haka aina, hatory, na hipetraka mandritra ny adiny 20 ao anatin’ny indray andro, na dia toa tsy mampino aza izany. Rehefa resin-tory izy ireo, dia toy ny hoe biby malemy paika sy voafolaka erỳ. Aza voafitaka anefa, fa iray amin’ireo zavaboaridia faran’izay masiaka ny liona!
Ilay mpihaza
Rehefa nitsidika ny takariva, dia nanomboka nangatsiaka ny kijana nodanihin’ny hainandro. Nanomboka niarina tamin’ny torimasony antoandro ireo liom-bavy telo tao amin’ilay andiany izay nojerenay. Nentin’ny hanoanana ireto saka ireto, ka nanomboka nandehandeha tetsy sy teroa, nanimbolo ny rivotra sady nijery eran’ilay kijana nanopy mavo. Tena ao anatin’ny fotoana maha betsaka ireo antilopa afrikanina lehibe mpifindra monina izao, ary nisy an’aliny maro tamin’ireo antilopa ratsy tarehy ireo niraoka ahitra nilamina teo atsimonay. Indreny fa nanatona teny ireto saka telo. Niparitaka, samy naka ny hitsiny avy izy telo, ary nikisaka moramora namakivaky ilay faritra nikintoantoana. Nila tsy ho hita mihitsy ireto saka mavomena ireto tao anaty ahitra avo, ka afaka nanatona hatreo amin’ny 30 metatra avy teo amin’ilay andiana antilopa tsy nanampo na inona na inona. Tamin’izay fotoana izay ireto saka ireto vao tapa-kevitra ny hiantsambotra. Nitsoriaka haingana toy ny tselatra izy ireo, ka nitsofoka tao amin’ilay andiana antilopa nitolagaga. Niparitaka sy nihazakazaka hamonjy ny ainy ireto zavaboary ireto, ary ny masony nivontiriky ny hatairany. Nitora-jofon’ny rahom-bovoka mena ny tany voahosihosin’ny kitro an-jatony maro. Rehefa nisava ny vovoka, dia ireo liom-bavy telo irery sisa no hitanay teo, ary nisefosefo mafy izy ireo. Nihodivitra azy ireo ny rembiny. Rahalina angamba mety hisy fahafahana hihaza indray, na angamba mety tsy hisy koa. Na dia mailaka sy haingam-pihetsika aza ny liona, dia ny 30 isan-jaton’ny fotoana ihazany monja no mba hahombiazany. Araka izany, dia anisan’ny fandrahonana lehibe indrindra atrehin’ny liona ny hoe ho faty mosary.
Miavaka ny tanjaky ny liona lehibe iray. Rehefa miara-mihaza ny andiany, dia fantatra ho maharesy sy mahavita mamono biby milanja mihoatra ny 1 300 kilao izy ireo. Eo am-piandohan’ny hazakazaka ataon’ny liona, dia mety hahatratra 59 kilaometatra isan’ora ny hafainganam-pandehany, nefa tsy afaka mihazona izany maharitra izy. Noho izany, dia mijoko ny hazany izy aloha vao manafika azy io; izany no tetikady ampiasainy mba hahazoana hanina. Ny liom-bavy no manao ny 90 isan-jaton’ny fihazana, nefa ny lahy goavana kokoa indray mazàna no mahazo ny ampahany lehibe indrindra, rehefa manomboka ny fihinanana. Rehefa tsy misy firy ny haza, dia mety ho noana mafy ny liona, hany ka na ny zanany naterany aza, hailiny tsy hihinana.
Ilay hazaina
Taloha ela be, ny liona heni-kaja dia nirenireny nanerana ny kontinanta manontolon’i Afrika, sy tany amin’ny faritra sasany tany Azia, Eoropa, Inde, ary Palestina. Mifaninana amin-draolombelona izy, satria mpihaza koa. Nandrahona ny biby fiompy izy, ary nandratra olona, hany ka raha vao mahita liona ny olona dia ny hitifitra azy ihany no ao an-tsainy. Nihena be ny faritra azon’ny liona onenana noho ny fitomboana haingana teo amin’ny isan’ny mponina. Any ivelan’i Afrika, dia tsy misy afa-tsy liona an-jatony vitsivitsy monja sisa any an’ala ankehitriny. Amin’izao fotoana izao, dia ao anatin’ny faritra voaro sy ny valan’ny zavamiaina any an’ala ihany ny liona no voaro amin-draolombelona.
Soa ihany fa misy fiovana miandry an’io biby mahatalanjona io. Milazalaza fotoana ho avy ny Baiboly, ka amin’izay, ny liona dia hiara-miaina amim-piadanana amin’ny olombelona. (Isaia 11:6-9). Hotanterahin’ilay Mpamorona antsika be fitiavana tsy ho ela izany. Amin’izay fotoana izay, ilay saka heni-kaja misy vombony atsy Afrika dia hiara-miaina amim-pirindrana tsara sy amim-pihavanana amin’ny zavatra noforonina hafa.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny hoe simba dia teny swahili ilazana ny “liona”.
[Efajoro, pejy 19]
Rehefa Mierona ny Liona
FANTATRA noho ny fahafahany miavaka hamoaka feo mierona mafy izay mety ho re hatrany amin’ny kilaometatra maro ny liona. “Ny feo voajanahary faran’izay mahatalanjona”, izany no niheverana ny fieron’ny liona. Rehefa somambisamby sy madiva haraina mazàna ny liona no mierona. Samy mierona na ny lahy na ny vavy, ary indraindray dia samy manandra-peo mierona ny andiany manontolo.
Milaza ireo mpahay siansa mpandinika ny liona fa misy zava-kendrena maromaro amin’ny fieron’ny liona. Hierona ny lion-dahy mba hampahafantarana ny sisin-taniny ary, ho fomba filana ady, mba hampitandremana ny lion-dahy hafa izay mety hiditra ao amin’ny faritaniny. Mety tsara ny anondroan’ny Baiboly ny mpanapaka asyrianina sy babylonianina, izay nila ady sy nieboebo, ary feno fierenana, ho “liona tanora” nierona, izay nanohitra mafy sy nandrapaka ny vahoakan’Andriamanitra. — Isaia 5:29; Jeremia 50:17.
Ny feo mierona no ahafahan’ireo anisan’ny andiany iray mamantatra ny toerana misy ny namany raha sendra tafasaraka noho ny elanelan-tany na ny haizina izy ireo. Rehefa avy nahazo haza ny liona iray, dia mierona mba hampahafantarana ny hafa ao amin’ny andiany ny toerana misy ny hanina miandry mpihinana. Miresaka momba izany ny Baiboly, ary manao izao fanamarihana izao: “Manerona ao an-davany va ny liona tanora, raha tsy mahazo zavatra?” — Amosa 3:4.
Mahagaga fa rehefa mihaza bibidia ny liona, dia tsy mierona mba hoe ho tetikady ampitahorana ilay haza. Manamarika toy izao i Richard Estes ao amin’ilay bokiny hoe The Behavior Guide to African Mammals: “Tsy misy filazana fa minia mierona ny liona mba hitarihana ny haza ho amin’ny otrika (araka ny traikefa ananako, ny haza dia tsy miraharaha ny fieron’ny liona, raha ny ara-dalàna).”
Nahoana àry ny Baiboly no manondro an’i Satana ho “liona mierona mitady izay harapany”? (1 Petera 5:8). Na dia toa tsy miraika amin’ny fieron’ny liona aza ny bibidia, dia tsy mba toy izany kosa ny olombelona sy ny biby fiompiny. Mampatahotra olona na iza na iza, izay tsy ao anaty trano mihidy, ny feo mampihorohoron’ny liona mierona, izay manako ao amin’ny haizin’ny alina. Marina izao fanamarihana natao efa ela be izao: “Ny liona no mierona, ka iza no tsy hatahotra?” — Amosa 3:8.
Hain’i Satana tokoa ny mampiasa ny tahotra mba hanosehana ny olona hanaiky azy. Soa ihany fa manana mpanampy mahery ny vahoakan’Andriamanitra. Afaka manohitra amim-pahombiazana an’io “liona mierona” mahery io izy ireo, noho ny finoana matanjaka fa hanohana azy ireo i Jehovah. Ampirisihina ny Kristianina mba ‘hanohitra [an’i Satana], ka hiorina tsara amin’ny finoana’. — 1 Petera 5:9.